LAHATSORATRA FIANARANA 41

“Manankarena Famindram-po” Ilay Andriamanitsika

“Manankarena Famindram-po” Ilay Andriamanitsika

“Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.”​—SAL. 145:9.

HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo

HO HITANAO ATO *

1. Hoatran’ny ahoana izany hoe olona mamindra fo izany?

 HOATRAN’NY ahoana izany mamindra fo izany aminao? Olona mamela heloka angamba no tonga ao an-tsainao voalohany. Misy heviny hoe tsara fanahy sy mangoraka ary miantra sy malala-tanana koa anefa ilay teny nadika hoe “mamindra fo.” Hoatr’izany ilay Samaritanina tsara fanahy noresahin’i Jesosy tao amin’ny fanoharana. “Niantra” Jiosy iray nisy nandroba io lehilahy io. “Nangoraka” an’ilay Jiosy naratra izy, ary nikarakara azy tsara. (Lioka 10:29-37) Misongadina amin’io tantara io ny toetra tsara ananan’ilay Andriamanitsika. Inona izany? Ny famindram-po na fangorahana. Mampiseho an’io toetra io amintsika Andriamanitra satria tia antsika. Asehony amin’ny fomba itondrany antsika isan’andro mihitsy izany!

2. Ahoana koa no azo ampisehoana famindram-po?

2 Ny hoe mamindra fo dia mety hidika koa hoe tsy manasazy olona mendrika hosazina, satria misy antony andeferana aminy. Hoatr’izany mihitsy no ataon’i Jehovah amintsika. Nilaza ny mpanao salamo hoe: “Tsy mamaly antsika araka ny fahotantsika izy, na mamaly ny fahadisoantsika araka izay tokony ho sahaza antsika.” (Sal. 103:10) Mety hanao zavatra hentitra anefa i Jehovah indraindray mba hanitsiana ny olona nanota.

3. Inona ny fanontaniana hodinihintsika ato?

3 Handinika an’ireto isika ato: Fa maninona i Jehovah no mamindra fo? Azo atao ve ny hoe manitsy olona amin’ny fomba hentitra sady mamindra fo aminy? Inona no hanampy antsika hamindra fo? Andao hojerentsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra momba an’ireo.

FA MANINONA I JEHOVAH NO MAMINDRA FO?

4. Fa maninona i Jehovah no mamindra fo?

4 Efa tian’i Jehovah mihitsy ilay hoe mamindra fo. Nahazo fanahy masina ny apostoly Paoly ka nanoratra hoe “manankarena famindram-po” Andriamanitra. (Efes. 2:4-7) Nanazava izy tamin’izay hoe mamindra fo amin’ireo voahosotra tsy lavorary i Jehovah, ka mampanantena hoe hiaina any an-danitra ry zareo. Tsy amin’ny voahosotra ihany anefa izy no mamindra fo. Izao no nosoratan’i Davida mpanao salamo: “Tsara fanahy amin’ny rehetra i Jehovah, ary hita eo amin’ny asany rehetra fa mamindra fo izy.” (Sal. 145:9) Tena be fitiavana i Jehovah, ka mamindra fo raha vao mahita antony tsara hanaovana an’izany.

5. Ahoana no nahafantaran’i Jesosy hoe mamindra fo i Jehovah?

5 Tsy misy olon-kafa mahafantatra tsara noho i Jesosy hoe tena tia mamindra fo i Jehovah. Efa niara-niaina ela be tany an-danitra izy mianaka, talohan’ny nankanesan’i Jesosy tetỳ an-tany. (Ohab. 8:30, 31) Hitany hoe imbetsaka ny Rainy no namindra fo tamin’ny olona mpanota. (Sal. 78:37-42) Nanasongadina an’io toetra tsara ananan’ny Rainy io izy matetika rehefa nampianatra.

Rehefa nody ilay zanaka adala, dia tsy nanambany azy ny rainy (Fehintsoratra 6) *

6. Inona ny fanoharana nolazain’i Jesosy mba hanampiana antsika hahazo ny haben’ny famindram-pon’ny Rainy?

6 Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha fa nilaza fanoharana momba an’ilay zanaka adala i Jesosy, mba hampisehoana hoe tena tia mamindra fo i Jehovah. Niala tao an-trano io tovolahy io, ary “nandanilany foana ny fananany tamin’ny filibana.” (Lioka 15:13) Naloto fitondran-tena izy tany, nefa nibebaka ihany tatỳ aoriana sady nanetry tena ary niverina nody. Ahoana no nandraisan’ny dadany azy? Izao no nolazain’i Jesosy: “Raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy ary nangoraka azy rainy, ka nihazakazaka ary niantoraka teo amin’ny vozony sady nanoroka azy tamim-pitiavana.” Tsy nanambany an’ilay tovolahy ny rainy. Tonga dia namindra fo taminy kosa izy, ary nandray azy ho anisan’ny fianakaviany indray. Nibebaka ilay tovolahy na dia nanao fahotana tena ratsy be aza, ka namela azy ny dadany. Mampiseho an’i Jehovah ilay ray mamindra fo ao amin’io fanoharana mampihetsi-po io. Nilaza azy io i Jesosy mba hanazavana amintsika hoe vonona hamela ny mpanota mibebaka amin’ny fo manontolo ny Rainy.—Lioka 15:17-24.

7. Nahoana ny fomba ampisehoan’i Jehovah famindram-po no manaporofo hoe tena hendry izy?

7 I Jehovah no hendry indrindra. Milaza ny Baiboly hoe: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia be famindram-po sy be voka-tsoa.’ (Jak. 3:17) Hoatran’ny ray be fitiavana i Jehovah, ka fantany hoe mandray soa ny zanany rehefa mamindra fo amin-dry zareo izy. (Sal. 103:13; Isaia 49:15) Lasa manana fanantenana, ohatra, isika na dia tsy lavorary aza. Noho i Jehovah faran’izay hendry àry, dia mamindra fo foana izy raha vao mahita antony hanaovana an’izany. Fantany koa anefa hoe rahoviana no tsy mety ny mamindra fo. Tsy manao an’izany izy raha hitany hoe mahatonga azy hilefitra amin’ny fanaovan-dratsy izany. Na ahoana na ahoana, dia mahasoa ny zavaboariny foana ny fanapahan-kevitra raisiny.

8. Inona no tsy maintsy atao indraindray, ary nahoana?

8 Ahoana raha misy mpanompon’i Jehovah manohy manota sady manao fanahy iniana? Nasain’i Jehovah nilaza tamin’ny fiangonana i Paoly hoe tsy tokony hifanerasera amin’izany olona izany intsony ry zareo. (1 Kor. 5:11) Roahina tsy ho anisan’ny fiangonana àry izay mpanao ratsy tsy mibebaka. Tena ilaina izany mba hiarovana an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika, sy mba hampisehoana hoe miezaka ho masina hoatran’i Jehovah isika. Porofon’ny famindram-pon’i Jehovah ny fandroahana. Mety ho sarotra amin’ny olona sasany anefa ny hino an’izany. Fa izany tokoa ve no izy?

POROFON’NY FAMINDRAM-PO VE NY FANDROAHANA?

Mety hatoka-monina ny ondry iray rehefa marary. Mbola karakarain’ny mpiandry foana anefa izy (Fehintsoratra 9-11)

9-10. Nahoana no lazaina fa porofon’ny famindram-po ny fandroahana, araka ny Hebreo 12:5, 6? Inona ny ohatra mampiseho hoe mahasoa ny fiangonana ny fandroahana?

9 Malahelo be isika rehefa maheno fampandrenesana hoe “tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony” ny olona iray fantatsika sady tiantsika. Mety ho lasa saina isika hoe tsy maintsy noroahina ve izy. Fa tena porofon’ny famindram-po ve ny fandroahana? Izany mihitsy! Hendry sy mamindra fo ary be fitiavana isika, raha manitsy ny olona iray mila ahitsy. (Ohab. 13:24) Raha roahina mantsy ny mpanota tsy mibebaka, dia mety hampiova azy izany. Betsaka tamin’ireo nanao fahotana lehibe no nilaza hoe nandray soa izy rehefa noroahina. Nanampy azy mantsy izany mba ho tonga saina hoe tena ratsy ny nataony. Lasa niova izy dia niverina tamin’ilay Rainy be fitiavana.​—Vakio ny Hebreo 12:5, 6.

10 Mahasoa ny fiangonana koa anefa ny fandroahana. Nahoana? Andao isika haka ohatra. Voamariky ny mpiandry ondry iray hoe misy ondriny marary. Fantany fa mba hitsaboana an’io karazana aretina io, dia tsy maintsy atokan-toerana ilay ondry ka tsy ho afaka hiaraka amin’ny andiany. Tia miaraka amin’ny namany anefa ny ondry. Satriny tsy hiala amin’ny andiany mihitsy, ary mety hikorontan-tsaina izy raha sarahina amin-dry zareo. Midika ve izany fa ratsy fanahy be ilay mpiandry? Mazava ho azy fa tsia! Fantany hoe raha avelany miaraka amin’ny andiany ilay ondry marary, dia hifindra ilay aretina. Fiarovana an’ilay andian’ondry àry izany.​—Ampitahao amin’ny Levitikosy 13:3, 4.

11. a) Nahoana no azo oharina amin’ny ondry marary ny voaroaka? b) Inona no azon’ny voaroaka atao, ary inona no fanampiana azon-dry zareo?

11 Azo oharina amin’ny ondry marary ny Kristianina voaroaka. Marary ara-panahy mantsy izy. (Jak. 5:14) Mety hifindra ny aretina ara-panahy, hoatran’ny aretina sasany ihany. Mila sarahina amin’ny fiangonana àry indraindray ny olona sasany marary ara-panahy. Porofon’ny fitiavan’i Jehovah an’ireo rahalahy sy anabavy tsy mivadika ao amin’ny andian’ondriny izany. Mety hanohina ny fon’ilay nanao ratsy koa izany, ka hahatonga azy hibebaka. Mbola afaka mivory anefa izy na dia voaroaka aza, ka afaka mahazo sakafo ara-panahy sy fampaherezana. Afaka mahazo ny boky sy gazetintsika koa izy, ary afaka mijery ny Tele JW. Rehefa hitan’ny anti-panahy hoe miova izy, dia mety hanoro hevitra azy tsindraindray ry zareo. Hanampy azy hamerina amin’ny laoniny ny fifandraisany amin’i Jehovah izany, ary mety ho voaray ho anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah indray izy. *

12. Raha tsy mibebaka ny olona iray, dia ahoana no ampisehoan’ny anti-panahy hoe tia azy sy mamindra fo aminy ry zareo?

12 Tena ilaina ny mitadidy hoe rehefa tsy mibebaka ihany ny olona iray vao roahina. Fantatry ny anti-panahy hoe raharaha lehibe izany, ka mandinika tsara ry zareo vao manapa-kevitra. Fantatr’izy ireo koa fa manitsy ny mpanompony “araka ny antonony” i Jehovah, ary tiany hanahaka azy ry zareo. (Jer. 30:11) Tia ny rahalahy sy anabaviny ny anti-panahy, ka tsy hanao zavatra mety hanimba ny fifandraisan’izy ireo amin’i Jehovah. Na izany aza, dia indraindray ny fandroahana an’ilay olona nanota no fomba ampisehoana fitiavana sy famindram-po aminy.

13. Nahoana no tsy maintsy noroahina ny Kristianina iray tany Korinto?

13 Andao hojerentsika ny nataon’ny apostoly Paoly rehefa nisy mpanota tsy nibebaka. Nisy Kristianina iray tany Korinto nijangajanga satria nanao tokantranomaso izy sy ny vadin-drainy. Mahatsiravina izany! Fantatr’i Paoly ilay didin’i Jehovah tamin’ny Israelita hoe: “Ny lehilahy manao firaisana amin’ny vadin-drainy dia mampiharihary ny fitanjahan-drainy. Tsy maintsy vonoina ho faty izy ireo.” (Lev. 20:11) Mazava ho azy fa tsy afaka niteny tamin’ny fiangonana i Paoly hoe tsy maintsy vonoina ilay lehilahy. Nasainy noroahina tsy ho anisan’ny fiangonana kosa izy. Nisy vokany ratsy tamin’ny mpiara-manompo mantsy ny fitondran-tenany. Tsy nahamenatra ny Kristianina sasany akory aza ny fahotana lehibe vitan’ilay lehilahy.​—1 Kor. 5:1, 2, 13.

14. Ahoana no nampisehoan’i Paoly hoe namindra fo tamin’ilay voaroaka izy, ary nahoana izy no nanao an’izany? (2 Korintianina 2:5-8, 11)

14 Henon’i Paoly tatỳ aoriana hoe niova be ilay lehilahy. Tena nibebaka izy! Marina fa nanala baraka ny fiangonana izy. Nilaza tamin’ny anti-panahy anefa i Paoly hoe tsy te hasiaka be loatra aminy. Nampirisika an-dry zareo izy mba “hamela ny helony amin-katsaram-panahy” sy “hampionona” azy. Nahoana? Mba tsy ho “difotry ny alahelo be loatra” izy. Nangoraka azy àry i Paoly. Tsy tiany raha kivy tanteraka ilay lehilahy, ka tsy hiezaka hahazo famelan-keloka intsony.​—Vakio ny 2 Korintianina 2:5-8, 11.

15. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampisehoana hoe mahay mandanjalanja ry zareo?

15 Tia mamindra fo hoatran’i Jehovah ny anti-panahy. Hentitra ry zareo rehefa ilaina izany. Mamindra fo araka izay azo atao anefa ry zareo, raha misy antony tsara hanaovana an’izany. Raha tsy manitsy ny olona nanota ny anti-panahy, dia hoatran’ny hoe milefitra amin’ny zava-dratsy. Tsy mamindra fo ry zareo amin’izay. Ny anti-panahy irery ve anefa no mila mampiseho an’io toetra io?

INONA NO HANAMPY ANTSIKA REHETRA HAMINDRA FO?

16. Araka ny Ohabolana 21:13, ahoana no ataon’i Jehovah amin’ny olona tsy mamindra fo?

16 Miezaka mamindra fo hoatran’i Jehovah ny Kristianina rehetra. Fa maninona? Satria tsy mihaino an’izay olona tsy mamindra fo i Jehovah. (Vakio ny Ohabolana 21:13.) Tsy tiantsika raha lasa tsy mihaino ny vavaka ataontsika izy. Mitandrina tsara àry isika sao lasa mafy fo. Tsy mety raha tsy miraharaha ny mpiara-manompo mijaly isika. Tsy maintsy vonona hihaino ny ‘fitarainan’izy ireo’ foana isika. Mitadidy tsara an’izao voalazan’ny Baiboly izao isika: “Hotsaraina tsy misy indrafo izay olona tsy mpamindra fo.” (Jak. 2:13) Ho mora kokoa amintsika ny hampiseho famindram-po, raha manetry tena isika ka mitadidy hoe isika koa tena mila famindram-po. Tena ilaina ny mampiseho an’io toetra io, rehefa misy mpanota mibebaka ka miverina amin’ny fiangonana.

17. Ahoana no nampisehoan’i Davida Mpanjaka hoe tena namindra fo izy?

17 Misy ohatra ao amin’ny Baiboly manampy antsika hamindra fo fa tsy ho mafy fo. Anisan’izany i Davida Mpanjaka. Tena namindra fo izy, ary nanao an’izany matetika. Te hamono azy, ohatra, i Saoly nefa namindra fo tamin’io mpanjaka voatendrin’Andriamanitra io izy. Tsy nitady hamaly faty mihitsy izy.​—1 Sam. 24:9-12, 18, 19.

18-19. Oviana i Davida no tsy namindra fo?

18 Nisy fotoana anefa i Davida tsy namindra fo. Tsy nanaja azy ilay lehilahy masiaka be atao hoe Nabala tamin’izay. Tsy nety nanome sakafo ho an’i Davida sy ny namany koa izy. Tezitra be àry i Davida, dia nanapa-kevitra hamono an’i Nabala sy izay lehilahy rehetra tao an-tranony. Soa ihany fa teo i Abigaila vadin’i Nabala. Vehivavy tsara fanahy sy nanam-paharetana izy. Nanao zavatra haingana izy ka tsy namono olona i Davida.​—1 Sam. 25:9-22, 32-35.

19 Mbola tsy namindra fo koa i Davida rehefa nilaza fanoharana iray taminy i Natana mpaminany. Nilaza i Natana hoe nisy lehilahy manankarena nangalatra ny ondrikelin’ny lehilahy mahantra iray. Tena tian’ilay lehilahy mahantra anefa io ondriny io. Tezitra be i Davida dia nilaza hoe: “Raha mbola velona koa i Jehovah, dia mendrika ny ho faty ilay lehilahy nanao izany!” (2 Sam. 12:1-6) Nahafantatra tsara ny Lalàn’i Mosesy i Davida. Resahin’ny Lalàna hoe raha misy mangalatra ondry iray, dia tokony honerany avo efatra heny izany. (Eks. 22:1) Ny an’i Davida anefa tonga dia hoe vonoina ilay olona! Masiaka loatra izany! Fanoharana fotsiny anefa ilay nolazain’i Natana. Te hiresaka momba ny fahotana ratsy lavitra vitan’i Davida izy, raha ny marina. Ahoana kosa no nataon’i Jehovah tamin’i Davida? Tena namindra fo taminy izy, fa tsy nanao hoatran’ny nataon’i Davida tamin’ilay mpangalatra ondry.​—2 Sam. 12:7-13.

Tsy namindra fo tamin’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Natana i Davida Mpanjaka (Fehintsoratra 19-20) *

20. Inona no ianarantsika avy amin’i Davida?

20 Voamarikao ve fa rehefa tezitra be i Davida, dia nilaza izy fa mendrika ny ho faty i Nabala sy ny lehilahy rehetra tao an-tranony? Hoatr’izany koa no nolazainy momba an’ilay lehilahy tao amin’ny fanoharan’i Natana. Mety ho gaga ianao hoe tsara fanahy i Davida hatramin’izay, nefa maninona izy no nasiaka be tamin’ilay mpangalatra ondry. Manampy antsika hamaly an’izany ny nahazo an’i Davida tamin’io fotoana io. Nenjehin’ny eritreriny izy tamin’izay. Hita amin’izany fa matoa ny olona iray masiaka sy hentitra be loatra rehefa mitsara ny hafa, dia midika izany fa misy tsy milamina ny fifandraisany amin’i Jehovah. Nampitandrina ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina, fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.” (Mat. 7:1, 2) Tokony hiezaka mafy àry isika mba tsy ho hentitra be loatra, fa ‘hanankarena famindram-po’ hoatran’ilay Andriamanitsika.

21-22. Ahoana, ohatra, no azontsika ampisehoana hoe mamindra fo isika?

21 Tsy fihetseham-po fotsiny ny famindram-po. Mangoraka sady manao zavatra hanampiana ny hafa ny olona manana an’io toetra io. Afaka miezaka àry isika rehetra mba handinika tsara hoe inona no ilain’ny fianakaviantsika, na ny mpiara-manompo, na ny mpiara-monina amintsika. Azo antoka fa be dia be ny fomba azontsika ampisehoana hoe mamindra fo isika. Mahafantatra olona mila ampaherezina ve, ohatra, ianao? Sa ianao afaka manao zavatra mba hanampiana ny hafa, ohatra hoe manome sakafo ho azy? Misy rahalahy na anabavy vao voaray indray ve ao amin’ny fiangonanareo, dia mila namana izy hampahery azy? Azo atao koa ny mitory ny vaovao tsara amin’ny olona rehetra hitantsika. Mampahery mantsy io hafatra io. Anisan’ny fomba tsara indrindra ampisehoana famindram-po izany.​—Joba 29:12, 13; Rom. 10:14, 15; Jak. 1:27.

22 Inona no ho vokany raha mitadidy isika hoe misy olona mila ampiana hoatr’izany? Hahita fomba be dia be hampisehoana famindram-po isika. Tena faly ilay Raintsika “manankarena famindram-po” rehefa mampiseho an’io toetra io isika!

HIRA 43 Vavaka Fisaorana

^ feh. 5 Anisan’ny toetran’i Jehovah mahafinaritra indrindra ny hoe mamindra fo, ary mila miezaka hanana an’io toetra io isika tsirairay. Horesahintsika ato hoe: Fa maninona i Jehovah no mamindra fo? Nahoana no azo lazaina hoe mamindra fo foana izy na dia rehefa manitsy ny olona nanota aza? Ary ahoana no hampisehoantsika fa manana an’io toetra tena tsara io isika?

^ feh. 11 Rehefa voaray indray izy, dia inona no azony atao mba hifandraisana tsara amin’i Jehovah? Ahoana no azon’ny anti-panahy anampiana azy? Mamaly an’izany ilay lahatsoratra hoe “Tianao Haverina Amin’ny Laoniny ve ny Fifandraisanao Amin’i Jehovah?”, ato amin’ity gazety ity.

^ feh. 60 SARY: Mody ilay zanaka adala. Mahatazana azy avy eny an-tampon-trano ilay dadany, dia mihazakazaka mba hamihina azy.

^ feh. 64 SARY: Niady saina i Davida Mpanjaka satria nanenjika azy ny eritreriny. Tezitra be tamin’ilay lehilahy manankarena tao amin’ny fanoharan’i Natana àry izy, ka nilaza fa mendrika ny ho faty ilay lehilahy.