LAHATSORATRA FIANARANA 9

Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?

Ry Rahalahy Tanora, Inona no Hanampy Anareo ho Mendri-pitokisana?

‘Mahazo antokona tanora, izay toy ny ando ateraky ny maraina, ianao.’​—SAL. 110:3.

HIRA 39 Miezaha ho Tsara Laza eo Imason’i Jehovah

HO HITANAO ATO *

1. Nahoana no tena ilaina ny rahalahy tanora?

RY RAHALAHY tanora, be dia be no azonareo atao mba hanampiana ny fiangonana. Betsaka, ohatra, ny tanora matanjaka tsara. (Ohab. 20:29) Tena mahasoa ny rahalahy sy anabavy ny ataonareo. Tsy andrinareo angamba ny ho voatendry ho mpanampy amin’ny fanompoana. Mety hieritreritra izao ianareo hoe heverin’ny olona ho tanora loatra na tsy dia nahita fiainana, dia tsy azo anankinana andraikitra lehibe. Na tanora aza anefa ianareo, dia misy zavatra sasany azonareo atao dieny izao mba hahatonga ny olona ao amin’ny fiangonana hatoky sy hanaja anareo.

2. Inona no hodinihintsika ato?

2 Hiresaka momba ny fiainan’i Davida Mpanjaka isika ato. Handinika zavatra sasany nitranga teo amin’ny fiainan’i Asa sy Josafata koa isika. Mpanjakan’ny Joda ry zareo. Hodinihintsika hoe inona ny olana natrehin’izy telo lahy ireo, ahoana no nataony, ary inona no azon’ny rahalahy tanora ianarana avy amin-dry zareo.

MIANARA AVY AMIN’I DAVIDA MPANJAKA

3. Inona, ohatra, no azon’ny tanora anampiana ny be taona?

3 Nisy zavatra nianaran’i Davida tamin’izy mbola tanora, ary nilain’ny olona izany fahaizany izany. Azo antoka aloha fa ninamana be tamin’i Jehovah i Davida. Niezaka be koa izy dia lasa nahay mozika ary nampiasainy izany mba hahasoa an’i Saoly, ilay mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. (1 Sam. 16:16, 23) Ary ianao? Efa noeritreretinao ve hoe: ‘Inona no fahaizana ananako ka azoko ampiasaina mba hanampiana ny fiangonana?’ Maro aminareo no manana fahaizana hoatr’izany. Ianareo, ohatra, tena mahay mampiasa fitaovana elektronika ary mahasoa ny be taona izany fahaizanareo izany. Maninona àry raha ampiana ry zareo? Tsikaritrareo angamba hoe faly erỳ ry zareo rehefa atoro ny fomba fampiasana ny tablette-ny na fitaovana elektronika hafa. Amin’izay mantsy ry zareo afaka mampiasa an’ireny fitaovana ireny, rehefa mianatra samirery sy rehefa mivory.

Nahay nandray andraikitra sy azo nitokisana i Davida, tamin’izy nikarakara ny andian’ondrin’ny dadany. Niaro azy ireny mihitsy izy rehefa nisy orsa nanafika an-dry zareo (Fehintsoratra 4)

4. Inona ny toetra tsara nananan’i Davida ka tsy maintsy iezahan’ny rahalahy tanora hananana koa? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

4 Tena azo nitokisana sy nandray andraikitra i Davida, ary hita teo amin’ny fiainany andavanandro izany. Niasa mafy, ohatra, izy tamin’izy tanora mba hikarakarana ny ondrin’ny dadany. Nampidi-doza anefa izany. Izao no nohazavain’i Davida tamin’i Saoly Mpanjaka tatỳ aoriana: “Ny mpanomponao dia lasa mpiandry ny ondry aman’osin-drainy. Ary nisy liona sy orsa tonga ka samy naka ondry tamin’ny andiany. Dia lasa nanenjika azy aho ka namely azy ary namonjy an’ilay teny am-bavany.” (1 Sam. 17:34, 35) Fantatr’i Davida hoe tsy maintsy nikarakara tsara ny andian’ondry izy. Sahy niady tamin’ny bibidia mihitsy izy mba hiarovana an-dry zareo. Manahaka an’i Davida ny rahalahy tanora, raha mamita tsara an’izay asa asaina ataony.

5. Araka ny Salamo 25:14, inona ny zava-dehibe indrindra azon’ny rahalahy tanora atao?

5 Mbola tanora i Davida dia efa ninamana be tamin’i Jehovah. Marina hoe be herim-po izy sady tena nahay nitendry harpa. Mbola zava-dehibe kokoa noho ireo fahaizany ireo anefa ny fifandraisany tamin’i Jehovah. Tsy hoe Andriamaniny fotsiny i Jehovah fa Namany koa, ary Namany akaiky mihitsy. (Vakio ny Salamo 25:14.) Inona àry ny zava-dehibe indrindra azon’ny rahalahy tanora atao? Miezaha hifandray akaiky kokoa amin’ilay Rainao any an-danitra. Raha manao an’izany ianao, dia mety hanankinana andraikitra bebe kokoa.

6. Ahoana no niheveran’ny olona sasany an’i Davida?

6 Inona ny olana natrehin’i Davida? Nieritreritra ny olona sasany hoe mbola tanora loatra izy ary tsy azo nitokisana. Nanandrana nisakana azy, ohatra, i Saoly Mpanjaka tamin’izy nanolo-tena hiady tamin’i Goliata. Nilaza taminy i Saoly hoe: “Mbola zaza ianao.” (1 Sam. 17:31-33) Efa nanendrikendrika azy koa ny rahalahiny talohan’izay hoe tsy azo itokisana izy. (1 Sam. 17:26-30) Fa ahoana kosa no fiheveran’i Jehovah an’i Davida? Tsy nieritreritra i Jehovah hoe tsy matotra izy na tsy azo itokisana. Fantany tsara i Davida. Nahavita nandresy an’i Goliata i Davida, satria niantehitra tamin’ilay Namany mba hahazoana hery.​—1 Sam. 17:45, 48-51.

7. Inona no azonao ianarana avy amin’ny tantaran’i Davida?

7 Inona no azonao ianarana avy amin’i Davida? Mila manam-paharetana ianao. Efa nahafantatra anao hatramin’ny mbola kely angamba ny olona sasany, dia mila fotoana ry zareo vao ho resy lahatra hoe efa olon-dehibe ianao izao. Matokia anefa hoe tsy hoatr’izany no fahitan’i Jehovah anao. Fantany tsara ianao, dia fantany koa hoe inona no mety ho vitanao. (1 Sam. 16:7) Miezaha koa hinamana kokoa amin’i Jehovah. Nanao an’izany i Davida rehefa nandinika akaiky ny zavatra noforonin’i Jehovah. Nieritreritra izy hoe hoatran’ny ahoana ilay Mpamorona rehefa dinihina ireny. (Sal. 8:3, 4; 139:14; Rom. 1:20) Misy zavatra hafa koa azonao atao. Mangataha hery amin’i Jehovah. Ihomehezan’ny ankizy ve ianao any am-pianarana satria Vavolombelon’i Jehovah? Raha izany no mahazo anao, dia mivavaha amin’i Jehovah mba hahavita hiatrika an’ilay olana. Ampiharo koa ny torohevitra ao amin’ny Teniny sy ao amin’ireo boky sy gazety ary ao amin’ireo video navoakantsika. Vao mainka ianao hatoky an’i Jehovah isaky ny mahita hoe ampiany hiatrika olana. Tsy vitan’izany fa rehefa hitan’ny hafa hoe miantehitra amin’i Jehovah ianao, dia hatoky anao ry zareo.

Be dia be ny fomba azon’ny rahalahy tanora anampiana ny hafa raha manetry tena izy (Fehintsoratra 8-9)

8-9. Fa maninona i Davida no nahavita niandry ela be? Inona no azon’ny rahalahy tanora ianarana avy amin’izany?

8 Nisy olana hafa koa nahazo an’i Davida. Rehefa avy nohosorana ho mpanjaka izy, dia mbola nila niandry aman-taonany vao nanomboka nanjaka tao Joda. (1 Sam. 16:13; 2 Sam. 2:3, 4) Inona no nanampy azy hiandry? Nifantoka tamin’izay azony natao izy, fa tsy tamin’ny zavatra nahakivy azy. Nanararaotra niady tamin’ny fahavalon’ny Israely, ohatra, izy rehefa nandositra tany amin’ny tanin’ny Filistinina. Niaro ny sisin-tanin’i Joda izy rehefa nanao an’izany.​—1 Sam. 27:1-12.

9 Inona no azon’ny rahalahy tanora ianarana avy amin’i Davida? Hararaoty izay azonao atao mba hanompoana an’i Jehovah sy hanampiana ny mpiara-manompo. Izany no nataon’ny rahalahy antsoina hoe Ricardo. * Vao folo taona teo ho eo izy dia efa te ho mpisava lalana maharitra. Nilaza anefa ny anti-panahy hoe mbola tsy vonona izy. Tezitra ve i Ricardo na nieritreritra hoe tsy hanao mpisava lalana intsony? Vao mainka aza izy nazoto nanompo! Hoy izy: “Hitako hoe nety be tamiko ilay niezaka nandroso kokoa aloha. Niezaka nitsidika an’izay olona rehetra liana aho, dia nanomana tsara isaky ny hitsidika an-dry zareo. Lasa nanana mpianatra Baiboly mihitsy aza aho, ary izay aho vao nanana an’izany. Tsy natahotra nitory intsony aho rehefa zatra.” Mpisava lalana maharitra i Ricardo izao ary mahita vokatra tsara. Mpanampy amin’ny fanompoana koa izy.

10. Inona no nataon’i Davida indray mandeha, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra lehibe?

10 Andao isika handinika tantara hafa teo amin’ny fiainan’i Davida. Tamin’izy sy ny namany nandositra an’i Saoly ilay izy no nitranga. Niafina tany amin’ny tanin’ny Filistinina ry zareo tamin’izay. Nisy fotoana ry zareo tsy maintsy niady, dia tsy niaraka tamin-dry zareo ny fianakaviany fa nijanona tany an-trano. Tamin’izay mihitsy anefa no nisy fahavalo nanafika, dia nalainy ho babo ny fianakavian-dry Davida sy ny namany. Ahoana no nataon’i Davida tamin’izay? Nieritreritra ve izy hoe efa zatra ady, dia tsy ho sarotra aminy mihitsy ny hitady hevitra mba hanavotana ny fianakavian-dry zareo? Tsy nieritreritra an’izany izy. Naleony kosa nanontany an’i Jehovah hoe ahoana no hatao. Nampian’ny mpisorona iray antsoina hoe Abiatara izy tamin’izay, dia izao no nanontaniany: “Hanenjika an’ireo mpandroba ve aho?” Nilaza taminy i Jehovah hoe tokony hanenjika an-dry zareo izy, sady nomeny toky hoe tena handresy. (1 Sam. 30:7-10) Inona no ianarantsika avy amin’izany?

Tokony hangataka torohevitra amin’ny anti-panahy ny rahalahy tanora (Fehintsoratra 11)

11. Inona no azonao atao alohan’ny hanapahana hevitra?

11 Makà hevitra avy amin’ny olon-kafa alohan’ny hanapahana hevitra. Anontanio, ohatra, ny ray aman-dreninao. Hahazo soso-kevitra tsara koa ianao raha miresaka amin’ny anti-panahy efa za-draharaha. Matoky an’ireny rahalahy voatendry ireny mantsy i Jehovah, dia afaka matoky an-dry zareo koa ianao. “Fanomezana” nataon’i Jehovah ho an’ny fiangonana izy ireny. (Efes. 4:8) Hahay hanapa-kevitra ianao, raha manahaka ny finoan-dry zareo sy manaraka ny torohevitra tsara omeny. Andao indray isika izao hiresaka momba an’i Asa Mpanjaka. Inona no azontsika ianarana avy aminy?

MIANARA AVY AMIN’I ASA MPANJAKA

12. Inona no toetra tsara nananan’i Asa tamin’izy nanomboka nanjaka?

12 Nanetry tena sy be herim-po i Asa Mpanjaka tamin’izy tanora. Abia no anaran’ny dadany. Fantatrao ve hoe inona no nataon’i Asa rehefa lasa mpanjaka izy taorian’ny nahafatesan’ny dadany? Nesoriny daholo ny sampy tao amin’ny faritanin-dry zareo. “Nandidy ny Joda koa izy mba hitady an’i Jehovah Andriamanitry ny razany, sy hankatò ny lalàna sy ny didy.” (2 Tan. 14:1-7) Hendry koa i Asa satria nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy rehefa nanafika an’ny Joda i Zera Etiopianina sy ny miaramilany iray tapitrisa. Izao no nolazain’i Asa: “Jehovah ô, tsy sarotra aminao ny manampy ny olona, na maro izy, na tsy manan-kery. Koa ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa ianao no ianteheranay.” Tena mampihetsi-po ireo tenin’i Asa ireo! Hita amin’ireo fa tena natoky izy hoe hahavita hamonjy azy sy ny vahoakany i Jehovah. Natoky an’ilay Rainy any an-danitra i Asa, dia ‘nataon’i Jehovah resy ny Etiopianina.’​—2 Tan. 14:8-12.

13. Inona no nanjo an’i Asa tatỳ aoriana? Nahoana?

13 Mampahatahotra be izany hoe hiady amin’ny miaramila iray tapitrisa izany, nefa vitan’i Asa satria niantehitra tamin’i Jehovah izy. Mampalahelo fa tsy naka hevitra tamin’i Jehovah izy tatỳ aoriana rehefa niatrika olana hafa. Azo lazaina hoe kely kokoa anefa ilay olana tamin’izay. Nandrahona hanafika an-dry zareo i Basa, ilay mpanjaka ratsy fanahy tao Israely, dia tany amin’ny mpanjakan’i Syria i Asa no nangataka fanampiana. Loza no vokany! Lasa niatrika ady foana i Asa nanomboka tamin’izay. Naniraka an’i Hanany mpaminany i Jehovah mba hanazava taminy hoe ‘noho izy niantehitra tamin’ny mpanjakan’i Syria, fa tsy tamin’i Jehovah Andriamaniny’ no nahatonga an’izany. (2 Tan. 16:7, 9; 1 Mpanj. 15:32) Inona no azo ianarana avy amin’izany?

14. Ahoana no hampisehoanao hoe miantehitra amin’i Jehovah ianao? Araka ny 1 Timoty 4:12, inona no ho vokany raha manao an’izany ianao?

14 Miezaha foana hanetry tena sy hiantehitra amin’i Jehovah. Hita hoe tena nanam-pinoana sy natoky azy ianao matoa natao batisa. Faly be i Jehovah tamin’izay nandray anao ho anisan’ny fianakaviany. Mbola mila manohy miantehitra aminy anefa ianao. Rehefa ngezabe ny fanapahan-kevitra horaisinao, dia angamba mora aminao ny miantehitra amin’i Jehovah. Fa ahoana anefa raha fanapahan-kevitra madinidinika? Mila matoky azy foana ianao rehefa hanapa-kevitra, na momba ny fialam-boly ilay izy, na asa, na tanjona. Aza manao izay eritreretinao fa mety fotsiny. Karohy hoe inona ny toro lalan’ny Baiboly mifandray amin’ilay izy, dia ampiharo izany. (Ohab. 3:5, 6) Ho faly i Jehovah amin’izay, ary hanaja anao ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana.​—Vakio ny 1 Timoty 4:12.

MIANARA AVY AMIN’I JOSAFATA MPANJAKA

15. Inona no fahadisoana nataon’i Josafata Mpanjaka, araka ny 2 Tantara 18:1-3 sy ny 19:2?

15 Mazava ho azy fa tsy lavorary ianao. Hoatr’izany daholo isika. Indraindray àry ianao mety hanao diso. Na izany aza, dia mbola afaka manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah foana ianao. Eritrereto i Josafata Mpanjaka. Nanana toetra tsara be dia be izy. ‘Nitady ny Andriamanitry ny rainy’ izy tamin’izy vao nanomboka nanjaka, ary ‘nanaraka ny didiny.’ Nandefa andriana hitety ny tanàna tao Joda koa izy mba hampianatra ny olona momba an’i Jehovah. (2 Tan. 17:4, 7) Na izany aza, dia tsy nety ihany ny fanapahan-kevitra noraisin’i Josafata indraindray. Nanarin’ny solontenan’i Jehovah izy indray mandeha, satria tsy nahay nanapa-kevitra. (Vakio ny 2 Tantara 18:1-3; 19:2.) Inona no azonao ianarana avy amin’izany?

Lasa tsara laza ny rahalahy tanora rehefa mazoto miasa sy mendri-pitokisana (Fehintsoratra 16)

16. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Rajeev?

16 Mila manaiky ianao rehefa mahazo torohevitra, dia mampihatra an’izany. Sarotra aminao angamba ny mamantatra hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Aza kivy anefa! Betsaka ny tovolahy hoatr’izany. Nilaza, ohatra, i Rajeev fa tsy nanana tanjona mazava tsara izy, tamin’izy tanora kokoa. Izao no nolazainy: “Ny spaoro sy ny fialam-boly no tena nahafinaritra ahy tamin’izany, fa tsy ny fivoriana sy ny fanompoana. Be dia be ny tanora hoatr’izany.” Inona no nanampy an’i Rajeev? Nisy anti-panahy tsara fanahy izay nanoro hevitra azy. Izao no notantarain’i Rajeev: “Nampiany mba hisaintsaina an’ilay toro lalana ao amin’ny 1 Timoty 4:8 aho.” Nanetry tena i Rajeev dia nanaiky an’ilay torohevitra. Nodinihiny avy eo hoe inona no tokony ho zava-dehibe indrindra aminy. Izao no nolazainy: “Nanapa-kevitra aho hoe ny an’i Jehovah aloha no hataoko voalohany.” Inona no vokany? Hoy ihany izy: “Lasa mpanampy amin’ny fanompoana aho, taona vitsivitsy taorian’izay.”

AMPIFALIO ILAY RAINAO ANY AN-DANITRA

17. Ahoana no fahitan’ny rahalahy sy anabavy ny tovolahy manompo an’i Jehovah?

17 Tena sarobidy amin’ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana ianareo ry tovolahy, satria manompo an’i Jehovah miaraka amin-dry zareo. (Zef. 3:9) Faly erỳ ry zareo mahita anareo mavitribitrika sy mafana fo manao an’izay asa ampanaovina anareo. Tena tia anareo ry zareo.​—1 Jaona 2:14.

18. Araka ny Ohabolana 27:11, ahoana no fiheveran’i Jehovah ny tovolahy manompo azy?

18 Aza hadinoina mihitsy, ry rahalahy tanora, fa tia anareo i Jehovah sady matoky anareo. Efa nilaza izy hoe hisy tovolahy be dia be hanolo-tena hanompo azy mandritra ny andro farany. (Sal. 110:1-3) Fantany hoe tia azy ianareo ary te hanome azy ny tsara indrindra. Miezaha àry mba hanam-paharetana, tsy hoe amin’ny olon-kafa ihany, fa aminao koa. Rehefa manao diso ianao ka misy manome torohevitra na mananatra, dia raiso tsara izany ary tadidio hoe avy amin’i Jehovah. (Heb. 12:6) Ataovy tsara izay andraikitra ankinina aminao amin’izao. Fa ny zava-dehibe indrindra dia hoe miezaha foana hampifaly an’ilay Rainao any an-danitra amin’izay rehetra ataonao.​—Vakio ny Ohabolana 27:11.

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

^ feh. 5 Rehefa lasa minamana kokoa amin’i Jehovah ny rahalahy tanora, dia lasa te hanao zavatra betsaka kokoa mba hanompoana azy. Raha te ho lasa mpanampy amin’ny fanompoana izy, dia mila miezaka mba hahatonga ny fiangonana hanaja azy ary tokony hiezaka foana. Inona avy no azony atao amin’izany?

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.