LAHATSORATRA FIANARANA 8
Inona no Hanampy Anao ho Faly Foana na dia Miatrika ny Mafy Aza?
“Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany.”—JAK. 1:2.
HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika
HO HITANAO ATO *
1-2. Araka ny Matio 5:11, ahoana no tokony ho fahitantsika ny olana mahazo antsika?
NAMPANANTENA ny mpanara-dia azy i Jesosy fa tena ho sambatra ry zareo. Marina izany satria tena sambatra isika hoe mpianatr’i Kristy. Nampitandrina koa anefa izy fa hiatrika fitsapana izay tia azy. (Mat. 10:22, 23; Lioka 6:20-23) Ahoana, ohatra, raha manohitra ny fianakaviantsika, na enjehin’ny fanjakana isika, na teren’ny mpiara-mianatra sy mpiara-miasa hanao ratsy? Ara-dalàna raha miady saina isika rehefa mieritreritra momba an’ireo.
2 Tsy mahafaly mihitsy izany enjehina izany, raha ny ankamaroan’ny olona no anontaniana. Mampirisika antsika anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe tokony ho faly isika rehefa enjehina. Niresaka momba an’izany i Jakoba, mpianatr’i Jesosy. Nilaza izy hoe rehefa miatrika fitsapana isika, dia tokony ho faly fa tsy ho kivy be. (Jak. 1:2, 12) Nilaza koa i Jesosy hoe tokony hahatsiaro ho sambatra isika na dia rehefa enjehina aza. (Vakio ny Matio 5:11.) Inona àry no azontsika atao raha te ho faly foana isika na dia miatrika olana aza? Manampy antsika amin’izany ny taratasy nosoratan’i Jakoba ho an’ny Kristianina voalohany. Andao anefa aloha hojerentsika hoe inona ny olana sasany natrehin’ireny Kristianina ireny.
INONA NY OLANA NATREHIN’NY KRISTIANINA VOALOHANY?
3. Inona no nitranga taoriana kelin’i Jakoba lasa mpianatr’i Jesosy?
3 Nenjehina ny Kristianina tany Jerosalema, taoriana kelin’i Jakoba lasa mpianatr’i Jesosy. (Asa. 1:14; 5:17, 18) Kristianina maro koa no nandositra tatỳ aoriana, rehefa novonoina i Stefana mpianatr’i Jesosy. “Niparitaka nanerana ny faritr’i Jodia sy Samaria” izy ireny avy eo, dia tonga hatrany Sipra sy Antiokia mihitsy. (Asa. 7:58–8:1; 11:19) Azo antoka hoe be dia be ny zava-tsarotra niaretan-dry zareo tamin’izany. Nazoto nitory ny vaovao tsara foana anefa ry zareo, na taiza na taiza nalehany. Vokatr’izany, dia lasa nisy fiangonana be dia be niforona nanerana ny Fanjakana Romanina. (1 Pet. 1:1) Tsy tapitra hatreo anefa ny olana nahazo an-dry zareo.
4. Inona koa no tsy maintsy niaretan’ny Kristianina voalohany?
4 Niatrika olana isan-karazany ny Kristianina voalohany. Nandidy ny Jiosy rehetra mba hiala tao Roma, ohatra, i Klaodio mpanjaka romanina, tamin’ny taona 50 tany ho any. Tsy maintsy niala tamin’ny tranony àry izay Jiosy lasa Kristianina, dia nifindra tany an-toeran-kafa. (Asa. 18:1-3) Nanoratra koa ny apostoly Paoly, tamin’ny taona 61 tany ho any, hoe noharatsina teny imasom-bahoaka ny Kristianina sady nogadraina ary norobaina. (Heb. 10:32-34) Tsy vitan’izany fa nahantra sy narary ny sasany tamin-dry zareo, hoatran’ny olona rehetra ihany.—Rom. 15:26; Fil. 2:25-27.
5. Inona ny fanontaniana hovaliantsika ato?
5 Fantatr’i Jakoba tsara ny zava-tsarotra niaretan’ny mpiara-manompo taminy, tamin’izy nanoratra ny taratasiny talohan’ny taona 62. Nasain’i Jehovah nanoratra ho an’ny Kristianina tamin’izany i Jakoba, satria te hanoro an-dry zareo izy hoe inona no tokony hataon-dry zareo mba ho faly foana na dia miatrika zava-tsarotra aza. Andao isika handinika ny taratasy nosoratan’i Jakoba, dia hamaly an’ireto: Inona ilay fifaliana noresahiny? Inona no mety hahatonga ny Kristianina tsy ho faly intsony? Nahoana isika no mila fahendrena sy finoana ary herim-po, raha te ho faly foana na inona na inona mitranga?
INONA NO MAHAFALY NY KRISTIANINA?
6. Araka ny Lioka 6:22, 23, fa maninona ny Kristianina no afaka ny ho faly na dia manana olana aza?
6 Mieritreritra ny olona sasany hoe tsy ho sambatra mihitsy izy, raha tsy salama tsara sy manam-bola be ary mihavana tsara izy mianakavy. Vokatry ny fanahy masin’Andriamanitra anefa ilay fifaliana noresahin’i Jakoba. (Gal. 5:22) Tsy miankina amin’ny zava-mitranga eo amin’ny fiainana izy io. Lasa faly ny Kristianina iray, na tena sambatra, rehefa mahafantatra hoe ankasitrahan’i Jehovah ary manahaka an’i Jesosy. (Vakio ny Lioka 6:22, 23; Kol. 1:10, 11) Hoatran’ny lelafo voaro ao anaty fitoerany ny fifaliantsika. Tsy azon’ny rivotra sy orana ilay izy, dia mirehitra foana. Tsy mihena koa ny fifaliantsika na dia marary aza isika na manana olana ara-bola. Faly foana koa isika na dia esoesoin’ny olona aza, na enjehin’ny fianakaviana sy ny olon-kafa. Tsy maty ilay lelafo fa vao mainka aza miredareda isaky ny misy mitady hamono. Rehefa sedraina ny finoantsika, dia vao mainka izany manaporofo hoe tena mpianatr’i Kristy isika. (Mat. 10:22; 24:9; Jaona 15:20) Izany no nahatonga an’i Jakoba hanoratra hoe: “Rehefa tojo fitsapana maro samihafa ianareo, ry rahalahiko, dia raiso ho fifaliana lehibe izany.”—Vakio ny Jakoba 1:2.
7-8. Inona no vokany rehefa sedraina ny finoantsika?
7 Na mafy hoatran’ny inona aza anefa ny fitsapana, dia mbola vonona hiatrika an’izany ny Kristianina. Fa maninona? Izao no nolazain’i Jakoba: “Miteraka fiaretana ny finoanareo vita sedra.” (Jak. 1:3) Azo oharina amin’ny afo ampiasaina rehefa manefy vy ny olana samihafa mahazo antsika. Rehefa atao anaty afo mivaivay ilay vy ary avy eo ampangatsiahina, dia vao mainka mihamafy. Hoatr’izany koa ny finoantsika. Mihamatanjaka izy io rehefa miatrika olana isika. Izany no nahatonga an’i Jakoba hanoratra hoe: “Avelao hamita ny asany ... ny fiaretana, mba ho lavorary sy tsy hisy tsiny amin’ny lafiny rehetra ianareo.” (Jak. 1:4) Inona no vokany rehefa hitantsika hoe mihamatanjaka ny finoantsika? Lasa mahavita miaritra isika sady faly foana.
8 Nisy zavatra hafa koa noresahin’i Jakoba tao amin’ny taratasiny. Niresaka momba ny antony mety hahatonga antsika tsy ho faly intsony izy. Inona avy izany? Ary ahoana no handresentsika an’izany?
INONA NO AZONTSIKA ATAO MBA HO FALY FOANA?
9. Fa maninona isika no mila fahendrena?
9 Olana: Tsy haintsika izay hatao. Tokony hangataka amin’i Jehovah isika mba hampiany hanao safidy tsara rehefa manana olana. (Jer. 10:23) Tiantsika hampifaly azy ny safidy ataontsika, sady hahasoa ny mpiara-manompo, ary hanampy antsika tsy hivadika mihitsy. Mila fahendrena àry isika mba hahalalana an’izay tokony hatao, sy izay tokony hotenenina amin’ny olona manohitra antsika. Mety hahatsiaro ho tsy afa-manoatra mantsy isika rehefa tsy hitantsika izay hatao. Vetivety àry dia mety tsy ho faly intsony isika.
10. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana fahendrena, araka ny Jakoba 1:5?
10 Vahaolana: Mangataha fahendrena amin’i Jehovah. Inona no zavatra voalohany tokony hataontsika raha te hahavita hiaritra isika sady ho faly foana? Tsy maintsy mangataka fahendrena amin’i Jehovah isika, amin’izay hahavita hanapa-kevitra tsara. (Vakio ny Jakoba 1:5.) Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe tsy tonga dia mamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah? Nilaza i Jakoba hoe tsy tokony “hitsahatra hangataka” aminy isika. Tsy ho sorena amintsika i Jehovah na dia imbetsaka aza isika no mangataka fahendrena. Tsy manome tsiny na mandatsa antsika koa izy. Tena “malala-tanana” ilay Raintsika any an-danitra. Rehefa mivavaka mba hahazo fahendrena àry isika dia azo antoka fa hanome an’izany izy, amin’izay isika hahavita hiaritra. (Sal. 25:12, 13) Hitany ny olana mianjady amintsika, dia malahelo antsika izy ary tena vonona hanampy. Tsy hitanao hoe mahafaly ve izany? Ahoana àry no fomba anomezan’i Jehovah fahendrena antsika?
11. Inona koa no tsy maintsy ataontsika raha te hahazo fahendrena?
11 Ny Teniny no ampiasain’i Jehovah mba hanomezana fahendrena antsika. (Ohab. 2:6) Mila mianatra ny Baiboly sy ny boky sy gazety àry isika, raha te hahazo an’izany fahendrena izany. Tsy ampy anefa ny manangona fahalalana. Tsy maintsy ampiharintsika koa izay hitantsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Izao no nosoratan’i Jakoba: “Aoka ... ianareo ho mpankatò ny teny, fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany.” (Jak. 1:22) Inona no vokany rehefa mampihatra ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika? Vao mainka isika mahay mifandray tsara aman’olona sy mahay mandanjalanja kokoa ary mamindra fo kokoa. (Jak. 3:17) Raha manana an’ireo toetra ireo isika, dia ho faly foana na inona na inona olana zakaintsika.
12. Fa maninona no tena ilaina ny mahay tsara ny Baiboly?
12 Hoatran’ny fitaratra ny Tenin’Andriamanitra, ka manampy antsika hamantatra hoe inona no tokony hahitsy ary ahoana no hanitsiana an’ilay izy. (Jak. 1:23-25) Mety ho tonga saina, ohatra, isika rehefa avy mianatra Baiboly hoe hay isika mora tezitra ary mila mifehy an’izany. Rehefa ampian’i Jehovah anefa isika, dia hahavita halemy fanahy foana na dia misy olona na zava-mitranga mampahatezitra antsika aza. Ho mora kokoa amintsika amin’izay ny hiatrika an’izay manahirana antsika. Mahay mieritreritra kokoa mantsy isika rehefa malemy fanahy, ka lasa mahay manapa-kevitra kokoa. (Jak. 3:13) Tena mila mahay tsara ny Baiboly àry isika.
13. Nahoana isika no tokony handinika ny tantaran’ny olona resahin’ny Baiboly?
13 Soa, hono, lavo hahay hamindra. Tsy voatery ho voa anefa isika vao handray lesona. Hahazo fahendrena isika raha mianatra avy amin’izay zavatra tsara nataon’ny olon-kafa sy ny fahadisoany. Izany no nahatonga an’i Jakoba hampirisika antsika mba handinika ny tantaran’ny olona resahin’ny Baiboly, ohatra hoe i Abrahama, Rahaba, Joba, ary Elia. (Jak. 2:21-26; 5:10, 11, 17, 18) Nahavita niatrika olana ireo mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ireo nefa faly foana. Hitantsika avy amin’ny modely nomen-dry zareo hoe hahavita an’izany koa isika rehefa ampian’i Jehovah.
14-15. Inona no mety hampisalasala antsika? Nahoana izany no tsy tokony havela amin’izao?
14 Olana: Misy zavatra mampisalasala antsika. Tsy azontsika tsara indraindray ny zavatra voalaza ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Na mety ho tsy araka ny nantenaintsika ny fomba namalian’i Jehovah ny vavaka nataontsika. Mety hahatonga antsika hisalasala ireo. Raha avelantsika amin’izao anefa izany, dia mety hihena ny finoantsika ary mety ho simba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (Jak. 1:7, 8) Mety tsy hatoky intsony aza isika hoe ho tanteraka ny zavatra antenaintsika amin’ny hoavy.
15 Nilaza ny apostoly Paoly hoe hoatran’ny vatofantsika ny fanantenantsika. (Heb. 6:19) Inona no asan’ny vatofantsika? Manampy ny sambo tsy hihetsiketsika izy io rehefa misy tafio-drivotra, ary misakana an’ilay izy tsy hidona amin’ny vato. Tsy misy ilana an’ilay vatofantsika anefa raha tapaka ilay rojo vy mamatotra azy amin’ilay sambo. Hihamalemy ilay rojo raha misy harafesina amin’ilay izy. Hoatr’izany koa fa hihamalemy ny finoantsika raha misalasala isika. Raha amin’ilay isika misalasala iny no miatrika olana, dia mety tsy hino isika hoe hanatanteraka an’izay nampanantenainy i Jehovah. Raha tsy manam-pinoana anefa isika, dia ho very ny fanantenantsika. Izany no nahatonga an’i Jakoba hilaza hoe: “Izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina entin’ny rivotra ka atopatopany.” (Jak. 1:6) Azo inoana fa tsy ho faly mihitsy ny olona hoatr’izany!
16. Inona no tokony hataontsika rehefa misy zavatra mampisalasala antsika?
16 Vahaolana: Alamino izay mampisalasala anao ary hatanjaho ny finoanao. Nisalasala momba ny zavatra ninoany, ohatra, ny vahoakan’i Jehovah tamin’ny andron’i Elia mpaminany. Izao àry no nolazain’i Elia tamin-dry zareo: “Mandra-pahoviana ianareo no hiroa saina? Raha i Jehovah no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Fa raha i Bala kosa, dia manaraha azy.” (1 Mpanj. 18:21) Hoatr’izany koa amin’izao. Mila manao fikarohana isika mba ho resy lahatra hoe i Jehovah no tena Andriamanitra, avy aminy ny Baiboly, ary ny Vavolombelon’i Jehovah no vahoakany. (1 Tes. 5:21) Tsy hisalasala intsony isika rehefa manao an’ireo, ary hihamatanjaka ny finoantsika. Ahoana raha mila fanampiana isika? Azo atao ny manontany ny anti-panahy. Tsy maintsy manao zavatra haingana anefa isika raha te ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah.
17. Inona no ho vokany raha tsy manana herim-po intsony isika?
17 Olana: Kivy isika. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohab. 24:10) Ilay teny hebreo nadika hoe “kivy” dia mety hidika koa hoe “tsy manana herim-po intsony.” Vetivety isika dia tsy ho faly rehefa tsy manana herim-po.
18. Inona no atao hoe miaritra?
18 Vahaolana: Mangataha herim-po amin’i Jehovah mba hahavita hiaritra. Mila herim-po mantsy isika raha te hahavita hiaritra an’izay olana mahazo antsika. (Jak. 5:11) Ilay teny nadika hoe “fiaretana” ao amin’ny taratasin’i Jakoba, dia midika hoe olona mijoro tsara eo amin’izay misy azy. Miaramila mahery fo sy sahy miatrika ny fahavalony angamba no tonga ao an-tsaintsika amin’izany. Tsy miala mihitsy izy na mafy hoatran’ny inona aza ilay fanafihana.
19. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny apostoly Paoly?
19 Tena be herim-po sy niaritra ny apostoly Paoly, ary azontsika tahafina tsara. Indraindray izy nahatsiaro hoe malemy nefa nahavita niaritra. Inona no nanampy azy? Nangataka tamin’i Jehovah izy mba homeny ny hery nilainy. (2 Kor. 12:8-10; Fil. 4:13) Hahazo hery sy ho be herim-po hoatran’i Paoly isika, raha manetry tena ka miaiky hoe mila ny fanampian’i Jehovah.—Jak. 4:10.
MIEZAHA HO AKAIKY AN’I JEHOVAH MBA HO FALY FOANA
20-21. Inona no toky ananantsika?
20 Afaka matoky isika hoe tsy sazy avy amin’Andriamanitra ny olana mahazo antsika. Manome toky antsika mantsy i Jakoba hoe: “Rehefa misy fitsapana, dia aoka izy tsy hilaza hoe: ‘Fitsapana avy amin’Andriamanitra izao.’ Sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy mantsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany koa.” (Jak. 1:13) Hinamana kokoa amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika, raha resy lahatra hoe tena marina izany.—Jak. 4:8.
21 “Tsy miovaova” i Jehovah. (Jak. 1:17) Nanampy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy rehefa niatrika olana ry zareo, dia hanampy antsika tsirairay koa izy amin’izao. Mitalahoa àry aminy mba homeny fahendrena sy finoana ary herim-po. Tena hamaly ny vavaka ataonao izy. Ho afaka hatoky ianao amin’izay hoe hanampy anao ho faly foana izy rehefa miatrika ny mafy ianao!
HIRA 128 Miareta Hatramin’ny Farany
^ feh. 5 Inona no azontsika atao rehefa miatrika olana? Misy torohevitra be dia be momba an’izany ao amin’ny bokin’i Jakoba. Handinika torohevitra sasany hita ao isika ato amin’ity lahatsoratra ity. Hanampy antsika izany mba hiaritra an’izay mianjady amintsika, no sady ho faly foana rehefa manompo an’i Jehovah.
^ feh. 59 SARY: Tonga hisambotra ny rahalahy iray ao an-tranony ny polisy. Entin-dry zareo mandeha izy, dia mijery azy ny vadiny sy ny zanany vavy. Any am-pigadrana ilay rahalahy, dia misy mpiara-manompo manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amin’ilay anabavy sy ny zanany. Mivavaka matetika amin’i Jehovah izy mianaka dia mangataka hery hahafahana hiatrika. Ampian’i Jehovah mba ho tony sy hanana herim-po ry zareo. Mihamatanjaka ny finoan-dry zareo vokatr’izany, dia mahavita miaritra ry zareo sady faly foana.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA)