LAHATSORATRA FIANARANA 19

Tsy Misy Mahatafintohina ny Olo-marina

Tsy Misy Mahatafintohina ny Olo-marina

“Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao, ka tsy misy mahatafintohina azy.”—SAL. 119:165.

HIRA 122 Hatanjaho ny Finoanao!

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no nolazain’ny mpanoratra iray, ary inona no hodinihintsika ato?

AN-TAPITRISANY izao ny olona milaza hoe mino an’i Jesosy, nefa tsy mankatò ny zavatra nampianariny. (2 Tim. 4:3, 4) Izao no nolazain’ny mpanoratra iray: “Ahoana raha misy olona hoatran’i Jesosy amin’izao? Ahoana raha mitovy amin’ny zavatra nolazain’i Jesosy ihany no lazainy, ary mitovy koa ny fomba ilazany an’ilay izy? ... Handa azy ve isika hoatran’ny nataon’ny olona tamin’i Jesosy, 2 000 taona lasa izay? ... Eny ny valiny, raha jerena ny ataon’ny ankamaroan’ny olona.”

2 Be dia be no naheno an’i Jesosy nampianatra sy nanao fahagagana tamin’ny taonjato voalohany. Tsy nino azy anefa izy ireo satria tafintohina tamin’izay nolazainy sy nataony. Nahita antony efatra nahatonga an’izany isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, ary handinika antony efatra fanampiny isika ato. Ho hitantsika ato koa hoe fa maninona ny olona no tsy manaiky hihaino ny hafatra entin’ny mpanara-dia an’i Jesosy. Ho hitantsika koa hoe inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina.

1) TSY NANAVAKAVAKA I JESOSY

Betsaka no tafintohina rehefa nahita an’i Jesosy niaraka tamin’ny olona nolazaina hoe mpanota. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 3) *

3. Inona no nataon’i Jesosy ka nanafintohina ny olona sasany?

3 Niaraka tamin’ny karazan’olona rehetra i Jesosy tamin’izy tetỳ an-tany. Niara-nisakafo tamin’ny mpanankarena sy ny manam-pahefana, ohatra, izy. Nanokana fotoana betsaka hiarahana tamin’ny mahantra sy ny olona niharan’ny tsindry hazo lena koa anefa izy. Tsy vitan’izay fa nangoraka an’izay noheverin’ny ankamaroan’ny olona hoe “mpanota” izy. Tafintohina tamin’izany ny olona sasany nanambony tena. Nanontany ny mpianatr’i Jesosy ry zareo hoe: “Fa nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ny mpamory hetra sy ny mpanota?” Izao no navalin’i Jesosy: “Tsy ny salama no mila dokotera, fa ny marary. Ary tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota mba hibebaka.”—Lioka 5:29-32.

4. Inona no tokony ho efa nampoizin’ny Jiosy, raha ny tenin’i Isaia mpaminany no jerena?

4 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Efa ela be talohan’ny nahatongavan’ny Mesia i Isaia no naminany momba azy. Nilaza izy hoe hailikiliky ny olona ny Mesia. Hoy ny Isaia 53:3: “Natao tsinontsinona sy nihatakatahan’ny olona izy ... Nihodina izahay mba tsy hijery ny endriny. Natao tsinontsinona izy, ary nohamavoinay.” Voalaza eo hoe hihatakatahan’ny “olona” ny Mesia. Tokony ho efa nampoizin’ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany àry hoe hisy handa i Jesosy.

5. Ahoana no fahitan’ny olona maro ny mpanara-dia an’i Jesosy amin’izao?

5 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Olona hoatran’ny ahoana matetika no tian’ny mpitondra fivavahana hiangona ao aminy? Olona ambony sy manankarena ary heverin’ity tontolo ity ho hendry. Tsy mampaninona an-dry zareo na dia tsy mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra aza ny fomba fiaina sy ny fitondran-tenan’ireny olona ireny. Manambany ny mpanompon’i Jehovah kosa ireny mpitondra fivavahana ireny, satria isika heverin’ity tontolo ity hoe ambany na dia mazoto manompo an’Andriamanitra sy tsara fitondran-tena aza. Tena marina ny nolazain’i Paoly hoe olona “hamavoina” no nofidin’Andriamanitra. (1 Kor. 1:26-29) Sarobidy aminy anefa ny mpanompony tsy mivadika rehetra.

6. Inona no lazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 11:25, 26? Ahoana no hanahafantsika azy?

6 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? (Vakio ny Matio 11:25, 26.) Aza manahaka ny fihevitr’ity tontolo ity ny mpanompon’Andriamanitra. Ekeo hoe olona manetry tena ihany no ampiasain’i Jehovah hanao ny sitrapony. (Sal. 138:6) Eritrereto ny zavatra be dia be vitan’i Jehovah, nefa olona heverin’ity tontolo ity hoe tsy manam-pahaizana na tsy hendry no ampiasainy.

2) NAHARIHARIN’I JESOSY NY HEVI-DISON’IZY IREO

7. Fa maninona ny Fariseo no nolazain’i Jesosy hoe mpihatsaravelatsihy? Ary ahoana no nandraisan’izy ireo ny tenin’i Jesosy?

7 Sahy nanameloka ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny i Jesosy, satria ry zareo nihatsaravelatsihy. Izany, ohatra, no nataony tamin’ny Fariseo. Zava-dehibe kokoa tamin-dry zareo mantsy ny fomba fanasana tanana, toy izay ny fikarakarana ny ray aman-dreniny. (Mat. 15:1-11) Gaga angamba ny mpianatr’i Jesosy naheno azy nanameloka an’ireo mpitondra fivavahana ireo. Nanontany azy mihitsy ry zareo hoe: “Fantatrao ve fa tafintohina ny Fariseo nony nandre izay nolazainao?” Izao no navalin’i Jesosy: “Hongotana ny zavamaniry rehetra tsy nambolen’ny Raiko izay any an-danitra. Avelao izy, fa mpitarika jamba. Koa raha jamba no mitarika jamba, dia samy hianjera any an-kady izy ireo.” (Mat. 15:12-14) Tezitra tamin’i Jesosy ny mpitondra fivavahana, nefa tsy nahasakana azy tsy hilaza ny marina izany.

8. Ahoana no nampisehoan’i Jesosy hoe tsy izay rehetra inoan’ny olona dia ankasitrahan’Andriamanitra?

8 Nahariharin’i Jesosy koa hoe diso ny zavatra sasany nampianarin’ny mpitondra fivavahana. Tsy nilaza izy hoe izay rehetra inoan’ny olona dia eken’Andriamanitra. Nilaza kosa izy hoe ho be dia be ny olona handeha amin’ilay lalana malalaka mankany amin’ny fandringanana, fa vitsy no handeha amin’ilay lalana tery mankany amin’ny fiainana. (Mat. 7:13, 14) Nolazainy mazava tsara fa mody manompo an’Andriamanitra fotsiny ny olona sasany. Hoy izy: “Mitandrema amin’ny mpaminany sandoka tonga eo aminareo, fa mitafy hodi-janak’ondry izy ireny nefa ao anatiny ao amboadia mpiremby. Ny voa izay vokariny no hahafantaranareo tsara azy ireny.”​—Mat. 7:15-20.

Betsaka no tafintohina rehefa nahita an’i Jesosy nanameloka ny fampianaran-diso sy ny fanao tsy araka ny Soratra Masina. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 9) *

9. Inona ny fampianaran-diso sasany nahariharin’i Jesosy?

9 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Milaza ny faminaniana fa hafana fo ho an’ny tranon’i Jehovah ny Mesia. (Sal. 69:9; Jaona 2:14-17) Izany hafanam-po izany no nahatonga an’i Jesosy hampiharihary fa diso ny fampianaran’ny fivavahana sy ny fombafomban-dry zareo. Nino, ohatra, ny Fariseo fa tsy mety maty ny fanahy. I Jesosy anefa nampianatra hoe hoatran’ny matory ny maty. (Jaona 11:11) Ny Sadoseo indray tsy nanaiky hoe misy ny fitsanganana amin’ny maty, nefa i Jesosy nanangana an’i Lazarosy namany tamin’ny maty. (Jaona 11:43, 44; Asa. 23:8) Ny Fariseo koa nieritreritra fa efa voalahatr’Andriamanitra ny fiainan’ny olona. I Jesosy anefa nampianatra hoe afaka misafidy ny olona na hanompo an’Andriamanitra na tsia.​—Mat. 11:28.

10. Fa maninona ny olona maro no tafintohina amin’ny zavatra ampianarintsika?

10 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Betsaka ny olona tezitra amintsika satria isika mampiasa Baiboly mba hampisehoana hoe diso ny zavatra sasany ampianarin’ny fivavahana. Mampianatra, ohatra, ny mpitondra fivavahana hoe sazin’Andriamanitra any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Amin’izay mantsy matahotra ny mpiangona dia mankatò an-dry zareo. Ny vahoakan’i Jehovah kosa manampy ny olona hahazo hoe diso io fampianarana io. Fantatr’izy ireo mantsy fa Andriamanitra be fitiavana i Jehovah. Mampianatra koa ny mpitondra fivavahana hoe tsy mety maty ny fanahy. Raha marina anefa izany, dia tsy ilaina ny fitsanganana amin’ny maty. Asehontsika àry hoe tsy mifanaraka amin’ny Baiboly izany fa avy amin’ny mpanompo sampy. Asehontsika koa fa afaka misafidy ny olona na hanompo an’Andriamanitra na tsia, na dia mampianatra aza ny fivavahana maro hoe efa voalahatra ny zava-drehetra. Matetika no tezitra be ny mpitondra fivavahana rehefa asehontsika hoe mampianatra zavatra diso ry zareo!

11. Araka ny Jaona 8:45-47, inona no tian’i Jehovah hataon’ny mpanompony?

11 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? Raha tia ny fahamarinana isika, dia tsy maintsy manaiky izay lazain’Andriamanitra. (Vakio ny Jaona 8:45-47.) Mifikitra amin’ny marina isika fa tsy manao hoatran’i Satana Devoly. (Jaona 8:44) Tsy mampandefitra an’izay inoantsika mihitsy isika. Tian’Andriamanitra ‘hankahala ny ratsy’ sy ‘hifikitra amin’ny tsara’ ny mpanompony, hoatran’ny nataon’i Jesosy.​—Rom. 12:9; Heb. 1:9.

3) NENJEHINA I JESOSY

Betsaka no tafintohina rehefa nahita an’i Jesosy novonoina teo amin’ny hazo fijaliana. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 12) *

12. Fa maninona ny fomba nahafatesan’i Jesosy no nanafintohina Jiosy maro?

12 Inona koa no nanafintohina ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy? Nilaza i Paoly hoe: “Isika ... mitory an’i Kristy voafantsika tamin’ny hazo fijaliana. Amin’ny Jiosy izany dia zavatra mahatafintohina.” (1 Kor. 1:23) Fa maninona no nanafintohina Jiosy maro ny fomba nahafatesan’i Jesosy? Nieritreritra ry zareo hoe mpanao heloka bevava sy mpanota i Jesosy matoa nahantona teo amin’ny hazo fijaliana. Tsy nino àry ry zareo hoe izy no Mesia.​—Deot. 21:22, 23.

13. Inona no tsy neken’ny olona tafintohina tamin’i Jesosy?

13 Tsy nanaiky ny Jiosy tafintohina tamin’i Jesosy hoe tsy nanan-tsiny izy, hoe diso ny fiampangana azy, ary niharan’ny tsy rariny izy. Nanao tsinontsinona ny rariny ny olona nitsara an’i Jesosy. Novorina maimaika fotsiny ny Fitsarana Avo Jiosy tamin’izay, ary tsy nanaraka ny lalàna momba ny fitsarana ry zareo. (Lioka 22:54; Jaona 18:24) Tokony ho nohenoin-dry zareo tamin’ny saina tsy miangatra ny fiampangana an’i Jesosy sy ny porofo nentin’ny olona hanamelohana azy. Tsy nanao an’izany anefa ry zareo, fa ry zareo indray aza no nitady olona ‘ho afaka hiampanga azy mba hamonoana azy ho faty.’ Tsy nahomby ilay tetika, dia nataon’ny mpisoronabe izay hahatonga an’i Jesosy hilaza zavatra diso mba hanamelohana azy. Nifanipaka tanteraka tamin’ny lalàna izany. (Mat. 26:59; Mar. 14:55-64) Mbola nanao zavatra ratsy be koa ireo mpitsara tsy marina ireo rehefa natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Nokaramain-dry zareo “farantsa volafotsy be dia be” ny miaramila romanina niambina an’ilay fasana, mba hilaza hoe nangalarin’ny mpianatr’i Jesosy ny fatiny.​—Mat. 28:11-15.

14. Inona no efa nolazain’ny Soratra Masina momba ny fahafatesan’ny Mesia?

14 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Tsy nieritreritra ny Jiosy maro tamin’ny andron’i Jesosy hoe tsy maintsy ho faty ny Mesia. Mariho anefa izay nolazain’ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina: ‘Nanolotra ny ainy ho amin’ny fahafatesana izy, ary natao ho anisan’ny mpandika lalàna. Nitondra ny fahotan’ny maro koa izy, ary mpanelanelana eo amin’ireo mpandika lalàna.’ (Isaia 53:12) Tsy tokony ho tafintohina àry ny Jiosy rehefa novonoina hoatran’ny mpanota i Jesosy.

15. Inona no niampangana ny Vavolombelon’i Jehovah ka nahatonga ny olona sasany ho tafintohina?

15 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Izany mihitsy! Ampangaina sy melohina tsy ara-drariny ny Vavolombelon’i Jehovah, hoatran’ny natao tamin’i Jesosy ihany. Be dia be, ohatra, ny raharaham-pitsarana nalamina tany Etazonia mba hiarovana ny zontsika hanompo an’Andriamanitra teo anelanelan’ny 1930 sy 1950. Tsy menatra mihitsy ny mpitsara sasany fa nitsara an-tendrony antsika. Niray tsikombakomba mba hampitsaharana ny asantsika koa ny Eglizy sy ny Fanjakana tany Québec, any Kanada. Maro ny mpitory nogadraina satria fotsiny hoe niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy izay ihany fa nanenjika antsika ny fitondrana nazia tany Alemaina. Be dia be ny rahalahy tanora tsy nivadika novonoin’io fitondrana tsy matahotra an’Andriamanitra io. Betsaka koa ny mpiara-manompo amintsika voaheloka sy nogadraina any Rosia, tao anatin’ireo taona vitsivitsy lasa. Niresaka momba ny Baiboly mantsy ry zareo, nefa lazain’ny manam-pahefana hoe mampidi-doza izany. Na Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao amin’ny teny rosianina aza voarara. Mampidi-doza, hono, izy io satria misy ny anaran’i Jehovah.

16. Nahoana isika no tsy tokony ho voafitaka rehefa maheno lainga momba ny vahoakan’i Jehovah, raha jerena ny 1 Jaona 4:1?

16 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? Fantaro izay tena marina. Efa nampitandrina ny mpihaino azy i Jesosy tamin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra. Nilaza izy hoe hisy olona ‘hamorona lainga ka hilaza fa nanao izao zava-dratsy rehetra izao’ ny mpianany. (Mat. 5:11) Avy amin’i Satana ireny lainga ireny. Ataony izay hahatonga ny mpanohitra hanaparitaka lainga momba ny olona tia ny fahamarinana. (Apok. 12:9, 10) Tsy tokony hino an’ireny isika. Tsy tokony havelantsika hampahatahotra antsika na hampihena ny finoantsika ireny lainga ireny.​—Vakio ny 1 Jaona 4:1.

4) NISY NAMADIKA I JESOSY ARY NANDAO AZY NY MPIANANY

Betsaka no tafintohina rehefa nahita an’i Jesosy nivadihan’i Jodasy. Mety hitranga amin’ny olona sasany amin’izao koa ve izany? (Fehintsoratra 17-18) *

17. Nahoana no mety ho nanafintohina ny zava-nitranga talohan’ny hahafatesan’i Jesosy?

17 Namadika an’i Jesosy ny iray tamin’ny apostoliny 12, taloha kelin’ny hahafatesany. Nanda azy intelo koa ny apostoliny anankiray. Nandao azy daholo aza izy rehetra ny alina talohan’ny hahafatesany. (Mat. 26:14-16, 47, 56, 75) Tsy nahagaga an’i Jesosy anefa izany. Efa niteny mantsy izy hoe izany no hitranga. (Jaona 6:64; 13:21, 26, 38; 16:32) Mety ho tafintohina ny olona sasany rehefa nahita an’izany. Mety ho nieritreritra ry zareo hoe: ‘Ny apostoly aza nanao hoatr’izany, dia izaho ve mbola hanara-dia an’i Jesosy ihany?’

18. Inona ny faminaniana tanteraka taloha kelin’ny hahafatesan’i Jesosy?

18 Inona no resahin’ny Soratra Masina? Efa an-jatony taona mialoha i Jehovah no nilaza hoe hisy hamadika amin’ny farantsa volafotsy 30 ny Mesia. (Zak. 11:12, 13) Naman’i Jesosy akaiky ilay hamadika azy. (Sal. 41:9) Nanoratra koa i Zakaria mpaminany hoe: “Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny andian’ondry.” (Zak. 13:7) Raha tso-po ny olona iray, dia tsy tokony ho tafintohina hoe tanteraka tamin’i Jesosy ireo faminaniana ireo. Vao mainka aza tokony ho nanatanjaka ny finoany izany.

19. Inona no fantatry ny olona tso-po?

19 Misy olana hoatr’izany koa ve amin’izao? Ie. Misy Vavolombelon’i Jehovah vitsivitsy be mpahalala niala tamin’ny fahamarinana, dia lasa mpivadi-pinoana. Niezaka nitarika ny hafa koa ry zareo. Milaza zavatra ratsy momba antsika ry zareo, na manamboamboatra ny tena marina, na mandainga an-kitsirano. Aparitak’izy ireo any amin’ny gazety, radio, tele, ary Internet izany. Tsy tafintohina amin’izany anefa ny olona tso-po. Fantany mantsy fa efa nilaza ny Baiboly hoe izany no hitranga.​—Mat. 24:24; 2 Pet. 2:18-22.

20. Inona no tokony hataontsika mba tsy ho voatariky ny olona efa niala tamin’ny fahamarinana? (2 Timoty 4:4, 5)

20 Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? Tokony hiezaka hanana finoana matanjaka foana isika. Mila mianatra tsy tapaka, ohatra, isika, mivavaka matetika, ary be atao foana amin’ny asa ampanaovin’i Jehovah antsika. (Vakio ny 2 Timoty 4:4, 5.) Raha manam-pinoana isika, dia tsy hatahotra rehefa maheno tatitra ratsy momba ny Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 28:16) Tsy ho voatariky ny olona efa niala tamin’ny fahamarinana isika, raha tia an’i Jehovah sy ny Teniny ary ny mpiara-manompo.

21. Inona no toky ananantsika na dia mandà ny hafatra torintsika aza ny ankamaroan’ny olona?

21 Be dia be no tafintohina tamin’ny taonjato voalohany, dia nanda an’i Jesosy. Betsaka koa anefa no nanara-dia azy. Mpikambana iray tao amin’ny Fitsarana Avo Jiosy, fara fahakeliny, no nanaiky azy. Nisy “mpisorona maro be” koa aza lasa nino azy. (Asa. 6:7; Mat. 27:57-60; Mar. 15:43) Olona an-tapitrisany koa amin’izao no tsy tafintohina. Fa maninona? Satria mahafantatra ny marina ao amin’ny Soratra Masina ry zareo sady tia an’izany. Izao no lazain’ny Tenin’Andriamanitra: “Ho be ny fiadanan’ireo tia ny lalànao, ka tsy misy mahatafintohina azy.”​—Sal. 119:165.

HIRA 124 Aza Mivadika Mihitsy!

^ feh. 5 Nahita antony efatra nahatonga ny olona handa an’i Jesosy isika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha. Ireo antony ireo koa no mahatonga ny olona tsy hihaino ny mpanara-dia azy amin’izao andro izao. Handinika antony efatra fanampiny isika ato. Ho hitantsika koa hoe nahoana ny olona tia an’i Jehovah no tsy hamela na inona na inona hanakana azy tsy hanompo an’i Jehovah.

^ feh. 60 SARY: Jesosy miara-misakafo amin’ny mpamory hetra sy Matio.

^ feh. 62 SARY: Jesosy mandroaka ny mpivarotra ao amin’ny tempoly.

^ feh. 64 SARY: Jesosy asaina mitondra ny hazo fijaliany.

^ feh. 66 SARY: Jodasy manoroka an’i Jesosy mba hamadihana azy.