LAHATSORATRA FIANARANA 20

HIRA 67 “Torio ny Teny”

Mandrisika Antsika Hitory Foana ny Fitiavana!

Mandrisika Antsika Hitory Foana ny Fitiavana!

“Tsy maintsy hotorina any amin’ny firenena rehetra aloha ny vaovao tsara.”​—MAR. 13:10.

HEVITRA HODINIHINA

Hojerentsika ato hoe mandrisika antsika hazoto hitory sy hanao an’izany amin’ny fo manontolo ny fitiavana.

1. Inona no noresahina tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona 2023?

 NAHENO fanazavana vaovao mampientanentana momba ny zavatra sasany inoantsika isika, tamin’ilay fivoriana fanao isan-taona 2023. Nisy fampandrenesana mahafinaritra momba ny fanompoantsika koa tamin’izay. Lasa fantatsika, ohatra, fa mety hisy olona ho afaka hiandany amin’ny vahoakan’i Jehovah, na dia aorian’ny fandravana an’i Babylona Lehibe aza. Nampahafantarina antsika koa hoe manomboka amin’ny Novambra 2023, dia tsy hasaina hitatitra ny zavatra rehetra nataony teny amin’ny fanompoana intsony ny mpitory. Midika ve ny fanovana hoatr’izany hoe tsy dia zava-dehibe intsony ny fitoriana, na hoe tsy maika hoatran’ny taloha? Tsy izany mihitsy!

2. Nahoana no maika kokoa ny asa fitoriana isaky ny tapitra ny andro tsirairay? (Marka 13:10)

2 Maika kokoa ny asa fitoriana, isaky ny tapitra ny andro tsirairay. Nahoana? Satria kely sisa ny fotoana tavela. Diniho izay nolazain’i Jesosy momba ny asa fitoriana mandritra ny andro farany. (Vakio ny Marka 13:10.) Niresaka momba an’izany koa ny bokin’i Matio. Nilaza i Jesosy ao fa hotorina maneran-tany ny vaovao tsara vao ho tonga “ny farany.” (Mat. 24:14) Inona ilay hoe “farany”? Ny fandravana tanteraka ny tontolo ratsin’i Satana. Efa nametraka “andro sy ora” hisehoan’ireo zavatra hitranga tsy ho ela i Jehovah. (Mat. 24:36; 25:13; Asa. 1:7) Vao mainka isika manatona an’io fotoana io, isaky ny mandalo ny andro tsirairay. (Rom. 13:11) Mandra-pahatongan’ny farany anefa, dia tsy maintsy mitory foana isika.

3. Inona no mandrisika antsika hitory?

3 Rehefa mandinika ny fanompoana ataontsika isika, dia tsara ny mieritreritra an’ireto fanontaniana tena lehibe ireto: Nahoana isika no mitory ny vaovao tsara? Inona no mandrisika antsika? Raha tsorina, dia ny fitiavana. Rehefa mitory isika, dia asehontsika hoe tiantsika ny vaovao tsara sy ny olona, ary ny lehibe indrindra dia hoe tiantsika i Jehovah sy ny anarany. Andao hojerentsika tsirairay ireo.

MITORY ISIKA SATRIA TIANTSIKA NY VAOVAO TSARA

4. Inona no ataontsika rehefa maheno vaovao tsara?

4 Tadidinao ve izay tsapanao tamin’ianao naheno vaovao tsara, ohatra hoe nisy fianakavianao tera-bao na nisy nanome anao asa tena nilainao? Azo inoana hoe tsy andrinao mihitsy ny hitantara an’ilay izy tamin’ny fianakavianao sy ny namanao. Hoatr’izany koa ve no tsapanao tamin’ianao naheno an’ilay vaovao tsara indrindra, izany hoe ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra?

5. Inona no tsapanao tamin’ianao vao nianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly? (Jereo koa ny sary.)

5 Mba eritrereto ange ny fihetseham-ponao tamin’ianao vao nahalala ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra e! Lasa fantatrao, ohatra, hoe tia anao ilay Rainao any an-danitra, dia tiany ho anisan’ilay fianakaviana manompo azy ianao. Nianaranao koa fa nampanantena i Jehovah hoe hamarana ny fahoriana sy ny fijaliana izy, dia ho afaka hahita indray an’ireo olona akaiky anao efa nodimandry ianao ao amin’ny tontolo vaovao. (Mar. 10:29, 30; Jaona 5:28, 29; Rom. 8:38, 39; Apok. 21:3, 4) Tena nanohina ny fonao ireny fahamarinana ireny. (Lioka 24:32) Tianao sady sarobidy aminao ny zavatra nianaranao, dia may erỳ ianao hiresaka an’ilay izy amin’ny hafa!​—Ampitahao amin’ny Jeremia 20:9.

Tamintsika vao nahafantatra ny vaovao tsara, dia may erỳ isika hiresaka an’ireny fahamarinana sarobidy ireny amin’ny hafa! (Fehintsoratra 5)


6. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i Ernest sy Rose?

6 Diniho ity tantara ity. Folo taona teo ho eo ny Rahalahy Ernest a tamin’ny maty ny dadany. Hoy izy: “Lasa saina aho hoe: ‘Nankany an-danitra ve izy sa tsy misy intsony mandrakizay?’ Lasa nitsiriritra ny ankizy mbola nanana dada aho.” Nankany amin’ny fasan’ny dadany foana i Ernest, dia nandohalika teo sady nivavaka hoe: “Andriamanitra ô, mba atoroy ahy moa hoe aiza i Dada e!” Nisy nanasa hianatra Baiboly i Ernest, 17 taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’ny dadany. Tonga izy dia nanaiky. Faly be izy nahafantatra hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty, hoatran’ny olona renoky ny torimaso. Nahafinaritra azy koa ny nahalala ny fampanantenan’ny Baiboly hoe mbola hatsangana ny maty. (Mpito. 9:5, 10; Asa. 24:15) Ela ny ela ka hitany ihany ny valin’ny fanontaniana nampiady saina azy hatramin’izay! Tsy omby tratra ny hafaliany rehefa nahafantatra ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Niara-nianatra Baiboly taminy ny vadiny tatỳ aoriana. I Rose no anarany, ary tiany koa ny hafatra momba ilay Fanjakana. Natao batisa ry zareo tamin’ny 1978. Nafana fo erỳ izy roa niresaka an’izay ninoany tamin’ny fianakaviany sy ny namany ary izay olona vonona hihaino. Inona ny vokany? Olona 70 mahery no nampian’izy mivady handroso hatramin’ny batisa.

7. Inona no mitranga rehefa mamaka tsara ao am-pontsika ny fitiavana ny fahamarinana? (Lioka 6:45)

7 Rehefa mamaka tsara ao am-pontsika ny fitiavana ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, dia tsy voatanantsika izany fa tiantsika horesahina amin’ny olona. (Vakio ny Lioka 6:45.) Mitovy amin’izay tsapan’ny mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany no tsapantsika. Izao no notenenin-dry zareo: “Tsy azonay atao ny tsy hiteny intsony momba an’izay efa hitanay sy henonay.” (Asa. 4:20) Tena tiantsika ny fahamarinana, ka te hiresaka azy io amin’ny olona betsaka araka izay azo atao isika.

MITORY ISIKA SATRIA TIANTSIKA NY OLONA

8. Inona no mandrisika antsika hitory ny vaovao tsara? (Jereo ilay hoe  Tiavo ny Olona ka Ampianaro.”) (Jereo koa ny sary.)

8 Tia olona isika hoatran’i Jehovah sy ny Zanany. (Ohab. 8:31; Jaona 3:16) Tena mangoraka an’ireo ‘tsy manana an’Andriamanitra’ sy ‘tsy manana fanantenana’ isika. (Efes. 2:12) Hoatran’ny hoe ao anaty lavaka lalina be ry zareo noho ny olana mahazo azy, dia isika no manana ny tady hisintonana azy. Inona izany? Ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tia sy mangoraka ny olona hoatr’ireny isika, dia izany no mandrisika antsika hanao izay fara herintsika mba hitoriana ny vaovao tsara. Lasa be fanantenana ry zareo, noho ilay hafatra sarobidy resahintsika aminy. Dieny izao koa ry zareo, dia efa afaka ny ho sambatra sy hanantena hahazo ny “tena fiainana”, izany hoe ny fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovao ampanantenain’Andriamanitra.​—1 Tim. 6:19.

Tia sy mangoraka olona isika, dia izany no mandrisika antsika hanao izay fara herintsika mba hitoriana ny vaovao tsara (Fehintsoratra 8)


9. Inona no ampitandremantsika ny olona momba ny hoavy, ary nahoana? (Ezekiela 33:7, 8)

9 Ny fitiavantsika ny olona koa no mahatonga antsika hampitandrina azy hoe kely sisa dia horavana izao tontolo ratsy izao. (Vakio ny Ezekiela 33:7, 8.) Malahelo ny mpiara-belona sy ny fianakaviantsika tsy Vavolombelona isika. Betsaka no variana amin’ny fiainana andavanandro, dia tsy hainy akory hoe hisy zavatra hitranga atsy ho atsy. Tsy inona izany fa ny “fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy hoatr’izany hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka hatramin’izao, sady tsy hisy intsony.” (Mat. 24:21) Tiantsika ho fantany izay hitranga amin’io fotoam-pitsarana io: Hesorina ny fivavahan-diso, dia avy eo horinganina tanteraka izao tontolo ratsy izao ao Aramagedona. (Apok. 16:14, 16; 17:16, 17; 19:11, 19, 20) Mivavaka àry isika mba ho betsaka araka izay azo atao ny olona hanaiky an’ilay fampitandremana, dia hanatevin-daharana antsika ao amin’ny fivavahana madio dieny izao. Ahoana anefa ny amin’ireo tsy mihaino an’ilay fampitandremana amin’izao, anisan’izany ny fianakaviana akaikin’ny fontsika?

10. Nahoana no mila atao maika ilay hoe mampitandrina foana?

10 Hitantsika tao amin’ilay lahatsoratra teo aloha hoe mety ho tian’i Jehovah hovonjena izay olona miova fo, rehefa mahita ny fandravana an’i Babylona Lehibe. Raha izany, dia mila mampitandrina ny olona foana isika, ary vao mainka tena maika izany. Eritrereto izao: Mety ho ilay zavatra teneninao azy amin’izao no ho tadidiny amin’izay fotoana izay. (Ampitahao amin’ny Ezekiela 33:33.) Hitamberina ao an-tsainy angamba ilay fampitandremana noresahintsika, dia lasa manaraka ny fivavahana madio miaraka amintsika izy dieny mbola tsy tara loatra. Hoatr’izany mantsy ilay mpiambina fonja tany Filipy. Rehefa “nihovotrovotra be ny tany” vao niova fo izy. Hoatr’izany koa ny olona sasany tsy mihaino amin’izao. Mety hoe rehefa rava tampoka i Babylona Lehibe vao hiova ry zareo.​—Asa. 16:25-34.

MITORY ISIKA SATRIA TIANTSIKA I JEHOVAH SY NY ANARANY

11. Ahoana no anomezantsika voninahitra sy haja ary hery an’i Jehovah? (Apokalypsy 4:11) (Jereo koa ny sary.)

11 Inona no antony lehibe indrindra mahatonga antsika hitory ny vaovao tsara? Ny fitiavana an’i Jehovah Andriamanitra sy ny anarany masina. Amintsika mantsy, dia anisan’ny fomba iderantsika an’ilay Andriamanitra tiantsika ny fanompoana. (Vakio ny Apokalypsy 4:11.) Manaiky amin’ny fo manontolo isika hoe mendrika ny hahazo voninahitra sy haja ary hery avy amin’ny mpanompony tsy mivadika i Jehovah Andriamanitra. Manome voninahitra sy haja azy isika rehefa miresaka amin’ny olona ny porofo mazava hoe izy no “namorona ny zava-drehetra”, dia tsy velona isika raha tsy izy. Manome hery azy indray isika rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny tanjatsika ary ny fananantsika mba hanompoana betsaka araka izay azo atao, arakaraka ny zavatra iainantsika. (Mat. 6:33; Lioka 13:24; Kol. 3:23) Raha tsorina àry, dia tiantsika ny miresaka momba an’ilay Andriamanitra mamin’ny fontsika. Tsy ho vitantsika koa ny hoe hangina fotsiny fa te hampahafantatra ny olona ny anarany sy ny dikan’izy io isika. Nahoana?

Manome hery an’i Jehovah isika rehefa mampiasa ny fotoanantsika sy ny tanjatsika ary ny fananantsika mba hanompoana betsaka araka izay azo atao, arakaraka ny zavatra iainantsika (Fehintsoratra 11)


12. Ahoana no hanamasinantsika ny anaran’i Jehovah rehefa mitory?

12 Ny fitiavantsika an’i Jehovah no mahatonga antsika hanamasina ny anarany. (Mat. 6:9) Voahoso-potaka ny anaran’i Jehovah noho ny lainga nolazain’i Satana, dia tiantsika ny hitondra ny anjara birikintsika mba hanadiovana an’izany. (Gen. 3:1-5; Joba 2:4; Jaona 8:44) Mafana fo erỳ isika miaro an’ilay Andriamanitsika rehefa mitory, ka resahintsika amin’izay rehetra mihaino antsika ny marina momba azy. Tiantsika ho fantatry ny olona hoe ny fitiavana no toetrany lehibe indrindra, mahitsy sy ara-drariny ny fitondrany, ary tsy ho ela ny Fanjakany dia hamarana ny fijaliana rehetra sady hanampy ny olombelona hiadana sy ho sambatra. (Sal. 37:10, 11, 29; 1 Jaona 4:8) Manamasina ny anaran’i Jehovah isika rehefa miaro ny lazany eny amin’ny fanompoana. Faly koa isika mahafantatra hoe manao zavatra mifanaraka amin’ilay anarana nomena antsika. Ahoana izany?

13. Nahoana no reharehantsika ilay antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah? (Isaia 43:10-12)

13 Nofidin’i Jehovah isika mba ho ‘vavolombelony.’ (Vakio ny Isaia 43:10-12.) Taona maromaro lasa izay, dia nisy taratasy avy amin’ny Filan-kevi-pitantanana nilaza hoatr’izao: “Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah isika ary tsy misy voninahitra lehibe noho izany.” Maninona isika no milaza an’izany? Andeha hatao hoe tsaraina eny amin’ny fitsarana ianao, dia mila vavolombelona mba hiaro anao. Olona hoatran’ny ahoana no hofidinao? Azo antoka hoe olona fantatrao tsara sady atokisanao. Tianao koa hoe tsara laza izy, satria mampisy lanja ny zavatra resahiny izany. Matoa i Jehovah nifidy antsika ho Vavolombelony, dia fantany tsara isika sady matoky izy hoe afaka manaporofo isika fa izy irery no tena Andriamanitra. Voninahitra be àry ilay hoe Vavolombelon’i Jehovah, ka manararaotra mampahafantatra ny anarany isika isaky ny mahita hirika hanaovana an’izany, sady manaporofo hoe lainga daholo ny zava-dratsy nolazaina momba azy. Rehefa manao an’izany isika, dia asehontsika hoe tena Vavolombelon’i Jehovah tokoa, sady reharehantsika mihitsy ny mitondra an’io anarana io!​—Sal. 83:18; Rom. 10:13-15.

HITORY FOANA ISIKA MANDRA-PAHATONGAN’NY FARANY

14. Inona ny zavatra mahafinaritra be mety hitranga atsy ho atsy?

14 Hahafinaritra be ny zavatra mety hitranga atsy ho atsy! Manantena isika hoe mbola ho betsaka ny olona hanaiky ny fahamarinana alohan’ny hanombohan’ny fahoriana lehibe, noho ny fitahian’i Jehovah. Efa tsy andrintsika koa ny hahita hoe na dia mandritra an’ilay fotoana manjombona indrindra eo amin’ny tantaran’ny olombelona aza, izany hoe mandritra ny fahoriana lehibe, dia mety mbola hisy olona ihany hiala ao amin’ilay tontolon’i Satana efa miala aina, ka hiaraka amintsika hidera an’i Jehovah!​—Asa. 13:48.

15-16. Inona no mila ataontsika foana, ary mandra-pahoviana?

15 Misy asa mila ataontsika anefa mandra-pahatongan’izany. Tombontsoa be ny mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra maneran-tany. Indray mandeha tsy miverina mantsy io asa io! Tsy maintsy manohy mampitandrina ny olona koa anefa isika. Mila fantany mantsy hoe mihamanatona haingana ny faran’izao tontolo ratsy izao. Amin’izay rehefa tonga ilay fotoam-pitsarana, dia ho fantany fa avy tamin’i Jehovah Andriamanitra ilay hafatra notorintsika.​—Ezek. 38:23.

16 Tapa-kevitra ny hanao inona àry isika? Hoe hitory foana satria mandrisika antsika hanao an’izany ny fitiavana. Tiantsika ny vaovao tsara sy ny olona, ary ny lehibe indrindra, dia hoe tiantsika i Jehovah Andriamanitra sy ny anarany. Ho vonona sy hazoto hanohy an’io asa io isika sady hanao an’izany tsy misy hataka andro, mandra-pitenin’i Jehovah hoe: “Aoka izay!”

HIRA 54 “Ity no Lalana”

a Jereo ilay lahatsoratra hoe “Manova Olona ny Baiboly​—Voavaly Tsara tao Amin’ny Baiboly ny Fanontaniako” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2015.