LAHATSORATRA FIANARANA 31

‘Aza Manaiky ho Voahozongozona na Hiovaova’

‘Aza Manaiky ho Voahozongozona na Hiovaova’

“Ry rahalahy malalako, ... aza manaiky ho voahozongozona ary aza miovaova mihitsy.”​—1 KOR. 15:58.

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

HO HITANAO ATO a

1-2. Nahoana ny Kristianina no mitovy amin’ny trano avo be? (1 Korintianina 15:58)

 NISY trano avo be misy rihana 59 naorina tany Tokyo, any Japon, tamin’ny 1978. Matetika misy horohoron-tany ao amin’io tanàna io, ka lasa saina ny olona hoe io ve dia tsy ho rava. Rehefa nanorina an’io trano io anefa ny injeniera, dia tsy hoe nataony mafy tsara fotsiny ilay izy, fa nataony afaka mitongilana kely manaraka ny fihetsehan’ny tany koa mba tsy ho rava. Azo oharina amin’io trano avo be io ny Kristianina. Nahoana?

2 Tsy maintsy mahay mandanjalanja ny Kristianina, ka tsy hanaiky ho voahozongozona nefa koa hahay hilefitra. Tsy tokony hiovaova mihitsy izy, fa hankatò ny lalàn’i Jehovah sy ny fitsipiny foana. (Vakio ny 1 Korintianina 15:58.) “Vonona hankatò” izy ary tsy mampandefitra ny finoany. Tokony ‘hahay handanjalanja’ koa anefa izy, izany hoe hilefitra, rehefa mamela an’izany ny zava-misy na mitaky an’izany. (Jak. 3:17) Rehefa mianatra ny hahay handanjalanja hoatr’izany ny Kristianina, dia tsy ho hentitra loatra nefa koa tsy hilefitra loatra. Inona àry no azontsika atao mba tsy hiovaova mihitsy isika? Inona avy ireo fomba dimy ampiasain’i Satana mba hahatonga antsika tsy ho tena tapa-kevitra ny hankatò an’i Jehovah, ary inona no azontsika atao mba tsy ho tratrany isika? Handinika an’ireo isika ato.

AHOANA NO ATAO MBA TSY HO VOAHOZONGOZONA?

3. Milazà lalàna avy amin’ilay Mpanao Lalàna Fara Tampony. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29)

3 I Jehovah no Mpanao Lalàna Fara Tampony, dia ataony mazava tsara amin’ny vahoakany foana ny lalàny. (Isaia 33:22) Nilaza, ohatra, ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy maintsy manaraka an’ireto ny Kristianina: 1) Tsy hanaiky hanompo sampy fa hanompo an’i Jehovah irery ihany, 2) hanaja ny fahamasinan’ny ra, ary 3) hankatò foana ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 15:28, 29.) Ahoana no ampisehoan’ny Kristianina amin’izao hoe mankatò an’ireo zavatra telo ireo foana izy, ka tsy hiovaova mihitsy?

4. Ahoana no ampisehoantsika hoe i Jehovah irery no tompointsika? (Apokalypsy 4:11)

4 Tsy manaiky hanompo sampy isika, fa manompo an’i Jehovah irery ihany. Nandidy ny Israelita Andriamanitra mba hanompo azy irery ihany. (Deot. 5:6-10) Rehefa nalain’ny Devoly fanahy koa i Jesosy, dia nataony mazava tsara hoe i Jehovah irery no tsy maintsy tompointsika. (Mat. 4:8-10) Tsy manompo an’ireny sarivongana ampiasaina amin’ny fivavahana ireny àry isika. Tsy ataontsika hoatran’ny andriamanitra kely koa ny olona, na mpitondra fivavahana izy, na mpanao politika, na mpanao spaoro na mpanakanto malaza. Miandany amin’i Jehovah isika, ka ilay “namorona ny zava-drehetra” ihany no tompointsika.​—Vakio ny Apokalypsy 4:11.

5. Nahoana isika no mankatò ny lalàn’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny aina sy ny ra?

5 Ankatoavintsika ny lalàn’i Jehovah momba ny fahamasinan’ny aina sy ny ra. Nahoana? Satria milaza i Jehovah hoe aina ny ra, ary fanomezana sarobidy avy aminy izy io. (Lev. 17:14) Noraran’i Jehovah tsy hihinana ra ny olona, tamin’izy namela voalohany an-dry zareo hihinan-kena. (Gen. 9:4) Naveriny indray io didy io rehefa nanome ny Lalàn’i Mosesy ho an’ny Israely izy. (Lev. 17:10) Nasainy nandidy ny Kristianina rehetra koa ny filan-kevi-pitantanana tamin’ny taonjato voalohany hoe mila ‘mifady ny ra’ ry zareo. (Asa. 15:28, 29) Mankatò an’io didy io isika rehefa manapa-kevitra momba ny fitsaboana arahintsika, ka tsy manaiky ho voahozongozona mihitsy. b

6. Inona ny ezaka ataontsika mba hanarahana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena?

6 Ankatoavintsika an-tsakany sy an-davany ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena. (Heb. 13:4) Nampiasa sarin-teny mazava tsara ny apostoly Paoly, ka nanoro antsika hoe mila ‘mamono’ ny fanirian-dratsy ao amin’ny rantsambatana isika. Ahoana izany? Mila mandray fanapahan-kevitra hentitra isika, mba hanesorana ny fanirian-dratsy. Tsy mijery na manao zavatra mety hahatonga antsika haloto fitondran-tena àry isika. (Kol. 3:5; Joba 31:1) Rehefa misy fakam-panahy, dia tonga dia tsy manaiky hieritreritra na hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra isika.

7. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika? Ary nahoana?

7 Tian’i Jehovah ho “mpankatò amin’ny fo” isika. (Rom. 6:17) Mahasoa antsika foana ny tari-dalany, ary tsy azontsika ovana mihitsy ny lalàny. (Isaia 48:17, 18; 1 Kor. 6:9, 10) Miezaka mafy mampifaly an’i Jehovah isika, sady manahaka ny toe-tsain’ny mpanao salamo. Izao no nolazainy: “Tapa-kevitra ny hankatò ny fitsipikao aho, eny, hankatò an’izany foana, hatramin’ny farany.” (Sal. 119:112) Ataon’i Satana anefa izay hahatonga antsika tsy ho tapa-kevitra be hoatr’izany. Inona no tetika ampiasainy?

INONA NO TETIKA AMPIASAIN’I SATANA?

8. Ahoana no ampiasan’i Satana ny fanenjehana mba hahatonga antsika tsy ho tena tapa-kevitra hankatò an’i Jehovah?

8 Fanenjehana. Mampiasa herisetra sy fanerena an-kolaka ny Devoly, mba hahatonga antsika tsy ho tena tapa-kevitra hankatò an’i Jehovah. Te ‘handrapaka’ antsika mantsy izy, izany hoe te hanimba ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. (1 Pet. 5:8) Ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, norahonana sy nokapohina ary novonoina, satria tapa-kevitra ny tsy hivadika. (Asa. 5:27, 28, 40; 7:54-60) Mbola mampiasa fanenjehana koa i Satana amin’izao. Manamarina an’izany ny fampijalijaliana an’ireo rahalahy sy anabavintsika any Rosia sy any an-tany hafa, ary ny fanoherana mianjady amin’ny tsirairay.

9. Manomeza ohatra mampiseho hoe mila mitandrina amin’ny fanerena an-kolaka isika.

9 Fanerena an-kolaka. Mampiasa ‘teti-dratsy’ i Satana, ankoatra ny fanafihana mivantana. (Efes. 6:11) Diniho izay nahazo an’ilay rahalahy atao hoe Bob. Niditra hopitaly izy satria nila fandidiana lehibe. Nilaza tamin’ny dokotera izy hoe tsy hanaiky hampidiran-dra mihitsy, na inona na inona mitranga. Nanaiky hanaja ny fanapahan-keviny ny dokotera mpandidy. Nankao aminy anefa ny anestezista ny alina talohan’ny fandidiana, rehefa nody ny fianakaviany. Nilaza tamin’i Bob izy hoe mety tsy hampidiran-dra aloha izy, fa hasiana ra vonona ihany eo sao sanatria misy ilana an’izany. Nieritreritra angamba ilay anestezista hoe hiova hevitra izy rehefa tsy teo intsony ny fianakaviany. Tsy nanaiky ho voahozongozona mihitsy anefa i Bob, ka nilaza fa tsy hampidiran-dra izy na inona na inona mitranga!

10. Nahoana no mety hamandrika antsika ny hevitr’olombelona? (1 Korintianina 3:19, 20)

10 Hevitr’olombelona. Raha mitovy fomba fijery amin’ny olona isika, dia mety tsy hiraharaha an’i Jehovah sy ny fitsipiny. (Vakio ny 1 Korintianina 3:19, 20.) Matetika mantsy ny “fahendren’izao tontolo izao” no mampiseho hoe mahafinaritra ny manatanteraka ny fanirian-dratsy. Nisy vokany tamin’ny Kristianina sasany tany Pergamosy sy Tyatira ny hevitry ny olona mpanompo sampy sy ratsy fitondran-tena tao amin’ireo tanàna ireo. Nanome torohevitra hentitra ho an’ireo fiangonana roa ireo i Jesosy, noho ry zareo nilefitra tamin’ny fijangajangana. (Apok. 2:14, 20) Teren’ny olona hanaraka hevi-diso koa isika amin’izao. Mety handangolango sy handrisika antsika tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah ny fianakaviantsika sy ny olom-pantatsika. Mety hiteny, ohatra, ry zareo hoe: ‘Tsy mampaninona ange raha mba manatanteraka ny faniriantsika isika indraindray e! Sady efa lany andro ny fitsipiky ny Baiboly momba ny fitondran-tena.’

11. Na mankatò foana aza isika, dia inona no tsy maintsy itandremantsika?

11 Indraindray isika mety hieritreritra hoe tsy ampy ny toromarika omen’i Jehovah antsika. Mety halaim-panahy ‘hihoatra an’izay voasoratra’ mihitsy aza isika. (1 Kor. 4:6) Izany no fahotana nataon’ny ny mpitondra fivavahana tamin’ny andron’i Jesosy. Nampian-dry zareo fitsipik’olombelona ny Lalàna, ka lasa nanavesatra ny sarambabem-bahoaka. (Mat. 23:4) Mazava tsara ny toromarika omen’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, ka tsy misy antony tokony hanampiantsika an’ireny mihitsy! (Ohab. 3:5-7) Tsy mihoatra an’izay voasoratra ao amin’ny Baiboly àry isika, na mamorona fitsipika ho an’ny mpiara-manompo momba ny zavatra miankina amin’ny tsirairay.

12. Ahoana no ampielezan’i Satana “hevitra mamitaka tsy misy fotony”?

12 Fitaka. Mampiasa “hevitra mamitaka tsy misy fotony” sy “fisainan’izao tontolo izao” i Satana, satria te hamitaka sy hampisara-bazana ny olona izy. (Kol. 2:8) Anisan’ny nampiasainy tamin’ny taonjato voalohany, ohatra, ny filozofian’olombelona, ny zavatra tsy araka ny Soratra Masina nampianarin’ny Jiosy, ary ilay fampianarana hoe tsy maintsy mankatò ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina. Fitaka ireny satria nahatonga ny olona hanalavitra an’i Jehovah, ilay tena Loharanon’ny fahendrena. Mampiasa ny haino aman-jery sy ny tambazotran-tserasera i Satana amin’izao, mba hanelezana tsaho sy vaovao tsy marina avy amin’ny mpanao politika. Nahita be dia be tamin’izany isika nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. c Lasa nanahy tafahoatra ny olona nihaino an’ireny fitaka ireny. Tsy tratran’izany kosa ny Vavolombelon’i Jehovah satria nihaino ny tari-dalana nomen’ny fandaminantsika.​—Mat. 24:45.

13. Nahoana isika no tsy maintsy mitandrina amin’izay zavatra mety hahavarimbariana antsika?

13 Zavatra mahavariana. Tsy maintsy mifantoka foana amin’izay “zava-dehibe kokoa” isika. (Fil. 1:9, 10) Rehefa misy mahavariana antsika anefa, dia mety ho iny indray no maka be amin’ny fotoanantsika sy tena ifantohan’ny saintsika, ka lasa tsy vitantsika ny zavatra mahasoa kokoa. Na ny zavatra mahazatra hoatran’ny hoe misakafo, misotro, miala voly, ary miasa aza, dia mety ho lasa zavatra mahavariana, raha ireny no avelantsika hibahana be eo amin’ny fiainantsika. (Lioka 21:34, 35) Saika isan’andro koa isika no tototry ny vaovao momba ny adihevitra ara-politika sy ara-tsosialy. Tsy tokony havelantsika hahavariana antsika anefa ireny adihevitra ireny. Raha tsy izany mantsy, dia mety hanomboka hiandany amin’izy ireny isika ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ao. Mampiasa an’ireo fomba rehetra ireo i Satana, mba hahatonga antsika tsy tena ho tapa-kevitra hanao ny tsara. Andao àry hodinihintsika hoe inona no azontsika atao mba hanoherana azy sy hankatoavana an’i Jehovah foana.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HANKATÒ FOANA?

Hankatò an’i Jehovah foana ianao, raha misaintsaina ny antony nahatonga anao hanokan-tena sy hatao batisa, mianatra sy misaintsaina ny Teniny, miezaka hanana fo tsy miovaova, ary matoky azy (Fehintsoratra 14-18)

14. Inona, ohatra, no hanampy antsika hiandany amin’i Jehovah foana?

14 Saintsaino ny antony nahatonga anao hanokan-tena sy hatao batisa. Nanao an’ireo dingana ireo ianao, satria te hiandany amin’i Jehovah. Eritrereto indray hoe inona no nahatonga anao ho resy lahatra fa nahita ny fahamarinana ianao. Nianatra ny marina momba an’i Jehovah ianao, dia lasa nanaja sy tia an’ilay Rainao any an-danitra. Lasa nanam-pinoana ianao, dia te hibebaka noho ny fahotanao. Nandrisika anao ny fonao mba hiala tamin’ny fanao ratsy ianao, sady hiaina mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Lasa maivamaivana ianao satria tsapanao hoe namela anao Andriamanitra. (Sal. 32:1, 2) Nanatrika fivoriana ianao, dia nanomboka niresaka tamin’ny hafa ny zavatra tsara nianaranao. Efa nanokan-tena sy vita batisa ianao izao, ka mandeha amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana, ary tapa-kevitra ny tsy hiala amin’izany mihitsy.​—Mat. 7:13, 14.

15. Nahoana no mahasoa antsika ny mianatra sy misaintsaina?

15 Ianaro sy saintsaino ny Tenin’Andriamanitra. Mijoro sy matanjaka tsara ny hazo rehefa lalim-paka. Tsy ho voahozongozona koa isika raha mamaka tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny finoantsika. Rehefa mitombo ilay hazo, dia mihalalina ny fakany sady misandrahaka. Hoatran’ny hoe misy zavatra mihalalina koa rehefa mianatra sy misaintsaina isika. Mihamatanjaka ny finoantsika, ary vao mainka isika resy lahatra hoe ny fomba fanaovan’Andriamanitra zavatra no tsara indrindra. (Kol. 2:6, 7) Saintsaino hoe nahoana ny toromarika avy amin’i Jehovah sy ny tari-dalany ary ny fiarovany no nanampy ny mpanompony taloha. Nifantoka tsara, ohatra, i Ezekiela rehefa nisy anjely iray nandrefy an’ilay tempoly hitany tao amin’ny fahitana. Nampahery an’i Ezekiela io fahitana io, sady mampianatra antsika hoe ahoana no tokony hampiharantsika ny fitsipik’i Jehovah momba ny fivavahana madio. d (Ezek. 40:1-4; 43:10-12) Mandray soa koa isika rehefa maka fotoana hianarana sy hisaintsainana momba ny zava-dalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.

16. Nahoana i Bob no voaro rehefa nanana fo tsy miovaova? (Salamo 112:7)

16 Miezaha hanana fo tsy miovaova. Tsy nihena mihitsy ny fitiavan’i Davida Mpanjaka an’i Jehovah. Nihira hoatr’izao izy: “Tsy miovaova mihitsy ny foko, Andriamanitra ô!” (Sal. 57:7) Afaka manana fo tsy miovaova koa isika, ka hatoky tanteraka an’i Jehovah. (Vakio ny Salamo 112:7.) Tena nanampy an’i Bob, ilay voaresaka terỳ aloha, izany. Ahoana no nataony rehefa nilazana izy hoe misy ra hatao vonona eo raha sanatria ka ilaina? Tonga dia namaly izy hoe aleony mivoaka ny hopitaly avy hatrany raha mbola mieritreritra ny hampiditra ra aminy ihany ny dokotera. Izao no nolazainy tatỳ aoriana: “Tsy nisalasala mihitsy aho, sady tsy nisy na inona na inona natahorako.”

Raha matanjaka hoatran’ny trano tsara fototra ny finoantsika, dia tsy hanaiky ho voahozongozona mihitsy isika na inona na inona fitsapana atrehintsika (Fehintsoratra 17)

17. Inona no azontsika ianarana avy amin’i Bob? (Jereo koa ny sary.)

17 Tsy nanaiky ho voahozongozona mihitsy i Bob, satria efa ela be talohan’ny nidirany hopitaly izy no tapa-kevitra hoe hankatò an’i Jehovah foana. Voalohany, te hampifaly an’i Jehovah izy. Faharoa, nianarany tsara ny Baiboly sy ny boky sy gazetintsika, ka hainy hoe masina ny aina sy ny ra. Fahatelo, resy lahatra izy fa handray soa mandrakizay izy raha manaraka ny tari-dalan’i Jehovah. Afaka manana fo tsy miovaova koa isika, na inona na inona fitsapana atrehintsika.

Be herim-po i Baraka sy ny miaramilany rehefa nanenjika ny tafik’i Sisera (Fehintsoratra 18)

18. Nahoana ny ohatr’i Baraka no mampianatra antsika hatoky an’i Jehovah? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

18 Matokia an’i Jehovah. Diniho ny ohatr’i Baraka. Nandresy izy satria natoky ny tari-dalan’i Jehovah. Tsy nisy ampinga na lefona nanerana an’ilay tany. Ny tafik’i Sisera anefa ampy fitaovana tsara. Na izany aza, dia mbola nasain’i Jehovah niady tamin’ireo miaramila kananita ireo ihany izy. (Mpits. 5:8) Nasain’i Debora mpaminanivavy nidina teny amin’ny tany lemaka i Baraka, mba hihaona tamin’i Sisera sy ny kalesin’adiny 900. Mahazo tombony kokoa ny kalesy raha eny amin’ny tany marina, nefa nankatò i Baraka. Nataon’i Jehovah avy be ny orana, rehefa nidina ny Tendrombohitra Tabara ny miaramila. Nihitsoka tao anaty fotaka àry ny kalesin’i Sisera, dia nandresy i Baraka noho ny fanampian’i Jehovah. (Mpits. 4:1-7, 10, 13-16) Hataon’i Jehovah mandresy koa isika, raha matoky azy sy ny tari-dalana omeny amin’ny alalan’ny solontenany.​—Deot. 31:6.

AZA MANAIKY HO VOAHOZONGOZONA MIHITSY

19. Nahoana ianao no tsy tokony hanaiky ho voahozongozona mihitsy?

19 Mbola hitohy foana ny ady ataontsika mba tsy ho voahozongozona mihitsy, raha mbola eto amin’izao tontolo izao isika. (1 Tim. 6:11, 12; 2 Pet. 3:17) Enga anie isika ho tapa-kevitra hoe tsy hanaiky “hatopatopan’ny” fanenjehana, ny fanerena an-kolaka, ny hevitr’olombelona, ny fitaka, ary ireo zavatra mahavariana. (Efes. 4:14) Tsy hanaiky ho voahozongozona koa isika, fa hahafoy tena ho an’i Jehovah foana, ary tsy hiovaova mihitsy fa hankatò ny didiny foana. Mila mahay mandanjalanja koa anefa isika. Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka hoe nahoana i Jehovah sy Jesosy no ohatra tsara indrindra momba an’izany.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

a Efa hatramin’ny andron’i Adama sy Eva i Satana no nampiely an’ilay hevitra hoe ny olona ihany no tokony hanapa-kevitra ny amin’izay tsara sy ratsy. Tian’i Satana hitovy toe-tsaina aminy isika, ka tsy hankatò ny lalàn’i Jehovah sy ny tari-dalan’ny fandaminany. Hanampy antsika tsy hanao izay tiantsika fotsiny hoatran’ny tontolon’i Satana ity lahatsoratra ity, sady hanampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hiandany amin’i Jehovah.

b Manaraka an’izay lazain’Andriamanitra momba ny ra ny Kristianina. Manazava an’izany ny lesona faha-39 amin’ny boky Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

c Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay lahatsoratra hoe “Mitandrema Amin’ny Vaovao Tsy Marina.”

d Misy tsipiriany momba an’izany ao amin’ny toko 13 sy 14 amin’ny boky Naverin’i Jehovah Tamin’ny Laoniny ny Fivavahana Madio!