LAHATSORATRA FIANARANA 26

Manampy Antsika Handresy ny Tahotra ny Fitiavana

Manampy Antsika Handresy ny Tahotra ny Fitiavana

“Manohana ahy i Jehovah, ka tsy hatahotra aho.”​SAL. 118:6.

HIRA 105 “Andriamanitra dia Fitiavana”

HO HITANAO ATO *

1. Inona matetika no mety hampahatahotra antsika?

 ERITRERETO ny zavatra niainan’ireto mpiara-manompo ireto. Te hanitatra faritany i Nestor sy María. * Nila nanatsotra ny fiainany ry zareo mba hahavitana an’izany. Natahotra anefa izy mivady sao tsy tena ho sambatra, raha kely kokoa ny vola miditra. I Biniam indray tany amin’ny firenena andrarana ny asantsika no lasa Vavolombelon’i Jehovah. Efa nampoiziny àry hoe mety henjehina izy satria anisan’ny vahoakan’Andriamanitra. Nampahatahotra azy izany. Vao mainka natahotra anefa izy, rehefa nieritreritra hoe ahoana no hataon’ny fianakaviany rehefa mahalala momba an’io fivavahany vaovao io. I Valérie indray voan’ny kansera, dia sahirana be izy nitady mpandidy manaja an’izay lazain’ny Baiboly momba ny ra. Tsy mahagaga raha natahotra izy sao ho faty.

2. Fa maninona isika no mila miezaka mandresy ny tahotra?

2 Betsaka amintsika no efa natahotra hoatr’izany. Ianao koa ve? Raha tsy mianatra mifehy ny tahotra isika, dia mety handray fanapahan-kevitra ratsy ka na ny fifandraisantsika amin’i Jehovah aza mety ho simba. Izany no tadiavin’i Satana. Mampiasa ny tahotra koa izy mba hahatonga antsika handika ny lalàn’i Jehovah, anisan’izany ilay didy hitory ny vaovao tsara. (Apok. 12:17) Marina fa ratsy fanahy i Satana sady tsy misy indrafo ary mahery be. Afaka miaro tena anefa ianao mba tsy ho voany. Ahoana no hanaovana an’izany?

3. Inona no hanampy antsika handresy ny tahotra?

3 Tsy ho resin’i Satana isika, raha resy lahatra hoe tia antsika i Jehovah sady manohana antsika. (Sal. 118:6) Nizaka ny tsy eran’ny aina, ohatra, ny mpanoratra ny Salamo faha-​118. Nanana fahavalo be dia be izy, ary ny sasany aza nanam-pahefana (andininy 9, 10). Indraindray koa izy niady saina be (andininy 13). Tsy izay ihany, fa nisy fotoana izy nofaizin’i Jehovah mafy (andininy 18). Na izany aza, dia mbola nihira hoatr’izao io mpanao salamo io: “Tsy hatahotra aho.” Fa maninona izy no tsy natahotra? Satria fantany hoe na dia nofaizin’i Jehovah aza izy, dia mbola tia be azy io Rainy any an-danitra io. Resy lahatra ilay mpanao salamo hoe na inona na inona olana atrehiny, dia vonona ny hanampy azy foana ilay Andriamaniny be fitiavana.​—Sal. 118:29.

4. Inona no tsy hatahorantsika raha matoky isika hoe tia antsika Andriamanitra?

4 Ianao mihitsy no mila resy lahatra hoe tia anao i Jehovah. Hanampy anao izany mba handresy an’ireto tahotra ireto: 1) Tahotra sao tsy hahavita hamelona ny fianakavianao, 2) tahotra olona, ary 3) tahotra sao ho faty. Nahavita nandresy an’izany ireo rahalahy sy anabavy noresahintsika teo am-piandohan’ity lahatsoratra ity. Resy lahatra mantsy ry zareo hoe tia azy Andriamanitra.

TAHOTRA SAO TSY HAHAVITA HAMELONA NY FIANAKAVIANA

Rahalahy iray manarato mba hamelomana ny ankohonany. Eo akaikiny eo ny zanany lahy (Fehintsoratra 5)

5. Inona no mety hampanahy be ny loham-pianakaviana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

5 Zava-dehibe amin’ny loham-pianakaviana ilay andraikiny hoe mamelona ny ankohonany. (1 Tim. 5:8) Loham-pianakaviana ve ianao? Raha izany, dia mety ho nitaintaina ianao nandritra an’ity valanaretina ity hoe: ‘Raha tsy an’asa tampoka aho, dia aiza indray no hahita hatokona? Ahoana no handoavana hofan-trano?’ Natahotra koa angamba ianao sao tsy hahita asa intsony, raha sanatria very asa. Sa hoatran’i Nestor sy María no nahazo anao? Nisalasala angamba ianao hoe hampihena ny asanao na hiova asa mihitsy, satria hisy vokany amin’ny fiainanao izany. Izany tahotra izany no hararaotin’i Satana, ka nahavita nisakana olona maro tsy hanompo an’i Jehovah intsony izy.

6. Inona no iezahan’i Satana atao?

6 Miezaka mafy i Satana mba hahatonga anao hino hoe tsy miraharaha anao i Jehovah, sady miady irery ianao mba hamelomana ny fianakavianao. Inona no vokatr’izany? Mety hieritreritra ianao hoe: ‘Ataoko izay hitazonana an’io asa io, na dia mety handika ny toro lalan’ny Baiboly aza aho!’

7. Inona no toky nomen’i Jesosy antsika?

7 Tsy misy mahafantatra tsara ny Ray mihoatra noho i Jesosy. I Jesosy mihitsy anefa no nanome toky antsika hoe ‘fantatr’ilay [Andriamanitsika] izay ilaintsika, na dia mbola tsy mangataka aminy akory aza isika.’ (Mat. 6:8) Fantatr’i Jesosy fa vonona hanome an’izay ilaintsika i Jehovah. Anisan’ny ankohonan’Andriamanitra mantsy isika satria Kristianina, ary i Jehovah no Loham-pianakaviana. Afaka matoky àry isika hoe hampihatra an’ilay toro lalana nomeny ao amin’ny 1 Timoty 5:8 izy.

Hataon’i Jehovah izay hahazoantsika an’izay ilaintsika. Mety hampiasa ny rahalahy sy anabavy izy mba hanampiana antsika (Fehintsoratra 8) *

8. a) Inona no hanampy antsika tsy hatahotra hoe tsy hahavita hamelona ny fianakaviantsika isika? (Matio 6:31-33) b) Ahoana no anahafanao an’ilay mpivady mizara sakafo amina anabavy eo amin’ny sary?

8 Inona no vokany rehefa resy lahatra isika hoe tia antsika sy ny fianakaviantsika i Jehovah? Ho mora amintsika ny hino hoe hahazo an’izay ilaintsika isika. (Vakio ny Matio 6:31-33.) Te hanome an’izany i Jehovah, ary be fitiavana sy malala-tanana izy! Rehefa namorona ny tany, ohatra, izy dia tsy izay tena ilaintsika mba ho velona fotsiny no nomeny. Be fitiavana kosa izy, dia nofenoiny zavatra mahafinaritra be antsika ny tany. (Gen. 2:9) Ahoana anefa raha izay tena ilaina ihany no azontsika indraindray? Tsara raha mitadidy isika hoe: ‘Aleo mihinan-kely toy izay mandry fotsy.’ Midika mantsy izany fa efa nanome i Jehovah. (Mat. 6:11) Aza hadinoina mihitsy hoe tsy misy dikany izay vola na fananana afointsika amin’izao, raha oharina amin’izay homen’ilay Andriamanitsika dieny izao sy amin’ny hoavy. Nahatsapa tsara an’izany i Nestor sy María.​—Isaia 65:21, 22.

9. Inona no ianaranao avy amin’i Nestor sy María?

9 Niadana be i Nestor sy María tamin-dry zareo tany Kolombia. Izao no nolazainy: “Nieritreritra hanatsotra fiainana sy hampitombo ny fanompoana izahay, nefa natahotra sao tsy ho sambatra raha kely kokoa ny vola miditra.” Inona no nanampy azy mivady tsy hatahotra intsony? Nisaintsaina ny fomba be dia be nanaporofoan’i Jehovah ny fitiavany ry zareo. Resy lahatra izy roa hoe hikarakara an-dry zareo foana i Jehovah. Nialany àry ny asany na dia be karama aza. Namidiny koa ny tranony, dia nifindra tany amin’ny faritra nila mpitory bebe kokoa ry zareo. Ahoana no tsapan’izy mivady? Izao no nolazain’i Nestor: “Tena marina ilay resahin’ny Matio 6:33! Nanana an’izay nilainay foana izahay, ary sambatra kokoa izao izahay roa.”

TAHOTRA OLONA

10. Fa maninona no tsy mahagaga raha matahotra olon-kafa ny olona?

10 Efa hatramin’izay no malaza hoe mampijaly ny hafa ny olona. (Mpito. 8:9) Manararaotra fahefana, ohatra, ny sasany. Misy koa manao heloka bevava. Ny ankizy sasany indray maneso sy mandrahona ny mpiara-mianatra aminy. Ny hafa aza mikasi-tanana ny fianakaviany mihitsy. Tsy mahagaga àry raha matahotra ny hafa ny olona! Manararaotra an’izany tahotra olona izany i Satana. Ahoana no ataony?

11-12. Ahoana no ampiasan’i Satana ny tahotra olona?

11 Mampiasa ny tahotra olona i Satana, mba hanerena antsika hampandefitra ny finoantsika sy hisakanana antsika tsy hitory intsony. Ataony izay hahatonga ny fitondram-panjakana handrara ny asantsika sy hanenjika antsika. (Lioka 21:12; Apok. 2:10) Manaparitaka tsaho sy lainga mahatsiravina momba ny Vavolombelon’i Jehovah koa ny tontolon’i Satana. Mety haneso antsika na hikasi-tanana antsika mihitsy aza izay olona mino an’ireny lainga ireny. (Mat. 10:36) Gaga amin’izany tetik’i Satana izany ve isika? Tsy izany mihitsy! Efa nampiasa an’izany mantsy izy tamin’ny taonjato voalohany.​—Asa. 5:27, 28, 40.

Na dia manohitra anao aza ny fianakavianao, dia afaka matoky ianao hoe tia anao i Jehovah (Fehintsoratra 12-14) *

12 Tsy ny tahotra hoe enjehin’ny fanjakana ihany no hararaotin’i Satana. Misy koa mantsy matahotra an’izay mety hoeritreretin’ny fianakaviany, rehefa fantatr’izy ireo hoe lasa Vavolombelon’i Jehovah izy. Izany aza no atahorany kokoa noho ny hoe ampijalijalina! Tena tiany mantsy ny havany, ary tiany hahafantatra sy ho tia an’i Jehovah ry zareo. Mankarary ny fony ny maheno an-dry zareo tsy manaja an’ilay tena Andriamanitra sy ny mpanompony. Indraindray anefa manaiky ny fahamarinana ihany ny fianakaviana nanohitra taloha. Andao anefa hatao hoe arian’ny fianakavianao ianao noho ny zavatra vaovao inoanao. Ahoana no hataonao amin’izay?

13. Inona no vokany raha resy lahatra ianao hoe tian’Andriamanitra, na dia nanary anao aza ny fianakavianao? (Salamo 27:10)

13 Afaka mampahery anao ny teny tsara be voaresaka ao amin’ny Salamo 27:10. (Vakio.) Rehefa tadidinao ny haben’ny fitiavan’i Jehovah anao, dia tsy hanana ahiahy ianao na dia afoin’ny fianakavianao aza. Matoky koa ianao hoe hamaly soa anao izy noho ianao niaritra. Hikarakara anao sy ny fihetseham-ponao ary izay ilainao ara-panahy izy, ary tsy hisy hahavita tsara an’izany mihoatra noho izy! Izany no tsapan’i Biniam, ilay voaresaka tetsy aloha.

14. Inona no ianaranao avy amin’i Biniam?

14 Lasa Vavolombelon’i Jehovah i Biniam, na dia fantany tsara aza hoe mety henjehina mafy izy. Fantany koa anefa hoe tia azy i Jehovah, ary nanampy azy izany mba tsy hatahotra olona. Izao no nolazainy: “Mafy be tsy araka ny nieritreretako azy ilay fanenjehana. Ny fanoheran’ny fianakaviana anefa no natahorako kokoa noho ny fanenjehan’ny fanjakana. Natahotra aho sao ho diso fanantenana amiko dadanay, rehefa mahafantatra hoe nanapa-kevitra ny ho Vavolombelon’i Jehovah aho. Natahotra koa aho sao hieritreritra ny fianakaviako fa tsy misy ilana ahy mihitsy!” Resy lahatra anefa i Biniam hoe mikarakara foana an’izay olona tiany i Jehovah. Izao no nohazavainy: “Nosaintsainiko hoe ahoana no nanampian’i Jehovah ny olona sahirana ara-bola, niharan’ny fanavakavahana, ary notafihin’ny vahoaka romotra. Fantatro fa hotahin’i Jehovah aho raha mifikitra aminy. Voasambotra imbetsaka aho ary nampijalijalina mihitsy aza. Tamin’ireny no nahatsapako hoe tena manampy antsika i Jehovah rehefa ao anatin’ny mafy, raha tsy mivadika aminy isika.” Tena lasa Dada ho an’i Biniam i Jehovah, ary hoatran’ny fianakaviany mihitsy ny mpiara-manompo.

TAHOTRA SAO HO FATY

15. Maninona no ara-dalàna raha matahotra ny ho faty isika?

15 Milaza ny Baiboly hoe fahavalo ny fahafatesana. (1 Kor. 15:25, 26) Mety hanahy be isika na dia mieritreritra fotsiny aza hoe ho faty, indrindra raha marary be isika na ny fianakaviantsika. Fa maninona isika no matahotra an’izany? Satria rehefa namorona antsika i Jehovah, dia nataony te hiaina mandrakizay isika. (Mpito. 3:11) Manampy antsika hiaro ny aintsika ihany anefa ny tahotra ny fahafatesana. Mety handrisika antsika, ohatra, izany mba handray fanapahan-kevitra tsara momba ny sakafo hohanintsika sy ny fanatanjahan-tena ataontsika. Izany koa no mahatonga antsika handeha dokotera sy hihinana fanafody raha ilaina, ary tsy hanao zavatra mampidi-doza mety hamoizantsika ny aintsika.

16. Ahoana no ataon’i Satana mba hanararaotana an’ilay hoe matahotra ny ho faty isika?

16 Fantatr’i Satana hoe mamy amintsika ny aina. Milaza izy fa vonona ny hamoy ny zava-drehetra isika, na dia ny fifandraisantsika amin’i Jehovah aza, raha izay no hahavelona antsika. (Joba 2:4, 5) Diso be anefa i Satana! Na izany aza, dia manararaotra an’ilay isika matahotra ny ho faty izy, mba hanerena antsika hiala amin’i Jehovah. I Satana mantsy no “manan-kery hahatonga fahafatesana.” (Heb. 2:14, 15) Indraindray ny mpanompon’i Jehovah rahonan’ny olona eo ambany fahefan’i Satana hoe hovonoina ho faty, raha tsy mandà ny finoany. Mety hisy fotoana koa isika harary mafy, dia hohararaotin’i Satana izany mba hahatonga antsika hampandefitra ny finoantsika. Mety hanery antsika hampidiran-dra, ohatra, ny dokotera sy ny fianakaviana tsy Vavolombelona, nefa mandika ny lalàn’Andriamanitra izany. Na mety hisy hiezaka handresy lahatra antsika mba hanaraka fitsaboana tsy mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Soratra Masina.

17. Fa maninona isika no tsy tokony hatahotra hoe ho faty, araka ny Romanina 8:37-39?

17 Marina fa tsy te ho faty isika. Fantatsika anefa hoe ho tia antsika foana i Jehovah na dia maty aza isika. (Vakio ny Romanina 8:37-39.) Rehefa misy namany maty, dia tadidiny foana ry zareo ka hoatran’ny hoe mbola velona mihitsy. (Lioka 20:37, 38) Tsy andriny izay hamelomana azy ireo indray. (Joba 14:15) Nahafoy zavatra sarobidy be i Jehovah, mba ‘hahazoantsika fiainana mandrakizay.’ (Jaona 3:16) Fantatsika hoe tena tia antsika izy sady mikarakara antsika. Aza miala amin’i Jehovah mihitsy àry rehefa marary, na rahonana hoe hovonoina! Aleo kosa mangataka fampiononana sy fahendrena ary hery avy aminy. Izany mihitsy no nataon’i Valérie sy ny vadiny.​—Sal. 41:3.

18. Inona no ianaranao avy amin’i Valérie?

18 Voan’ny kansera tsy fahita sady tena ratsy be i Valérie, tamin’izy 35 taona. Ny fitiavan’i Jehovah no nanampy azy tsy hatahotra ny ho faty. Izao no nolazainy: “Nitsimbadika tampoka ny fiainanay vao fantatra hoe voan’ny kansera aho. Nila fandidiana lehibe aho, izay vao afaka ny ho velona. Efa nijery mpandidy be dia be izahay, fa tsy nisy nanaiky handidy ahy nefa tsy hampiasa ra. Natahotra aloha aho e! Fantatro tsara anefa ny didin’Andriamanitra, dia tsy hanaiky hampidiran-dra mihitsy aho. Nampiseho fitiavana be dia be tamiko i Jehovah nandritra ny androm-piainako. Anjarako indray izao ny mamaly fitia azy. Isaky ny maheno vaovao ratsy avy any amin’ny dokotera aho, dia vao mainka tapa-kevitra hoe ataoko mirehareha amiko i Jehovah ary tsy avelako handresy i Satana. Vita ihany ilay fandidiana sady tsy nila nampidiran-dra aho. Mbola tsy sitrana aho izao, nefa manome an’izay ilainay foana i Jehovah. Hoatr’izany talohan’ny nahafantarana hoe voan’ny kansera aho. Nodinihina tany am-pivoriana tamin’ny faran’ny herinandro talohan’io ilay lahatsoratra hoe ‘Ahoana no Ahafahana Miatrika Olana?’ * Tena namonjy anay mihitsy io lahatsoratra io! Naverimberinay novakina foana ilay izy. Ireny lahatsoratra ireny sy ny fahazaranay nanao zavatra ara-panahy no nanampy anay mivady ho tony sy hahay handanjalanja foana ary handray fanapahan-kevitra tsara.”

AZA MANAIKY HO RESIN’NY TAHOTRA

19. Inona no hitranga tsy ho ela?

19 Nampian’i Jehovah ny Kristianina eran-tany, ka nahavita niatrika olana lehibe sy nahatohitra ny Devoly. (1 Pet. 5:8, 9) Afaka ny hahavita an’izany koa ianao. Tsy ho ela i Jehovah dia haniraka an’i Jesosy sy ireo mpiara-manjaka aminy mba “handrava ny asan’ny Devoly.” (1 Jaona 3:8) ‘Tsy hisy hatahoran’ny’ mpanompon’i Jehovah eto an-tany intsony aorian’izay, ary “tsy hisy hampihorohoro” an-dry zareo. (Isaia 54:14; Mika 4:4) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mila miezaka mafy isika mba tsy ho resin’ny tahotra.

20. Inona no hanampy antsika handresy ny tahotra?

20 Tsy maintsy miezaka matoky kokoa isika hoe tia sy miaro ny mpanompony i Jehovah. Hahavita an’izany isika, raha misaintsaina sy miresaka ny fomba niarovan’i Jehovah ny mpanompony taloha. Azontsika tadidina koa ny fomba nanohanany antsika rehefa niatrika olana isika. Rehefa ampian’i Jehovah isika, dia hahavita handresy ny tahotra!​—Sal. 34:4.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

^ Fihetseham-po ara-dalàna ny tahotra, ary afaka miaro antsika amin’ny loza. Indraindray anefa tsy tsara ny matahotra, satria mety hisy vokany ratsy amintsika izany. Fa maninona? Hohararaotin’i Satana mantsy izany mba hahatonga antsika handray fanapahan-kevitra ratsy. Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny tahotra. Inona no hanampy antsika? Ho hitantsika ato fa hahavita handresy an’izany isika, raha resy lahatra hoe manohana antsika i Jehovah sady tia antsika.

^ Novana ny anarana sasany.

^ Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 2012, p. 7-11.

^ SARY: Mpivady manatitra sakafo ho an’ny anabavy iray miasa mafy sy ny fianakaviany. Iray fiangonana ry zareo.

^ SARY: Rahalahy tanora enjehin’ny ray aman-dreniny noho izy manompo an’i Jehovah. Matoky anefa izy hoe hanohana azy Andriamanitra.