LAHATSORATRA FIANARANA 4

Nahoana Isika no Manatrika ny Fahatsiarovana?

Nahoana Isika no Manatrika ny Fahatsiarovana?

“Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—LIOKA 22:19.

HIRA 20 Nomenao Anay Ilay Zanaka Malalanao

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Rahoviana isika no tena mahatsiaro ny havantsika efa maty? b) Inona ny fankalazana natombok’i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany?

 NA DIA efa ela be aza ny olona tiantsika no maty dia mbola tadidintsika foana izy. Vao mainka isika mahatsiarotsiaro azy rehefa mitsingerina ny andro nahafatesany.

2 Mankalaza ny fitsingerenan’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy koa isika satria tena tiantsika izy. (1 Pet. 1:8) An-tapitrisany isika no manao an’izany isan-taona. Miaraka mahatsiaro an’ilay olona iray nahafoy ny ainy mba hanavotana antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana isika amin’io. (Mat. 20:28) Tian’i Jesosy hahatsiaro ny nahafatesany mihitsy ny mpanara-dia azy, raha ny marina. Nisakafo niaraka tamin’ny mpianany izy ny alin’io, dia nisy fankalazana manokana nasainy natao. Nandidy an-dry zareo izy hoe: “Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—Lioka 22:19.

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Vitsy amin’ny olona manatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy no manantena ho any an-danitra. Manatrika azy io koa anefa ny olona an-tapitrisany manantena hiaina eto an-tany. Hojerentsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe fa maninona isika rehetra no mazoto manatrika ny Fahatsiarovana isan-taona. Hodinihintsika ato koa ny soa raisintsika avy amin’izany. Andao àry aloha hojerentsika ny antony anatrehan’ny voahosotra azy io.

NAHOANA NY VOAHOSOTRA NO MANATRIKA NY FAHATSIAROVANA?

4. Fa maninona ny voahosotra no mihinana ny mofo sy misotro ny divay amin’ny Fahatsiarovana?

4 Efa tsy andrin’ny voahosotra ny hanatrika ny Fahatsiarovana isan-taona. Mihinana ny mofo sy misotro ny divay ry zareo amin’io, ary izay mihitsy no tokony hataony. Fa maninona? Manampy antsika hamaly an’izany ny zava-nitranga tamin’ny alina farany niainan’i Jesosy teto an-tany. Rehefa avy nankalaza ny Paska izy sy ny mpianany, dia nanomboka nanao an’ilay antsoina hoe Sakafo Harivan’ny Tompo i Jesosy. Nampandaloviny tamin’ny apostoly 11 tsy nivadika ny mofo sy ny divay, dia nasainy nihinana sy nisotro tamin’izany ry zareo. Niresaka fifanekena roa i Jesosy avy eo, izany hoe ny fifanekena vaovao sy ny fifanekena momba ny Fanjakana. * (Lioka 22:19, 20, 28-30) Vokatr’ireo fifanekena ireo, dia lasa afaka ny ho mpanjaka sy mpisorona any an-danitra ny apostolin’i Jesosy sy ny olon-kafa vitsivitsy. (Apok. 5:10; 14:1) Ny sisa voahosotra * ihany no mahazo mihinana ny mofo sy misotro ny divay rehefa Fahatsiarovana, satria ry zareo no nanaovana an’ireo fifanekena roa ireo.

5. Ahoana no fiheveran’ny voahosotra an’ilay fanantenana nomena an-dry zareo?

5 Nahoana koa no efa tsy andrin’ny voahosotra ny hanatrika ny Fahatsiarovana? Satria afaka misaintsaina ny fanantenany ry zareo amin’io. Nomen’i Jehovah fanantenana miavaka mantsy ny voahosotra. Hiaina any an-danitra ry zareo ary ho lasa tsy mety maty sady hahazo vatana tsy mety lo. Tsy izay ihany fa hanjaka miaraka amin’i Jesosy Kristy sy ireo olon-kafa anisan’ny 144 000 ry zareo. Fa ny tsara indrindra dia hoe ho eo anatrehan’i Jehovah mihitsy ry zareo! (1 Kor. 15:51-53; 1 Jaona 3:2) Fantatry ny voahosotra fa nahazo fanasana ho any an-danitra ry zareo ary hahazo an’ireo tombontsoa ireo. Mila tsy mivadika mandra-pahafatiny anefa ry zareo vao ho tafiditra any. (2 Tim. 4:7, 8) Faly be ny voahosotra rehefa misaintsaina an’izany fanantenana izany! (Tit. 2:13) Ary ahoana ny “ondry hafa”? (Jaona 10:16) Inona ny antony sasany mahatonga an-dry zareo hanatrika ny Fahatsiarovana?

NAHOANA NY ONDRY HAFA NO MANATRIKA NY FAHATSIAROVANA?

6. Fa maninona ny ondry hafa no manatrika ny Fahatsiarovana?

6 Manatrika ny Fahatsiarovana ny ondry hafa, na dia tsy mihinana ny mofo sy misotro ny divay aza. Tamin’ny 1938 ny olona manantena hiaina eto an-tany no nanomboka nasaina hanatrika ny Fahatsiarovana. Izao no lazain’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1938: “Tena tokony hanatrika an’io fivoriana io [ny ondry hafa], ary tokony handinika an’izay atao mandritra an’izany. ... Fotoana mahafinaritra ny Fahatsiarovana, ary tokony hahafaly an-dry zareo koa.” Izany mihitsy no tsapan’ny ondry hafa rehefa manatrika an’io fotoan-dehibe io, hoatran’ny olona faly manatrika mariazy anankiray.

7. Fa maninona no tsy andrin’ny ondry hafa ny hihaino ny lahatenin’ny Fahatsiarovana?

7 Misaintsaina ny fanantenany koa ny ondry hafa. Tsy andrin’izy ireo ny hihaino ny lahatenin’ny Fahatsiarovana. Resahina betsaka amin’izy io mantsy ny hataon’i Kristy sy ireo 144 000 ho an’ny olombelona tsy mivadika, mandritra ny Fanjakana Arivo Taona. Hanova ny tany ho paradisa sy hanampy ny olombelona mba ho lasa lavorary ireo mpanjaka any an-danitra ireo, ka i Jesosy Kristy Mpanjaka no hitarika an-dry zareo amin’izany. Tena faly ireo olona an-tapitrisany manatrika ny Fahatsiarovana rehefa misaintsaina ny faminanian’ny Baiboly momba ny hoavy. Anisan’izany ny Isaia 35:5, 6 sy ny Isaia 65:21-23 ary ny Apokalypsy 21:3, 4. Maka sary an-tsaina ny tenany sy ny havany ao amin’ny tontolo vaovao ry zareo, ka vao mainka matoky fa ho tanteraka ny fanantenany. Tsy vitan’izany fa lasa tapa-kevitra kokoa ry zareo hoe hanompo an’i Jehovah foana.​—Mat. 24:13; Gal. 6:9.

8. Inona koa ny antony mahatonga ny ondry hafa hanatrika ny Fahatsiarovana?

8 Misy antony hafa koa mahatonga ny ondry hafa hanatrika ny Fahatsiarovana. Te hampiseho izy ireo hoe tia an’ireo voahosotra sy manohana azy ireo. Efa voalazan’ny faminaniana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra fa hifandray akaiky ireo antokon’olona roa ireo. Ahoana no fomba ilazan’ny Baiboly an’izany? Andao isika handinika ohatra vitsivitsy.

9. Hoatran’ny ahoana ny fifandraisan’ny voahosotra sy ny ondry hafa, raha jerena ilay faminaniana ao amin’ny Zakaria 8:23?

9 Vakio ny Zakaria 8:23. Mahafinaritra be ny fomba ilazan’io faminaniana io ny fiheveran’ny ondry hafa an’ireo rahalahiny sy anabaviny voahosotra. Ilay hoe “Jiosy” sy ilay hoe “anareo” dia samy ampiasaina mba hilazana ny sisa voahosotra. (Rom. 2:28, 29) Ny ondry hafa kosa no antsoina hoe “folo lahy avy amin’ny fiteny rehetran’ireo firenena.” ‘Mitazona mafy’ ny voahosotra izy ireo, izany hoe mifikitra aminy sy tsy mivadika aminy ary manompo an’i Jehovah miaraka aminy. Ara-dalàna àry raha manatrika ny Fahatsiarovana koa ny ondry hafa. Asehony amin’izany hoe tena miraiki-po amin’ny voahosotra ry zareo.

10. Inona no nataon’i Jehovah mba hanatanterahana an’ilay faminaniana ao amin’ny Ezekiela 37:15-19, 24, 25?

10 Vakio ny Ezekiela 37:15-19, 24, 25. Ahoana no nanatanterahan’i Jehovah an’io faminaniana io? Nataony izay hahatonga ny voahosotra sy ny ondry hafa hiray saina tsara. Miresaka tapa-kazo roa ilay faminaniana. Oharina amin’ilay tapa-kazo “ho an’i Joda” ny olona manantena ho any an-danitra. (Avy amin’ny fokon’i Joda ny olona nofidina ho mpanjakan’ny Israely.) Oharina amin’ilay “tapa-kazon’i Efraima” kosa ny olona manantena hiaina eto an-tany. * Hakamban’i Jehovah ry zareo ka lasa toy ny “tapa-kazo iray ihany.” Midika izany hoe miara-manompo an’i Jehovah sy miray saina ry zareo ary i Kristy Jesosy Mpanjaka no mitarika azy ireo. Toy ny “andiany iray” tarihin’ny ‘mpiandry iray ihany’ ny voahosotra sy ny ondry hafa, rehefa manatrika ny Fahatsiarovana isan-taona.​—Jaona 10:16.

11. Inona no ataon’ireo “ondry” resahin’ny Matio 25:31-36, 40 mba hanohanana ny rahalahin’i Kristy?

11 Vakio ny Matio 25:31-36, 40. Ny ondry hafa no tiana horesahina amin’ny hoe “ondry” ao amin’io fanoharana io, izany hoe ny olona marina miaina amin’ny andro farany ary manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Manohana foana ny rahalahin’i Kristy mbola eto an-tany ry zareo. Anisan’ny fomba lehibe indrindra anaovany an’izany ny asa fitoriana sy ny fampianarana. (Mat. 24:14; 28:19, 20) Manampy ny voahosotra hahavita an’io andraikitra goavana io ny ondry hafa.

12-13. Inona koa no ataon’ny ondry hafa mba hanohanana ny rahalahin’i Kristy?

12 Mandritra ny herinandro maromaro alohan’​ny Fahatsiarovana, dia misy ezaka manokana atao maneran-tany mba hanasana ny olona liana hanatrika an’​io fotoan-dehibe io. Hoatr’​izany foana isan-taona. Mazoto mandray anjara amin’​io ezaka manokana io ny ondry hafa. Porofoin-dry zareo amin’​izany koa hoe manohana ny rahalahin’​i Kristy ry zareo. (Jereo ilay hoe “ Miomana ho Amin’​ny Vanim-potoanan’​ny Fahatsiarovana ve Ianao?”) Tsy izay ihany fa ataon’​izy ireo vonona daholo ny zava-drehetra mba hankalazana ny Fahatsiarovana. Afaka mankalaza azy io ny fiangonana rehetra maneran-tany amin’​izay, na dia tsy misy mihinana ny mofo sy misotro ny divay aza any amin’​ny ankamaroan’​izy ireny. Tena faly ny ondry hafa manao an’​ireo mba hanohanana ny rahalahin’​i Kristy! Fantatr’​izy ireo hoe raisin’​i Jesosy ho hoatran’​ny hoe atao aminy izay ataon-dry zareo amin’​ireo rahalahiny voahosotra ireo.—Mat. 25:​37-40.

13 Inona koa no mahatonga antsika rehetra hanatrika ny Fahatsiarovana, na inona na inona fanantenantsika?

NAHOANA ISIKA REHETRA NO MANATRIKA NY FAHATSIAROVANA?

14. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah sy Jesosy fa tena tiany isika?

14 Te hankasitraka an’i Jehovah sy Jesosy isika noho ny fitiavana asehon-dry zareo antsika. Betsaka ny fomba ampisehoan’i Jehovah hoe tiany isika, fa misy iray tena miavaka. Naniraka ny Zanany malala mba hijaly sy ho faty ho antsika izy, ary izany no porofom-pitiavana lehibe indrindra nasehony tamintsika. (Jaona 3:16) Tena tia antsika koa i Jesosy matoa nahafoy ny ainy ho antsika. (Jaona 15:13) Tsy ho voavalintsika mihitsy ny fitiavana nasehon’izy mianaka antsika. Azontsika aseho amin’ny fomba fiainantsika isan’andro anefa fa mankasitraka an-dry zareo isika. (Kol. 3:15) Manatrika ny Fahatsiarovana koa isika mba hitadidiana ny fitiavana nasehon’i Jehovah sy Jesosy antsika sy hampisehoana ny fitiavantsika an-dry zareo.

15. Nahoana no tena sarobidy amin’ny voahosotra sy ny ondry hafa ny vidim-panavotana?

15 Tena sarobidy amintsika ny vidim-panavotana. (Mat. 20:28) Mankasitraka ny vidim-panavotana ny voahosotra, satria raha tsy teo izy io dia tsy ho tanteraka ny fanantenana tsara be ananany. Ankoatra izany, dia mihevitra azy ireo ho marina sy nanangana azy ireo ho zanany i Jehovah noho ry zareo mino ny soron’i Kristy. (Rom. 5:1; 8:15-17, 23) Mankasitraka ny vidim-panavotana koa ny ondry hafa. Noho ry zareo mino ny soron’i Kristy, dia madio eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo, afaka manao fanompoana masina ho azy, ary manantena ho tafavoaka velona amin’ny “fahoriana lehibe.” (Apok. 7:13-15) Inona àry ny fomba iray azon’ny voahosotra sy ny ondry hafa ampisehoana ny fankasitrahany? Manao an’izany ry zareo rehefa manatrika ny Fahatsiarovana isan-taona.

16. Inona ny antony hafa mahatonga antsika hanatrika ny Fahatsiarovana?

16 Manatrika ny Fahatsiarovana koa isika satria te hankatò an’i Jesosy. Na inona na inona fanantenantsika, dia raisintsika ho adidintsika manokana ilay didy nomen’i Jesosy tamin’izy nanao ny Fahatsiarovana voalohany. Izao no nolazainy: “Ataovy foana izao ho fahatsiarovana ahy.”​—1 Kor. 11:23, 24.

INONA NY SOA RAISINTSIKA REHETRA?

17. Nahoana ny Fahatsiarovana no manampy antsika hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah?

17 Lasa mifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika. (Jak. 4:8) Afaka manararaotra misaintsaina ny fanantenana nomen’i Jehovah antsika sy ny fitiavana lehibe nasehony isika rehefa Fahatsiarovana. (Jer. 29:11; 1 Jaona 4:8-10) Mba eritrereto ange e! Manana fanantenana azo antoka isika ary matoky fa ho tia antsika foana i Jehovah. (Rom. 8:38, 39) Vao mainka ho tia azy sy hinamana aminy isika rehefa misaintsaina an’izany.

18. Inona no ho vokany raha misaintsaina ny modely nomen’i Jesosy isika?

18 Lasa te hanahaka an’i Jesosy isika. (1 Pet. 2:21) Mandritra an’ireo andro maromaro alohan’ny Fahatsiarovana, dia mifantoka amin’ny zava-nitranga nandritra ny herinandro farany niainan’i Jesosy teto an-tany sy ny fahafatesany ary ny fananganana azy tamin’ny maty isika. Mampahatsiahy antsika ny fitiavany antsika koa ny lahatenin’ny Fahatsiarovana. (Efes. 5:2; 1 Jaona 3:16) Lasa te ‘hanahaka ny fomba fiainan’i Jesosy’ isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny tantarany ka mahita hoe nahafoy tena izy.​—1 Jaona 2:6.

19. Inona no azontsika atao raha te ho tian’Andriamanitra foana isika?

19 Vao mainka isika ho tapa-kevitra hanao izay azo atao mba ho tian’Andriamanitra foana. (Joda 20, 21) Ho tiany foana isika raha miezaka mafy mba hankatò azy sy hanamasina ny anarany ary hampifaly ny fony. (Ohab. 27:11; Mat. 6:9; 1 Jaona 5:3) Raha manao an’ireo isika isan’andro, dia hoatran’ny milaza aminy hoe: ‘Jehovah ô, tiako raha mba tianao foana aho mandrakizay!’ Vao mainka isika ho tapa-kevitra hanao an’ireo rehefa manatrika ny Fahatsiarovana.

20. Inona avy ny antony mahatonga antsika hanatrika ny Fahatsiarovana?

20 Manana antony tsara hanatrehana ny Fahatsiarovana isika, na manantena hiaina mandrakizay any an-danitra na manantena hiaina mandrakizay eto an-tany. Mahatsiaro ny nahafatesan’i Jesosy, ilay olona tena tiantsika, isika amin’io andro io. Mahatsiaro ny fitiavana nasehon’i Jehovah koa isika, tamin’izy nanome ny Zanany mba ho vidim-panavotana. Tsy misy fitiavana lehibe noho izany! Hatao ny zoma 15 Aprily amin’ny hariva ny Fahatsiarovana amin’ity taona 2022 ity. Tena tia an’i Jehovah sy ny Zanany isika, ka rehefa mitsingerina ny andro nahafatesan’i Jesosy, dia tsy misy zava-dehibe amintsika noho ny hoe manatrika ny Fahatsiarovana!

HIRA 16 Derao i Jehovah fa Lasa Mpanjaka Ilay Zanany

^ feh. 5 Tsy andrintsika ny hanatrika ny Fahatsiarovana isan-taona, na manantena ho any an-danitra isika na manantena hiaina eto an-tany. Fa maninona isika no manatrika azy io, ary inona ny soa raisintsika avy amin’izany? Handinika antony maromaro resahin’ny Baiboly isika ato.

^ feh. 4 Manazava bebe kokoa momba ny fifanekena vaovao sy ny fifanekena momba ny Fanjakana ilay lahatsoratra hoe “‘Ho Fanjaka-mpisorona’ Ianareo”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2014, pejy 15-17.

^ feh. 4 FANAZAVANA: Sisa voahosotra no iantsoana ny Kristianina voahosotra mbola eto an-tany.

^ feh. 10 Raha te hahazo fanazavana bebe kokoa momba an’ireo tapa-kazo resahin’ny Ezekiela toko 37 ireo ianao, dia jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2016.