LAHATSORATRA FIANARANA 8

“Aoka Ianareo Hisaina Tsara Foana sy Hiambina!”

“Aoka Ianareo Hisaina Tsara Foana sy Hiambina!”

“Aoka ianareo hisaina tsara foana sy hiambina!”​—1 PET. 5:8.

HIRA 144 Banjino Ilay Lokanao!

HO HITANAO ATO a

1. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany momba ny fotoanan’ny farany, ary inona no nampitandremany an-dry zareo?

 ANDRO vitsivitsy talohan’ny nahafatesan’i Jesosy tamin’izay. Nanontany azy ny efatra tamin’ny mpianany hoe: “Inona no ho famantarana hoe ... efa akaiky ny faran’izao tontolo izao?” (Mat. 24:3) Lasa saina angamba ireo mpianany ireo hoe ahoana no hamantaran-dry zareo fa efa horavana i Jerosalema sy ny tempoly. Rehefa namaly an-dry zareo anefa i Jesosy, dia tsy ny fandravana an’i Jerosalema sy ny tempoly ihany no noresahiny fa ny momba “ny faran’izao tontolo [iainantsika] izao” koa. Izao no nolazainy momba ny fotoanan’ny farany: “Tsy misy mahalala an’izany andro na ora izany, na ny anjely any an-danitra, na ny Zanaka, afa-tsy ny Ray ihany.” Nampitandrina ny mpianany rehetra izy avy eo hoe: “Miambena foana.”​—Mar. 13:32-37.

2. Nahoana no tena nila niambina foana ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

2 Tsy maintsy niambina foana ny Kristianina jiosy tamin’ny taonjato voalohany. Niankinan’ny ainy mantsy izany. Nolazain’i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy izay hamantaran-dry zareo hoe rahoviana no efa ho rava i Jerosalema sy ny tempoly. Izao no noteneniny: “Rehefa hitanareo ... fa misy miaramila mitoby manodidina an’i Jerosalema, dia fantaro fa efa akaiky ny fandravana azy.” Tamin’izay fotoana izay ry zareo no tsy maintsy nanaraka ny fampitandreman’i Jesosy, dia ‘nandositra tany an-tendrombohitra.’ (Lioka 21:20, 21) Tafavoaka velona izay nanaraka an’io fampitandremana io, rehefa nandrava an’i Jerosalema ny Romanina.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Kely sisa dia hifarana ity tontolo ratsy ity. Tsy maintsy misaina tsara foana sy miambina foana koa àry isika. Hodinihintsika ato izay azontsika atao mba hahay handanjalanja isika, nefa sady hanaraka tsara ny zava-mitranga eran-tany koa. Ho hitantsika koa hoe ahoana no atao raha te hitandrina isika, ary inona no azontsika atao mba hahay hampiasa tsara ny fotoana sisa tavela.

MAHAIZA MANDANJALANJA REHEFA MANDINIKA NY ZAVA-MITRANGA ERAN-TANY

4. Manatanteraka faminaniana ny zava-mitranga eran-tany amin’izao. Nahoana izany no mahaliana antsika?

4 Ara-dalàna raha liana amin’ny zava-mitranga eran-tany amin’izao isika, mba hamantarana hoe ahoana no ahatanterahan’izy ireny ny faminanian’ny Baiboly. Nilaza zava-mitranga vitsivitsy, ohatra, i Jesosy mba hanampiana antsika hahalala hoe efa hifarana ny tontolon’i Satana. (Mat. 24:3-14) Nampirisika antsika koa ny apostoly Petera, mba handinika tsara ny fahatanterahan’ny faminaniana, amin’izay hatanjaka foana ny finoantsika. (2 Pet. 1:19-21) Izao koa no fiandohan’ilay boky farany ao amin’ny Baiboly: “Ny zavatra nahariharin’i Jesosy Kristy, sady nomen’Andriamanitra azy, mba hampisehoana amin’ny mpanompony ny zavatra hitranga tsy ho ela.” (Apok. 1:1) Tena liana amin’izay mitranga eran-tany amin’izao àry isika, sy hoe ahoana no mety hanatanterahan’izy ireny ny faminanian’ny Baiboly. Mety ho te hiresaka momba an’ireny amin’ny olon-kafa mihitsy aza isika!

Inona no tokony hotandremantsika sy hataontsika, rehefa miresaka momba ny faminanian’ny Baiboly isika? (Fehintsoratra 5) b

5. Inona no tokony hotandremantsika, ary inona no tokony hataontsika? (Jereo koa ny sary.)

5 Tokony hitandrina anefa isika sao manombantombana, rehefa miresaka faminanian’ny Baiboly. Fa maninona? Satria isika tsy te hilaza zavatra mety hampisara-bazana ny fiangonana. Mety ho henontsika, ohatra, hoe miresaka ny fomba handaminana ady iray ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao, mba hisian’ny fandriampahalemana sy filaminana. Tsy tsara anefa ny manombantombana hoe manatanteraka an’ilay faminaniana ao amin’ny 1 Tesalonianina 5:3 izany. Aleo kosa miezaka haharaka an’izay fanazavana farany. Raha mifanaraka amin’ny boky sy gazety ary video avoakan’ny fandaminan’i Jehovah ny resadresaka ataontsika, dia manampy ny fiangonana hiray saina sy “hiray hevitra” foana isika.​—1 Kor. 1:10; 4:6.

6. Inona no ianarantsika avy amin’ny 2 Petera 3:11-13?

6 Vakio ny 2 Petera 3:11-13. Manampy antsika ny apostoly Petera, mba hahay handanjalanja foana isika rehefa mandinika ny faminanian’ny Baiboly. Nampirisika antsika izy mba “hanao an-tsaina foana ny fahatongavan’ny andron’i Jehovah.” Fa maninona? Amin’izay ve mety ho fantatsika ihany ny “andro sy ora” hahatongavan’ny Aramagedona? Tsy izany, fa mba hahaizantsika hampiasa tsara ny fotoana sisa tavela, ka hahatonga antsika “hanana fitondran-tena masina sy hahafoy tena ho an’Andriamanitra.” (Mat. 24:36; Lioka 12:40) Raha tsorina, dia te ho tsara fitondran-tena foana isika, ary hampiseho hoe tena tia an’i Jehovah matoa miezaka manompo azy. Tsy maintsy mitandrina anefa isika mba hahavitana an’izany foana.

INONA NO DIKAN’NY HOE MITANDRINA?

7. Ahoana no ampisehoantsika hoe mitandrina isika? (Lioka 21:34)

7 Nampirisihin’i Jesosy handinika ny zava-mitranga eran-tany ny mpianany, nefa nasainy nitandrina koa. Mazava tsara io fampitandremana io ao amin’ny Lioka 21:34. (Vakio.) Mariho ilay tenin’i Jesosy hoe “mitandrema.” Mitandrina ny olona iray raha mailo sao misy zavatra mety hampidi-doza ny fifandraisany amin’i Jehovah, dia manao zavatra izy avy eo mba hisorohana an’izany. Ho tian’Andriamanitra foana izy amin’izay.​—Ohab. 22:3; Joda 20, 21.

8. Inona no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina?

8 Nasain’ny apostoly Paoly nitandrina koa ny Kristianina. Izao, ohatra, no nolazainy tamin’ny Kristianina tany Efesosy: “Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala.” (Efes. 5:15, 16) Tandindomin-doza foana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Mampirisika antsika àry ny Baiboly mba ‘hamantatra foana ny sitrapony’, amin’izay isika mahavita manohitra an’izay rehetra mety hanimba ny fifandraisantsika aminy.​—Efes. 5:17.

9. Ahoana no amantarantsika ny sitrapon’i Jehovah?

9 Tsy lazain’ny Baiboly daholo izay loza rehetra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Tsy miresaka mivantana momba ny zavatra sasany, ohatra, ny Soratra Masina, nefa matetika isika no tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra mifandray amin’ilay izy. Raha te handray fanapahan-kevitra tsara isika, dia mila mamantatra ny “sitrapon’i Jehovah.” Manao an’izany isika raha mianatra ny Tenin’Andriamanitra foana, sy misaintsaina an’izay vakintsika ao. Azo inoana kokoa hoe ho “hendry” isika, na dia rehefa tsy misy lalàna mazava momba an’izay tokony hatao aza, arakaraka ny amantarantsika ny sitrapon’i Jehovah sy ananantsika ny “sain’i Kristy.” (1 Kor. 2:14-16) Misy loza sasany mantsy hoatran’ny hoe mora hita, fa ny hafa indray tsy tonga dia miharihary.

10. Inona no loza sasany tsy maintsy halavirintsika?

10 Anisan’ny loza tsy maintsy halavirintsika ny milalao fitia, miboboka toaka, tendan-kanina, manao teny maharary, ary ny mijery fialam-boly misy herisetra na sary vetaveta, sy ny hoatr’izany. (Sal. 101:3) Mitady hirika foana mantsy ny Devoly fahavalontsika, mba hanimbana ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (1 Pet. 5:8) Raha tsy mitandrina isika, dia mety hataon’i Satana izay hahatonga antsika hanomboka hitsiriritra, tsy hanao ny marina, tsy hety afa-po, hankahala ny hafa, hanambony tena, ary hitana lolompo. (Gal. 5:19-21) Hoatran’ny hoe mamafy voa ao an-tsaintsika sy ao am-pontsika izy amin’izany. Mety hoe tsy mahery be ireo fihetseham-po ireo amin’ny voalohany. Ahoana anefa raha tsy tonga dia manao zavatra isika mba hanongotana an’ireo? Hitombo hoatran’ny zavamaniry misy poizina ireo, ka ho voa mafy isika.​—Jak. 1:14, 15.

11. Inona, ohatra, ny loza tsy tonga dia miharihary tsy maintsy halavirintsika, ary nahoana?

11 Anisan’ny loza tsy tonga dia miharihary ny naman-dratsy. Andao hatao hoe miara-miasa amin’ny olona iray tsy mpiara-manompo amintsika ianao. Miezaka ny ho tsara fanahy sy hanampy azy ianao, satria tianao raha olona tsara no fahitany ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety hanaiky hiara-misakafo aminy koa ianao tsindraindray. Tsy ela anefa dia lasa manao an’izany matetika ianareo. Misy fotoana izy manao resaka vetaveta, fa miezaka tsy miraharaha an’izany ianao amin’ny voalohany. Lasa zatra maheno an’izany ianao atỳ aoriana, dia tsy mampaninona anao intsony ilay izy. Indray andro anefa asainy hisotrosotro kely miaraka aminy ianao rehefa avy miasa, dia manaiky ianao. Manomboka mitovy amin’ny an’ilay mpiara-miasa aminao ny fomba fisainanao atỳ aoriana. Raha izany, tsy efa kely sisa ve dia hanomboka hanao ny fanaony koa ianao? Mazava ho azy fa miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja ny rehetra isika, nefa tsy maintsy tadidintsika koa hoe misy vokany be amintsika ny olona fidintsika ifaneraserana. (1 Kor. 15:33) Raha manaraka ny tenin’i Jesosy isika ka mitandrina, dia tsy hifanerasera amin’ny olona tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah rehefa tsy ilaina izany. (2 Kor. 6:15) Ho hitantsika mantsy fa hampidi-doza izany ka hohalavirintsika.

AMPIASAO TSARA NY FOTOANANAO

12. Inona no tokony hataon’ny mpianatr’i Jesosy teo am-piandrasana ny hahatongavan’ny farany?

12 Tsy hoe tokony hipetra-potsiny ny mpianatr’i Jesosy teo am-piandrasana ny hahatongavan’ny farany. Nisy asa nasain’i Jesosy nataon’izy ireo mantsy. Nandidy an-dry zareo izy mba hitory ny vaovao tsara “any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary any amin’ny faritra lavitra indrindra eto an-tany.” (Asa. 1:6-8) Asa be izany! Nampiasa tsara ny fotoanany ry zareo, rehefa nanao an’izay rehetra azony natao mba hamitana an’io fanendrena io.

13. Nahoana isika no mila mahay mampiasa tsara ny fotoanantsika? (Kolosianina 4:5)

13 Vakio ny Kolosianina 4:5. Mila mandinika ny fomba ampiasantsika ny fotoanantsika isika raha te hitandrina. Mety ho tratran’ny “sampona” mantsy isika rehetra. (Mpito. 9:11) Mety ho faty tampoka, ohatra, isika.

Inona no azontsika atao mba hahay hampiasa tsara ny fotoanantsika isika? (Fehintsoratra 14-15)

14-15. Ahoana no ampiasantsika tsara ny fotoanantsika, araka ny Hebreo 6:11, 12? (Jereo koa ny sary.)

14 Mampiasa tsara ny fotoanantsika isika, rehefa manao ny sitrapon’i Jehovah sy miezaka mifandray akaiky kokoa aminy. (Jaona 14:21) Mila tsy “manaiky ho voahozongozona” sy tsy “miovaova mihitsy” isika, ary ‘miezaka ho be atao foana amin’ny asan’ny Tompo.’ (1 Kor. 15:58) Tsy hanenina isika amin’izay rehefa tonga ny farany, na ny faran’ny fiainantsika izany na ny faran’izao tontolo ratsy izao.​—Mat. 24:13; Rom. 14:8.

15 Mbola mitarika ny mpianany i Jesosy amin’izao, rehefa mitory momba ny Fanjakan’Andriamanitra eran-tany ry zareo. Efa manao ny anjarany izy. Mampiofana antsika hitory i Jesosy sady manome antsika ny fitaovana ilaintsika hampielezana ny vaovao tsara. Amin’ny alalan’ny fandaminan’i Jehovah no anaovany an’izany. (Mat. 28:18-20) Manao ny anjarantsika koa isika, rehefa mazoto mitory sy mampianatra ary miambina foana eo am-piandrasana ny hamaranan’i Jehovah an’izao tontolo izao. Rehefa mampihatra an’ilay torohevitra ao amin’ny Hebreo 6:11, 12 isika, dia tsy hamela ny fanantenantsika ho lefy mihitsy “hatramin’ny farany.”​—Vakio.

16. Tapa-kevitra ny hanao inona isika?

16 Efa misy andro sy ora nofaritan’i Jehovah hoe hamaranany ny tontolon’i Satana. Tena hanatanteraka ny faminaniana nampanoratiny ao amin’ny Teniny izy, rehefa tonga io andro io. Mandra-pahatongan’izany, dia mety hieritreritra isika indraindray hoe hoatran’ny elaela vao tonga ny farany. “Tsy ho tara” anefa ny andron’i Jehovah! (Hab. 2:3) Enga anie àry isika ho tapa-kevitra ny “hanantena an’i Jehovah”, ka hampiseho hoe “vonona hiandry an’ilay Andriamanitra mpamonjy” antsika.​—Mika 7:7.

HIRA 139 Saintsaino ny Fiainanao ao Amin’ny Tontolo Vaovao

a Inona no azontsika atao mba hahay handanjalanja sy hiambina foana, rehefa mandinika ny zava-mitranga eran-tany? Ahoana no atao raha te hitandrina isika? Ary inona no azo atao mba hahaizantsika hampiasa tsara ny fotoanantsika? Handinika an’ireo isika ato.

b SARY: (Ambony) Mpivady mijery vaovao. Resy lahatra be momba ny dikan’ilay vaovao izy mivady, dia miresaka an’izany heviny izany amin’ny hafa rehefa mirava ny fivoriana. (Ambany) Mpivady mijery ny vaovao farany avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana, amin’izay ry zareo maharaka ny fanazavana farany momba ny faminanian’ny Baiboly. Manolotra boky sy gazety ara-baiboly navoakan’ny mpanompo mendri-pitokisana ry zareo.