LAHATSORATRA FIANARANA 5

‘Ampiasao Tsara ny Fotoananao’

‘Ampiasao Tsara ny Fotoananao’

“Mitandrema tsara foana amin’izay ataonareo, mba ho hita hoe hendry ianareo fa tsy adala, ka ampiasao tsara ny fotoananareo.”​—EFES. 5:15, 16.

HIRA 8 Jehovah no Fialofantsika

HO HITANAO ATO *

1. Rahoviana isika no azo lazaina hoe miaraka amin’i Jehovah?

 TENA mahafinaritra antsika ny miaraka amin’ny olona tiantsika. Faly erỳ izao ny mpivady rehefa mba miaraka kely amin’ny hariva. Ny tanora indray mankafy ny fiarahana amin’ny namany akaiky. Ary iza amintsika no tsy tia miaraka amin’ny mpiara-manompo? Azo antoka anefa fa ny miaraka amin’ilay Andriamanitsika no mahafinaritra antsika indrindra. Manao an’izany isika rehefa mivavaka, mamaky ny Teniny, ary misaintsaina momba ny fikasany sy ny toetrany. Sarobidy be ny fotoana iarahantsika amin’i Jehovah!​—Sal. 139:17.

2. Inona ny olana misakana antsika tsy hiaraka amin’i Jehovah?

2 Marina fa tena tiantsika ny miaraka amin’i Jehovah. Misy olana anefa. Be atao isika ka sarotra amintsika ny mahita fotoana hanaovana an’ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana azy. Eo ny asa sy ny andraikitra ara-pianakaviana ary ny zavatra hafa tsy maintsy atao. Maka fotoana be ireo dia mety hahatsiaro ho tototra isika, ka tsy hahavita hivavaka sy hianatra na hisaintsaina.

3. Inona koa no mety handany ny fotoanantsika?

3 Misy zavatra hafa koa mety handany ny fotoanantsika, nefa mety tsy ho tandrintandrintsika izany. Marina fa tsy ratsy angamba ilay izy. Raha tsy mitandrina anefa isika, dia mety ho lany amin’izany ny fotoana tokony hampiasaintsika mba hifandraisana kokoa amin’i Jehovah. Anisan’izany ny fialam-boly. Mahasoa antsika rehetra ny maka aina na miala voly kely tsindraindray. Na ny fialam-boly mahasoa aza anefa mety haka fotoana be, ka ho kely sisa ny fotoana azontsika atokana ho an’ny zavatra ara-panahy. Ilaina àry ny mitadidy hoe tsy ny fialam-boly no zava-dehibe indrindra.​—Ohab. 25:27; 1 Tim. 4:8.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Fa maninona isika no mila mahay mamantatra an’izay zava-dehibe kokoa? Inona no azontsika atao mba hahatonga antsika hahay hampiasa tsara ny fotoana iarahantsika amin’i Jehovah? Ary inona no soa horaisintsika avy amin’izany? Handinika an’ireo isika ato.

MANAOVA SAFIDY TSARA ARY FANTARO IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA

5. Nahoana ny torohevitra ao amin’ny Efesianina 5:15-17 no hanampy ny tanora hanao ny safidy tsara indrindra?

5 Manaova ny safidy tsara indrindra. Matetika ny tanora no mieritreritra hoe ahoana no fomba tsara indrindra azony ampiasana ny fiainany. Mety hampirisika an-dry zareo hanao fianarana ambony ny mpampianatra sy ny havana tsy Vavolombelona. Amin’izay, hono, mahazo asa tsara sy be vola. Azo inoana anefa fa haka fotoana be izany. Ny ray aman-dreniny sy ny namany ao amin’ny fiangonana kosa mety hampirisika azy hampiasa ny fiainany hanompoana an’i Jehovah. Inona àry no hanampy an’ilay tanora tia an’i Jehovah mba handray ny fanapahan-kevitra tsara indrindra? Handray soa izy raha mamaky sy misaintsaina ny Efesianina 5:15-17. (Vakio.) Rehefa avy mamaky an’ireo andinin-teny ireo izy, dia afaka mieritreritra hoe: ‘Inona no “sitrapon’i Jehovah”? Inona no fanapahan-kevitra hampifaly azy? Inona no safidy hanampy ahy hampiasa ny fotoanako amin’ny fomba tsara indrindra?’ Tadidio fa “ratsy izao andro izao” ary efa hifarana ity tontolo fehezin’i Satana ity. Hendry àry isika raha mampiasa ny fotoanantsika mba hampifaliana an’i Jehovah.

6. Inona ny safidy nataon’i Maria, ary nahoana no tsara izany safidiny izany?

6 Fantaro izay zava-dehibe kokoa. Inona no dikan’izany? Tsy maintsy misafidy amin’ny zavatra roa isika indraindray, ary mety hoe samy tsy ratsy ireo safidy ireo. Mampiseho an’izany ilay zava-nitranga rehefa nitsidika an’i Maria sy Marta i Jesosy. Azo antoka fa faly be i Marta hoe hivahiny ao aminy i Jesosy, dia nanomana hanim-pito loha izy. Izy koa moa efa tia mandray vahiny rahateo. Naleon’i Maria rahavaviny kosa nipetraka teo akaikin’ny Tompo sy nihaino ny fampianarany. Marina hoe antony tsara no nahatonga an’i Marta hanao raharaha be. I Maria anefa nifidy “ny anjara tsara indrindra.” (Lioka 10:38-42, f.a.p.) Rehefa nandeha ny fotoana, dia tsy tadidin’i Maria intsony angamba ny sakafo nohanina tamin’izay. Azo antoka anefa fa tsy hadinony mihitsy ny zavatra nianarany avy tamin’i Jesosy. Mankafy ny fotoana iarahantsika amin’i Jehovah isika, hoatran’i Maria nankafy ny fotoana kely niarahany tamin’i Jesosy. Ahoana àry no azontsika ampiasana tsara an’io fotoana io?

AMPIASAO TSARA NY FOTOANA IARAHANAO AMIN’I JEHOVAH

7. Nahoana isika no mila manokana fotoana hivavahana sy hianarana ary hisaintsainana sady mifantoka tsara rehefa manao an’ireo?

7 Mila miaiky isika hoe anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny vavaka sy ny fianarana ary ny fisaintsainana. Mifandray amin’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra isika rehefa mivavaka. (Sal. 5:7) Rehefa mianatra Baiboly indray isika, dia miezaka hahazo “ny fahalalana an’Andriamanitra”, izay Loharanon’ny fahendrena rehetra. (Ohab. 2:1-5) Tena ilaina koa ny misaintsaina. Mandinika ny toetra mahafinaritra asehon’i Jehovah isika rehefa manao an’izany, sady mieritreritra ny fikasany ho antsika sy ho an’ny olombelona rehetra. Izany no fomba tsara indrindra azontsika ampiasana ny fotoanantsika. Ahoana anefa no hahavitantsika tsara an’ireo ao anatin’ilay fotoana kely ananantsika?

Maninona raha mitady toerana mangina rehefa hianatra samirery? (Fehintsoratra 8-9)

8. Ahoana no nampiasan’i Jesosy ny fotoanany tany an-tany efitra? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

8 Mifidiana toerana mangina raha azo atao. Eritrereto ny nataon’i Jesosy. Nankany an-tany efitra nandritra ny 40 andro izy, talohan’ny hanombohany ny fanompoany teto an-tany. (Lioka 4:1, 2) Nangina tsara tany, dia afaka nivavaka tamin’ny Rainy sy nisaintsaina ny sitrapony momba azy izy. Azo antoka fa nanampy an’i Jesosy izany mba ho vonona hiatrika ny fitsapana nahazo azy tsy ela taorian’izay. Inona no azonao ianarana avy amin’izany? Tsy mora angamba indraindray ny mahita toerana mangina ao aminareo, raha maro an-trano ianareo. Afaka mitady toerana milamina kokoa àry ianao any ivelany. Izany no ataon’i Julie, anabavy any Frantsa, rehefa te hiaraka amin’i Jehovah sy hivavaka aminy izy. Kely ilay trano ipetrahan’izy mivady, dia sarotra be ny mahita toerana mitokana sy tsy voahelingelina. Izao no nolazainy: “Mandehandeha any amin’ny zaridainam-panjakana aho isan’andro. Mitokana tsara any, dia afaka mifantoka sy miresaka tsara amin’i Jehovah aho.”

9. Tery be ny fotoanan’i Jesosy. Ahoana anefa no nampisehoany hoe sarobidy taminy ny fifandraisany tamin’i Jehovah?

9 Tena be atao i Jesosy. Nisy vahoaka be nanaraka azy na taiza na taiza nalehany, tamin’izy nanao ny fanompoany teto an-tany. Tsy vitan’izany fa nila nokarakaraina ireo vahoaka ireo, dia naka ny fotoanany izany. “Nitangorona” teo amin’ny varavaran’ilay trano nisy azy mihitsy aza “ny tao an-tanàna” indray mandeha. Na izany aza, dia nitady fotoana foana i Jesosy mba hanatsarana ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Nankany amin’ny “toerana mitokana” izy talohan’ny hiposahan’ny masoandro mba hiresahana irery tamin’ny Rainy.​—Mar. 1:32-35.

10-11. Inona no torohevitra tsara nomen’i Jesosy ny mpianany tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, araka ny Matio 26:40, 41? Inona anefa no nataon-dry zareo?

10 Mbola nitady toerana mangina hisaintsainana sy hivavahana i Jesosy, ny alina farany niainany teto an-tany. Efa ho vita ny fanompoany tamin’izay. Nahita toerana mety tsara izy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. (Mat. 26:36) Nanome torohevitra tena ilaina momba ny vavaka izy tamin’io fotoana io, rehefa niresaka tamin’ny mpianany.

11 Efa alina be ry zareo vao tonga tao amin’ny zaridainan’i Getsemane, angamba efa tamin’ny misasakalina mahery. Nasain’i Jesosy ‘niari-tory’ ny apostoly tamin’izay, dia lasa izy nandeha nivavaka. (Mat. 26:37-39) Resin-tory anefa ry zareo tamin’izy nivavaka. Rehefa nahita an’izany i Jesosy, dia nampirisika an-dry zareo indray mba ‘hiambina sy hivavaka foana.’ (Vakio ny Matio 26:40, 41.) Fantany hoe vizana ry zareo satria betsaka ny zavatra nampiady saina azy. Nangoraka an-dry zareo àry izy ka nilaza hoe “ny nofo no malemy.” Mbola nandeha nivavaka indroa i Jesosy taorian’izay, ary mbola natory ny mpianany fa tsy nivavaka rehefa niverina nijery an-dry zareo izy.​—Mat. 26:42-45.

Maninona raha amin’ny fotoana tsy maha vizana be anao no mivavaka? (Fehintsoratra 12)

12. Inona no azontsika atao raha miady saina loatra isika na vizana loatra ka tsy mahavita mivavaka?

12 Mifidiana fotoana mety tsara. Miady saina be na vizana loatra isika indraindray dia tsy mahavita mivavaka. Efa nitranga taminao ve izany? Betsaka no tratran’izany. Inona no azonao atao rehefa sendra an’izany ianao? Misy, ohatra, efa zatra nivavaka tamin’i Jehovah rehefa amin’ny alina. Nataony aloha kokoa anefa ilay izy, amin’izay izy mbola tsy vizana be. Misy koa mahita hoe manampy azy hifantoka kokoa ny paoziny rehefa mivavaka, ohatra hoe mipetraka na mandohalika. Ahoana anefa raha tsy mahavita mivavaka ianao satria mitaintaina loatra na kivy be? Resaho amin’i Jehovah ihany ny fihetseham-ponao. Matokia fa ho azon’ilay Raintsika izany satria izy tena mangoraka.​—Sal. 139:4.

Afaka miezaka ve ianao mba tsy hamaly SMS sy e-mail mandritra ny fivoriana? (Fehintsoratra 13-14)

13. Nahoana ny fitaovana elektronika no mety hanelingelina ny fotoana iarahantsika amin’i Jehovah?

13 Aza variana amin’ny zavatra hafa rehefa mianatra. Tsy ny vavaka ihany no manampy antsika hinamana kokoa amin’i Jehovah, fa ny fianarana ny Teniny sy ny fivoriana koa. Misy zavatra azonao atao ve mba hampiasana tsara ny fotoana ianaranao sy anatrehanao fivoriana? Eritrereto izao: ‘Inona matetika no mahatonga ahy tsy hifantoka rehefa mivory na mianatra samirery?’ Sao dia antso na e-mail na SMS amin’ny telefaonina na fitaovana elektronika hafa? Olona an-tapitrisany no mampiasa an’ireny fitaovana ireny, ary tena mahasoa izy ireny. Misy mpikaroka milaza anefa hoe vao misy telefaonina fotsiny eo akaiky eo, dia efa mety ho voahelingelina ianao na dia te hifantoka aza. Hoy ny manam-pahaizana iray momba ny psikolojia: “Lasa any an-kafa ny sainao fa tsy mifantoka amin’izay ataonao.” Ilazana isika matetika alohan’ny fivoriambe hoe raha manana telefaonina na fitaovana elektronika hafa, dia aza atao manelingelina ny olon-kafa izany. Maninona moa raha atao hoatr’izany koa ireny fitaovana ireny rehefa mianatra samirery ianao, amin’izay ianao tsy ho voahelingelina ary tsy ho voasembantsembana ny fotoana iarahanao amin’i Jehovah?

14. Araka ny Filipianina 4:6, 7, ahoana no anampian’i Jehovah antsika mba hifantoka?

14 Mangataha amin’i Jehovah mba hampiany hifantoka ianao. Ahoana raha tsikaritrao hoe mitady hiriorio ny sainao rehefa mianatra na rehefa any am-pivoriana? Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao. Mety ho sarotra ny tsy hiraharaha an’izay mampanahy anao sy hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy, raha miady saina ianao na manahy. Tena ilaina anefa izany. Mivavaha mba hahazo ny fiadanan’Andriamanitra. Tsy hiambina ny fonao fotsiny izy io fa hiambina ‘ny sainao’ koa.​—Vakio ny Filipianina 4:6, 7.

MAHASOA ANTSIKA NY MANOKANA FOTOANA HIARAHANA AMIN’I JEHOVAH

15. Inona ny soa horaisinao raha manokana fotoana hiarahana amin’i Jehovah ianao?

15 Tena handray soa be dia be ianao, raha maka fotoana hiresahana amin’i Jehovah sy hihainoana azy ary hisaintsainana momba azy. Voalohany, handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ianao. Manome toky antsika ny Baiboly hoe: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.” (Ohab. 13:20) Ho hendry kokoa àry ianao raha maka fotoana hiarahana amin’i Jehovah, satria izy no Loharanon’ny fahendrena. Ho hainao kokoa hoe inona no mampifaly azy, ary inona no hanampy anao hanao safidy tsy hampalahelo azy.

16. Nahoana ianao no hahay hampianatra kokoa raha manokana fotoana hiarahana amin’i Jehovah?

16 Faharoa, ho lasa mpampianatra mahay kokoa ianao. Te hanampy ny olona mba hifandray akaiky amin’i Jehovah isika. Izany no anisan’ny tanjona lehibe indrindra ananantsika, rehefa mampianatra Baiboly. Vao mainka isika lasa tia an’i Jehovah rehefa mivavaka aminy sy mianatra momba azy. Vokatr’izany, dia lasa haintsika kokoa ny manampy ny olona ampianarintsika mba ho tia azy. Hoatr’izany i Jesosy. Tena nanohina ny fo ny fomba niresahany momba ny Rainy, ka lasa tia an’i Jehovah koa ny mpanara-dia azy.​—Jaona 17:25, 26.

17. Nahoana ny vavaka sy ny fianarana no manampy antsika hanana finoana matanjaka?

17 Fahatelo, hihamatanjaka ny finoanao. Eritrereto hoe inona no mitranga rehefa mangataka amin’i Jehovah ianao mba hitari-dalana anao sy hampahery anao na hampionona anao. Isaky ny mamaly ny vavaka ataonao izy, dia vao mainka ianao hatoky azy. (1 Jaona 5:15) Inona koa no azonao atao mba hanatanjahana ny finoanao? Mianatra samirery. “Avy amin’ny zavatra re” mantsy ny finoana. (Rom. 10:17) Tsy ampy anefa ny hoe manana fahalalana raha te hanana finoana matanjaka. Inona koa no ilaina?

18. Nahoana isika no mila misaintsaina? Manomeza ohatra.

18 Mila misaintsaina an’izay nianaranao ianao. Diniho ny nanjo ny mpanoratra ny Salamo faha-​77. Kivy izy satria nieritreritra hoe tsy nankasitrahan’i Jehovah intsony izy sy ny Israelita hafa. Tsy nahita tory izy tamin’ny alina fa niady saina momba an’izany. (Andininy 2-8) Inona no nataony? Niteny tamin’i Jehovah izy hoe: “Hosaintsainiko ny asanao rehetra, ary hoeritreretiko tsara ny zavatra nataonao.” (Andininy 12) Mazava ho azy fa hain’io mpanao salamo io tsara ny zavatra nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany taloha. Mbola niasa saina ihany anefa izy hoe: “Hadinon’Andriamanitra ve ny niantra anay, sa tezitra izy dia tsy namindra fo intsony?” (Andininy 9) Nisaintsaina ny asan’i Jehovah izy ary nitadidy hoe efa namindra fo sy nangoraka ny vahoakany Andriamanitra taloha. (Andininy 11) Inona no vokatr’izany? Lasa resy lahatra izy hoe tsy hanary ny vahoakany mihitsy i Jehovah. (Andininy 15) Hihamatanjaka hoatr’izany koa ny finoanao raha misaintsaina an’izay efa nataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany sy ho anao ianao.

19. Inona koa ny soa horaisinao raha maka fotoana hiarahana amin’i Jehovah ianao?

19 Fahefatra, vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah. Io no tsara indrindra amin’ny soa horaisinao. Rehefa tia an’i Jehovah ianao, dia hazoto hankatò azy sy hanao sorona mba hampifaliana azy ary hiaritra an’izay fisedrana mahazo anao. (Mat. 22:37-39; 1 Kor. 13:4, 7; 1 Jaona 5:3) Na dia misy toetra hafa afaka manampy anao hahavita an’ireo aza, dia ny fitiavana no tena handrisika anao hanao an’izany. Tsy misy sarobidy noho ny hoe tian’i Jehovah sy minamana be aminy!​—Sal. 63:1-8.

20. Inona no eritreretinao hatao mba hanananao fotoana hiarahana amin’i Jehovah foana?

20 Tadidio hoe anisan’ny fanompoana an’i Jehovah ny vavaka sy ny fianarana ary ny fisaintsainana. Manaova hoatran’i Jesosy, ka mitadiava fotoana sy toerana mangina hahafahanao hiaraka amin’i Jehovah. Esory izay mety hanelingelina anao. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hifantoka rehefa manao zavatra ara-panahy. Raha ampiasainao tsara izay fotoana anananao amin’izao, dia hamaly soa anao i Jehovah satria hanome anao fiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo vaovao.​—Mar. 4:24.

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

^ feh. 5 I Jehovah no namantsika akaiky indrindra. Sarobidy amintsika ny fifandraisantsika aminy, ary te hahafantatra azy kokoa isika. Elaela isika vao mahafantatra olona iray, ary hoatr’izany koa amin’i Jehovah. Isika anefa be atao. Dia ahoana no hahitana fotoana mba hahafahantsika hifandray akaiky kokoa amin’ilay Raintsika any an-danitra? Inona no soa horaisintsika raha manao an’izany isika?