LAHATSORATRA FIANARANA 41

Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)

Ampio Izy mba ho Vita Batisa (Fizarana 1)

“Ianareo tokoa no voninahitray sy fifalianay.”​—1 TES. 2:20.

HIRA 78 ‘Mampianatra ny Tenin’Andriamanitra’

HO HITANAO ATO *

Faly erỳ ny fiangonana rehefa misy mpianatra Baiboly atao batisa. Misy mahafaly noho izany ve? Efa lasa tian-dry zareo mantsy izy (Fehintsoratra 1)

1. Nahoana no tombontsoa ny manampy olona ho vita batisa, araka ny 1 Tesalonianina 2:20? (Jereo ny sary eo amin’ny fonon’ity gazety ity.)

AHOANA no tsapanao rehefa misy mpianatra Baiboly atao batisa ao amin’ny fiangonanareo? Azo antoka fa faly ianao, indrindra moa raha hoe ianao no nampianatra azy. (Mat. 28:19; 1 Tes. 2:19, 20) Matoa izy nandroso sy natao batisa, dia midika izany fa niasa mafy ianao sy ny fiangonana mba hanampiana azy. Hoatran’ny hoe “taratasy fiderana” àry ireny mpianatra vita batisa ireny, nefa tsy ho an’ilay olona nampianatra azy ihany fa ho an’ilay fiangonana iray manontolo mihitsy.​—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:20.

2. a) Inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika? Nahoana? b) Inona no atao hoe mampianatra Baiboly? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.)

2 Nitarika fampianarana Baiboly * 10 000 000 teo ho eo ny mpanompon’i Jehovah eran-tany isam-bolana, tato anatin’ny efa-taona lasa. Tsara be izany! Nandritra an’ireo taona ireo koa, dia olona 280 000 mahery isan-taona no natao batisa ka lasa Vavolombelon’i Jehovah sy mpianatr’i Jesosy Kristy. Ahoana àry no azo anampiana an’ireny mpianatra Baiboly ireny, mba ho betsaka kokoa amin’izy ireny no hatao batisa? Manam-paharetana i Jehovah ka mbola mamela ny olona ho lasa mpianatr’i Kristy. Tokony hanampy azy ireny ho vita batisa haingana araka izay azontsika atao àry isika. Mila miezaka mafy isika satria tena kely sisa ny fotoana.​—1 Kor. 7:29a; 1 Pet. 4:7.

3. Inona no hodinihintsika ato?

3 Tena maika àry ny asa fanaovana mpianatra. Noho izany, dia nanao fanadihadiana tany amin’ny biraon’ny sampana samihafa ny Filan-kevi-pitantanana, mba hahitana hoe ahoana no azo anampiana mpianatra maro kokoa mba ho vita batisa. Nisy mpisava lalana sy misionera ary mpiandraikitra ny faritra efa za-draharaha nandray anjara tamin’ilay izy. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka hoe inona no azo ianarana avy amin’izy ireo. (Ohab. 11:14; 15:22) Hazavain’izy ireo hoe ahoana no azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra Baiboly atao, mba hahasoa kokoa an’ilay mpianatra ilay fianarana. Ho hitantsika ato ny zavatra dimy tokony hataon’ny mpianatra Baiboly mba handroso sy hatao batisa, sy ny azontsika atao mba hanampiana azy amin’izany.

MIANARA ISAN-KERINANDRO

Anontanio ilay mpianatra raha misy toerana azo ipetrahana dia any no tohizina ny resaka (Fehintsoratra 4-6)

4. Inona no mety hitranga raha fohy na eo am-baravarana foana ny fampianarana Baiboly ataontsika?

4 Rehefa mampianatra Baiboly ny mpitory maro, dia matetika no ataony fohifohy ilay izy, na ataony eo am-baravarana. Misy amin’ireny fampianarana ireny aza tsy atao isan-kerinandro. Te hanampy an’ilay olona ho liana kokoa ny mpitory sasany, dia mangataka ny nomeraon’ny telefaoniny. Afaka miantso azy na mandefa SMS tsindraindray izy amin’izay, mba hizarana hevitra ara-baiboly amin’ilay mpianatra. Mety hitohy amam-bolana hoatr’izany ilay fianarana. Tsy ampy anefa izany na dia manampy azy ho liana amin’ny Baiboly aza. Tsy handroso mihitsy izy ary tsy hanokan-tena sy hatao batisa, raha tsy manokana fotoana bebe kokoa hianarana ny Tenin’Andriamanitra.

5. Inona no nantitranterin’i Jesosy ao amin’ny Lioka 14:27-30, 33, ka azontsika ampiasaina mba hanampiana ny olona ampianarintsika?

5 Nohazavain’i Jesosy indray mandeha hoe inona no tsy maintsy ataon’izay te ho lasa mpianany. Nilaza fanoharana momba ny olona iray te hanorina tilikambo sy mpanjaka iray te handeha hiady izy tamin’izay. Nilaza izy hoe raha te hahavita an’ilay tilikambo ilay olona, dia tsy maintsy “mipetraka aloha” izy dia “manao kajy” an’izay ho lany. Hoatr’izay koa no nolazainy hoe tokony hataon’ilay mpanjaka. Mila “mipetraka aloha” izy dia “maka hevitra”, mba hahitana raha hahavita hiady ny miaramilany. (Vakio ny Lioka 14:27-30, 33.) Fantatr’i Jesosy hoe hoatr’izany koa no tokony hataon’ny olona iray te ho lasa mpianany. Mila mandinika tsara izy hoe ahoana izany manara-dia an’i Jesosy izany. Mba hanampiana an’ilay mpianatra Baiboly amin’izany àry, dia tokony hampirisika azy hianatra isan-kerinandro isika. Ahoana no hanaovana an’izany?

6. Inona no azontsika andramana raha tiantsika handroso ny olona ampianarintsika?

6 Ezaho halavaina aloha ny fotoana ianaranareo. Maninona, ohatra, raha miresaka hevitra ara-baiboly fanampiny isaky ny mianatra? Rehefa hitanao hoe tsy mampaninona an’ilay olona ny mianatra elaela dia anontanio izy raha misy toerana azo ipetrahana, dia any no tohizina ny resaka. Ho hita amin’ny valin-teniny raha tena tiany ilay mianatra Baiboly. Azonao anontaniana mihitsy aza izy any aoriana any raha mazoto hianatra indroa isan-kerinandro. Handroso haingana kokoa izy amin’izay. Misy zavatra hafa tokony hatao anefa, ankoatra ny hoe mianatra indray mandeha na indroa isan-kerinandro.

MANOMÀNA FOANA ISAKY NY HIANATRA

Manomàna tsara rehefa mampianatra, dia atoroy an’ilay mpianatra hoe ahoana no atao rehefa manomana (Fehintsoratra 7-9)

7. Ahoana no hatao raha te hanomana tsara isaky ny hampianatra?

7 Mila manomana tsara foana ny mpampianatra Baiboly isaky ny hampianatra. Vakio aloha ilay zavatra hianarana dia jereo ny andinin-teny. Ataovy azo tsara ny hevi-dehibe. Diniho avy eo ny lohateny, ny lohatenikely, ny fanontaniana, ny andinin-teny misy hoe “vakio”, ny sary, ary ny video mety hanampy anao hanazava an’ilay fianarana. Tadidio ilay mpianatra avy eo, dia eritrereto hoe ahoana no azonao anazavana an’ilay fianarana amin’ny fomba tsotra sy mazava. Amin’izay ho mora aminy ny hahazo sy hampihatra an’ilay izy.​—Neh. 8:8; Ohab. 15:28a.

8. Inona no tokony hangatahinao amin’i Jehovah momba an’ilay mpianatra, araka ny Kolosianina 1:9, 10?

8 Rehefa manomana koa ianao, dia mivavaha momba an’ilay mpianatra sy izay ilainy. Angataho i Jehovah mba hanampy anao hanohina ny fony amin’ny alalan’ny Baiboly. (Vakio ny Kolosianina 1:9, 10.) Ezaho fantarina mialoha hoe inona no mety tsy ho azon’ilay mpianatra na mety tsy hekeny. Tadidio hoe ny hanampy azy ho vita batisa no tanjonao.

9. Ahoana no hanampiana ny mpianatra Baiboly hanomana ny fianarany?

9 Manantena isika hoe rehefa mianatra tsy tapaka ny olona iray, dia hankasitraka an’izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ary hazoto hianatra bebe kokoa. (Mat. 5:3, 6) Raha te handray soa feno amin’ilay fianarana ilay mpianatra, dia mila mifantoka tsara izy rehefa mianatra. Ahoana no azonao anampiana azy? Hazavao aminy hoe tena ilaina ny manomana isaky ny hianatra. Asaivo vakiny mialoha ilay fianarana, dia ampirisiho izy hieritreritra hoe ahoana no hampiharany an’ilay izy. Manomàna lesona iray miaraka aminy mba hahitany hoe ahoana no fomba fanomanana. * Atoroy azy ny fomba hahitana ny valin’ny fanontaniana. Asehoy azy hoe raha teny vitsivitsy fotsiny no marihiny na tsipihiny, dia hanampy azy hitadidy ny valiny izany. Asaivo lazainy amin’ny fomba fiteniny izany avy eo. Ho hitanao amin’izay raha mazava aminy ilay hevitra na tsia. Misy zavatra hafa koa azo ampirisihina hataony.

AMPIANARO IZY HIRESAKA AMIN’I JEHOVAH ISAN’ANDRO

Ampianaro an’ilay mpianatra hoe ahoana izany miresaka amin’i Jehovah sy mihaino azy izany (Fehintsoratra 10-11)

10. Nahoana no tena ilaina ny mamaky Baiboly isan’andro? Ahoana no handraisana soa faran’izay betsaka avy amin’izany?

10 Tena ilaina ny mianatra Baiboly miaraka amin’ny mpampianatra isan-kerinandro. Misy zavatra tokony hataon’ilay mpianatra irery anefa isan’andro. Mila mihaino an’i Jehovah sy miresaka aminy izy. Mihaino azy izy rehefa mamaky Baiboly isan’andro. (Jos. 1:8; Sal. 1:1-3) Atoroy azy àry ny fomba fampiasa an’ilay “Fandaharana Famakiana Baiboly” ao amin’ny jw.org. * Asaivo misaintsaina an’izay lazain’ny Baiboly momba an’i Jehovah izy. Ampirisiho koa izy hieritreritra hoe ahoana no azony ampiharana an’ilay izy. Handray soa faran’izay betsaka avy amin’ny famakiany Baiboly izy amin’izay.​—Asa. 17:11; Jak. 1:25.

11. Ahoana no hanampiana an’ilay mpianatra hahay hivavaka? Nahoana izy no tokony hivavaka matetika?

11 Ampirisiho hiresaka amin’i Jehovah isan’andro ny mpianatrao. Miaraha mivavaka aminy aloha sy aorian’ny fianarana, dia ataovy amin’ny fo izany. Aza hadinoina koa ny miresaka momba azy mandritra an’ireny vavaka ireny. Rehefa mihaino anao mivavaka izy, dia ho fantany hoe hoatran’ny ahoana ny hoe mivavaka amin’ny fo. Ho hitany koa fa i Jehovah Andriamanitra no tokony hivavahana, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy. (Mat. 6:9; Jaona 15:16) Mihaino an’i Jehovah izy rehefa mamaky Baiboly isan’andro, ary miresaka aminy izy rehefa mivavaka. Hifandray akaiky kokoa amin’i Jehovah izy amin’izay. (Jak. 4:8) Raha manao an’ireo isan’andro izy, dia hanampy azy hanokan-tena sy hatao batisa izany. Mbola misy zavatra hafa hanampy azy anefa.

AMPIO IZY HINAMANA AMIN’I JEHOVAH

12. Ahoana no azo anampiana ny mpianatra Baiboly mba hinamana amin’i Jehovah?

12 Tsy tokony hoe heken’ny sain’ilay mpianatra fotsiny ny zavatra ianarany, fa tokony hanohina ny fony koa. Fa maninona? Satria ny fontsika no manosika antsika hanao zavatra. Tafiditra amin’ny hoe fo ny faniriana sy ny fihetseham-po. Nitombina tsara ny fampianaran’i Jesosy dia neken’ny sain’ny olona. Nanohina ny fon’izy ireo koa anefa ny fampianarany, dia izay no nahatonga azy ireo ho lasa mpanara-dia azy. (Lioka 24:15, 27, 32) Tokony ho tsapan’ilay mpianatrao hoe tena misy i Jehovah, ary afaka mifandray aminy izy. Tokony hihevitra an’i Jehovah ho Rainy sy Andriamaniny ary Namany izy. (Sal. 25:4, 5) Rehefa mianatra àry ianareo, dia asongadino tsara ny toetran’i Jehovah. (Eks. 34:5, 6; 1 Pet. 5:6, 7) Manaova an’izany foana na inona na inona ianaranareo. Ataovy azony tsara hoe be fitiavana sy tsara fanahy ary mangoraka i Jehovah. Nilaza i Jesosy hoe “tiavo i Jehovah Andriamanitrao.” Nilaza koa izy hoe izany no “didy lehibe indrindra sady voalohany.” (Mat. 22:37, 38) Ampio àry ny mpianatrao mba ho tena tia an’i Jehovah amin’ny fony manontolo.

13. Ahoana no azo anampiana ny mpianatra mba hahafantatra ny toetran’i Jehovah?

13 Rehefa miresadresaka amin’ilay mpianatrao ianao, dia lazao aminy ny antony tena itiavanao an’i Jehovah. Mety ho tonga saina izy amin’izay hoe mila miezaka ho tia an’i Jehovah sy ho lasa namany koa. (Sal. 73:28) Misy teny miresaka momba an’i Jehovah ve, ohatra, ao amin’ny boky ianaranareo na ao amin’ny andinin-teny iray, dia manohina ny fonao ilay izy? Momba ny fitiavany, ny fahendreny, ny fanaovany ny rariny, na ny heriny angamba ilay izy. Maninona raha resahina amin’ilay mpianatrao izany? Lazao aminy avy eo hoe anisan’ireo antony be dia be itiavanao an’i Jehovah izany. Mbola misy zavatra hafa tokony hataony anefa raha te hatao batisa izy.

AMPIRISIHO HIVORY IZY

Ampirisiho izy mba hivory haingana araka izay azo atao (Fehintsoratra 14-15)

14. Inona no ho vokany raha mivory ilay mpianatra? Inona no resahin’ny Hebreo 10:24, 25 momba ny fivoriana?

14 Tiantsika rehetra raha lasa vita batisa ny olona ampianarintsika. Tena manampy azy amin’izany isika raha mampirisika azy hivory. Milaza ny mpampianatra za-draharaha hoe izay mpianatra tonga dia mivory no mandroso haingana indrindra. (Sal. 111:1) Resahin’ny mpampianatra sasany amin’ny mpianany hoe be dia be ny zavatra tsy ho hainy raha tsy any am-pivoriana. Azonao atao koa izany. Vakio miaraka aminy avy eo ny Hebreo 10:24, 25, dia hazavao aminy ny soa ho azony raha mivory izy. (Vakio.) Asehoy azy koa ilay video hoe Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana? * Ampio izy mba ho tapa-kevitra hivory foana.

15. Ahoana no azo ampirisihana ny mpianatra Baiboly mba hivory tsy tapaka?

15 Ahoana raha mbola tsy mivory ny mpianatrao, na tsindraindray ihany izy vao mivory? Azonao tantaraina aminy izay nianaranao tany am-pivoriana tato ho ato. Miezaha hafana fo rehefa miresaka an’izany. Hazoto hivory kokoa izy amin’izay, raha oharina amin’ny hoe asainao fotsiny. Omeo azy Ny Tilikambo Fiambenana na ny Tari-dalana ho An’ny Fivoriana ampiasaina amin’io fotoana io. Atoroy azy hoe inona no hianarana any am-pivoriana ny herinandro manaraka, dia anontanio azy hoe inona amin’ilay izy no tena mahaliana azy. Tsara lavitra noho izay zavatra hitany sy reny tany amin’ny fivavahana hafa no ho hitany sy ho reny any am-pivoriana. (1 Kor. 14:24, 25) Hahita modely tsara koa izy any ary hanampy azy hatao batisa ireny olona ireny.

16. Inona no azontsika atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly ho vita batisa? Inona no hojerentsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

16 Inona àry no azo atao mba hanampiana ny mpianatra Baiboly ho vita batisa? Ataovy mazava aminy hoe zava-dehibe ilay fianarana. Ampirisiho, ohatra, izy hianatra isan-kerinandro ary hanomana isaky ny hianatra. Ampirisiho koa izy hihaino an’i Jehovah sy hiresaka aminy isan’andro, ary hiezaka hinamana aminy. Tsy izay ihany fa ampio izy mba hazoto hivory. (Jereo ilay hoe “ Inona no Tokony Hataony Raha Te ho Vita Batisa Izy?”) Mbola misy zavatra dimy azon’ilay mpampianatra atao anefa mba hanampiana azy ho vita batisa. Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

HIRA 76 Hoatran’ny Ahoana Moa?

^ feh. 5 Ny hoe mampianatra dia manampy olona iray hanova ny fihetseham-pony na ny fomba fisainany na ny zavatra ataony. Ny Matio 28:19 no andinin-teny ho an’ny taona 2020. Mampahatsiahy antsika izy io hoe tena ilaina ny mampianatra Baiboly ny olona sy manampy azy ho vita batisa ka ho lasa mpianatr’i Jesosy Kristy. Ho hitantsika ato amin’ity lahatsoratra ity sy ilay manaraka hoe inona no azontsika atao mba hahavita tsara kokoa an’io asa io isika.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Raha miresaka tsy tapaka momba ny Baiboly amin’ny olona iray ianao, sady mampiasa ny bokintsika na ny fanazavana avy ao amin’ny bokintsika, dia mampianatra Baiboly ianao izay. Azo anaovana tatitra ny fampianarana Baiboly raha efa nianatra indroa ilay olona taorian’ny nampisehoana taminy ny fomba fianarana, ary azo inoana fa hitohy ilay izy.

^ feh. 9 Jereo ao amin’ny jw.org ilay video efatra minitra hoe Ampianaro Hanomana ny Mpianatra. Midira ao amin’ny ZAVATRA MISY > VIDEO > NY FIVORIANAY SY NY FANOMPOANAY > FANATSARANA FANOMPOANA.

^ feh. 10 Midira ao amin’ny FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FITAOVANA FIANARANA BAIBOLY.

^ feh. 14 Midira ao amin’ny jw.org, dia jereo ilay hoe FAMPIANARAN’NY BAIBOLY > FITAOVANA FIANARANA BAIBOLY > HIANATRA ANY AMIN’NY FIVORIANA HO AN’NY BESINIMARO.