LAHATSORATRA FIANARANA 33

Mianara avy Amin’i Daniela

Mianara avy Amin’i Daniela

“Tena sarobidy ianao.”​—DAN. 9:23.

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

HO HITANAO ATO a

1. Nahoana i Daniela mpaminany no nampiaiky ny Babylonianina?

 MBOLA tovolahy i Daniela mpaminany, tamin’izy nentin’ny Babylonianina ho babo lavitra ny tanindrazany. Toa nampiaiky an’ireo nitondra azy ho babo anefa izy. Nijery “izay hitan’ny maso” mantsy ry zareo, ka hitany hoe ‘tsy nisy tsiny sady tsara tarehy sy tsara bika’ i Daniela no taranak’olona ambony. (1 Sam. 16:7) Nampiofanin’ny Babylonianina hanompo ao an-dapa àry izy.​—Dan. 1:3, 4, 6.

2. Ahoana no fahitan’i Jehovah an’i Daniela? (Ezekiela 14:14)

2 Tian’i Jehovah koa i Daniela. Fa maninona? Noho ny bika aman’endriny na ny saranga nisy azy ve? Tsy izany, fa noho izy nisafidy hoe ho olona hoatran’ny ahoana izy. Mbola vao 20 taona teo ho eo fotsiny aza angamba i Daniela, tamin’i Jehovah nilaza hoe olo-marina hoatran’i Noa sy Joba izy. Ireo lehilahy ireo anefa efa am-polony taona no nanompo an’i Jehovah sy tsy nivadika taminy. (Gen. 5:32; 6:9, 10; Joba 42:16, 17; vakio ny Ezekiela 14:14.) Tian’i Jehovah foana i Daniela nandritra ny androm-piainany. Ela velona izy ary tena niavaka ny fiainany.​—Dan. 10:11, 19.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Handinika toetra roa nahatonga an’i Daniela ho sarobidy tamin’i Jehovah isika ato. Horesahintsika tsirairay aloha ireo toetra ireo. Hodinihintsika avy eo hoe oviana i Daniela no nampiseho an’ireo, ary inona no nanampy azy hanana an’ireo. Horesahintsika amin’ny farany kosa izay azontsika anahafana azy. Marina hoe natao ho an’ny tanora ity lahatsoratra ity, nefa afaka mianatra avy amin’i Daniela daholo isika.

MIEZAHA HO BE HERIM-PO HOATRAN’I DANIELA

4. Inona no mampiseho hoe be herim-po i Daniela?

4 Mety hatahotra ihany ny olona be herim-po, nefa tsy avelany hisakana azy tsy hanao ny tsara izany. Tovolahy tena be herim-po i Daniela. Andao isika handinika fotoana roa nampisehoany an’izany. Toa roa taona teo ho eo taorian’ny nandravan’ny Babylonianina an’i Jerosalema ny voalohany. Nanonofy momba ny sarivongana ngezabe i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona tamin’izay, ary nampiady saina azy ilay izy. Norahonany hoe hovonoina daholo ny olon-kendry, anisan’izany i Daniela, raha tsy nolazain-dry zareo hoe inona ilay nofy sy ny dikany. (Dan. 2:3-5) Nila nanao zavatra haingana àry i Daniela, satria raha tsy izany dia betsaka no ho faty. Inona no nataony? “Nankao amin’ny mpanjaka [izy] ka nangataka mba homena fotoana fanampiny, fa holazainy amin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy.” (Dan. 2:16) Nila herim-po sy finoana izany. Tsy misy porofo mantsy hoe efa nilaza ny dikan’ny nofin’olona i Daniela talohan’izay. Nasainy “nivavaka tamin’ilay Andriamanitry ny lanitra” i Sadraka sy Mesaka ary Abednego b, “mba hangataka famindram-po taminy, dia hampahafantatra azy ireo an’ilay zava-miafina.” (Dan. 2:18) Namaly ny vavak’izy ireo i Jehovah. Nampian’Andriamanitra i Daniela, ka nahavita nilaza ny dikan’ny nofin’i Nebokadnezara. Avotra àry ny ain’i Daniela sy ny namany.

5. Oviana koa i Daniela no nila nampiseho herim-po?

5 Mbola nila nampiseho herim-po i Daniela, taoriana kelin’ilay izy nilaza ny dikan’ilay nofy momba ny sarivongana ngezabe. Nanonofy indray mantsy i Nebokadnezara, dia nampiady saina azy ilay izy. Nanonofy momba ny hazo avo be izy tamin’izay. Be herim-po i Daniela ka nanazava tamin’ny mpanjaka ny dikan’ilay nofy, anisan’izany ilay hoe ho lasa adala ny mpanjaka, ka tsy hitondra mandritra ny fotoana kelikely. (Dan. 4:25) Ahoana izao raha nieritreritra ilay mpanjaka hoe te hanongam-panjakana i Daniela? Mety ho novonoiny ho faty izy. Nampiseho herim-po anefa i Daniela, dia nilaza an’ilay hafatra ihany.

6. Inona no mety ho nanampy an’i Daniela ho be herim-po?

6 Inona no mety ho nanampy an’i Daniela ho be herim-po nandritra ny androm-piainany? Azo antoka fa modely ho azy ny ray aman-dreniny tamin’izy tanora. Azo inoana hoe nankatò ny toromarik’i Jehovah ho an’ny ray aman-dreny israelita ry zareo, dia nampianariny ny Lalàn’Andriamanitra ny zanany. (Deot. 6:6-9) Tsy ny lalàna fototra hoatran’ny Didy Folo ihany no fantatr’i Daniela, fa ny tsipiriany momba an’izay azon’ny Israelita hanina sy tsy hanina koa. c (Lev. 11:4-8; Dan. 1:8, 11-13) Nianatra ny tantaran’ny vahoakan’Andriamanitra koa i Daniela, dia fantany hoe inona no nanjo an-dry zareo rehefa tsy nanaraka ny fitsipik’i Jehovah. (Dan. 9:10, 11) Ny zavatra niainany mihitsy no nahatonga azy hatoky hoe manampy azy i Jehovah sy ny anjeliny mahery.​—Dan. 2:19-24; 10:12, 18, 19.

Niezaka ho be herim-po i Daniela ka nianatra sy nivavaka ary natoky an’i Jehovah (Fehintsoratra 7)

7. Inona koa no nanampy an’i Daniela ho be herim-po? (Jereo koa ny sary.)

7 Nianatra ny asa soratry ny mpaminanin’Andriamanitra i Daniela, anisan’izany ny faminanian’i Jeremia. Lasa fantatr’i Daniela avy amin’izy ireny, tatỳ aoriana, hoe kely sisa dia ho tapitra ilay fotoana ela be nahababo ny Jiosy tany Babylona. (Dan. 9:2) Azo antoka fa vao mainka i Daniela natoky an’i Jehovah, rehefa nahita hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Mahavita mampiseho herim-po miavaka izay matoky be an’Andriamanitra hoatr’izany. (Ampitahao amin’ny Romanina 8:31, 32, 37-39.) Nivavaka matetika tamin’ilay Rainy any an-danitra koa i Daniela, ary izay no zava-dehibe indrindra. (Dan. 6:10) Niaiky ny fahotany tamin’i Jehovah izy, ary noresahiny taminy ny fihetseham-pony. Nangataka fanampiana taminy koa i Daniela. (Dan. 9:4, 5, 19) Olombelona hoatr’antsika izy, ka tsy hoe vao teraka dia efa be herim-po. Niezaka hanana an’io toetra io anefa izy, rehefa nianatra sy nivavaka ary natoky an’i Jehovah.

8. Inona no hanampy antsika ho be herim-po?

8 Ary ianao? Inona no mila ataonao mba ho herim-po? Mampirisika anao hanana an’io toetra io angamba ny ray aman-dreninao. Na be herim-po aza anefa ry zareo, dia tsy azony afindra fotsiny hoatran’ny lova izy io. Hoatran’ny mianatra zava-baovao ny miezaka ho be herim-po. Hahay tsara an’ilay izy, ohatra, ianao raha mandinika tsara ny ataon’ilay mpampianatra, dia avy eo manao hoatr’azy. Ho be herim-po koa isika, raha mandinika tsara ny fomba ampisehoan’ny hafa an’io toetra io, dia avy eo manao hoatran-dry zareo. Inona àry no ianarantsika avy amin’i Daniela? Mila mahay tsara ny Tenin’Andriamanitra isika. Tsy maintsy miezaka mifandray akaiky amin’i Jehovah koa isika, ka mamboraka aminy matetika an’izay ao am-pontsika. Tsy izay ihany, fa mila matoky azy isika, ka resy lahatra hoe manampy antsika izy. Hahavita ho be herim-po isika amin’izay, rehefa misy fitsapana.

9. Inona no soa raisintsika raha be herim-po isika?

9 Mandray soa be dia be isika rehefa be herim-po. Eritrereto i Ben. Nianatra tany Alemaina izy. Nino ny evolisiona daholo ny tao am-pianarany, sady nieritreritra hoe angano fotsiny ny tantaran’ny Baiboly momba ny famoronana. Afaka nijoro teny aloha i Ben, indray andro, dia nanazava tamin’ny iray kilasy taminy hoe nahoana izy no nino fa nisy namorona izao rehetra izao. Be herim-po erỳ izy nanazava ny zavatra inoany. Dia inona no vokany? Izao nolazain’i Ben: “Nihaino tsara ny mpampianatra anay, sady nataony kopia ilay lahatsoratra nampiasaiko hanazavana ny hevitro, dia nomeny iray avy ny ankizy.” Dia ahoana no nataon’ny mpiara-mianatra taminy? Hoy izy: “Betsaka no nihaino tsara sy nidera ahy.” Hitantsika avy amin’io tantara io hoe matetika no lasa hajain’ny hafa izay olona be herim-po. Mety hahatonga an’ireo tso-po ho te hanatona an’i Jehovah koa ny olona hoatr’izany. Tena tokony hiezaka ho be herim-po àry isika!

MANAOVA HOATRAN’I DANIELA, KA AZA MIVADIKA

10. Inona no atao hoe tsy mivadika?

10 Ny teny hebreo nadika hoe “tsy mivadika” na “tia sy tsy mivadika” ao amin’ny Baiboly, dia misy heviny hoe tena tia sy miraiki-po, ary matetika izy io no ilazana ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanompony. Io teny io koa no ampiasaina mba hilazana ny fifankatiavan’ny mpanompon’Andriamanitra. (2 Sam. 9:6, 7) Vao mainka isika mahavita tsy mivadika rehefa mandeha ny fotoana. Manamarina an’izany ny fiainan’i Daniela.

Tsy nivadika i Daniela, dia namaly soa azy i Jehovah. Naniraka anjely izy ka nanakombona ny vavan’ny liona (Fehintsoratra 11)

11. Inona no fitsapana nahazo an’i Daniela tamin’izy efa antitra? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

11 Niatrika fitsapana be dia be i Daniela nandritra ny androm-piainany, ka nila nampiseho hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah. Anisan’ny mafy indrindra anefa ilay nahazo azy tamin’izy 90 taona mahery. Efa resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona tamin’izany, dia i Dariosy Mpanjaka no nitondra. Nankahala an’i Daniela ny olona tao an-dapa sady zara raha nanaja an’ilay Andriamanitra notompoiny. Nanao tetika àry ry zareo mba hamonoana azy. Namoaka lalàna ry zareo hahitana hoe amin’ny Andriamaniny sa amin’ny mpanjaka i Daniela no tsy mivadika. Tsotra kely no nila nataon’i Daniela mba hampisehoana hoe tsy nivadika tamin’ny mpanjaka izy sady nitovy tamin’ny olon-drehetra ihany. Nila tsy nivavaka tamin’i Jehovah nandritra ny 30 andro fotsiny izy! Tsy nanaiky i Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Namaly soa azy anefa i Jehovah noho izy tsy nivadika, dia namonjy azy. (Dan. 6:12-15, 20-22) Inona no azontsika atao mba hahavita tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, hoatran’ny nataon’i Daniela?

12. Inona no nanampy an’i Daniela tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy?

12 Hahavita tsy hivadika isika rehefa tena tia, araka ny noresahintsika terỳ aloha. Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Daniela, satria tiany be io Rainy any an-danitra io. Inona no nahatonga an’i Daniela ho tia be azy hoatr’izany? Azo antoka fa nisaintsaina momba ny toetran’i Jehovah sy ny fomba nampisehoany an’ireny izy. (Dan. 9:4) Noeritreretiny koa ny zavatra tsara rehetra nataon’i Jehovah ho azy sy ny vahoakany, dia nankasitraka an’ireny izy.​—Dan. 2:20-23; 9:15, 16.

Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy ianao raha tia be azy, hoatran’ny nataon’i Daniela (Fehintsoratra 13)

13. a) Inona, ohatra, ny fitsapana mahazo ny tanorantsika? (Jereo koa ny sary.) b) Ahoana no avalinao raha misy manontany hoe manohana ny lehilahy tia lehilahy na ny vehivavy tia vehivavy ve ny Vavolombelon’i Jehovah, araka ilay video?

13 Hoatran’i Daniela koa ny tanorantsika amin’izao. Olona tsy manaja an’i Jehovah sy ny fitsipiny no manodidina an-dry zareo. Mety hankahala an’izay tsy mitovy finoana na tsy mitovy hevitra aminy ny olona hoatr’izany. Misy aza mampijalijaly an’ireny tanorantsika ireny mihitsy, mba hahatonga an-dry zareo hivadika amin’i Jehovah. Eritrereto izay nahazo an’i Gabriel d, tovolahy any Aostralia. Niatrika fitsapana mafy be izy tany amin’ny lise. Nilaza tamin’ny iray kilasy ny mpampianatra an-dry zareo hoe ahoana no hataon-dry zareo raha misy namany milaza hoe lehilahy tia lehilahy izy na vehivavy tia vehivavy. Nasain’ilay mpampianatra nijoro teo amin’ny ilany izay manaiky hoe mety ny ataon’ilay ankizy, fa teo amin’ny ilany kosa izay tsy manaiky. Izao no nolazain’i Gabriel: “Izaho sy ny Vavolombelona iray ihany no nijoro teo amin’ilay ilany tsy nanohana ny fomba fiainan’ilay ankizy.” Vao mainka nihasarotra ilay izy, ka nila nampiseho i Gabriel hoe tsy nivadika tamin’i Jehovah izy. Izao no noteneniny: “Nanesoeso anay sy nila vaniny taminay ny mpiara-mianatra taminay mandra-pahatapitr’iny adiny iray iny, ary na ny mpampianatra koa aza. Nanao izay tsara indrindra vitako aho mba hiarovana ny finoako, sady tony sy nahay nandanjalanja tsara rehefa nanao an’izany. Tsy noraharahian-dry zareo anefa ny teniko.” Inona no vokatr’iny fitsapana iny tamin’i Gabriel? Hoy izy: “Tsy tiako aloha ilay hoe nitambaran-dry zareo aho dia nesoesoiny, nefa faly be aho satria nahavita niaro ny finoako sady tsy nanaiky hivadika.” e

14. Inona, ohatra, no azontsika atao mba tsy hivadihana amin’i Jehovah mihitsy?

14 Tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy isika, hoatran’i Daniela, raha miezaka ho tena tia azy. Ahoana no hanaovana an’izany? Mila mianatra momba ny toetran’i Jehovah isika. Ianaro, ohatra, ny zavatra noforoniny. (Rom. 1:20) Raha te ho tia sy hanaja kokoa an’i Jehovah ianao, dia vakio ireo lahatsoratra fohy ao amin’ilay andian-dahatsoratra hoe “Nisy Namorona Ve?”, na jereo ny video amin’izy io. Azonao dinihina koa ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina. Mariho izay nolazain’ny anabavy tanora avy any Danemark momba an’ireo bokikely ireo. Esther no anarany. Izao no nolazainy: “Tsara be ny fomba itondrany an’ilay hevitra. Tsy milaza ireo bokikely ireo hoe izao na izao inoana, fa hazavainy fotsiny ny zava-misy, dia ianao no avelany hanapa-kevitra.” Izao koa no nolazain’i Ben, ilay voaresaka terỳ aloha: “Tena nanatanjaka finoana ilay izy. Nandresy lahatra ahy izany hoe Andriamanitra no namorona ny zava-drehetra.” Rehefa avy mianatra an’ireny ianao, dia azo inoana fa hanaiky an’ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Mendrika ny homena voninahitra sy haja ary hery ianao, Jehovah Andriamanitray ô, satria namorona ny zava-drehetra ianao.”​—Apok. 4:11. f

15. Inona koa no azontsika atao mba hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika?

15 Mbola misy azontsika atao mba ho tia be an’i Jehovah isika. Afaka mandinika tsara ny fiainan’i Jesosy Zanany isika. Nanao an’izany i Samira, anabavy tanora mipetraka any Alemaina. Izao no nolazainy: “Lasa nahafantatra kokoa an’i Jehovah aho rehefa nianatra momba an’i Jesosy.” Tsy azon’i Samira mihitsy tamin’izy mbola kely ilay hoe manana fihetseham-po i Jehovah. Azony tsara anefa ny tsapan’i Jesosy. Izao no nolazainy: “Tiako i Jesosy satria tsara fanahy izy sady tia ankizy.” Arakaraka ny nianarany momba an’i Jesosy no vao mainka nahatonga azy hahalala sy ho tia an’i Jehovah. Fa maninona? Hoy izy: “Lasa azoko tsikelikely hoe manahaka tanteraka ny Rainy i Jesosy. Mitovy be ry zareo! Tonga saina aho hoe anisan’ny antony nahatonga an’i Jehovah handefa an’i Jesosy ho etỳ an-tany izany, amin’izay isika olombelona lasa mahafantatra kokoa an’i Jehovah.” (Jaona 14:9) Raha te hifandray kokoa amin’i Jehovah àry ianao, dia maninona raha manokana fotoana hianarana zavatra betsaka momba an’i Jesosy? Raha manao an’izany ianao, dia vao mainka ho tia an’i Jehovah sady ho tapa-kevitra kokoa hoe tsy hivadika aminy.

16. Inona ny soa raisintsika rehefa tsy mivadika isika? (Salamo 18:25; Mika 6:8)

16 Matetika no lasa mpinamana tsy mifankafoy ny olona tsy mivadika. (Rota 1:14-17) Tsy izay ihany, fa afaka ny hilamin-tsaina izay tsy mivadika amin’i Jehovah. Fa maninona? Satria mampanantena i Jehovah hoe tsy hivadika amin’izay tsy mivadika aminy izy. (Vakio ny Salamo 18:25; Mika 6:8) Eritrereto ange e! Vonona hifandray akaiky amintsika ilay Mpamorona mahery indrindra. Sady rehefa manao an’izany izy, dia tsy misy afaka manimba an’izany fifandraisana izany na fitsapana, na mpanohitra, ary na fahafatesana aza. (Dan. 12:13; Lioka 20:37, 38; Rom. 8:38, 39) Tena mila manahaka an’i Daniela àry isika, dia tsy mivadika amin’i Jehovah!

MIANARA FOANA AVY AMIN’I DANIELA

17-18. Inona koa no azontsika ianarana avy amin’i Daniela?

17 Roa fotsiny tamin’ny toetran’i Daniela no nianarantsika tato, fa mbola betsaka no azontsika ianarana. Nomen’i Jehovah fahitana sy nofy, ohatra, izy, sady nataony afaka mamantatra ny dikan’ny faminaniana. Betsaka amin’ireny faminaniana ireny no efa tanteraka. Ny hafa kosa misy tsipiriany momba ny zavatra hitranga amin’ny hoavy, ary hisy vokany amin’ny olona tsirairay eto an-tany izany.

18 Handinika faminaniana roa nosoratan’i Daniela isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Hanampy antsika rehetra mantsy ireo mba handray fanapahan-kevitra tsara dieny izao, na antitra isika na tanora. Vao mainka isika ho be herim-po sy hahavita tsy hivadika rehefa mandinika an’ireo, ka ho vonona hiatrika ny fitsapana miandry antsika atsy ho atsy.

HIRA 119 Tena Ilaina ny Finoana

a Miatrika olana ny tanora manompo an’i Jehovah amin’izao, ka tsy maintsy mampiseho hoe be herim-po sy tsy mivadika amin’i Jehovah. Mety haneso an-dry zareo ny mpiara-mianatra aminy, satria ry zareo mino ny Mpamorona. Mety hambanimbanin’ny namany koa izy, satria manompo an’Andriamanitra sy manaraka ny fitsipiny. Ho hitantsika ato anefa hoe tena hendry izay be herim-po sy tsy mivadika amin’i Jehovah, hoatran’i Daniela mpaminany.

b Anarana babylonianina nomena azy telo lahy ireo.

c Ireto angamba ny antony nahatonga an’i Daniela hieritreritra hoe maloto ny sakafo babylonianina: 1) Mety ho biby tsy navelan’ny Lalàna nohanina no naroson’ny Babylonianina. (Deot. 14:7, 8) 2) Mety ho tsy nalatsa-dra tsara ilay biby. (Lev. 17:10-12) 3) Noheverina ho anisan’ny fivavahana tamin’ny andriamani-diso ny fihinanana an’ilay sakafo.​—Ampitahao amin’ny Levitikosy 7:15 sy ny 1 Korintianina 10:18, 21, 22.

d Novana ny anarana sasany.

e Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Hiadana Izay Manaraka ny Tena Fahamarinana.

f Azonao ianarana koa ilay boky hoe Manatòna An’i Jehovah, mba hampitomboana ny fitiavanao azy. Resahin’io boky io amin’ny an-tsipiriany ny toetran’i Jehovah sy ny maha izy azy.