NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA) Jona 2020

Ho hitanao ato ny lahatsoratra hianarana manomboka ny herinandron’ny 3 Aogositra ka hatramin’ny 30 Aogositra 2020.

“Hohamasinina Anie ny Anaranao!”

Lahatsoratra Fianarana 23: 3-9 Aogositra 2020. Inona ilay adihevitra lehibe mahakasika ny olombelona rehetra sy ny anjely? Nahoana izy io no tena zava-dehibe sy mahakasika antsika? Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah isika, raha azontsika ny valin’ireo sy ny fanontaniana hafa mifandray amin’ireo.

“Ataovy Izay Hatahorako ny Anaranao Amin’ny Foko Manontolo”

Lahatsoratra Fianarana 24: 10-16 Aogositra 2020. Hiresaka ny vavak’i Davida Mpanjaka ao amin’ny Salamo 86:11, 12 isika ato. Inona no dikan’ny hoe matahotra ny anaran’i Jehovah? Fa maninona isika no tokony hanaja lalina an’io anarana miavaka io? Ary nahoana no miaro antsika tsy ho resin’ny fakam-panahy ny tahotra an’Andriamanitra?

“Izaho Mihitsy no Hitady ny Ondriko”

Lahatsoratra Fianarana 25: 17-23 Aogositra 2020. Fa maninona ny olona sasany nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro no lasa tsy miaraka amin’ny fiangonana intsony? Ahoana no fahitan’i Jehovah an-dry zareo? Ahoana no nanampiany ny mpanompony sasany taloha? Inona no azontsika ianarana avy amin’izany? Handinika an’ireo isika ato.

“Miverena Amiko”

Lahatsoratra Fianarana 26: 24-30 Aogositra 2020. Tian’i Jehovah hiverina aminy izay tsy mitory intsony na tsy mivory intsony. Miangavy azy ireny izy hoe: “Miverena amiko.” Be dia be no azonao atao mba hanampiana an’izay te hanaiky an’io fiangavian’i Jehovah io. Handinika an’izany isika ato.