LAHATSORATRA FIANARANA 6

Matoky ve Ianao hoe Mety Foana Izay Ataon’i Jehovah?

Matoky ve Ianao hoe Mety Foana Izay Ataon’i Jehovah?

“Izy ilay Vatolampy! Tonga lafatra ny zavatra ataony, fa manao ny rariny foana izy. Andriamanitra mendri-pitokisana izy, ary sanatria azy ny hanao ny tsy rariny. Marina sy mahitsy izy.”​—DEOT. 32:4.

HIRA 3 Ianao no Tokinay

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Nahoana no sarotra amin’ny olona maro ny matoky ny manam-pahefana? b) Inona no hodinihintsika ato?

 SAROTRA amin’ny olona maro izao ny matoky ny manam-pahefana. Hitan-dry zareo mantsy hoe miangatra amin’ny manankarena sy ny olona ambony ny mpitsara sy ny mpanao politika, fa manao ny tsy rariny amin’ny mahantra. Marina mihitsy ilay lazain’ny Baiboly hoe: “Nifampitondra ny olona samy olona ka nijaly ny vahoaka.” (Mpito. 8:9) Misy mpitondra fivavahana koa manao zavatra ratsy, dia lasa tsy matoky an’Andriamanitra intsony ny olona sasany. Rehefa misy olona manaiky hianatra Baiboly àry, dia lasa sahirana isika manampy azy hatoky an’i Jehovah sy hatoky ny solontenany eto an-tany.

2 Mazava ho azy fa tsy ny mpianatra Baiboly ihany no tokony hianatra hatoky an’i Jehovah sy hatoky ny fandaminany. Na dia efa nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro aza isika, dia tsy maintsy mitadidy foana hoe izay ataon’i Jehovah no tsara indrindra. Misy zava-mitranga indraindray, ka mety ho sarotra amintsika ny hatoky azy. Handinika telo amin’izany isika ato amin’ity lahatsoratra ity: 1) Rehefa mamaky tantara sasany ao amin’ny Baiboly, 2) rehefa mahazo toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah, ary 3) rehefa miatrika zava-tsarotra amin’ny hoavy.

MATOKIA AN’I JEHOVAH REHEFA MAMAKY BAIBOLY

3. Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny hatoky an’i Jehovah rehefa mamaky tantara sasany ao amin’ny Baiboly isika?

 3 Rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, dia mety ho lasa saina hoe rariny ve ny nataon’i Jehovah tamin’ny olona sasany, ary nety ve ny fanapahan-kevitra noraisiny indraindray. Rehefa mamaky ny Nomery, ohatra, isika dia mahita hoe nasain’i Jehovah novonoina ho faty ny Israelita iray, satria naka kitay tamin’ny andro sabata. Rehefa mamaky ny Samoela Faharoa anefa isika, dia mahita hoe namela an’i Davida Mpanjaka i Jehovah, taonjato maro tatỳ aoriana, na dia nijangajanga sy namono olona aza izy. (Nom. 15:32, 35; 2 Sam. 12:9, 13) Mety ho lasa saina àry isika hoe: ‘Fa maninona koa i Jehovah no namela ny fahotana lehibe nataon’i Davida, nefa ilay lehilahy iray nasainy novonoina na dia hoatran’ny hoe tsy dia maninona aza ny fahadisoana vitany?’ Mba hamaliana an’izany, dia andao isika handinika hevitra telo tokony hotadidintsika rehefa mamaky Baiboly.

4. Nahoana ny Genesisy 18:20, 21 sy ny Deoteronomia 10:17 no hanampy antsika hatoky kokoa hoe mety ny didim-pitsaran’i Jehovah?

4 Tsy voatery horesahin’ny Baiboly daholo ny tsipirian’ny tantara anankiray. Fantatsika, ohatra, fa tena nibebaka tamin’ny fahotana vitany i Davida. (Sal. 51:2-4) Fa hoatran’ny ahoana anefa ilay lehilahy nandika ny lalàna momba ny Sabata? Nanenina tamin’izay tsy nety nataony ve izy? Efa tsy mpankatò ny lalàn’i Jehovah ve izy? Tsy noraharahiany na nolaviny mihitsy ve ny fampitandremana nomena azy teo aloha? Tsy miresaka an’izany ny Baiboly. Ny azo antoka anefa dia izao: “Sanatria [an’i Jehovah] ny hanao ny tsy rariny.” (Deot. 32:4) Mandinika ny zava-misy rehetra izy ary hataony miorina amin’izany ny fanapahan-keviny, fa tsy amin’ny honohono na fitsarana an-tendrony, na zavatra hafa mety hahatonga ny olombelona hanao fitsarana miangatra. (Vakio ny Genesisy 18:20, 21; Deoteronomia 10:17.) Arakaraka ny ianarantsika momba an’i Jehovah sy ny fitsipiny, no hahatonga antsika hatoky kokoa ny didim-pitsarany. Marina fa mbola tsy voavaly amin’izao ny fanontaniantsika momba ny tantara sasany ao amin’ny Baiboly. Efa ampy anefa ny zavatra fantatsika momba an’ilay Andriamanitsika, ka matoky isika hoe ‘manao ny rariny izy amin’ny lalany rehetra.’​—Sal. 145:17.

5. Mety hanao ahoana ny fitsarantsika, noho isika tsy lavorary? (Jereo koa ilay hoe “ Mety Hanjavozavo ny Fahitantsika ny Rariny.”)

5 Mety hitsara tsy ara-drariny isika satria tsy lavorary. Nataon’Andriamanitra mitovy endrika aminy isika, ka tsy misy olona tiantsika hiharan’ny tsy rariny. (Gen. 1:26) Tsy lavorary anefa isika ka mety ho diso fitsara, na dia mieritreritra aza isika hoe mahafantatra ny zava-misy rehetra. Tadidinao ve, ohatra, i Jona? Tena tsy faly izy rehefa nanapa-kevitra i Jehovah hoe hamindra fo amin’ny mponin’i Ninive. (Jona 3:10–4:1) Eritrereto anefa ny vokatr’izany fanapahan-kevitr’i Jehovah izany. Ninivita 120 000 mahery no voavonjy, satria nibebaka ry zareo! I Jona no nila nahitsy tamin’ny farany, fa tsy i Jehovah.

6. Nahoana i Jehovah no tsy mila manazava amintsika ny anton’ny fanapahan-keviny?

6 Tsy mila manazava ny anton’ny fanapahan-keviny amintsika olombelona i Jehovah. Nisy fotoana i Jehovah namela ny mpanompony hilaza an’izay tsapan’izy ireo, momba ny fanapahan-kevitra efa noraisiny na vao horaisiny. (Gen. 18:25; Jona 4:2, 3) Indraindray aza izy nanazava ny anton’ilay fanapahan-kevitra mihitsy. (Jona 4:10, 11) Tsy voatery hanazava an’izany amintsika anefa izy. Izy mantsy no Mpamorona, ka tsy mila alalana avy atỳ amintsika izy rehefa hanao zavatra, na hanontany ny hevitsika raha mety na tsia ny zavatra nataony.​—Isaia 40:13, 14; 55:9.

MATOKIA AN’I JEHOVAH REHEFA MAHAZO TOROMARIKA

7. Inona no mety ho sarotra amintsika, ary nahoana?

7 Tsy misalasala angamba isika hoe manao ny rariny foana i Jehovah. Mety ho sarotra amintsika anefa ny hatoky ny solontenany eto an-tany. Mety hieritreritra isika hoe: ‘Tena manaraka ny toromarik’i Jehovah ve ny olona manana andraikitra eo anivon’ny fandaminany, sa ry zareo manao izay saim-pantany fotsiny?’ Nisy nieritreritra hoatr’izany angamba taloha. Diniho ny ohatra noresahina teo amin’ny  fehintsoratra fahatelo. Ahoana izao no mety ho noeritreretin’ny havan’ilay lehilahy nandika ny lalàna momba ny Sabata? Mety ho lasa saina ve izy raha tena nanontany an’i Jehovah tokoa i Mosesy talohan’ny nanamelohany an’ilay lehilahy ho faty? Mety ho nisalasala hoatr’izany koa ny naman’i Oria Hetita, vadin’ilay vehivavy nanao firaisana tamin’i Davida. Nieritreritra angamba izy hoe nanararaotra ny fahefana nananany i Davida Mpanjaka mba tsy ho voasazy, na dia tena mendrika an’izany aza. Raha ny marina anefa, dia tsy afaka milaza isika hoe matoky an’i Jehovah, raha tsy matoky ny solontenany eto an-tany. Atokisan’i Jehovah mantsy ry zareo.

8. Inona no mampitovy ny zavatra resahin’ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5 sy ny fomba fiasan’ny fiangonana amin’izao?

8 Mampiasa ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” i Jehovah amin’izao, mba hitarihana ny ampahany eto an-tany amin’ny fandaminany. (Mat. 24:45) Hoatran’ny nataon’ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany ihany no ataon’io mpanompo io, izany hoe miandraikitra ny vahoakan’Andriamanitra eran-tany sy manome toromarika ho an’ny anti-panahy. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:4, 5.) Ny anti-panahy indray manao izay hampiharana an’ireny toromarika ireny ao amin’ny fiangonana. Asehontsika hoe matoky an’i Jehovah isika, rehefa mankatò ny toromarika omen’ny fandaminany sy ny anti-panahy.

9. Rahoviana no mety ho sarotra ny hanaraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny anti-panahy, ary nahoana?

9 Sarotra amintsika indraindray ny manaraka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny anti-panahy. Nisy fanovana natao, ohatra, teo anivon’ny fiangonana sy faritra maro tato ho ato. Nasain’ny anti-panahy nifindra fiangonana ny mpitory sasany, amin’izay mba feno kokoa ny seza any amin’ireo Efitrano Fanjakana. Ahoana àry raha ianao no asaina mifindra fiangonana? Mety ho mafy aminao ny hisaraka amin’ny namanao sy ny fianakavianao. Fa ny anti-panahy ve anefa nahazo toromarika avy amin’Andriamanitra hoe aiza no handefasana ny mpitory tsirairay? Tsy nahazo an’izany ry zareo, ka mety ho sarotra amintsika ny hanaraka ny toromarika nomeny. Matoky ny fanapahan-kevitra raisin’ny anti-panahy anefa i Jehovah, dia mila matoky an’izany koa isika. *

10. Nahoana isika no tokony hiara-miasa amin’ny anti-panahy, araka ny Hebreo 13:17?

10 Nahoana isika no tokony hiara-miasa amin’ny anti-panahy sy hanaraka ny fanapahan-keviny, na dia tsy tena tiantsika aza ilay izy? Satria rehefa manao an’izany isika, dia manampy ny vahoakan’Andriamanitra mba hiray saina foana. (Efes. 4:2, 3) Mandroso ny fiangonana rehefa manetry tena daholo isika, ka manaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ny anti-panahy rehetra. (Vakio ny Hebreo 13:17.) Ny tena zava-dehibe anefa dia hoe mampiseho amin’i Jehovah isika fa matoky azy, raha miara-miasa amin’ny olona atokisany hikarakara antsika.​—Asa. 20:28.

11. Inona no hanampy antsika hatoky kokoa ny toromarika avy amin’ny anti-panahy?

11 Inona no azontsika atao raha te hatoky kokoa ny toromarika avy amin’ny anti-panahy isika? Mila mitadidy isika hoe mivavaka mba hahazo ny fanahy masina ry zareo, rehefa mandinika raharaha momba ny fiangonana. Mandinika tsara ny toro lalan’ny Baiboly koa ry zareo, sady mikaroka ny tari-dalana avy amin’ny fandaminan’i Jehovah. Tena te hampifaly an’i Jehovah mantsy ry zareo, sady te hikarakara tsara ny vahoakany araka izay azo atao. Fantatr’ireny rahalahy tsy mivadika ireny hoe mbola hataon’Andriamanitra ampamoaka ry zareo ny amin’ny fomba anaovany ny andraikiny. (1 Pet. 5:2, 3) Eritrereto ange e! Mampisara-bazana an’izao tontolo izao ny resaka firazanana sy fivavahana ary politika. Isika vahoakan’i Jehovah anefa miray saina sy miara-manompo an’ilay tena Andriamanitra. Tsy hitranga mihitsy izany raha tsy tahin’i Jehovah ny fandaminany!

12. Inona no tsy maintsy dinihin’ny anti-panahy mba hamantarana raha tena nibebaka ny olona iray na tsia?

12 Nanankinan’i Jehovah andraikitra lehibe ny anti-panahy. Andraikitr’izy ireo mantsy ny manao izay hahatonga ny fiangonana hadio foana. Rehefa misy Kristianina manao fahotana lehibe, dia asain’i Jehovah fantarin’ny anti-panahy hoe mbola afaka mijanona ao amin’ny fiangonana ve io olona io sa tsia. Mila fantarin-dry zareo, ohatra, hoe tena manenina tamin’izay nataony ve izy. Mety hilaza izy hoe efa nibebaka, nefa tena mankahala ny ratsy vitany ve izy? Tapa-kevitra ny tsy hamerina ny fahotana nataony ve izy? Raha naman-dratsy no nahatonga azy hanota, dia vonona ny tsy hinamana amin’ireny olona ireny intsony ve izy? Mivavaka amin’i Jehovah ny anti-panahy sady mamakafaka ny zava-misy sy izay lazain’ny Baiboly momba an’izany. Dinihin-dry zareo koa hoe hoatran’ny ahoana ny tsapan’ilay olona momba ny zavatra ratsy nataony. Manapa-kevitra ry zareo avy eo raha afaka mijanona ao amin’ny fiangonana izy na tsia. Tsy maintsy roahina ilay nanao ratsy indraindray.​—1 Kor. 5:11-13.

13. Inona no mety hampanahy antsika rehefa misy namantsika na havantsika voaroaka?

13 Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ny hatoky ny anti-panahy? Mety ho mora aminao ny hanaiky ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy, rehefa tsy namanao akaiky na havanao no noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana. Ahoana anefa raha olona akaiky anao no voaroaka? Mety hanahy ianao sao tsy nandinika ny zava-misy rehetra ny anti-panahy. Na ianao mety hisalasala raha tena mifanaraka amin’ny itiavan’i Jehovah azy ny fomba nitsaran-dry zareo an’ilay izy. Inona àry no hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara foana, ka hanaiky ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy?

14. Inona no hanampy antsika raha nanapa-kevitra ny anti-panahy hoe roahina ny olona iray akaiky antsika?

14 Tokony hotadidintsika hoe fandaharana avy amin’i Jehovah ny fandroahana, ary mahasoa ny fiangonana sady mety hahasoa an’ilay olona nanota. Mety hanimba ny hafa mantsy izy, raha tsy mibebaka nefa avela hijanona ao amin’ny fiangonana. (Gal. 5:9) Mety tsy ho tsapany koa hoe tena ratsy ny fahotana vitany. Tsy izay ihany fa mety tsy ho hitany hoe mila miova sy manitsy ny toe-tsainy izy, mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah indray. (Mpito. 8:11) Afaka matoky isika hoe mandinika tsara ny anti-panahy, vao manapa-kevitra raha tokony horoahina ny olona iray na tsia. Fantatr’izy ireo mantsy hoe ‘tsy mitsara ho an’ny olona izy fa ho an’i Jehovah’, hoatran’ny mpitsara teo amin’ny Israely.​—2 Tan. 19:6, 7.

HATOKY AN’I JEHOVAH ISIKA AMIN’NY HOAVY RAHA MATOKY AZY DIENY IZAO

Inona no hanampy antsika hatoky sy hankatò ny toromarika homena antsika mandritra ny fahoriana lehibe? (Fehintsoratra 15)

15. Fa maninona isika amin’izao no vao mainka mila matoky ny toromarika omen’i Jehovah?

15 Efa akaiky izao ny farany, ka vao mainka isika mila matoky an’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay. Fa maninona? Satria isika mety hahazo toromarika hoatran’ny hoe hafahafa na tsy mitombina na hoatran’ny hoe tsy azo ampiharina, mandritra ny fahoriana lehibe. Mazava ho azy fa tsy hiresaka mivantana amintsika i Jehovah. Azo inoana anefa hoe hanome tari-dalana antsika izy amin’ny alalan’ireo solontenany. Tsy amin’izay mihitsy isika vao hanakiana an’ilay toromarika na hisalasala hoe: ‘Tena avy amin’i Jehovah ve izany, sa manao izay saim-pantany fotsiny ireo rahalahy manana andraikitra?’ Hatoky an’i Jehovah sy ny fandaminany ve ianao mandritra an’io fotoana miavaka io? Miankina amin’ny fahitanao ny toromarika omen’izy ireo dieny izao izany. Raha matoky ny toromarika azontsika amin’izao ianao sady vonona hankatò, dia azo inoana hoe hanao hoatr’izany koa mandritra ny fahoriana lehibe.​—Lioka 16:10.

16. Nahoana no mety ho sarotra amintsika ny hanaiky ny didim-pitsaran’i Jehovah atsy ho atsy?

16 Misy zavatra hafa koa tokony hodinihintsika tsara. Tsy inona izany fa ny didim-pitsaran’i Jehovah rehefa hifarana izao tontolo izao. Mbola manantena isika amin’izao hoe olona maro no ho lasa mpanompon’i Jehovah, anisan’izany ny havantsika. I Jehovah anefa no hanapa-kevitra farany momba an’izay hitranga amin-dry zareo amin’ny Aramagedona, ary hanao an’izany amin’ny alalan’i Jesosy izy. (Mat. 25:31-33; 2 Tes. 1:7-9) Tsy anjarantsika àry ny misafidy hoe iza no mendrika hahazo ny famindram-pon’i Jehovah na tsia. (Mat. 25:34, 41, 46) Ho vitantsika ve ny hatoky ny didim-pitsaran’i Jehovah, sa isika tsy hanompo azy intsony satria tsy mifanaraka amin’ny saintsika ilay izy? Mila miezaka matoky kokoa an’i Jehovah àry isika dieny izao, amin’izay isika hatoky azy tanteraka amin’ny hoavy.

17. Inona ny soa horaisintsika rehefa avy mampihatra ny didim-pitsarany amin’izao tontolo izao i Jehovah?

17 Eritrereto izay ho tsapanao rehefa tonga ao amin’ny tontolo vaovao, dia mahita ny vokatry ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy hisy intsony ny fivavahan-diso sy ny tontolon’ny varotra mpangoron-karena, ary ireo fitondram-panjakana nanao tsindry hazo lena sy nampahory vahoaka hatramin’izay. Efa nivalona hatreo ny aretina sy ny fahanterana ary ny fahafatesan’ny olona tiantsika, ka tsy hampijaly antsika intsony izany isan’andro. Hogadraina mandritra ny arivo taona koa i Satana sy ny demonia, ka tsy hizaka ny vokatry ny fikomiany intsony isika. (Apok. 20:2, 3) Tena ho faly isika amin’izay satria natoky hoe mety foana ny ataon’i Jehovah.

18. Inona no ianarantsika avy amin’ny Israelita, araka ny voaresaka ao amin’ny Nomery 11:4-6 sy 21:5?

18 Ahoana anefa raha mbola misy zavatra sarotra amintsika any amin’ny tontolo vaovao? Mbola hatoky foana ve isika hoe mety ny ataon’i Jehovah? Eritrereto, ohatra, izay nitranga tamin’ny Israelita taoriana kelin’ny nanafahana an-dry zareo avy tany Ejipta. Nisy tamin-dry zareo nimenomenona satria nahatsiarotsiaro ny sakafo nohanin-dry zareo tany, dia nanao tsinontsinona ny mana nomen’i Jehovah. (Vakio ny Nomery 11:4-6; 21:5.) Mety hanao hoatr’izany koa ve isika rehefa tapitra ny fahoriana lehibe? Mbola tsy haintsika mantsy ny asa miandry antsika rehefa hanala an’ireo sisan-javatra rava isika sy hanova tsikelikely ny tany ho paradisa. Azo inoana anefa hoe ho betsaka ny asa tokony hatao, ary mety mbola hisy zava-tsarotra amin’ny voalohany. Dia ho sahintsika ve ny himenomenona amin’ny zavatra omen’i Jehovah amin’izay? Izao aloha ny azo antoka: Raha izao isika dia efa mankasitraka an’izay omen’i Jehovah, dia azo inoana kokoa hoe hanao an’izany koa isika amin’izay fotoana izay.

19. Ahoana no hamintinanao ny hevi-dehibe tato amin’ity lahatsoratra ity?

19 Mety foana izay ataon’i Jehovah. Mila resy lahatra ny amin’izany isika. Mila atokisantsika koa ireo olona atokisan’i Jehovah hoe hanatanteraka ny toromarika nomeny. Tadidio foana ilay tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany hoe: “Hatanjaka ianareo raha tony foana sy feno toky.”​—Isaia 30:15.

HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

^ Nahoana isika no mila matoky kokoa an’i Jehovah sy ireo solontenany eto an-tany? Inona ny soa horaisintsika dieny izao raha manao an’izany isika, ary nahoana izany no hanampy antsika ho vonona hiatrika an’izay zava-tsarotra hitranga amin’ny hoavy? Handinika an’ireo isika ato.

^ Tsy maintsy mijanona ao amin’ny fiangonana misy azy ny olona na ny fianakaviana sasany noho ny antony manokana. Miresaka momba an’izany ny “Valin’ny Fanontanianareo” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2002.