LAHATSORATRA FIANARANA 11

Ahoana no Hahazoanao Hery avy Amin’ny Soratra Masina?

Ahoana no Hahazoanao Hery avy Amin’ny Soratra Masina?

‘Manome fiaretana Andriamanitra.’​—ROM. 15:5.

HIRA 94 Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

HO HITANAO ATO *

1. Inona no olana sasany atrehin’ny mpanompon’i Jehovah?

MANANA olana lehibe mampijaly mafy anao ve ianao izao? Nisy olona nandratra ny fonao angamba tao amin’ny fiangonana. (Jak. 3:2) Na maneso anao ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra aminao, satria ianao manompo an’i Jehovah. (1 Pet. 4:3, 4) Sa ve misy fianakavianao miezaka misakana anao tsy hivory na tsy hiresaka ny zavatra inoanao amin’ny olon-kafa? (Mat. 10:35, 36) Raha mafy be aminao ny miatrika olana iray, dia mety hieritreritra ianao hoe aleo tsy manompo an’i Jehovah intsony. Matokia anefa fa na inona na inona zava-tsarotra atrehinao, dia hanome anao ny fahendrena ilainao i Jehovah sady hanome anao hery hahafahanao hiaritra an’ilay izy.

2. Inona no ho vokany raha mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika, araka ny Romanina 15:4?

2 Nampanoratin’i Jehovah ao amin’ny Teniny hoe inona no nataon’ny olona tsy lavorary rehefa niatrika olana lehibe ry zareo. Voaresaka ao amin’ny an-tsipiriany mihitsy izany. Nanao an’izany i Jehovah mba hahafahantsika handray lesona avy amin’ireny tantara ireny. Izany mihitsy no nasainy nosoratan’ny apostoly Paoly. (Vakio ny Romanina 15:4.) Mampionona antsika ireny tantara ireny sady mahatonga antsika hanana fanantenana. Tsy ampy anefa ny mamaky Baiboly raha te handray soa isika. Tsy maintsy avelantsika hisy vokany amin’ny fomba fisainantsika sy hanohina ny fontsika koa ny Soratra Masina. Inona àry no tokony hataontsika raha mitady tari-dalana isika mba hiatrehana olana iray? Afaka manao an’ireto isika: 1Mivavaka, 2maka sary an-tsaina, 3misaintsaina, ary 4mampihatra. Andao hodinihintsika tsirairay ireo. * Hiresaka olana nanjo an’i Davida Mpanjaka sy ny apostoly Paoly koa isika, dia hanao an’ireo dingana efatra ireo.

1. MIVAVAHA

Alohan’ny hamakianao Baiboly, dia iangavio i Jehovah mba hanampy anao hahita an’izay azonao ianarana (Fehintsoratra 3)

3. Inona no tokony hataonao alohan’ny hamakianao Baiboly? Nahoana?

3 1Mivavaha. Alohan’ny hamakianao Baiboly, dia angataho i Jehovah mba hanampy anao hahita hoe ahoana no handraisanao soa avy amin’izay hovakinao. Andao hatao hoe manana olana ianao, dia mitady torohevitra mba hiatrehana an’izany. Angataho àry i Jehovah mba hanoro anao hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao hanapa-kevitra.​—Fil. 4:6, 7; Jak. 1:5.

2. MAKA SARY AN-TSAINA

Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy ilay olona voaresaka ao amin’ilay tantara (Fehintsoratra 4)

4. Inona no azonao atao raha te handray soa ianao rehefa mamaky Baiboly?

4 2Makà sary an-tsaina. Nomen’i Jehovah fahaizana miavaka isika, satria nataony mahay maka sary an-tsaina. Inona àry no tokony hataonao rehefa mamaky Baiboly? Alao sary an-tsaina ilay tantara, dia ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy no miaina an’ilay izy. Eritrereto, ohatra, hoe inona ny zavatra hitan’ilay olona voaresaka ao, ary inona no fihetseham-po tsapany. Hahasoa anao kokoa ilay tantara raha manao an’ireo ianao.

3. SAINTSAINO IZAY VAKINAO

Eritrereto tsara izay vakinao. Saintsaino koa hoe nahoana ilay izy no mahakasika anao (Fehintsoratra 5)

5. Inona no atao hoe misaintsaina? Ahoana no hanaovana an’izany?

5 3Saintsaino ilay tantara. Fa inona no dikan’ny hoe misaintsaina? Midika izy io hoe mieritreritra tsara an’ilay zavatra vakina, ary mandinika hoe fa maninona ilay izy no mahakasika anao. Hanampy anao hampifandray an’izay hevitra efa fantatrao izany, dia ho azonao kokoa izay vakinao. Tsy misy dikany ny hoe mamaky Baiboly nefa tsy misaintsaina. Raha tsy misaintsaina an’izay vakintsika isika, dia hoatran’ny hoe nanangona an’izay rehetra ilaina mba hanaovana sakafo matsiro, nefa tsy manambatra an’ilay izy. Hoatran’ny hoe mampifangaro an’ireo zavatra rehetra ireo kosa isika rehefa misaintsaina, ka mahazo an’ilay sakafo tena ankafizintsika. Hanampy anao hisaintsaina ny fanontaniana. Eritrereto, ohatra, hoe: ‘Inona no nataon’ilay olona voaresaka ao amin’ilay tantara mba hamahana ny olana nahazo azy? Ahoana no nanampian’i Jehovah azy? Inona no ianarako avy amin’ny tantarany, ka afaka manampy ahy hiaritra ny zava-tsarotra mahazo ahy?’

4. AMPIHARO ILAY IZY

Ampiasao izay nianaranao mba hahatonga anao hahay hanapa-kevitra kokoa sy ho tony kokoa, ary mba hanatanjahana ny finoanao (Fehintsoratra 6)

6. Fa maninona isika no tsy maintsy mampihatra an’izay ianarantsika?

6 4Ampiharo ilay izy. Nilaza i Jesosy hoe mitovy amin’ny lehilahy manorina trano eo ambony fasika isika, raha tsy mampihatra an’izay ianarantsika. Miasa mafy izy manorina an’ilay izy, nefa herim-po very maina fotsiny izany. Fa maninona? Satria hirodana ilay trano rehefa misy tafio-drivotra sy oram-be. (Mat. 7:24-27) Ho very maina hoatr’izany koa ny ezaka ataontsika raha tsy mampihatra an’izay nianarantsika isika, na dia nivavaka sy naka sary an-tsaina ary nisaintsaina aza. Tsy hatanjaka tsara ny finoantsika rehefa misy olana na misy fanenjehana. Inona kosa no ho vokany raha mianatra isika sady mampihatra an’izay ianarantsika? Handray fanapahan-kevitra tsara kokoa isika sady ho tony kokoa ary hihamatanjaka ny finoantsika. (Isaia 48:17, 18) Andao isika izao handinika ny olana sasany nanjo an’i Davida Mpanjaka, dia hanaraka an’ireo dingana efatra noresahintsika teo.

INONA NO AZONAO IANARANA AVY AMIN’I DAVIDA MPANJAKA?

7. Ny tantaran’iza no hodinihintsika izao?

7 Efa nisy namanao na fianakavianao natokisanao ve, nefa izy namadika anao? Raha izany, dia tsara raha mandinika ny tantaran’i Davida Mpanjaka ianao. Namadika azy mantsy i Absaloma zanany. Te haka ny toerany izy ka nitady hanongam-panjakana.​—2 Sam. 15:5-14, 31; 18:6-14.

8. Inona no azonao atao mba hanampian’i Jehovah anao?

8 1Mivavaha. Alohan’ny hamakianao an’ilay tantara, dia lazao amin’i Jehovah hoe ahoana no tsapanao tamin’ny zavatra ratsy nataon’ilay olona anao. (Sal. 6:6-9) Resaho mazava tsara aminy ny fihetseham-ponao. Iangavio i Jehovah avy eo mba hanoro anao hoe inona ny toro lalana hanampy anao hiatrika an’ilay olana.

9. Ahoana no hamintinanao ny olana nitranga teo amin’i Davida sy Absaloma?

9 2Makà sary an-tsaina. Eritrereto ny zava-nitranga resahina ao amin’io tantara io, dia alao sary an-tsaina hoe inona no mety ho vokatr’izany tamin’i Davida Mpanjaka. Efa aman-taonany i Absaloma no niezaka naka ny fon’ny vahoaka. (2 Sam. 15:7) Niandry fotoana nety tsara izy, dia avy eo nandefa mpitsikilo nanerana an’ny Israely. Naniraka an-dry zareo izy mba hampirisika ny vahoaka hanaiky azy ho mpanjaka. Na i Ahitofela aza voataonan’i Absaloma hikomy niaraka taminy, nefa i Ahitofela mpanolo-tsaina an’i Davida sady namany be. Nitono-tena ho mpanjaka i Absaloma, dia avy eo niezaka nisambotra sy namono an’i Davida. Tamin’io fotoana io angamba i Davida ilay narary mafy. (Sal. 41:1-9) Fantatr’i Davida anefa ilay tetika dia nandositra niala tao Jerosalema izy. Niady tamin’ny tafik’i Davida ny tafik’i Absaloma tatỳ aoriana, dia resiny. Nisy namono i Absaloma tamin’izay.

10. Inona no mety ho azon’i Davida natao?

10 Mba azonao an-tsaina ve ny zavatra tsapan’i Davida nandritra an’izany rehetra izany? Tiany be i Absaloma, dia i Ahitofela indray natokisany. Samy namadika azy anefa ireo olona ireo. Tena nandratra ny fony ry zareo, ary nitady hamono azy mihitsy. Lasa tsy natokitoky ny namany hafa ve i Davida, dia nieritreritra hoe sao dia mba miray tsikombakomba amin’i Absaloma koa ry zareo? Tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany ve izy dia nitady hitsoaka irery? Sa izy kivy tanteraka? Tsy nanao an’ireo izy. Vitany kosa ny niatrika an’iny olana lehibe iny. Fa ahoana no nahavitany an’izany?

11. Ahoana no nataon’i Davida mba hiatrehana an’ilay olana mafy nahazo azy?

11 3Saintsaino ilay tantara. Inona ny toro lalana azonao ianarana avy amin’izy io? Valio ilay fanontaniana hoe: “Inona no nataon’i Davida mba hamahana ny olana nahazo azy?” Tsy nikoropaka izy na maika hanapa-kevitra ary tsy nanaonao foana. Tsy nangataka andro koa izy. Tsy hoe natahotra be izy dia tsy nahavita na inona na inona. Nivavaka tamin’i Jehovah kosa izy mba hampiany. Nangataka fanampiana tamin’ny namany koa izy, ary nanao zavatra haingana rehefa avy nanapa-kevitra. Na dia naratra aza ny fony, dia tsy hoe lasa tsy natokitoky olona intsony izy, na hoe nankahala ny olona rehetra. Natoky an’i Jehovah foana kosa izy sady mbola natoky ny namany.

12. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Davida?

12 Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Davida? Raha manao fikarohana kely ianao, dia ho hitanao hoe nomeny hery hiaretana an’izay nitranga izy. (Sal. 3:1-8; teny mampiditra azy) Notahin’i Jehovah ny fanapahan-kevitra noraisiny. Tsy vitan’izany fa nampian’i Jehovah izay namana tsy nivadika tamin’i Davida, tamin-dry zareo niady mba hiaro ny mpanjakany.

13. Ahoana no azonao anahafana an’i Davida raha nisy olona nandratra mafy ny fonao? (Matio 18:15-17)

13 4Ampiharo izay nianaranao. Eritrereto hoe: “Ahoana no azoko anahafana an’i Davida?” Mila manao zavatra haingana ianao mba hamahana ny olana mahazo anao. Azonao atao ny manaraka an’ilay torohevitr’i Jesosy ao amin’ny Matio toko faha-​18, na mampihatra ny toro lalana ao amin’izy io, arakaraka ny zava-misy. (Vakio ny Matio 18:15-17.) Tandremo anefa sao entim-po fotsiny dia maimaika hanapa-kevitra. Tokony hivavaka amin’i Jehovah ianao mba hanana fo tony sy hahalala an’izay tokony hatao. Tandremo sao lasa tsy matoky ny mpiara-manompo intsony. Miezaha kosa mba ho vonona hanaiky fanampiana. (Ohab. 17:17) Fa ny tena zava-dehibe dia hoe araho ny torohevitra omen’i Jehovah anao ao amin’ny Teniny.—Ohab. 3:5, 6.

INONA NO AZONAO IANARANA AVY AMIN’I PAOLY?

14. Rahoviana no mety hampahery anao ny 2 Timoty 1:12-16 sy ny 2 Timoty 4:6-11, 17-22?

14 Enjehin’ny fianakavianao ve ianao noho ianao manompo an’i Jehovah? Sa voasakantsakana na voarara mihitsy ny asantsika any amin’ny firenena misy anao? Raha izany, dia mety hampahery anao ny 2 Timoty 1:12-16 sy ny 2 Timoty 4:6-11, 17-22. * Tany am-pigadrana i Paoly tamin’izy nanoratra an’ireo.

15. Inona no azonao angatahina amin’i Jehovah?

15 1Mivavaha. Alohan’ny hamakianao an’ireo andinin-teny ireo, dia resaho amin’i Jehovah ny olana mahazo anao sy ny fihetseham-ponao vokatr’ilay izy. Resaho aminy mazava tsara izany. Angataho i Jehovah avy eo mba hanoro anao hoe inona ny toro lalana ao amin’ny tantaran’i Paoly, ka hanampy anao hahalala an’izay tokony hataonao.

16. Inona no nanjo an’i Paoly?

16 2Makà sary an-tsaina. Eritrereto hoe ianao no eo amin’ny toeran’i Paoly. Voafatotra tany am-ponja tany Roma izy. Efa nigadra ihany izy talohan’io, fa fantany hoe hovonoina ho faty izy amin’ity indray mandeha ity. Nandao azy koa ny namany sasany. Tsy izay ihany fa reraka be mihitsy izy.​—2 Tim. 1:15.

17. Inona no mety ho azon’i Paoly natao?

17 Nifantoka be tamin’ny lasa ve i Paoly? Nieritreritra ve izy hoe: ‘Raha mba nanao safidy hafa aho, dia tsy ho nigadra hoatr’izao’? Tezitra be tamin’ny mpiara-manompo tany amin’ny faritr’i Azia ve izy, satria ry zareo nandao azy? Lasa tsy natoky ny namany hafa ve izy? Tsy nanao an’ireo i Paoly. Mbola natoky ny namany foana izy, sady nanantena hoe hamaly soa azy i Jehovah. Fa maninona?

18. Ahoana no nataon’i Paoly mba hiatrehana ny olana nahazo azy?

18 3Saintsaino ilay tantara. Valio ilay fanontaniana hoe: “Ahoana no nataon’i Paoly mba hamahana ny olana nahazo azy?” Na dia kely sisa aza i Paoly dia hovonoina ho faty, dia tsy hadinony mihitsy hoe inona no tena zava-dehibe. Tadidiny foana hoe ny manome voninahitra an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Mbola nieritreritra an’izay fomba hampaherezana ny hafa foana koa izy. Tsy izay ihany fa niantehitra tamin’i Jehovah izy, ka nivavaka matetika. (2 Tim. 1:3) Tsy ny olona nandao azy no navelany hibahana tao an-tsainy, fa naleony nifantoka tamin’izay tsy nivadika taminy. Nilaza izy hoe nankasitrahany tamin’ny fo manontolo ny fanampian’ireny namana be fitiavana ireny. Nianatra ny Tenin’Andriamanitra foana koa i Paoly. (2 Tim. 3:16, 17; 4:13) Ny tena zava-dehibe, dia hoe natoky tanteraka izy fa tia azy i Jehovah sy Jesosy. Tsy nandao azy mihitsy ry zareo, ary natoky izy fa hamaly soa azy ry zareo noho izy tsy nivadika.

19. Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Paoly?

19 Efa nampitandrina an’i Paoly i Jehovah hoe henjehina izy satria Kristianina, ka mila miaritra. (Asa. 21:11-13) Ahoana no nanampian’i Jehovah an’i Paoly? Namaly ny vavaka nataony izy ka nanome hery azy foana. (2 Tim. 4:17) Niezaka mafy i Paoly mba hahazo ny valisoany, ary natoky izy hoe tena ho azony izany. Nandrisika ny naman’i Paoly koa i Jehovah, mba hahatonga an-dry zareo hanampy azy.

20. Fa maninona i Paoly no afaka niaritra fitsapana, araka ny Romanina 8:38, 39? Ahoana no azonao anahafana azy?

20 4Ampiharo ilay izy. Eritrereto hoe: ‘Ahoana no azoko anahafana an’i Paoly?’ Tokony hampoizintsika hoe henjehina isika satria manompo an’i Jehovah. (Mar. 10:29, 30) Raha te hahavita tsy hivadika isika rehefa misy fitsapana, dia mila miantehitra aminy amin’ny alalan’ny vavaka. Mila mizatra mianatra Baiboly tsy tapaka koa isika. Tsy izay ihany fa tsy maintsy tadidintsika foana hoe ny manome voninahitra an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra. Raha manao an’ireo isika, dia ho afaka hatoky hoatran’i Paoly hoe tsy handao antsika mihitsy i Jehovah, ary tsy hisy ho azon’iza na iza atao mba hisakanana azy tsy ho tia antsika.​—Vakio ny Romanina 8:38, 39; Heb. 13:5, 6.

MIANARA AVY AMIN’NY TANTARA HAFA AO AMIN’NY BAIBOLY

21. Inona no nanampy an’i Aya sy Hector mba hiatrika ny olana nahazo azy?

21 Na inona na inona manjo antsika, dia afaka mahazo hery foana isika rehefa mamaky ny tantaran’ny mpanompon’i Jehovah resahina ao amin’ny Baiboly. Izany no tsapan’i Aya, mpisava lalana any Japon. Nilaza izy hoe nanampy azy tsy hatahotra hitory eny amin’ny toerana be olona ny tantaran’i Jona. I Hector indray mpitory mbola tanora any Indonezia. Tsy manompo an’i Jehovah ny ray aman-dreniny. Nilaza izy fa manampy azy hazoto hianatra momba an’i Jehovah sy hanompo azy ny tantaran’i Rota.

22. Inona no azonao atao mba handraisanao soa betsaka indrindra rehefa mijery video na mamaky an’ilay andian-dahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo”?

22 Ahoana no hahitanao tantaran’olona ao amin’ny Baiboly hampahery anao? Mety hanampy anao amin’izany ny video sy ny raki-peo navoakan’ny fandaminana. Tsara koa ilay andian-dahatsoratra hoe “Tahafo ny Finoan’izy Ireo.” * Nanaovana fikarohana tsara izy ireny ary hanampy anao mba hahazo sary an-tsaina an’izay tantara vakinao. Alohan’ny hijerenao na hihainoanao na hamakianao an’ireo anefa, dia mivavaha aloha amin’i Jehovah. Iangavio izy mba hanoro anao an’izay hevitra azonao ampiharina. Ataovy hoatran’ny hoe ianao mihitsy ilay olona voaresaka ao amin’ilay tantara. Saintsaino hoe inona no nataon’ireny mpanompon’i Jehovah tsy nivadika ireny, ary ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo hiatrika ny olana nahazo azy. Ampiharo izay hevitra hitanao avy eo. Isaory koa i Jehovah noho ny fanampiana nomeny anao hatramin’izay. Asehonao aminy hoe mankasitraka an’izany ianao, raha mitady hirika mba hanampiana sy hampaherezana ny olon-kafa.

23. Inona no ampanantenain’i Jehovah antsika, araka ny Isaia 41:10, 13?

23 Mety tsy ho mora ny hiatrika ny fiainana eto amin’ity tontolo fehezin’i Satana ity. Indraindray aza mety hahatsiaro ho tapi-dalan-kaleha mihitsy isika. (2 Tim. 3:1) Tsy mila miady saina na matahotra anefa isika. Fantatr’i Jehovah mantsy izay manjo antsika. Rehefa mila vonjy isika, dia mampanantena izy hoe hihazona mafy antsika amin’ny tanany mahery. (Vakio ny Isaia 41:10, 13.) Matoky tanteraka isika hoe tena hanampy antsika izy. Afaka mahazo hery avy amin’ny Soratra Masina koa isika, ka hahavita hiatrika ny olana mianjady amintsika, na inona izany na inona.

HIRA 96 Harena Sarobidy Ilay Boky avy Amin’Andriamanitra

^ feh. 5 Misy tantara be dia be ao amin’ny Baiboly manaporofo hoe tian’i Jehovah ny mpanompony ary ampiany izy ireo mba hiatrika ny olana mahazo azy, na inona izany na inona. Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity hoe inona no azonao atao mandritra ny fianaranao samirery mba hahasoa anao kokoa ireny tantara ireny.

^ feh. 2 Misy fomba hafa fianarana Baiboly koa, ankoatra an’ilay atoro ato. Raha mitady fomba hafa ianao, dia jereo ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsindrio ilay foto-kevitra hoe “Baiboly”, dia jereo eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Mamaky sy Mahafantatra Tsara Izay Lazain’ny Baiboly.

^ feh. 14 Aza vakina mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny fiangonana ireo tantara ireo.

^ feh. 22 Jereo ao amin’ny jw.org ilay hoe “Tahafo ny Finoan’ny Lehilahy sy Vehivavy ao Amin’ny Baiboly.” (Midira ao amin’ny FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FINOANA AN’ANDRIAMANITRA.)