LAHATSORATRA FIANARANA 28

Mahasoa Foana ny Tahotra An’Andriamanitra

Mahasoa Foana ny Tahotra An’Andriamanitra

“Matahotra an’i Jehovah ny olona manao izay mahitsy.” ​—OHAB. 14:2.

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona ny olana atrehin’ny Kristianina, hoatran’ny nahazo an’i Lota?

 HOATRAN’NY tsapan’ilay olo-marina atao hoe Lota no tsapantsika mahita ny fitondran-tenan’ny olona eo amin’izao tontolo izao. “Nalahelo be [izy] rehefa nahita an’ireo mpandika lalàna nanana fitondran-tena tsy misy henatra.” (2 Pet. 2:7, 8) Fantany mantsy hoe halan’ilay Raintsika any an-danitra ny fitondran-tena ratsy. Tia sy natahotra an’Andriamanitra i Lota. Tsy nanaiky hanana toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany hoatran’ny an’ny olona nanodidina azy àry izy, ka hoe haloto fitondran-tena. Tsy manaja ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena koa ny olona manodidina antsika, na zara raha miraharaha an’izany. Afaka ny hadio fitondran-tena foana anefa isika, raha tsy mihena mihitsy ny fitiavantsika an’Andriamanitra sady mianatra matahotra azy isika.​—Ohab. 14:2.

2 Manampy antsika hahavita an’izany i Jehovah, ka mampahery sy mandrisika antsika amin’ny alalan’ny bokin’ny Ohabolana. Tena afaka mandray soa avy amin’ny torohevitra ao ny Kristianina rehetra, na antitra na tanora, ary na lahy na vavy.

MIARO ANTSIKA NY TAHOTRA AN’ANDRIAMANITRA

Mila mitandrina isika any am-piasana mba tsy hifandray be amin’ny olona tsy tia an’i Jehovah, na hanaiky ny fanasany hanao zavatra mampiahiahy (Fehintsoratra 3)

3. Nahoana, ohatra, isika no mila miaro ny fontsika, araka ny Ohabolana 17:3? (Jereo koa ny sary.)

3 Maninona isika no mila miaro ny fontsika an’ohatra? Antony iray lehibe ny hoe mandinika ny fontsika i Jehovah. Tsy izay hitan’ny hafa etỳ ivelany ihany no dinihiny, fa izay tena maha izy antsika any anatintsika any koa. (Vakio ny Ohabolana 17:3.) Ho tiany isika raha fenointsika fahendrena manampy antsika hiaina mandrakizay ny saintsika. (Jaona 4:14) Tsy hisy toerana ho an’ny lainga aelin’i Satana sy ny tontolony ao an-tsaintsika amin’izay, ary tsy hanahaka ny fitondran-tena ratsin-dry zareo isika. (1 Jaona 5:18, 19) Vao mainka isika ho tia sy hanaja an’i Jehovah, arakaraka ny ifandraisantsika akaiky aminy. Tsy te hampalahelo an’ilay Raintsika isika, ka ho halantsika na dia ny mieritreritra fotsiny aza hoe hanota. Rehefa alaim-panahy hanao ratsy isika, dia hisaintsaina hoe: ‘Izaho ve dia hanao fanahy iniana handratra ny fon’i Jehovah, nefa izy efa nampiseho hoe tia be ahy?’​—1 Jaona 4:9, 10.

4. Nahoana no niaro ny anabavy iray tsy ho resin’ny fakam-panahy ny tahotra an’i Jehovah?

4 Diniho izay nosoratan’i Marta, anabavy any Kroasia. b Saika resin’ny fakam-panahy haloto fitondran-tena izy. Hoy izy: “Sarotra tamiko ny nisaina tsara. Mafy tamiko koa ny nanohitra an’ilay faniriana hanota, na dia fantatro aza hoe fahafinaretana mandalo fotsiny io. Soa ihany fa niaro ahy ny tahotra an’i Jehovah.” Ahoana no niarovan’izany tahotra izany azy? Nisaintsaina an’izay mety ho vokany, hono, izy raha nandray fanapahan-kevitra ratsy. Afaka manao hoatr’izany koa isika. Inona no ho vokany ratsy indrindra? Hoe hampalahelo an’i Jehovah sy tsy ho afaka hanompo azy mandrakizay.​—Gen. 6:5, 6.

5. Inona no ianaranao avy amin’i Léo?

5 Rehefa matahotra an’i Jehovah isika, dia mitandrina mba tsy hanala tsiny ny fitondran-tena ratsy. Nianatra an’izany i Léo, rahalahy any Congo. Lasa niaraka tamin’ny naman-dratsy izy, efa-taona taorian’ny batisany. Nieritreritra izy hoe tsy manota amin’i Jehovah raha tsy manao ny zava-dratsy fanaon-dry zareo. Tsy ela anefa dia voataonan-dry zareo hisotro toaka be sy haloto fitondran-tena izy. Nanomboka nieritreritra an’izay nampianarin’ny ray aman-dreniny kristianina azy izy avy eo. Tadidiny koa hoe sambatra be izy tamin’izy nanompo an’i Jehovah. Tonga saina àry izy. Nampian’ny anti-panahy izy, ka niverina tamin’i Jehovah. Anti-panahy izy izao sady mpisava lalana manokana, ary faly erỳ!

6. Inona no oharina amin’ireo vehivavy roa horesahintsika?

6 Andao isika handinika ny Ohabolana toko faha-​9. Oharina amin’ny vehivavy roa ny fahendrena sy ny hadalana ao. c Rehefa mandinika an’izany isika, dia tadidio hoe adalam-piraisana ny tontolon’i Satana sady adalana sary sy boky ary video vetaveta. (Efes. 4:19) Tena ilaintsika àry ny miezaka matahotra an’Andriamanitra foana sady miala amin’ny ratsy. (Ohab. 16:6) Midika izany fa mahasoa antsika rehetra io toko io, na lahy isika na vavy. Resahina ao hoe manasa an’izay tsy dia nahita fiainana na “tsy ampy saina” ireo vehivavy roa ireo. Hoatran’ny samy milaza ry zareo hoe: ‘Mandroso an-trano, dia andao hisakafo!’ (Ohab. 9:1, 5, 6, 13, 16, 17) Mifanipaka hoatran’ny atsimo sy avaratra anefa ny manjo an’izay manaiky ny fanasan-dry zareo.

HALAVIRO NY HADALANA

Mahatonga ny olona hahita faisana ny fanasan’ilay “vehivavy tsisy saina” (Fehintsoratra 7)

7. Mitondra mankaiza ny iray amin’ilay fanasana, araka ny Ohabolana 9:13-18? (Jereo koa ny sary.)

7 Andao hodinihintsika ny fanasan’ilay “vehivavy tsisy saina.” (Vakio ny Ohabolana 9:13-18.) Tsy menatra mihitsy izy miantsoantso an’ireo tsy ampy saina hoe “tongava atỳ” dia andao hihinana sakafo matsiro. Inona anefa no vokatr’izany? Izay ‘maty tsy mahavita na inona na inona no any.’ Tadidinao angamba hoe nampiasa sarin-teny mitovitovy amin’izany ny bokin’ny Ohabolana talohan’io. Mampitandrina antsika amin’ny “vehivavy maditra” sy “ratsy fitondran-tena” izy io any. “Milentika ho any amin’ny fahafatesana ny tranony.” (Ohab. 2:11-19) Milaza koa ny Ohabolana 5:3-10 fa tokony hitandrina amin’ny “vehivavy maditra” hafa isika. “Midina mankany amin’ny fahafatesana ny tongony.”

8. Inona no safidy tsy maintsy ataontsika?

8 Misy safidy tsy maintsy ataon’izay maheno an’ilay “vehivavy tsisy saina”: Hanaiky ny fanasany ve sa handa? Mila manao safidy hoatr’izany koa isika indraindray. Inona àry no hofidintsika raha misy mitaona antsika haloto fitondran-tena, na sendra mahita zavatra vetaveta isika ao amin’ny Internet na amin’ny tele?

9-10. Inona no antony sasany mahatonga antsika hitandrina mba tsy haloto fitondran-tena?

9 Misy antony tsara maromaro mahatonga antsika hanalavitra ny fitondran-tena ratsy. Milaza ilay “vehivavy tsisy saina” hoe “mamy ny rano nangalarina.” Inona izany? Oharin’ny Baiboly amin’ny rano mamelombelona ny firaisana ataon’ny mpivady. (Ohab. 5:15-18) Afaka mahazo fahafinaretana amin’izany ry zareo, raha mpivady ara-dalàna. Hafa kosa ny “rano nangalarina.” Firaisana tsy ara-dalàna angamba no tiana horesahina amin’izany. Matetika no afenimpenina izy ireny, hoatran’ny ataon’ny mpangalatra. Toa mamy ilay “rano nangalarina”, indrindra raha mieritreritra ilay nanota hoe ho afa-maina. Diso be anefa izany! Mahita ny zava-drehetra mantsy i Jehovah. Tsy misy mangidy noho ny hoe tsy ankasitrahany intsony, ka inona moa no ‘mahamamy’ an’izany? (1 Kor. 6:9, 10) Tsy izay ihany anefa.

10 Misy vokany hafa koa raha maloto fitondran-tena ny olona iray. Mety ho afa-baraka izy, hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny, hitondra vohoka tsy nirina, ary ho rava ny tokantranony. Mazava àry fa hendry isika, raha manalavitra ny ‘tranon’ilay’ vehivavy tsisy saina sy ny sakafo arosony. Tsy vitan’ny hoe maty ara-panahy mantsy ny olona ratsy fitondran-tena, fa betsaka koa no lasa mahazo aretina ka maty aloha loatra. (Ohab. 7:23, 26) Izao no mamarana ny andininy faha-18 amin’ilay toko faha-9: “Any amin’ny Fasana ny olona nasain’ilay vehivavy.” Nahoana àry no betsaka no manaiky ny fanasany, nefa loza no vokany?​—Ohab. 9:13-18.

11. Nahoana no faran’izay manimba ny mijery sary sy boky ary video vetaveta?

11 Ny sary sy boky ary video vetaveta no anisan’ny fandrika fahita indrindra. Misy mieritreritra hoe tsy mampaninona ireny. Tena manimba anefa ireny, sady mampietry, ary manandevo. Mora miraikitra ao an-tsaina ireny sary ireny, nefa sarotra esorina. Tsy hoe mamono ny fanirian-dratsy koa izy ireny, fa vao mainka aza mampiredareda an’izany. (Kol. 3:5; Jak. 1:14, 15) Betsaka amin’ny olona nijery an’ireny no lasa ratsy fitondran-tena.

12. Ahoana no ahitana hoe mitandrina isika mba tsy hijery sary manaitaitra ny faniriana hanao firaisana?

12 Inona no tokony hataontsika Kristianina raha misy sary vetaveta mipoitra ao amin’ny fitaovana elektronika ampiasaintsika? Tonga dia tsy mijery an’ilay izy isika! Hahavita an’izany isika raha mitadidy hoe ny fifandraisantsika amin’i Jehovah no sarobidy indrindra amintsika. Fa ahoana raha tsy tena sary vetaveta ilay izy, nefa manaitaitra ny faniriana hanao firaisana ihany? Mbola tsy tokony hijery an’ireny koa ve isika? Ie, satria na zavatra kely mahatonga antsika hanitsakitsa-bady ao am-pontsika aza, dia efa tsy tiantsika hatao. (Mat. 5:28, 29) Izao no nolazain’i David, anti-panahy any Tailandy: “Manampy ahy hanapa-kevitra tsara ny mieritreritra hoe: ‘Na tsy vetaveta aza ilay sary, dia ho faly ve i Jehovah raha manohy mijery an’ilay izy aho?’”

13. Inona no hanampy antsika ho hendry rehefa manao zavatra?

13 Ho hendry isika rehefa manao zavatra, raha miezaka mba hatahotra sao tsy hampifaly an’i Jehovah. Ny fahatahorana an’i Jehovah mantsy no ‘fiandohana’ na fototry ny “fahendrena.” (Ohab. 9:10) Izany no resahin’ny fiandohan’ny Ohabolana toko faha-​9. Oharina amin’ilay vehivavy iray hafa ny “tena fahendrena” ao.

EKEO NY FANASAN’NY “TENA FAHENDRENA”

14. Inona ilay fanasana resahin’ny Ohabolana 9:1-6?

14 Vakio ny Ohabolana 9:1-6. Hita ao amin’ireo andininy ireo ny fanasana avy amin’i Jehovah, ilay Loharano sy Fototry ny tena fahendrena sady Mpamorona antsika. (Ohab. 2:6; Rom. 16:27) Miresaka trano malalaka be misy andry fito ilay fanoharana. Asehon’izany hoe malala-tanana i Jehovah, ary raisiny an-tanan-droa izay te hampihatra ny fahendrena avy aminy.

15. Manasa antsika hanao inona Andriamanitra?

15 Malala-tanana i Jehovah sady manome zavatra tsara be dia be. Hita amin’ny ataon’ilay vehivavy oharin’ny Ohabolana toko faha-​9 amin’ny “tena fahendrena” ireo toetra ireo. d Resahin’ilay fitantarana mantsy hoe nokarakarainy tsara ny hena, dia nasiany fangarony ny divainy, ary nataony vonona ny latabatra tao an-tranony. (Ohab. 9:2) Izao koa no resahin’ny andininy faha-4 sy faha-5: ‘Hoy izy amin’ny tsy ampy saina: “Avia hihinana ny mofo nokarakaraiko.”’ Maninona isika no tokony ho any an-tranon’ny tena fahendrena, ary hihinana ny sakafo arosony? Satria tian’i Jehovah ho hendry sy ho voaro amin’ny loza isika zanany. Marina hoe ‘soa lavo hahay hamindra’, nefa tsy hoatr’izany no tiany handraisantsika lesona. Tsy tiany hokaikerin’ny nenina koa isika. Izany no mahatonga an’i Jehovah ‘hitahiry fahendrena ho an’ny olo-marina.’ (Ohab. 2:7) Rehefa matahotra azy isika, dia lasa te hampifaly azy. Mihaino ny torohevitra feno fahendrena omeny isika ary faly mampihatra an’izany.​—Jak. 1:25.

16. Nahoana no nanampy an’i Alain hanapa-kevitra tsara ny tahotra an’Andriamanitra, ary inona no vokany?

16 Nanampy an’i Alain handray fanapahan-kevitra tsara ny tahotra an’Andriamanitra. Anti-panahy izy ary mpampianatra no asany. Hoy izy: “Betsaka amin’ny mpiara-miasa aminay no mihevitra hoe anisan’ny fanabeazana momba ny firaisana ny filma vetaveta.” Tsy voafitak’izany anefa i Alain. Hoy ihany izy: “Matahotra an’Andriamanitra aho, dia nanda an-kitsirano tsy hijery an’ireny filma ireny. Nohazavaiko tamin’ny mpiara-miasa tamiko koa ny antony nandavako an’izany.” Nampihatra ny torohevitry ny “tena fahendrena” i Alain, ka ‘navelany hitarika azy ny fahiratan-tsaina.’ (Ohab. 9:6) Tsy nilefitra mihitsy izy, dia gaga ny mpampianatra namany. Mianatra Baiboly sy mivory izao ny sasany amin-dry zareo.

Hahazo fiainana izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena” (Fehintsoratra 17-18)

17-18. Inona no fitahiana ho azon’izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena”, ary inona no azon-dry zareo andrandraina? (Jereo koa ny sary.)

17 Mampiasa an’ilay sarin-teny momba ny vehivavy anankiroa i Jehovah, mba hampisehoana amintsika hoe ahoana no hatao mba hananana hoavy sambatra. Te ‘hankamamy’ an’ilay rano nangalarina, izany hoe te hahazo fahafinaretana avy amin’ny fitondran-tena maloto, izay manaiky ny fanasan’ilay vehivavy petsam-bava sy “tsisy saina.” Hita mihitsy hoe ny androany ihany no eritreretin-dry zareo, fa tsy miraharaha ny hoavy mihitsy izy. “Any amin’ny Fasana” no hiafarany.​—Ohab. 9:13, 17, 18.

18 Hafa mihitsy anefa ny hoavy miandry an’izay manaiky ny fanasan’ny “tena fahendrena”! Mankafy hanim-pito loha voakarakara tsara sy mahasalama ry zareo dieny izao, izany hoe sakafo ara-panahy matsiro sy voaomana tsara. (Isaia 65:13) Izao no nolazain’i Jehovah tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Henoy tsara aho, dia mihinàna sakafo tena tsara, dia amin’izay ianareo tena hankafy sakafo matsiro be.” (Isaia 55:1, 2) Mianatra ho tia an’izay tian’i Jehovah sy hankahala an’izay halany isika. (Sal. 97:10) Mahatsiaro ho afa-po koa isika rehefa manasa ny hafa handray soa avy amin’ny “tena fahendrena.” Hoatran’ny hoe ‘miantsoantso’ an-dry zareo “eny amin’ny toerana avoavo ao an-tanàna” isika hoe: “Tongava atỳ izay mbola tsy dia nahita fiainana!” Tsy amin’izao ihany isika sy izay manaiky an’ilay fanasana no mandray soa. Mandray soa maharitra kosa isika ka lasa afaka ny ho “velona” mandrakizay, rehefa ‘avelantsika hitarika antsika ny fahiratan-tsaina.’​—Ohab. 9:3, 4, 6.

 19. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika, araka ny Mpitoriteny 12:13, 14? (Jereo koa ilay hoe “ Ny Soa Azontsika Rehefa Matahotra An’Andriamanitra.”)

19 Vakio ny Mpitoriteny 12:13, 14. Enga anie ny tahotra an’Andriamanitra hiaro ny fontsika foana, sy hanampy antsika tsy hanaiky haloto fitondran-tena ary ho akaiky an’i Jehovah foana, mandritra an’izao andro farany tena ratsy izao. Handrisika antsika io tahotra io mba hanohy hanasa olona faran’izay betsaka hitady ny “tena fahendrena”, ary handray soa avy amin’izany.

HIRA 127 Olona Tokony Hanao Ahoana moa Aho?

a Tsy maintsy mianatra matahotra an’Andriamanitra ny Kristianina. Miaro ny fontsika io tahotra io, sady misakana antsika tsy haloto fitondran-tena na hijery zavatra vetaveta. Handinika ny Ohabolana toko faha-​9 isika ato. Oharina amin’ny vehivavy roa mifanohitra tanteraka ny fahendrena sy ny hadalana ao. Afaka ny handray soa maharitra avy amin’ny torohevitra ao isika.

b Novana ny anarana sasany.

c Misy zavatra hafa koa oharin’ny Baiboly amin’ny olona. Jereo ny Romanina 5:14 sy ny Galatianina 4:24.

d Amin’ny endriny milaza vavy ilay hoe “fahendrena” amin’ny teny hebreo, ary oharina amin’ny vehivavy izy io.