LAHATSORATRA FIANARANA 16
Henoy sy Fantaro Izy Ireo dia Miezaha Hangoraka
“Aza mitsara ivelany intsony, fa mba mitsarà araka ny rariny.”—JAONA 7:24.
HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina
HO HITANAO ATO *
1. Inona no hevitra mampahery resahin’ny Baiboly momba an’i Jehovah?
TIANAO ve raha ny volon-koditrao, na ny paozipaozin’ny tarehinao, na ny habenao no itsaran’ny olona anao? Azo antoka fa tsia. Mampahery ny mahafantatra fa tsy mba mitsara antsika araka izay hitan’ny maso i Jehovah. Manaporofo an’izany izay nitranga tamin’izy nifidy mpanjaka ho an’ny Israely. Niteny tamin’i Samoela izy hoe ny iray amin’ny zanak’i Jese no ho mpanjaka. Iza amin’ireo anefa? Vao nahita an’i Eliaba, zanak’i Jese lahimatoa, i Samoela, dia nieritreritra hoe: ‘Ity mihitsy angamba no nofidin’i Jehovah!’ Hoatran’ny mpanjaka mihitsy mantsy no fahitany an’i Eliaba. Tsy nahita ny hitan’i Jehovah anefa i Samoela. Hoy i Jehovah taminy: “Aza mijery ny bika aman’endriny sy ny haavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy.” Inona no ianarantsika avy amin’izany? Hoy ihany i Jehovah: ‘Ny olona mijery izay hitan’ny maso, fa izaho kosa mijery ny fo.’—1 Sam. 16:1, 6, 7.
2. Tsy tokony hitsara ivelany isika, araka ny Jaona 7:24. Nahoana? Hazavao amin’ny ohatra.
2 Tsy lavorary daholo isika ka mora mitsara ivelany. (Vakio ny Jaona 7:24.) Kely ihany anefa ny zavatra ho fantatsika momba ny olona iray, raha izay hitan’ny maso fotsiny no ifantohantsika. Eritrereto fa na ny dokotera mahay sy za-draharaha aza tsy hahalala zavatra firy momba ny olona tsaboiny, raha ny ivelany fotsiny no jereny. Tsy maintsy mihaino tsara an’ilay marary izy raha te hahafantatra hoe inona avy ny soritr’aretina hita ao aminy, ahoana ny fihetseham-pony vokatr’ilay aretina, ary inona ny aretina efa nahazo azy taloha. Mety hasainy hanao radio na skanera mihitsy ilay marary mba hahitana ny ao anatin’ny vatany. Raha tsy manao an’izany ilay dokotera, dia mety tsy hifanaraka amin’ilay aretina ny fitsaboana homeny. Hoatr’izany koa isika. Tsy hahafantatra tsara an’ireo mpiara-manompo amintsika isika, raha ny ivelany fotsiny no jerentsika. Mila miezaka hahafantatra isika hoe olona hoatran’ny ahoana marina ry zareo. Marina fa tsy hahafantatra tsara ny hafa hoatran’i Jehovah isika, satria isika tsy mahafantatra ny any am-pon’ny olona. Afaka manao izay fara herintsika anefa isika mba hanahafana azy. Ahoana no hanaovana an’izany?
3. Ny tantaran’iza no hodinihintsika ato? Nahoana?
3 Ahoana no fomba itondran’i Jehovah antsika mpanompony? Mihaino antsika izy sady mihevitra an’izay zavatra niainantsika taloha sy amin’izao fotoana izao. Mangoraka antsika koa izy. Hodinihintsika ato fa nanao an’ireo izy rehefa nifandray tamin’i Jona, Elia, Hagara, ary Lota. Horesahintsika koa hoe ahoana no azontsika anahafana an’i Jehovah rehefa mifandray amin’ny mpiara-manompo.
MIHAINOA TSARA
4. Ahoana no mety ho fahitantsika an’i Jona? Nahoana?
4 Tsy mahalala ny zava-drehetra isika ka mety hitsaratsara an’i Jona. Mety hieritreritra isika hoe tsy azo itokisana izy, ary angamba aza hoe olona tsy mankatò. I Jehovah mihitsy mantsy no nandidy azy hankany Ninive mba hilaza ny didim-pitsarany, nefa nandositra “mba tsy ho eo anatrehan’i Jehovah” izy. (Jona 1:1-3) Nandeha sambo izy dia nankany amin’ny toerana nifanohitra tanteraka tamin’izay nasaina nalehany. Ahoana raha ianao no teo amin’ny toeran’i Jehovah? Mbola haniraka an’i Jona ihany ve ianao nefa efa izany no nataony? Mety tsy hanao an’izany intsony ianao. I Jehovah anefa nahita hoe mbola azony nirahina ihany izy.—Jona 3:1, 2.
5. Inona no ianarantsika momba an’i Jona rehefa jerena ny Jona 2:1, 2, 9?
5 Azo antoka fa nivavaka imbetsaka i Jona, ary ny vavaka nataony no nampiseho hoe hoatran’ny ahoana marina izy. (Jona 2:1; Vakio ny Jona 2:2, 9.) Hitantsika amin’io vavaka nataony io fa tsy hoe olona nandositra andraikitra fotsiny i Jona. Hita kosa hoe nanetry tena sy nahay nankasitraka ary tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah izy. Tsy mahagaga àry raha namaly ny vavaka nataony i Jehovah sady mbola nanaiky azy ho mpaminany, fa tsy nifantoka tamin’ny fahadisoany.
6. Nahoana no tena ilaina ny mihaino tsara?
6 Tena ilaina ny mihaino tsara ny hafa. Nahoana? Voalohany, amin’izay isika tsy ho maika hitsaratsara olona, dia tsy ho diso hevitra momba azy. Faharoa, ho fantatsika ny fihetseham-pony sy ny antony anaovany zavatra, dia ho mora kokoa amintsika ny hangoraka azy. Fahatelo, mety hanampy an’ilay olona hahafantatra bebe kokoa ny tenany isika raha mihaino azy. Tsy azon’ny olona tsara mantsy ny fihetseham-pony indraindray raha tsy rehefa resahiny. (Ohab. 20:5) Mila manetry tena sy manam-paharetana isika raha te hihaino tsara ny hafa. Hoy ny anti-panahy iray any Azia: “Diso aho indray mandeha satria tonga dia niteny fa tsy nihaino tsara. Nilaza tamin’ny anabavy iray izay aho hoe tokony hanatsara ny valin-teniny izy. Tatỳ aoriana vao fantatro fa hay izy tsy mahay mamaky teny tsara, dia efa miezaka be vao mahavita mamaly.” Tena mila mahafantatra ny zava-misy àry ny anti-panahy vao manome torohevitra.—Ohab. 18:13.
7. Inona no ianarantsika avy amin’ny nataon’i Jehovah tamin’i Elia?
7 Sarotra amin’ny rahalahy sy anabavy sasany ny mamboraka ny ao am-pony, noho ny zavatra niainany na ny kolontsainy na ny toetrany. Inona no azontsika atao mba ho mora kokoa amin’izy ireo ny hiresaka ny fihetseham-pony amintsika? Tadidio ny nataon’i Jehovah tamin’i Elia. Rehefa nandositra an’i Jezebela izy, dia tsy tonga dia noresahiny tamin’i Jehovah izay tsapany. Efa andro maro tatỳ aoriana izy vao namboraka an’izay rehetra tao am-pony tamin’ilay Rainy any an-danitra. Nihaino azy tsara anefa i Jehovah. Nampahery an’i Elia izy avy eo ary naniraka azy hanao asa lehibe. (1 Mpanj. 19:1-18) Mety ho elaela koa ny rahalahy sy anabavintsika vao hahazo aina hiresaka amintsika. Mila manam-paharetana hoatran’i Jehovah àry isika raha tiantsika hatoky antsika izy ireo. Rehefa vonona hamoaka ny ao am-pony amin’izay izy, dia tokony hihaino azy tsara isika. Tsy ho fantatsika mihitsy mantsy ny tena ao am-pony raha tsy miresaka izy.
MIEZAHA HAHAFANTATRA NY MPIARA-MANOMPO AMINAO
8. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Hagara, araka ny Genesisy 16:7-13?
8 Nanaonao foana i Hagara, mpanompovavin’i Saray, rehefa lasa vadikelin’i Abrama. Lasa nanao tsinontsinona an’i Saray izy rehefa bevohoka. I Saray mantsy tsy mba nanan-janaka. Nosazin’i Saray izy dia lasa nandositra. (Gen. 16:4-6) Tsy lavorary isika dia mety hieritreritra hoe: ‘Tsara ho azy izay! Vehivavy ratsy fanahy ange i Hagara e!’ Tsy hoatr’izany anefa no fiheveran’i Jehovah azy. Naniraka anjely ho any amin’i Hagara izy. Rehefa nahita azy ilay anjely, dia nanampy azy hanitsy ny fomba fisainany ary nitso-drano azy. Tsapan’i Hagara fa nandinika azy i Jehovah ary fantany daholo izay nanjo azy. Tena nanohina ny fony izany, ka nilaza izy hoe “Andriamanitra mahita” i Jehovah ary nahita azy.—Gen. 16:7, 8, 11-13; Vakio ny Genesisy 16:9, 10.
9. Nahoana i Jehovah no tsara fanahy tamin’i Hagara?
9 Fa inona no hitan’i Jehovah tamin’i Hagara? Fantany tsara ny zavatra niainany sy niaretany. (Ohab. 15:3) Ejipsianina izy nefa nipetraka tamina fianakaviana hebreo. Nahatsiaro ho nailikilika angamba izy indraindray. Mety ho manimanina ny fianakaviany sy ny tany niaviany koa izy. Tsy izy irery koa no vadin’i Abrama. Nanana vady maro ny lehilahy tsy nivadika sasany taloha, na dia tsy izany aza no fikasan’i Jehovah tamin’ny voalohany. (Mat. 19:4-6) Tsy mahagaga àry raha nahatonga fialonana sy fankahalana izany. Fantatr’i Jehovah fa tsy nety ny nataon’i Hagara tamin’i Saray. Tsara fanahy taminy anefa i Jehovah satria nihevitra ny fihetseham-pony sy ny zavatra niainany.
10. Inona no azontsika atao raha te hahafantatra kokoa ny mpiara-manompo isika?
10 Manahaka an’i Jehovah isika rehefa miezaka hahafantatra ny fihetseham-pon’ny mpiara-manompo sy ny antony anaovany zavatra. Miezaha àry hahafantatra tsara kokoa azy ireo. Miresaha aminy, ohatra, aloha sy aorian’ny fivoriana, na miaraha manompo aminy. Azonao asaina hisakafo koa izy raha azo atao. Ho gaga ianao rehefa manao an’izany. Mety ho hitanao, ohatra, hoe hay saro-kenatra ny anabavy iray noheverinao ho miavonavona. Mety ho hitanao koa hoe hay malala-tanana be ny rahalahy iray hoatran’ny hoe tia vola sy harena. Ary ilay fianakaviana tara matetika rehefa mivory? Hay ry zareo miaritra fanoherana mafy! (Joba 6:29) Marina aloha fa tsy tokony ‘hitsabaka amin’ny fiainan’ny olona’ isika. (1 Tim. 5:13) Tsara anefa ny miezaka hahafantatra an’ireo rahalahy sy anabavy sy ny zavatra niainany. Ho azontsika amin’izay hoe inona no namolavola ny toetran’izy ireo.
11. Nahoana ny anti-panahy no tena mila mahafantatra tsara ny ondry?
11 Ny anti-panahy no tena mila mahafantatra tsara an’ireo rahalahy sy anabavy karakarainy. Nanao an’izany ny mpiandraikitra ny faritra antsoina hoe Artur. Nisy anabavy iray hoatran’ny hoe saro-kenatra sy tia mitokantokana, dia nandeha nitsidika azy i Artur sy ny anti-panahy iray. Hoy i Artur: “Rehefa niresaka taminy izahay, dia lasa fantatray hoe hay maty ny vadiny taona vitsivitsy taorian’ny fanambadian’izy ireo. Tsy mora ny nahazo azy nefa nahavita nitaiza tsara ny zanany roa vavy izy, dia lasa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika izy ireo. Lasa tsy nahita tsara intsony koa ilay anabavy, ary kivy be foana. Mbola tia be an’i Jehovah anefa izy sady tena matoky azy. Hitanay hoe betsaka ny zavatra azonay nianarana taminy.” (Fil. 2:3) Nanahaka an’i Jehovah io mpiandraikitra ny faritra io. Mahafantatra tsara ny ondriny sy ny fijalian’izy ireo mantsy i Jehovah. (Eks. 3:7) Vao mainka hahavita hanampy tsara ny ondry ny anti-panahy rehefa mahafantatra tsara azy ireo.
12. Inona no vokany rehefa niezaka hahafantatra ny mpiara-manompo taminy ny anabavy iray?
12 Ahoana raha misy mpiara-manompo manorisory anao? Azo inoana fa hangoraka azy ianao raha miezaka hahafantatra azy. Izany no nataon’ny anabavy iray any Azia. Hoy izy: “Niteny mafy be foana ny rahavavy iray tao amin’ny fiangonanay. Nieritreritra aho hoe tsy mahalala fomba izy. Rehefa niara-nanompo anefa izahay, dia noresahiny tamiko hoe nanampy ny dada sy mamany hivarotra trondro teny an-tsena izy taloha. Tsy maintsy niteny mafy izy rehefa niantsoantso ny mpividy.” Nilaza koa ilay anabavy hoe: “Hitako tamin’izay fa raha tiako ho azo hoe maninona ny mpiara-manompo no manao zavatra sasany, dia mila mahafantatra ny zavatra niainany aho.” Tsy mora ny miezaka hahafantatra tsara kokoa an’ireo rahalahy sy anabavy. Manahaka an’i Jehovah anefa isika rehefa miezaka manalalaka ny fontsika. Izy mantsy tia “ny karazan’olona rehetra.”—1 Tim. 2:3, 4; 2 Kor. 6:11-13.
MIEZAHA HANGORAKA
13. Araka ny Genesisy 19:15, 16, inona no nataon’ireo anjely rehefa nitaredretra i Lota? Nahoana?
13 Nomen’i Jehovah toromarika niankinan’ny aina i Lota, nefa tsy tonga dia nankatò. Nisy anjely roa tonga tao aminy, dia niteny taminy mba hitondra ny fianakaviany hiala tao Sodoma. Nahoana? Hoy izy ireo: “Handrava ity toerana ity izahay.” (Gen. 19:12, 13) Mbola tao an-trano ihany anefa ry Lota mianakavy ny ampitso maraina. Nampitandrina an’i Lota indray àry ireo anjely. “Mbola nitaredretra” anefa izy. Hoatran’ny hoe tsy rototra angamba no fahitantsika an’i Lota, na koa hoe tsy nankatò. Niezaka hamonjy azy foana anefa i Jehovah. “Noho ny fangoraham-pon’i Jehovah taminy”, dia nitantana azy mianakavy ireo anjely ary nanatitra azy ireo tany ivelan’ny tanàna.—Vakio ny Genesisy 19:15, 16.
14. Inona no mety ho nahatonga an’i Jehovah hangoraka an’i Lota?
14 Mety ho nisy antony maromaro nahatonga an’i Jehovah hangoraka an’i Lota. Natahotra ny olona tany ivelan’ny tanàna angamba i Lota, dia izay no nahatonga azy tsy tonga dia niala tao an-tranony. Nisy toerana nampidi-doza koa tany. Nisy lavaka feno godorao mantsy tao amin’ny lohasaha tsy lavitra teo, ary azo inoana fa fantany hoe nisy mpanjaka roa latsaka tao. (Gen. 14:8-12) Mety ho nanahy momba ny fianakaviany àry izy, satria nanam-bady aman-janaka. Izy koa nanan-karena be, dia mety ho nanana trano tsara tarehy tao Sodoma. (Gen. 13:5, 6) Marina fa tokony ho tonga dia nankatò an’i Jehovah i Lota na teo aza ireo rehetra ireo. Tsy nifantoka tamin’ny fahadisoany anefa i Jehovah fa nihevitra azy ho “olo-marina.”—2 Pet. 2:7, 8.
15. Inona no tokony hataontsika?
15 Aleo miezaka mafy hahazo ny fihetseham-pon’ny hafa toy izay mitsaratsara azy amin’izay ataony. Niezaka nanao an’izany i Veronica, anabavy any Eoropa. Hoy izy: “Hoatran’ny konjokonjo lava ny rahavavy iray izay. Tia mitokantokana izy, dia indraindray aho natahotra hanatona azy. Nieritreritra anefa aho hoe: ‘Raha izaho no hoatr’azy, dia tiako aho raha mba mana-namana.’ Dia nanapa-kevitra ny hanontany azy aho hoe manao ahoana izy. Nanomboka niresaka izy, dia nilaza ny tao am-pony ihany tamin’ny farany! Lasa azoko kokoa izao hoe hoatran’ny ahoana marina izy.”
16. Nahoana isika no tokony hangataka amin’i Jehovah mba hanampy antsika hahay hangoraka?
16 I Jehovah irery no tena mahazo tsara an’izay tsapantsika. (Ohab. 15:11) Angataho àry izy mba hanampy anao hahita an’izay hitany ao amin’ny olon-kafa. Asaivo atorony anao koa ny fomba hampisehoana hoe mangoraka azy ireny ianao. Nanampy an’i Anzhela mba hahay hangoraka kokoa ny vavaka. Lasa nanahirana azy mantsy ny nifandray tamin’ny rahavavy iray tao amin’ny fiangonany. Hoy izy: “Mety ho nanakiana azy aho raha tsy nitandrina. Efa saika tsy hifandray taminy intsony aho! Nangataka tamin’i Jehovah anefa aho mba hanampy ahy hangoraka.” Namaly ny vavaka nataony ve i Jehovah? Hoy i Anzhela: “Niara-nanompo izahay roa, dia niresaka ela be avy eo. Nihaino azy aho sady nangoraka azy. Lasa tiako kokoa izy izao dia tapa-kevitra hanampy azy aho.”
17. Inona no ezaka tokony hataontsika?
17 Tsy afaka mifidy isika hoe iza amin’ny rahalahy sy anabavintsika no mendrika ny hotiavina sy hanehoana fangorahana. Miatrika olana daholo mantsy izy rehetra, hoatran’i Jona, Elia, Hagara, ary Lota. Marina fa ry zareo ihany no mahatonga ny olana mahazo azy indraindray. Tadidio anefa hoe efa mba hoatr’izany ihany isika rehetra. Rariny àry raha asain’i Jehovah miara-ory amin’ny hafa isika. (1 Pet. 3:8) Raha manao an’izany isika, dia vao mainka hiray saina ny fianakavian’ny mpirahalahy maneran-tany, na dia samihafa aza ny olona anisan’izy io. Miezaha àry hihaino sy hahafantatra ny mpiara-manompo ary hangoraka azy ireo.
HIRA 87 Andao Haka Fampaherezana
^ feh. 5 Tsy lavorary isika dia mora mitsaratsara olona. Tsy hoatr’izany anefa i Jehovah fa mijery ny any am-po. (1 Sam. 16:7) Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity fa tena be fitiavana izy rehefa nifandray tamin’i Jona, Elia, Hagara, ary Lota. Hanampy antsika izany mba hanahaka azy rehefa mifandray amin’ny rahalahy sy anabavy.
^ feh. 52 SARY: Rahalahy be taona any am-pivoriana. Sorena izy mahita rahalahy tanora iray tara. Fantany anefa avy eo hoe hay nisy nandona ny fiaran’ilay rahalahy, dia izay no nahatara azy.
^ feh. 54 SARY: Mieritreritra ny mpiandraikitra ny andia-mpitory iray fa tia mitokantokana sy miavonavona ny anabavy iray. Fantany anefa tatỳ aoriana hoe hay izy saro-kenatra fotsiny, dia tsy mahazo aina rehefa tafaraka amin’ny olona tsy fantany tsara.
^ feh. 56 SARY: Rehefa nihaona voalohany tany amin’ny Efitrano Fanjakana ny anabavy roa, dia nihevitra ilay anabavy iray hoe konjokonjo sy tsy miraharaha ny hafa ilay iray. Tsy arakaraka izany anefa no fahitany azy rehefa niezaka hahafantatra azy izy.