LAHATSORATRA FIANARANA 6

Mampiharihary Momba An’ilay Nampanoratra Azy ny Baiboly

Mampiharihary Momba An’ilay Nampanoratra Azy ny Baiboly

“Soraty amin’ny boky izay teny rehetra lazaiko aminao.”​—JER. 30:2.

HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra

HO HITANAO ATO a

1. Nahoana ianao no mankasitraka ny Baiboly?

 TENA misaotra an’i Jehovah Andriamanitra isika nanome ny Baiboly! Misy torohevitra feno fahendrena ao, ary manampy antsika hamaha olana izy ireny. Manome antsika fanantenana tsara be koa izy ao. Fa ny tena zava-dehibe dia hoe mampiasa azy io i Jehovah mba hampahafantarana ny toetrany. Tena manohina ny fontsika ny misaintsaina an’ireny toetra tsarany ireny. Te hanatona azy àry isika mba ho lasa namany akaiky.​—Sal. 25:14.

2. Milazà fomba sasany nampahafantaran’i Jehovah ny momba azy.

2 Tian’i Jehovah hahafantatra azy ny olona. Nampiasa nofy sy fahitana ary anjely mihitsy aza izy taloha, mba hampahafantarana ny momba azy. (Nom. 12:6; Asa. 10:3, 4) Ahoana anefa no ianarantsika an’ireny nofy sy fahitana ary hafatra nampitain’ny anjely ireny, raha tsy noraisina an-tsoratra izy ireny? Izany no nahatonga an’i Jehovah hifidy olona ‘hanoratra amin’ny boky’ an’izay tiany ho fantatsika. (Jer. 30:2) Afaka matoky isika hoe tena tsara sy mahasoa io fomba fampitany hevitra io. “Tonga lafatra” mantsy “ny lalan’ilay tena Andriamanitra.”​—Sal. 18:30.

3. Inona no nataon’i Jehovah mba hisy hatramin’izao ny Baiboly? (Isaia 40:8)

3 Vakio ny Isaia 40:8. Efa an’arivony taona ny Tenin’Andriamanitra no nanome tari-dalana mahasoa ho an’ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika. Ahoana no netezan’izany? Efa ela be mantsy no nosoratana ny Soratra Masina. Zavatra mora simba koa no nanoratana azy io, ary tsy misy an’ireo soratra tany am-boalohany intsony amin’izao. Nataon’i Jehovah anefa izay hanaovana dika mitovy ny Soratra Masina. Tsy lavorary ireny mpanao dika soratra ireny nefa nitandrina be. Izao, ohatra, no nolazain’ny manam-pahaizana iray momba ny Soratra Hebreo: “Tsy diso isika raha milaza fa tena nampitaina tamin’ny fomba marina tsara izy io. Tsy misy asa soratra tranainy natao hoatr’izany mihitsy.” Afaka matoky àry isika fa mbola ny hevitr’i Jehovah no ao amin’ny Baiboly amin’izao, na dia nandeha teny aza ny fotoana, mora simba ny zavatra nanoratana azy, ary tsy lavorary ireo mpanao dika soratra.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Avy amin’i Jehovah “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jak. 1:17) Ny Baiboly no anisan’ny fanomezana tsara indrindra nomeny antsika. Matetika no hita amin’ny fanomezana azontsika hoe mahalala tsara antsika sy izay ilaintsika ve ilay nanome. Hoatr’izany koa ny amin’ilay nanome ny Baiboly. Mianatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah isika rehefa mandinika an’io fanomezana io. Ianarantsika hoe mahafantatra tsara antsika sy izay ilaintsika izy. Hodinihintsika ato hoe ahoana no anampian’ny Baiboly antsika hahita an’ireto toetra telon’i Jehovah ireto: Ny fahendreny, ny fanaovany ny rariny, ary ny fitiavany. Andao àry aloha hojerentsika hoe ahoana no ampihariharian’ny Baiboly hoe hendry Andriamanitra.

HENDRY ANDRIAMANITRA

5. Ahoana, ohatra, no ampihariharian’ny Baiboly ny fahendren’Andriamanitra?

5 Fantatr’i Jehovah hoe mila torohevitra feno fahendrena avy aminy isika. Betsaka an’izany ao amin’ny Baiboly, ilay fanomezana nomeny. Misy vokany tsara amin’ny olona ny torohevitra ao satria manova ny fiainany. Izao no nolazain’i Mosesy tamin’ny vahoakan’Andriamanitra, na ny Israelita, tamin’izy nanoratra an’ireo boky voalohandohany ao amin’ny Baiboly: “Tsy hoe teny tsy misy dikany ... ireo aminareo, fa iankinan’ny ainareo.” (Deot. 32:47) Sambatra sy nahomby izay nankatò ny Soratra Masina tamin’izany. (Sal. 1:2, 3) Tsy hoe nihalefy akory ny herin’ny Tenin’Andriamanitra rehefa nandeha ny fotoana. Mbola mahavita manatsara ny fiainan’ny olona foana izy io. Manaporofo an’izany, ohatra, ilay andian-dahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly”, ao amin’ny jw.org/mg. Misy tantaram-piainana 50 mahery ao. Hita amin’izy ireny fa ‘misy vokany [be] amin’ny mpino’ amin’izao koa ny Baiboly.​—1 Tes. 2:13.

6. Nahoana no tsy manan-tsahala ny Baiboly?

6 Tsy misy boky mitovy amin’ny Tenin’Andriamanitra. Nahoana? Satria mahery indrindra i Jehovah Andriamanitra, ilay nampanoratra azy io. Velona mandrakizay koa izy, ary tsy misy hendry hoatr’azy. Betsaka ny mpanoratra boky efa maty fa ny asa sorany mbola eo. Na izany aza, dia matetika ny torohevitra ao amin’izy ireny no efa lany andro. Ny toro lalana feno fahendrena ao amin’ny Baiboly kosa maharitra mandrakizay. Mahasoa ny olona foana izy io, na taloha na amin’izao. Rehefa mamaky an’io boky masina io sy misaintsaina an’izay ianarantsika ao isika, dia mampiasa ny fanahiny masina ilay nampanoratra azy io, mba hanampiana antsika hahita hoe ahoana no hampiharana ny torohevitry ny Baiboly. (Sal. 119:27; Mal. 3:16; Heb. 4:12) Velona tokoa ilay nampanoratra ny Baiboly, sady tena te hanampy antsika. Tsy mandrisika anao hamaky tsy tapaka ny Baiboly ve izany?

Nahoana ny Baiboly no mampiray saina ny vahoakan’i Jehovah, na ny taloha na ny amin’izao? (Fehintsoratra 7-8)

7. Nahoana no nampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra taloha ny Baiboly?

7 Mbola misy fomba tena miavaka ampihariharian’ny Baiboly ny fahendren’Andriamanitra. Mampiray saina ny vahoakan’Andriamanitra izy io. Rehefa tonga tao amin’ny Tany Nampanantenaina ny Israelita, dia niparitaka tamin’ny faritra midadasika be. Nisy lasa mpanarato, na mpiompy, na mpamboly. Samy hafa àry ny toerana nipetrahan-dry zareo, ka mety ho mora lasa tsy niraharaha ny Israelita tany amin’ny faritra hafa ny tany amin’ny faritra iray. Nanao fandaharana anefa i Jehovah mba hamoriana an-dry zareo tamin’ny fotoana samihafa. Nasainy nivory izy ireo mba hihaino ny Teniny, rehefa novakina sy nohazavaina izy io. (Deot. 31:10-13; Neh. 8:2, 8, 18) Alao sary an-tsaina izay mety ho tsapan’ny Israelita tsy nivadika rehefa tonga tao Jerosalema, dia nahita an’ireo mpiara-mivavaka taminy an-tapitrisany avy amin’ny faritra samihafa amin’ilay tany. Nanampy ny vahoakany hiray saina foana tokoa i Jehovah! Rehefa niforona ny fiangonana kristianina tatỳ aoriana, dia nisy lehilahy sy vehivavy avy amin’ny fari-piainana sy fiaviana samihafa tao, ary nampiasa fiteny be dia be ry zareo. Niray saina sy niara-nanompo an’ilay tena Andriamanitra anefa ry zareo, satria tia ny Soratra Masina. Tsy ho afaka nahazo ny Tenin’Andriamanitra ny olona vao lasa mpino, raha tsy nampian’ny mpiara-manompo taminy sy niara-nivory tamin-dry zareo.​—Asa. 2:42; 8:30, 31.

8. Nahoana ny Baiboly no mampiray saina ny vahoakan’i Jehovah amin’izao?

8 Mbola mampianatra sy mampiray saina ny vahoakany amin’ny alalan’ny Baiboly foana ilay Andriamanitra hendry. Avy ao amin’ny Teniny ny sakafo ara-panahy ankafizintsika. Mivory tsy tapaka miaraka amin’ny fiangonana isika sady manatrika fivoriambe, mba hihaino ny Soratra Masina. Vakina sy hazavaina ary iarahana midinika izy io any. Mandray anjara be amin’ny fanatanterahan’i Jehovah ny fikasany àry ny Baiboly, satria mahatonga ny mpivavaka aminy “hiray hina hanompo azy.”​—Zef. 3:9.

9. Inona no toetra ilaina mba hahazoana an’izay lazain’ny Baiboly? (Lioka 10:21)

9 Misy porofo hafa koa ahitantsika ny fahendren’i Jehovah. Rehefa nampanoratra ny ampahany maro ao amin’ny Soratra Masina izy, dia nataony hoe izay olona manetry tena ihany no mahazo azy ireny. (Vakio ny Lioka 10:21.) Afaka mamaky ny Baiboly daholo ny olona na aiza na aiza misy azy. Milaza ny manam-pahaizana iray fa “tsy hoe boky be mpamaky indrindra fotsiny ny Baiboly, fa tsy misy boky voavaky tsara hoatr’azy io koa.” Ny manetry tena ihany anefa no mahazo tsara azy io sy tena mampihatra an’izay voalaza ao.​—2 Kor. 3:15, 16.

10. Ahoana koa no ampihariharian’ny Baiboly ny fahendren’i Jehovah?

10 Misy fomba hafa koa ampihariharian’ny Baiboly ny fahendren’i Jehovah. Mampiasa azy io i Jehovah mba hampianarana antsika. Tsy isika amin’ny fitambarany fotsiny anefa no ampianariny, fa isika tsirairay mihitsy no ampianariny sy ampiononiny. Samy afaka mahatsapa isika rehefa mamaky ny Tenin’i Jehovah hoe miahy antsika tsirairay izy. (Isaia 30:21) Eritrereto ange e! Impiry izao ianao no nitady vahaolana tao amin’ny Soratra Masina, dia nahita andininy hoatran’ny hoe nosoratana ho anao mihitsy? Manintona olona an-tapitrisany anefa ny Baiboly. Midika izany hoe tsy mety lany andro ny fanazavana ao sady mifanaraka amin’izay ilainao mihitsy. Ahoana no hetezan’izany? Iray ihany ny valin’izany: Avy amin’ilay hendry indrindra eo amin’izao rehetra izao ny Baiboly.​—2 Tim. 3:16, 17.

MANAO NY RARINY ANDRIAMANITRA

11. Ahoana no nampisehoan’Andriamanitra hoe tsy manavakavaka izy rehefa nampanoratra ny Baiboly?

11 Anisan’ny toetran’i Jehovah koa ny fanaovana ny rariny. (Deot. 32:4) Mifandray akaiky ny hoe manao ny rariny sy ny hoe tsy manavakavaka. I Jehovah rahateo koa tsy manavakavaka. (Asa. 10:34, 35, f.a.p.; Rom. 2:11, f.a.p.) Ahitana an’izany, ohatra, ireo fiteny nanoratana ny Baiboly. Ny teny hebreo no tena nanoratana an’ireo boky 39 voalohany ao amin’ny Baiboly. Nahazo tsara an’io fiteny io mantsy ny vahoakan’Andriamanitra tamin’izany. Ny teny grika indray anefa no lasa be mpampiasa tamin’ny taonjato voalohany, ka io fiteny io no nanoratana ny ankamaroan’ireo boky 27 farany ao amin’ny Baiboly. Tsy noferan’i Jehovah hoe fiteny iray no nanoratana ny Teniny. Efa ho 8 000 tapitrisa izao ny mponina eran-tany, ary mampiasa fiteny maro be ry zareo. Ahoana no hahafahan’ireo olona be dia be ireo mianatra momba an’i Jehovah?

12. Ahoana, ohatra, no nahatanterahan’ny Daniela 12:4 amin’izao andro farany izao?

12 Nampanantena i Jehovah tamin’ny alalan’i Daniela mpaminany, fa “hitombo be ny tena fahalalana” ao amin’ny Baiboly amin’ny fotoanan’ny farany. Be dia be no lasa mahazo azy io. (Vakio ny Daniela 12:4.) Ahoana no nahatonga an’izany? Satria be dia be ny Baiboly sy boky ara-baiboly nadika sy natonta ary nozaraina. Ny Baiboly àry no boky nadika tamin’ny fiteny betsaka indrindra sy nozaraina be indrindra eran-tany. Lafo be anefa indraindray ny Baiboly vokarin’ny orinasa. Ny vahoakan’i Jehovah kosa efa nahavita nandika ny Tenin’Andriamanitra manontolo na ny ampahany aminy amin’ny fiteny 240 mahery, ary afaka mahazo azy io maimaim-poana na iza na iza. Olona avy amin’ny firenena rehetra àry no manaiky ny “vaovao tsaran’ilay Fanjakana” alohan’ny ahatongavan’ny farany. (Mat. 24:14) Tian’ilay Andriamanitry ny rariny ho betsaka araka izay azo atao ny olona afaka mamaky ny Teniny, dia hahafantatra azy. Tiany be mantsy isika rehetra.

BE FITIAVANA ANDRIAMANITRA

13. Nahoana no mampiharihary ny fitiavan’i Jehovah ny Baiboly? (Jaona 21:25)

13 Ny fitiavana no tena mampiavaka an’ilay nampanoratra ny Baiboly, ary manaporofo an’izany io boky io. (1 Jaona 4:8) Diniho ange izay nampanoratin’i Jehovah sy izay tsy nampidiriny tao e! Izay ilaintsika mihitsy no nataony tao, amin’izay isika mifandray tsara aminy, sy sambatra dieny izao, ary hahazo fiainana mandrakizay. Tsy nototofany tsipiriany tsy ilaina anefa isika, satria tia antsika izy.​—Vakio ny Jaona 21:25.

14. Ahoana koa no ampihariharian’ny Baiboly fa be fitiavana Andriamanitra?

14 Hita amin’ny fomba ampitan’i Jehovah hevitra amintsika koa fa tia antsika izy. Manome voninahitra antsika mantsy izy. Tsy manome lisitra-na lalàna be dia be izy ao amin’ny Baiboly, ka hoe mifehifehy be an’izay rehetra ataontsika. Tiany kosa isika hampiasa tsara ny saintsika. Manao an’izany izy amin’ny alalan’ny tantara tena nisy, faminaniana mampahery, ary torohevitra mahasoa. Mandrisika antsika ho tia an’Andriamanitra sy hankatò azy amin’ny fo àry ny Teniny.

Nahoana isika no tokony hisaintsaina ny fomba nifandraisan’i Jehovah tamin’ny mpanompony taloha? (Fehintsoratra 15)

15. a) Ahoana no ampisehoan’i Jehovah hoe miahy an’izay mamaky ny Teniny izy? b) Iza ao amin’ny Baiboly no saintsainin’ilay ankizivavy kely sy ilay rahalahy tanora ary ilay anabavy be taona eo amin’ny sary? (Gen. 39:1, 10-12; 2 Mpanj. 5:1-3; Lioka 2:25-38)

15 Ahariharin’ny Baiboly fa tena miahy antsika i Jehovah. Ahoana no ahitantsika an’izany? Be dia be ny tantara ao amin’ny Teniny mampiseho fihetseham-pon’olombelona. Azontsika tsara izay tsapan’ireny olona voatantara ao ireny, satria ‘manana fihetseham-po hoatran’ny antsika ihany’ ry zareo. (Jak. 5:17) Inona no vokany rehefa hitantsika ny fomba itondran’Andriamanitra ny olombelona hoatr’antsika? Vao mainka azontsika fa “tena be fitiavana i Jehovah sady mamindra fo”, ary izay no tena zava-dehibe.​—Jak. 5:11.

16. Inona no ianarantsika momba an’i Jehovah rehefa vakintsika ao amin’ny Baiboly izay nataony tamin’ny olona nanao fahadisoana? (Isaia 55:7)

16 Misy fomba hafa koa ampihariharian’ny Baiboly ny fitiavan’i Jehovah antsika. Manome toky antsika ny Soratra Masina fa tsy hanary antsika Andriamanitra, rehefa manao fahadisoana isika. Im-be dia be, ohatra, ny Israelita no nanota. Rehefa tena nibebaka anefa ry zareo, dia namela azy i Jehovah. (Vakio ny Isaia 55:7.) Nampahafantarina ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany koa izany fitiavan’Andriamanitra izany. Nisy lehilahy nanao fahotana lehibe, ohatra, nandritra ny fotoana elaela, nefa nibebaka tatỳ aoriana. Nahazo fanahy masina àry ny apostoly Paoly, ka nampirisika an’ireo mpiara-manompo taminy mba “hamela” ny helok’ilay lehilahy sady “hampionona” azy. (2 Kor. 2:6, 7; 1 Kor. 5:1-5) Soa ihany fa tsy hoe lasa tsy tia ny mpanompony intsony i Jehovah, satria fotsiny hoe nanao ny tsy nety ry zareo! Tia an-dry zareo kosa izy sady nanampy azy, nanitsy azy, ary nanasa azy hiverina taminy indray. Mampanantena izy fa izany koa no ataony amin’izay mpanota rehetra mibebaka amin’izao.​—Jak. 4:8-10.

ANKAMAMIO NY TENIN’ANDRIAMANITRA FA “FANOMEZANA TSARA”

17. Nahoana no fanomezana tena miavaka ny Baiboly?

17 Nanome antsika fanomezana tsara i Jehovah. Nahoana no tena miavaka ny Teniny? Satria ahariharin’izy io hoe hendry Andriamanitra, manao ny rariny, ary be fitiavana, araka ny nianarantsika teo. Asehon’io boky io fa tian’i Jehovah hahafantatra azy ianao, sady tiany ho lasa namany.

18. Ahoana no ampisehoantsika hoe mankasitraka an’ilay “fanomezana tsara” avy amin’i Jehovah isika?

18 Tsy tiantsika hatao tsinontsinona ilay “fanomezana tsara” nomen’Andriamanitra, izany hoe ny Teniny. (Jak. 1:17) Andao àry isika hankasitraka azy io foana, ka hamaky sy hisaintsaina ny teny masina ao anatiny. Hitahy ny ezaka ataontsika ilay nampanoratra azy io amin’izay, ary ‘ho hitantsika ny fahalalana an’Andriamanitra.’​—Ohab. 2:5.

HIRA 98 Avy Amin’Andriamanitra ny Soratra Masina

a Manampy antsika hifandray akaiky amin’i Jehovah ny Baiboly. Inona no ianarantsika avy amin’io boky masina io momba ny fahendreny sy ny fanaovany ny rariny ary ny fitiavany? Hanampy antsika hankasitraka kokoa ny Tenin’Andriamanitra izay ianarantsika ao. Ho hitantsika koa hoe tena fanomezana avy amin’ilay Raintsika any an-danitra izy io.