LAHATSORATRA FIANARANA 43

‘Hanatanjaka Anao Izy’

‘Hanatanjaka Anao Izy’

“Hanampy anareo ho mafy orina [i Jehovah], sady hanatanjaka anareo, ary hataony mifototra tsara ianareo.”​—1 PET. 5:10.

HIRA 38 Izy no Hampahery Anao

HO HITANAO ATO:  a

1. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra hery ny mpanompony taloha?

 MATETIKA ny olona manam-pinoana no lazain’ny Tenin’Andriamanitra hoe matanjaka. Na ny matanjaka indrindra amin’izy ireny aza anefa nahatsapa hoe tsy matanjaka indraindray. Nisy fotoana, ohatra, i Davida Mpanjaka nahatsapa hoe “mafy orina toy ny tendrombohitra”, nefa nisy fotoana koa izy “nihorohoro.” (Sal. 30:7) Niavaka ny herin’i Samsona rehefa niasa taminy ny fanahin’Andriamanitra. Niaiky koa anefa izy hoe “halemy, ary ho lasa hoatran’ny olon-drehetra ihany”, rehefa tsy eo intsony io hery avy amin’Andriamanitra io. (Mpits. 14:5, 6; 16:17) Rehefa nomen’i Jehovah hery ihany àry ireny lehilahy nanam-pinoana ireny vao natanjaka.

2. Nahoana ny apostoly Paoly no nilaza hoe sady nalemy izy no nahery? (2 Korintianina 12:9, 10)

2 Niaiky ny apostoly Paoly hoe nila hery avy amin’i Jehovah koa izy. (Vakio ny 2 Korintianina 12:9, 10.) Fa maninona? Tsy salama izy, hoatran’ny maro amintsika ihany. (Gal. 4:13, 14) Nisy fotoana koa mafy taminy ny nanao ny tsara. (Rom. 7:18, 19) Indraindray izy nanahy be, ary tsy fantany izay hitranga aminy. (2 Kor. 1:8, 9) Na nalemy aza anefa i Paoly, dia lasa nahery. Nahoana? Nomen’i Jehovah ny hery nilainy izy. Nanatanjaka azy i Jehovah.

3. Inona no fanontaniana hovaliantsika ato?

3 Mampanantena i Jehovah hoe hanatanjaka antsika koa izy. (1 Pet. 5:10) Misy ezaka tsy maintsy ataontsika anefa mba hahazoantsika an’izany hery izany. Eritrereto izao: Ny hery avy amin’ny maotera no mampandeha ny fiara iray. Tsy maintsy manitsaka akseleratera anefa ny mpamily vao hihetsika io fiara io. Vonona hanome ny hery ilaintsika koa i Jehovah, fa misy zavatra tsy maintsy ataontsika aloha. Ahoana àry no anatanjahan’i Jehovah antsika? Ary inona no mila ataontsika mba hahazoana an’izany hery izany? Mba hamaliana an’ireo, dia andao isika hijery ny fomba nanatanjahan’i Jehovah an’ireto olona telo resahin’ny Baiboly ireto: I Jona mpaminany sy Maria renin’i Jesosy ary ny apostoly Paoly. Ho hitantsika koa fa mbola hoatr’izany ihany no anatanjahan’i Jehovah ny mpanompony amin’izao.

HAHAZO HERY IANAO RAHA MIVAVAKA SY MIANATRA

4. Ahoana no ahazoantsika hery avy amin’i Jehovah?

4 Afaka mahazo hery avy amin’i Jehovah, ohatra, isika rehefa mivavaka aminy. Hamaly an’izany izy, ka hanome antsika “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona.” (2 Kor. 4:7) Hahazo hery koa isika rehefa mamaky sy misaintsaina ny Teniny. (Sal. 86:11) Misy heriny mantsy ny hafatra omeny antsika ao amin’ny Baiboly. (Heb. 4:12) Rehefa mivavaka amin’i Jehovah ianao sady mamaky ny Teniny, dia hahazo ny hery ilainao mba hahafahanao hiaritra, ho falifaly foana, na hamita ny asa sarotra anendrena anao. Mariho hoe ahoana no nanatanjahan’i Jehovah an’i Jona mpaminany.

5. Nahoana i Jona mpaminany no nila hery?

5 Nila hery i Jona mpaminany. Nandositra izy satria tsy te hanao an’ilay asa sarotra nanendren’i Jehovah azy. Dia inona no vokany? Saika maty tao amin’ny tafio-drivotra izy sy ireo tantsambo niara-dia taminy. Natsipy tany an-dranomasina izy avy eo, ka lasa tao amin’ny toerana iray mbola tsy nalehany mihitsy. Taiza izany? Tao anaty kibon’ny trondro be. Maizina be tao. Inona izao no mety ho tsapan’i Jona? Nieritreritra ve izy hoe ho faty ao? Lasa saina ve izy hoe nahafoy azy i Jehovah? Tsy maintsy nitebiteby be i Jona tamin’izay.

Ahoana no hahazoantsika hery rehefa miatrika fitsapana isika, hoatran’ny nataon’i Jona mpaminany? (Fehintsoratra 6-9)

6. Ahoana no nahazoan’i Jona hery tamin’izy tao an-kibon’ilay trondro? (Jona 2:1, 2, 7)

6 Inona no nataon’i Jona mba hahazoana hery rehefa irery tao amin’io toerana mitokana io izy? Voalohany, nivavaka izy. (Vakio ny Jona 2:1, 2, 7.) Marina hoe tsy nankatò an’i Jehovah i Jona, nefa natoky izy hoe hihaino azy i Jehovah. Nasehony tao amin’ilay vavaka mantsy hoe nanetry tena izy sady nibebaka. Nisaintsaina ny Soratra Masina koa i Jona. Nahoana isika no milaza an’izany? Ao amin’ny Jona toko faharoa ilay vavaka nataony, ary betsaka amin’ny teny nampiasainy no mitovy amin’ireo hita ao amin’ny Salamo. (Ampitahao amin’ny Jona 2:2, 5, ohatra, ny Salamo 69:1; 86:7.) Mazava àry fa fantatr’i Jona tsara ireo andininy ireo. Rehefa nisaintsaina an’ireny izy nandritra an’ilay fitsapana nahazo azy, dia lasa natoky hoe hanampy azy i Jehovah. Naverina teny an-tanety i Jona tatỳ aoriana, ary vonona hanao an’izay asa hanendrena azy.​—Jona 2:10–3:4.

7-8. Ahoana no nahazoan’ny rahalahy iray any Taïwan hery tamin’izy niaritra fitsapana?

7 Afaka manampy antsika koa ny ohatr’i Jona rehefa miatrika fitsapana samihafa isika. Diniho izay nanjo an’i Zhiming, b rahalahy any Taïwan. Narary mafy izy, sady nanenjika be ny fianakaviany noho izy nino an’i Jehovah. Ny vavaka sy ny fianarana no nanampy azy hahazo hery avy amin’i Jehovah. Izao no nolazainy: “Mitebiteby loatra aho indraindray rehefa misy olana. Lasa tsy mety tony aho, dia tsy mahavita mianatra samirery.” Tsy nilavo lefona anefa izy. Hoy izy: “Nivavaka tamin’i Jehovah aloha aho, dia avy eo nihaino hiran’ilay Fanjakana tamin’ny telefaonina. Nihira moramora mihitsy aza aho indraindray, ary tsy nijanona raha tsy tony. Nanomboka nianatra aho avy eo.”

8 Tsy nampoizin’i Zhiming mihitsy hoe hanome hery azy ny zavatra hitany tamin’ny fianarany samirery. Vao avy niatrika fandidiana lehibe izy tamin’izay. Nilaza taminy ny mpitsabo mpanampy avy eo fa ambany be ny isan’ny liomena ao amin’ny rany, ka nila nampidiran-dra izy. Inona no nanampy an’i Zhiming? Ny alina talohan’ny nandidiana azy, dia namaky tantaran’ny anabavy iray niatrika fandidiana hoatran’ny azy izy. Mbola ambany noho ny azy aza ny liomena tao amin’ny ran’io anabavy io, nefa tsy nanaiky hampidiran-dra mihitsy izy, ary sitrana soa aman-tsara. Nanome hery an’i Zhiming io tantara io, ka tapa-kevitra ny tsy hivadika izy.

9. Inona no azonao atao raha mahatsiaro ho lany hery ianao noho ny fitsapana mahazo anao? (Jereo koa ny sary.)

9 Miady saina loatra ve ianao rehefa miatrika fitsapana, ka tsy mahavita mamboraka ny ao am-ponao amin’i Jehovah? Sa ianao reraka loatra ka tsy mahavita mianatra? Tadidio fa azon’i Jehovah tsara izay mahazo anao. Na vavaka tsotra kely aza no ataonao, dia matokia hoe hanome an’izay ilainao izy. (Efes. 3:20) Inona no azonao atao raha marary ianao na reraka, na mitebiteby be ka sarotra aminao ny mamaky teny sy mianatra? Maninona raha mihaino Baiboly na boky sy gazety noraisim-peo? Mety hanampy anao koa ny mihaino ny hirantsika, na mijery video ao amin’ny jw.org. Raha mivavaka amin’i Jehovah ianao sady tadiavinao ao amin’ny Baiboly na ao amin’ireo zavatra hafa omeny antsika ny valin’ny vavaka nataonao, dia hoatran’ny hoe avelanao hanatanjaka anao izy.

HAMPAHERY ANAO NY MPIARA-MANOMPO

10. Ahoana no ampaherezan’ny mpiara-manompo antsika?

10 Afaka mampiasa an’ireo rahalahy sy anabavy kristianina i Jehovah mba hanatanjahana antsika. Afaka ‘manampy sy mankahery’ antsika ry zareo, rehefa miatrika fitsapana isika na tsy mora amintsika ny mamita ny asa nanendrena antsika. (Kol. 4:10, 11) Amin’ny “fotoan-tsarotra” isika no tena mila namana. (Ohab. 17:17) Rehefa mahatsiaro ho reraka isika, dia afaka manome an’izay ilaintsika ny mpiara-manompo, mampahery antsika, ary mandrisika antsika hanompo an’i Jehovah foana. Nahazo fampaherezana avy amin’ny hafa, ohatra, i Maria renin’i Jesosy. Aleo izay indray no hodinihintsika.

11. Nahoana i Maria no nila hery hanaovana ny sitrapon’Andriamanitra?

11 Nila hery i Maria mba hanaovana ny sitrapon’i Jehovah. Eritrereto ange e! Tsy maintsy niady saina be izao izy rehefa nomen’ny anjely Gabriela fanendrena sarotra. Tsy nanambady izy, nefa ho bevohoka, hono. Mbola tsy nitaiza koa izy, nefa hikarakara an’ilay ankizilahikely ho lasa Mesia. Izy koa mbola tsy nanao firaisana mihitsy. Dia ahoana no hanazavany an’izany rehetra izany amin’i Josefa fofombadiny?​—Lioka 1:26-33.

12. Inona no nataon’i Maria mba hahazoana ny hery nilainy, araka ny Lioka 1:39-45?

12 Tsy nahazatra ilay fanendrena sady sarotra. Ahoana no nahazoan’i Maria ny hery nilainy mba hahafahany manatanteraka azy io? Nangataka fanampiana izy. Nasainy nanome fanazavana fanampiny momba an’ilay fanendrena, ohatra, i Gabriela. (Lioka 1:34) Taoriana kelin’izay izy nankany amin’ny “faritra be tendrombohitra” tany Joda, mba hitsidika an’ilay havany atao hoe Elizabeta. Soa ihany izy fa nankany. Nidera an’i Maria mantsy i Elizabeta, ary nasain’i Jehovah nilaza faminaniana mampahery momba an’ilay zaza haterak’i Maria. (Vakio ny Lioka 1:39-45.) Nilaza i Maria hoe “nanao asa lehibe tamin’ny sandriny mahery” i Jehovah. (Lioka 1:46-51) I Gabriela sy Elizabeta àry no nampiasain’i Jehovah mba hanatanjahana an’i Maria.

13. Inona ny soa azon’i Dasuri rehefa nitady fanampiana tamin’ny mpiara-manompo izy?

13 Afaka mampahery antsika koa ny mpiara-manompo, hoatran’ny tamin’i Maria. Nila fampaherezana hoatr’izany i Dasuri, anabavy any Bolivia. Lasa fantatra hoe voan’ny aretina mahafaty ny dadany ka niditra hopitaly. Nanolo-tena hikarakara azy i Dasuri. (1 Tim. 5:4) Tsy mora foana anefa ilay izy. Hoy izy: “Imbetsaka aho no nahatsapa hoe hoatran’ny tsy ho vitako intsony.” Tsy nangataka fanampiana anefa izy tamin’ny voalohany. Izao no noteneniny: “Tsy te hanahirana ny mpiara-manompo aho. Nieritreritra aho hoe i Jehovah no hanome ahy ny fanampiana ilaiko. Tsapako anefa tatỳ aoriana hoe raha mitokantokana aho, dia lasa miezaka mamaha an’ilay olana samirery.” (Ohab. 18:1) Nanapa-kevitra àry i Dasuri fa hanoratra any amin’ny namany sasany, dia hanazava ny zavatra niainany. Izao no nolazainy: “Tena nampahery be ahy ny mpiara-manompo, ary tsy misy teny mahalaza an’izany. Nanatitra sakafo tany amin’ny hopitaly ry zareo, sady niresaka andinin-teny mampahery. Mahafinaritra be ny mahafantatra hoe tsy irery isika. Anisan’ny fianakaviamben’i Jehovah isika, dia vonona hanome tanana anao ry zareo, hitomany miaraka aminao, ary hiady miaraka aminao.”

14. Nahoana isika no tokony hanaiky hampian’ny anti-panahy?

14 Anisan’ny fomba anomezan’i Jehovah hery antsika ny anti-panahy. Fanomezana ry zareo, ary ampiasainy mba hampaherezana sy hamelombelomana antsika. (Isaia 32:1, 2) Raha miady saina àry ianao, dia resaho amin’ny anti-panahy izay mampanahy anao. Raiso tsara ny fanampiany. Amin’ny alalan’izy ireo mantsy i Jehovah no manatanjaka anao.

HAHAZO HERY IANAO RAHA BE FANANTENANA

15. Inona ilay fanantenana sarobidy ananan’ny Kristianina rehetra?

15 Manome hery antsika ny fanantenantsika avy ao amin’ny Baiboly. (Rom. 4:3, 18-20) Kristianina isika, ka manantena hiaina mandrakizay, na ao amin’ny tany lasa paradisa izany, na ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra. Io fanantenana sarobidy io no manatanjaka antsika, dia lasa vitantsika ny miaritra fitsapana, mitory ny vaovao tsara, ary mamita an’ireo fanendrena samihafa ao amin’ny fiangonana. (1 Tes. 1:3) Io fanantenana io koa no nanatanjaka ny apostoly Paoly.

16. Nahoana ny apostoly Paoly no nila hery?

16 Nila hery i Paoly. Nosoratany tao amin’ny taratasiny ho an’ny Korintianina hoe hoatran’ny vilany tany mora vaky izy. “Voageja” izy, “very hevitra”, ‘nenjehina’, ary ‘nazera.’ Nisy fotoana aza izy saika maty. (2 Kor. 4:8-10) Tamin’ny dia misionera fahatelo nataony i Paoly no nanoratra an’ireo. Mety ho tsy fantany akory tamin’izay hoe tsy tapitra hatreo ny olana nahazo azy. Mbola hotafihin’ny vahoaka romotra mantsy izy, hosamborina, ho vaky sambo, ary higadra.

17. Inona no nanampy an’i Paoly hahazo hery hiaretana fitsapana? (2 Korintianina 4:16-18)

17 Nahazo hery hiaretana i Paoly, satria nifantoka tamin’ny fanantenany. (Vakio ny 2 Korintianina 4:16-18.) Nilaza tamin’ny Korintianina izy fa na dia ‘nihaosa’ aza ny vatany, dia tsy nataony nahakivy azy izany. Nifantoka tamin’ny hoavy izy. Mbola “voninahitra lehibe lavitra” ilay fanantenana hiaina mandrakizay any an-danitra, ka vonona hiaritra fahoriana izy mba hahazoana an’izany. Nisaintsaina an’izany fanantenana izany i Paoly, dia lasa tsapany hoe ‘nohavaozina isan’andro’ izy.

18. Nahoana ny fanantenana no nanome hery an’i Tihomir sy ny fianakaviany?

18 Ny fanantenany koa no nanome hery an’i Tihomir, rahalahy any Boligaria. Maty tamin’ny lozam-piarakodia i Zdravko, zandriny lahy, taona vitsivitsy lasa izay. Mbola nalahelo be foana i Tihomir, na dia elaela tatỳ aoriana aza. Inona no nanampy azy sy ny fianakaviany? Nisaintsaina ny fitsanganana amin’ny maty ry zareo. Hoy izy: “Noresadresahinay, ohatra, hoe aiza izahay no hihaona amin’i Zdravko, inona ny sakafo hokarakarainay ho azy, iza no hasainay amin’ilay fety voalohany hataonay miaraka aminy, ary inona no hotantarainay aminy momba ny andro farany.” Nilaza i Tihomir hoe nahazo hery ny fianakaviany rehefa nifantoka tamin’ny fanantenany, ka lasa vonona hiaritra foana, sady vonona hiandry ny fotoana hananganan’i Jehovah an’ilay rahalahiny.

Hoatran’ny ahoana no eritreretinao hoe ho fiainanao rehefa any amin’ny tontolo vaovao? (Fehintsoratra 19) c

19. Inona no azonao atao mba hatoky kokoa ny fanantenanao ianao? (Jereo koa ny sary.)

19 Inona no hanampy anao hatoky kokoa ny fanantenanao? Raha manantena hiaina mandrakizay eto an-tany, ohatra, ianao, dia vakio sy saintsaino izay resahin’ny Baiboly momba an’ilay Paradisa. (Isaia 25:8; 32:16-18) Eritrereto ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovao. Ataovy hoatran’ny hoe efa any ianao. Iza no hitanao? Inona no feo henonao? Hoatran’ny ahoana no tsapanao? Jereo ireo sarina Paradisa ao amin’ny boky sy gazetintsika, mba hanampiana anao haka sary an-tsaina an’ilay izy. Jereo koa ny hirahira ao amin’ny tranonkalantsika, ohatra hoe Ilay Tontolo Vaovao, Efa ao Ambadika Ao, na ilay hoe Alao Sary An-tsaina. Raha mifantoka foana amin’ilay fanantenana hiaina ao amin’ny tontolo vaovao isika, dia ho “vetivety sy maivana” ny olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:17) Hanatanjaka anao izany fanantenana omen’i Jehovah izany.

20. Ahoana no hahazoantsika hery, na dia rehefa mahatsiaro ho reraka aza isika?

20 “Hahazo hery avy amin’Andriamanitra” isika, na dia rehefa mahatsiaro hoe reraka aza. (Sal. 108:13) Efa nanome an’izay rehetra ilainao i Jehovah mba hahazoanao hery. Mivavaha aminy àry rehefa mila fanampiana ianao mba hahafahanao hamita ny asa nanendrena anao, na hiaritra fitsapana, na ho falifaly foana. Miezaha koa mianatra samirery mba hahazoanao ny tari-dalany. Raiso ny fampaherezana omen’ireo rahalahy sy anabavy. Ary ataovy mazava tsara ao an-tsainao ny fanantenanao. Raha manao an’izany ianao, dia ‘hampiasa ny heriny be voninahitra Andriamanitra, ka hanatanjaka anao sy hanome anao an’izay hery rehetra ilainao! Amin’izay ho vitanao ny hiaritra ny zava-drehetra, sady hanam-paharetana sy ho falifaly.’​—Kol. 1:11.

HIRA 33 Apetraho Amin’i Jehovah Izay Manavesatra Anao

a Mafy aminao ve ny miaritra ny fitsapana mahazo anao? Sa sarotra aminao ny mamita ny asa nanendrena anao? Hanampy anao ity lahatsoratra ity. Ho hitantsika ato koa hoe ahoana no anatanjahan’i Jehovah antsika, ary inona no azontsika atao mba hahazoana ny fanampiany.

b Novana ny anarana sasany.

c SARY: Anabavy iray marenina misaintsaina ny fampanantenan’ny Baiboly. Mandefa hirahira ao amin’ny tranonkalantsika izy, mba hanampy azy haka sary an-tsaina ny fiainany ao amin’ny tontolo vaovao.