LAHATSORATRA FIANARANA 24

Jehovah, Ilay Mpamela Heloka Miavaka Indrindra

Jehovah, Ilay Mpamela Heloka Miavaka Indrindra

“Tsara toetra sy vonona hamela heloka ... ianao, Jehovah ô! Be fitiavana sy tsy mivadika amin’izay rehetra miantso anao ianao.”​—SAL. 86:5.

HIRA 42 Vavaky ny Mpanompon’Andriamanitra

HO HITANAO ATO *

1. Inona no nolazain’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Mpitoriteny 7:20?

 IZAO no nosoratan’i Solomona Mpanjaka: “Tsy misy olo-marina mahavita manao ny tsara foana ... eto ambonin’ny tany, fa tsy maintsy manota ihany izy.” (Mpito. 7:20) Marina loatra izany! Mpanota daholo isika. (1 Jaona 1:8) Noho izany, dia mila famelan-keloka isika rehetra, na avy amin’Andriamanitra na avy amin’olon-kafa.

2. Ahoana no tsapanao rehefa nisy namanao akaiky namela anao?

2 Azo antoka fa efa nisy fotoana ianao nanao zavatra nampalahelo ny namanao akaiky. Te hanarina an’ilay tsy mety sy hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisanareo ianao. Niala tsiny taminy àry ianao, ary nanao an’izany tamin’ny fo. Ahoana no tsapanao rehefa namela anao izy? Tsy maivamaivana ve? Ie, izany mihitsy, sady faly koa!

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 I Jehovah no tiantsika ho Namantsika akaiky indrindra. Indraindray anefa isika mety hilaza na hanao zavatra mampalahelo azy. Na izany aza, dia nahoana isika no afaka matoky hoe te hamela antsika izy? Nahoana ny famelan-kelok’i Jehovah no miavaka raha oharina amin’ny an’ny olombelona? Ary ny helok’iza no avelan’Andriamanitra?

VONONA HAMELA HELOKA I JEHOVAH

4. Maninona isika no afaka matoky hoe vonona hamela heloka i Jehovah?

4 Manome toky antsika Andriamanitra ao amin’ny Teniny hoe vonona hamela heloka izy. Rehefa nampahafantatra momba azy tamin’i Mosesy i Jehovah teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dia nilaza an’izao tamin’ny alalan’ny anjely iray: “Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy mangoraka, tsy mora tezitra, tena be fitiavana sy tsy mivadika sady tena tia fahamarinana, be fitiavana sy tsy mivadika amin’olona an’arivony, mamela fahadisoana sy heloka ary fahotana.” (Eks. 34:6, 7) Andriamanitra tsara fanahy sy mamindra fo i Jehovah, ka vonona foana hamela an’izay mpanota mibebaka.​—Neh. 9:17; Sal. 86:15.

Fantatr’i Jehovah ny tsipiriany rehetra nitranga tamin’ny fiainantsika, ka nahatonga antsika ho hoatr’izao (Fehintsoratra 5)

5. Inona no ataon’i Jehovah noho izy mahafantatra tsara ny olombelona? (Salamo 103:13, 14)

5 Mpamorona antsika i Jehovah, ka fantany daholo ny momba antsika. Eritrereto ange e! Hainy ny tsipiriany rehetra momba ny olona tsirairay eto an-tany. (Sal. 139:15-17) Hitany daholo àry ny tsy fahalavorariana nolovantsika avy tamin’ny ray aman-drenintsika. Angaha izay ihany! Fantany koa ny zava-drehetra efa niainantsika, ka nahatonga ny toetrantsika ho hoatr’izao. Mahalala tsara ny olombelona àry i Jehovah. Izany no mahatonga azy hamindra fo amintsika.​—Sal. 78:39; vakio ny Salamo 103:13, 14.

6. Ahoana no nanaporofoan’i Jehovah hoe te hamela ny helotsika izy?

6 Efa noporofoin’i Jehovah hoe te hamela ny helotsika izy. Azony hoe noho ny nataon’i Adama, ilay olombelona voalohany, dia lasa mpanota sy mety maty daholo isika. (Rom. 5:12) Tsy nisy azontsika natao mba hanavotana ny aintsika, na hanavotana olon-kafa. (Sal. 49:7-9) Nangoraka antsika anefa ilay Andriamanitsika be fitiavana, dia nitady fomba hanafahana antsika. Inona no nataony? Resahin’ny Jaona 3:16 hoe nandefa ny Zanany lahitokana mba ho faty ho antsika i Jehovah. (Mat. 20:28; Rom. 5:19) Isika no tokony ho faty, nefa nisolo toerana antsika i Jesosy mba hanafahana an’izay maneho finoana azy. (Heb. 2:9) Tsy maintsy nalahelo be izao i Jehovah nahita ny Zanany malala novonoina ho faty, sady amin’izay nampijalijalina sy nalana baraka. I Jehovah ve dia hamela ny Zanany ho faty hoatr’izany, raha tsy te hamela ny helotsika Izy?

7. Iza, ohatra, ny olona resahin’ny Baiboly hoe navelan’i Jehovah tanteraka ny helony?

7 Betsaka ny olona resahin’ny Baiboly hoe navelan’i Jehovah tanteraka ny helony. (Efes. 4:32) Iza izao no tadidinao? I Manase Mpanjaka angamba. Tena nandratra ny fon’i Jehovah io lehilahy ratsy fanahy io, satria nanao zavatra nahatsiravina be dia be. Nitarika ny olona hanompo sampy, ohatra, izy. Namono ny zanany koa izy, ka nanolotra azy ireny ho sorona ho an’ny andriamani-diso. Vitany mihitsy aza ny nametraka sampy tao amin’ny tempoly masin’i Jehovah. Izao no lazain’ny Baiboly momba azy: “Nanao zava-dratsy be dia be teo imason’i Jehovah mihitsy izy mba hampahatezitra azy.” (2 Tan. 33:2-7) Rehefa nasehon’i Manase anefa hoe nibebaka tamin’ny fony manontolo izy, dia namela azy tanteraka i Jehovah. Naveriny ho mpanjaka mihitsy aza izy. (2 Tan. 33:12, 13) Ary i Davida Mpanjaka ve tadidinao? Nanao fahotana ratsy be izy, ohatra hoe nijangajanga sy namono olona. Rehefa tena nibebaka anefa i Davida sady niaiky ny ratsy vitany, dia namela azy koa i Jehovah. (2 Sam. 12:9, 10, 13, 14) Afaka matoky àry isika hoe te hamela antsika Andriamanitra. Tsy izay ihany fa miavaka ny fahaizany mamela heloka raha oharina amin’ny an’ny olombelona, araka ny ho hitantsika rehefa avy eo.

MIAVAKA NY FAHAIZAN’I JEHOVAH MAMELA HELOKA

8. I Jehovah no Mpitsara miavaka indrindra. Nahoana izany no manampy azy hahay hamela heloka?

8 I Jehovah no “Mpitsara ny tany manontolo.” (Gen. 18:25) Mila mahazo tsara ny lalàna ny mpitsara mahay. Hoatr’izany mihitsy i Jehovah. Tsy vitan’ny hoe Mpitsara antsika izy, fa izy koa no Mpanao Lalàna ho antsika. (Isaia 33:22) Tsy misy olon-kafa tena mahay ny atao hoe tsara sy ratsy ankoatra an’i Jehovah àry. Mahay koa ny mpitsara iray raha mahavita mandinika ny zava-misy rehetra momba ny raharaha tsarainy, alohan’ny amoahany didim-pitsarana. Hoatr’izany mihitsy i Jehovah. Mpitsara miavaka indrindra àry izy.

9. Inona avy no fantatr’i Jehovah, rehefa hanapa-kevitra izy hoe hamela heloka na tsia?

9 Tsy hoatran’ny mpitsara olombelona i Jehovah. Fantany tsara foana mantsy ny zava-misy rehetra momba an’izay raharaha dinihiny. (Gen. 18:20, 21; Sal. 90:8) Ny an’ny olona izay hitany sy reny ihany no fantany, fa ny azy tsy hoatr’izany. Azony tsara hoe misy vokany amin’izay ataon’ny olona iray ny toetra nolovany avy tamin’ny ray aman-dreniny, ny fomba nitaizana azy, ny faritra misy azy, ny fihetseham-pony, ny adin-tsainy, ary ny fahasalamany ara-tsaina. Tsy izay ihany, fa mamaky ny any am-po i Jehovah. Hitany daholo ny antony mahatonga ny olona tsirairay hanao zavatra, sy ny tiany hatao, ary ny faniriany. Tsy misy miafina amin’i Jehovah mihitsy. (Heb. 4:13) Mahalala ny zava-misy rehetra àry izy matoa mamela heloka.

Manao ny rariny sy ny hitsiny i Jehovah ary tsy manavakavaka. Tsy azo anaovana kolikoly izy (Fehintsoratra 10)

10. Fa maninona isika no afaka milaza hoe ara-drariny foana ny didim-pitsaran’i Jehovah? (Deoteronomia 32:4)

10 Araka ny rariny sy ny hitsiny foana ny didim-pitsaran’i Jehovah. Tsy mba manavakavaka mantsy izy. Tsy ny paozin’ny olona, na ny harenany, na ny fahefany, na ny fahaizany no mahatonga an’i Jehovah hamela heloka. (1 Sam. 16:7; Jak. 2:1-4) Tsy azo terena koa izy, na anaovana kolikoly. (2 Tan. 19:7) Tsy entin’ny fihetseham-po na hatezerana mihitsy izy rehefa manapa-kevitra. (Eks. 34:7) I Jehovah àry no Mpitsara mahay indrindra satria fantany sady azony tsara izay rehetra momba antsika sy izay iainantsika.​—Vakio ny Deoteronomia 32:4.

11. Inona no mampiavaka ny famelan-kelok’i Jehovah?

11 Niaiky ny mpanoratra ny Soratra Hebreo hoe miavaka ny famelan-kelok’i Jehovah. Hafa mihitsy ny teny hebreo nampiasain-dry zareo mba hilazana an’izany indraindray. Milaza ny boky iray hoe “voatokana mba hilazana ny famelan-keloka asehon’Andriamanitra ho an’ny mpanota ihany ilay teny hebreo” nampiasain-dry zareo. “Tsy nampiasaina mihitsy io teny io, mba hilazana ny famelan-keloka eo amin’ny olona samy olona, izay latsa-danja kokoa noho ny an’Andriamanitra.” I Jehovah irery no manana fahefana hamela tanteraka ny heloky ny mpanota iray. Inona no vokany rehefa mamela antsika izy?

12-13. a) Inona no tsapan’ny olona iray rehefa mamela azy i Jehovah? b) Hafiriana isika no handray soa rehefa mamela antsika i Jehovah?

12 Inona no vokany rehefa ekentsika hoe namela antsika i Jehovah? Lasa mahatsapa “fotoana mamelombelona” isika, anisan’izany ny hoe miadan-tsaina sy tsy enjehin’ny eritreritsika intsony. Ny famelan-keloka “avy amin’i Jehovah” ihany no mahavita an’izany, fa tsy ny avy amin’olombelona mihitsy. (Asa. 3:19) Rehefa mamela antsika i Jehovah, dia averiny amin’ny laoniny tanteraka ny fifandraisantsika aminy, ka hoatran’ny hoe tsy nanota taminy mihitsy isika.

13 Rehefa mamela antsika i Jehovah, dia tsy hanameloka na hanasazy antsika amin’iny fahotana iny intsony izy. (Isaia 43:25; Jer. 31:34) Ariany lavitra “toy ny halavitry ny atsinanana amin’ny andrefana” izany. * (Sal. 103:12) Rehefa mieritreritra ny haben’ny famelan-kelok’i Jehovah isika, dia lasa tena te hankasitraka sy hanaja azy. (Sal. 130:4) Ny helok’iza anefa no avelany?

NY HELOK’IZA NO AVELAN’I JEHOVAH?

14. Inona no nianarantsika hatreto momba ny famelan-kelok’i Jehovah?

14 Inona no nianarantsika hatreto? Tsy miankina amin’ny haben’ilay fahotana na ny hakeliny no mahatonga an’i Jehovah hanapa-kevitra hoe hamela na tsia. Hitantsika koa hoe manampy azy hanapa-kevitra momba an’izany ny zavatra fantany noho izy Mpamorona sy Mpanao Lalàna ary Mpitsara. Inona àry no jeren’i Jehovah rehefa hanapa-kevitra izy hoe hamela heloka na tsia?

15. Inona no anisan’ny jeren’i Jehovah? (Lioka 12:47, 48)

15 Anisan’ny jeren’i Jehovah hoe fantatr’ilay mpanota ve fa tsy mety ny nataony. Manaporofo an’izany ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 12:47, 48. (Vakio.) Ahoana àry raha mieritreritra hanao zavatra ratsy ny olona iray dia avy eo manao fanahy iniana manao an’izany, nefa hainy tsara hoe mampahatezitra an’i Jehovah ilay izy? Ratsy be izany fahotana ataony izany, ary mety tsy ho voavela ny helony. (Mar. 3:29; Jaona 9:41) Eny e, indraindray aloha fantatsika ihany hoe tsy mety ny zavatra ataontsika. Dia ahoana izany? Mbola misy azo antenaina ve? Izany mihitsy! Misy zavatra hafa dinihin’i Jehovah koa mantsy.

Afaka matoky isika hoe hamela antsika i Jehovah rehefa tena mibebaka amin’ny fo manontolo isika (Fehintsoratra 16-17)

16. Inona no atao hoe mibebaka, ary nahoana izany no tena ilaina raha te havelan’i Jehovah?

16 Dinihin’i Jehovah koa hoe tena nibebaka ve ilay nanota? Ny hoe mibebaka dia midika hoe “miova hevitra sady manova ny toe-tsaina sy izay tiana hatao.” Midika koa izy io hoe manenina sy malahelo be tamin’ny ratsy vita, na tamin’ny zavatra tsara tokony ho natao nefa tsy natao. Tsy malahelo noho ny ratsy vitany fotsiny anefa ny olona mibebaka, fa malahelo ny fifandraisany amin’i Jehovah koa. Niharatsy mantsy izany matoa izy lasa nanota. Tadidio fa samy nanao fahotana lehibe na i Manase na i Davida, nefa namela an-dry zareo i Jehovah, satria ry zareo tena nibebaka. (1 Mpanj. 14:8) Mila mahita porofo àry i Jehovah hoe tena nibebaka isika, izay izy vao hamela antsika. Tsy ampy anefa ny manenina noho ny fahotana vitantsika. Tsy maintsy vonona ny hanao zavatra koa isika. * Misy ifandraisany amin’izany ilay zavatra dinihin’i Jehovah manaraka.

17. Inona no atao hoe miova, ary nahoana izany no tena ilaina raha tsy te hamerina ny fahotana vitantsika taloha isika? (Isaia 55:7)

17 Anisan’ny zavatra lehibe dinihin’i Jehovah koa ny fiovana nataon’ilay olona. Ny hoe miova dia midika hoe “miverin-dalana”, izany hoe miala amin’ny ratsy fanaony dia manaraka ny lalana atoron’i Jehovah. (Vakio ny Isaia 55:7.) Tsy maintsy manova ny toe-tsainy ilay olona, amin’izay ny fomba fisainan’i Jehovah indray no mibaiko azy. (Rom. 12:2; Efes. 4:23) Tsy maintsy tapa-kevitra izy hoe hanova ny fomba fisainany tsy mety sy hiala amin’ny ratsy fanaony. (Kol. 3:7-10) Mazava ho azy fa ny finoantsika ny soron’i Kristy no tena mahatonga an’i Jehovah ho afaka hamela antsika sy hamafa ny fahotantsika. Noho io sorona io dia hamela ny fahotantsika i Jehovah rehefa hitany hoe tena miezaka amin’ny fo manontolo isika mba hiova.​—1 Jaona 1:7.

MATOKIA HOE HAMELA ANAO I JEHOVAH

18. Inona no nodinihintsika tato momba ny famelan-kelok’i Jehovah?

18 Andao hofintinintsika kely ny hevi-dehibe sasany nianarantsika tato. I Jehovah tokoa ilay Mpamela heloka miavaka indrindra eran’izao rehetra izao. Fa maninona? Voalohany, satria vonona hamela heloka foana izy. Faharoa, fantany daholo ny tsipiriany momba antsika. Hainy tsara hoe inona no nahatonga antsika ho hoatr’izao, ary izy no tsara toerana indrindra hamaritra hoe tena nibebaka isika na tsia. Fahatelo, rehefa mamela antsika i Jehovah, dia lasa hoatran’ny hoe madio tsy misy pentina isika. Tsy enjehin’ny eritreritsika intsony isika vokatr’izany, sady ankasitrahan’i Jehovah.

19. Nahoana isika no afaka ny ho faly na dia tsy lavorary aza sady mbola hanota foana?

19 Mazava ho azy fa hanota foana isika raha mbola tsy lavorary. Mampahery antsika anefa ilay hevitra ao amin’ny boky Fandalinana ny Soratra Masina, eo amin’ilay hoe “Fibebahana.” Izao no voalaza ao: “Fantatr’i Jehovah ny fahalemen’ny mpanompony ka mamindra fo amin’izy ireo izy. Tsy voatery hanenina tsy misy farany àry izy ireo, noho ny fahadisoana nataony vokatry ny tsy fahalavorariany. (Sl 103:8-14; 130:3) Afaka ny ho faly foana izy ireo, rehefa miezaka manaraka tsara ny fitsipik’Andriamanitra. (Fi 4:4-6; 1Jn 3:19-22)” Mampahery be izany!

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Soa ihany i Jehovah fa vonona hamela antsika rehefa tena manenina tamin’ny fahotana vitantsika isika. Ahoana anefa no hanahafantsika azy? Inona no mampitovy ny famelan-kelok’i Jehovah amin’ny antsika? Ary inona no tsy mampitovy azy? Fa maninona isika no mila mahafantatra ny maha samy hafa an’izany? Hamaly an’ireo isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 45 Izay Saintsainiko ato Am-poko

^ Manome toky antsika i Jehovah ao amin’ny Teniny hoe vonona hamela ny mpanota mibebaka izy. Indraindray anefa mety hahatsapa isika hoe tsy mendrika an’izany. Hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity hoe nahoana isika no afaka matoky fa vonona hamela antsika foana ilay Andriamanitsika, rehefa tena manenina noho ny fahotana vitantsika isika.

^ Jereo ny boky Manatòna An’i Jehovah, toko 26, feh. 9.

^ FANAZAVANA: Ny hoe “mibebaka” dia midika hoe miova hevitra sady manenina amin’ny fo manontolo noho ny fomba fiaina taloha na ny zavatra ratsy natao na ny zavatra tokony ho natao nefa tsy natao. Hita amin’ny zavatra ataony hoe miova ny olona tena mibebaka.