LAHATSORATRA FIANARANA 21

Hanome Hery Anao i Jehovah!

Hanome Hery Anao i Jehovah!

“Rehefa malemy aho, dia amin’izay aho no mahery.”​—2 KOR. 12:10.

HIRA 73 Omeo Fahasahiana Izahay

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no olana atrehin’ny Vavolombelon’i Jehovah maro?

NAMPIRISIKA an’i Timoty ny apostoly Paoly mba hanatanteraka tsara ny fanompoany. (2 Tim. 4:5) Miezaka manao an’izany koa isika rehetra. Tsy mora anefa izany. Tena mila herim-po ny rahalahy sy anabavy maro rehefa mitory. (2 Tim. 4:2) Eritrereto, ohatra, ny mpiara-manompo mipetraka any amin’ny tany anakantsakanana na andrarana ny asantsika. Mitory foana ry zareo na dia mety higadra aza.

2 Miatrika olana be dia be mety hahakivy ny mpiara-manompo. Betsaka, ohatra, no miasa mandritra ny ora maro nefa izay tena ilain’ny fianakaviany fotsiny no azony. Mba te hanompo bebe kokoa ry zareo, nefa vizana be rehefa tonga ny faran’ny herinandro. Ny hafa indray zara raha afaka manompo satria manana aretina mitaiza na efa antitra. Misy aza tsy afaka mivoaka ny trano mihitsy. Ny sasany indray mijaly satria mieritreritra be foana hoe tsy misy ilana azy. Izao no nolazain’ny anabavy antsoina hoe Mary: * “Mila miezaka be mba hifehy ny fihetseham-poko aho rehefa kivy. Vizana be anefa aho aorian’izay, dia tsy manana fotoana sy hery hanompoana. Lasa manamelo-tena indray aho avy eo.”

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Na inona na inona olana mahazo antsika, dia afaka manome antsika hery hiatrehana an’izany i Jehovah. Ho afaka hanompo azy foana araka izay vitantsika isika amin’izay. Nanome hery an’i Paoly sy Timoty i Jehovah, ka nahavita ny fanompoany ry zareo na dia nanana olana aza. Hiresaka an’izany isika ato. Hodinihintsika avy eo hoe ahoana no anampian’i Jehovah antsika.

OMEN’I JEHOVAH HERY ISIKA MBA HAHAVITA HITORY FOANA

4. Inona no olana natrehin’i Paoly?

4 Niatrika olana be dia be i Paoly. Tena nila hery izy rehefa nokapohina sy notoraham-bato ary nogadraina. (2 Kor. 11:23-25) Niaiky izy hoe tena kivy indraindray, ary tsy mora taminy izany. (Rom. 7:18, 19, 24) Nilaza koa izy hoe nanana ‘tsilo tao amin’ny nofony.’ Nampijaly azy ilay izy ka tena tiany raha nesorin’Andriamanitra taminy.​—2 Kor. 12:7, 8.

Inona no nanampy an’i Paoly hahavita ny fanompoany? (Fehintsoratra 5-6) *

5. Inona no vitan’i Paoly na teo aza ny olana nahazo azy?

5 Nomen’i Jehovah hery i Paoly, ka nahavita ny fanompoany na teo aza ny olana rehetra nahazo azy. Eritrereto ange ny zavatra vitany e! Nisy fotoana, ohatra, izy nigadra tao amina trano iray tany Roma, ary tsy afaka nivoaka. Nazoto nitory ny vaovao tsara tamin’ny lohandohan’ny Jiosy izy tamin’izay, ary angamba tamin’ny olona ambony tao amin’ny fitondrana. (Asa. 28:17; Fil. 4:21, 22) Nitory tamin’ny olona maro anisan’ny Mpiambina an’i Kaisara koa izy, sady nitory tamin’izay rehetra nitsidika azy. (Asa. 28:30, 31; Fil. 1:13) Nampiasa an’i Paoly koa i Jehovah nandritra an’io fotoana io, mba hanoratra taratasy hanampiana ny Kristianina tamin’ny androny. Mbola mahasoa antsika hatramin’izao ny taratasy nosoratany. Tsy izay ihany fa nanatanjaka ny finoan’ny mpiara-manompo tao amin’ny fiangonana tao Roma ny ohatra navelan’i Paoly, ka ‘vao mainka sahy nitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin-tahotra’ ry zareo. (Fil. 1:14) Nanao izay tsara indrindra vitany i Paoly, na dia tsy afaka nanompo araka izay tiany aza. ‘Vao mainka aza nampandroso ny vaovao tsara ny zavatra nanjo azy.’​—Fil. 1:12.

6. Araka ny 2 Korintianina 12:9, 10, inona no nahatonga an’i Paoly hahavita ny fanompoany?

6 Fantatr’i Paoly hoe tsy ny heriny no nahavitany ny fanompoana rehetra nataony, fa ny hery avy amin’Andriamanitra. Niaiky izy hoe ‘lavorary ny fiasan’ny herin’Andriamanitra teo aminy’ rehefa nalemy izy. (Vakio ny 2 Korintianina 12:9, 10.) Nomen’i Jehovah fanahy masina i Paoly, ka nahazo hery hanatanterahana tsara ny fanompoany na dia nenjehina sy nogadraina ary niatrika olana hafa aza.

Inona no nanampy an’i Timoty hahavita ny fanompoany? (Fehintsoratra 7) *

7. Inona no olana natrehin’i Timoty ka mety ho nanelingelina ny fanompoany?

7 Nila niantehitra tamin’ny herin’Andriamanitra koa i Timoty, ilay tanora naman’i Paoly, raha te hahavita ny fanompoany. Nanao dia misionera niaraka tamin’i Paoly izy. Mbola naniraka azy hanao dia hafa koa aza i Paoly, sady nandefa azy hitsidika sy hampahery fiangonana. (1 Kor. 4:17) Nahatsapa ho tsy mahay angamba i Timoty. Mety ho izany no nahatonga an’i Paoly hampirisika azy hoe: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao noho ny fahatanoranao.” (1 Tim. 4:12) Nanana tsilo tao amin’ny nofo koa izy satria ‘tsy salama matetika.’ (1 Tim. 5:23) Fantany anefa hoe hanome azy ny hery ilainy ny fanahy maherin’i Jehovah, amin’izay izy hahavita hitory ny vaovao tsara sy hanampy ny mpiara-manompo.​—2 Tim. 1:7.

OMEN’I JEHOVAH HERY ISIKA AMIN’IZAY MAHAVITA TSY MIVADIKA

8. Ahoana no ampaherezan’i Jehovah ny vahoakany amin’izao?

8 Omen’i Jehovah “hery fanampiny” ny vahoakany, amin’izay mahavita manompo azy foana sady tsy mivadika aminy. (2 Kor. 4:7) Misy fomba efatra ampaherezan’i Jehovah antsika sy anampiany antsika tsy hivadika. Inona avy izany? Ny vavaka, ny Baiboly, ny mpiara-manompo, ary ny fanompoana.

Mampahery antsika amin‘ny alalan‘ny vavaka i Jehovah (Fehintsoratra 9)

9. Nahoana ny vavaka no afaka manampy antsika?

9 Manome hery ny vavaka. Nampirisika antsika i Paoly ao amin’ny Efesianina 6:18 mba hivavaka amin’Andriamanitra, “na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona.” Hamaly ny vavaka ataontsika izy ka hampahery antsika. Nahatsapa an’izany i Jonnie, rahalahy any Bolivia. Nifanesy be ny olana nahazo azy. Samy narary ny vadiny sy ny ray aman-dreniny, dia tena sahirana nikarakara an-dry zareo izy. Maty ny mamany avy eo, ary ela be tatỳ aoriana vao sitrana ny vadiny sy ny dadany. Izao no nolazain’i Jonnie: “Rehefa tototry ny adin-tsaina aho tamin’ireny fotoana ireny, dia nanampy be ahy ny nanao vavaka voafaritra tsara.” Nomen’i Jehovah ny hery nilainy i Jonnie ka nahavita niaritra. Nanampy an’i Ronald koa ny vavaka. Anti-panahy any Bolivia izy. Nolazain’ny dokotera tamin-dry zareo hoe voan’ny kansera ny mamany, dia maty iray volana tatỳ aoriana. Inona no nanampy an’i Ronald mba hiatrika an’izany? Izao no nolazainy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aho, dia naborako taminy daholo ny tao am-poko. Fantatro hoe mahafantatra tsara ahy noho ny olon-kafa izy, ary izy aza mbola mahafantatra tsara ahy noho izaho.” Efa mila tsy ho zaka ny olana mahazo antsika indraindray, na tsy hitantsika hoe inona no horesahina amin’ny vavaka. Ampirisihin’i Jehovah hivavaka aminy anefa isika, na dia sarotra amintsika aza ny mahita teny hilazana ny any am-pontsika sy any an-tsaintsika.​—Rom. 8:26, 27.

Mampahery antsika amin‘ny alalan‘ny Baiboly i Jehovah (Fehintsoratra 10)

10. Araka ny Hebreo 4:12, nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly sy misaintsaina an’izay vakintsika?

10 Mampahery ny Baiboly. Namaky ny Soratra Masina i Paoly mba hahazoana hery sy fampiononana. Afaka manao hoatr’izany koa isika. (Rom. 15:4) Afaka manome ny fanahiny masina i Jehovah rehefa mamaky ny Teniny sy misaintsaina azy io isika. Ho hitantsika amin’izay hoe inona no ifandraisan’ny zavatra voalaza ao sy izay mahazo antsika. (Vakio ny Hebreo 4:12.) Izao no nolazain’i Ronald, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tena faly aho hoe niezaka ho zatra mamaky Baiboly isan-kariva. Nisaintsaina lalina momba ny toetran’i Jehovah sy ny fomba anehoany fitiavana ny mpanompony aho. Nanampy ahy izany mba hahazo hery indray.”

11. Inona no mampiseho fa nampahery ny anabavy iray maty vady ny Baiboly?

11 Inona no ho vokany raha misaintsaina ny Tenin’Andriamanitra isika? Hanampy antsika hanana toe-tsaina tsara izany rehefa manana olana isika. Nanampy ny anabavy iray maty vady, ohatra, ny Baiboly. Nampirisika azy hamaky ny bokin’i Joba ny anti-panahy iray, satria misy lesona afaka manampy azy ao. Tonga dia nanakiana an’i Joba ilay anabavy tamin’ny voalohany, rehefa hitany hoe tsy nanana toe-tsaina tsara izy. Rehefa nisaintsaina izy dia nieritreritra hoe: “Aza mifantoka loatra amin’ny olana mahazo anao ry Joba a! “ Tonga saina anefa izy avy eo hoe hay mitovy be ny toe-tsain’izy sy Joba. Nanampy azy izany mba tsy hifantoka loatra tamin’ny olana nanjo azy, fa hifantoka amin’i Jehovah sy ny fampanantenany. Vokatr’izany, dia nahazo hery izy mba hahazakana ny fahafatesan’ny vadiny.

Mampahery antsika amin‘ny alalan‘ny mpiara-manompo i Jehovah (Fehintsoratra 12)

12. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny mpiara-manompo mba hampaherezana antsika?

12 Mampahery antsika ny mpiara-manompo. Mampiasa mpiara-manompo koa i Jehovah mba hanomezana hery antsika. Nanoratra i Paoly hoe efa tsy andriny izay hihaonana amin’ny mpiara-manompo mba hisy “fifampaherezana” eo amin-dry zareo. (Rom. 1:11, 12) Tena tia miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy koa i Mary, ilay voaresaka teo aloha. Izao no nolazainy: “Nampiasa ny ranadahy sy ny rahavavy i Jehovah mba hanampiana ahy, nefa tsy fantatr’izy ireo akory ny olana nahazo ahy. Nilaza zavatra nampahery ry zareo na nandefa karta kely, ary izay mihitsy no nilaiko! Nanampy be ahy koa ny namboraka ny tao am-poko tamin’ny rahavavy efa niatrika olana hoatran’ny ahy, sy ny nianatra avy tamin’ny zavatra nataon-dry zareo. Ny anti-panahy indray miezaka foana manampy ahy hahatsapa hoe tian’ny fiangonana aho.”

13. Inona no azontsika atao mba hifampaherezana rehefa any am-pivoriana?

13 Anisan’ny fotoana tsara indrindra ahafahana mifampahery ny fivoriana. Maninona àry raha miezaka mampahery ny hafa rehefa tonga any? Afaka milaza amin-dry zareo, ohatra, ianao hoe tianao izy ary ankasitrahanao izay ataony. Nanao an’izany ny anti-panahy antsoina hoe Peter. Niresaka tamin’ny anabavy iray manambady tsy Vavolombelona izy indray mandeha, talohan’ny fivoriana. Niteny taminy izy hoe: “Tena mampahery be mihitsy ny mahita anao atỳ am-pivoriana. Ampiakanjoanao tsara foana ny zanakao enina rehefa mivory, sady ampianao ry zareo mba ho vonona hanome valin-teny.” Tena faly ilay anabavy naheno an’izany dia nanganohano ary niteny hoe: “Izay teninao izay mihitsy no nilaiko androany!”

Mampahery antsika amin‘ny alalan‘ny fanompoana i Jehovah (Fehintsoratra 14)

14. Nahoana no manampy antsika ny fanompoana?

14 Mampahery ny fanompoana. Rehefa miresaka ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly isika, dia lasa velombelona sy mahazo hery na mandray tsara ny olona na tsia. (Ohab. 11:25) Nahatsapa an’izany ny anabavy atao hoe Stacy. Nalahelo be izy rehefa nisy mpianakaviny voaroaka. Nieritreritra foana izy hoe: ‘Sao dia mba nisy zavatra hafa azoko nanampiana azy àry?’ Tsy afaka tao an-tsainy izany! Inona no nanampy azy hiaritra an’izany olana mahakivy izany? Ny fanompoana! Rehefa nitory izy, dia lasa nifantoka tamin’ny olona tao amin’ny faritany. Nila ny fanampiany mantsy ry zareo. Izao no nolazain’i Stacy: “Nomen’i Jehovah fampianarana Baiboly nandroso haingana aho tamin’ireny fotoana ireny. Nampahery be ahy izany! Ny fanompoana no tena manampy ahy hitraka.”

15. Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Mary?

15 Misy mpiara-manompo mieritreritra hoe tsy dia afaka ny hahavita firy amin’ny fanompoana izy, noho ny toe-javatra misy azy. Izany koa ve no tsapanao? Tadidio fa faly i Jehovah rehefa manao izay tsara indrindra vitanao ianao. Eritrereto indray i Mary. Lasa nahatsiaro ho tsy dia nahavita na inona na inona izy, rehefa nifindra tany amin’ny faritany mampiasa teny vahiny. Izao no noteneniny: “Namaky andinin-teny fotsiny no mba azoko natao tamin’ny voalohany rehefa nanompo, na nanome taratasy mivalona, na nilaza zavatra tsotra kely.” Nahatsiaro ho tsy nahay izy raha oharina amin’ny olona nahay tsara an’ilay fiteny. Nanova ny fomba fiheviny anefa izy. Tonga saina izy hoe afaka mampiasa azy i Jehovah, na dia tsy mahay tsara an’ilay fiteny aza izy. Izao no nolazainy: “Tsotra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, ary izany no manova ny fiainan’ny olona fa tsy ny fahaizantsika.”

16. Ahoana raha tsy afaka mivoaka ny trano ny olona iray nefa te hitory?

16 Hitan’i Jehovah ary ankasitrahany ny faniriantsika hitory, na dia tsy afaka mivoaka ny trano aza isika. Afaka manampy antsika izy mba hitory amin’ny olona mikarakara antsika, na amin’ny dokotera sy ny mpitsabo mpanampy. Mety ho kivy isika raha ampitahaintsika amin’izay nataontsika taloha ny fanompoana vitantsika amin’izao. Hahazo hery kosa isika rehefa mifantoka amin’ny fomba anampian’i Jehovah antsika. Hahavita hiaritra an’izay olana mahazo antsika isika amin’izay sady ho faly foana.

17. Araka ny Mpitoriteny 11:6, nahoana isika no tokony hitory foana, na dia hoatran’ny hoe tsy tonga dia misy vokany aza izany?

17 Tsy fantatsika hoe iza amin’ireo voan’ny fahamarinana nafafintsika no hamaka tsara sy haniry. (Vakio ny Mpitoriteny 11:6.) Mitory tsy tapaka an-telefaonina sy an-taratasy i Barbara, anabavy 80 taona eo ho eo. Nampiarahiny tamin’ny taratasy iray Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 2014. Misy an’izao lahatsoratra izao ao amin’ilay izy: “Nahavita Be Taminao Andriamanitra.” Tsy nampoiziny fa hay mpivady voaroaka no nandray an’ilay taratasy. Namaky imbetsaka an’ilay gazety izy mivady. Tsapan’ilay lehilahy fa hoatran’ny hoe i Jehovah mihitsy no niresaka taminy. Nanomboka nivory izy mivady, dia lasa nanompo an’i Jehovah indray, 27 taona mahery taorian’ny naha voaroaka azy. Azo antoka fa nampahery be an’i Barbara ny nahita hoe taratasy iray fotsiny dia nisy vokany tsara be hoatr’izany.

Inona avy ny fomba ampaherezan’i Jehovah antsika? 1) Ny vavaka, 2) ny Baiboly, 3) ny mpiara-manompo, ary 4) ny fanompoana (Fehintsoratra 9-10, 12, 14)

18. Inona no azontsika atao raha te hahazo hery avy amin’Andriamanitra isika?

18 Betsaka ny fanampiana omen’i Jehovah antsika mba hahazoantsika hery be dia be avy aminy. Anisan’izany ny vavaka, ny Baiboly, ny mpiara-manompo, ary ny fanompoana. Hararaoty tsara àry ireo fanampiany ireo! Hasehonao amin’izany fa matoky ianao hoe mahavita manampy anao i Jehovah. Ho hita amin’izany koa fa resy lahatra ianao hoe tena te hanampy anao izy. Tokony hiantehitra amin’ilay Raintsika any an-danitra foana àry isika! Tena tiany ny ‘maneho ny heriny hamonjena an’izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.’​—2 Tan. 16:9.

HIRA 61 Mandrosoa, ry Vavolombelona!

^ feh. 5 Tsy mora ny fiainana amin’izao. Omen’i Jehovah hery anefa isika mba hiaretana an’izany. Nahavita nanompo an’i Jehovah foana ny apostoly Paoly sy Timoty na dia nanana olana aza. Ho hitantsika ato hoe ahoana no nanampian’i Jehovah an-dry zareo. Horesahintsika koa hoe misy fomba efatra anampian’i Jehovah antsika mba hahafahantsika hanompo azy foana.

^ feh. 2 Novana ny anarana.

^ feh. 53 SARY: Migadra ao amin’ny trano iray any Roma i Paoly. Manoratra taratasy ho an’ny fiangonana maromaro izy, ary mitory ny vaovao tsara amin’ny olona tonga mitsidika azy.

^ feh. 55 SARY: Mitsidika fiangonana i Timoty, dia mampahery ny mpiara-manompo.