LAHATSORATRA FIANARANA 18

Ho Tafintohina ve Ianao ka Tsy Hanara-dia An’i Jesosy?

Ho Tafintohina ve Ianao ka Tsy Hanara-dia An’i Jesosy?

“Sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko.”​—MAT. 11:6.

HIRA 54 “Ity no Lalana”

HO HITANAO ATO *

1. Inona no mety ho nahagaga anao tamin’ianao nanandrana niresaka ny fahamarinana?

TADIDINAO ve tamin’ianao vao nahita ny fahamarinana? Nazava be taminao ny fampianaran’ny Baiboly, dia nieritreritra angamba ianao hoe: ‘Iza no tsy hanaiky an’izany?’ Resy lahatra ianao hoe ho sambatra kokoa ny olona raha mahafantatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly sady hanana fanantenana tsara be. (Sal. 119:105) Dia iny ianao fa nafana fo erỳ nizara an’ilay izy tamin’ny namanao sy ny havanao rehetra. Gaga anefa ianao satria zara raha nisy nihaino anao!

2-3. Ahoana no fiheveran’ny ankamaroan’ny olona an’i Jesosy sy ny hafatra notoriny?

2 Tsy tokony ho gaga isika raha tsy manaiky ny hafatra torintsika ny olona. Nanao fahagagana i Jesosy mba hanaporofoana hoe nanampy azy Andriamanitra. Na izany aza, dia tsy nihaino azy ny ankamaroan’ny olona. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty, ohatra, izy ary na ny olona nanohitra azy aza tsy afaka nanda hoe nitranga izany. Mbola tsy nanaiky ihany anefa ny mpitondra jiosy hoe i Jesosy no Mesia. Vao mainka aza ry zareo te hamono azy sy Lazarosy.​—Jaona 11:47, 48, 53; 12:9-11.

3 Fantatr’i Jesosy fa tsy hanaiky ny ankamaroan’ny olona hoe izy no Mesia. (Jaona 5:39-44) Izao no nolazainy tamin’ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa: “Sambatra izay tsy tafintohina * noho ny amiko.” (Mat. 11:2, 3, 6) Fa maninona no be dia be hoatr’izany no tsy nino an’i Jesosy?

4. Inona no hodinihintsika ato?

4 Misy antony maromaro nahatonga ny olona tamin’ny andron’i Jesosy tsy hino azy. Handinika an’izany isika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka. Hojerentsika koa hoe fa maninona no be dia be no tsy mihaino ny hafatra torintsika. Tsy izay ihany fa hianarantsika hoe inona no hanampy antsika hino an’i Jesosy ka tsy ho tafintohina.

1) NY FIAVIAN’I JESOSY

Betsaka no tafintohina noho ny fiavian’i Jesosy. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 5) *

5. Fa maninona ny olona sasany no mety ho nieritreritra hoe tsy i Jesosy mihitsy ilay Mesia nampanantenaina?

5 Betsaka no tafintohina noho ny fiavian’i Jesosy. Niaiky ry zareo hoe tena nahay nampianatra izy sady nahavita fahagagana. Zanaka mpandrafitra mahantra fotsiny anefa izy tamin-dry zareo. Tanàna tsy dia nanao ahoana koa angamba no fiheveran’ny olona an’i Nazareta, ilay tanàna niaviany. Na i Natanaela aza nieritreritra hoatr’izany. Izao no nolazainy tamin’izy mbola tsy mpianatr’i Jesosy: “Mba misy zavatra tsara angaha moa avy any Nazareta?” (Jaona 1:46) Tsy hitany angamba izay nampiavaka an’ilay tanàna nipetrahan’i Jesosy. Na izy mety ho nieritreritra an’ilay faminaniana ao amin’ny Mika 5:2. Resahina ao hoe ho teraka any Betlehema ny Mesia fa tsy any Nazareta.

6. Inona no tokony ho nanampy ny olona hahafantatra hoe i Jesosy no Mesia?

6 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Nampahafantatra tsipiriany be dia be momba ny ‘taranaka hipoiran’ny’ Mesia ny faminaniana. Nilaza anefa i Isaia mpaminany fa tsy mba naka fotoana ‘handinihana’ an’ireny ny fahavalon’i Jesosy. (Isaia 53:8) Raha nanao an’izany ry zareo, dia ho hitany hoe tany Betlehema i Jesosy no teraka ary taranak’i Davida Mpanjaka izy. (Lioka 2:4-7) Midika izany fa nifanaraka tsara tamin’ny faminaniana ao amin’ny Mika 5:2 ny toerana nahaterahan’i Jesosy. Inona àry ny olan’ireo fahavalony ireo? Maika hanapa-kevitra ry zareo. Tsy fantany ny zava-nisy rehetra, dia izay no nahatonga an-dry zareo ho tafintohina.

7. Fa maninona no be dia be no mankahala ny mpanompon’i Jehovah?

7 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Tsy mpanankarena na olona ambony ny ankamaroan’ny mpanompon’i Jehovah, dia betsaka no mieritreritra hoe “tsy dia nahita fianarana” isika “sady olon-tsotra.” (Asa. 4:13) Misy mihevitra hoe tsy tokony hampianatra Baiboly isika satria tsy mba nianatra teolojia. Ny hafa indray milaza hoe fivavahana amerikanina ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa ny ankamaroantsika aza tsy mipetraka any Etazonia. Misy koa naheno tamin’olona hoe tsy mino an’i Jesosy ny Vavolombelon’i Jehovah. Nolazain’ny olona fa fivavahana mampisaraka fianakaviana sy sekta mampidi-doza isika, nandritra ny taona maro. Tafintohina ny olona dia tsy te ho lasa Vavolombelon’i Jehovah, rehefa maheno an’ireny. Tsy mahafantatra ny tena marina na tsy te hanaiky an’izany mantsy ry zareo.

8. Araka ny Asan’ny Apostoly 17:11, inona no tokony hatao mba hahafantarana hoe iza marina no vahoakan’Andriamanitra?

8 Inona no tokony hataon’ny olona iray mba tsy ho tafintohina? Mila mamantatra tsara an’izay tena marina izy. Izany no nataon’i Lioka, mpanoratra Filazantsara. Niezaka mafy izy ka ‘nofotorany tsara hatrany am-piandohana ny zava-drehetra sady nohamarininy.’ Tiany ho fantatry ny olona hamaky ny Filazantsarany mantsy hoe “azo antoka” ny zavatra henon-dry zareo momba an’i Jesosy. (Lioka 1:1-4) Nanao hoatran’i Lioka koa ny Jiosy tany Beria. Rehefa naheno ny vaovao tsara momba an’i Jesosy ry zareo, dia nandinika ny Soratra Hebreo mba hanamarinana hoe izay tokoa ve no voalaza ao. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:11.) Raha tsy te ho tafintohina àry ny olona iray, dia ilainy ny mikaroka hoe inona no tena marina. Tsy maintsy ampitahainy amin’izay voalazan’ny Soratra Masina ny zavatra ampianarin’ny Vavolombelon’i Jehovah azy. Mila mianatra ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Tsy hino an-jambany an’izay lazain’ny olona na hitsara an-tendrony izy raha manadihady tsara.

2) TSY NETY NANAO FAMANTARANA MAHAGAGA I JESOSY

Betsaka no tafintohina noho izy tsy nety nanao famantarana mahagaga. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 9-10) *

9. Inona no nitranga rehefa tsy nanaiky hampiseho famantarana avy any an-danitra i Jesosy?

9 Tena nahay nampianatra i Jesosy, nefa tsy afa-po tamin’izany ny olona sasany tamin’ny androny fa mbola nitady zavatra hafa. Nasain’izy ireo nampiseho “famantarana avy any an-danitra” i Jesosy mba hanaporofoana hoe izy no Mesia. (Mat. 16:1) Fa maninona? Diso angamba ny fahazoan-dry zareo ny Daniela 7:13, 14. Tsy tamin’izay fotoana izay anefa no nanatanterahan’i Jehovah an’io faminaniana io. Ny fampianaran’i Jesosy dia efa tokony ho ampy haharesy lahatra an-dry zareo hoe izy no Mesia. Tafintohina anefa ry zareo rehefa tsy nanaiky hanao an’ilay famantarana nangatahan-dry zareo izy.​—Mat. 16:4.

10. Ahoana no nanatanterahan’i Jesosy ny faminanian’i Isaia momba ny Mesia?

10 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Izao no nolazain’i Isaia mpaminany momba ny Mesia: “Tsy hiantsoantso izy na hampiaka-peo, ary tsy hataony re eny an-dalana ny feony.” (Isaia 42:1, 2) Nanetry tena i Jesosy rehefa nanao ny fanompoany, fa tsy nisarika ny sain’ny olona taminy. Tsy nanorina tempoly ngezabe izy na nanao akanjo mampiavaka ny mpitondra fivavahana. Tsy nasainy niantso azy tamin’ny anaram-pivavahana mipoapoaka be koa ny olona. Tsy nanaiky hanao famantarana mba hampifalifaliana an’i Heroda Mpanjaka izy tamin’izy notsaraina. (Lioka 23:8-11) Tsy nanao an’izany izy na dia notandindomin-doza aza ny ainy. Marina fa nanao fahagagana i Jesosy, fa ny fitoriana ny vaovao tsara no tena nifantohany. Nilaza tamin’ny mpianany izy hoe: “Izany no nahatongavako.”​—Mar. 1:38.

11. Inona no hevi-diso ananan’ny olona sasany amin’izao fotoana izao?

11 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Mahasarika olona maro ny katedraly ngezabe feno haingonkaingony lafo be. Mahafinaritra an-dry zareo koa ny hoe manana mpitondra fivavahana antsoina amin’ny anaram-boninahitra miavaka be. Tsy vitan’izany fa tena ankafizin-dry zareo ny fety sasany, nefa tsy hain’ny ankamaroan’ny olona na ny niavian’ilay izy na ny antony anaovana an’ilay izy. Inona anefa no mba ianaran-dry zareo momba an’Andriamanitra sy ny fikasany rehefa miangona? Zara raha misy! Tsy hoatr’izany kosa no tsapan’ny olona manatrika ny fivoriantsika. Ianarana any mantsy hoe inona no takin’i Jehovah amintsika ary ahoana no hanaovana ny sitrapony. Tsy mirenty be ny Efitrano Fanjakana ivoriantsika, nefa madio sy mety tsara amin’izay ampiasantsika azy. Tsy manao akanjo miavaka be koa ny mpiandraikitra eo anivon’ny fiangonana misy antsika, sady tsy antsoina amina anaram-boninahitra mipoapoaka be. Miorina amin’ny Tenin’Andriamanitra ny zavatra ampianarintsika sy inoantsika. Na izany aza, dia maro no tafintohina satria mieritreritra hoe tsotra loatra ny fomba anompoantsika an’Andriamanitra. Tsy mifanaraka amin’izay tian-dry zareo ho heno koa ny zavatra ampianarintsika.

12. Tokony hiorina amin’ny inona ny finoantsika, araka ny Hebreo 11:1, 6?

12 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? Izao no nolazain’ny apostoly Paoly tamin’ny Kristianina nipetraka tany Roma: “Ny finoana dia avy amin’izay re, ary izay re kosa dia avy amin’ny teny momba an’i Kristy.” (Rom. 10:17) Ny fianarana Baiboly àry no hanatanjaka ny finoantsika fa tsy ny fety tsy araka ny Soratra Masina, na dia hoatran’ny tsara be aza izy ireny. Tsy maintsy miezaka hanana finoana matanjaka isika, satria “raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin’Andriamanitra.” (Vakio ny Hebreo 11:1, 6.) Tokony hiorina amin’ny fahalalana marina tsara anefa ny finoana. Noho izany, dia tsy mila famantarana mahagaga avy any an-danitra isika mba ho resy lahatra hoe nahita ny fahamarinana. Raha mianatra tsara an’izay voalazan’ny Baiboly fotsiny isika, dia ho ampy haharesy lahatra antsika izany fa nahita ny marina isika. Hanampy antsika koa izany raha sendra misalasala isika.

3) BETSAKA NY FOMBAFOMBAN’NY JIOSY TSY NARAHIN’I JESOSY

Betsaka no tafintohina noho izy tsy nanaraka fombafomba. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 13) *

13. Inona no nahatonga ny olona maro handa an’i Jesosy?

13 Gaga be ny mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa, satria tsy nifady hanina ny mpianatr’i Jesosy. Nohazavain’i Jesosy hoe tsy misy antony tokony hifadian-dry zareo hanina satria izy mbola velona. (Mat. 9:14-17) Na izany aza, dia nanda an’i Jesosy ny Fariseo sy ny olon-kafa nanohitra azy noho izy tsy nanaraka ny fombafomban-dry zareo. Tezitra ry zareo rehefa nanasitrana olona tamin’ny andro Sabata i Jesosy. (Mar. 3:1-6; Jaona 9:16) Nirehareha erỳ ry zareo hoe nankatò ny lalàna momba ny Sabata. Tsy nampaninona an-dry zareo akory anefa ny namela ny olona hivarotra tao amin’ny tempoly. Ry zareo indray aza no tezitra rehefa nomelohin’i Jesosy. (Mat. 21:12, 13, 15) Tezitra tamin’i Jesosy koa ny olona nitoriany tao amin’ny synagogan’i Nazareta. Nampiasa ohatra avy tamin’ny tantaran’ny Israely mantsy izy mba hampisehoana hoe tia tena sy tsy nanam-pinoana izy ireo. (Lioka 4:16, 25-30) Tsy nampoizin’ny olona maro ny nataony dia tafintohina ry zareo.​—Mat. 11:16-19.

14. Nomelohin’i Jesosy ny fombafomba tsy nifanaraka tamin’ny Soratra Masina. Nahoana?

14 Inona no noresahin’ny Soratra Masina? Izao no nasain’i Jehovah nosoratan’i Isaia mpaminany: “Manatona ahy am-bava fotsiny ity vahoaka ity, ary manome voninahitra ahy an-tendro-molotra fotsiny, fa ny fony kosa ataony lavitra ahy, ary mianatra didin’olombelona izy ka izany no heveriny ho fahatahorana ahy.” (Isaia 29:13) Rariny raha nanameloka an’ireo fombafomba tsy nifanaraka tamin’ny Soratra Masina i Jesosy. Nanda an’i Jehovah sy ilay Mesia nirahiny izay olona nieritreritra hoe mbola zava-dehibe kokoa noho ny Soratra Masina ny fitsipika sy ny fombafomba nataon’ny olombelona.

15. Inona no tsy azoazon’ny olona maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

15 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Be dia be ny olona tezitra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, satria isika tsy miaraka manao fety amin-dry zareo rehefa tsy mifanaraka amin’ny Soratra Masina ilay izy. Anisan’izany ny aniversera sy ny Krismasy. Sosotra amintsika koa ny olona satria isika tsy mandray anjara amina fety mampiseho fitiavan-tanindrazana, ary tsy manao fombafomba fandevenana tsy mifanaraka amin’ny Baiboly. Tena mino ireny olona ireny hoe eken’Andriamanitra ny fomba anompoan-dry zareo azy. Tsy mampifaly azy anefa ry zareo, raha ny fombafomban’ity tontolo ity no tiany kokoa noho ny fampianarana mazava tsara ao amin’ny Baiboly.​—Mar. 7:7-9.

16. Inona no tsy maintsy ataontsika, ary inona no tsy tokony hataontsika? (Salamo 119:97, 113, 163-165)

16 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? Mila miezaka ho tena tia ny lalàn’i Jehovah sy ny toro lalany isika. (Vakio ny Salamo 119:97, 113, 163-165.) Tsy hanao fety na fombafomba tsy mampifaly an’i Jehovah isika raha tia azy. Tsy misy zavatra hafa tokony ho tiantsika kokoa noho i Jehovah.

4) TSY NANOVA NY FITONDRANA TAMIN’NY ANDRONY I JESOSY

Betsaka no tafintohina noho izy tsy nanao politika. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 17) *

17. Inona no nantenain’ny olona maro hoe hataon’ny Mesia?

17 Te hanova ny fitondrana ny olona sasany tamin’ny andron’i Jesosy. Nanantena ry zareo hoe hanafaka an-dry zareo amin’ny fitondran’ny Romanina ny Mesia. Nampijaly be an-dry zareo mantsy ny Romanina. Tsy nanaiky anefa i Jesosy rehefa notadiavin-dry zareo hatao mpanjaka. (Jaona 6:14, 15) Nisy olona sasany indray natahotra hoe ho lasa fahavalon-dry zareo ny Romanina, raha hanova ny fitondrana i Jesosy. Nieritreritra hoatr’izany ny mpisorona. Ny Romanina mantsy no nanome fahefana an-dry zareo. Betsaka ny Jiosy nanda an’i Jesosy noho ireo antony ara-politika ireo.

18. Inona ny faminaniana tsy noraharahian’ny olona maro?

18 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Marina fa betsaka ny faminaniana milaza hoe ho Mpiady mahery ny Mesia sady handresy amin’ny farany. Misy faminaniana hafa anefa milaza hoe tsy maintsy ho faty noho ny fahotantsika izy aloha. (Isaia 53:9, 12) Fa maninona àry ny Jiosy maro no diso hevitra momba ny Mesia? Satria nisy faminaniana nohamaivanin-dry zareo. Raha vao tsy nampanantena ny faminaniana iray hoe ho voavaha amin’ny andron-dry zareo ny olana mahazo azy, dia tsy noraharahiany.​—Jaona 6:26, 27.

19. Inona ny hevi-diso ananan’ny olona maro ka mahatonga an-dry zareo handa ny hafatra torintsika?

19 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Betsaka no tsy mandray ny hafatra torintsika satria isika tsy midikiditra amin’ny resaka politika. Manantena izy ireo hoe handray anjara amin’ny fifidianana isika. Fantatsika anefa fa mandà an’i Jehovah isika raha mifidy olombelona ho mpitondra antsika. (1 Sam. 8:4-7) Mieritreritra koa ny olona sasany hoe tokony hanao asa soa isika, dia hanorina sekoly sy hopitaly. Tezitra amintsika àry ny olona satria ny asa fitoriana no tena ifantohantsika, fa tsy izay hamahana ny olana eto amin’ity tontolo ity.

20. Inona no tokony hifantohantsika, raha jerena ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:21-23?

20 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? (Vakio ny Matio 7:21-23.) Ilay asa nasain’i Jesosy natao no tokony hifantohantsika. (Mat. 28:19, 20) Tsy tokony ho variana hitady hevitra hamahana ny olana eto amin’ity tontolo ity isika. Marina fa tia olona isika sady te hanampy an-dry zareo amin’ny zava-manahirana azy. Mampianatra ny olona momba ny Fanjakan’Andriamanitra anefa isika sady manampy an-dry zareo hinamana amin’i Jehovah. Fantatsika mantsy fa izay no fomba tsara indrindra hanampiana an-dry zareo.

21. Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

21 Niresaka antony efatra nahatonga ny olona taloha handa an’i Jesosy isika tato. Mety ho izany ihany no mahatonga ny olona tsy hanaiky hihaino ny hafatra torin’ny mpanara-dia an’i Jesosy amin’izao. Mila mitandrina koa isika mba tsy ho tafintohina noho ireo antony ireo. Mbola misy antony hafa mety hahatonga ny olona ho tafintohina anefa. Handinika efatra amin’izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny tsy ho tafintohina mihitsy, ary hiezaka hanana finoana matanjaka foana.

HIRA 56 Raiso Am-po ny Fahamarinana

^ feh. 5 I Jesosy no Mpampianatra nahay indrindra teto an-tany. Tsy nanaiky azy anefa ny ankamaroan’ny olona tamin’ny androny fa tafintohina. Fa maninona? Handinika antony efatra isika ato. Hojerentsika avy eo hoe fa maninona no be dia be ny olona tafintohina amin’ny zavatra lazain’ny mpanara-dia an’i Jesosy sy izay ataon’izy ireo. Hianarantsika koa hoe fa maninona isika no afaka mino an’i Jesosy ka tsy ho tafintohina. Tena hanampy an’izay efa miaraka amintsika nefa mbola misalasala ny ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

^ feh. 3 Misy zavatra sasany avelan’ny olona hisakana azy tsy ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. Izay no tiana holazaina amin’ny hoe “tafintohina”, ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka.

^ feh. 61 SARY: Nampirisika an’i Natanaela hanatona an’i Jesosy i Filipo.

^ feh. 63 SARY: Jesosy mitory ny vaovao tsara.

^ feh. 65 SARY: Manasitrana lehilahy maty tanana i Jesosy, dia mijery azy ny mpanohitra.

^ feh. 67 SARY: Mankany an-tendrombohitra i Jesosy fa te hitokana.