LAHATSORATRA FIANARANA 25

Aza Manafintohina An’ireny “Madinika” Ireny

Aza Manafintohina An’ireny “Madinika” Ireny

“Tandremo sao manao tsinontsinona ny iray amin’ireny madinika ireny.”​—MAT. 18:10.

HIRA 113 Ny Fiadanantsika

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nataon’i Jehovah ho antsika tsirairay?

NITAONA antsika tsirairay i Jehovah. (Jaona 6:44) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Nandinika ny olona an’arivony tapitrisa maneran-tany izy, dia nahita zavatra sarobidy tao am-ponao. Hitany hoe afaka ny ho tia azy ianao. (1 Tan. 28:9) Fantany tsara ianao, dia azony tsara ny fihetseham-ponao, ary tia anao izy. Mampahery be izany!

2. Inona no fanoharana nampiasain’i Jesosy, mba hampisehoana hoe sarobidy amin’i Jehovah ny ondriny tsirairay?

2 Tena tian’i Jehovah ianao. Tiany koa anefa ny mpiara-manompo aminao rehetra. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny mpiandry ondry i Jehovah mba hanazavana an’izany. Inona no hataon’ny mpiandry ondry raha manana ondry 100 izy dia very ny iray? Havelany eo an-tendrombohitra ny 99, dia lasa izy mikaroka an’ilay very. Tsy hobedesiny ilay ondry rehefa hitany. Ho faly kosa izy! Inona no ianarantsika avy amin’izany? Sarobidy amin’i Jehovah ny ondry tsirairay. Nilaza i Jesosy fa tsy misy tian’ny Rainy ho very na dia “ny iray amin’ireny madinika ireny” aza.​—Mat. 18:12-14.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Azo antoka fa tsy tiantsika mihitsy hoe isika no hahatonga ny rahalahy na anabavintsika ho kivy, na iza io na iza. Inona àry no azonao atao mba tsy hanafintohina ny hafa? Ary ahoana raha nisy olona nanao zavatra nampalahelo anao? Handinika an’ireo isika ato. Fa andao aloha hojerentsika hoe iza ireo “madinika” resahina ao amin’ny Matio toko faha-​18.

IZA IREO “MADINIKA” NORESAHIN’I JESOSY?

4. Iza ireo “madinika” noresahin’i Jesosy?

4 Ny mpianatr’i Jesosy rehetra no tiana horesahina amin’ilay hoe “madinika.” Manaiky hampianarin’i Jesosy izy ireo, ka “toy ny zaza” foana na firy taona na firy taona. (Mat. 18:3) Mampiseho finoana an’i Kristy daholo izy ireo na dia samy hafa aza ny fiaviany, ny kolontsainy, ny fomba fiheviny, ary ny toetrany. Tena tian’i Jesosy izy ireo noho izany.​—Mat. 18:6; Jaona 1:12.

5. Inona no fihetseham-pon’i Jehovah rehefa misy olona manafintohina na mampalahelo ny iray amin’ny mpanompony?

5 Sarobidy amin’i Jehovah daholo ireny “madinika” ireny. Nahoana isika no milaza an’izany? Eritrereto ange ny fiheverantsika ny ankizy e! Sarobidy amintsika izy ireny. Tiantsika harovana ny ankizy satria tsy hoatran’ny olon-dehibe, fa marefo sy tsy ampy traikefa ary tsy ampy fahendrena. Marina hoe tsy misy olona tiantsika hijaly. Tena malahelo anefa isika ary tezitra mihitsy aza, raha ankizy no misy mampijaly. Hoatr’izany koa i Jehovah. Te hiaro antsika izy, ary malahelo sy tezitra mihitsy rehefa misy olona manafintohina na mampalahelo ny iray amin’ny mpanompony.​—Isaia 63:9; Mar. 9:42.

6. Ahoana no fahitan’ity tontolo ity ny mpianatr’i Jesosy, araka ny 1 Korintianina 1:26-29?

6 Nahoana koa ny mpianatr’i Jesosy no atao hoe “madinika”? Satria izany no fahitan’ity tontolo ity an-dry zareo. Ny mpanankarena sy ny olo-malaza ary ny manam-pahefana mantsy no heverin’ity tontolo ity hoe ambony. Tsy hoatr’izany anefa ny ankamaroan’ny mpianatr’i Jesosy. Olona ambany, na tsy misy dikany, àry no fahitan’ity tontolo ity azy ireo. (Vakio ny 1 Korintianina 1:26-29.) Hafa mihitsy anefa no fiheveran’i Jehovah ny mpanompony.

7. Ahoana no tian’i Jehovah hiheverantsika ny mpiara-manompo?

7 Tian’i Jehovah ny mpanompony rehetra, na efa aman-taonany izy ireo no nanompo azy na vao haingana. Sarobidy aminy daholo ny rahalahy sy anabavintsika, ary tokony ho sarobidy amintsika koa. “Ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” no tokony ho tiantsika, fa tsy ny sasantsasany ihany. (1 Pet. 2:17) Tokony hiezaka mafy isika mba tsy hanao izay hampalahelo azy ireny, fa hanao izay hahatonga azy hahatsapa hoe tiana. Ahoana àry raha fantatsika hoe nandratra fon’olona isika na nampahatezitra azy? Tsy mety raha tsy raharahiantsika fotsiny ilay izy. Tsy tokony hieritreritra isika hoe izy mihitsy no efa sarotiny loatra, ary izy no tokony hamela sy hanadino. Fa maninona anefa ny mpiara-manompo sasany no mora tezitra? Satria izy mihevi-tena ho tsy misy dikany, angamba noho ny zavatra niainany. Ny hafa indray vao haingana no nahalala ny fahamarinana, dia mbola tsy hainy hoe ahoana no atao rehefa misy manao fahadisoana. Na inona na inona anefa antony mampahatezitra antsika, na mampahatezitra ny hafa amintsika, dia mila miezaka mamitram-pihavanana foana isika. Ary ahoana raha tezitra matetika amin’ny hafa ny olona iray? Tokony ho tonga saina izy hoe toetra ratsy izany, ary mila ialana. Hilamin-tsaina izy amin’izay ary handray soa ny hafa.

HEVERO HO AMBONY NOHO IANAO NY HAFA

8. Inona no toe-tsaina nifindra tamin’ny mpianatr’i Jesosy?

8 Fa maninona i Jesosy no niresaka momba an’ireny “madinika” ireny? Satria nanontany azy ny mpianany talohan’izay hoe: “Iza marina no lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?” (Mat. 18:1) Betsaka mantsy ny Jiosy tamin’izany no nieritreritra fa tena zava-dehibe ny manana toerana ambony. Izao no nolazain’ny manam-pahaizana iray momba an’izany: “Nisy niezaka mafy ka nanao vivery ny ainy mihitsy mba hahazo voninahitra sy laza, ary hankasitrahan’ny olona sy hohajainy.”

9. Inona no tsy maintsy nataon’ny mpianatr’i Jesosy?

9 Efa kolontsain’ny Jiosy tamin’izany ilay hoe tia mifaninana. Fantatr’i Jesosy àry hoe tsy maintsy miezaka mafy ny mpianany mba hiala amin’izany. Izao no nolazainy tamin-dry zareo: “Izay lehibe indrindra eo aminareo no aoka ho toy ny zandriny indrindra, ary izay mitarika ho toy ny mpanompo.” (Lioka 22:26) Mihevitra ny tenantsika ho “zandriny indrindra” isika rehefa ‘manao ny hafa ho ambony’ noho isika. (Fil. 2:3) Tsy dia hanafintohina ny hafa loatra isika raha manana an’izany toe-tsaina izany.

10. Inona ny torohevitr’i Paoly tokony harahintsika?

10 Misy zavatra mahatonga ny mpiara-manompo ho ambony noho isika foana. Tsy ho sarotra amintsika ny hahita an’izany, raha mifantoka amin’ny toetra tsaran-dry zareo isika. Tokony hanaraka an’izao torohevitra nomen’ny apostoly Paoly ho an’ny Korintianina izao isika: “Fa inona no mahatonga anao tsy hitovy amin’ny hafa? Inona tokoa moa no anananao izay tsy nomena anao? Koa raha nisy nanome ihany ianao, nahoana no mirehareha hoatran’ny hoe tsy nisy nanome?” (1 Kor. 4:7) Tokony hitandrina àry isika mba tsy hisarika ny sain’ny olona ho amintsika. Tsy tokony hihevi-tena ho ambony noho ny hafa koa isika. Ahoana, ohatra, raha misy rahalahy tena mahay manao lahateny, na anabavy mora mahazo fampianarana Baiboly? Tokony hanome voninahitra an’i Jehovah foana izy amin’izay zavatra vitany.

MAMELA HELOKA ‘AMIN’NY FO’ VE IANAO?

11. Inona no tian’i Jesosy hampianarina antsika tamin’ilay fanoharana momba ny mpanjaka iray sy ny mpanompony?

11 Nilaza fanoharana momba ny mpanjaka sy ny mpanompony i Jesosy, taoriana kelin’ny nampitandremany ny mpianany mba tsy hanafintohina ny hafa. Nananan’io mpanjaka io trosa be dia be ilay mpanompony, dia tsy voaloany ilay izy. Nofoanan’ilay mpanjaka àry ilay trosany. Nanana trosa tamin’ny mpanompo hafa koa io mpanompo io. Kely kokoa ilay trosa, nefa tsy nety nofoanany. Nogadrain’ilay mpanjaka io mpanompo ratsy fanahy io tamin’ny farany. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Izao no nolazain’i Jesosy: “Toy izany koa no hataon’ny Raiko any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”​—Mat. 18:21-35.

12. Inona no ho vokany raha tsy mety mamela heloka isika?

12 Tsy ilay mpanompo ihany no voa tamin’ny nataony, fa ny olon-kafa koa. Voalohany, tsy nananany antra mihitsy ilay mpanompo anankiray fa ‘nampidiriny tany am-ponja, mandra-pandoany ny trosany.’ Faharoa, “nalahelo mafy” ny mpanompo hafa rehefa nahita an’ilay zava-nitranga. Misy vokany amin’ny olon-kafa koa ny ataontsika. Ahoana, ohatra, raha tsy mety mamela ny olona nanao ratsy tamintsika isika? Voalohany, halahelo izy satria isika mitana lolompo aminy. Mety halahelo koa izy satria angamba isika tsy miraharaha azy, na tsy mampiseho fitiavana aminy. Faharoa, tsy hahazo aina ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana rehefa mahita hoe tsy mifanaraka tsara amin’ilay olona isika.

Hitana lolompo ve ianao sa hamela amin’ny fo? (Fehintsoratra 13-14) *

13. Inona no ianaranao avy amin’i Crystal?

13 Samy mandray soa àry na isika na ny olon-kafa, rehefa mamela heloka isika. Manaporofo an’izany ny nanjo ny mpisava lalana antsoina hoe Crystal. * Nisy anabavy nandratra ny fony tao amin’ny fiangonana. Izao no nolazain’i Crystal: “Hoatran’ny voatsindrona antsy aho indraindray rehefa naheno ny teny nolazainy. Na ny hiaraka hanompo aminy aza nahakamo ahy. Lasa tsy nazoto nanompo aho, dia tsy faly intsony.” Nieritreritra i Crystal hoe rariny raha tezitra izy. Tsy nitana lolompo anefa izy sady tsy nitsetra tena. Nanetry tena kosa izy, dia nanaraka ny torohevitra ara-baiboly tao amin’ilay lahatsoratra hoe “Mamelà Heloka Amin’ny Fonao.” Ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1999 no misy azy io. Izao no nolazainy: “Tonga saina aho hoe miezaka hitafy ny toetra vaovao daholo isika, ary vonona hamela ny fahadisoantsika i Jehovah isan’andro.” Namela ny fahadisoan’ilay rahavaviny àry i Crystal. Hoy ihany izy: “Hoatran’ny hoe nisy enta-mavesatra be nesorina teo an-tsoroko, dia maivamaivana erỳ aho. Lasa faly indray aho izao!”

14. a) Inona no mety ho sarotra tamin’i Petera, raha jerena ny Matio 18:21, 22? b) Inona no hanampy antsika hahavita hamela heloka na dia rehefa sarotra aza izany?

14 Fantatsika hoe tsara ny mamela heloka, ary tokony hanao an’izany isika. Mety ho sarotra anefa izany indraindray. Efa nitranga tamin’ny apostoly Petera angamba izany. (Vakio ny Matio 18:21, 22.) Inona àry no hanampy anao mba hahavita hamela heloka? Voalohany, saintsaino hoe inona daholo ny fahadisoanao efa navelan’i Jehovah. (Mat. 18:32, 33) Mamela tanteraka ny fahadisoantsika izy, na dia tsy mendrika an’izany aza isika. (Sal. 103:8-10) Tadidio koa fa “tsy maintsy mifankatia” isika. Midika izany fa tsy safidy ny hoe hamela heloka na tsia. Adidintsika amin’ny rahalahy sy anabavy izany. (1 Jaona 4:11) Faharoa, saintsaino hoe inona no ho vokany rehefa mamela heloka ianao. Mety hanampy an’ilay nanao tsy nety taminao ianao, hampiray saina ny fiangonana, hiaro ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary hahatsiaro ho maivamaivana. (2 Kor. 2:7; Kol. 3:14) Farany, mivavaha amin’i Jehovah, ilay mangataka antsika mba hamela heloka. Aza avela hanimba ny fihavananao amin’ny mpiara-manompo i Satana. (Efes. 4:26, 27) Mila ny fanampian’i Jehovah isika raha tsy te ho voafandrik’i Satana.

AZA AVELA HISY HANAFINTOHINA ANAO

15. Araka ny Kolosianina 3:13, inona no azonao atao raha nandratra ny fonao ny nataon’ny rahalahy na anabavy iray?

15 Ahoana anefa raha nandratra mafy ny fonao ny rahalahy na anabavy iray? Inona no tokony hataonao? Miezaha mafy mba hihavana aminy foana. Mitalahoa amin’i Jehovah mba hanampy anao. Angataho izy mba hitahy an’ilay olona. Mivavaha koa mba hahita an’ireo toetra tsara nahatonga an’i Jehovah ho tia azy. (Lioka 6:28) Raha tsy vitanao anefa ny manadino an’ilay tsy nety nataony, dia eritrereto hoe ahoana no fomba tsara indrindra hiresahana aminy. Aleo foana mieritreritra hoe tsy nanao fanahy iniana nandratra ny fonao izy. (Mat. 5:23, 24; 1 Kor. 13:7) Tadidio izany rehefa miresaka aminy ianao. Ahoana anefa raha tsy mety mihavana izy? Miezaha foana handefitra. Aza mieritreritra hoe tsy hiova mihitsy izy fa manàna faharetana. (Vakio ny Kolosianina 3:13.) Ny zava-dehibe indrindra dia hoe aza mitana lolompo, fa mety hanimba ny fifandraisanao amin’i Jehovah izany. Aza avela hisy na inona na inona hanafintohina anao. Hoporofoinao amin’izany fa tsy misy tianao mihoatra noho i Jehovah.​—Sal. 119:165.

16. Inona no andraikitsika tsirairay?

16 Tena faly isika hoe miara-manompo an’i Jehovah toy ny “andiany iray”, ary “iray ihany ny mpiandry” antsika. (Jaona 10:16) Izao no lazain’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, eo amin’ny pejy faha-​165: “Tombontsoa ny hoe anisan’ny olona miray saina toy izany, nefa misy andraikitra koa.” Inona izany andraikitra izany? Tokony hanao izay hampisy an’io firaisan-tsaina io foana isika. Mila miezaka àry isika mba “hanana ny fomba fijerin’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy.” “Madinika” daholo isika aminy sady sarobidy. Ary aminao? Sarobidy aminao koa ve ny mpiara-manompo? Hitan’i Jehovah sy ankasitrahany izay rehetra ataonao mba hanampiana sy hampaherezana azy ireny.​—Mat. 10:42.

17. Tapa-kevitra hanao inona isika?

17 Tena tiantsika ny rahalahy sy anabavintsika. Noho izany, dia tapa-kevitra isika fa “tsy hametraka vato mahatafintohina na zavatra mahasolafaka” eo anoloan’izy ireo. (Rom. 14:13) Heverintsika ho ambony noho isika izy ireo, ary hamela ny fahadisoany amin’ny fo manontolo isika. Hiezaka koa isika mba tsy ho tafintohina amin’ny ataon’ny hafa, fa hanao izay “hampisy fihavanana sy hifampahery.”​—Rom. 14:19.

HIRA 130 Andao Hifamela

^ feh. 5 Tsy lavorary isika ka mety hilaza na hanao zavatra mampalahelo ny mpiara-manompo. Ahoana no ataonao rehefa mitranga izany? Miezaka hamitram-pihavanana haingana ve ianao? Mailaka hiala tsiny ve ianao? Sa ianao mieritreritra hoe: ‘Izy no tafintohina dia an’azy izany!’? Ary ahoana raha mora sosotra amin’izay lazain’ny olona na ataony ianao? Manamarin-tena ve ianao dia milaza hoe: ‘Izaho efa izao mihitsy!’? Sa hitanao hoe ratsy izany dia tokony hiova ianao?

^ feh. 13 Novana ny anarana.

^ feh. 54 SARY: Sosotra amin’ny anabavy iray ny anabavy iray hafa. Miresaka mitokana izy mirahavavy ary miezaka mandamina an’ilay olana. Nanadino an’izay nitranga ry zareo avy eo, ary falifaly miara-manompo.