LAHATSORATRA FIANARANA 7

Te Handray Soa Kokoa ve Ianao Rehefa Mamaky Baiboly?

Te Handray Soa Kokoa ve Ianao Rehefa Mamaky Baiboly?

“Ahoana no fahazoanao azy?”​—LIOKA 10:26.

HIRA 97 Ny Teninao no Ivelomanay

HO HITANAO ATO a

1. Inona no mampiseho hoe zava-dehibe tamin’i Jesosy ny Soratra Masina?

 METY ho hoatran’ny ahoana izany nihaino an’i Jesosy nampianatra izany? Matetika izy no nanonona tsianjery teny avy tao amin’ny Soratra Masina! Raha ny marina aza, dia samy avy tao amin’ny Soratra Masina, na ireo teny voalohandohany nolazainy taorian’ny batisany na ny teny sasany nolazainy talohan’ny nahafatesany. b (Deot. 8:3; Sal. 31:5; Lioka 4:4; 23:46) Ary ahoana nandritra ny telo taona sy tapany teo anelanelan’izay? Namaky teny ampahibemaso sy nanonona teny avy tao amin’ny Soratra Masina izy matetika, sady nanazava an’ireny.​—Mat. 5:17, 18, 21, 22, 27, 28; Lioka 4:16-20.

Nasehon’i Jesosy nandritra ny androm-piainany hoe tiany ny Soratra Masina, ary navelany hisy vokany teo amin’izay nataony izany (Fehintsoratra 2)

2. Inona no nanampy an’i Jesosy hahay tsara ny Soratra Masina rehefa nihalehibe izy? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

2 Efa imbetsaka i Jesosy no namaky ny Tenin’Andriamanitra sy naheno azy io, taona maro talohan’ny nanombohan’ny fanompoany. Azo inoana hoe naheno an’i Josefa sy Maria nanonona ny Soratra Masina izy tao an-trano, tamin’ny resadresaka nifanaovan’izy mianakavy isan’andro. c (Deot. 6:6, 7) Azo antoka koa hoe niaraka tamin’ny fianakaviany tany amin’ny synagoga izy isaky ny Sabata. (Lioka 4:16) Tsy maintsy ho nihaino tsara izy tany, rehefa novakina ny Soratra Masina. Izy mihitsy no nianatra namaky an’izany tatỳ aoriana. Tsy vitan’ny hoe lasa nahalala tsara ny Soratra Masina àry izy, fa tia an’izany koa ary namela an’izany hisy vokany tamin’izay nataony. Tadidinao ve, ohatra, izay nitranga tao amin’ny tempoly, tamin’izy vao 12 taona? “Talanjona” ireo mpampianatra nahay tsara ny Lalàn’i Mosesy, “noho ny fahiratan-tsainy sy ny valin-teniny.”​—Lioka 2:46, 47, 52.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Afaka ny hahafantatra sy ho tia ny Tenin’Andriamanitra koa isika, raha mamaky azy io tsy tapaka. Inona anefa no hanampy antsika handray soa faran’izay betsaka avy amin’izay vakintsika? Andao isika hianatra avy amin’izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo nahay Lalàna, anisan’izany ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo ary ny Sadoseo. Namaky ny Soratra Masina matetika ireo mpitondra fivavahana ireo fa tsy nandray soa tamin’izay novakiny. Nahoana? Nanasongadina antony telo i Jesosy. Hanampy antsika ny zavatra nolazainy mba 1) hahazo kokoa an’izay vakintsika, 2) hahita harena ara-panahy, ary 3) hamela ny Tenin’Andriamanitra hamolavola antsika.

MIEZAHA HAHAZO AN’IZAY VAKINAO

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny Lioka 10:25-29 momba ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra?

4 Tiantsika ho azo ny dikan’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tsy tena handray soa mantsy isika raha tsy izany. Diniho, ohatra, ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ny “lehilahy iray nahay Lalàna.” (Vakio ny Lioka 10:25-29.) Nanontany an’i Jesosy izy io hoe inona no tokony hataony mba hahazoany fiainana mandrakizay. Nasain’i Jesosy niresaka an’izay nolazain’ny Tenin’Andriamanitra àry izy. Nanontany azy i Jesosy hoe: “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna? Ahoana no fahazoanao azy?” Marina ny navalin’ilay lehilahy rehefa nanonona an’izay nolazain’ny Soratra Masina izy hoe mila tia an’Andriamanitra sy tia namana izy. (Lev. 19:18; Deot. 6:5) Mariho anefa izay nanontaniany an’i Jesosy avy eo. Hoy izy: “Fa iza marina moa no namako?” Hita avy amin’izany fa tsy azony ny tena dikan’izay novakiny. Lasa tsy nahay nampihatra tsara an’ireo andininy ireo àry izy.

Afaka miezaka isika mba hahazo an’izay vakintsika

5. Nahoana no ilaina ny mivavaka sy mamaky miadana?

5 Hahazo kokoa ny Tenin’Andriamanitra ianao, raha miezaka hanana fahazarana tsara rehefa mamaky teny. Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy: Mivavaha alohan’ny hamakiana. Mila ny fanampian’i Jehovah isika vao hahazo ny Soratra Masina. Iangavio àry izy mba hanome fanahy masina anao, amin’izay ianao mifantoka. Vakio miadana ilay izy avy eo. Hanampy anao hahazo an’izay vakinao izany. Mety hahasoa anao koa ny mamaky mafy, na mihaino raki-peo sady manaraka ao amin’ny Baiboly. Miasa daholo ny masonao sy ny sofinao amin’izay, ka hisy vokany kokoa amin’ny sainao sy ny fonao ny Tenin’Andriamanitra. (Jos. 1:8) Rehefa vita ilay vakiteny, dia mivavaha indray. Isaory i Jehovah noho izy nanome ny Teniny, ary iangavio izy mba hanampy anao hampihatra an’izay novakinao.

Nahoana no hahazo sy hahatadidy an’izay vakinao ianao raha mandray an-tsoratra fohy? (Fehintsoratra 6)

6. Nahoana no tsara ny mametraka fanontaniana sy mandray an-tsoratra fohy rehefa mamaky teny? (Jereo koa ny sary.)

6 Ireto koa misy soso-kevitra roa hanampy anao hahazo kokoa an’izay lazain’ny Baiboly. Mametraha fanontaniana momba an’izay vakinao. Rehefa mandinika tantara iray ianao, dia saintsaino izao: ‘Iza no tena resahina ao? Iza no miteny? Iza no iresahany ary nahoana? Taiza ilay izy no nitranga ary oviana?’ Hanampy anao hisaintsaina ny fanontaniana hoatr’ireo, sady hanampy anao haharaka ny hevi-dehibe ao amin’ilay tantara. Miezaha koa handray an-tsoratra fohy rehefa mamaky. Rehefa manoratra mantsy ianao, dia hoatran’ny hoe manery ny sainao mba hitady teny hamoahana ny hevitrao. Hazava ao an-tsainao àry izay novakinao sady hotadidinao. Ireto misy zavatra azonao raisina an-tsoratra: Fanontaniana, hevitra hitanao tamin’ny fikarohana, famintinana ny hevi-dehibe, ary izay azonao ampiasana ny zavatra novakinao. Mety hoe ny fihetseham-ponao fotsiny koa anefa no soratanao ao. Rehefa mandray an-tsoratra hoatr’izany ianao, dia mety ho hitanao hoe natao ho anao mihitsy ny Tenin’Andriamanitra.

7. Inona no toetra ilaintsika rehefa mamaky Baiboly isika, ary nahoana? (Matio 24:15)

7 Nilaza i Jesosy hoe misy toetra iray tena ilaintsika, vao hahazo an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika. Inona izany? Ny fahaiza-mandinika. (Vakio ny Matio 24:15.) Mandinika tsara ny olona iray, raha mahay mamantatra ny ifandraisan’ny hevitra anankiroa sy ny tsy itovizan’ny hevitra iray amin’ny hevitra hafa. Hitany koa na dia ny zavatra tsy tonga dia miharihary aza. Ankoatra izany, dia mila mandinika tsara isika mba hamantarana an’ireo zava-mitranga manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly, araka ny nolazain’i Jesosy. Ilaintsika koa io toetra io, amin’izay isika tena handray soa avy amin’izay rehetra vakintsika ao amin’io boky io.

8. Hoatran’ny ahoana ilay hoe mahay mandinika rehefa mamaky ny Soratra Masina?

8 Avy amin’i Jehovah ny fahaiza-mandinika. Mivavaha aminy àry, dia angataho izy mba hanampy anao hanana an’io toetra io. (Ohab. 2:6) Mila manao zavatra mifanaraka amin’ny vavaka nataonao koa ianao. Ahoana no hanaovanao an’izany? Fakafakao tsara izay vakinao, dia mariho hoe inona no ifandraisan’ilay izy amin’ny zavatra hafa efa fantatrao. Afaka manampy anao ny boky fianarana Baiboly, anisan’izany ilay hoe Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy anao ireny fitaovana ireny hahita hoe inona no dikan’ilay andinin-teny, ary ahoana no hampiharanao azy. (Heb. 5:14) Raha mandinika tsara ianao rehefa mamaky ny Soratra Masina, dia ho azonao kokoa izy io.

MITADIAVA HARENA ARA-PANAHY

9. Inona ny fahamarinana lehibe tsy noraharahian’ny Sadoseo?

9 Nahafantatra tsara an’ireo boky dimy voalohany ao amin’ny Soratra Hebreo ny Sadoseo. Tsy noraharahian-dry zareo anefa ny fahamarinana lehibe tao amin’ireo boky avy amin’Andriamanitra ireo. Diniho, ohatra, ny valin-tenin’i Jesosy, tamin’ny Sadoseo nanontany azy momba ny fitsanganana amin’ny maty. Nanontany azy ireo izy hoe: “Angaha mbola tsy novakinareo ilay ao amin’ny bokin’i Mosesy, ao amin’ny fitantarana momba an’ilay voarointsilo, fa nilaza taminy Andriamanitra hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?” (Mar. 12:18, 26) Azo antoka hoe efa namaky an’io andininy io imbetsaka ny Sadoseo. Hita avy amin’ilay fanontanian’i Jesosy anefa fa tsy noraharahian-dry zareo ilay fahamarinana lehibe tao amin’ny Soratra Masina. Inona izany? Ny fampianarana momba ny fitsanganana amin’ny maty.​—Mar. 12:27; Lioka 20:38. d

10. Inona no tokony hodinihintsika rehefa mamaky Baiboly isika?

10 Inona no ianarantsika avy amin’izany? Rehefa mamaky Baiboly isika, dia tokony hojerentsika daholo izay azontsika ianarana avy amin’ilay andininy na ilay fitantarana. Tsy ny fampianarana fototra ihany no tiantsika ho hita, fa eo koa ny fahamarinana sy ny toro lalana lalina kokoa. Hoatran’ny harena an-kibon’ny tany mantsy izy ireny, ka mila hadina tsara vao hita.

11. Ahoana no ampiasanao ny 2 Timoty 3:16, 17 mba hahitana harena ara-panahy?

11 Ahoana no hahitanao harena ara-panahy rehefa mamaky Baiboly ianao? Diniho izay lazain’ny 2 Timoty 3:16, 17. (Vakio.) Izao no resahina ao: ‘Ny Soratra Masina iray manontolo dia mahasoa’ mba 1) hampianarana, 2) hananarana, 3) hanitsiana an’izay tsy mety, ary 4) hanabeazana. Afaka mahazo an’ireo zava-tsoa efatra ireo ianao, na dia ao amin’ny boky tsy dia mahazatra anao aza. Fakafakao ilay tantara mba hahitanao hoe inona no ampianarin’izy io momba an’i Jehovah, ny fikasany, na ny toro lalany. Diniho hoe nahoana izy io no mahasoa mba hananarana. Ahoana no hanaovanao an’izany? Mariho hoe nahoana ireo andininy novakinao no manampy anao hamantatra sy hiala amin’ny fahazaran-dratsy na toe-tsaina ratsy, sady manampy anao tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy. Diniho koa hoe nahoana ilay izy no azonao ampiasaina mba hanitsiana an’izay tsy mety, ohatra hoe hevi-diso noresahin’ny olona teny amin’ny fanompoana. Jereo koa izay fanabeazana azonao raisina avy amin’ilay andininy, ka hahatonga anao hitovy fomba fisainana amin’i Jehovah. Hahita harena ara-panahy ianao rehefa mitadidy an’ireo zava-tsoa efatra ireo. Hanampy anao handray soa kokoa avy amin’ny famakiana Baiboly izany.

AVELAO HAMOLAVOLA ANAO IZAY VAKINAO

12. Nahoana i Jesosy no nanontany ny Fariseo hoe “mbola tsy novakinareo angaha”?

12 Nahoana koa i Jesosy no nanontany ny Fariseo hoe: “Mbola tsy novakinareo angaha”? (Mat. 12:1-7) e Tiany haharihary fa nanana hevi-diso momba ny Soratra Masina ry zareo. Nilaza mantsy ny Fariseo tamin’izay hoe nandika ny lalàna momba ny Sabata ny mpianatr’i Jesosy. Ahoana no namalian’i Jesosy an’izany? Nilaza ohatra roa avy tao amin’ny Soratra Masina izy sady naka teny tao amin’ny bokin’i Hosea, mba hampisehoana hoe tsy azon’ny Fariseo ny antony nanomezana ny lalàna momba ny Sabata. Tsy namindra fo ry zareo noho izany. Nahoana no tsy namolavola azy ireo ny zavatra novakiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra? Satria tia nanakiana sy be hambom-po ry zareo. Izany toe-tsaina izany no nahatonga an-dry zareo tsy hahazo an’izay novakiny.​—Mat. 23:23; Jaona 5:39, 40.

13. Inona ny toe-tsaina tokony hananantsika rehefa mamaky Baiboly isika, ary nahoana?

13 Ianarantsika avy amin’ny tenin’i Jesosy fa mila manana toe-tsaina tsara isika rehefa mamaky Baiboly. Tsy maintsy manetry tena sy mora ampianarina isika, fa tsy hanao hoatran’ny Fariseo. Tsy maintsy ‘ekentsika amim-pahalemem-panahy ny teny ambolen’Andriamanitra ao am-pontsika.’ (Jak. 1:21) Avelantsika hamaka ao am-pontsika ny Teniny raha malemy fanahy isika. Rehefa tsy tia manakiana na be hambom-po ihany isika, vao hisy vokany amintsika ny fampianaran’ny Baiboly momba ny famindram-po sy ny fangorahana ary ny fitiavana.

Ahoana no amantarana hoe avelantsika hamolavola antsika ny Tenin’Andriamanitra? (Fehintsoratra 14) f

14. Ahoana no ahitana raha avelantsika hamolavola antsika ny Baiboly? (Jereo koa ny sary.)

14 Hita amin’ny fomba itondrantsika ny hafa raha avelantsika hamolavola antsika ny Tenin’Andriamanitra. Tsy navelan’ny Fariseo hanohina ny fony ny Tenin’Andriamanitra, dia lasa ‘nanameloka an’izay tsy meloka’ ry zareo. (Mat. 12:7) Hita amin’ny fiheverantsika ny hafa sy ny fomba itondrantsika an-dry zareo koa, raha navelantsika hamolavola antsika ny Tenin’Andriamanitra. Mora miresaka zavatra tsara momba ny hafa ve, ohatra, isika sa maika hilaza an’izay tsy metimety ataony? Mamindra fo sy vonona hamela heloka ve isika, sa tia manakiana sy mitana lolompo? Rehefa mandini-tena hoatr’izany isika, dia ho hitantsika raha avelantsika hisy vokany eo amin’ny saintsika sy ny fihetseham-pontsika ary ny ataontsika izay vakintsika.​—1 Tim. 4:12, 15; Heb. 4:12.

MAHASAMBATRA NY MAMAKY BAIBOLY

15. Ahoana ny fiheveran’i Jesosy ny Soratra Masina?

15 Tian’i Jesosy ny Soratra Masina. Miresaka ny fihetseham-pony ilay faminaniana ao amin’ny Salamo 40:8 hoe: “Ny manao ny sitraponao no mahafinaritra ahy, Andriamanitra ô, ary ao anatiko lalina ao ny lalànao.” Lasa sambatra sy nahomby àry izy rehefa nanompo an’i Jehovah. Ho sambatra sy hahomby koa isika, raha mandatsaka am-po an’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra.​—Sal. 1:1-3.

16. Ahoana no azonao atao mba handray soa kokoa ianao rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra? (Jereo ilay efajoro hoe “ Afaka Manampy Anao Hahazo Izay Vakinao ny Tenin’i Jesosy.”)

16 Andao àry isika hanatsara ny fahaizantsika mamaky Baiboly, ka hanaraka ny tenin’i Jesosy sy ny ohatra nomeny. Hahazo kokoa an’ireo andininy vakintsika isika raha mivavaka, mamaky miadana, mametraka fanontaniana, ary mandray an-tsoratra fohy. Hahay handinika koa isika raha mamakafaka tsara, sady mampiasa an’ireo boky navoakan’ny fandaminana. Misy azontsika atao koa mba hahay hampiasa kokoa ny Soratra Masina isika, na dia ireo andinin-teny tsy tena mahazatra antsika aza. Tadiavo izay harena ara-panahy ao amin’izy ireny. Ankoatra izany, dia hamela ny Tenin’Andriamanitra hamolavola antsika isika, raha manana toe-tsaina tsara foana rehefa mamaky azy io. Raha miezaka manao an’ireo isika, dia handray soa kokoa rehefa mamaky Baiboly sady hifandray akaiky amin’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay.​—Sal. 119:17, 18; Jak. 4:8.

HIRA 95 Mihamazava ny Lalantsika

a Miezaka mamaky ny Tenin’i Jehovah isan’andro daholo isika mpanompony. Betsaka koa ny olona mamaky Baiboly, fa tsy tena azony izay vakiny. Hoatr’izany ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy. Handinika an’izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo olona namaky ny Tenin’Andriamanitra ireo isika. Ho hitantsika amin’izay hoe inona no hanampy antsika handray soa kokoa rehefa mamaky Baiboly.

b Lasa tadidin’i Jesosy indray ny zavatra niainany talohan’ny nahatongavany tetỳ an-tany, tamin’izy natao batisa sy nohosorana fanahy masina.​—Mat. 3:16.

c Nahay tsara ny Soratra Masina i Maria ary nanonona azy ireny. (Lioka 1:46-55) Azo inoana hoe tsy nanam-bola hividianana kopian’ny Soratra Masina i Josefa sy Maria. Tsy maintsy ho nihaino tsara àry ry zareo rehefa novakina tao amin’ny synagoga ny Tenin’Andriamanitra mba ho tadidiny izy ireny.

d Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manatòna An’Andriamanitra: ‘Andriamanitry ny Velona Izy’”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2013.

e Nanontany ny Fariseo koa i Jesosy ao amin’ny Matio 19:4-6 hoe: “Angaha mbola tsy novakinareo?” Marina hoe efa namaky ny fitantarana momba ny famoronana ry zareo. Tsy noraharahiany anefa izay nampianarin’izy io momba ny fiheveran’Andriamanitra ny fanambadiana.

f SARY: Nanao diso imbetsaka ny rahalahy iray anisan’ny mikarakara ny feo sy video, nandritra ny fivoriana tao amin’ny Efitrano Fanjakana. Rehefa nirava anefa, dia nidera azy ireo rahalahy noho ny ezaka nataony, fa tsy nifantoka tamin’ny fahadisoany.