LAHATSORATRA FIANARANA 46

Ho An’ny Mpivady Vao: Ampiasao ho An’i Jehovah ny Fiainanareo

Ho An’ny Mpivady Vao: Ampiasao ho An’i Jehovah ny Fiainanareo

“I Jehovah no heriko ... Izy no itokian’ny foko.”​—SAL. 28:7.

HIRA 131 “Nampiraisin’Andriamanitra” ny Mpivady

HO HITANAO ATO *

1-2. a) Fa maninona ny mpivady vao no tokony hatoky an’i Jehovah? (Salamo 37:3, 4) b) Inona no hodinihintsika ato?

HANORIN-TOKANTRANO ve ianao atsy ho atsy, sa ianao nanambady vao haingana? Raha izany, dia azo inoana hoe tsy andrinao ny hankafy fiainana miaraka amin’ilay malalanao. Tsy maintsy misy olana anefa ao amin’ny fanambadiana, ary misy fanapahan-kevitra lehibe tsy maintsy raisina koa. Miankina amin’ny fomba iatrehanao an’ireny no hahatonga anareo ho sambatra foana mandritra an’ireo taona ho avy. Handray fanapahan-kevitra tsara ianareo raha miantehitra amin’i Jehovah Andriamanitra, ka ho mafy orina kokoa ny fifandraisanareo mivady ary ho sambatra kokoa ianareo. Inona kosa no ho vokany raha tsy miraharaha ny fomba fihevitr’i Jehovah ianareo? Azo inoana hoe hanimba ny fifandraisanareo ny olana hitranga, ka tsy ho sambatra ianareo.​—Vakio ny Salamo 37:3, 4.

2 Marina fa ny mpivady vao no tena resahina ato, nefa handinika olana mety hahazo ny mpivady rehetra isika. Ho hitantsika hoe inona no azo ianarana avy amin’ny lehilahy sy vehivavy tsy mivadika ao amin’ny Baiboly. Misy lesona tena tsara ny tantaran’izy ireny ary azo ampiharina amin’ny toe-javatra samy hafa, anisan’izany ny ao an-tokantrano. Handray lesona avy amin’ny mpivady sasany amin’izao andro izao koa isika.

INONA NY OLANA METY HATREHIN’NY MPIVADY VAO?

Inona ny fanapahan-kevitra mety hisakana ny mpivady vao tsy hampitombo ny fanompoany? (Fehintsoratra 3-4)

3-4. Inona ny olana mety hatrehin’ny mpivady vao?

3 Mety hampirisika ny mpivady vao ny olona sasany mba hanao hoatran’ny fanaon’ny olona rehetra. Mety hampirisika azy ireo, ohatra, ny ray aman-dreniny na ny havany mba hiteraka haingana araka izay azo atao. Mety hilaza amin-dry zareo koa ny namany na ny fianakaviany hoe mila mividy trano sy fananana tsara be dia be ry zareo.

4 Raha tsy mitandrina anefa izy mivady, dia mety tsy hahay hanapa-kevitra ka ho bokan-trosa. Vokatr’izany, dia mety ho tsy maintsy samy hiasa mandritra ny ora maro ry zareo mba hanalana an’ilay trosa. Mety hifanindry amin’ny fotoana tokony hanaovana fianarana samirery sy Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ary fanompoana ilay asa, ka ho lasa an-tsirambina ireo. Mety hanapatapaka fivoriana mihitsy aza izy mivady, satria hanao asa fanampiny mba hahazoana vola betsaka kokoa na mba tsy ho very asa. Tsy ho afaka handray anjara amina karazana fanompoana tena mahafinaritra ry zareo ka ho matiantoka.

5. Inona no ianaranao avy amin’i Klaus sy Marisa?

5 Porofoin’ny zavatra niainan’ny olona maro fa tsy mahasambatra ny mikatsaka vola sy harena. Nahita tsara an’izany i Klaus sy Marisa. * Samy niasa tontolo andro izy roa tamin-dry zareo vao nivady, satria mba te hiadana. Tsy nahatsiaro ho afa-po akory anefa ry zareo. Hoy i Klaus: “Nanan-karena be izahay ary nihoatra an’izay nilainay mihitsy aza, saingy tsy nanana tanjona teo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Tsoriko fa nanahirana be ny fiainanay sady nampiady saina!” Ary ianao? Lasa variana mitady vola sy harena ve ianao, nefa hitanao hoe tsy mahafa-po akory izany? Aza kivy raha izany no tsapanao. Hanampy anao hiova ny ohatra tsara navelan’ny olona sasany. Ny tantaran’i Josafata Mpanjaka no horesahintsika voalohany. Handray lesona avy aminy ny lehilahy manambady.

MATOKIA AN’I JEHOVAH HOATRAN’I JOSAFATA MPANJAKA

6. Inona no mampiseho hoe nifanaraka tamin’ny Ohabolana 3:5, 6 ny nataon’i Josafata rehefa niatrika olana?

6 Lehilahy manambady ve ianao? Mahatsapa ve ianao indraindray hoe tototry ny andraikitra? Hahasoa anao ny ohatr’i Josafata Mpanjaka raha izany. Ny firenena iray manontolo no tsy maintsy niandraiketany sy narovany. Ahoana no nataony mba hamitana an’izany andraikitra goavana izany? Nanao izay vitany izy mba hiarovana ny vahoakany. Nohamafisiny ny tanàna tao Joda ary nanangona miaramila 1 160 000 mahery izy. (2 Tan. 17:12-19) Niatrika olana lehibe i Josafata taorian’izay. Nandrahona hanafika azy sy ny fianakaviany ary ny vahoakany ny miaramila be dia be avy amin’ny Amonita sy ny Moabita ary ny avy any amin’ny faritra be tendrombohitr’i Seira. (2 Tan. 20:1, 2) Inona no nataon’i Josafata? Nangataka fanampiana sy hery tamin’i Jehovah izy. Mifanaraka amin’ny torohevitra tena tsara ao amin’ny Ohabolana 3:5, 6 izany. (Vakio.) Nanetry tena i Josafata rehefa nitalaho tamin’i Jehovah, ary voaresaka ao amin’ny 2 Tantara 20:5-12 ny vavaka nataony. Hita amin’izy io hoe tena natoky an’ilay Rainy be fitiavana any an-danitra izy. Namaly ny vavaka nataon’i Josafata ve i Jehovah?

7. Ahoana no namalian’i Jehovah ny vavaka nataon’i Josafata?

7 Nampiasa Levita atao hoe Jahaziela i Jehovah mba hiresahana amin’i Josafata. Hoy i Jehovah: “Samia maka ny toerany ka mijoroa tsara fotsiny, ary jereo ny famonjen’i Jehovah anareo.” (2 Tan. 20:13-17) Tsy hoatr’izany mihitsy ny fomba fiady mahazatra! Tsy avy amin’ny olombelona anefa ireo toromarika ireo, fa avy amin’i Jehovah. Nankatò àry i Josafata satria natoky tanteraka an’i Jehovah. Fantatrao ve hoe iza no nalefany teny aloha indrindra rehefa hifanandrina amin’ny fahavalo izy sy ny vahoakany? Tsy ny miaramilany nahay indrindra, fa mpihira tsy nitondra fitaovam-piadiana! Tsy nandiso fanantenana an’i Josafata i Jehovah, ka nataony resy ny tafika fahavalo.​—2 Tan. 20:18-23.

Hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah ny mpivady vao raha mivavaka sy mianatra Baiboly (Fehintsoratra 8, 10)

8. Inona no azon’ny lehilahy manambady ianarana avy amin’i Josafata?

8 Afaka mianatra avy amin’i Josafata Mpanjaka ny lehilahy manambady. Andraikitrao ny mikarakara ny fianakavianao, ka miezaka be ianao mba hiaro sy hanampy an-dry zareo. Rehefa misy olana mitranga, dia mieritreritra angamba ianao hoe ho vitanao samirery ny hamaha an’ilay izy. Tandremo anefa sao miantehitra amin’ny herinao fotsiny. Aleo mivavaka mitokana amin’i Jehovah mba hahazo ny fanampiany. Miaraha koa mivavaka amin’ny vadinao, ary ataovy amin’ny fo izany. Manaova fikarohana ao amin’ny Baiboly sy ny boky navoakan’ny fandaminana, mba hahafantarana hoe inona no tian’i Jehovah hataonao. Ampiharo izay torohevitra hitanao avy eo. Rehefa mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly anefa ianao, dia mety hisy olona tsy hanaiky an’ilay izy. Mety hiteny mihitsy ry zareo hoe adala ianao. Ny vola sy ny fananana, hono, no fiarovana tsara indrindra ho anao sy ny fianakavianao. Tadidio anefa i Josafata. Natoky an’i Jehovah izy ary nanaporofo an’izany tamin’izay nataony. Tsy nanary an’io lehilahy tsy nivadika io i Jehovah, ary tsy hanary anao koa. (Sal. 37:28; Heb. 13:5) Hodinihintsika indray izao hoe inona no azon’ny mpivady atao mba hananany tokantrano sambatra.

TAHAFO I ISAIA SY NY VADINY KA NY AN’I JEHOVAH ATAO VOALOHANY

9. Inona no fantatsika momba an’i Isaia sy ny vadiny?

9 Ny fanompoana an’i Jehovah no zava-dehibe indrindra tamin’i Isaia sy ny vadiny. Mpaminany i Isaia. Hoatr’izany koa angamba ny vadiny, satria antsoina hoe “mpaminanivavy” izy. (Isaia 8:1-4) Azo antoka fa samy nifantoka tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy roa, ka tena modely ho an’ny mpivady amin’izao andro izao.

10. Hazoto hanao betsaka araka izay azo atao ho an’i Jehovah ny mpivady raha mianatra faminaniana. Nahoana?

10 Hanahaka an’i Isaia sy ny vadiny ianareo mivady, raha manao izay rehetra azo atao eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah. Inona no hanampy anareo amin’izany? Azo atao, ohatra, ny miara-mianatra faminaniana ao amin’ny Baiboly. Vao mainka ianareo hatoky an’i Jehovah rehefa hitanareo hoe tanteraka foana izy ireny. * (Tit. 1:2) Eritrereto koa hoe inona no azonareo atao mba handraisana anjara amin’ny fanatanterahana faminaniana. Anisan’izany ilay faminanian’i Jesosy hoe hotorina maneran-tany ny vaovao tsara alohan’ny hahatongavan’ny farany. (Mat. 24:14) Vao mainka ianareo roa hazoto hanao an’izay rehetra azo atao ho an’i Jehovah, rehefa resy lahatra kokoa hoe tanteraka ny faminanian’ny Baiboly.

KATSAHO ALOHA ILAY FANJAKANA HOATRAN’NY NATAON’I PRISILA SY AKOILA

11. Inona no tombontsoa azon’i Prisila sy Akoila? Nahoana ry zareo no nahazo an’izany?

11 Afaka mianatra avy amin’i Prisila sy Akoila ny mpivady tanora. Jiosy nipetraka tany Roma ry zareo ary mpanao tranolay. Lasa Kristianina izy mivady rehefa naheno ny vaovao tsara momba an’i Jesosy. Azo antoka fa efa afa-po tamin’ny fiainany ry zareo. Nitsimbadika tampoka anefa ny fiainany, rehefa nandidy ny Jiosy rehetra mba hiala tao Roma i Klaodio. Izy no nanjaka tao Roma tamin’izany. Inona no vokatr’io didy io tamin’i Akoila sy Prisila? Tsy maintsy niala tamin’ny tanàna nahazatra azy ry zareo, dia nifindra trano, ary tany indray no nanohy ny asany. Lasa nanao an-tsirambina ny fanompoana an’i Jehovah ve izy mivady rehefa niova ny fiainany? Efa fantatrao angamba ny valiny. Rehefa nifindra tany Korinto ry zareo, dia nanomboka nanampy ny fiangonana tany. Niara-niasa tamin’ny apostoly Paoly koa izy roa mba hampahery ny rahalahy sy anabavy. Nifindra tany amin’ny tanàna hafa ry zareo tatỳ aoriana, satria nila mpitory betsaka kokoa tany. (Asa. 18:18-21; Rom. 16:3-5) Azo antoka fa tena be atao tamin’ny fanompoana izy mivady sady nahafinaritra be ny fiainany!

12. Fa maninona ny mpivady no tokony hanana tanjona eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah?

12 Afaka manahaka an’i Prisila sy Akoila ny mpivady, ka manao loha laharana an’ilay Fanjakana. Rahoviana no mety indrindra mba hiresahan’ny olon-droa ny tanjon-dry zareo eo amin’ny fiainana? Mbola tsy mivady ry zareo dia efa tokony hiresaka an’izany. Inona no ho vokany raha miara-mametraka tanjona eo amin’ny fanompoana ny mpivady sady miara-miezaka mafy mba hanatratra an’izany? Ho mora kokoa amin-dry zareo ny hahita hoe manampy azy ny fanahin’i Jehovah. (Mpito. 4:9, 12) Izany no nataon’i Russell sy Elizabeth. Hoy i Russell: “Mbola tsy nivady izahay dia efa nifampiresaka tsara hoe inona no tanjonay eo amin’ny fanompoana.” Hoy i Elizabeth: “Niresaka an’izany mialoha izahay. Amin’izay rehefa misy fanapahan-kevitra mila raisina, dia izay tsy hisakana anay hanatratra an’ilay tanjonay no fidinay.” Lasa afaka nanitatra tany Mikronezia izy mivady.

Hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah ny mpivady vao raha miezaka hanana tanjona ara-panahy (Fehintsoratra 13)

13. Araka ny Salamo 28:7, inona ny soa azon’izay matoky an’i Jehovah?

13 Betsaka ny mpivady manao hoatran’i Russell sy Elizabeth. Nanapa-kevitra ny hanana fiainana tsotra ry zareo, amin’izay afaka manokana fotoana betsaka araka izay azo atao mba hitoriana sy hampianarana. Handray soa be dia be ny mpivady, raha manana tanjona eo amin’ny fanompoana sady miara-miezaka mba hanatratra an’izany. Ho hitany hoe ahoana no hikarakaran’i Jehovah azy mivady, ka hatoky kokoa azy ry zareo ary tena ho sambatra.—Vakio ny Salamo 28:7.

MATOKIA NY FAMPANANTENAN’I JEHOVAH HOATRAN’I PETERA SY NY VADINY

14. Inona no porofo fa natoky ny fampanantenan’i Jehovah i Petera sy ny vadiny? (Matio 6:25, 31-34)

14 Afaka mandray lesona avy amin’ny apostoly Petera sy ny vadiny koa ny mpivady. Mpanarato no asan’i Petera ary io no namelomany ny fianakaviany. Nanasa azy mba hanara-dia azy anefa i Jesosy, enim-bolana na herintaona teo ho eo taorian’ny nihaonan’izy ireo voalohany. Handray fanapahan-kevitra lehibe i Petera tamin’izay, ka nila nieritreritra momba ny vadiny. Hanao fanompoana manontolo andro mantsy izy raha manaiky an’ilay fanasan’i Jesosy. (Lioka 5:1-11) Nifidy ny hanaraka an’i Jesosy i Petera ary nety ny safidiny. Azo inoana fa nanohana azy ny vadiny. Milaza mantsy ny Baiboly hoe nisy fotoana izy niaraka tamin’i Petera tamin’ny dia nataony, taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty. (1 Kor. 9:5) Azo antoka fa ohatra tsara koa ny vadin’i Petera, ka izany no nahatonga an’i Petera ho sahy hanome torohevitra ho an’ny lehilahy sy vehivavy kristianina manambady. (1 Pet. 3:1-7) Hita amin’izany fa samy natoky ny fampanantenan’i Jehovah izy mivady, hoe hanome an’izay ilain-dry zareo izy raha manao loha laharana an’ilay Fanjakana ry zareo.​—Vakio ny Matio 6:25, 31-34.

15. Inona no ianaranao avy amin’i Tiago sy Esther?

15 Efa aman-taonany ve ianareo no nivady? Inona no hanampy anareo mba hazoto hanome betsaka kokoa ho an’i Jehovah foana? Azonareo atao ny mandinika ny tantaran’ny mpivady hafa. Vakio, ohatra, ilay andian-dahatsoratra hoe “Nahafoy Tena Izy Ireo.” Tena te hanitatra faritany ny mpivady iray any Brezila rehefa namaky an’ireny lahatsoratra ireny. Tiago sy Esther no anaran’izy mivady. Izao no nolazain’i Tiago: “Hitanay tamin’ireny tantara ireny ny fomba anampian’i Jehovah ny mpanompony. Lasa te hahatsapa izahay hoe mitari-dalana sy mikarakara anay koa izy.” Nifindra tany Paragoay ry zareo tatỳ aoriana, ary mbola any hatramin’izao. Manompo ao amin’ny faritany miteny portogey ry zareo nanomboka tamin’ny 2014. Hoy i Esther: “Tena tianay mivady ny Efesianina 3:20. Imbetsaka izahay no nahita hoe nanatanteraka an’io andinin-teny io taminay i Jehovah.” Nampanantena i Paoly ao amin’io taratasiny ho an’ny Efesianina io fa hanome antsika mihoatra lavitra noho izay angatahintsika i Jehovah. Betsaka no efa nahatsapa an’izany!

Hanao loha laharana ny fanompoana an’i Jehovah ny mpivady vao raha mangataka torohevitra amin’ny olona matotra (Fehintsoratra 16)

16. Afaka mangataka torohevitra amin’iza ny mpivady tanora, rehefa mandinika an’izay tiany hatao tanjona?

16 Betsaka no efa nianatra niantehitra tamin’i Jehovah, ary afaka mandray soa avy amin’ny traikefan’izy ireny ny mpivady tanora. Nanompo manontolo andro nandritra ny taona maro, ohatra, ny mpivady sasany. Maninona àry raha mangataka torohevitra amin’izy ireny, raha te handinika an’izay tianareo hatao tanjona ianareo? Hasehonareo amin’izany hoe matoky an’i Jehovah ianareo. (Ohab. 22:17, 19) Afaka manampy ny mpivady tanora mba hanatratra tanjona ara-panahy koa ny anti-panahy.

17. Inona no nitranga tamin’i Klaus sy Marisa? Inona no ianarantsika avy amin-dry zareo?

17 Tsy araka ny noeritreretintsika anefa indraindray ny zava-mitranga, rehefa manapa-kevitra hanompo bebe kokoa an’i Jehovah isika. Hoatr’izany no nanjo an’i Klaus sy Marisa, ilay mpivady voaresaka tetsy aloha. Nanapa-kevitra hifindra lavitra ry zareo, telo taona taorian’ny nanambadiany. Nanolo-tena hanao fanorenana tany amin’ny sampan’i Failandy izy mivady. Nolazaina tamin-dry zareo anefa tatỳ aoriana hoe enim-bolana ihany ry zareo no nahazo nijanona tany. Diso fanantenana izy mivady tamin’ny voalohany. Inona anefa no nitranga taoriana kelin’izay? Nasaina hianatra teny arabo ry zareo, dia izao ry zareo manampy ny mpitory mampiasa an’io fiteny io any amin’ny firenena iray hafa. Hoy i Marisa: “Natahotra be aho hoe handeha hanao zavatra mbola tsy nataoko mihitsy. Tena nila natoky tanteraka an’i Jehovah aho. Hitako anefa hoe nanao zavatra tsy nampoizina foana izy mba hanampiana anay. Lasa natoky azy kokoa aho vokatr’izany.” Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy hamaly soa anareo foana i Jehovah raha matoky azy tanteraka ianareo.

18. Inona no azon’ny mpivady atao raha te hatoky an’i Jehovah foana ry zareo?

18 Fanomezana avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. (Mat. 19:5, 6) Tiany hankafy an’io fanomezana io ny mpivady. (Ohab. 5:18) Raha mbola tanora àry ianareo mivady, sao dia mba azonareo dinihina hoe ahoana no ampiasanareo ny fiainanareo? Manao izay rehetra azonareo atao ve ianareo mba hampisehoana amin’i Jehovah fa tena ankasitrahanareo ny fanomezany? Mivavaha dia resaho aminy izany. Karohy ao amin’ny Teniny ny toro lalana mifandray amin’ny toe-javatra misy anareo. Araho avy eo izay torohevitra omeny. Matokia fa ho sambatra sy ho afa-po ianareo, raha ny fanompoana azy no ataonareo loha laharana.

HIRA 132 Iray Isika Izao

^ feh. 5 Misy vokany amin’ny fotoana sy hery atokantsika hanompoana an’i Jehovah ny fanapahan-kevitra sasany raisintsika. Ny mpivady vao no tena mandray fanapahan-kevitra hoatr’izany, ary mety hisy vokany maharitra eo amin’ny fiainany izany. Hanampy an-dry zareo ity lahatsoratra ity mba handray fanapahan-kevitra tsara ka ho sambatra.

^ feh. 5 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 10 Azonareo ianarana, ohatra, ny lahatsoratra ao amin’ilay efajoro hoe “Hainao Hazavaina ve Ireto Faminaniana Ireto?”, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Jolay 2020, pejy 11.