LAHATSORATRA FIANARANA 13

Ahoana no Hiarovan’i Jehovah Anao?

Ahoana no Hiarovan’i Jehovah Anao?

“Tsy mivadika amin’ny teniny ... ny Tompo, ka hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ilay ratsy.”​—2 TES. 3:3.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

HO HITANAO ATO *

1. Fa maninona i Jesosy no nangataka tamin’i Jehovah mba hiaro ny mpianany?

NIERITRERITRA momba ny olana hahazo ny mpianany i Jesosy, ny alina talohan’ny hahafatesany. Tena tiany ry zareo, dia izany no nahatonga azy hangataka tamin’ny Rainy ‘mba hiaro azy ireo amin’ilay ratsy.’ (Jaona 17:14, 15) Fantatr’i Jesosy hoe rehefa hiverina any an-danitra izy, dia mbola hiady amin’izay te hanompo an’i Jehovah i Satana Devoly. Tena mila arovana àry ny vahoakan’i Jehovah.

2. Nahoana isika no afaka matoky hoe hamaly ny vavaka ataontsika i Jehovah?

2 Namaly ny vavaka nataon’i Jesosy ve i Jehovah? Ie, satria tena tiany ny Zanany. Ho tia antsika koa i Jehovah raha manao izay rehetra azo atao isika mba hampifaliana azy. Hamaly ny vavaka ataontsika izy amin’izay rehefa mangataka fanampiana sy fiarovana aminy isika. Ray be fitiavana i Jehovah ka hikarakara tsara ny zanany foana. Ho afa-baraka mantsy ny anarany raha tsy izany.

3. Fa maninona isika no mila ny fiarovan’i Jehovah amin’izao?

3 Mila ny fiarovan’i Jehovah mihoatra noho ny hatramin’izay isika. Natsipy avy tany an-danitra mantsy i Satana “sady tezitra mafy.” (Apok. 12:12) Ataony izay hahatonga ny mpanenjika antsika hieritreritra hoe “manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra” ry zareo. (Jaona 16:2) Misy indray tsy mino an’Andriamanitra, dia manenjika antsika satria tsy mitovy amin’ny olona eto amin’ity tontolo ity isika. Tsy matahotra anefa isika na inona na inona antony anenjehan-dry zareo antsika. Fa maninona? Satria milaza ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Tsy mivadika amin’ny teniny ny Tompo, ka hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon’ilay ratsy.’ (2 Tes. 3:3) Andao isika handinika fomba roa iarovan’i Jehovah antsika.

MANOME FIADIANA FIAROVANA I JEHOVAH

4. Inona no nomen’i Jehovah mba hiarovana antsika, araka ny Efesianina 6:13-17?

4 Nomen’i Jehovah fiadiana fiarovana isika. Matanjaka sy mandaitra izy ireo ary afaka miaro antsika amin’ny fanafihan’i Satana. (Vakio ny Efesianina 6:13.) Mila anaovantsika daholo anefa ny tsirairay amin’ireo fiadiana ireo ary tsy esorintsika mihitsy, izay isika vao ho voaro. (Efesianina 6:13-17.) Andao hojerentsika tsirairay izy ireo.

5. Inona ilay fehikibo, ary nahoana isika no tsy maintsy manao azy io?

5 Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra no tiana horesahina amin’ilay hoe fehikibo. (Vakio ny Efesianina 6:14a.) Fa maninona isika no tsy maintsy manao an’io fehikibo io? Amin’izay isika voaro amin’i Satana, ilay “rain’ny lainga.” (Jaona 8:44) Efa an’arivony taona izy no nandainga ary “ny tany rehetra misy mponina” no voafitany. (Apok. 12:9) Miaro antsika amin’izany anefa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Ahoana no hanaovantsika an’io fehikibo io? Mila mianatra ny fahamarinana momba an’i Jehovah isika sady manompo azy “araka ny fanahy sy ny fahamarinana,” ary manao ny marina amin’ny zava-drehetra.​—Jaona 4:24; Efes. 4:25; Heb. 13:18.

Fehikibo: Ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra

6. Inona ilay fiarovan-tratra, ary nahoana isika no tsy maintsy manao azy io?

6 Ny fahitsiana, izany hoe ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy, no tiana horesahina amin’ilay hoe fiarovan-tratra. (Vakio ny Efesianina 6:14b.) Fa maninona isika no tsy maintsy manao azy io? Miaro ny fon’ny miaramila mba tsy ho voatrobaka ny fiarovan-tratra. Miaro ny fontsika an’ohatra koa ilay fiarovan-tratra nomen’i Jehovah, amin’izay isika tsy voatarik’ity tontolo ity hanao ratsy. (Ohab. 4:23) Tian’i Jehovah raha tia sy manompo azy amin’ny fo manontolo isika. (Mat. 22:36, 37) Miezaka mampizarazara ny fontsika àry i Satana ka ataony izay hahatonga antsika ho tia ny zavatra atolotr’ity tontolo ity, nefa halan’i Jehovah ireny. (Jak. 4:4; 1 Jaona 2:15, 16) Raha tsy mahomby izany tetika izany, dia ataony izay hampitahorana antsika amin’izay isika mandika ny fitsipik’i Jehovah.

Fiarovan-tratra: Ny fitsipik’i Jehovah

7. Inona no tokony hataontsika raha te hanao an’ilay fiarovan-tratra isika?

7 Manao an’ilay fiarovan-tratra isika, rehefa manaiky sy manaraka ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy. (Sal. 97:10) Mety hieritreritra ny olona sasany hoe maneritery be ny fitsipik’i Jehovah. Ahoana anefa raha tsy manaraka ny toro lalana ao amin’ny Baiboly intsony isika? Andao hatao hoe mieritreritra ny miaramila iray fa mavesatra loatra ny fiarovan-tratrany, dia esoriny ilay izy nefa izy mbola any an’ady. Mazava ho azy fa hadalana izany! Raha tia an’i Jehovah isika, dia tsy hoheverintsika hoe “mavesatra” ny fitsipiny fa mamonjy aina.​—1 Jaona 5:3.

8. Inona no dikan’ilay hoe “kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsara ny tongotrareo”?

8 Nampirisika antsika koa i Paoly hoe “kiraroy fahavononana hitory ny vaovao tsaran’ny fihavanana ny tongotrareo.” (Vakio ny Efesianina 6:15.) Midika izany fa tokony ho vonona hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana isika. Mihamatanjaka ny finoantsika rehefa miresaka ny hafatra ao amin’ny Baiboly isika. Tena mampahery hoe mitady hirika mba hitoriana ny vahoakan’i Jehovah eran-tany. Manao an’izany, ohatra, ry zareo any am-piasana, any am-pianarana, any amin’ny faritany be toeram-piasana, rehefa mitory isan-trano, rehefa miantsena, rehefa mitsidika fianakaviana, rehefa miresaka amin’ny olom-pantatra, ary na dia rehefa tsy afaka mivoaka ny trano aza. Ahoana anefa raha matahotra isika dia tsy mitory intsony? Azo oharina amin’ny miaramila manala ny kirarony mandritra ny ady izany. Azo antoka hoe ho mora maratra ny tongony. Ho sarotra aminy ny hiaro tena amin’izay, dia tsy ho vitany ny hanaraka ny baikon’ny lehibeny.

Kiraro: Ny fahavononana hitory ny vaovao tsara

9. Fa maninona isika no mila mitondra an’ilay ampinga lehibe?

9 Ny finoantsika an’i Jehovah no tiana horesahina amin’ilay hoe ampinga lehibe. (Vakio ny Efesianina 6:16.) Matoky isika hoe hanatanteraka ny fampanantenany rehetra izy. Hanampy antsika io finoana io mba “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” Tena mila mitondra an’ilay ampinga àry isika, satria manampy antsika izy io mba tsy ho voafitaky ny fampianaran’ny mpivadi-pinoana. Manampy antsika koa izy io mba tsy ho kivy rehefa misy manakiana ny zavatra inoantsika. Ary ahoana raha misy mampirisika antsika handika ny fitsipik’i Jehovah? Tsy hanana hery hanoherana an-dry zareo isika raha tsy manam-pinoana. Miaro antsika kosa ny finoantsika isaky ny mandà tsy hanao zavatra halan’i Jehovah isika, na any am-piasana na any am-pianarana. (1 Pet. 3:15) Hoatr’izany koa isaky ny mandà tsy hanao asa tsara karama kokoa isika, satria manelingelina ny fanompoantsika an’i Jehovah ilay izy. Mitondra an’ilay ampinga isika amin’izay. (Heb. 13:5, 6) Arovan’izy io koa isika isaky ny manompo an’i Jehovah na dia misy manohitra aza.​—1 Tes. 2:2.

Ampinga: Ny finoana an’i Jehovah sy ny fampanantenany

10. Inona ilay fiarovan-dohan’ny famonjena, ary nahoana isika no tsy maintsy manao azy io?

10 Ny fanantenana omen’i Jehovah antsika no atao hoe fiarovan-doha. (Vakio ny Efesianina 6:17a.) Manantena isika hoe hamaly soa an’izay rehetra manao ny sitrapony i Jehovah, ary na sanatria maty aza isika dia hanangana antsika izy. (1 Tes. 5:8; 1 Tim. 4:10; Tit. 1:1, 2) Miaro ny fahaizantsika misaina ny fanantenana famonjena, hoatran’ny fiarovan-doha miaro ny lohan’ny miaramila. Nahoana? Satria manampy antsika izy io mba hifantoka amin’ny fampanantenan’i Jehovah fa tsy amin’ny olana mahazo antsika. Manao an’ilay fiarovan-doha isika rehefa ataontsika mitovy amin’ny an’i Jehovah foana ny fomba fisainantsika. Tsy mametraka ny fanantenantsika amin’ny harena tsy azo antoka, ohatra, isika fa amin’Andriamanitra.​—Sal. 26:2; 104:34; 1 Tim. 6:17.

Fiarovan-doha: Ny fanantenana fiainana mandrakizay

11. Inona ilay sabatry ny fanahy, ary nahoana isika no mila mampiasa azy io?

11 Ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, no atao hoe sabatry ny fanahy. (Vakio ny Efesianina 6:17b.) Mahavita mampiharihary ny lainga rehetra izy io, ka manafaka ny olona amin’ny fampianaran-diso sy ny fahazaran-dratsy. (2 Kor. 10:4, 5; 2 Tim. 3:16, 17; Heb. 4:12) Mianatra mampiasa tsara an’io sabatra io isika, rehefa mianatra samirery sy rehefa ampiofanin’ny fandaminan’Andriamanitra. (2 Tim. 2:15) Ankoatra ny efa voaresaka teo, dia misy fiarovana hafa mandaitra koa omen’i Jehovah antsika. Inona izany?

Sabatra: Ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly

TSY VOATERY HIADY IRERY IANAO

12. Inona koa no ilaintsika, ary nahoana?

12 Fantatry ny miaramila za-draharaha hoe tsy handresy mihitsy izy raha izy irery no miady amin’ny tafika ngezabe. Mila ny fanampian’ny miaramila hafa izy. Hoatr’izany koa isika. Tsy ho vitantsika irery ny hanohitra an’i Satana sy ny mpanohana azy, fa mila ny fanampian’ny mpiara-manompo isika. Nomen’i Jehovah miaramila an-tapitrisany afaka manampy antsika isika, dia “ny rahalahy rehetra ao amin’ny finoana.”​—1 Pet. 2:17.

13. Inona no soa raisintsika avy amin’ny fivoriana, araka ny Hebreo 10:24, 25?

13 Anisan’ny fomba ahazoantsika fanampiana ny fivoriana. (Vakio ny Hebreo 10:24, 25.) Mety ho kivy daholo isika indraindray. Rehefa kivy isika, dia afaka mampahery antsika ny fivoriana. Mampahery, ohatra, ny valin-teny avy amin’ny fo omen’ny mpiara-manompo. Mandrisika antsika hanompo an’i Jehovah foana koa ny lahateny sy ny fampisehoana atao any. Tsy izay ihany fa mampahery antsika ny resadresaka atao aloha sy aorian’ny fivoriana. (1 Tes. 5:14) Faly koa isika rehefa any am-pivoriana satria afaka manampy ny hafa. (Asa. 20:35; Rom. 1:11, 12) Mbola misy soa hafa raisintsika anefa rehefa mivory. Manampy antsika hahay hitory sy hampianatra izany, ka lasa hoatran’ny hoe miaramila za-draharaha isika. Mianatra mampiasa tsara ny Fitaovana Fampianarana, ohatra, isika. Omano tsara àry ny fivoriana, dia mihainoa tsara rehefa any. Ampiharo izay nianaranao tany avy eo. Ho lasa “miaramila tsaran’i Kristy Jesosy ianao” amin’izay.—2 Tim. 2:3.

14. Inona no fanampiana hafa azontsika?

14 Ampian’ny anjely mahery an-tapitrisany koa isika. Eritrereto fotsiny ange ny vitan’ny anjely iray e! (Isaia 37:36) Dia ahoana izany raha anjely be dia be? Azo antoka hoe tena mahery izany tafika izany! Tsy misy olombelona na demonia hahavita handresy ny tafik’i Jehovah. I Jehovah no Mahery Indrindra. Rehefa miaraka amintsika àry izy dia isika foana no mahery kokoa, na firy na firy ny fahavalontsika. (Mpits. 6:16) Tena marina izany! Tadidio hoe be dia be no afaka manampy anao rehefa kivy ianao noho ny ataon’ny mpiara-miasa, na mpiara-mianatra, na havana tsy Vavolombelona, na noho izay lazain-dry zareo. Aza hadinoina hoe tsy miady irery ianao. Manaraka ny tari-dalan’i Jehovah ianao ka azo antoka hoe tsy hanary anao izy.

HIARO ANTSIKA FOANA I JEHOVAH

15. Araka ny Isaia 54:15, 17, nahoana no tsy hisy hahavita hampangina ny vahoakan’i Jehovah mihitsy?

15 Maro be ny antony mahatonga ny tontolon’i Satana hankahala antsika. Tsy midikiditra amin’ny politika mihitsy, ohatra, isika ary tsy mandray anjara amin’ny ady. Mampahafantatra ny anaran’Andriamanitra isika ary mitory hoe ny Fanjakany ihany no hampisy fiadanana. Ankoatra izany, dia mankatò ny fitsipik’i Jehovah momba ny tsara sy ratsy isika. Lazaintsika amin’ny olona koa fa ratsy fanahy sy mpandainga ary mpamono olona i Satana, ilay mpitondra an’ity tontolo ity. (Jaona 8:44) Tsy vitan’izany fa torintsika hoe kely sisa dia horavana ity tontolo ity. Na dia mankahala antsika aza anefa i Satana sy ny mpanohana azy, dia tsy hahavita hampangina antsika mihitsy izy ireo. Mbola hidera an’i Jehovah foana isika, ary hampiasa an’izay fomba rehetra azo anaovana an’izany. Na dia mahery be aza i Satana, dia tsy vitany ny misakana ny olona eran-tany tsy haheno ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Tsy ho vitantsika ny asa fitoriana raha tsy niaro antsika i Jehovah.​—Vakio ny Isaia 54:15, 17.

16. Inona no hataon’i Jehovah ho an’ny vahoakany mandritra ny fahoriana lehibe?

16 Inona no hitranga amin’ny hoavy? Hamonjy antsika i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe. Voalohany, hamonjy ny mpanompony tsy mivadika izy rehefa hampirisika ny mpanjakan’ny tany mba handringana an’i Babylona Lehibe, izany hoe ny fivavahan-diso rehetra. (Apok. 17:16-18; 18:2, 4) Faharoa, hamonjy ny vahoakany izy rehefa hamongotra ny sisa rehetra amin’ny tontolon’i Satana, amin’ny Hara-magedona.​—Apok. 7:9, 10; 16:14, 16.

17. Inona no soa ho azonao raha mifandray akaiky amin’i Jehovah foana ianao?

17 Tsy ho vitan’i Satana ny hisakana antsika tsy hiaina mandrakizay, raha mifandray akaiky amin’i Jehovah foana isika. I Satana, raha ny marina, no ho ringana mandrakizay. (Rom. 16:20) Anaovy foana àry ireo fiadiana fiarovana rehetra, ary aza esorina eny aminao mihitsy! Aza manandrana miady irery koa. Ampio ny rahalahy sy anabavy, dia araho ny tari-dalan’i Jehovah. Raha manao an’ireo ianao, dia matokia fa hampahery sy hiaro anao ilay Rainao be fitiavana any an-danitra.​—Isaia 41:10.

HIRA 149 Hiram-pandresena

^ feh. 5 Mampanantena ny Baiboly hoe hampahery sy hiaro antsika i Jehovah. Fa maninona isika no mila arovana? Ahoana no hiarovan’i Jehovah antsika? Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahatonga azy hanampy antsika? Hamaly an’ireo isika ato amin’ity lahatsoratra ity.