LAHATSORATRA FIANARANA 10

Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah

Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah

“Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”​—ASA. 8:36.

HIRA 37 Hanompo Anao Amin’ny Foko Manontolo Aho

HO HITANAO ATO *

1-2. Rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 8:27-31, 35-38, nahoana ilay Etiopianina no lasa te hatao batisa?

TE HATAO batisa ve ianao ka ho lasa mpianatr’i Kristy? Ny fitiavana sy ny fankasitrahana no nahatonga ny olona maro hanao an’io safidy io, anisan’izany ny manam-pahefana iray niasa ho an’ny mpanjakavavin’i Etiopia.

2 Tonga dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izay nianarany tao amin’ny Soratra Masina ilay lehilahy. (Asa 8:27-31, 35; Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:36, 38.) Fa inona no nahatonga azy hanao an’izany? Hita hoe nankasitraka ny Tenin’Andriamanitra izy satria namaky andininy tao amin’ny bokin’i Isaia, tamin’izy tao amin’ny kalesiny. Lasa nankasitraka ny zavatra nataon’i Jesosy ho azy koa izy, rehefa niresahan’i Filipo. Hita amin’ilay tantara koa fa avy tany Jerosalema io Etiopianina io. Ny hanompo an’i Jehovah no anton-diany tany, ary midika izany hoe efa tia an’i Jehovah izy. Toa niala tamin’ny fivavahana nitaizana azy izy, dia nanaraka ny fivavahan’ny Israelita. Ry zareo irery no firenena voatokana ho an’ilay tena Andriamanitra tamin’izany. Natao batisa sy lasa mpianatr’i Kristy ilay Etiopianina avy eo, ary mbola ny fitiavana an’i Jehovah ihany no nahatonga azy handray an’io fanapahan-kevitra lehibe io.​—Mat. 28:19.

3. Inona no mety hisakana ny olona iray tsy hatao batisa? (Jereo ilay efajoro hoe “ Mitovy Amin’ilay Tany Hoatran’ny Ahoana ny Fonao?”)

3 Mety handrisika anao haniry hatao batisa ny fitiavana an’i Jehovah. Mbola fitiavana koa anefa no mety hisakana anao amin’izany. Nahoana? Andao isika hijery ohatra vitsivitsy. Tianao be angamba ny fianakavianao sy ny namanao, nefa ry zareo tsy manompo an’i Jehovah. (Mat. 10:37) Mety hatahotra àry ianao sao ho halan’izy ireo raha hatao batisa. Na mety hisy fahazarana sasany halan’Andriamanitra nefa ankafizinao, dia sarotra aminao ny miala amin’ilay izy. (Sal. 97:10) Mety ho zatra nanaraka fombafomba misy ifandraisany amin’ny fivavahan-diso koa ianao hatramin’ny mbola kely. Mbola tianao angamba ny mieritreritra ny fotoana nahafinaritra tamin’ireny. Noho izany dia lasa sarotra aminao ny tsy hanao an’ireny fombafomba tsy tian’i Jehovah ireny. (1 Kor. 10:20, 21) Mila misafidy àry ianao hoe: “Inona no tiako indrindra?”, na hoe: “Iza no tiako indrindra?”

IZA NO TOKONY HO TIANAO INDRINDRA?

4. Inona no antony lehibe indrindra tokony hahatonga anao hatao batisa?

4 Mety ho efa tena tia Baiboly sy tia an’i Jesosy ianao, na dia tamin’ianao mbola tsy nianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aza. Rehefa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah indray ianao, dia lasa tianao angamba ny miaraka amin’izy ireo. Na tianao aza anefa ireo rehetra ireo, dia tsy voatery handrisika anao hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa izany. Ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra mantsy no antony lehibe indrindra tokony hahatonga anao haniry hatao batisa. Raha i Jehovah no tianao indrindra, dia tsy hisy olona na zavatra havelanao hanakana anao tsy hanompo azy. Tsy handrisika anao hatao batisa fotsiny io fitiavana io, fa hiaro anao koa mba tsy hivadika aminy mihitsy.

5. Inona no hodinihintsika ato?

5 Nampirisika antsika i Jesosy hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Inona no hanampy anao ho tena tia sy hanaja lalina an’i Jehovah hoatr’izany? Hahavita an’izany ianao raha misaintsaina ny fitiavany anao. (1 Jaona 4:19) Handinika soso-kevitra vitsivitsy isika ato hahitana hoe inona no azontsika atao mba ho tia kokoa an’i Jehovah ka hatao batisa. *

6. Rehefa jerena ny Romanina 1:20, inona no fomba iray hahafantarana an’i Jehovah?

6 Diniho ny zavaboarin’i Jehovah mba hahafantaranao azy. (Vakio ny Romanina 1:20; Apok. 4:11) Rehefa mandinika ny biby sy ny zavamaniry ianao, dia hahita fa tena hendry i Jehovah. Azonao atao koa ny mianatra kely momba ny vatanao. Ho hitanao amin’izay hoe mahatalanjona ny nanaovan’i Jehovah azy io. (Sal. 139:14) Diniho koa ny hery be dia be nataon’i Jehovah tao anatin’ny masoandro. Vao kintana iray fotsiny anefa ny masoandro, fa mbola misy kintana an’arivony tapitrisa. * (Isaia 40:26) Vao mainka hanaja lalina an’i Jehovah ianao raha mandinika ny zavaboary. Tsy ampy anefa ny mahafantatra hoe hendry sy mahery izy. Mila mahafantatra azy bebe kokoa ianao, raha te ho tia azy kokoa sy ho lasa namany.

7. Mila resy lahatra ny amin’inona ianao raha te ho tia an’i Jehovah?

7 Mila resy lahatra ianao hoe tena tia anao i Jehovah. Sarotra aminao ve ny mino hoe mahita anao ilay Mpamorona ny lanitra sy ny tany, sady tena tia anao? Raha izany, dia tadidio hoe “tsy lavitra antsika tsirairay” i Jehovah. (Asa. 17:26-28) “Mandinika ny fo rehetra” izy, ary mampanantena hoe “raha mitady azy ianao, dia hataony izay hahitanao azy.” (1 Tan. 28:9) Izy mihitsy no nitaona anao matoa ianao lasa nianatra Baiboly. (Jer. 31:3) Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah, rehefa fantatrao hoe inona daholo no nataony ho anao.

8. Ahoana no azonao amaliana fitia an’i Jehovah?

8 Afaka mamaly fitia an’i Jehovah koa ianao. Fomba iray anaovana an’izany ny vavaka. Hitombo ny fitiavanao azy rehefa lazainao aminy izay mampanahy anao sady misaotra azy ianao noho ny zavatra tsara rehetra ataony ho anao. Vao mainka ianao hinamana aminy rehefa hitanao hoe valiany ny vavaka ataonao. (Sal. 116:1) Ho resy lahatra ianao hoe azon’i Jehovah tsara ny fihetseham-ponao, ary fantany tsara ianao. Raha te hifandray akaiky aminy anefa ianao, dia mila azonao tsara ny fomba fisainany. Mila fantarinao koa hoe inona no tiany hataonao. Rehefa mianatra Baiboly ihany ianao vao hahafantatra an’ireo.

Ilaina ny mianatra Baiboly. Izany no fomba tsara indrindra hahafahana hinamana amin’Andriamanitra sy hahafantarana an’izay tiany hataontsika (Fehintsoratra 9) *

9. Inona no hataonao raha sarobidy aminao ny Baiboly?

9 Ataovy izay hahatonga ny Tenin’Andriamanitra ho sarobidy aminao. Ao amin’ny Baiboly ihany no misy ny marina momba an’i Jehovah sy ny fikasany ho anao. Ahoana no ampisehoanao hoe sarobidy aminao izy io? Mila mamaky azy io isan’andro ianao, dia manomana isaky ny hianatra Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra anao, ary mampihatra an’izay ianaranao. (Sal. 119:97, 99; Jaona 17:17) Manana fandaharana famakiana Baiboly ve ianao? Arahinao tsara ve ilay izy, dia mamaky isan’andro ianao?

10. Inona no anisan’ny mampiavaka ny Baiboly?

10 Misy tantara momba an’i Jesosy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, ary olona nanatri-maso an’izany mihitsy no nanoratra an’ilay izy. Anisan’ny mampiavaka ny Baiboly izany. Io ihany no boky milaza ny marina momba ny zavatra nataon’i Jesosy ho anao. Rehefa mianatra momba an’izay nolazain’i Jesosy sy nataony ianao, dia azo inoana hoe te ho lasa namany.

11. Inona no hanampy anao hahafantatra kokoa an’i Jehovah?

11 Tiavo i Jesosy. Vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah raha tia azy. Nahoana? Satria nanahaka tanteraka ny toetran’ny Rainy izy. (Jaona 14:9) Arakaraka ny ianaranao momba an’i Jesosy àry no vao mainka hahafantaranao an’i Jehovah sy hitiavanao azy. Eritrereto, ohatra, ny nataon’i Jesosy tamin’ny olona nahantra sy narary ary tsy nisy mpiaro. Tena nangoraka azy ireo izy! Eritrereto koa ny torohevitra omeny anao. Tsy hitanao hoe mihatsara ve ny fiainanao rehefa manaraka azy ireny ianao?​—Mat. 5:1-11; 7:24-27.

12. Inona no mety ho vokany rehefa lasa mahafantatra an’i Jesosy ianao?

12 Nanao sorona i Jesosy mba hahazoantsika famelan-keloka. (Mat. 20:28) Azo inoana hoe hitombo ny fitiavanao azy, rehefa misaintsaina an’izany ianao. Rehefa mazava tsara aminao hoe nanaiky ho faty ho anao izy, dia mety hanohina ny fonao izany ka hibebaka ianao ary hangataka famelan-keloka amin’i Jehovah. (Asa. 3:19, 20; 1 Jaona 1:9) Ary inona no ho vokany rehefa lasa tia an’i Jesosy sy Jehovah ianao? Ho tianao koa izay olona tia an-dry zareo.

13. Inona no nomen’i Jehovah anao?

13 Tiavo ny fianakavian’i Jehovah. Tsy manompo an’i Jehovah angamba ny fianakavianao sy ny namanao taloha. Mety tsy ho azon-dry zareo àry hoe fa maninona ianao no te hanokan-tena ho an’i Jehovah. Mety hanohitra anao mihitsy aza ry zareo. Hanampy anao anefa i Jehovah. Nomeny fianakaviana mantsy ianao. Raha mifandray akaiky amin’ireo mpiara-manompo aminao ireo ianao, dia hahazo ny fitiavana sy fanampiana ilainao. (Mar. 10:29, 30; Heb. 10:24, 25) Mety hanompo an’i Jehovah sy hanaraka ny fitsipiny koa ny fianakavianao any aoriana any.​—1 Pet. 2:12.

14. Hitanao hoe marina ve ny voalazan’ny 1 Jaona 5:3 momba ny fitsipik’i Jehovah? Hazavao.

14 Miezaha ho tia sy hampihatra ny fitsipik’i Jehovah. Nanao izay hitanao fa mety fotsiny angamba ianao talohan’ny nahafantaranao an’i Jehovah. Izao anefa hitanao hoe tsara kokoa ny manaraka ny fitsipiny. (Sal. 1:1-3; vakio ny 1 Jaona 5:3.) Eritrereto, ohatra, ny torohevitry ny Baiboly ho an’ny mpivady sy ny ray aman-dreny ary ny zanaka. (Efes. 5:22–6:4) Tsy hitanao hoe lasa nifandray tsara kokoa ve ny fianakavianao rehefa nanaraka an’izany? Ary ahoana indray ny torohevitr’i Jehovah momba ny namana? Tsy hitanao hoe lasa nanana fahazarana tsara ve ianao rehefa nampihatra an’ireny? Tsy lasa sambatra kokoa ve ianao? (Ohab. 13:20; 1 Kor. 15:33) Azo inoana fa hamaly hoe eny ianao.

15. Inona no azonao atao raha sarotra aminao ny mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly?

15 Indraindray angamba tsy hainao hoe ahoana no hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly ianaranao. Izany no mahatonga an’i Jehovah hampiasa ny fandaminany mba hanomezana anao boky sy gazety ara-baiboly. Manampy anao hanavaka ny tsara sy ny ratsy izy ireny. (Heb. 5:13, 14) Rehefa mamaky sy mianatra azy ireny ianao, dia ho hitanao hoe azo ampiharina eo amin’ny fiainana ilay izy sady tena mahasoa. Azo inoana hoe lasa te ho anisan’ny fandaminan’i Jehovah ianao vokatr’izany.

16. Ahoana no nandaminan’i Jehovah ny vahoakany?

16 Tiavo sy tohano ny fandaminan’i Jehovah. Nalamin’i Jehovah ho fiangonana ny vahoakany, ary i Jesosy Zanany no lohan’ny fiangonana rehetra. (Efes. 1:22; 5:23) Nanendry lehilahy voahosotra vitsivitsy i Jesosy mba handamina ny asa tiany hataontsika. Nantsoiny hoe “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” io antokon’olona io. Andraikitr’izy ireo ny manome sakafo ara-panahy anao sy miaro ny fifandraisanao amin’i Jehovah, ary ataon’izy ireo tsara izany andraikiny izany. (Mat. 24:45-47) Ahoana no ikarakaran’io mpanompo io anao? Ataony azo antoka, ohatra, hoe tendrena ho anti-panahy izay rahalahy mahafeno fepetra. Afaka mitari-dalana sy miaro anao ny anti-panahy. (Isaia 32:1, 2; Heb. 13:17; 1 Pet. 5:2, 3) Vonona hanao izay rehetra azony atao izy ireo mba hampaherezana anao sy hanampiana anao ho akaiky kokoa an’i Jehovah foana. Te hanampy anao hampianatra ny olona momba an’i Jehovah koa ny anti-panahy, ary izany no anisan’ny zava-dehibe indrindra ataon’izy ireo ho anao.​—Efes. 4:11-13.

17. Araka ny Romanina 10:10, 13, 14, nahoana isika no miresaka amin’ny olona momba an’i Jehovah?

17 Ampio ho tia an’i Jehovah ny olon-kafa. Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hampianatra ny olona momba an’i Jehovah. (Mat. 28:19, 20) Mety ho adidy fotsiny no mahatonga ny olona iray hankatò an’izany. Rehefa mitombo anefa ny fitiavanao an’i Jehovah, dia hahatsapa hoatran’ny apostoly Petera sy Jaona ianao. Izao no nolazain’izy ireo: “Raha izahay kosa, dia tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba izay efa hitanay sy renay.” (Asa. 4:20) Tena miavaka ny fifaliana tsapanao rehefa manampy olona ho tia an’i Jehovah ianao. Tadidinao ve tamin’i Filipo nanampy an’ilay Etiopianina? Nanampy azy hahalala ny marina tao amin’ny Soratra Masina izy, dia avy eo ilay lehilahy natao batisa. Azo antoka hoe faly be i Filipo tamin’izay! Hasehonao hoe te ho Vavolombelon’i Jehovah ianao, raha manao hoatran’i Filipo ka mankatò an’ilay didin’i Jesosy hoe mila mitory. (Vakio ny Romanina 10:10, 13, 14.) Mety hanao hoatran’ilay Etiopianina ianao amin’izay, ka hieritreritra hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”​—Asa. 8:36.

18. Inona no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Ny hoe hatao batisa no fanapahan-kevitra lehibe indrindra eo amin’ny fiainanao. Mila mandinika tsara àry ianao hoe inona avy no tafiditra amin’izany. Inona no tokony ho fantatrao momba ny batisa? Inona no tokony hataonao aloha sy aorian’ny batisa? Hamaly an’ireo ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 2 Jehovah no Anaranao

^ feh. 5 Tia an’i Jehovah ihany ny olona sasany, nefa misalasala raha vonona hatao batisa sy ho lasa Vavolombelon’i Jehovah. Hoatr’izany ve ianao? Hampahatsiahy anao ity lahatsoratra ity hoe inona avy no azonao atao mba ho vonona amin’izany.

^ feh. 5 Tsy mitovy ny olona, ka mety tsy ho araka ny filaharany ato no hampiharan’izy ireo an’ireo soso-kevitra ireo.

^ feh. 6 Raha mila ohatra fanampiny ianao, dia jereo ilay bokikely hoe Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? sy ilay hoe Ahoana no Nampisy Antsika? Fanontaniana Dimy Mila Dinihina.

^ feh. 61 SARY: Anabavy manome taratasy mivalona ho an’ny tovovavy iray eny an-tsena.