LAHATSORATRA FIANARANA 5

“I Kristy no Lohan’ny Lehilahy Rehetra”

“I Kristy no Lohan’ny Lehilahy Rehetra”

“I Kristy no lohan’ny lehilahy rehetra.”​—1 KOR. 11:3.

HIRA 12 Jehovah Tompo, Ilay Avo Indrindra

HO HITANAO ATO *

1. Miankina amin’ny inona indraindray ny fomba itondran’ny lehilahy ny vady aman-janany?

AHOANA no fahazoanao an’izany hoe “manana fahefana” izany, ohatra hoe loham-pianakaviana? Manaraka ny kolontsainy na ny fanao tao amin’ny fianakaviany ihany ny lehilahy sasany, eo amin’ny fomba fitondrany ny vady aman-janany. Izao no nolazain’i Yanita, anabavy any Eoropa: “Mieritreritra ny olona atỳ aminay hoe ambany noho ny lehilahy ny vehivavy, dia tokony hatao hoatran’ny mpiasa.” Izao koa no nolazain’i Luke, rahalahy any Etazonia: “Ampianarin’ny lehilahy sasany ny zanany lahy hoe tsy zava-dehibe mihitsy ny hevitry ny vehivavy, dia tsy tokony horaharahiana.” Tsy hoatr’izany anefa no tian’i Jehovah hataon’ny lehilahy amin’ny vadiny. (Ampitahao amin’ny Marka 7:13.) Tokony hianatra hitondra tsara ny ankohonany àry ny lehilahy. Ahoana no hanaovany an’izany?

2. Inona no tokony ho fantatry ny loham-pianakaviana, ary nahoana?

2 Raha te hahay hitondra tsara ny ankohonany ny lehilahy, dia mila mahazo tsara an’izay takin’i Jehovah aminy izy aloha. Tokony ho azony koa hoe fa maninona i Jehovah no nanome fahefana ny olona sasany, ary ahoana no azony anahafana an’i Jehovah sy Jesosy. Tokony hahafantatra tsara an’ireo izy, satria nomen’i Jehovah fahefana ary tiany hampihatra tsara an’izany.​—Lioka 12:48b.

AHOANA NO FOMBA NANDAMINAN’I JEHOVAH NY FIANAKAVIANY ANY AN-DANITRA SY ETO AN-TANY?

3. Ahoana no fomba nandaminan’i Jehovah ny fianakaviany any an-danitra sy eto an-tany, araka ny 1 Korintianina 11:3?

3 Vakio ny 1 Korintianina 11:3. Resahina ao amin’io andinin-teny io ny fomba nandaminan’i Jehovah ny fianakaviany any an-danitra sy eto an-tany. Izy no Lohan’ilay fianakaviana, izany hoe izy no manana ny fahefana fara tampony. (Efes. 3:14, 15) Mizara fahefana amin’ny hafa anefa izy, ary raisiny ho tompon’andraikitra amin’izay fomba ampiasany an’izany fahefana izany izy ireo. (Rom. 14:10) Nomen’i Jehovah fahefana amin’ny fiangonana, ohatra, i Jesosy. (1 Kor. 15:27) Tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah amin’izay fomba itondrany antsika àry izy. Nomen’i Jehovah fahefana amin’ny vady aman-janany koa ny lehilahy, ary tompon’andraikitra eo anatrehan’i Jehovah sy Jesosy amin’ny fomba itondrany ny ankohonany.​—1 Pet. 3:7.

4. Inona no fahefana ananan’i Jehovah sy Jesosy?

4 I Jehovah no Lohan’ny fianakaviany any an-danitra sy eto an-tany, ka manana fahefana hametraka fitsipika ho an’ny zanany izy. Manana fahefana hanitsy an’izay mandika an’ireny fitsipika ireny izy. (Isaia 33:22) Manana zo hametraka fitsipika sy hanitsy an’izay tsy mankatò an’izany koa i Jesosy, satria izy no lohan’ny fiangonana.​—Gal. 6:2; Kol. 1:18-20.

5. Inona no fahefana ananan’ny loham-pianakaviana? Inona no manaporofo hoe voafetra izany?

5 Manana fahefana handray fanapahan-kevitra ho an’ny fianakaviany koa ny loham-pianakaviana, hoatran’i Jehovah sy Jesosy ihany. (Rom. 7:2; Efes. 6:4) Misy fetrany anefa ny fahefany. Tokony hifanaraka amin’ny toro lalana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ohatra, ny fitsipika apetrany. (Ohab. 3:5, 6) Tsy manana zo hametraka fitsipika ho an’ny olon-kafa tsy anisan’ny ankohonany koa izy. (Rom. 14:4) Ankoatra izany, dia tsy manana fahefana amin’ny zanany intsony izy raha efa lehibe ry zareo ka niala ny trano. (Mat. 19:5) Mbola manaja azy foana anefa ry zareo.

NAHOANA I JEHOVAH NO NANOME FAHEFANA NY OLONA SASANY?

6. Nahoana i Jehovah no nanome fahefana ny olon-kafa?

6 Nomen’i Jehovah fahefana ny olona sasany satria tena tiany ny fianakaviany. Fanomezana ho antsika rehetra izany, raha ny marina. Lasa milamina sy mirindra tsara ny fianakaviany vokatr’izany. (1 Kor. 14:33, 40) Raha tsy mazava tsara mantsy hoe iza no manana fahefana, dia hikorontana ny fianakavian’i Jehovah ary tsy ho sambatra. Tsy ho fantatra, ohatra, hoe iza no tokony handray fanapahan-kevitra farany. Tsy ho fantatra koa hoe iza no tokony hanatanteraka an’ilay fanapahan-kevitra.

7. Tian’i Jehovah hanjakazaka amin’ny vehivavy ve ny lehilahy, rehefa jerena ny Efesianina 5:25, 28?

7 Hitantsika teo fa matoa i Jehovah nanome fahefana ny loham-pianakaviana, dia satria tiany handray soa avy amin’izany isika. Fa maninona àry no be dia be ny vehivavy mahatsapa hoe fehifehezin’ny vadiny sy ampijaliny? Satria be dia be ny lehilahy tsy miraharaha ny fitsipik’i Jehovah ho an’ny fianakaviana. Aleony manaraka ny fomba amam-panao sy ny kolontsaina eo an-toerana. Mety hoe noho ry zareo tia tena koa no mahatonga an’izany. Misy, ohatra, manjakazaka amin’ny vadiny satria te hahatsapa izy hoe misy vidiny kokoa, na te hampiseho amin’ny olon-kafa hoe hoatran’izany ny “tena lehilahy.” Mieritreritra angamba izy hoe tsy afaka manery ny vadiny ho tia azy, fa afaka mampahatahotra azy. Dia izany tahotra izany no hararaotiny mba hifehezana ny vadiny. * Diso be ny lehilahy manana toe-tsaina hoatr’izany sy manao an’ireo zavatra ireo. Tsy manaja vehivavy izy ary mifanohitra tanteraka amin’izay tian’i Jehovah no ataony.​—Vakio ny Efesianina 5:25, 28.

INONA NO HANAMPY NY LEHILAHY HITONDRA TSARA NY ANKOHONANY?

8. Inona no hanampy ny lehilahy hitondra tsara ny ankohonany?

8 Ho afaka hitondra tsara ny ankohonany ny lehilahy, raha manahaka an’i Jehovah sy Jesosy rehefa mampihatra ny fahefany. Handinika toetra roa nasehon’i Jehovah sy Jesosy isika izao. Horesahintsika koa hoe ahoana no azon’ny loham-pianakaviana ampisehoana an’ireo toetra ireo rehefa mifandray amin’ny vady aman-janany.

9. Inona no porofo fa manetry tena i Jehovah?

9 Fanetren-tena. Tsy misy hendry noho i Jehovah, nefa izy mihaino ny mpanompony rehefa milaza ny heviny ry zareo. (Gen. 18:23, 24, 32) Avelany hanome soso-kevitra azy ny olona eo ambany fahefany. (1 Mpanj. 22:19-22) Lavorary i Jehovah nefa tsy manantena hoe ho lavorary isika amin’izao. Manampy ny olombelona tsy lavorary kosa izy mba hahavita hanompo azy tsara. (Sal. 113:6, 7) Milaza mihitsy aza ny Baiboly hoe “mpanampy” izy. (Heb. 13:6; Sal. 27:9) Niaiky i Davida Mpanjaka fa tsy ho nahavita ny asa miavaka nasaina nataony izy, raha tsy nanetry tena sy nanampy azy i Jehovah.​—2 Sam. 22:36.

10. Inona no porofo fa manetry tena i Jesosy?

10 Manetry tena koa i Jesosy. Na dia Tompo aza izy, dia nanasa ny tongotry ny mpianany. Fa maninona io fitantarana io no nampanoratin’i Jehovah tao amin’ny Baiboly? Satria tiany hanahaka ny modely navelan’i Jesosy isika rehetra, anisan’izany ny loham-pianakaviana. Hoy i Jesosy: “Modely no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo.” (Jaona 13:12-17) Nanana fahefana be izy nefa tsy nanantena hoe hotompoina. Izy aza no nanompo ny hafa.​—Mat. 20:28.

Ho hita hoe manetry tena sy be fitiavana ny loham-pianakaviana, raha manao raharaha izy ao an-trano sady manampy ny fianakaviany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah (Fehintsoratra 11, 13)

11. Ahoana no hampisehoan’ny loham-pianakaviana hoe manetry tena hoatran’i Jehovah sy Jesosy izy?

11 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Betsaka no azon’ny loham-pianakaviana atao mba hampisehoana hoe manetry tena izy. Tsy manantena izy, ohatra, hoe ho lavorary ny vady aman-janany. Mihaino ny hevitr’izy ireo koa izy, na dia mifanohitra amin’ny heviny aza izany. Izao no nolazain’i Marley, anabavy any Etazonia: “Tsy mitovy hevitra izahay mivady indraindray. Fantatro anefa hoe tia sy manaja ahy izy satria manontany ny hevitro sady mandinika tsara an’izany, izay vao manapa-kevitra.” Vonona hanao raharaha koa ny lehilahy manetry tena, na dia mihevitra aza ny mpiara-monina aminy hoe asam-behivavy izany. Mety hanahirana an’ilay lehilahy izany. Fa maninona? Hoy i Rachel: “Raha misy lehilahy manampy ny vadiny manasa vilia na manadio trano, dia mety hieritreritra ny manodidina azy sy ny havany hoe entin’ny vadiny amin’ny sangany izy. Lazain-dry zareo fa tsy tena lehilahy izy. Hoatr’izany ny kolontsaina any aminay.” Raha hoatr’izany koa ny fomba fihevitry ny ankamaroan’ny olona any aminareo, dia tadidio fa na i Jesosy aza nanasa ny tongotry ny mpianany nefa asana andevo izany. Tsy matin-kenamaso ny lehilahy mitondra tsara ny ankohonany, fa mihevitra an’izay hahasambatra ny vady aman-janany. Ankoatra ny fanetren-tena, inona ny toetra tena ilain’ny lehilahy raha te hitondra tsara ny fianakaviany izy?

12. Inona no ataon’i Jehovah sy Jesosy noho ry zareo tia antsika?

12 Fitiavana. Ny fitiavana foana no mahatonga an’i Jehovah hanao zavatra. (1 Jaona 4:7, 8) Noho izy tia antsika, ohatra, dia omeny ny Teniny sy ny fandaminany isika mba hanampiana antsika hifandray tsara aminy. Mampahery antsika koa izy satria manome toky hoe tena tiany isika. Tsy vitan’izany fa mikarakara an’izay ilaintsika eo amin’ny fiainana i Jehovah. Manome antsika zavatra be dia be izy “mba hifaliantsika.” (1 Tim. 6:17) Ahitsiny isika rehefa manao ny tsy mety nefa mbola tiany foana. Mbola ny fitiavany antsika koa no nahatonga azy hanome ny vidim-panavotana. I Jesosy koa tena tia antsika ka nanome ny ainy ho antsika. (Jaona 3:16; 15:13) Tsy misy mahasakana an’i Jehovah sy Jesosy tsy ho tia an’izay tsy mivadika aminy.​—Jaona 13:1; Rom. 8:35, 38, 39.

13. Fa maninona no tena tokony hampiseho fitiavana ny loham-pianakaviana? (Jereo koa ilay hoe “ Ho An’ny Lehilahy vao Nanorina Tokantrano.”)

13 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Na inona na inona ataon’ny loham-pianakaviana, dia fitiavana foana no tokony hahatonga azy hanao an’izany. Fa maninona izany no tena zava-dehibe? Hoy ny apostoly Jaona: “Izay tsy tia ny rahalahiny [na ny ankohonany] izay hitany, dia tsy afaka ny ho tia an’Andriamanitra izay tsy hitany.” (1 Jaona 4:11, 20) Ahoana àry no tokony hataon’ny lehilahy raha tiany ny vady aman-janany, ary te hanahaka an’i Jehovah sy Jesosy izy? Tokony hanampy ny fianakaviany mba hifandray tsara amin’i Jehovah izy, sady hampahery sy hamelona an-dry zareo. (1 Tim. 5:8) Mila mampiofana sy manitsy ny zanany koa izy. Tsy vitan’izany fa mila manohy mianatra manapa-kevitra izy, amin’izay i Jehovah hahazo voninahitra ary handray soa ny fianakaviany. Handinika an’ireo isika izao, ary hijery izay azon’ny loham-pianakaviana atao raha te hanahaka an’i Jehovah sy Jesosy izy.

INONA NO ANDRAIKITRY NY LOHAM-PIANAKAVIANA?

14. Inona no tokony hataon’ny loham-pianakaviana mba hifandray akaiky amin’i Jehovah ny ankohonany?

14 Manampy ny ankohonany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah izy. Nanahaka ny Rainy i Jesosy ka niezaka foana mba hanampy ny mpanara-dia azy hanana finoana matanjaka. (Mat. 5:3, 6; Mar. 6:34) Manampy ny ankohonany mba hifandray akaiky amin’i Jehovah koa ny loham-pianakaviana. Io no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy. (Deot. 6:6-9) Ahoana no hanaovany an’izany? Hampiany ny vady aman-janany mba hianatra sy hamaky ny Tenin’Andriamanitra, hanatrika fivoriana, hitory ny vaovao tsara, ary hinamana amin’i Jehovah foana.

15. Inona no azon’ny loham-pianakaviana atao mba hampaherezana ny vady aman-janany?

15 Mampahery ny fianakaviany izy. Nampiseho fitiavana an’i Jesosy i Jehovah ary nanao an’izany teny imason’olona. (Mat. 3:17) Nampiseho fitiavana ny mpanara-dia azy koa i Jesosy tamin’izay nolazainy sy nataony. Namaly fitia azy ry zareo avy eo. (Jaona 15:9, 12, 13; 21:16) Hoatr’izany no ataon’ny loham-pianakaviana. Asehony amin’ny ataony hoe tiany ny vady aman-janany. Miara-mianatra Baiboly amin-dry zareo, ohatra, izy. Tokony hilaza amin-dry zareo koa anefa izy hoe tiany sy sarobidy aminy ry zareo. Tokony hidera azy ireo eny imason’olona izy, rehefa mety izany.​—Ohab. 31:28, 29.

Tsy maintsy mamelona ny vady aman-janany ny loham-pianakaviana raha te hampifaly an’i Jehovah (Fehintsoratra 16)

16. Inona koa no andraikitry ny loham-pianakaviana? Inona no hanampy azy hahay handanjalanja?

16 Mamelona ny fianakaviany izy. Nanome an’izay nilain’ny Israelita i Jehovah, na dia rehefa nosaziny aza ry zareo satria tsy nankatò azy. (Deot. 2:7; 29:5) Manome an’izay tena ilaintsika koa izy amin’izao. (Mat. 6:31-33; 7:11) Hoatr’izany koa no nataon’i Jesosy tamin’ny olona nanaraka azy. Nanome sakafo an-dry zareo izy ary nikarakara ny fahasalamany. (Mat. 4:24; 14:17-20) Raha te hampifaly an’i Jehovah àry ny loham-pianakaviana, dia tsy maintsy mamelona ny vady aman-janany. Mila mahay mandanjalanja foana anefa izy. Tsy mety raha variana loatra amin’ny asany izy, ka tsy mahavita manampy ny fianakaviany hifandray tsara amin’i Jehovah sady tsy mahavita mampahery an-dry zareo.

17. Inona no modely omen’i Jehovah sy Jesosy antsika?

17 Mampianatra sy manitsy ny ankohonany izy. Mampianatra sy manitsy antsika i Jehovah, ary izay tena hahasoa antsika no tadiaviny amin’izany. (Heb. 12:7-9) Manahaka ny Rainy i Jesosy ka mampianatra ny olona eo ambany fahefany sady manao an’izany amim-pitiavana. (Jaona 15:14, 15) Hentitra izy nefa tsara fanahy. (Mat. 20:24-28) Fantany hoe tsy lavorary isika dia mora manao fahadisoana.​—Mat. 26:41.

18. Inona no tokony hotadidin’ny lehilahy raha te hitondra tsara ny ankohonany izy?

18 Manahaka an’i Jehovah sy Jesosy ny loham-pianakaviana, ka mitadidy hoe tsy lavorary ny ankohonany. Tsy ho “tezitra mafy” amin’ny vadiny na ny zanany izy. (Kol. 3:19) Hampihatra ny Galatianina 6:1 kosa izy, ka hiezaka hanitsy azy ireo “amim-pahalemem-panahy.” Fantany mantsy hoe tsy lavorary koa izy. Hanahaka an’i Jesosy izy ka hiezaka ho modely, satria izany no fomba tsara indrindra ampianarana ny fianakaviany.​—1 Pet. 2:21.

19-20. Ahoana no azon’ny loham-pianakaviana anahafana an’i Jehovah sy Jesosy rehefa manapa-kevitra?

19 Tsy tia tena izy rehefa manapa-kevitra. Mitady izay hahasoa ny hafa i Jehovah rehefa manapa-kevitra. Inona, ohatra, no nahatonga azy hamorona ny zavamananaina? Tsy hoe nitady izay hahasoa azy izy, fa tiany hankafy fiainana isika. Ankoatra izany, dia tsy nisy nanery azy handefa ny Zanany mba hanavotana antsika amin’ny fahotantsika. Nanao an’izany sorona izany an-tsitrapo izy satria te hanampy antsika. Nitady izay hahasoa ny hafa foana koa i Jesosy rehefa nanapa-kevitra. (Rom. 15:3) Nisy fotoana, ohatra, izy tokony haka aina nefa naleony nampianatra ny vahoaka tonga teo aminy.​—Mar. 6:31-34.

20 Tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra tsara ho an’ny vady aman-janany ny loham-pianakaviana, ary izany no anisan’ny andraikiny sarotra indrindra. Mahafantatra tsara an’izany ny lehilahy manambady ary tsy manamaivana an’izany. Tsy manapa-kevitra befahatany fotsiny izy na entin’ny fihetseham-po. Avelany hanoro hevitra azy kosa i Jehovah. * (Ohab. 2:6, 7) Hitady izay hahasoa ny ankohonany izy amin’izay fa tsy izay hahasoa ny tenany.​—Fil. 2:4.

21. Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Tian’i Jehovah hahavita hitondra tsara ny ankohonany ny loham-pianakaviana. Tsy mora izany nefa ho vitany raha miezaka mafy izy mba hanahaka an’i Jehovah sy Jesosy. Raha manao tsara ny andraikiny koa ny vadiny, dia ho sambatra ny tokantranon-dry zareo. Ahoana anefa no tokony hiheveran’ny vehivavy ny fahefan’ny vadiny? Inona ny zava-tsarotra mety hatrehin’ny vehivavy manambady? Hamaly an’ireo ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 16 Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

^ feh. 5 Rehefa manambady ny lehilahy iray, dia izy no lohan’ilay fianakaviana vao niforona. Horesahintsika ato hoe inona no fahefana nomen’i Jehovah ny olon-kafa, fa maninona izy no nanome an’izany, ary inona no azon’ny lehilahy ianarana avy amin’i Jehovah sy Jesosy. Hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe inona no azon’ny mpivady ianarana avy amin’i Jesosy sy ny olon-kafa resahina ao amin’ny Baiboly. Ao amin’ny lahatsoratra fahatelo kosa isika hiresaka hoe ahoana no tokony hampiharan’ny rahalahy ny fahefany ao amin’ny fiangonana.

^ feh. 7 Hita amin’ny filma sy ny tantara an-tsehatra ary ny boky misy tantara mampihomehy sasany hoe tsy mampaninona ny mampijaly vady, na mikasi-tanana azy mihitsy aza. Izany angamba no mahatonga ny olona hieritreritra hoe tsy maninona na manjakazaka amin’ny vadiny aza ny lehilahy.

^ feh. 20 Mety hanampy anao hahay hanapa-kevitra ilay lahatsoratra hoe “Omeo Voninahitra i Jehovah Rehefa Manapa-kevitra Ianao”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 2011, pejy 13-17.