LAHATSORATRA FIANARANA 12

Mandresy ny Fankahalana ny Fitiavana

Mandresy ny Fankahalana ny Fitiavana

“Izany zavatra izany no andidiako anareo mba hifankatiavanareo. Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantatrareo fa izaho efa halany talohanareo.”​—JAONA 15:17, 18.

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

HO HITANAO ATO *

1. Araka ny Matio 24:9, nahoana isika no tsy tokony ho gaga hoe mankahala antsika ity tontolo ity?

NOFORONIN’I Jehovah mba hitia sy ho tiana isika. Rehefa misy mankahala antsika àry, dia malahelo be isika ary angamba matahotra mihitsy. Izao, ohatra, no nolazain’i Georgina, * anabavy any Eoropa: “Nankahala ahy ny mamako satria aho nanompo an’i Jehovah. Efatra ambin’ny folo taona aho tamin’izany. Nanirery sy nalahelo be aho sady nieritreritra hoe izaho angamba tena ratsy fanahy.” Hoy koa ny rahalahy atao hoe Danylo: “Nisy fotoana aho nodarohan’ny miaramila sy nompany ary norahonany satria Vavolombelon’i Jehovah. Natahotra be aho tamin’izay sady nahatsiaro ho afa-baraka.” Mijaly isika rehefa ankahalain’ny olona hoatr’izany. Tsy mahagaga antsika anefa ilay izy satria i Jesosy efa niteny hoe izany no hitranga.​—Vakio ny Matio 24:9.

2-3. Fa maninona ny mpanara-dia an’i Jesosy no ankahalain’ny olona?

2 Mankahala antsika mpanara-dia an’i Jesosy ity tontolo ity. Fa maninona? Satria “tsy anisan’izao tontolo izao” isika, hoatran’i Jesosy. (Jaona 15:17-19) Marina fa manaja ny fitondram-panjakana isika, nefa tsy manindrahindra firenena na sainam-pirenena. I Jehovah irery ihany no tompointsika. Manohana ny zony hitondra ny olombelona isika. I Satana sy ny ‘taranany’ no tsy manaiky hoe manana an’izany zo izany i Jehovah. (Gen. 3:1-5, 15) Ampahafantarintsika ny olona hoe ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hahavita hamaha ny olana mahazo ny olombelona, ary hotorotoroin’izy io izay rehetra manohitra azy. (Dan. 2:44; Apok. 19:19-21) Vaovao tsara ho an’ny mpandefitra io hafatra io, fa vaovao ratsy ho an’ny ratsy fanahy.​—Sal. 37:10, 11.

3 Ankahalain’ny olona koa isika satria mankatò ny fitsipik’i Jehovah. Mifanipaka tanteraka amin’ny azy ny fitsipik’ity tontolo ity. Misy fanao tena ratsy, ohatra, tsy mampaninona ny olona maro. Fitondran-tena hoatr’izany anefa no nahatonga an’Andriamanitra handrava an’i Sodoma sy Gomora. (Joda 7) Isika kosa manaraka an’izay lazain’ny Baiboly momba an’ireny, ka betsaka ny olona maneso antsika sy milaza hoe tery saina isika.​—1 Pet. 4:3, 4.

4. Inona no toetra roa ilaintsika rehefa ankahalain’ny olona isika?

4 Inona no hanampy antsika hiaritra rehefa mankahala antsika sy manambany antsika ny olona? Mila matoky tsara isika hoe hanampy antsika i Jehovah. Raha mino an’izany isika, dia ho afaka “hamono ny zana-tsipìka mirehitra rehetra alefan’ilay ratsy.” (Efes. 6:16) Ho hoatran’ny ampinga ny finoantsika amin’izay. Tsy ampy anefa ny finoana. Mila manam-pitiavana koa isika. Fa maninona? Satria ny fitiavana “tsy mora tezitra.” Mandefitra sy miaritra an’izay zavatra rehetra mampalahelo koa izy io. (1 Kor. 13:4-7, 13) Andao hojerentsika izao hoe fa maninona isika no hahavita hiaritra rehefa ankahalaina, raha tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo ary ny fahavalontsika.

FITIAVANA AN’I JEHOVAH

5. Inona no vitan’i Jesosy noho izy tia ny Rainy?

5 Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany tsy nivadika, ny alina talohan’ny hamonoan’ny fahavalony azy: “Tiako ny Ray, dia araka ny nandidian’ny Ray ahy no ataoko.” (Jaona 14:31) Nahavita niaritra ny fitsapana mafy nahazo azy i Jesosy, satria nanome hery azy ny fitiavany an’i Jehovah. Hahavita an’izany koa isika raha tia an’i Jehovah.

6. Araka ny Romanina 5:3-5, inona no tsapan’ny mpanompon’i Jehovah rehefa ankahalain’ity tontolo ity?

6 Tia an’i Jehovah ny mpanompony, ary izany fitiavana izany foana no manampy an-dry zareo hahavita hiaritra fanenjehana. Izany, ohatra, no nitranga rehefa nandidy ny apostoly mba tsy hitory intsony ny Fitsarana Avo Jiosy. Na dia nanana fahefana be aza io fitsarana io, dia nahavita ‘nankatò an’Andriamanitra’ ny apostoly fa tsy nankatò olona. (Asa. 5:29; 1 Jaona 5:3) Fa maninona? Satria ry zareo tia an’Andriamanitra. Tena tia an’Andriamanitra koa ny mpiara-manompo amin’izao. Manome hery an-dry zareo izany ka mahavita tsy mivadika ry zareo, na dia misy fitondrana matanjaka sy ratsy fanahy be aza manenjika an-dry zareo. Tsy kivy isika fa vao mainka faly rehefa mankahala antsika ity tontolo ity.​—Asa. 5:41; vakio ny Romanina 5:3-5.

7. Ahoana no tokony hataontsika rehefa manohitra antsika ny fianakaviantsika?

7 Anisan’ny mafy indrindra amintsika angamba ny hoe fianakaviantsika ihany no manenjika antsika. Rehefa manomboka liana amin’ny fahamarinana isika, dia mety hisy hieritreritra ry zareo hoe voafitaka isika. Ny hafa indray mety hihevitra fa lasa adala isika. (Ampitahao amin’ny Marka 3:21.) Misy aza mety hanohitra mafy antsika mihitsy. Tsy tokony hahagaga antsika ireo. Nilaza mantsy i Jesosy hoe: “Ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.” (Mat. 10:36) Na izany aza, dia tsy ataontsika hoatran’ny fahavalo mihitsy ny fianakaviantsika, na ahoana na ahoana fiheveran-dry zareo antsika. Vao mainka aza isika tia olona rehefa mitombo ny fitiavantsika an’i Jehovah. (Mat. 22:37-39) Tsy hampandefitra ny toro lalana sy ny lalàna ao amin’ny Baiboly mihitsy anefa isika, satria fotsiny hoe te hampifaly olona.

Marina fa mety hijaly isika indraindray, nefa ho eo akaiky eo foana i Jehovah mba hampionona sy hampahery antsika (Fehintsoratra 8-10)

8-9. Inona no nanampy ny anabavy iray tsy hivadika na dia nisy nanohitra mafy aza?

8 Nahavita tsy nivadika i Georgina, ilay voaresaka tetsy aloha, na dia nanohitra be aza ny mamany. Izao no nolazainy: “Samy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izahay sy mamanay tamin’ny voalohany. Rehefa te hivory anefa aho, enim-bolana tatỳ aoriana, dia niova be mihitsy izy. Hay izy nifanerasera tamin’ny mpivadi-pinoana, dia ny hevitry ry zareo no nampiasainy rehefa niresaka tamiko. Nohambanimbaniany aho dia nosintoniny ny voloko. Nokendainy koa aho sady nariany ny boky sy gazetiko. Natao batisa aho tamin’izaho 15 taona. Nalefan’ny mamanay tany amin’ny trano fitaizana zaza maditra aho, satria tsy tiany hanompo an’i Jehovah intsony. Ny ankizy sasany tao anefa nifoka rongony sady nanao heloka bevava. Tena mafy rehefa ny olona tokony ho tia anao sy hikarakara anao indray no manenjika anao!”

9 Inona no nanampy an’i Georgina hiaritra an’izany? Izao no nolazainy: “Vao avy namaky ny Baiboly iray manontolo mihitsy aho, tamin’ny mamanay nanomboka nanohitra ahy. Resy lahatra tanteraka aho tamin’izany hoe tena nahita ny fahamarinana, dia tsapako hoe akaiky be an’i Jehovah aho. Nivavaka taminy matetika aho, dia nihaino ahy izy. Tamin’izaho nipetraka tany amin’ilay trano fitaizana zaza maditra, dia nisy rahavavy izay nanasa ahy hankany an-tranony. Niaraka nianatra Baiboly izahay tany. Nampahery ahy koa ny ranadahy sy ny rahavavy. Noraisin-dry zareo hoatran’ny fianakaviany aho. Hitako tamin’iny hoe mahery noho ny mpanohitra antsika i Jehovah, na iza io na iza.”

10. Inona no atokisantsika hoe hataon’i Jehovah Andriamanitsika?

10 Nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Tsy hisy hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’Andriamanitra, izay aseho amin’ny alalan’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Rom. 8:38, 39) Marina fa mety hisy fotoana isika hijaly, nefa ho eo akaikintsika eo foana i Jehovah mba hampionona sy hampahery antsika. Mampiasa an’ireo rahalahy sy anabavy malalantsika koa izy mba hanampiana antsika, araka ny hitantsika tamin’ny tantaran’i Georgina.

FITIAVANA NY MPIARA-MANOMPO

11. Nahoana ny mpanara-dia an’i Jesosy no mila mampiseho an’ilay fitiavana noresahiny ao amin’ny Jaona 15:12, 13? Manomeza ohatra.

11 Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nampahatsiahy ny mpianany i Jesosy hoe tokony hifankatia ry zareo. (Vakio ny Jaona 15:12, 13.) Fantany hoe hiray saina foana ry zareo ary hahavita hiaritra ny fankahalan’ity tontolo ity, raha mifankatia sy vonona hahafoy tena ho an’ny hafa. Manaporofo an’izany izay nitranga tamin’ny fiangonana tany Tesalonika. Vao niforona ilay fiangonana dia efa nisy nanenjika. Tsy nivadika mihitsy anefa ry zareo ary nifankatia foana, ka tena modely ho antsika. (1 Tes. 1:3, 6, 7) Nampirisika an-dry zareo i Paoly hoe tokony hifaneho fitiavana foana ry zareo, ary hanao an’izany “bebe kokoa” mihitsy aza. (1 Tes. 4:9, 10) Hampahery ny kivy sy hanohana an’izay mila ampiana ry zareo raha manam-pitiavana. (1 Tes. 5:14) Nanaraka ny torohevitr’i Paoly ireo rahalahy sy anabavy ireo. Izao mantsy no nosoratan’i Paoly ho an-dry zareo tao amin’ny taratasiny faharoa, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana: “Mihalehibe ny fifankatiavanareo rehetra.” (2 Tes. 1:3-5) Nahavita niaritra zava-tsarotra sy fanenjehana ireo Kristianina ireo satria nifankatia.

Mahavita miaritra ny fankahalan’ny olona isika rehefa mifankatia (Fehintsoratra 12) *

12. Ahoana no nataon’ny rahalahy sy anabavy tany amin’ny firenena iray mba hampisehoana hoe mifankatia ry zareo?

12 Diniho ny nanjo an’i Danylo, ilay voaresaka tetsy aloha. Nisy ady tao amin’ny firenen-dry zareo ary tonga tany amin’ny tanànany ilay izy. Nivory foana anefa izy sy ny vadiny sady niezaka be mba hitory. Nizara an’izay sakafo nananany tamin’ny rahalahy sy anabavy koa ry zareo. Nisy polisy nitondra basy tonga tao amin-dry zareo indray mandeha. Izao no nolazain’i Danylo: “Nandidy ahy mba hiala tamin’ny fivavahako ireo polisy ireo. Tsy nanaiky anefa aho dia nodarohany. Mody nitifitra ahy koa ry zareo, dia nataony nandalo teo ambony lohako ilay bala. Rehefa handeha ry zareo, dia nampitahoriny aho hoe mbola hiverina izy ary hanolana ny vadiko. Tonga àry izahay dia nalefan’ny mpiara-manompo tamin’ny lamasinina nankany amin’ny tanàna hafa. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fitiavan’ireny rahalahy sy anabavy malala ireny. Rehefa tonga tany amin’ilay tanàna izahay, dia nisy mpiara-manompo nanome sakafo anay sady nanampy anay hahita asa sy trano. Izahay indray aza tatỳ aoriana no lasa afaka nampiantrano an’izay Vavolombelon’i Jehovah hafa nandositra an’ilay faritra nisy ady.” Hitantsika amin’ny zava-mitranga hoatr’ireny hoe tena mahavita miaritra ny fankahalan’ny olona isika rehefa mifankatia.

FITIAVANA NY FAHAVALO

13. Rehefa ampian’ny fanahy masina isika, dia hahavita hanompo an’i Jehovah foana na dia ankahalain’ny olona aza. Nahoana?

13 Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe tokony ho tia ny fahavalony ry zareo. (Mat. 5:44, 45) Tsy mora ny manao an’izany nefa ho vitantsika rehefa ampian’ny fanahy masin’Andriamanitra isika. Anisan’ny vokatr’io fanahy io ny fitiavana, ny fahari-po, hatsaram-panahy, fahalemem-panahy, ary ny fifehezan-tena. (Gal. 5:22, 23) Manampy antsika hiaritra ireo toetra ireo, rehefa misy olona mankahala antsika. Betsaka ny olona lasa tsy nanohitra antsika intsony, satria nanana an’ireo toetra tsara ireo ny vadiny, ny zanany, na ny mpiara-monina taminy. Maro amin’izy ireny aza no lasa rahalahy sy anabavintsika. Inona àry no azonao atao raha misy olona mankahala anao satria ianao manompo an’i Jehovah, dia sarotra aminao ny hitia an-dry zareo? Mivavaha mba hahazo fanahy masina. (Lioka 11:13) Matokia koa hoe ny mankatò an’Andriamanitra foana no tsara indrindra.​—Ohab. 3:5-7.

14-15. Nahoana ny Romanina 12:17-21 no nanampy an’i Yasmeen mba hampiseho fitiavana tamin’ny vadiny, na dia nanohitra aza izy?

14 Diniho ny nitranga tamin’ny anabavy antsoina hoe Yasmeen. Nihevitra ny vadiny hoe voafitaka i Yasmeen rehefa lasa Vavolombelon’i Jehovah. Niezaka nisakana azy tsy hanompo an’Andriamanitra àry izy. Nanambanimbany azy koa izy. Tsy izay ihany fa nampirisika ny havan-dry zareo sy ny mpitondra fivavahana ary mpimasy iray izy, mba handrahona an’i Yasmeen sy hanendrikendrika azy hoe mandrava tokantrano. Tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana mihitsy aza ny vadiny indray mandeha, dia nanompa ny rahalahy sy anabavy nandritra ny fivoriana. Nitomany matetika i Yasmeen satria nampijalin’ny vadiny.

15 Nampionona sy nampahery an’i Yasmeen ny rahalahy sy anabavy, rehefa tonga tany amin’ny Efitrano Fanjakana izy. Ny anti-panahy indray nampirisika azy hampihatra ny Romanina 12:17-21. (Vakio.) Izao no nolazainy: “Sarotra aloha ilay izy e! Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah anefa aho, dia niezaka be mba hampihatra an’izay lazain’ny Baiboly. Rehefa nanao fanahy iniana nandraraka tany tao an-dakozia, ohatra, ny vadiko dia nodioviko ilay izy. Nalemy fanahy taminy aho rehefa nanambany ahy izy. Rehefa narary koa izy dia nokarakaraiko.”

Mety hiova ny mpanohitra raha mampiseho fitiavana aminy isika (Fehintsoratra 16-17) *

16-17. Inona no ianaranao avy amin’ny nataon’i Yasmeen?

16 Nisy vokany tsara ve rehefa nampiseho fitiavana tamin’ny vadiny i Yasmeen? Izany mihitsy! Izao no nolazainy: “Lasa natoky ahy kokoa ny vadiko satria fantany hoe milaza ny marina foana aho. Nanomboka nihaino tsara ahy koa izy rehefa niresaka momba ny fivavahana izahay, dia nanaiky hihavana tamiko izy. Izy indray aza izao no mampirisika ahy handeha hivory. Nihatsara be ny fifandraisanay mivady! Milamina tsara izao izahay ao an-trano. Enga anie mba hanaiky ny fahamarinana izy any aoriana any, dia hiaraka hanompo an’i Jehovah izahay.”

17 Hitantsika avy amin’ny nataon’i Yasmeen hoe “mandefitra ny zava-drehetra” ny fitiavana, sady “manantena ny zava-drehetra” ary “miaritra ny zava-drehetra.” (1 Kor. 13:4, 7) Marina fa mety hisy vokany ratsy be ny fankahalana sady mandratra fo. Mbola mahery lavitra noho izany anefa ny fitiavana. Mety hanohina ny fon’ny olona izy io, dia hampiova azy sady hampifaly ny fon’i Jehovah. Ary na dia tsy miova aza ny mpanohitra fa mbola mankahala antsika, dia afaka ny ho sambatra foana isika. Nahoana?

SAMBATRA ISIKA REHEFA ENJEHINA

18. Nahoana isika no sambatra rehefa ankahalaina?

18 Nilaza i Jesosy hoe: “Sambatra ianareo raha halan’ny olona.” (Lioka 6:22) Tsy safidintsika ny hoe ankahalaina. Tsy hoe te hampijalina noho ny finoantsika akory isika. Fa maninona àry no hoe sambatra isika rehefa ankahalaina? Ireto misy antony telo mahatonga an’izany: Voalohany, ankasitrahan’Andriamanitra isika rehefa miaritra. (1 Pet. 4:13, 14) Faharoa, lasa matanjaka kokoa sy sarobidy kokoa ny finoantsika. (1 Pet. 1:7) Ary fahatelo, hahazo valisoa faran’izay tsara isika satria hiaina mandrakizay.​—Rom. 2:6, 7.

19. Fa maninona ny apostoly no faly rehefa avy nokaravasina?

19 Nahatsapa an’ilay fahasambarana noresahin’i Jesosy ny apostoly, tsy ela taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. Faly ry zareo rehefa avy nokaravasina sy tsy navela hitory intsony. Fa maninona? Satria “natao mendrika ny ho afa-baraka” noho ny anaran’i Jesosy ry zareo. (Asa. 5:40-42) Marina hoe natahotra ry zareo satria nankahalain’ny fahavalony, nefa mbola nahery noho izany tahotra izany ny fitiavany an’i Jesosy Tompony. Ahoana no nampisehoan-dry zareo an’izany fitiavana izany? “Tsy nitsahatra” nitory ny vaovao tsara mihitsy ry zareo. Betsaka koa ny mpiara-manompo amintsika amin’izao no miatrika olana, nefa mbola tsy mivadika amin’i Jehovah foana. Fantany hoe tsy hanadino an’izay ataony i Jehovah, sady tsy hanadino ny fitiavana asehony ho an’ny anarany.​—Heb. 6:10.

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Tsy maintsy hisy hankahala foana isika, raha mbola tsy ringana ity tontolo ity. (Jaona 15:19) Tsy mila matahotra anefa isika. “Hampahery sy hiaro” an’izay tsy mivadika aminy mantsy i Jehovah, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. (2 Tes. 3:3) Andao àry isika ho tia an’i Jehovah foana, dia ho tia an’ireo rahalahy sy anabavy, ary hotiavintsika na dia ny fahavalontsika aza. Hiray saina foana isika raha manaraka an’io torohevitra io, sady hanana finoana matanjaka. Hanome voninahitra an’i Jehovah koa isika, ary hanaporofo fa mahery lavitra noho ny fankahalana ny fitiavana.

HIRA 106 Toetra Tena Ilaina ny Fitiavana

^ feh. 5 Ho hitantsika ato hoe raha manam-pitiavana isika, dia hahavita hanompo an’i Jehovah foana na dia halan’ity tontolo ity aza. Hahavita an’izany isika raha tia an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo ary na dia ny fahavalontsika aza. Hianarantsika koa hoe fa maninona i Jesosy no nilaza fa sambatra isika rehefa ankahalaina.

^ feh. 1 Novana ireo anarana.

^ feh. 58 SARY: Nampian’ny mpiara-manompo i Danylo sy ny vadiny mba hifindra toerana, rehefa norahonan’ny miaramila. Nandray tsara azy ireo ny rahalahy sy anabavy tany amin’ilay toerana nifindrany.

^ feh. 60 SARY: Nomen’ny anti-panahy torohevitra tsara i Yasmeen satria nanohitra azy ny vadiny. Niezaka ho vady tsara foana anefa i Yasmeen ary nokarakarainy ny vadiny rehefa narary.