LAHATSORATRA FIANARANA 21

HIRA 107 Tahafo ny Fitiavan’Andriamanitra

Ahoana no Atao Raha Te Hitady Vady?

Ahoana no Atao Raha Te Hitady Vady?

“Iza no nahita vady tsara? Sarobidy lavitra noho ny haran-dranomasina izany vehivavy izany.”​—OHAB. 31:10.

HEVITRA HODINIHINA

Handinika torolalan’ny Baiboly hanampy ny olona iray hahita vady mety aminy isika ato. Horesahintsika koa hoe inona no azon’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana ny mpitovo te hanambady.

1-2. a) Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina mpitovo alohan’ny hiarahany amin’olona? b) Inona no dikan’ilay hoe “miaraka” amin’olona? (Jereo ilay “Fanazavana.”)

 TE HANAMBADY ve ianao? Marina hoe tsy voatery manambady vao sambatra. Betsaka anefa ny Kristianina mpitovo, na antitra na tanora, no maniry mafy hanana olon-tiana. Mazava ho azy fa tokony ho efa vonona ho amin’ny fanambadiana ianao, izay vao manomboka miaraka amin’olona. Inona no dikan’izany? Tokony ho efa minamana be amin’i Jehovah sy ho mato-tsaina ianao ary hahavita hamelona ny ankohonanao. a (1 Kor. 7:36) Azo inoana kokoa mantsy hoe hanana tokantrano sambatra ianao amin’izay.

2 Tsy mora foana anefa ilay hoe mahita vady mety aminao. (Ohab. 31:10) Sady na atao aza hoe misy olona tianao ho fantatra bebe kokoa, dia mbola tantara hafa mihitsy ilay hoe hanomboka hiaraka aminy. b Inona àry no hanampy ny Kristianina mpitovo hahita olona mety ho azony alaina ho vady? Ahoana no hatao raha te hanomboka hiaraka aminy? Inona no azon’ny olon-kafa ao amin’ny fiangonana atao mba hanampiana an’izay te hanambady? Hodinihintsika ato ireo.

AHOANA NO HAHITANAO VADY METY AMINAO?

3. Inona no tokony hodinihin’ny Kristianina mpitovo rehefa mitady vady?

3 Andao hatao hoe te hanambady ianao. Alohan’ny hiarahanao amin’olona anefa, dia tsara raha fantarinao hoe inona no toetra tianao hananan’izay ho vadinao. c Raha tsy izany mantsy, dia mety hisy olona mety ho azonao alaina ho vady nefa tsy tsikaritrao akory, na ianao mbola manohy miaraka amin’olona efa hita hoe tsy mifanentana aminao. Mazava ho azy fa tokony ho Kristianina vita batisa ny olona eritreretinao halaina ho vady. (1 Kor. 7:39) Tsy hoe izay vita batisa rehetra anefa dia afaka ny ho vady tsara ho anao daholo. Eritrereto àry izao: ‘Inona avy ny tanjoko eo amin’ny fiainana? Inona avy ny toetra hitako hoe tena ilain’izay ho vadiko? Tsy mitaky be loatra ve aho amin’izany?’

4. Inona no resahin’ny olona sasany amin’ny vavaka?

4 Raha te hahazo vady ianao, dia azo antoka fa efa nivavaka momba an’izany. (Fil. 4:6) I Jehovah aloha tsy mampanantena an’iza na iza hoe hanome vady ho azy. Manome an’izay ilainao anefa izy sady mitsinjo ny fihetseham-ponao, ary afaka manampy anao hahita vady. Resaho aminy foana àry ny fanirianao sy ny fihetseham-ponao. (Sal. 62:8) Mivavaha mba hanam-paharetana sy ho hendry. (Jak. 1:5) Nohazavain’i John, d rahalahy mpitovo avy any Etazonia, hoe inona no resahiny rehefa mivavaka. Hoy izy: “Resahiko amin’i Jehovah izay toetra tiako hananan’ilay ho andefimandriko. Mivavaka koa aho mba hahita hirika hihaonana amin’ny olona mety ho vadiko. Tsy izay ihany, fa mangataka amin’i Jehovah aho mba hampiany hanana ny toetra ilaina ho lasa vady tsara.” Izao koa no nolazain’i Tanya, anabavy avy any Sri Lanka: “Sady mitady an’ilay olona mety ho lasa vadiko aho, no mangataka amin’i Jehovah mba hampiany tsy hivadika sy ho be fanantenana ary ho faly foana.” Na dia tsy tonga dia mahita olona mahaliana aza ianao izao, dia mampanantena i Jehovah hoe hanome an’izay ilainao foana izy, ary hitsinjo ny fihetseham-ponao.​—Sal. 55:22.

5. Ahoana no mety hahitan’ny Kristianina mpitovo olona tia an’i Jehovah? (1 Korintianina 15:58) (Jereo koa ny sary.)

5 Ampirisihin’ny Baiboly isika mba ho ‘be atao amin’ny asan’ny Tompo.’ (Vakio ny 1 Korintianina 15:58.) Inona no vokany raha be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah ianao sady miaraka amin’ny rahalahy sy anabavy isan-karazany? Tsy vitan’ny hoe hampahery anao ny miaraka amin-dry zareo, fa afaka manararaotra an’izany koa ianao mba hihaonana amina mpitovo hafa mifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah hoatr’anao. Ho tena sambatra ianao amin’izay, satria manao izay tsara indrindra vitanao mba hampifaliana an’i Jehovah.

Mety hahita olon-kafa te hanambady ianao, raha be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah sy miaraka amin’ny mpiara-manompo isan-karazany (Fehintsoratra 5)


6. Inona no tokony hotadidin’ny Kristianina mpitovo rehefa mitady vady izy?

6 Tandremo anefa sao ilay hoe mitady vady indray no lasa mibahana be eo amin’ny fiainanao. (Fil. 1:10) Tsy miankina amin’ny hoe manambady na tsia mantsy ianao vao tena ho sambatra, fa miankina amin’ny fifandraisanao amin’i Jehovah. (Mat. 5:3) Tsy izay ihany, fa afaka mampitombo fanompoana ianao amin’izao mpitovo izao. (1 Kor. 7:32, 33) Ampiasao tsara io fotoana io! Eritrereto izay nolazain’i Jessica, anabavy avy any Etazonia. Tamin’izy efa ho 40 taona no nanambady. Hoy izy: “Niezaka ny ho variana tamin’ny fanompoana aho, dia izany no nanampy ahy ho afa-po na dia te hanorin-tokantrano aza.”

MAKÀ FOTOANA HANDINIHANA AZY

7. Nahoana no hendry ianao raha dinihinao mandritra ny fotoana kelikely aloha ilay olona vao lazainao aminy hoe mahaliana anao izy? (Ohabolana 13:16)

7 Ahoana raha hitanao hoe misy olona hoatran’ny mety aminao? Tonga dia holazainao aminy ve hoe mahaliana anao izy? Milaza ny Baiboly fa miezaka hahalala ny zava-drehetra ny olona hendry vao manao zavatra. (Vakio ny Ohabolana 13:16.) Hendry àry ianao raha mandinika azy mandritra ny fotoana kelikely aloha, nefa aza atao hita be. Aorian’izay ianao vao mampahafantatra azy hoe mahaliana anao izy. Izao no nolazain’i Aschwin, rahalahy avy any Holandy: “Mora miredareda ny fihetseham-po, nefa vetivety koa dia lefy. Tsy hiaraka amin’ny olona iray àry ianao satria taitaitra fotsiny, raha maka fotoana tsara handinihana azy.” Rehefa mandinika an’ilay olona eny koa ianao, dia mety ho tonga saina hoe tsy izy ilay tena mety aminao.

8. Inona no azon’ny mpitovo atao rehefa mandinika olona iray mety ho azony alaina ho vady? (Jereo koa ny sary.)

8 Fa ahoana no hanaovana an’izany hoe mandinika an’ilay olona nefa tsy atao hita be? Rehefa mivory na miara-mikorana, dia mety hahatsikaritra zavatra momba ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny toetrany ary ny fitondran-tenany ianao. Iza no namany? Dia inona no zavatra resahiny? (Lioka 6:45) Mifanaraka amin’ny tanjonao ve ny azy? Mety hiresaka amin’ny anti-panahy ao amin’ny fiangonany koa ianao, na amin’ny Kristianina matotra hafa mahafantatra azy tsara. (Ohab. 20:18) Angamba ianao hanontany momba ny lazany sy ny toetrany. (Rota 2:11) Rehefa mandinika azy ianao, dia tandremo sao manao izay tsy hampahazo aina azy. Hajao ny fihetseham-pony, dia aza midikiditra be amin’ny fiainany, ary aza arahina etsy sy eroa izy.

Alohan’ny hilazanao amin’ilay olona hoe mahaliana anao izy, dia diniho mandritra ny fotoana kelikely aloha izy, nefa aza atao hita be izany (Fehintsoratra 7-8)


9. Tokony ho resy lahatra ny amin’ny inona ianao vao manatona olona iray mety ho azonao alaina ho vady?

9 Hafiriana ianao no tokony handinika an’ilay olona, alohan’ny hilazanao aminy hoe mahaliana anao izy? Raha miresaka aminy aloha loatra ianao, dia mety hieritreritra izy hoe taitaitra fotsiny ianao. (Ohab. 29:20) Raha miandry ela loatra indray anefa ianao, dia mety hihevitra izy hoe tsy tena tapa-kevitra ianao, indrindra raha hitany hoe taratara aminy. (Mpito. 11:4) Alohan’ny hiresahanao aminy dia tadidio hoe tsy voatery ho resy lahatra ianao hoe hanambady azy. Tokony ho resy lahatra kosa ianao hoe efa vonona ny hanambady, ary mety ho vady tsara ho anao ilay olona.

10. Inona no tokony hataonao raha hitanao hoe misy olona liana aminao nefa ianao tsy tia azy?

10 Ahoana anefa raha misy olona hitanao hoe liana aminao? Raha tsy tia azy ianao, dia ataovy hita mazava tsara amin’ny fihetsikao izany. Tsy tsara fanahy ianao raha ataonao izay hahatonga azy hieritreritra hoe mety hiaraka aminy ihany ianao nefa tsy izany akory no izy.​—1 Kor. 10:24; Efes. 4:25.

11. Inona no tokony hotadidina raha olon-kafa no mandamina an’ilay fiarahana na ilay fanambadiana?

11 Any amin’ny tany sasany, dia ny ray aman-dreny na ny olon-dehibe hafa no antenaina hifidy vady ho an’ny havany. Any amin’ny tany hafa indray, dia ny fianakavian’ilay mpitovo na ny namany no mitady an’izay eritreretiny hoe mety ho vadin’ilay olona, dia ampihaonina ry zareo mba hahitana raha mifanentana. Raha ianao àry no asaina mampihaona olona roa eritreretinao hoe mety hiaraka na hivady, dia saintsaino izay mba tian’izy roa sy izay ilainy. Ahoana raha hitanao hoe misy olona mifanentana amin’ilay namanao na havanao? Miezaha mafy mba hahafantatra an’izay maha izy an’ilay olona sy ny toetrany, ary indrindra fa ny ara-panahiny. Zava-dehibe lavitra noho ny vola sy ny fianarana ary ny saranga mantsy ny fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Tadidio anefa hoe ilay rahalahy sy ilay anabavy mpitovo ihany no tompon’ny teny farany hoe hivady ry zareo sa tsia.​—Gal. 6:5.

AHOANA RAHA TE HIARAKA AMINY AMIN’IZAY?

12. Ahoana no azonao ampahafantarana olona iray hoe te hiaraka aminy ianao?

12 Ahoana no ampahafantaranao an’ilay olona mahaliana anao fa te hiaraka aminy ianao? e Afaka miresaka aminy ianao, ohatra hoe eny amin’ny toerana be olona na amin’ny telefaonina. Ataovy mazava tsara aminy hoe liana aminy ianao, dia te hahafantatra azy bebe kokoa. (1 Kor. 14:9) Omeo fotoana hieritreretana izy raha ilaina. (Ohab. 15:28) Raha tsy manaiky hiaraka aminao izy, dia hajao ny fihetseham-pony.

13. Inona no azonao atao raha misy olona milaza aminao hoe liana aminao izy? (Kolosianina 4:6)

13 Ahoana raha misy olona milaza hoe liana aminao izy? Azo inoana hoe efa nanangona ny herim-pony izy mba hanatonana anao, dia miezaha ho tsara fanahy sy hanaja azy. (Vakio ny Kolosianina 4:6.) Lazao aminy raha mila fotoana ianao mba handinihana hoe hiaraka aminy sa tsia. Mba iezaho valiana haingana araka izay azo atao anefa izy. (Ohab. 13:12) Raha tsy tianao izy, dia miezaha ho tsara fanahy rehefa milaza an’izany aminy, nefa ataovy mazava tsara. Nisy anabavy nanatona, ohatra, i Hans, rahalahy avy any Aotrisy. Mariho izay nataony: “Nitandrina be aho rehefa nilaza taminy ny fanapahan-kevitro, nefa nataoko mazava tsara izany. Tsy niandriandry aho fa tonga dia niresaka taminy, satria tsy tiako hoe manantena tsy misy izy. Izany koa no nahatonga ahy hitandrina tatỳ aoriana rehefa nifandray taminy.” Raha te hiaraka aminy kosa ianao, dia lazao aminy ny fihetseham-ponao sy hoe tianao ho hoatran’ny ahoana ny fiarahanareo. Mety tsy hitovy ny zavatra tianareo momba an’izany, arakaraka ny kolontsainareo na noho ny antony hafa.

AHOANA NO AZON’NY HAFA ANAMPIANA NY MPITOVO?

14. Ahoana no ampisehoantsika amin’izay lazaintsika hoe manampy ny Kristianina mpitovo isika?

14 Inona no azontsika rehetra atao mba hanampiana ny Kristianina mpitovo te hanambady? Tandremo, ohatra, izay lazainao. (Efes. 4:29) Eritrereto izao: ‘Mananihany an’izay te hanambady ve aho? Rehefa mahita rahalahy sy anabavy mpitovo mifampiresaka aho, dia tonga ve aho dia mieritreritra hoe mifankatia ireo?’ (1 Tim. 5:13) Ankoatra izay, dia tsy tokony hataontsika mihitsy izay hahatonga ny Kristianina mpitovo hahatsapa hoe misy banga ny fiainany, satria izy tsy manambady. Izao no nolazain’i Hans, ilay voaresaka terỳ aloha: “Misy mpiara-manompo miteny hoe: ‘Fa maninona ianao no mbola tsy manambady e? Antitra eo ihany ange e!’ Mahatonga ny mpitovo hahatsapa hoe tsy ankasitrahana ny teniteny hoatr’izany, sady vao mainka hoatran’ny hoe manery azy hanambady.” Tsy aleo àry ve mitady hirika hiderana azy ireny?​—1 Tes. 5:11.

15. Inona no tokony hodinihintsika alohan’ny hanampiana olona iray hitady vady, araka ilay torolalana ao amin’ny Romanina 15:2? (Jereo koa ny sary.)

15 Ahoana raha mieritreritra isika hoe mifanentana tsara ny rahalahy sy anabavy iray? Milaza ny Baiboly fa tokony hitsinjo ny fihetseham-pon’ny hafa isika. (Vakio ny Romanina 15:2.) Be dia be ny mpitovo tsy tia an’ilay hoe ampidipidirina amin’olon-kafa izy, dia tokony hanaja ny safidiny isika. (2 Tes. 3:11) Misy indray faly rehefa ampiana, nefa tsy tokony hanao zavatra isika raha tsy nasainy hanao an’izany. f (Ohab. 3:27) Ny mpitovo sasany kosa tsy mivantana be hoatr’izany no tiany. Izao no nolazain’i Lydia, anabavy mpitovo avy any Alemaina: “Azonao asaina amin’ny fiarahana misy olona maromaro ilay anadahy sy ilay rahavavy. Ataovy fotsiny izay hahatonga an-dry zareo hihaona, dia avelao ry zareo no hanao ny ambiny.”

Mety hahita olona mety aminy ny Kristianina mpitovo rehefa misy olona maromaro tafaraka (Fehintsoratra 15)


16. Inona no tokony hotadidin’ny Kristianina mpitovo?

16 Afaka ny ho sambatra sy ho afa-po amin’ny fiainana daholo isika, na mpitovo na manambady. (Sal. 128:1) Raha te hanambady àry ianao, nefa mbola tsy nahita an’ilay mety aminao, dia mifantoha foana amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Hoy i Sin Yi, anabavy avy any Macao: “Azo lazaina hoe fohy ihany ny fotoana ijanonana ho mpitovo, raha oharina amin’ny fotoana hiarahanao amin’ny vadinao any amin’ny Paradisa. Ankamamio àry iny fotoana iny, dia ampiasao tsara.” Fa ahoana indray anefa raha hoe efa nahita olona mety ho azonao alaina ho vady ianao, dia efa nanomboka niaraka taminy? Horesahintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izay azonao atao mba hahomby ny fiarahanareo.

HIRA 137 Vehivavy Manam-pinoana sy Tsy Mivadika

a Ahoana no amantarana raha efa vonona ianao? Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay lahatsoratra hoe “Mampiaraka​—Fizarana 1: Efa Afaka Mampiaraka ve Aho?

b FANAZAVANA: Ilay hoe “miaraka” ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka, dia ilazana an’ilay fotoana ifankahafantaran’ny lehilahy iray sy vehivavy iray bebe kokoa, mba hahitana hoe mifanentana ve ry zareo raha hivady. Antsoina koa hoe mampiaraka na mifampizaha toetra izany. Manomboka miaraka ny olon-droa rehefa mifampiresaka mazava tsara hoe liana amin’ny andaniny ny ankilany. Mitohy foana ilay fiarahana mandra-pahatongan’ilay fotoana hanapahany hevitra hoe hivady na hisaraka.

c Azo ampiharina foana ny torolalana resahina ato, na ho an’ny rahalahy na ho an’ny anabavy.

d Novana ny anarana sasany.

e Amin’ny kolontsaina sasany, dia matetika ny rahalahy no manatona ny anabavy, mba hilaza hoe te hiaraka aminy. Mety koa anefa raha ilay anabavy no mifidy hanatona an’ilay rahalahy. (Rota 3:1-13) Manazava bebe kokoa an’izany ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora: Tokony Holazaiko Aminy ve fa Tiako Izy?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 2004.

f Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Mahavita Miaro ny Finoana... Ireo Mpitovo.