LAHATSORATRA FIANARANA 10

Nahoana Ianao no Tokony Hatao Batisa?

Nahoana Ianao no Tokony Hatao Batisa?

“Aoka samy hatao batisa ... ianareo tsirairay.”​—ASA. 2:38.

HIRA 34 Tsy Hivadika Mandrakizay Aho

HO HITANAO ATO a

1-2. Inona matetika no mitranga rehefa misy olona atao batisa, ary inona no tokony hodinihintsika?

 EFA nahita olona hatao batisa ve ianao? Henonao amin’ny feony hoe resy lahatra be ry zareo rehefa mamaly ny fanontaniana roa alohan’ny fandrobohana. Hitanao mirehareha kely koa ny havany sy ny namany. Miramirana erỳ ry zareo rehefa mivoaka avy ao anaty rano, ary mirefodrefotra ny tehaka! An’arivony no manao an’io dingana io isan-kerinandro, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah nanokan-tena sy vita batisa.

2 Ary ianao? Mieritreritra ny hatao batisa ve ianao? Raha izany, dia tena miavaka ianao eto amin’ity tontolo ratsy ity, satria “mitady an’i Jehovah.” (Sal. 14:1, 2) Natao ho anao mihitsy ity lahatsoratra ity, na antitra ianao na tanora. Na efa vita batisa aza anefa isika, dia tokony ho tapa-kevitra kokoa hanompo an’i Jehovah mandrakizay. Betsaka ny antony mahatonga antsika hanompo azy, fa andao handinika telo amin’izany.

TIANAO IZAY MARINA SY MAHITSY

Efa an’arivony taona i Satana no nanala baraka ny anaran’i Jehovah, ary mbola manao an’izany izy (Fehintsoratra 3-4)

3. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah no tia fahamarinana sy fahitsiana? (Salamo 119:128, 163)

3 Nandidy ny vahoakany i Jehovah hoe “tiavo ny fahamarinana.” (Zak. 8:19) Nampirisika ny mpanara-dia azy koa i Jesosy mba hitady ny fahamarinana. (Mat. 5:6) Inona no dikan’izany? Tokony hoe tena te hanao an’izay marina sy tsara ary madio eo imason’Andriamanitra ilay olona. Tia fahamarinana sy fahitsiana ve ianao? Matoky an’izany izahay. Halanao na ny lainga na ny zavatra ratsy sy tsy mety rehetra. (Vakio ny Salamo 119:128, 163.) Manahaka an’i Satana, ilay mpitondra an’izao tontolo izao, izay mandainga. (Jaona 8:44; 12:31) Anisan’ny tanjon’i Satana ny hanala baraka ny anarana masin’i Jehovah. Nampiely lainga momba an’ilay Andriamanitsika foana izy, hatramin’ilay fikomiana tany Edena. Mpitondra tia tena sy tsy manao ny marina, hono, i Jehovah, ka misy zavatra tsara tsy omeny ny olona. (Gen. 3:1, 4, 5) Mbola manapoizina ny saina sy ny fon’ny olona ny laingan’i Satana momba an’i Jehovah hatramin’izao. Rehefa mifidy ny tsy ho ‘tia fahamarinana’ ny olona, dia azon’i Satana taomina hanao an’izao zava-dratsy sy tsy marina rehetra izao.​—Rom. 1:25-31.

4. Ahoana no nampisehoan’i Jehovah hoe “Andriamanitry ny fahamarinana” izy? (Jereo koa ny sary.)

4 “Andriamanitry ny fahamarinana” i Jehovah, ary be dia be ny fahamarinana ampianariny an’izay tia azy. (Sal. 31:5) Hoatran’ny hoe manandratra an-dry zareo izy amin’izany, ka manafaka azy ireo amin’ny laingan’i Satana. Ampianarin’i Jehovah hanao ny marina sy mahitsy koa ny mpanompony. Lasa mahatsiaro ho misy vidiny kokoa àry ry zareo sady milamin-tsaina. (Ohab. 13:5, 6) Tsy efa nanao an’izany ho anao ve izy tamin’ianao nianatra Baiboly? Lasa fantatrao hoe ny lalan’i Jehovah no mahasoa indrindra, tsy ho an’ny olombelona rehetra ihany fa ho anao mihitsy koa. (Sal. 77:13) Te hanao an’izay lazain’Andriamanitra hoe marina àry ianao. (Mat. 6:33) Te hiaro ny fahamarinana ianao, sady te hanaporofo hoe diso izay lazain’i Satana momba an’i Jehovah Andriamanitsika. Ahoana no hanaovanao an’izany?

5. Inona no hataonao raha te hanohana ny fahamarinana sy ny fahitsiana ianao?

5 Raha mifidy fomba fiaina tsara ianao, dia hoatran’ny miteny hoe: “Tsy mino ny laingan’i Satana aho, fa manohana ny fahamarinana. I Jehovah no tiako ho Mpitondra ahy, ary te hanao an’izay lazainy fa mahitsy aho.” Ahoana no atao raha te hanao an’izany safidy izany ianao? Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka hoe hanokan-tena ho azy ianao, dia avy eo ampahafantaro ny olona amin’ny alalan’ny batisa hoe efa nanokan-tena ianao. Ho tapa-kevitra ny hatao batisa ianao raha tia an’izay marina sy mahitsy.

TIANAO I JESOSY KRISTY

6. Nahoana ianao no tokony ho tia an’i Jesosy Kristy, araka ny Salamo 45:4?

6 Nahoana ianao no tia an’i Jesosy Kristy? Miresaka antony tsara vitsivitsy ny Salamo 45:4. (Vakio.) Manao izay hisian’ny fahamarinana sy fanetren-tena ary fahitsiana i Jesosy. Tsy mahagaga àry raha tia an’i Jesosy Kristy koa ianao, raha tia fahamarinana sy fahitsiana. Sahy niaro an’izay marina sy mahitsy mantsy izy. (Jaona 18:37) Ahoana anefa no anampiany antsika hanetry tena?

7. Inona no itiavanao ny fanetren-tenan’i Jesosy?

7 Nanome modely i Jesosy mba hanampiana antsika hanetry tena. Ny Rainy foana, ohatra, no nomeny voninahitra, fa tsy ny tenany. (Mar. 10:17, 18; Jaona 5:19) Inona no tsapanao mahita ny fanetren-tenan’i Jesosy? Azo antoka hoe lasa tia sy te hanara-dia an’ilay Zanak’Andriamanitra ianao. Maninona tokoa moa i Jesosy no nanetry tena? Satria tiany ny Rainy, ary manahaka azy izy. Manetry tena koa mantsy io Rainy io. (Sal. 18:35; Heb. 1:3) Mitovy tanteraka ny toetran’izy sy Jehovah. Tsy mandrisika anao hifandray akaiky amin’i Jesosy ve izany?

8. Nahoana no tiantsika hoe i Jesosy no Mpanjakantsika?

8 Tiantsika hoe i Jesosy no Mpanjakantsika, satria izy no Mpitondra tsara indrindra. I Jehovah mihitsy no nampiofana ny Zanany sy nanendry azy ho mpitondra. (Isaia 50:4, 5) Be fitiavana sy nahafoy tena koa i Jesosy. (Jaona 13:1) Tena mendrika ny hotiavinao izy satria izy no Mpanjakanao. Antsoiny hoe namany izay tena tia azy. Nohazavainy hoe tia azy izy ireo raha mankatò ny didiny. (Jaona 14:15; 15:14, 15) Voninahitra be ny hoe naman’ny Zanak’i Jehovah!

9. Inona no mampitovy ny batisan’ny Kristianina amin’ny an’i Kristy?

9 Anisan’ny didy nomen’i Jesosy ny hoe tokony hatao batisa ny mpanara-dia azy. (Mat. 28:19, 20) Izy mihitsy no nanome modely. Marina aloha hoe misy tsy itovizany ny batisan’i Jesosy sy ny an’ny mpanara-dia azy. (Jereo ilay efajoro hoe “ Inona no Tsy Mampitovy ny Batisan’i Jesosy Amin’ny An’ny Mpanara-dia Azy?”) Misy itovizany ihany anefa. Rehefa natao batisa i Jesosy, dia nasehony hoe vonona hanao ny sitrapon’ny Rainy izy. (Heb. 10:7) Hoatr’izany koa ny mpanara-dia an’i Kristy. Rehefa atao batisa ry zareo, dia mampiseho amin’ny olona hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah izy. Ny hanao ny sitrapon’Andriamanitra, fa tsy ny sitrapony, izao no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Manahaka ny modelin’ny Tompony àry izy ireo.

10. Nahoana ny fitiavanao an’i Jesosy no tokony handrisika anao hatao batisa?

10 Ekenao hoe Zanaka lahitokan’i Jehovah i Jesosy, ary Mpanjaka notendren’Andriamanitra hitondra antsika. Fantatrao hoe manetry tena izy, ary manahaka tanteraka ny Rainy. Efa nianaranao fa namahana ny noana izy, nampahery ny kivy, ary nanasitrana ny marary mihitsy aza. (Mat. 14:14-21) Efa hitanao koa ny fomba itarihany ny fiangonany amin’izao. (Mat. 23:10) Ankoatra izany, dia fantatrao hoe mbola be lavitra ny zavatra hataony amin’ny hoavy, noho izy Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana izany no ampisehoanao hoe tianao izy? Araho ny modely nomeny. (Jaona 14:21) Manomboka manao an’izany mihitsy ianao rehefa manokan-tena ho an’i Jehovah sy atao batisa.

TIANAO I JEHOVAH ANDRIAMANITRA

11. Araka ny hevitrao, inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hatao batisa?

11 Inona ny antony lehibe indrindra mahatonga antsika hatao batisa? Niresaka ny lehibe indrindra amin’ny didin’Andriamanitra i Jesosy. Izao no nolazainy: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.” (Mar. 12:30) Hoatr’izany ve ny fitiavanao an’Andriamanitra?

Avy amin’i Jehovah ny zavatra tsara rehetra nankafizinao hatramin’izay sy mbola hankafizinao amin’ny hoavy (Fehintsoratra 12-13)

12. Nahoana ianao no tia an’i Jehovah? (Jereo koa ny sary.)

12 Be dia be mihitsy ny antony tokony hitiavanao an’i Jehovah. Lasa fantatrao, ohatra, hoe izy no “loharanon’aina”, ary avy aminy “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Sal. 36:9; Jak. 1:17) Avy amin’io Andriamanitra malala-tanana sy be fitiavana io izay zavatra tsara rehetra ankafizinao.

13. Nahoana ny vidim-panavotana no fanomezana faran’izay tsara?

13 Fanomezana faran’izay tsara nomen’i Jehovah antsika ny vidim-panavotana. Nahoana? Diniho ny firaiketam-po nisy teo amin’i Jehovah sy ny Zanany. Izao no nolazain’i Jesosy: “Tia ahy ny Ray” ary “tiako ny Ray.” (Jaona 10:17; 14:31) Vao mainka nifankatia ry zareo nandritra ny an’arivony tapitrisa taona. (Ohab. 8:22, 23, 30) Tsy maintsy hoe nalahelo be àry Andriamanitra, tamin’izy namela ny Zanany hijaly sy ho faty. Tena tian’i Jehovah ny olombelona, anisan’izany ianao, matoa izy vonona hanome an’ilay Zanany malala ho sorona, amin’izay ianao sy ny olon-kafa ho afaka hiaina mandrakizay. (Jaona 3:16; Gal. 2:20) Izany no antony lehibe indrindra tokony hitiavantsika an’Andriamanitra.

14. Inona no tanjona tsara indrindra azonao fidina?

14 Vao mainka ianao tia an’i Jehovah rehefa nihanahafantatra azy. Azo antoka hoe te hifandray akaiky kokoa aminy ianao dieny izao sy ho mandrakizay, ary azonao atao tsara izany! Mampirisika anao amim-pitiavana izy mba hampifaly ny fony. (Ohab. 23:15, 16) Tsy amin’ny teny ihany no azonao ampisehoana an’izany, fa amin’ny atao koa. Ho hita amin’ny fomba fiainanao hoe tena tia an’i Jehovah ianao. (1 Jaona 5:3) Izany no tanjona tsara indrindra azonao fidina.

15. Ahoana no ampisehoanao hoe tia an’i Jehovah ianao?

15 Ahoana no ampisehoanao hoe tia an’i Jehovah ianao? Voalohany, manao vavaka manokana amin’ilay hany tena Andriamanitra ianao ka manokan-tena ho azy. (Sal. 40:8) Avy eo ianao atao batisa mba hampisehoanao amin’ny olona fa efa nanokan-tena ianao. Hitantsika tetsy aloha hoe ho lasa fotoana miavaka sy mahafaly eo amin’ny fiainanao izany. Manomboka fiainam-baovao mantsy ianao, tsy ho anao anefa fa ho an’i Jehovah! (Rom. 14:8; 1 Pet. 4:1, 2) Mety hiteny ianao hoe: ‘Hoatran’ny dingana lehibe izy izany.’ Izay mihitsy aloha e! Fa manomboka eo anefa, dia ho afaka hanana fiainana faran’izay tsara ianao. Ahoana izany?

16. Inona ny valisoa omen’i Jehovah an’ireo manokana ny fiainany hanompoana azy? (Salamo 41:12)

16 I Jehovah no malala-tanana indrindra. Na inona na inona omenao azy, dia mbola ho be lavitra noho iny foana no havaliny anao. (Mar. 10:29, 30) Homeny fiainana faran’izay tsara sy mahafinaritra ary mahafa-po ianao, na dia eto amin’ity tontolo efa ho rava ity aza. Vao santatra am-bava rano ihany anefa izany. Rehefa atao batisa ianao, dia tsy voatery hisy farany ny fiainanao. Ho afaka hanompo an’ilay Ray malalanao foana ianao mandrakizay. Hitombo foana ny fifankatiavanareo mianaka. Ho afaka ny ho velona foana ianao raha mbola velona izy, izany hoe mandrakizay!​—Vakio ny Salamo 41:12.

17. Inona no zavatra mbola tsy ananan’i Jehovah ka azonao omena azy?

17 Manana tombontsoa hanome zavatra tena sarobidy ho an’ilay Rainao ianao, rehefa manokan-tena sy atao batisa. Efa nomeny anao ny zavatra tsara rehetra, sy ny fotoana mamy rehetra nankafizinao hatramin’izay. Misy zavatra mbola tsy ananan’ilay Tompon’ny lanitra sy ny tany ve ka azonao omena azy ho setrin’izany? Ie, ny fanompoanao azy an-tsitrapo sy ny tsy fivadihanao. (Joba 1:8; 41:11; Ohab. 27:11) Tsy misy tsara noho izany azonao ampiasana ny fiainanao! Azo antoka àry fa ny fitiavanao an’i Jehovah no antony tsara indrindra mahatonga anao hatao batisa.

FA INONA NO ANDRASANAO?

18. Inona avy ny fanontaniana mety ho azonao saintsainina?

18 Ahoana àry no amalianao an’ilay fanontaniana hoe: ‘Hatao batisa ve ianao?’ Ianao ihany no mahavaly an’izany. Mety hanampy anao anefa ny misaintsaina hoe: ‘Fa inona no andrasako?’ (Asa. 8:36) Tadidio ireo antony telo noresahintsika teo. Voalohany, tianao ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Saintsaino izao: ‘Te ho eo ve aho rehefa milaza ny marina sy manao izay mahitsy daholo ny olona indray andro any?’ Faharoa, tianao i Jesosy Kristy. Eritrereto izao: ‘Ilay Zanak’Andriamanitra ve no tiako ho Mpanjakako? Te hanaraka ny modely nomeny ve aho?’ Fahatelo, tianao i Jehovah ary izay no lehibe indrindra. Saintsaino àry izao: ‘Te hampifaly ny fon’i Jehovah Andriamanitro ve aho ka hanompo azy?’ Raha eny ny valin’ireo fanontaniana ireo, dia maninona ianao no tsy atao batisa? Fa inona no andrasanao?​—Asa. 16:33.

19. Nahoana ianao no tsy tokony hisalasala hatao batisa? Hazavao amin’ny ohatra. (Jaona 4:34)

19 Raha misalasala hatao batisa ianao, dia diniho ny fanoharana iray noresahin’i Jesosy. (Vakio ny Jaona 4:34.) Mariho fa nohariny tamin’ny sakafo ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy. Nahoana? Mahasoa antsika ny sakafo. Fantatr’i Jesosy hoe mahasoa antsika daholo izay asain’i Jehovah ataontsika. Tsy tian’i Jehovah hanao zavatra hanimba antsika mihitsy isika. Anisan’ny sitrapon’i Jehovah ve ny hoe atao batisa ianao? Ie. (Asa. 2:38) Afaka matoky àry ianao fa handray soa raha mankatò an’ilay didy hoe mila atao batisa. Raha tsy misalasala mihinana ny sakafo matsiro indrindra ianao, dia maninona ianao no misalasala hatao batisa?

20. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

20 Inona àry no andrasanao? Betsaka no mety hamaly hoe: “Mbola tsy vonona aho.” Marina aloha hoe ny hanokan-tena ho an’i Jehovah sy hatao batisa no fanapahan-kevitra lehibe indrindra horaisinao. Noho izany, dia mitaky fotoana sy fandinihana tsara ary ezaka mafy ilay izy, raha te ho vonona tsara ianao. Raha tena maniry hanao an’io dingana io anefa ianao, dia misy zavatra azonao atao dieny izao mba hiomanana amin’ilay izy. Inona izany? Hamaly an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 28 Te ho Namanao Izahay, Jehovah

a Dingana lehibe ho an’ny mpianatra Baiboly rehetra ny batisa. Inona no mety handrisika ny mpianatra iray hatao batisa? Ny fitiavana. Fitiavana inona anefa, ary fitiavana an’iza? Hovaliantsika ato izany. Horesahintsika koa hoe hoatran’ny ahoana ny fiainana miandry ny Kristianina vita batisa.