LAHATSORATRA FIANARANA 10

Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!

Andao Hifarimbona Hanampy ny Mpianatra Baiboly mba ho Vita Batisa!

‘Mandray anjara amin’ny fitomboan’ny vatana ny rantsambatana tsirairay.’​—EFES. 4:16.

HIRA 85 Mifandraisa Tsara Ianareo

HO HITANAO ATO *

1-2. Iza no afaka manampy ny mpianatra Baiboly mba handroso ka hatao batisa?

IZAO no nolazain’i Amy, anabavy mipetraka any Fidji: “Tiako be ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Fantatro hoe io no fahamarinana. Rehefa nanomboka nifanerasera tamin’ny mpiara-manompo anefa aho vao nahavita niova sy nandroso ary natao batisa.” Misy zava-dehibe ianarantsika avy amin’io tenin’i Amy io. Mora kokoa amin’ny mpianatra Baiboly ny handroso foana ka hatao batisa, rehefa ampian’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana.

2 Samy afaka manampy ny vaovao mba ho lasa anisan’ny fiangonana ny mpitory tsirairay. (Efes. 4:16) Izao no nolazain’i Leilani, mpisava lalana any Vanuatu: “Misy ohabolana izay manao hoe: ‘Ny iray tanàna no mifarimbona vao mahavita manabe ankizy.’ Hoatr’izany mihitsy rehefa manao mpianatra. Ny fiangonana iray manontolo matetika no mifarimbona manampy olona iray ho tonga ao amin’ny fahamarinana.” Ahoana, ohatra, no mahatonga ny ankizy iray ho lasa matotra? Samy mila manampy azy daholo na ny fianakaviany, na ny naman-dry zareo, na ny mpampianatra azy. Mampahery an’ilay ankizy, ohatra, ry zareo dia mampianatra azy an’izay tena ilainy eo amin’ny fiainana. Afaka manao hoatr’izany koa ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana. Afaka manome torohevitra sy mampahery ary miezaka ho modely ho an’ny mpianatra Baiboly ry zareo. Hanampy azy izany mba handroso ka hatao batisa.​—Ohab. 15:22.

3. Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Ana sy Dorin ary Leilani?

3 Tokony ho faly ny mpampianatra Baiboly, rehefa manampy ny mpianany ny mpitory hafa ao amin’ny fiangonana. Fa maninona? Izao no nolazain’i Ana, mpisava lalana manokana any Moldavia: “Be dia be ny fanampiana ilain’ny mpianatra Baiboly iray rehefa manomboka mandroso izy. Tena sarotra amin’ny mpitory iray ny hanome an’izany rehetra izany.” Mpisava lalana manokana any Moldavia koa i Dorin. Izao no nolazainy: “Hitako hoe matetika no manohina ny fon’ilay mpianatra ny zavatra lazain’ny mpitory hafa. Zavatra tsy noeritreretiko hotenenina mihitsy anefa ilay izy.” Fa maninona koa isika no tokony ho faly rehefa manampy ny olona ampianarintsika ny mpitory hafa? Izao no nolazain’i Leilani: “Rehefa tsapan’ilay mpianatra hoe tia sy miahy azy ny mpiara-manompo, dia lasa resy lahatra izy hoe tena vahoakan’i Jehovah isika.”​—Jaona 13:35.

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Ahoana no azoko anampiana ny mpianatra Baiboly iray mba handroso, na dia tsy izaho aza no mampianatra azy?’ Andao horesahintsika izay azonao atao rehefa misy mpitory manasa anao hampianatra Baiboly hiaraka aminy. Hodinihintsika koa hoe inona no azo atao rehefa manomboka mivory ilay mpianatra, ary ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana ny mpianatra Baiboly mba handroso ka hatao batisa.

REHEFA MISY MANASA ANAO HAMPIANATRA HIARAKA AMINY

Raha misy manasa anao hampianatra Baiboly miaraka aminy, dia omano mialoha ilay fianarana (Fehintsoratra 5-7)

5. Inona no anjaranao raha misy manasa anao hiaraka hampianatra aminy?

5 Ilay mpampianatra Baiboly no tena tokony hanampy ny mpianany mba hahazo an’izay voalazan’ny Tenin’Andriamanitra. Raha misy manasa anao hiaraka hampianatra aminy àry, dia tokony hitadidy ianao hoe ny hanampy an’ilay mpampianatra no anjaranao. (Mpito. 4:9, 10) Inona anefa no azonao atao raha te hanampy azy tsara ianao mandritra an’ilay fampianarana?

6. Ahoana no azonao ampiharana ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 20:18, rehefa misy manasa anao hampianatra hiaraka aminy?

6 Miomàna mialoha. Voalohany, mila mahafantatra kely ny mombamomba an’ilay mpianatra aloha ianao. (Vakio ny Ohabolana 20:18.) Azonao anontaniana, ohatra, ilay mpampianatra hoe: “Inona avy no fantatrao momba azy? Inona ny lesona hodinihintsika? Inona no tanjonao rehefa hampianatra azy ianao amin’io? Misy zavatra tokony hataoko na tsy tokony hataoko ve mandritra an’ilay fianarana? Misy zavatra tokony hoteneniko na tsy tokony hoteneniko koa ve? Inona no azoko atao mba hampirisihana azy handroso?” Mazava ho azy fa tsy hiresaka tsiambaratelo aminao ilay mpampianatra. Mety hilainao ihany anefa ny zavatra holazainy. Niresaka momba an’ireo amin’izay olona hiaraka hampianatra aminy ny anabavy misionera antsoina hoe Joy. Izao no nolazainy: “Rehefa miresaka an’ireo amin’ilay mpitory hiaraka hampianatra amiko aho, dia lasa te hanampy an’ilay mpianatro izy. Lasa hitany koa hoe inona no azony resahina mandritra an’ilay fianarana.”

7. Fa maninona ianao no tokony hanomana an’ilay fianarana, raha asain’olona hampianatra hiaraka aminy?

7 Tsara koa raha omaninao mialoha ilay fianarana. (Ezra 7:10) Izao no nolazain’i Dorin, ilay rahalahy voaresaka tetsy aloha: “Tena faly aho rehefa manomana an’ilay fianarana ny namako. Afaka mandray anjara tsara mantsy izy amin’izay.” Tsy izay ihany fa mety ho hitan’ilay mpianatra hoe samy manomana tsara ianareo, dia ho modely ho azy izany. Na dia tsy afaka manomana be aza ianao, dia makà fotoana mba handinihana ny hevi-dehibe, fara fahakeliny.

8. Inona no azonao atao mba ho voafaritra tsara ny vavaka ataonao?

8 Tena ilaina ny vavaka rehefa mianatra Baiboly. Raha asaina mivavaka àry ianao, dia eritrereto mialoha izay holazainao. Hanohina ny fon’ilay mpianatra amin’izay ny vavaka hataonao. (Sal. 141:2) Tena misy vokany tsara ny vavaka hoatr’izany. Izany no tsapan’i Hanae, anabavy mipetraka any Japon. Mbola tadidiny foana ny vavaka nataon’ilay anabavy nentin’ilay mpampianatra azy tany aminy. Izao no nolazainy: “Tsapako hoe minamana be amin’i Jehovah izy, dia te ho hoatr’izany koa aho. Hitako koa hoe tena tia ahy izy, satria notononiny tao amin’ilay vavaka mihitsy ny anarako.”

9. Araka ny Jakoba 1:19, ahoana no azonao anampiana an’ilay mpitory mitarika an’ilay fampianarana?

9 Ampio ilay mpampianatra. Izao no nolazain’i Omamuyovbi, mpisava lalana manokana any Nizeria: “Tena manampy an’ilay mpampianatra ianao raha manaraka tsara mandritra an’ilay fampianarana. Afaka milaza hevitra mahaliana koa ianao, nefa tsy tokony hiresaka be loatra. Ilay mpampianatra mantsy no tena mitarika an’ilay fampianarana.” Ahoana àry no hahafantaranao hoe aiza ho aiza ianao no afaka miteny ary inona no azonao lazaina? (Ohab. 25:11) Mihainoa tsara rehefa miresaka ilay mpampianatra sy ilay mpianatra. (Vakio ny Jakoba 1:19.) Ho vonona tsara ianao amin’izay rehefa afaka manampy. Mazava ho azy fa tsy maintsy mieritreritra tsara aloha ianao vao miteny. Tsy hibodo resaka, ohatra, ianao na hanapaka ny tenin’ilay mpampianatra rehefa manazava izy. Tsy hampiditra resaka vaovao tsy misy ifandraisany amin’ny hevitra dinihina koa ianao. Afaka milaza hevitra, na fanoharana, na fanontaniana fohy anefa ianao mba hampahazava kokoa an’izay hevitra resahina. Mieritreritra angamba ianao indraindray hoe tsy dia misy hotenenina. Raha midera an’ilay mpianatra anefa ianao sady mampiseho hoe tia azy, dia tena hanampy azy handroso izany.

10. Nahoana no mety hanampy ny mpianatra Baiboly ny tantaranao?

10 Tantarao aminy izay efa niainanao. Raha mety, dia resaho vetivety amin’ilay mpianatra hoe ahoana no nahitanao ny fahamarinana, na ahoana no niatrehanao olana iray, na ahoana no nahitanao hoe tena nanampy anao i Jehovah. (Sal. 78:4, 7) Mety ho izany mihitsy mantsy no ilain’ilay mpianatra. Mety hanatanjaka ny finoany ny tantaranao, na hampirisika azy handroso foana dia hatao batisa. Mety ho hitany amin’izany koa hoe inona no azony atao mba hiatrehana ny olana mahazo azy. (1 Pet. 5:9) Izany no nanampy an’i Gabriel tamin’izy nianatra Baiboly. Mpisava lalana any Brezila izy izao. Hoy izy: “Rehefa nitantara tamiko ny zavatra niainany ny mpiara-manompo, dia nianarako hoe hay tena hitan’i Jehovah ny olana mahazo antsika. Resy lahatra aho fa ho vitako ny hiatrika ny olana mahazo ahy, satria ry zareo aza nahavita niatrika ny azy.”

REHEFA TONGA MIVORY ILAY MPIANATRA

Isika rehetra mihitsy no afaka mampirisika an’ilay mpianatra mba hivory foana (Fehintsoratra 11)

11-12. Fa maninona isika no tokony handray tsara ny mpianatra Baiboly rehefa tonga mivory izy?

11 Tsy maintsy mivory tsy tapaka ny mpianatra Baiboly iray, raha te handroso sy ho vita batisa. Handray soa avy amin’izany izy. (Heb. 10:24, 25) Ilay mpampianatra angamba no nanasa azy rehefa tonga mivory voalohany izy. Afaka mampirisika azy mba hanohy hivory foana anefa isika rehetra. Ahoana no hanaovana an’izany?

12 Raiso tsara izy. (Rom. 15:7) Rehefa tsapan’ilay mpianatra hoe faly isika mandray azy, dia mety hazoto hivory foana izy. Arahabao tsara izy dia ampahafantaro amin’ny olon-kafa, nefa tandremo sao lasa tsy mahazo aina izy. Aza mieritreritra hoe efa misy mikarakara azy. Mety ho tara mantsy ilay mpampianatra azy, na sahirana amin’ny andraikiny ao amin’ny fiangonana. Henoy tsara koa izy dia asehoy hoe miahy azy ianao. Inona no mety ho vokany raha mandray tsara an’ilay mpianatra ianao? Niresaka an’izany i Dmitrii. Taona vitsivitsy lasa izay izy no natao batisa, dia mpanampy amin’ny fanompoana izy izao. Nitantara momba ny fivoriana voalohany natrehiny izy. Izao no nolazainy: “Niandry teo ivelan’ny Efitrano Fanjakana aho tamin’izay, dia nitaintaina be. Nisy rahalahy iray nahita ahy, dia niaraka tamiko niditra tao am-pivoriana. Tsara fanahy be izy! Be dia be koa no tonga niarahaba ahy avy eo. Gaga be aho! Tiako be ilay fivoriana, dia satriko hivory foana isan’andro. Mbola tsy nahita hoatr’izany aho tany an-toeran-kafa.”

13. Inona no mety ho vokany amin’ny mpianatra Baiboly raha miezaka ho modely ianao?

13 Miezaha ho modely. Inona no ho vokany raha hitan’ilay mpianatra Baiboly hoe tena modely ianao? Mety ho resy lahatra izy hoe nahita ny fahamarinana. (Mat. 5:16) Izao no nolazain’i Vitalii, mpisava lalana any Moldavia: “Hitako hoe hoatran’ny ahoana ny fomba fiainan’ny olona tao am-pivoriana, sy ny fomba fisainan-dry zareo, ary ny fitondran-tenan-dry zareo. Lasa niaiky aho hoe tena mpanompon’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah.”

14. Nahoana no mety hanampy ny olona iray handroso foana ny modely omenao?

14 Mila mampihatra an’izay ianarany ny mpianatra Baiboly, izay vao azo atao batisa. Tsy mora foana izany! Rehefa hitan’ilay mpianatra Baiboly anefa hoe mandray soa ianao satria manaraka ny toro lalan’ny Baiboly, dia mety hazoto hanao hoatr’anao izy. (1 Kor. 11:1) Hoatr’izany i Hanae, ilay voaresaka tetsy aloha. Izao no nolazainy: “Tena nampihatra an’izay nianarako ny mpiara-manompo. Hitako tamin’ny nataon-dry zareo hoe inona no azoko atao raha te hampahery sy hamela heloka ary hampiseho fitiavana. Zavatra tsara foana no noresahin-dry zareo momba ny olon-kafa. Lasa te hanao hoatran-dry zareo aho.”

15. Fa maninona ny mpianatra Baiboly no tokony hataontsika namana, araka ny Ohabolana 27:17?

15 Ataovy namana izy. Isaky ny hitanao any am-pivoriana ilay mpianatra, dia asehoy aminy foana fa tena miahy azy ianao. (Fil. 2:4) Maninona raha miresaka aminy? Azonao lazaina aminy, ohatra, hoe faly be ianao mahita ny fiovana ataony. Afaka manontany azy momba ny fianarany Baiboly sy ny fianakaviany ary ny asany koa ianao. Mitandrema anefa sao mametraka fanontaniana mety tsy hampahazo aina azy. Mety hifandray kokoa ianareo rehefa mifampiresaka hoatr’izany. Handroso izy amin’izay ka hatao batisa. (Vakio ny Ohabolana 27:17.) Mpisava lalana maharitra izao i Hanae. Mbola tsaroany tamin’izy vao nanomboka nivory. Izao no nolazainy: “Lasa tsy andriko mihitsy ny nandeha nivory, rehefa nahazo namana tao amin’ny fiangonana aho. Na reraka aza aho dia nandeha ihany. Tiako tsinona ny niaraka tamin’ny namako vaovao. Nanampy ahy koa izany mba tsy hiaraka amin’ny namako taloha intsony, satria ry zareo tsy nanompo an’i Jehovah. Te hifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah sy ny mpiara-manompo aho. Izany no nahatonga ahy hanapa-kevitra hatao batisa.”

16. Inona koa no azonao atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly ho tamana ao amin’ny fiangonana?

16 Inona koa no azonao atao rehefa mandroso ilay mpianatra ka miova? Ataovy tsapany hoe anisan’ny fiangonana izy. Manao an’izany ianao rehefa mampihatra ny Hebreo 13:2 ka miezaka ho ‘tia mandray vahiny.’ Izany, ohatra, no nanampy an’i Denis, rahalahy mipetraka any Moldavia. Izao no nolazainy: “Imbetsaka izahay mivady no nasain’ny mpiara-manompo hiala voly niaraka tamin-dry zareo. Notantarain-dry zareo anay tamin’ireny hoe ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo. Tena nampahery anay izany! Ireny fiarahana ireny no nanampy anay ho tapa-kevitra hanompo an’i Jehovah, sy ho resy lahatra hoe hahafinaritra be ny fiainanay amin’ny hoavy.” Ary inona indray no azonao atao rehefa lasa mpitory ilay mpianatra? Azonao asaina hiaraka hanompo aminao izy. Izao no nolazain’i Diego, rahalahy any Brezila: “Be dia be ny rahalahy nanasa ahy hanompo hiaraka taminy. Tena nanampy ahy mba hahafantatra tsara an-dry zareo izany. Betsaka ny zavatra nianarako rehefa nifankahalala izahay, dia lasa akaiky kokoa an’i Jehovah sy Jesosy aho.”

AHOANA NO AZON’NY ANTI-PANAHY ANAMPIANA?

Ry anti-panahy, raha asehonareo amin’ny mpianatra Baiboly hoe tena miahy azy ianareo, dia hanampy azy handroso izany (Fehintsoratra 17)

17. Inona no azon’ny anti-panahy atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly?

17 Manokàna fotoana ho an’ny mpianatra Baiboly. Ry anti-panahy, mety handroso ny mpianatra Baiboly raha miahy azy ireny ianareo sady mampiseho fitiavana aminy. Maninona, ohatra, raha miresaka matetika aminy rehefa any am-pivoriana? Tsara koa raha mitadidy ny anarany ianareo, indrindra rehefa manomboka manome valin-teny izy. Ho tsapany amin’izay hoe tena miahy azy ianareo. Azonareo amboarina ny fandaharam-potoananareo indraindray, mba ho afaka hiaraka amin’ny mpitory ianareo rehefa mampianatra ry zareo. Tsy hampoizinareo mihitsy ny mety ho vokatr’izany amin’ilay mpianatra. Izao no nolazain’i Jackie, mpisava lalana any Nizeria: “Betsaka amin’ny mpianatra Baiboly no gaga rehefa fantany hoe anti-panahy ilay ranadahy niaraka tamiko tamin’izaho nampianatra azy. Nisy mpianatra iray izay niteny hoe: ‘Tsy ny pasiteranay mihitsy no hanao an’izany! Ny manankarena ihany ny azy no tsidihiny, ary tsy mankany koa izy raha tsy hoe mandoa vola ry zareo.’” Efa mivory izao io mpianatra io.

18. Ahoana no azon’ny anti-panahy anatanterahana ny andraikiny voalaza ao amin’ny Asan’ny Apostoly 20:28?

18 Ampiofano sy ampaherezo ny mpitory. Ry anti-panahy, manana andraikitra lehibe ianareo. Andraikitrareo ny manampy ny mpitory mba hahavita tsara ny fanompoany, anisan’izany ny hoe mampianatra Baiboly. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 20:28.) Ahoana raha menatra ilay mpitory ka tsy sahy mitarika fampianarana Baiboly eo anatrehan’ny anti-panahy? Afaka miteny ilay anti-panahy hoe izy no hitarika. Izao no nolazain’i Jackie, ilay anabavy voaresaka tetsy aloha: “Manontany ahy matetitetika momba ny mpianatro ny anti-panahy. Omen-dry zareo torohevitra tsara koa aho rehefa manana olana mifandray amin’ny fampianarako Baiboly.” Betsaka no azon’ny anti-panahy atao mba hampaherezana an’ireo mampianatra Baiboly, amin’izay ry zareo manohy foana fa tsy kivy. (1 Tes. 5:11) Izao koa no nolazain’i Jackie: “Tiako rehefa mampahery ahy ny anti-panahy sady milaza amiko hoe mankasitraka ny asa mafy ataoko. Mamelombelona ahy izany, hoatran’ny rano mangatsiaka amin’ny andro mafana be. Rehefa mahazo teny fiderana avy amin-dry zareo aho, dia lasa matoky hoe mety ny fomba anampiako ny mpianatro. Vao mainka aho faly mampianatra Baiboly.”​—Ohab. 25:25.

19. Inona no azontsika rehetra atao ka tena hahafaly antsika?

19 Azonao atao àry ny manampy olona handroso ka hatao batisa, na dia tsy manana mpianatra aza ianao. Rehefa misy manasa anao hampianatra miaraka aminy, dia afaka manomana tsara an’izay holazainao ianao mba hanampiana azy. Tandremo anefa sao miteny be loatra. Azo atao koa ny minamana amin’ny mpianatra Baiboly tonga mivory sy miezaka ho modely ho an-dry zareo. Ny anti-panahy koa afaka mampahery ny mpianatra Baiboly rehefa manokana fotoana ho an-dry zareo. Manampy ny mpitory manana mpianatra Baiboly koa anefa izy ireo, rehefa mampiofana sy midera azy ireny. Tsy misy mahafaly noho ny hoe manampy olona ho tia sy hanompo an’i Jehovah Raintsika, na dia kely ihany aza no mba anjarantsika amin’ilay izy.

HIRA 79 Ampianaro Izy Ireo mba Handroso Hatrany

^ feh. 5 Tombontsoa be ny mampianatra Baiboly. Misy amintsika anefa tsy manana mpianatra Baiboly amin’izao. Na izany aza, dia afaka manampy ny olon-kafa mba ho vita batisa daholo isika. Hodinihintsika ato hoe inona no azontsika tsirairay atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly hahatratra an’izany tanjona izany.