LAHATSORATRA FIANARANA 11

Inona no Hanampy Anao ho Vonona Hatao Batisa?

Inona no Hanampy Anao ho Vonona Hatao Batisa?

“Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?”​—ASA. 8:36.

HIRA 50 Manokan-tena ho Anao Aho, Jehovah

HO HITANAO ATO a

Maro no mandroso sy atao batisa eran-tany, na antitra na tanora (Fehintsoratra 1-2)

1-2. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy raha mbola tsy vonona hatao batisa? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

 TE HATAO batisa ve ianao? Tanjona tsara izany. Efa vonona ve anefa ianao? Raha mino ianao hoe efa vonona sady manaiky koa ny anti-panahy, dia aza misalasala ny hatao batisa amin’ny fivoriambe manaraka. Vao mainka hahafa-po anao ny fiainanao sy ny fanompoanao an’i Jehovah manomboka eo.

2 Ahoana indray raha nilazana ianao hoe mbola misy ezaka mila ataonao vao azo atao batisa ianao, na ianao mihitsy no mahatsapa an’izany? Aza kivy! Mbola afaka miezaka manatratra an’io dingana lehibe io ianao, na antitra na tanora.

“INONA NO MISAKANA AHY?”

3. Inona no nanontanian’ny tandapa etiopianina iray an’i Filipo, ary inona ny fanontaniana mipoitra vokatr’izany? (Asan’ny Apostoly 8:36, 38)

3 Vakio ny Asan’ny Apostoly 8:36, 38. “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Izany no nanontanian’ny tandapa iray avy any Etiopia an’ilay mpitory ny vaovao tsara atao hoe Filipo. Te hatao batisa ilay Etiopianina. Tena vonona hanao an’izany dingana lehibe izany anefa ve izy?

Tapa-kevitra ny hianatra momba an’i Jehovah foana ilay tandapa etiopianina (Fehintsoratra 4)

4. Ahoana no ahitana hoe tapa-kevitra ny hianatra foana ilay Etiopianina?

4 “Nankany Jerosalema” ilay Etiopianina “mba hivavaka.” (Asa. 8:27) Tsy maintsy hoe efa lasa nanaraka ny Fivavahana Jiosy àry izy. Azo inoana hoe efa nahafantatra momba an’i Jehovah izy rehefa nianatra ny Soratra Hebreo. Mbola vonona hianatra bebe kokoa anefa izy. Inona, ohatra, no hitan’i Filipo nataon’io manam-pahefana io rehefa nihaona teny an-dalana ry zareo? Namaky ny horonam-bokin’i Isaia mpaminany izy. (Asa. 8:28) Ventin-kanina be izany! Tsy nianina tamin’ny fampianarana fototra fotsiny ilay tandapa, fa te hianatra foana.

5. Nataon’ilay Etiopianina ahoana ny zavatra nianarany?

5 Manam-pahefana ambony teo ambany fifehezan’i Kandasy mpanjakavavin’i Etiopia io lehilahy io, ary “niandraikitra ny harenany rehetra.” (Asa. 8:27) Tsy maintsy hoe tery be àry ny fotoanany satria nanana andraikitra maro izy. Naka fotoana hanompoana an’i Jehovah anefa izy. Tsy hoe nianatra ny fahamarinana fotsiny izy, fa nampihatra an’izay nianarany koa. Nanao dia lavitra avy any Etiopia àry izy, mba hanompoana an’i Jehovah tao amin’ny tempolin’i Jerosalema. Nitaky fotoana sy nandany vola be izany dia izany. Vonona hanao ny ezaka rehetra anefa ilay lehilahy raha vao hoe resaka fanompoana an’i Jehovah.

6-7. Nahoana no nitombo foana ny fitiavan’ilay Etiopianina an’i Jehovah?

6 Nisy fahamarinana lehibe mbola tsy fantatr’ilay Etiopianina mihitsy nampianarin’i Filipo azy. Nianarany, ohatra, hoe iza ilay Mesia. (Asa. 8:34, 35) Tena nanohina ny fon’ilay tandapa ny nahafantatra an’izay nataon’i Jesosy ho azy. Dia inona no nataony? Afaka nijanona tamin’izao izy, izany hoe olona manan-kaja nanaraka ny Fivavahana Jiosy. Nitombo anefa ny fitiavany an’i Jehovah sy ny Zanany, dia nandray fanapahan-kevitra tena nanova ny fiainany izy. Inona izany? Ny hatao batisa ka ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy Kristy. Nataon’i Filipo batisa ilay lehilahy rehefa hitany hoe vonona.

7 Ho vonona hatao batisa ianao raha manaraka ny modelin’ilay Etiopianina. Tsy hisalasala koa ianao amin’izay hiteny hoe: “Inona no misakana ahy tsy hatao batisa?” Ireto avy ny dingana nataony: Nianatra foana izy, dia nampihatra an’izay nianarany, ary nampitomboiny foana ny fitiavany an’Andriamanitra. Andao hodinihintsika hoe ahoana koa no hanaovanao an’ireo dingana ireo.

MIANARA FOANA

8. Nahoana no mihatra aminao koa ny Jaona 17:3?

8 Vakio ny Jaona 17:3. Nandrisika anao hianatra Baiboly ve ireo tenin’i Jesosy ireo? Betsaka no hoatr’izany. Mbola mila mianatra foana ve anefa isika? Ie. ‘Hianatra hahafantatra an’ilay hany tena Andriamanitra’ foana isika, fa tsy hijanona mihitsy. (Mpito. 3:11) Hanao an’izany mandrakizay isika. Vao mainka isika ho akaiky an’i Jehovah arakaraka ny ianarantsika momba azy.​—Sal. 73:28.

9. Inona no mila ataontsika rehefa avy nianatra ny fahamarinana fototra isika?

9 Fahamarinana tsotsotra no ianarantsika amin’ny voalohany, rehefa mianatra momba an’i Jehovah isika. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “zavatra fototra” izy ireny ao amin’ny taratasiny ho an’ny Hebreo. Tsy hoe nanao tsinontsinona “ny fampianarana fototra” akory izy rehefa niteny an’izany. Izy aza nampitaha azy ireny tamin’ny ronono mahavelona ny zazakely. (Heb. 5:12; 6:1) Nampirisika ny Kristianina rehetra koa anefa izy mba tsy hianina amin’ireny fampianarana fototra ireny, fa hianatra ny fahamarinana lalina kokoa ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Efa lasa tia mianatra an’ireo fahamarinana lalina ao amin’ny Baiboly ve ianao? Vonona handroso kokoa ve ianao, ka hianatra foana momba an’i Jehovah sy ny fikasany?

10. Nahoana no sarotra amin’ny olona sasany ny mianatra?

10 Sarotra amin’ny ankamaroantsika anefa ny mianatra. Hoatr’izany koa ve ianao? Nahay namaky teny sy nahavita nianatra tsara ve ianao tany am-pianarana? Tia nianatra ve ianao sady nahatsapa hoe nahasoa anao ilay izy? Sa hitanao hoe tsy natao ho anao mihitsy ilay mianatra boky be dia be? Tsy ianao irery no hoatr’izany. Afaka manampy anao anefa i Jehovah. Lavorary mantsy izy sady izy no Mpampianatra mahay indrindra.

11. Inona no manaporofo hoe “Mpampianatra Be Voninahitra” i Jehovah?

11 Milaza i Jehovah fa izy “ilay Mpampianatra Be Voninahitra izay mampianatra anao.” (Isaia 30:20, 21) Mpampianatra manam-paharetana sy tsara fanahy izy, ary azony tsara izay tsapan’ny mpianany. Mitady izay tsara ao amin-dry zareo izy. (Sal. 130:3) Tsy mitaky be loatra amintsika koa izy. Tadidio fa izy no nanao ny atidohantsika, ary fanomezana tena tsara izy io. (Sal. 139:14) Efa voajanahary amintsika ilay hoe te hianatra. Tian’ilay Mpamorona antsika hianatra foana isika mandrakizay sady hankafy an’izany. Hendry àry isika raha dieny izao dia ‘manao izay haniriana mafy’ hianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. (1 Pet. 2:2) Mifidiana tanjona azonao tratrarina. Manaova koa fandaharam-potoana hamakiana sy hianarana Baiboly ary araho foana izany. (Jos. 1:8) Hotahin’i Jehovah ianao, ka vao mainka ho tianao ny hamaky sy hianatra momba azy.

12. Nahoana isika no tokony hianatra momba an’i Jesosy rehefa mianatra samirery?

12 Manokàna fotoana tsy tapaka mba hisaintsainana momba ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany. Mila manaraka akaiky ny dian’i Jesosy isika raha te hahavita hanompo an’i Jehovah, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra izao. (1 Pet. 2:21) Tsy niolakolaka mihitsy i Jesosy niresaka ny olana hatrehin’ny mpanara-dia azy. (Lioka 14:27, 28) Natoky anefa izy fa hahavita tsy hivadika ny tena mpanara-dia azy, hoatran’ny nataony ihany. (Jaona 16:33) Ianaro ny tsipiriany momba ny fiainan’i Jesosy, dia ataovy tanjona ny hanahaka azy eo amin’ny fiainanao andavanandro.

13. Tsy tokony hitsahatra hangataka inona amin’i Jehovah ianao, ary nahoana?

13 Tena ilaina ny fahalalana. Izy io mantsy no manampy anao hahafantatra bebe kokoa an’i Jehovah sy hanana toetra tsara, ohatra hoe ho tia azy sy hino azy. Tsy ampy mihitsy anefa raha fahalalana fotsiny. (1 Kor. 8:1-3) Rehefa manohy mianatra àry ianao, dia aza mitsahatra mangataka amin’i Jehovah mba hanananao finoana bebe kokoa. (Lioka 17:5) Mamaly ny vavaka hoatr’izany izy sady malala-tanana. Hahavita hanao ny dingana manaraka ianao rehefa manana ny tena finoana miorina amin’ny fahalalana marina tsara an’ilay Andriamanitsika.​—Jak. 2:26.

AMPIHARO FOANA IZAY IANARANAO

Nampihatra an’izay nianarany foana ry Noa mianakavy talohan’ny Safodrano (Fehintsoratra 14)

14. Ahoana no nanasongadinan’ny apostoly Petera hoe tena ilaina ny mampihatra an’izay ianarana? (Jereo koa ny sary.)

14 Tena mila mampihatra foana an’izay ianarany ny mpanara-dia an’i Kristy. Nanasongadina an’izany ny apostoly Petera rehefa niresaka ny tantaran’i Noa. Nilaza tamin’i Noa i Jehovah hoe handefa safodrano izy mba handringanana ny ratsy fanahy tamin’izany. Ampy hamonjena an’i Noa sy ny fianakaviany ve ny nahafantatra hoe hisy safodrano? Tsia. Mariho fa niresaka ny fotoana talohan’ny Safodrano i Petera, “raha mbola namboarina ny sambofiara.” (1 Pet. 3:20) Nampihatra an’izay nianarany avy tamin’Andriamanitra àry ry Noa mianakavy, dia nanamboatra sambofiara ngezabe. (Heb. 11:7) Avy eo nampitahain’i Petera tamin’ny batisa ny zavatra nataon’i Noa. Izao no nolazainy: “Misy mifanitsy amin’izany koa amin’izao, dia ny batisa. ... Mamonjy anareo ny batisa.” (1 Pet. 3:21) Azo oharina amin’izay nataon-dry Noa mianakavy nandritra ny taona maro rehefa nanamboatra ny sambofiara àry, izay ataonao izao mba hiomanana ho amin’ny batisa. Inona no mila ataonao mba ho vonona amin’izany?

15. Ahoana no ahitana hoe tena mibebaka isika?

15 Tsy maintsy mibebaka amin’ny fo manontolo isika. Izay no anisan’ny zavatra voalohany tsy maintsy ataontsika. (Asa. 2:37, 38) Tena hiova isika raha tena mibebaka. Efa niala tamin’ny fahazaran-dratsy tsy mampifaly an’i Jehovah ve ianao, anisan’izany ny hoe mijangajanga, mifoka sigara, mihinam-paraky, miteny ratsy, na manevateva? (1 Kor. 6:9, 10; 2 Kor. 7:1; Efes. 4:29) Raha mbola tsy nahavita niova ianao, dia miezaha foana. Miresaha amin’ilay olona mampianatra Baiboly anao, na asaivo manampy sy manome tari-dalana anao ny anti-panahy. Ary ahoana raha mbola tanora ianao sady miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao? Iangavio ry zareo mba hanampy anao hiala amin’ny fahazaran-dratsy misakana anao tsy hatao batisa.

16. Inona, ohatra, no fahazarana ara-panahy tokony hanananao?

16 Tena ilaina koa ny manana fahazarana ara-panahy tsara, ohatra hoe manatrika fivoriana sy mandray anjara amin’izany. (Heb. 10:24, 25) Ataovy fahazaranao koa ny mandeha manompo rehefa mahafeno fepetra hanao an’izany ianao. Vao mainka ho tianao io asa mamonjy aina io, arakaraka ny anaovanao an’ilay izy. (2 Tim. 4:5) Saintsaino àry izao raha mbola tanora ianao sady miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreninao: ‘Mila tenenin’i Dada sy Neny foana ve aho vao mandeha mivory na manompo? Sa izaho mihitsy no tonga dia manao an’ireo?’ Raha tsy miandry tenenina ianao vao manao an’ireo, dia asehonao amin’izany hoe manam-pinoana ianao ary tia sy mankasitraka an’i Jehovah Andriamanitra. Hoatran’ny hoe manao fanomezana ho an’i Jehovah mantsy ianao, rehefa ‘mahafoy tena’ ho azy hoatr’izany. (2 Pet. 3:11; Heb. 13:15) Mahafaly an’ilay Andriamanitsika ny fanomezana rehetra ataontsika, rehefa atao an-tsitrapo fa tsy an-tery. (Ampitahao amin’ny 2 Korintianina 9:7.) Manao an’ireo isika satria faly manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah.

AMPITOMBOY FOANA NY FITIAVANAO AN’I JEHOVAH

17-18. Inona ny toetra hanampy anao handroso ka hatao batisa, ary nahoana? (Ohabolana 3:3-6)

17 Hiatrika olana ianao rehefa miezaka handroso sy hatao batisa. Mety haneso anao ny olona sasany noho ny zavatra vaovao inoanao. Hanohitra na hanenjika anao mihitsy aza angamba ry zareo. (2 Tim. 3:12) Mety ho resin’ny fahazaran-dratsy koa ianao indraindray, na dia efa miezaka miala amin’ilay izy aza. Na mety tsy hanam-paharetana ianao sady ho sorena, satria hoatran’ny tsy ho tratranao mihitsy ny tanjonao. Inona àry no hanampy anao hiaritra an’izany rehetra izany? Ny fitiavanao an’i Jehovah. Toetra tena ilaina io.

18 Toetra tsara ilay hoe tia an’i Jehovah, ary io no toetra tsara indrindra anananao. (Vakio ny Ohabolana 3:3-6.) Rehefa tia be an’Andriamanitra ianao, dia ho vitanao ny hiatrika ny olana eo amin’ny fiainana. Matetika ny Baiboly no miresaka hoe tia sy tsy mivadika amin’ny mpanompony i Jehovah. Firaiketam-po lalina izy io, ka midika izany hoe tsy handao ny mpanompony mihitsy izy ary ho tia azy ireo foana. (Sal. 100:5) Noforonina hitovy endrika amin’Andriamanitra ianao. (Gen. 1:26) Inona àry no azonao atao mba hanehoana fitiavana hoatr’izany?

Afaka mampiseho ny fankasitrahanao an’i Jehovah ianao isan’andro (Fehintsoratra 19) b

19. Inona no hanampy anao hankasitraka kokoa an’izay rehetra ataon’i Jehovah ho anao? (Galatianina 2:20)

19 Miezaha aloha hahay hankasitraka. (1 Tes. 5:18) Saintsaino izao isan’andro: ‘Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe tia ahy izy?’ Aza hadinoina ny misaotra azy avy eo, ary tonòny ao amin’ny vavaka ny zavatra nataony ho anao. Raiso hoe nataony ho anao manokana ilay izy satria tiany ianao. Hoatr’izany no tsapan’ny apostoly Paoly momba an’i Jehovah. (Vakio ny Galatianina 2:20.) Saintsaino koa izao: ‘Te hamaly fitia azy ve aho?’ Raha tia an’i Jehovah ianao, dia hiezaka foana hanohitra fakam-panahy ary hahavita hiatrika olana. Io fitiavana io koa no handrisika anao hanohy foana ny fahazarana ara-panahy efa anananao, ary izany no hampisehoanao isan’andro isan’andro hoe tianao ilay Rainao.

20. Inona no tsy maintsy ataonao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, ary nahoana izany no fanapahan-kevitra tena lehibe?

20 Rehefa mandeha ny fotoana, dia lasa te hanao vavaka manokana ianao noho ny fitiavanao an’i Jehovah. Hanokan-tena ho azy ianao. Tadidio fa vao manokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia afaka manantena zavatra tsara be: Afaka ny ho fananany mandrakizay ianao! Manan-kery foana io voady ataonao amin’i Jehovah io, na dia mifamahofaho aza ny mangidy sy ny mamy eo amin’ny fiainanao. Tsy mila havaozina mihitsy izy io. Marina aloha hoe fanapahan-kevitra tena lehibe ny manokan-tena ho an’i Jehovah. Eritrereto anefa izao: Be dia be ny fanapahan-kevitra horaisinao eo amin’ny fiainana, ary tena tsara ny sasany amin’izy ireny. Tsy hisy fanapahan-kevitra tsara noho ny hoe manokana ny fiainanao ho an’i Jehovah anefa. (Sal. 50:14) Hataon’i Satana izay hampihena ny fitiavanao an’ilay Rainao, amin’izay ianao mivadika aminy. Aza avela handresy mihitsy izy! (Joba 27:5) Raha tena lalina ny fitiavanao an’i Jehovah, dia hanampy anao hitana an’ilay voady nataonao izany. Vao mainka koa ianao hifandray akaiky amin’ilay Rainao any an-danitra mihoatra noho ny hatramin’izay.

21. Nahoana no lazaina hoe vao fiandohana ny batisa, fa tsy fiafarana?

21 Rehefa avy nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao, dia miresaha amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonanareo mba hahafahanao manao an’ilay dingana lehibe manaraka. Tadidio foana anefa fa vao fiandohana ny batisa, fa tsy fiafarana. Ho afaka hanompo an’i Jehovah mandrakizay ianao manomboka eo. Dieny izao àry, dia ampitomboy ny fitiavanao an’ilay Rainao. Manàna tanjona amin’izay mitombo foana ny fitiavanao azy isan’andro. Hanampy anao ho tonga amin’ny batisa izany. Tena hiavaka io andro io. Vao fiandohana fotsiny anefa izy io. Enga anie ny fitiavanao an’i Jehovah sy ny Zanany hitombo foana mandrakizay!

HIRA 135 Miangavy Anao i Jehovah hoe: “Hendre, Anaka”

a Te handroso sy hatao batisa ve ianao? Tokony ho antony tsara ny hanaovanao an’izany. Misy zavatra tokony hataonao koa anefa. Handinika ny modely nomen’ilay tandapa etiopianina isika, mba hahitana hoe inona avy ny dingana mila ataon’ny mpianatra Baiboly mba hahafeno fepetra hatao batisa izy.

b SARY: Anabavy tanora mivavaka amin’i Jehovah. Resahiny aminy hoe tena mankasitraka an’izay omeny izy.