LAHATSORATRA FIANARANA 27
HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay
Miezaha ho Be Herim-po Hoatran’i Zadoka
“I Zadoka [dia] tovolahy matanjaka sady be herim-po.”—1 TAN. 12:28.
HEVITRA HODINIHINA
Afaka manampy antsika ho be herim-po ny ohatr’i Zadoka.
1-2. Iza i Zadoka? (1 Tantara 12:22, 26-28)
EFA vory lanona ny vahoaka! Lehilahy 340 000 mahery no nivory mba hanao an’i Davida ho mpanjakan’ny Israely rehetra. Nankany amin’ireo havoana be vato teny akaikin’i Hebrona ry zareo, ary niaraka tamin’i Davida tany nandritra ny telo andro. Heno nanerana an’ilay toerana ry zareo niresadresaka sy falifaly nanao hira fiderana ary nihomehimehy. (1 Tan. 12:39) Nisy tovolahy atao hoe Zadoka koa tao, ary azo inoana hoe tsy nisy nahamarika akory izy. Nataon’i Jehovah anefa izay hahafantarantsika hoe tao izy. (Vakio ny 1 Tantara 12:22, 26-28.) Fa iza marina moa i Zadoka?
2 Mpisorona niara-niasa akaiky tamin’i Abiatara Mpisoronabe i Zadoka. Mpahita koa izy, izany hoe afaka namantatra ny sitrapon’Andriamanitra sady nataon’i Jehovah lalin-tsaina be. (2 Sam. 15:27) Nanatona azy àry ny olona rehefa nila torohevitra feno fahendrena. Lehilahy be herim-po koa i Zadoka, ary io toetrany io no tena hifantohantsika ato.
3. a) Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no mila be herim-po? b) Inona no hodinihintsika ato?
3 Mihamafy ny fanafihan’i Satana ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro farany izao. (1 Pet. 5:8) Mila herim-po àry isika eo am-piandrasana ny fotoana handringanan’i Jehovah an’i Satana sy ny tontolo ratsiny. (Sal. 31:24) Andao isika handinika fomba telo azontsika anahafana ny herim-pon’i Zadoka.
TOHANO NY FANJAKAN’ANDRIAMANITRA
4. Nahoana no mila herim-po ny vahoakan’i Jehovah mba hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra? (Jereo koa ny sary.)
4 Vahoakan’i Jehovah isika, dia manohana amin’ny fo manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra. (Mat. 6:33) Ilana herim-po anefa izany matetika. Mila herim-po, ohatra, isika mba hampiharana ny fitsipik’i Jehovah sy hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana eto amin’izao tontolo ratsy izao. (1 Tes. 2:2) Mitaky herim-po koa matetika ny tsy miandany amin’iza na iza amin’ny resaka politika satria mihamisara-bazana ny olona. (Jaona 18:36) Betsaka amin’ny vahoakan’i Jehovah àry no namoy vola sy fananana, nampijalijalina, na nogadraina noho ry zareo tsy nety nanao politika na raharaha miaramila.
5. Nahoana no nila herim-po i Zadoka mba hanohanana an’i Davida?
5 Tsy hoe hanao fety fotsiny no nankanesan’i Zadoka tany Hebrona, satria hoe lasa mpanjaka i Davida. Nitondra fitaovam-piadiana koa izy ary vonona hiady. (1 Tan. 12:38) Vonona handeha hiady miaraka amin’i Davida izy, sy hiaro ny Israely amin’ny fahavalony. Marina hoe mety ho miaramila tsy za-draharaha i Zadoka. Nanonitra an’izany anefa ilay izy be herim-po.
6. Inona no modely nomen’i Davida ho an’i Zadoka? (Salamo 138:3)
6 Ahoana no nahatonga ny mpisorona hoatran’i Zadoka ho lasa be herim-po? Satria natanjaka sy be herim-po ny lehilahy nanodidina azy, dia azo antoka hoe nianatra avy tamin’izy ireo izy. Be herim-po, ohatra, i Davida “nitarika ny Israely rehefa nisy ady.” Izany no nandrisika ny Israelita rehetra hanohana azy tamin’ny fony manontolo. (1 Tan. 11:1, 2) Niantehitra tamin’i Jehovah foana i Davida rehefa niady tamin’ny fahavalony. (Sal. 28:7; vakio ny Salamo 138:3.) Nisy lehilahy hafa niara-niaina tamin’i Zadoka koa azony notahafina. Anisan’izany i Joiada sy Benaia zanany, izay miaramila mpiady, ary ireo lehibem-poko 22 niandany tamin’i Davida. (1 Tan. 11:22-25; 12:26-28) Samy tapa-kevitra ny hanohana an’i Davida ry zareo.
7. a) Afaka mianatra avy amin’ny modelin’iza koa isika amin’izao? b) Inona no ianaranao avy amin’ny Rahalahy Nsilu, araka ny hita ao amin’ilay video?
7 Mahazo hery sy lasa be herim-po isika, rehefa mandinika ny modelin’ireo olona be herim-po manohana ny fitondran’i Jehovah. Tsy nanaiky hidikiditra tamin’ny politikan’ny tontolon’i Satana mihitsy, ohatra, i Kristy Jesosy Mpanjakantsika. (Mat. 4:8-11; Jaona 6:14, 15) Niantehitra tamin’ny hery nomen’i Jehovah foana izy. Betsaka koa izao ny tovolahy azontsika atao modely. Tsy nety nanao raharaha miaramila izy ireny noho ny feon’ny fieritreretany, na tsy nety nanao politika. Maninona raha vakina ao amin’ny jw.org/mg ny tantaran’ny sasany amin’izy ireny? a
AMPIO NY RAHALAHY SY ANABAVINAO
8. Rahoviana, ohatra, ny anti-panahy no mila herim-po mba hanampiana ny mpiara-manompo?
8 Tia mifanampy ny vahoakan’i Jehovah. (2 Kor. 8:4) Mitaky herim-po anefa izany indraindray. Rehefa mipoaka, ohatra, ny ady dia hitan’ny anti-panahy eo an-toerana hoe mila ampaherezina sy tohanana ny rahalahy sy anabaviny. Hitany koa fa mila omena boky sy gazety angamba ry zareo na zavatra hafa toy ny sakafo. Tia an’ireo ondry ny anti-panahy, dia manao vivery ny ainy mba hanomezana an’izay ilain’izy ireny. (Jaona 15:12, 13) Be herim-po hoatran’i Zadoka ry zareo rehefa manao an’izany.
9. Inona no nasain’i Davida nataon’i Zadoka, araka ny 2 Samoela 15:27-29? (Jereo koa ny sary.)
9 Tandindomin-doza ny ain’i Davida tamin’izay. Tapa-kevitra ny hanongam-panjakana mantsy i Absaloma zanany. (2 Sam. 15:12, 13) Nila niala haingana tao Jerosalema àry i Davida! Nomeny baiko ny mpanompony hoe: “Andao handositra, fa tsy hisy ho afa-miala amin’i Absaloma isika!” (2 Sam. 15:14) Rehefa niainga anefa ry zareo, dia tonga saina i Davida fa tokony hisy olona hijanona mba hampahafantatra azy ny tetik’i Absaloma. Nirahiny niverina tao an-tanàna àry i Zadoka sy ny mpisorona hafa mba hampita vaovao aminy. (Vakio ny 2 Samoela 15:27-29.) Nila mailo be anefa ry zareo. Nampidi-doza mantsy ny zavatra nasain’i Davida nataon’ireo mpisorona ireo, ary mety ho namoizany ny ainy mihitsy aza. Lehilahy tia tena sy mpamaly faty ary mpamadika i Absaloma, dia alao sary an-tsaina izay mety ho nanjo an’i Zadoka sy ny mpisorona hafa, raha fantany hoe nitsikilo an’izay nataony ry zareo mba hiarovana an’i Davida!
10. Ahoana no niarovan’i Zadoka sy ny namany an’i Davida?
10 Nanao tetika i Davida ary nangataka an’i Zadoka sy Hosay mba hanampy azy. Namany tsy nivadika taminy koa io Hosay io. (2 Sam. 15:32-37) Narahin’i Hosay ilay tetika dia lasa natokisan’i Absaloma izy. Natorony tetikady i Absaloma, nefa nanome fotoana an’i Davida ilay izy mba hahafahany hiomana ho amin’ilay fanafihana. Noresahin’i Hosay tamin’i Zadoka sy Abiatara ilay tetikady avy eo. (2 Sam. 17:8-16) Dia izy roa lahy indray no nampitondra hafatra ho an’i Davida. (2 Sam. 17:17) Nampian’i Jehovah i Zadoka sy ireo mpisorona namany, dia nandray anjara be tamin’ny fiarovana ny ain’i Davida.—2 Sam. 17:21, 22.
11. Ahoana no anahafantsika ny herim-pon’i Zadoka rehefa manampy ny mpiara-manompo isika?
11 Ahoana raha asaina manampy ny rahalahy sy anabavinao ianao mandritra ny fotoana mety hampidi-doza? Ahoana no ampisehoanao hoe be herim-po hoatran’i Zadoka ianao? 1) Manaraha tari-dalana. Tena zava-dehibe ny miray saina foana rehefa hoatr’izany. Araho ny tari-dalana omen’ny biraon’ny sampana eo an-toerana. (Heb. 13:17) Tokony haverin’ny anti-panahy dinihina matetika koa hoe ahoana no hiomanana ho amin’ny loza, ary inona ny toromariky ny fandaminana momba an’izay tokony hatao rehefa misy loza mananontanona. (1 Kor. 14:33, 40) 2) Miezaha ho be herim-po sy ho mailo foana. (Ohab. 22:3) Mieritrereta tsara aloha vao manao zavatra, dia aza misangy loza. 3) Miantehera amin’i Jehovah. Tadidio fa tena tian’i Jehovah harovana na ny ainao na ny ain’ny mpiara-manompo aminao. Afaka manampy anao hiaro an-dry zareo izy.
12-13. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Viktor sy Vitalii? (Jereo koa ny sary.)
12 Diniho izay nataon’ny rahalahy roa atao hoe Viktor sy Vitalii. Nizara sakafo sy rano ho an’ny mpiara-manompo tany Ukraine ry zareo. Hoy i Viktor: “Nitady sakafo hatraiza hatraiza izahay. Matetika no nisy poa-basy manodidina anay. Nisy rahalahy iray izay nanome sakafo anay avy tao amin’ny tahiriny. Betsaka àry ny mpitory nahazo izay nilainy nandritra ny fotoana kelikely. Rehefa nampiditra an’ilay entana tao anaty fiara izahay, dia nisy baomba nilatsaka tokotokony ho 20 metatra niala avy teo. Nitalaho tamin’i Jehovah aho nandritra an’iny andro iny mba hanome ahy ny herim-po nilaiko, hahafahako manampy foana an’ireo mpitory.”
13 Hoy i Vitalii: “Nilana herim-po be ilay izy. Adiny 12 ny dia voalohany nataoko. Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho teny an-dalana.” Be herim-po i Vitalii nefa mailo tsara. Izao koa no noteneniny: “Nangataka fahendrena sy fanetren-tena tamin’i Jehovah foana aho, dia teny amin’izay lalana navelan’ny manam-pahefana haleha ihany aho no nandeha. Nampahery be ahy ny nahita an’ireo rahalahy sy anabavy niara-niasa. Nesorin-dry zareo ny sakantsakana teny an-dalana, nangoniny ireo fanampiana dia nataony tao anaty fiara, ary nomeny sakafo sy filasiana izahay.”
AZA MIVADIKA AMIN’I JEHOVAH MIHITSY
14. Inona no mety ho vokany amintsika raha mivadika amin’i Jehovah ny olona iray akaikin’ny fontsika?
14 Anisan’ny tena mahakivy izany hoe misy fianakaviana na namana akaiky miala amin’i Jehovah izany. (Sal. 78:40; Ohab. 24:10) Vao mainka mafy ilay izy rehefa tena akaiky anao ilay olona. Afaka mampahery anao ny tsy fivadihan’i Zadoka, raha miatrika zavatra mampalahelo be hoatr’izany ianao.
15. Nahoana i Zadoka no nila herim-po mba tsy hivadihana tamin’i Jehovah mihitsy? (1 Mpanjaka 1:5-8)
15 Mpinamana be i Zadoka sy Abiatara. Tsy nivadika mihitsy anefa i Zadoka rehefa nifidy ny hiala tamin’i Jehovah i Abiatara. Tany amin’ny faramparan’ny fotoana nanjakan’i Davida izany no nitranga. Efa ho faty i Davida tamin’izay, ary i Solomona no efa nolazain’i Jehovah hoe handimby azy. (1 Tan. 22:9, 10) Nitady handrombaka fahefana anefa i Adonia zanak’i Davida. Nifidy ny hanohana an’i Adonia i Abiatara. (Vakio ny 1 Mpanjaka 1:5-8.) Tsy hoe nivadika tamin’i Davida fotsiny izy rehefa nanao an’izany, fa tamin’i Jehovah koa. Eritrereto ange e! Tsy maintsy hoe nalahelo sy diso fanantenana be izao i Zadoka tamin’izany. Mpisorona niara-niasa akaiky mantsy izy sy Abiatara, nandritra ny 40 taona mahery. (2 Sam. 8:17) Niara-nikarakara “ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra” izy roa lahy. (2 Sam. 15:29) Samy nanohana an’i Davida Mpanjaka ry zareo tamin’ny voalohany, ary mbola betsaka aza ny zavatra hafa niarahany nanao.—2 Sam. 19:11-14.
16. Inona no mety ho nanampy an’i Zadoka tsy hivadika mihitsy?
16 Tsy nivadika tamin’i Jehovah mihitsy i Zadoka na dia tsy izay aza ny safidin’i Abiatara. Natoky foana i Davida hoe tsy hivadika aminy i Zadoka. Rehefa niharihary ny tetik’i Adonia, dia nifidy an’i Zadoka sy Natana ary Benaia i Davida mba hanosotra an’i Solomona ho mpanjaka. (1 Mpanj. 1:32-34) Azo antoka fa nanatanjaka sy nampahery an’i Zadoka ilay hoe niaraka tamin’ny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika, ohatra hoe i Natana sy ireo olon-kafa nanohana an’i Davida Mpanjaka. (1 Mpanj. 1:38, 39) Rehefa lasa mpanjaka i Solomona, dia ‘i Zadoka mpisorona no notendreny hisolo an’i Abiatara.’—1 Mpanj. 2:35.
17. Ahoana no anahafanao an’i Zadoka raha misy olona akaiky anao mivadika amin’i Jehovah?
17 Ahoana no anahafanao an’i Zadoka? Raha misy olona akaiky anao mifidy ny hiala amin’i Jehovah, dia ataovy mazava tsara ny safidinao. (Jos. 24:15) Hanome anao ny hery sy ny herim-po ilainao i Jehovah. Miantehera sy mivavaha aminy, ary miaraha foana amin’ireo mpanompony tsy mivadika. Sarobidy amin’i Jehovah ny tsy fivadihanao, ka hamaly soa anao izy.—2 Sam. 22:26.
18. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Marco sy Sidse?
18 Diniho ny ohatr’i Marco sy Sidse. Niala tamin’ny fahamarinana ny zanak’izy ireo roa vavy efa lehibe. Izao no nolazain’i Marco: “Vao teraka ny zanakao dia efa tianao be mihitsy. Vonona hanao an’izay rehetra azonao atao ianao mba hiarovana azy amin’ny loza. Rehefa mifidy ny hiala amin’i Jehovah àry ry zareo, dia tena vaky fo ianao.” Hoy koa izy: “Teo akaikinay foana anefa i Jehovah. Nataony azo antoka hoe rehefa kivy aho, dia matanjaka ny vadiko, ary rehefa izy indray no kivy, dia izaho no matanjaka.” Izao indray no notenenin’i Sidse: “Tsy ho nahavita niaritra izahay raha tsy nomen’i Jehovah ny hery nilainay. Nalahelo be aho dia nieritreritra hoe izaho no nahatonga an’ilay izy, ka noresahiko tamin’i Jehovah ny fihetseham-poko. Taoriana kelin’izay, dia nisy rahavavy nanatona ahy. Efa an-taonany maro izahay no tsy nihaona. Napetrany teo an-tsoroko ny tanany, dia nojereny tsara aho sady hoy izy: ‘Sidse a! Tadidio hoe tsy ianao no nahatonga an’ilay izy!’ Nanampy ahy i Jehovah dia mbola falifaly foana aho manompo azy.”
19. Tapa-kevitra ny hanao inona ianao?
19 Tian’i Jehovah ho be herim-po hoatran’i Zadoka ny mpanompony rehetra. (2 Tim. 1:7) Tsy tiany anefa isika raha miantehitra amin’ny herintsika fotsiny. Tiany kosa isika raha miantehitra aminy. Rehefa miatrika toe-javatra ilana herim-po àry ianao, dia any amin’i Jehovah mitady fanampiana. Matokia fa hanampy anao ho be herim-po izy, hoatran’ny nataony tamin’i Zadoka!—1 Pet. 5:10.
HIRA 126 Miambena, Mahereza
a Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Tokony ho Be Herim-po ny Tena Kristianina: Raha Tsy Te Handray Anjara Amin’ny Politika sy Ady.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA)