LAHATSORATRA FIANARANA 18

HIRA 1 Ireo Toetran’i Jehovah

Mamindra Fo Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”

Mamindra Fo Ilay “Mpitsara ny Tany Manontolo”

“Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?”​—GEN. 18:25.

HEVITRA HODINIHINA

Manampy antsika hahazo kokoa hoe hamindra fo sy hanao ny rariny i Jehovah, rehefa hanangana ny olona tsy marina.

1. Inona no lesona mampahery nampianarin’i Jehovah an’i Abrahama?

 NISY resadresaka iray izay tsy hohadinoin’i Abrahama mihitsy. Niresaka taminy tamin’ny alalan’ny anjely Andriamanitra fa handringana ny tanànan’i Sodoma sy Gomora. Nanahy be io lehilahy nanam-pinoana io, dia nanontany hoe: “Dia haringanao miaraka amin’ny ratsy fanahy tokoa ve ny olo-marina? ... Tsy hanao ny rariny ve ny Mpitsara ny tany manontolo?” Nanam-paharetana i Jehovah rehefa nampianatra lesona iray an’io namany akaikin’ny fony io. Izao ilay izy: Tsy handringana ny olo-marina mihitsy Andriamanitra. Mahasoa sy mampahery antsika rehetra ny mahafantatra an’izany!​—Gen. 18:23-33.

2. Nahoana isika no matoky fa manao ny rariny sy mamindra fo i Jehovah rehefa mitsara?

2 Nahoana isika no matoky fa manao ny rariny sy mamindra fo i Jehovah rehefa mitsara? Satria haintsika hoe “mijery ny fo” izy. (1 Sam. 16:7) Fantany aza ny “ao am-pon’ny tsirairay.” (1 Mpanj. 8:39; 1 Tan. 28:9) Mahavariana izany! Mihoatra lavitra noho izay mety hoeritreretintsika ny fomba fitsaran’i Jehovah. Tsy mahagaga àry raha nilaza ny apostoly Paoly hoe: “Tena tsy takatry ny saina ny didim-pitsarany!”​—Rom. 11:33.

3-4. Inona no mety hahalasa saina antsika indraindray, ary inona no hodinihintsika ato? (Jaona 5:28, 29)

3 Mety hametraka fanontaniana mitovitovy amin’ny an’i Abrahama ihany anefa isika indraindray. Lasa saina mihitsy aza angamba isika hoe: ‘Mbola misy azo antenaina ihany ve ny amin’ny olona noringanin’i Jehovah hoatran’ireo tany Sodoma sy Gomora? Mety hisy amin’izy ireny ve ho anisan’ny olona “tsy marina hatsangana” amin’ny maty?’​—Asa. 24:15.

4 Andao haverintsika resahina kely izay efa fantatsika momba ny fitsanganana amin’ny maty. Vao haingana isika no nahazo fanazavana vaovao momba an’ireo olona “hatsangana mba hahazo fiainana” sy ireo “hatsangana mba hotsaraina.” a (Vakio ny Jaona 5:28, 29.) Nisy fanitsiana hafa nila nataontsika vokatr’iny fanazavana vaovao iny. Horesahina ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka izany. Andao àry aloha hodinihintsika hoe inona no tsy fantatsika momba ny fitsaran’i Jehovah, dia avy eo hoe inona no fantatsika.

INONA NO TSY FANTATSIKA?

5. Inona no noresahin’ny bokintsika momba an’ireo ringana tany Sodoma sy Gomora?

5 Noresahina tao amin’ny bokintsika izay hanjo an’ireo olona heverin’i Jehovah hoe tsy marina. Nilaza isika tamin’izay fa tsy antenaina hitsangana intsony izy ireny, hoatran’ny mponina tany Sodoma sy Gomora. Namakafaka sy nivavaka momba an’izany indray anefa isika, dia lasa nieritreritra hoe: Tena azontsika antoka ve izany?

6. a) Inona ny ohatra sasany mampiseho hoe nampihatra ny didim-pitsarany tamin’ny olona tsy marina i Jehovah? b) Inona no tsy fantatsika?

6 Diniho ireto ohatra ireto: Misy tantara vitsivitsy ao amin’ny Baiboly miresaka ny didim-pitsarana nampiharin’i Jehovah tamin’ny olona tsy marina, anisan’izany ireo olona tsy hita isa maty tamin’ny Safodrano, sy ireo firenena fito tao amin’ny Tany Nampanantenaina izay nasain’i Jehovah noringanin’ny vahoakany. Eo koa ireo miaramila asyrianina 185 000 naripaky ny anjelin’i Jehovah tao anatin’ny indray alina. (Gen. 7:23; Deot. 7:1-3; Isaia 37:36, 37) Ampy ve ny fanazavana omen’ny Baiboly mba hamaritana fa fandringanana mandrakizay no sazy nomen’i Jehovah an’ireo olona ireo, ka tsy antenaina hoe hitsangana intsony? Tsia. Nahoana isika no afaka milaza an’izany?

7. Inona no tsy fantatsika momba an’ireo olona ringana tamin’ny Safodrano na resy tao Kanana? (Jereo ny sary eo amin’ny fonony.)

7 Tsy fantatsika hoe ahoana no nitsaran’i Jehovah ny olona tsirairay. Tsy haintsika koa raha afaka nianatra momba an’i Jehovah sy nibebaka ireny olona ringana ireny. Marina hoe rehefa miresaka momba ny Safodrano ny Baiboly, dia milaza fa “mpitory ny fahamarinana” i Noa. (2 Pet. 2:5) Tsy resahiny kosa hoe niezaka nitory tamin’ny olona tsirairay nety ho ringana tamin’ilay Safodrano i Noa, tamin’izy nanamboatra an’ilay sambofiara ngezabe. Hoatr’izany koa fa tsy fantatsika raha afaka nianatra momba an’i Jehovah sy niova daholo ny olona ratsy fanahy tao Kanana.

Noa sy ny fianakaviany manamboatra an’ilay sambofiara ngezabe. Tsy fantatsika raha nanao ezaka hitoriana tamin’ny olona rehetra eran-tany ry Noa, tamin-dry zareo nanamboatra ny sambofiara, talohan’ny Safodrano (Fehintsoratra 7)


8. Inona no tsy fantatsika momba ny mponin’i Sodoma sy Gomora?

8 Ary ireo olona tany Sodoma sy Gomora? Niara-nipetraka tamin-dry zareo ilay olo-marina atao hoe Lota. Nahavita nitory tamin’izay rehetra tao ve anefa izy? Tsy haintsika izany. Ratsy fanahy aloha ry zareo e! Hain’izy rehetra ve anefa ny nanavaka ny tsara sy ny ratsy? Tadidio fa nisy lehilahy be dia be avy tao amin’io tanàna io nitady hanao firaisana tamin’ny vahinin’i Lota. Milaza ny Baiboly fa tonga daholo “hatramin’ny ankizilahikely ka hatramin’ny lahiantitra.” (Gen. 19:4; 2 Pet. 2:7) Dia afaka manizingizina ve isika fa nanapa-kevitra ilay Andriamanitra mamindra fo hoe tsy hatsangany amin’ny maty intsony ny tsirairay amin’ireny olona naringany ireny? Marina fa nanome toky an’i Abrahama i Jehovah hoe tsy ampy folo akory ny olo-marina tao amin’io tanàna io. (Gen. 18:32) Olona tsy marina izany ry zareo, dia rariny i Jehovah raha nandringana azy noho ny zavatra nataony. Tena afaka milaza ve anefa isika hoe tsy hisy amin-dry zareo ho anisan’ireo ‘tsy marina hatsangana’? Tsy afaka milaza an’izany isika!

9. Inona no tsy fantatsika momba an’i Solomona?

9 Etsy an-danin’izany, dia resahin’ny Baiboly hoe nisy olo-marina teo aloha, nefa lasa anisan’ireo tsy marina. Anisan’izany i Solomona Mpanjaka. Nampianarina tsara ny lalan’Andriamanitra izy ary tena notahin’i Jehovah. Lasa nanompo andriamani-diso anefa izy. Nahatezitra be an’i Jehovah ireny fahotany ireny, ka naharitra an-jatony taona ny voka-dratsin’izany. Marina hoe milaza ny Soratra Masina fa “nodimandry any amin’ny razambeny” i Solomona, ary anisan’ireny razambeny ireny ny olona tsy nivadika hoatran’i Davida Mpanjaka. (1 Mpanj. 11:5-9, 43; 2 Mpanj. 23:13) Fa izany ve dia antoka hoe tena hatsangana i Solomona? Tsy milaza an’izany ny Baiboly. Mety hisy hieritreritra anefa hoe “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.” (Rom. 6:7) Tsy diso aloha izany e! Midika anefa ve izany fa hatsangana daholo ny olona efa maty, hoatran’ny hoe manan-jo hanana fiainana vaovao ry zareo? Fanomezana avy amin’ilay Andriamanitra be fitiavana ny fananganana amin’ny maty. Izay olona tiany hanompo azy mandrakizay no omeny an’izany. (Joba 14:13, 14; Jaona 6:44) Hahazo an’io fanomezana io ve i Solomona? I Jehovah no mahalala an’izany, fa tsy isika. Fantatsika anefa hoe hanao ny rariny izy.

INONA NO FANTATSIKA?

10. Inona no tsapan’i Jehovah momba ny hoe handringana olona? (Ezekiela 33:11) (Jereo koa ny sary.)

10 Vakio ny Ezekiela 33:11. Tsara fanahy i Jehovah, dia resahiny amintsika hoe hoatran’ny ahoana ny fihetseham-pony rehefa mitsara olona. Mitovitovy amin’izay nosoratan’i Ezekiela mpaminany ny zavatra nasainy nosoratan’ny apostoly Petera. Hoy izy: “Tsy [tian’i Jehovah] hisy ho ringana ny olona.” (2 Pet. 3:9) Tena marina izany sady mampahery antsika! Fantatsika mantsy hoe tsy maika handringana ny olona mandrakizay i Jehovah. Faran’izay mamindra fo izy, dia mampiseho an’io toetrany io isaky ny misy hirika hanaovana an’izany.

Rehefa hatsangana ny tsy marina, dia olona isan-karazany no afaka hianatra momba an’i Jehovah (Fehintsoratra 10)


11. Iza no tsy hatsangana amin’ny maty, ary ahoana no ahalalantsika an’izany?

11 Ary inona no fantatsika momba an’ireo olona tsy hatsangana amin’ny maty? Ohatra vitsivitsy ihany no resahin’ny Baiboly. b Nilaza i Jesosy fa tsy hatsangana i Jodasy Iskariota. (Mar. 14:21; Jaona 17:12) c Nanao fanahy iniana nanohitra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany mantsy izy. (Mar. 3:29) d Nilaza koa i Jesosy fa tsy hatsangana ny mpitondra fivavahana sasany nanohitra azy. (Mat. 23:33) Ankoatra izay, dia nampitandrina ny apostoly Paoly fa tsy hatsangana ny mpivadi-pinoana tsy mibebaka.​—Heb. 6:4-8; 10:29.

12. Inona no fantatsika momba ny famindram-pon’i Jehovah? Manomeza ohatra.

12 Inona kosa no fantatsika momba ny famindram-pon’i Jehovah? Ahoana no nampisehoany hoe “tsy tiany hisy ho ringana ny olona”? Diniho ny fomba nanehoany famindram-po tamin’ny olona sasany nanao fahotana lehibe. Nanao fahotana lehibe maromaro, ohatra, i Davida Mpanjaka, anisan’izany ilay hoe nijangajanga sy namono olona. Nibebaka anefa i Davida, dia namindra fo taminy i Jehovah ka namela ny helony. (2 Sam. 12:1-13) Nanao zavatra ratsy be koa i Manase Mpanjaka, efa ho nandritra ny fiainany manontolo. Na faran’izay ratsy aza anefa ny nataony, dia hitan’i Jehovah hoe mendrika ny hahazo famindram-po sy famelan-keloka izy satria nibebaka. (2 Tan. 33:9-16) Mampahatsiahy antsika ireo ohatra ireo fa mamindra fo i Jehovah, isaky ny mahita antony hanaovana an’izany. Hatsangany ny olona hoatr’izany, satria tsapan-dry zareo hoe nanao fahotana mahatsiravina izy dia nibebaka.

13. a) Nahoana i Jehovah no namindra fo tamin’ny Ninivita? b) Inona no nolazain’i Jesosy momba ny Ninivita?

13 Fantatsika koa fa namindra fo tamin’ny Ninivita i Jehovah. Hoy izy tamin’i Jona: “Hitako ny ratsy ataony.” Rehefa nibebaka anefa ry zareo, dia tsara fanahy taminy i Jehovah, ka namela ny helony. Nihoatra lavitra noho ny an’i Jona ny famindram-pony. Tezitra io mpaminany io, ka nampahatsiahy azy Andriamanitra hoe ‘tsy nahalala akory ny mety sy ny tsy mety’ ireo Ninivita ireo. (Jona 1:1, 2; 3:10; 4:9-11) Nampiasa an’io ohatra io i Jesosy tatỳ aoriana, rehefa nampianatra hoe manao ny rariny sy mamindra fo i Jehovah. Nilaza izy fa “hitsangana” ireo Ninivita nibebaka ireo “amin’ny Andro Fitsarana.”​—Mat. 12:41.

14. Inona no dikan’ny hoe “hatsangana mba hotsaraina” ny Ninivita?

14 Inona ilay “Andro fitsarana” noresahin’i Jesosy tamin’izy niteny hoe “hitsangana” ny Ninivita? Nampianatra izy fa hisy olona “hatsangana mba hotsaraina.” (Jaona 5:29) Ilay Fanjakana Arivo Taona no tiany horesahina. Samy hatsangana ny “marina sy ny tsy marina” mandritra an’io fotoana io. (Asa. 24:15) “Hatsangana mba hotsaraina” ny tsy marina, izany hoe hodinihin’i Jehovah sy Jesosy izay ataony ary hojeren-dry zareo hoe mampihatra an’izay ampianarina azy ve izy. Raha misy Ninivita iray natsangana nefa tsy manaiky hanaraka ny fivavahana madio, dia homelohina izy. (Isaia 65:20) Tsy hiharan’izany didim-pitsarana izany kosa izay mifidy hanompo an’i Jehovah sy tsy hivadika aminy. Ho afaka hanantena hiaina mandrakizay ry zareo!​—Dan. 12:2.

15. a) Nahoana isika no tsy tokony hilaza hoe tsy hisy hatsangana intsony ireo olona ringana tao Sodoma sy Gomora? b) Ahoana no mety ho fahazoantsika ny Joda 7? (Jereo ilay hoe “ Inona no Tian’i Joda Holazaina?”)

15 Rehefa niresaka momba ny mponin’i Sodoma sy Gomora i Jesosy, dia nilaza fa ho mora kokoa ny hanjo an-dry zareo “amin’ny Andro Fitsarana”, raha oharina amin’izay hanjo an’ireo nanda azy sy ny fampianarany. (Mat. 10:14, 15; 11:23, 24; Lioka 10:12) Inona no tiany holazaina? Mety hieritreritra isika hoe nampitombo fomba filaza i Jesosy tamin’io. Toa tsy mitombina anefa izany, hoatran’ilay tamin’izy niresaka momba ny Ninivita ihany. e Toa ilay zavatra noresahiny momba ny mponin’i Sodoma sy Gomora mihitsy mantsy no tiany holazaina. Azo antoka hoe “Andro Fitsarana” iray ihany no noresahiny. Nanao zava-dratsy hoatran’ny Ninivita koa ny mponina tao Sodoma sy Gomora. Nanam-potoana hibebahana anefa ny Ninivita. Ankoatra izany, dia tadidio izay nolazain’i Jesosy momba an’ireo “hatsangana mba hotsaraina.” Nilaza izy fa ho anisan’ireo hatsangana “izay zatra nanao ratsy.” (Jaona 5:29) Raha izany, dia hoatran’ny misy antenaina ihany ny amin’ny mponin’i Sodoma sy Gomora. Azo inoana hoe hatsangana amin’ny maty ny sasany amin’izy ireo, fara faharatsiny, ka mety ho afaka hampianatra azy ireo momba an’i Jehovah sy Jesosy Kristy isika.

16. Inona no fantatsika hoe hataon’i Jehovah rehefa manapa-kevitra izy hoe iza no hatsangana amin’ny maty? (Jeremia 17:10)

16 Vakio ny Jeremia 17:10. Mamintina ny zavatra fantatsika io andininy io, dia ny hoe “mandinika ny fo sy mamantatra ny eritreritra lalina indrindra” foana i Jehovah. ‘Hamaly ny tsirairay araka izay ataony’ foana izy, rehefa hanangana ny maty. Ho hentitra i Jehovah rehefa ilaina, fa hamindra fo kosa isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. Tsy tokony hanombantombana àry isika hoe tsy antenaina hatsangana amin’ny maty ny olona iray, raha tsy tena fantatsika tsara hoe efa izay marina!

‘HANAO NY RARINY NY MPITSARA NY TANY MANONTOLO’

17. Hanao ahoana ny hoavin’ny olona efa maty?

17 An’arivony tapitrisa no maty nanomboka tamin’ilay fotoana nikomian’i Adama sy Eva ary Satana. Tena “fahavalo” mahatsiravina ny “fahafatesana”! (1 Kor. 15:26) Hanao ahoana ny hoavin’ireny olona rehetra ireny? Hisy vitsivitsy amin’ireo mpanara-dia an’i Kristy tsy mivadika hatsangana ho any an-danitra, ary tsy ho faty intsony. Miisa 144 000 ry zareo amin’ny fitambarany. (Apok. 14:1) Ho anisan’ireo ‘marina hatsangana’ eto an-tany kosa ny ankamaroan’ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika sy tia an’i Jehovah. Hiaina mandrakizay eto ry zareo, raha mbola olo-marina foana mandritra ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy sy mandritra an’ilay fitsapana farany. (Dan. 12:13; Heb. 12:1) Havelan’i Jehovah hanova ny fomba fiainany sy ho lasa mpanompony tsy mivadika koa ny olona “tsy marina”, mandritra an’ilay Fanjakana Arivo Taona. Anisan’izany ireo tsy nanompo an’i Jehovah, na “zatra nanao ratsy” mihitsy aza. (Lioka 23:42, 43) Ratsy toetra loatra anefa ny olona sasany sady nikiry hikomy tamin’i Jehovah sy tsy nanao zavatra nifanaraka tamin’ny fikasany, ka nanapa-kevitra izy hoe aleo ireny tsy hatsangana.​—Lioka 12:4, 5.

18-19. a) Nahoana isika no matoky ny fitsaran’i Jehovah an’ireo olona efa maty? (Isaia 55:8, 9) b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

18 Afaka matoky ny didim-pitsaran’i Jehovah rehetra ve isika, na inona izany na inona? Ie! Hoatran’i Abrahama, dia azontsika tsara koa hoe tonga lafatra sy hendry indrindra ary mamindra fo i Jehovah, ilay “Mpitsara ny tany manontolo.” Nampiofana ny Zanany izy, dia izy no notendreny hitsara ny olona rehetra. (Jaona 5:22) Samy mahalala ny ao am-pon’ny olona tsirairay, na i Jesosy na ny Rainy. (Lioka 5:22) “Hanao ny rariny” foana àry ry zareo!

19 Andao àry isika ho tapa-kevitra ny hatoky foana fa i Jehovah no mahalala an’izay mety indrindra. Miaiky isika hoe izy no mahafeno fepetra hitsara, fa tsy isika! (Vakio ny Isaia 55:8, 9.) Matoky an’i Jehovah sy ny Zanany àry isika, dia ankinintsika amin-dry zareo ny fitsarana rehetra. Manahaka tanteraka ny Rainy io Mpanjaka io, ka mamindra fo sy manao ny rariny hoatr’azy. (Isaia 11:3, 4) Ary ahoana indray ny amin’ny fomba hitsaran’i Jehovah sy Jesosy ny olona amin’ny fahoriana lehibe? Inona no tsy fantatsika, ary inona no fantatsika? Hiresaka an’izany ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 57 Mitoria Amin’ny Karazan’olona Rehetra

a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana Septambra 2022, p. 14-19.

b Miresaka momba an’i Adama sy Eva ary Kaina Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 2013, p. 12, f.a.p.

c Ilay teny hoe “zanaky ny fandringanana” ao amin’ny Jaona 17:12 dia midika hoe rehefa maty i Jodasy, dia ho ringana mandrakizay izy ary tsy antenaina hitsangana intsony.

d Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay hoe “Inona Ilay Fahotana Tsy Hahazoana Famelan-keloka?

e Mampitombo fomba filaza ny olona iray rehefa manitatra ny zavatra resahiny mba hanamafisana hevitra. Azo raisina ara-bakiteny kosa ny zavatra noresahin’i Jesosy momba ny mponin’i Sodoma sy Gomora. Tsy azo lazaina hoe nampitombo fomba filaza àry izy teo.