LAHATSORATRA FIANARANA 31

Tombontsoa Be ny Mivavaka ka Ankamamio

Tombontsoa Be ny Mivavaka ka Ankamamio

“Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra voaomana tsara eo anatrehanao!”​—SAL. 141:2.

HIRA 47 Mivavaha Isan’andro

HO HITANAO ATO a

1. Ahoana no tokony ho fahitantsika ny hoe afaka mivavaka amin’i Jehovah isika?

 FANTATRAO ve hoe manana tombontsoa miavaka isika? Afaka manatona an’ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany amin’ny alalan’ny vavaka isika. Eritrereto ange e! Afaka mamoaka ny ao am-pontsika amin’i Jehovah isika na rahoviana na rahoviana, na inona na inona fiteny ampiasaintsika, sady tsy mila mifanao fotoana aminy rehefa manao an’izany. Afaka mivavaka aminy isika, na marary any amin’ny hopitaly na migadra any am-ponja. Matoky isika hoe hihaino antsika ilay Raintsika any an-danitra. Tombontsoa be ny mivavaka aminy, ka tsy hataontsika tsinontsinona mihitsy!

2. Ahoana no nampisehoan’i Davida Mpanjaka hoe nankamamy ny tombontsoa hivavaka izy?

2 Nankamamy ny tombontsoa hivavaka i Davida Mpanjaka. Nihira ho an’i Jehovah izy hoe: “Enga anie ny vavaka ataoko mba ho toy ny emboka manitra voaomana tsara eo anatrehanao!” (Sal. 141:1, 2) Nampiasain’ny mpisorona tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny emboka manitra masina, tamin’ny andron’i Davida, ary tena nomanina tsara. (Eks. 30:34, 35) Inona àry no nahatonga an’i Davida hiresaka momba ny emboka manitra? Satria tiany homanina tsara koa izay holazainy amin’ilay Rainy any an-danitra. Izany koa no faniriantsika. Tiantsika hampifaly an’i Jehovah ny vavaka ataontsika.

3. Ahoana no tokony hataontsika rehefa mivavaka amin’i Jehovah, ary nahoana?

3 Rehefa mivavaka isika, dia tokony hanaja lalina an’i Jehovah fa tsy tokony ho hoatran’ny hoe miresaka amin’ny olona mifankazatra be loatra amintsika. Eritrereto ny fahitana miavaka hitan’i Isaia, Ezekiela, Daniela, ary Jaona. Samy hafa ny fahitana azon-dry zareo, nefa misy itovizany. Samy mampiseho ireo fahitana ireo hoe Mpanjaka be voninahitra i Jehovah. Nahita an’i “Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana avo sy manerinerina”, ohatra, i Isaia. (Isaia 6:1-3) I Ezekiela indray nahita an’i Jehovah nipetraka teo ambony kalesiny tany an-danitra. “Nisy hazavana be nanodidina azy, hoatran’ny hazavan’ny avana.” (Ezek. 1:26-28) I Daniela kosa nahita an’ilay “Efa Nisy Hatry ny Ela Be” nanao akanjo fotsy, ary nisy afo miredareda avy eo amin’ny seza fiandrianany. (Dan. 7:9, 10) Ary inona no hitan’i Jaona? Nahita an’i Jehovah nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana izy ary nisy avana tsara tarehy hoatran’ny emeraoda maitso nanodidina azy. (Apok. 4:2-4) Tsy misy manana voninahitra hoatran’ny an’i Jehovah àry. Rehefa misaintsaina an’izany isika, dia mahatadidy hoe tombontsoa be ny manatona azy, ary tokony ho feno fanajana isika rehefa manao an’izany. Inona anefa no tokony horesahintsika amin’ny vavaka?

“HOATR’IZAO ÀRY LAZAINA REHEFA MIVAVAKA”

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny fiandohan’ilay vavaka modely ao amin’ny Matio 6:9, 10?

4 Vakio ny Matio 6:9, 10. Inona no tokony horesahintsika raha tiantsika hampifaly an’Andriamanitra ny vavaka ataontsika? Nampianarin’i Jesosy an’izany ny mpianany, tamin’izy nanao an’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Rehefa avy niteny i Jesosy hoe “hoatr’izao àry lazaina rehefa mivavaka”, dia izay hevi-dehibe mifandray mivantana amin’ny fikasan’i Jehovah aloha no noresahiny. Inona avy izany? Ny fanamasinana ny anarany, ny hahatongavan’ilay Fanjakany izay handringana ny mpanohitra an’Andriamanitra rehetra, ary ny fitahiana nokasainy ho an’ny tany sy ny olombelona. Raha miresaka momba an’ireo isika rehefa mivavaka, dia mampiseho hoe zava-dehibe amintsika ny sitrapon’Andriamanitra.

5. Mety ve ny mivavaka momba an’izay ilaintsika manokana?

5 Nasehon’i Jesosy tamin’ny tohin’ilay vavaka fa mety ny miresaka momba an’izay ilaintsika manokana. Afaka mangataka amin’i Jehovah, ohatra, isika mba hanome an’izay sakafo ilaintsika ho an’ny andro, hamela ny fahotantsika, hiaro antsika amin’ny fakam-panahy, ary hanafaka antsika amin’ilay ratsy. (Mat. 6:11-13) Rehefa mangataka an’ireo amin’i Jehovah isika, dia mampiseho hoe miantehitra aminy ary te hampifaly azy.

Inona no azon’ny lehilahy resahina rehefa mivavaka miaraka amin’ny vadiny izy? (Fehintsoratra 6) b

6. Izay voatonona ao amin’ilay vavaka modely ihany ve no azontsika resahina amin’ny vavaka? Hazavao.

6 Tsy tian’i Jesosy hataon’ny mpanara-dia azy tsianjery akory io vavaka modely io. Rehefa nivavaka mantsy izy tamin’ny fotoana hafa, dia niresaka zavatra hafa nampanahy azy tamin’io fotoana io izy. (Mat. 26:39, 42; Jaona 17:1-26) Afaka mivavaka momba an’izay mampanahy antsika koa àry isika. Ahoana, ohatra, rehefa misy fanapahan-kevitra tokony horaisintsika? Mivavaha mba ho hendry sy hahira-tsaina. (Sal. 119:33, 34) Rehefa hanomboka fanendrena sarotra indray isika, dia afaka mivavaka mba ho lalin-tsaina sy hahay handinika. (Ohab. 2:6) Azon’ny ray aman-dreny atao ny mivavaka ho an’ny zanany, dia afaka manao an’izany ho an’ny ray aman-dreniny koa ny ankizy. Afaka mivavaka ho an’ny mpianatra Baiboly sy ny olona itoriantsika koa isika rehetra, ary tena tokony hanao an’izany. Mazava ho azy anefa fa tsy tokony hoe mangataka fotsiny isika rehefa miresaka amin’i Jehovah.

Inona no azontsika iderana sy isaorana an’i Jehovah rehefa mivavaka isika? (Fehintsoratra 7-9) c

7. Fa maninona isika no tokony hidera an’i Jehovah rehefa mivavaka?

7 Aza hadinoina ny midera an’i Jehovah rehefa mivavaka. Tsy misy mendrika ny hoderaina mihoatra noho ilay Andriamanitsika. “Tsara toetra sy vonona hamela heloka” izy. Ankoatra izany, dia “mamindra fo sy mangoraka [izy], tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika, ary mendri-pitokisana.” (Sal. 86:5, 15) Manana antony tsara hiderana an’i Jehovah àry isika, noho ny toetrany sy ny zavatra ataony.

8. Inona, ohatra, no azontsika isaorana an’i Jehovah? (Salamo 104:12-15, 24)

8 Tsy hoe midera an’i Jehovah fotsiny isika rehefa mivavaka, fa te hisaotra azy koa noho ireo zavatra tsara be nomeny. Azontsika isaorana azy, ohatra, ny loko manintona ananan’ny voninkazo, ny sakafo matsiro isan-karazany, ary ny fotoana mamy iarahantsika amin’ny namana. Omen’ilay Raintsika be fitiavana an’izany isika ary mihoatra an’izany aza, mba hahafaly antsika fotsiny. (Vakio ny Salamo 104:12-15, 24.) Mbola misy zava-dehibe noho izany aza tokony hisaorantsika an’i Jehovah! Omeny sakafo ara-panahy tondraka isika sady omeny fanantenana tsara be.

9. Inona no hanampy antsika tsy hanadino hisaotra an’i Jehovah? (1 Tesalonianina 5:17, 18)

9 Betsaka no ataon’i Jehovah ho antsika, nefa mety ho mora manadino misaotra azy isika. Inona àry no hanampy anao tsy hanadino an’izany? Maninona raha atao lisitra izay nangatahinao taminy? Jerijereo matetika iny avy eo mba hahitana hoe ahoana no namaliany an’ireny, dia isaory izy. (Vakio ny 1 Tesalonianina 5:17, 18.) Eritrereto izao: Faly isika sady mahatsiaro hoe tiana rehefa misy mankasitraka. Faly hoatr’izany koa ilay Andriamanitsika rehefa tsy manadino misaotra azy isika noho izy namaly ny vavaka nataontsika. (Kol. 3:15) Misy antony lehibe hafa tokony hisaorantsika azy koa anefa. Inona izany?

ISAORY I JEHOVAH NOHO ILAY ZANANY MALALA

10. Maninona isika no tokony hisaotra an’i Jehovah noho izy nandefa an’i Jesosy tetỳ an-tany? (1 Petera 2:21)

10 Vakio ny 1 Petera 2:21. Tokony hisaotra an’i Jehovah isika noho izy nandefa ny Zanany malala mba hampianatra antsika. Rehefa mianatra ny fiainan’i Jesosy isika, dia lasa afaka mahafantatra zavatra be dia be momba an’i Jehovah sy ny fomba ampifaliana azy. Afaka minamana be sy mihavana aminy koa isika, raha maneho finoana ny soron’i Kristy.​—Rom. 5:1.

11. Inona no anjara asan’i Jesosy amin’ny vavaka ataontsika amin’i Jehovah?

11 Misaotra an’i Jehovah isika, satria afaka mivavaka aminy amin’ny alalan’ny Zanany. I Jesosy no ampiasain’i Jehovah mba hamaliana ny vavaka ataontsika. Mihaino sy mamaly an’izay vavaka atao amin’ny anaran’i Jesosy izy. Nanazava i Jesosy hoe: “Izay rehetra angatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko mba hanomezam-boninahitra ny Ray amin’ny alalan’ny Zanaka.”​—Jaona 14:13, 14.

12. Inona ny antony hafa tokony hisaorantsika an’i Jehovah noho izy nanome ny Zanany?

12 Mamela ny fahotantsika i Jehovah noho ny sorom-panavotan’i Jesosy. Milaza ny Baiboly hoe ‘mpisoronabe mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra Lehibe any an-danitra izy.’ (Heb. 8:1) I Jesosy no ‘mpanampy antsika any amin’ny Ray.’ (1 Jaona 2:1) Soa ihany i Jehovah fa nanome antsika Mpisoronabe mahay mangoraka antsika amin’ny fahalementsika sy “miangavy ho antsika.” (Rom. 8:34; Heb. 4:15) Tsy lavorary isika, ka tsy ho afaka hanatona an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka mihitsy raha tsy teo ny soron’i Jesosy. Ianao koa ve miaiky hoe fanomezana sarobidy be avy amin’i Jehovah ny nanomezany an’ilay Zanany malala? Izany mihitsy, ary tsy misy teny mahalaza ny haben’ny fankasitrahantsika an’io fanomezana io!

MIVAVAHA HO AN’NY RAHALAHY SY ANABAVINAO

13. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tiany ny mpianany, ny alina talohan’ny nahafatesany?

13 Nivavaka ela be ho an’ny mpianany i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany. Nangataka tamin’ny Rainy izy ‘mba hiaro azy ireo amin’ilay ratsy.’ (Jaona 17:15) Porofom-pitiavana be izany! Efa hiatrika fitsapana mafy izy, nefa mbola nieritreritra an’izay hahasoa ny apostoliny ihany.

Inona no azontsika angatahina amin’i Jehovah ho an’ireo rahalahy sy anabavintsika? (Fehintsoratra 14-16) d

14. Ahoana no ampisehoantsika hoe tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika?

14 Manahaka an’i Jesosy isika ka tsy mifantoka amin’izay ilaintsika fotsiny. Mivavaka matetika ho an’ny rahalahy sy anabavintsika kosa isika. Rehefa manao an’izany isika, dia mankatò an’ilay didin’i Jesosy mba hifankatia, sady mampiseho amin’i Jehovah hoe tiantsika be ny mpiara-manompo. (Jaona 13:34) Tsy fandaniam-potoana fotsiny ny vavaka ataontsika ho an-dry zareo. Milaza mantsy ny Tenin’Andriamanitra hoe “misy vokany be ny fitalahoan’ny olo-marina.”​—Jak. 5:16.

15. Fa maninona ny mpiara-manompo no mila vavaka avy amintsika?

15 Mila vavaka avy amintsika ny mpiara-manompo satria ry zareo miaritra fitsapana be dia be. Afaka mangataka amin’i Jehovah isika mba hanampy an-dry zareo hiaritra aretina, loza, ady, fanenjehana, na zava-tsarotra hafa. Afaka mivavaka ho an’ireo rahalahy sy anabavy mahafoy tena manampy ny tra-boina koa isika. Mahafantatra olona miatrika an’ireo angamba ianao. Maninona raha tononina mihitsy ny anaran-dry zareo rehefa mivavaka ianao? Rehefa mangataka amin’i Jehovah mba hanampy an-dry zareo hiaritra isika, dia mampiseho hoe tena tia an-dry zareo.

16. Nahoana isika no tokony hivavaka ho an’ireo mitarika eo amintsika?

16 Tena faly ireo mitarika eo anivon’ny fiangonana rehefa mivavaka ho an-dry zareo isika, ary mandray soa avy amin’izany ry zareo. Fantatry ny apostoly Paoly hoe nila an’izany izy. Izao no nosoratany: “Mivavaha koa ho ahy mba hatoro ahy izay tokony hoteneniko rehefa miteny aho. Amin’izay aho ho sahy hiteny rehefa mampahafantatra an’ilay zava-miafina masina momba ny vaovao tsara.” (Efes. 6:19) Maro koa izao ny rahalahy miasa mafy mitarika eo amintsika. Mampiseho isika hoe tia an-dry zareo rehefa mangataka amin’i Jehovah mba hitahy an’izay ataony.

REHEFA MISOLO TENA NY HAFA AMIN’NY VAVAKA

17-18. Rahoviana isika no mety hasaina hisolo tena ny hafa amin’ny vavaka, ary inona no tokony hotadidintsika?

17 Asaina misolo tena ny olon-kafa amin’ny vavaka isika indraindray. Rehefa mampianatra Baiboly, ohatra, ny anabavy iray dia mety hangataka an’ilay namany izy mba hivavaka. Mety tsy hahafantatra tsara an’ilay mpianatra Baiboly anefa izy io. Mety haleon’ilay namany àry manao an’ilay vavaka farany. Ho hainy kokoa amin’izay ny hampifanaraka an’ilay vavaka amin’izay ilain’ilay mpianatra.

18 Mety hasaina hivavaka ny rahalahy iray rehefa fivoriana alohan’ny fanompoana na rehefa any am-pivoriana. Tokony hotadidin’ny rahalahy manana an’izany tombontsoa izany hoe inona no tanjon’ilay fivoriana. Tsy natao hanomezana torohevitra ho an’ny fiangonana ny vavaka, na hanaovana fampandrenesana. Dimy minitra ihany ny fotoana natokana ho an’ny hira sy ny vavaka amin’ny ankapobeny. Tokony hitandrina àry ilay rahalahy mba tsy hanao vavaka “lava be”, indrindra amin’ny fiandohan’ny fivoriana.​—Mat. 6:7.

ATAOVY ZAVA-DEHIBE EO AMIN’NY FIAINANAO NY VAVAKA

19. Inona no hanampy antsika ho vonona amin’ny andro fitsaran’i Jehovah?

19 Vao mainka tokony ho zava-dehibe eo amin’ny fiainantsika ny vavaka, satria mihamanatona ny andro fitsaran’i Jehovah. Izao no nolazain’i Jesosy momba an’izany: “Koa miambena foana, ary mitalahoa foana mba ho afa-mandositra an’izany zava-drehetra tsy maintsy hitranga izany ianareo.” (Lioka 21:36) Raha tsy mitsahatra mivavaka isika, dia hahavita hiambina foana ka tsy ho tampoka amintsika ny andron’Andriamanitra.

20. Ahoana no hahatonga ny vavaka ataontsika hamerovero hoatran’ny emboka manitra?

20 Inona no nianarantsika tato? Hoe sarobidy be amintsika ny tombontsoa hivavaka. Izay zavatra mifandray mivantana amin’ny fikasan’i Jehovah no tena tokony hifantohantsika rehefa miresaka aminy. Ankoatra izay, dia resahintsika amin’ny vavaka hoe mankasitraka ny Zanak’Andriamanitra sy ny Fanjakany isika, ary tsy hadinontsika ny mivavaka ho an’ny mpiara-manompo. Mazava ho azy fa afaka mivavaka mba hahazo an’izay ilaintsika isan’andro isika, sy mba hanana finoana matanjaka foana. Rehefa eritreretintsika tsara izay holazaintsika amin’ny vavaka, dia asehontsika hoe tena mankamamy an’io tombontsoa miavaka io isika. Hamerovero hoatran’ny emboka manitra amin’izay ny teny holazaintsika, ka ‘hahafinaritra’ an’i Jehovah.​—Ohab. 15:8.

HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko

a Afaka manatona an’i Jehovah amin’ny alalan’ny vavaka isika, ary tena ankasitrahantsika izany tombontsoa izany. Tiantsika hamerovero hoatran’ny emboka manitra ny vavaka ataontsika, amin’izay hampifaly an’i Jehovah. Hodinihintsika ato àry hoe inona no azontsika resahina amin’ny vavaka. Hiresaka hevitra vitsivitsy mila tadidina koa isika rehefa asaina misolo tena olon-kafa amin’ny vavaka.

b SARY: Lehilahy mivavaka miaraka amin’ny vadiny mba ho voaro ny zanak’izy ireo any am-pianarana, mba ho salama ny rafozany, ary mba handroso ny mpianatra Baiboly iray.

c SARY: Rahalahy tanora misaotra an’i Jehovah noho izy nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy, ity tanintsika tena kanto ity, ary sakafo mahasalama.

d SARY: Anabavy mangataka amin’i Jehovah mba hanome ny fanahiny ho an’ny Filan-kevi-pitantanana, sy hanampy an’izay mijaly vokatry ny loza sy ny fanenjehana.