LAHATSORATRA FIANARANA 36

Ento Izay Tsy Maintsy Entina, dia Alao ny Ambiny

Ento Izay Tsy Maintsy Entina, dia Alao ny Ambiny

“Andao koa isika hanala an’izay rehetra manavesatra antsika ..., ary andao isika hanohy an’ilay hazakazaka asaina ataontsika ka haharitra amin’izany.”​—HEB. 12:1.

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

HO HITANAO ATO a

1. Inona no mila ataontsika raha te ho tody eny amin’ny tsipika farany amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana isika? (Hebreo 12:1)

 AMPITOVIAN’NY Baiboly amin’ny hazakazaka ny fiainantsika Kristianina. Fiainana mandrakizay no valisoan’izay mpihazakazaka tody hatramin’ny farany. (2 Tim. 4:7, 8) Mila manezakezaka araka izay fara herintsika isika mba hihazakazahana foana, satria tena akaiky noho ny hatramin’izay ilay tsipika farany. Nahavita an’io hazakazaka ho amin’ny fiainana io ny apostoly Paoly, dia natorony hoe inona no hanampy antsika handresy koa. Nampirisihiny isika mba “hanala an’izay rehetra manavesatra antsika” sy “hanohy an’ilay hazakazaka asaina ataontsika ka haharitra amin’izany.”​—Vakio ny Hebreo 12:1.

2. Inona no dikan’ilay hoe ‘manala an’izay rehetra manavesatra’?

2 Inona no tian’i Paoly hotenenina tamin’ilay hoe ‘alao izay rehetra manavesatra’? Te hilaza ve izy hoe tsy misy na inona na inona tokony hoentin’ny Kristianina mihitsy? Tsy izany. Tiany holazaina kosa hoe mila esorintsika daholo izay manavesatra nefa tsy ilaina akory. Hanelingelina sy handreraka antsika mantsy izany. Raha te hiaritra isika, dia tsy maintsy fantarintsika izay manavesatra antsika nefa tsy ilaina akory. Esorintsika ireny satria mahatonga antsika hiadam-pamindra. Misy zavatra tsy maintsy entintsika koa anefa, ka tsy tokony halantsika. Raha ariantsika mantsy izany, dia tsy hahafeno fepetra amin’ilay hazakazaka intsony isika. (2 Tim. 2:5) Inona àry no tsy maintsy entintsika?

3. a) Inona no tsy maintsy entintsika, araka ny Galatianina 6:5? b) Inona no hodinihintsika ato, ary nahoana?

3 Vakio ny Galatianina 6:5. Niresaka zavatra tsy maintsy entintsika i Paoly. Nanoratra izy hoe ‘samy hitondra ny entany avy ny tsirairay.’ Ny andraikitsika eo anatrehan’Andriamanitra no tiany hotenenina amin’ilay hoe ‘entana’ eo. Isika ihany no tsy maintsy mitondra an’izany. Fa inona no tafiditra amin’ilay hoe ‘entantsika’, ary ahoana no hitondrantsika an’izany? Inona ny zavatra manavesatra entintsika nefa tsy ilaina akory, ary ahoana no fomba analana an’ireny? Handinika an’ireo isika ato. Rehefa entintsika mantsy ny entantsika sady esorintsika izay tsy ilaina, dia hanampy antsika izany mba hahavita an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana.

ENTANA TSY MAINTSY ENTINA

Mitondra ny entantsika isika rehefa mitana an’ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena, mamita ny adidy amin’ny fianakaviantsika, ary mizaka ny vokatry ny fanapahan-kevitsika (Fehintsoratra 4-9)

4. Nahoana no tsy enta-mavesatra ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena? (Jereo koa ny sary.)

4 Ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena. Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah isika, dia nampanantena azy hoe hanompo azy sy hanao ny sitrapony. Tsy maintsy mitana an’io voady io isika. Andraikitra lehibe izany, nefa tsy enta-mavesatra. Isika mantsy efa noforonin’i Jehovah hanao ny sitrapony. (Apok. 4:11) Nataony manana faniriana hahafantatra azy sy hanompo azy isika, ary noforoniny hitovy endrika aminy. Lasa afaka mifandray akaiky aminy àry isika, ary lasa mahafinaritra antsika ny manao ny sitrapony. (Sal. 40:8) Tsy izay ihany, fa ‘mamelombelona’ antsika ny manao ny sitrapon’Andriamanitra sy manara-dia ny Zanany.​—Mat. 11:28-30.

(Fehintsoratra 4-5)

5. Inona no hanampy anao hitana ny voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena? (1 Jaona 5:3)

5 Ahoana no itondranao an’ilay entana? Ireto misy soso-kevitra roa mety hanampy: Voalohany, ampitomboy foana ny fitiavanao an’i Jehovah. Hahavita an’izany ianao raha misaintsaina an’izay zavatra tsara efa nataony ho anao sy ny fitahiana mbola omaniny ho anao. Ho mora kokoa aminao mantsy ny hankatò an’Andriamanitra arakaraka ny itiavanao azy. (Vakio ny 1 Jaona 5:3.) Faharoa, tahafo i Jesosy. Nahavita nanao ny sitrapon’Andriamanitra izy, satria nivavaka tamin’i Jehovah mba hahazoana fanampiana sady nifantoka foana tamin’ny valisoa ho azony. (Heb. 5:7; 12:2) Manaova àry hoatran’i Jesosy. Mivavaha amin’i Jehovah mba hahazoana hery ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao foana ilay fanantenana hiaina mandrakizay. Inona no vokany rehefa mitombo ny fitiavanao an’Andriamanitra sady manahaka ny Zanany ianao? Ho vitanao ny hitana an’ilay voady nataonao tamin’ianao nanokan-tena.

6. Nahoana isika no tsy maintsy mamita ny adidintsika amin’ny fianakaviantsika? (Jereo koa ny sary.)

6 Ny adidy amin’ny fianakaviana. I Jehovah sy Jesosy no tsy maintsy tiantsika kokoa noho ny havantsika, rehefa manao an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana isika. (Mat. 10:37) Tsy midika anefa izany hoe azontsika atao an-kilabao ny adidintsika amin’ny fianakaviantsika, satria hoe izany no manakana antsika tsy hampifaly an’Andriamanitra sy Kristy. Mila mitondra ny anjara birikintsika ao amin’ny fianakaviana aza isika, raha tiantsika heken’Andriamanitra sy Kristy ny fanompoantsika. (1 Tim. 5:4, 8) Ho faly kokoa isika rehefa manao an’izany. Nataon’i Jehovah afaka ny ho sambatra ny fianakaviana rehefa mifankatia sy mifanaja ny mpivady, tia sy mampiofana ny zanany ny ray aman-dreny, ary mankatò azy ireo ny zanany.​—Efes. 5:33; 6:1, 4.

(Fehintsoratra 6-7)

7. Inona no azonao atao mba hamitanao ny andraikitrao ao amin’ny fianakaviana?

7 Ahoana no itondranao an’ilay entana? Na inona na inona andraikitrao ao amin’ny fianakaviana, dia matokia hoe mahasoa ny fahendrena ao amin’ny Baiboly fa aza entim-pihetseham-po fotsiny, na manaraka ambokony ny kolontsaina any aminareo, na mihaino ny tenin’ireny olona lazaina fa manam-pahaizana ireny. (Ohab. 24:3, 4) Ampiasao tsara ny boky sy gazetintsika. Misy torohevitra tsara momba ny fomba azo ampiharana ny torolalan’ny Baiboly mantsy ao amin’izy ireny. Jereo, ohatra, ilay andian-dahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana.” Misy fanazavana mifanaraka tsara amin’ny olana atrehin’ny mpivady, ray aman-dreny, ary tanora ao. b Miezaha ho tapa-kevitra hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly, na dia misy tsy manao an’izany aza ny fianakavianao. Handray soa ny fianakavianao amin’izay sady hotahin’i Jehovah ianao.​—1 Pet. 3:1, 2.

8. Inona no mety ho vokatry ny fanapahan-kevitsika?

8 Ny vokatry ny fanapahan-kevitra raisintsika. Nataon’i Jehovah afaka manao safidy isika, ary tiany hahay hanapa-kevitra mba handray soa. Raha mandray fanapahan-kevitra ratsy koa anefa isika, dia tsy miaro antsika amin’ny vokatr’izany izy. (Gal. 6:7, 8) Mila mizaka ny vokany àry isika raha manao safidy ratsy, tsy mieritreritra tsara rehefa miteny, ary maimaika hanao zavatra. Mety henjehin’ny eritreritsika isika arakaraka ilay zavatra nataontsika. Inona anefa no vokany rehefa fantatsika hoe tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitsika isika? Mety hahatonga antsika hibaboka ny fahotantsika izany, dia hanitsy an’izay tsy mety, ary tsy hamerina an’ilay diso intsony. Hanampy antsika hanohy an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ireo.

(Fehintsoratra 8-9)

9. Inona no afaka manampy anao raha tsy nahay nanapa-kevitra ianao? (Jereo koa ny sary.)

9 Ahoana no itondranao an’ilay entana? Ekeo ny zava-misy raha tsy afaka manova an’ilay fanapahan-kevitra ratsy ianao. Rano raraka tsy azo raofina iny! Reraka eo fotsiny ny fonao sy ny sainao raha mandany andro manamarin-tena ianao, na manamelo-tena, na manome tsiny ny hafa noho ilay fanapahan-kevitra ratsy. Aleo kosa miaiky fahadisoana, dia manao izay fara hery amin’izay azonao atao izao. Raha manamelo-tena tamin’izay ratsy vitanao ianao, dia manetre tena ka mivavaha amin’i Jehovah, ekeo ny fahadisoanao, ary angataho izy mba hamela anao. (Sal. 25:11; 51:3, 4) Mandehana koa miala tsiny amin’izay olona niharan’ilay tsy nety nataonao, ary mangataha fanampiana amin’ny anti-panahy raha ilaina. (Jak. 5:14, 15) Mianara avy amin’ny fahadisoanao, ary miezaha mba tsy hamerina an’ireny intsony. Raha manao an’izany ianao, dia matokia fa hamindra fo aminao i Jehovah ary hanome ny fanampiana ilainao.​—Sal. 103:8-13.

ZAVATRA MANAVESATRA TSY MAINTSY ‘ALANA’

10. Nahoana no hahatsiaro ho mavesatra isika raha manantena zavatra tsy hisy? (Galatianina 6:4)

10 Manantena zavatra tsy hisy. Manantena zavatra tsy hisy isika rehefa mampitaha tena amin’ny hafa. Hanavesatra antsika izany. (Vakio ny Galatianina 6:4.) Raha mampitaha tena amin’ny hafa foana isika, dia mety hialona azy na hifaninana aminy. (Gal. 5:26) Mety mba te hanatratra an’izay vitan’ny hafa isika, dia manezakezaka manao zavatra tsy haintsika na tsy mifanaraka amin’ny zavatra iainantsika. Milaza ny Baiboly hoe “marary ny fo raha ela be vao tanteraka ny zavatra antenaina”, mainka moa fa zavatra tsy hisy mihitsy no antenaintsika. Vao mainka hankarary fo izany! (Ohab. 13:12) Handany tsikelikely ny herintsika izany sady hahatonga antsika hiadam-pamindra amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana.​—Ohab. 24:10.

11. Inona no hanampy anao tsy hanantena zavatra tsy hisy?

11 Ahoana no analanao an’io enta-mavesatra io? Aza mitaky amin’ny tenanao mihoatra noho izay takin’i Jehovah. Tsy manantena mihitsy izy hoe hanome an’izay tsy anananao ianao. (2 Kor. 8:12) Matokia fa tsy mampitaha an’izay ataonao amin’ny an’ny hafa i Jehovah. (Mat. 25:20-23) Tena tiany rehefa manompo azy amin’ny fo manontolo ianao, sady tsy mivadika aminy, ary miaritra. Miezaha hanetry tena dia ekeo hoe mety ho voafetra ny azonao atao izao, noho ny taonanao na ny fahasalamanao na ny zavatra iainanao. Tokony ho vonona handa tombontsoa hoatran’i Barzilay ianao, raha sarotra aminao ny hanao an’ilay izy noho ianao efa nahazoazo taona na efa osa. (2 Sam. 19:35, 36) Manaova hoatran’i Mosesy, ka ekeo ny fanampian’ny hafa ary miezaha hizara andraikitra raha mety. (Eks. 18:21, 22) Rehefa manetry tena hoatr’izany ianao, dia tsy ho reraka mandritra an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana satria tsy hanantena zavatra tsy hisy mihitsy.

12. Tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra ratsy ataon’ny hafa ve isika? Hazavao.

12 Mahatsiaro ho tompon’andraikitra amin’ny fanapahan-kevitra ratsy nataon’ny hafa. Tsy afaka manapa-kevitra ho an’ny hafa isika, na miaro an-dry zareo amin’ny vokatry ny fanapahan-kevitra ratsy nataony. Mety hanapa-kevitra, ohatra, ny zanaka hoe tsy hanompo an’i Jehovah intsony. Tena mahavaky fo ny ray aman-dreny izany. Tsy mety anefa ny manamelo-tena noho ny fanapahan-kevitra ratsy nataon’ny ankizy, satria hanavesatra izany. Tsy tian’i Jehovah hibaby an’izany ny ray aman-dreny.​—Rom. 14:12.

13. Inona no azon’ny ray na reny atao raha nandray fanapahan-kevitra ratsy ny zanany?

13 Ahoana no analanao an’io enta-mavesatra io? Ekeo hoe nataon’i Jehovah afaka manao safidy isika rehetra. Avelany hifidy an’izay tiany hatao ny tsirairay, anisan’izany ilay hoe hanompo azy sa tsia. Fantatr’i Jehovah hoe tsy ray na reny lavorary ianao. Tiany fotsiny ianao raha mba manao izay tsara indrindra vitanao. Ny zanakao no tompon’andraikitra amin’ny safidy ataony, fa tsy ianao. (Ohab. 20:11) Mety mbola hanahy be tamin’izay tsy nety tamin’ny fomba nitaizanao ny zanakao anefa ianao. Raha izany, dia ampahafantaro an’i Jehovah izay tsapanao ary angataho izy mba hamela anao. Hainy hoe tsy afaka mamerina ny lasa ianao na manova an’izay nitranga. Tsy tiany koa anefa ianao raha miaro ny zanakao mba tsy hizaka ny vokatry ny nataony. Tadidio hoe vonona handray azy i Jehovah, raha vao miezaka hiverina aminy izy.​—Lioka 15:18-20.

14. Nahoana no enta-mavesatra tokony halantsika ilay hoe manamelo-tena be loatra?

14 Manamelo-tena be loatra. Ara-dalàna raha manamelo-tena isika rehefa manota. Tsy tian’i Jehovah hanamelo-tena be loatra anefa isika. Enta-mavesatra tokony halantsika izany. Fa ahoana no ahalalantsika hoe efa manamelo-tena be loatra isika? Raha efa niaiky ny fahotantsika isika sady nibebaka ary nanao zavatra mba tsy hamerenana an’ilay izy, dia afaka matoky isika hoe namela antsika i Jehovah. (Asa. 3:19) Raha efa nanao an’ireo isika, dia tsy tian’i Jehovah hanamelo-tena intsony. Hainy hoe raha manamelo-tena foana isika, dia hanimba antsika izany. (Sal. 31:10) Mety tsy hanohy an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana intsony mantsy isika raha difotry ny alahelo.​—2 Kor. 2:7.

Tsy mieritreritra ny fahotanao intsony i Jehovah rehefa tena nibebaka ianao, dia maninona moa ianao no mbola tokony hieritreritra an’izany? (Fehintsoratra 15)

15. Inona no hanampy anao raha manamelo-tena be loatra ianao? (1 Jaona 3:19, 20) (Jereo koa ny sary.)

15 Ahoana no analanao an’io enta-mavesatra io? Mifantoha amin’ilay “tena famelan-keloka” omen’Andriamanitra, rehefa manamelo-tena be loatra ianao. (Sal. 130:4) Mamela an’izay mibebaka amin’ny fo manontolo izy ary mampanantena hoe: “Tsy hotsaroako intsony ny fahotany.” (Jer. 31:34) Midika izany fa tsy mamoha fota-mandry i Jehovah, ka hoe hanameloka anao indray noho iny fahotanao iny. Aza mieritreritra àry hoe tsy namela anao izy matoa ianao mizaka ny vokatr’ilay fahotanao. Aza tezitra amin’ny tenanao koa satria hoe voafetra ny azonao atao amin’ny fanompoana azy izao, noho ilay fahadisoana. Tsy mieritreritra momba ny fahotanao intsony i Jehovah, dia maninona moa ianao no mbola hieritreritra an’izany?​—Vakio ny 1 Jaona 3:19, 20.

MIHAZAKAZAHA MBA HANDRESY

16. Inona no tsy maintsy fantarintsika mpihazakazaka?

16 Rehefa mihazakazaka ho amin’ny fiainana isika, dia tsy maintsy ‘mihazakazaka mba hahazoantsika loka.’ (1 Kor. 9:24) Hahavita an’izany isika, raha mahay manavaka hoe inona no tsy maintsy entintsika ary inona no tsy maintsy alantsika. Niresaka zavatra sasany tsy maintsy entintsika sy tsy maintsy esorintsika isika tato. Mbola misy ankoatra an’ireo anefa. Nilaza, ohatra, i Jesosy hoe mety “hovesaran’ny fihinanana tafahoatra sy ny fibobohan-toaka ary ny fanahiana eo amin’ny fiainana” isika. (Lioka 21:34) Afaka manampy anao ny andinin-teny hoatran’ireo mba hamantaranao hoe inona no mila ahitsinao, rehefa manao an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana.

17. Nahoana isika no afaka matoky hoe handresy amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana?

17 Afaka matoky isika hoe handresy amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana, satria isika omen’i Jehovah ny hery ilaina. (Isaia 40:29-31) Tandremo àry sao lasa miadam-pamindra! Tahafo i Paoly, ilay nanao izay fara heriny mba hahazoana ny loka natao teo anoloany. (Fil. 3:13, 14) Marina hoe tsy misy afaka manao an’ilay hazakazaka ho anao, nefa hahavita an’ilay izy hatramin’ny farany ianao rehefa ampian’i Jehovah. Afaka manampy anao hitondra ny entanao izy, ary afaka manampy anao hanala an’izay manavesatra nefa tsy ilaina akory. (Sal. 68:19) Eo anilanao i Jehovah, ka haharitra amin’ilay hazakazaka ianao sady handresy!

HIRA 65 Mandrosoa Foana!

a Hanampy antsika hamita an’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana ity lahatsoratra ity. Mpihazakazaka isika ka misy zavatra tsy maintsy entintsika. Anisan’izany ilay voady nataontsika tamin’isika nanokan-tena, ny adidy amin’ny fianakaviana, ary ny vokatry ny fanapahan-kevitra raisintsika. Tsy maintsy avelantsika kosa izay manavesatra nefa tsy ilaina, satria mety hahatonga antsika hiadam-pamindra ireny. Inona, ohatra? Hovaliantsika ato izany.

b Hahita an’ilay andian-dahatsoratra hoe “Ho An’ny Fianakaviana” ianao ao amin’ny jw.org/mg. Ireto misy lahatsoratra ho an’ny mpivady: “Miezaha Hanaja ny Vadinao”, “Mahaiza Mankasitraka”; ho an’ny ray aman-dreny: “Ampio ny Zanakao mba Hahay Hisaina Tsara Rehefa Mampiasa Telefaonina Raitra”, “Ahoana no Hiresahanao Amin’ny Zanakao?”; ary ho an’ny tanora: “Inona no Atao mba Tsy ho Voatarika Haditra?”, “Malahelo Be ve Ianao Rehefa Tsy Misy Namana?