LAHATSORATRA FIANARANA 42

“Vonona Hankatò” ve Ianao?

“Vonona Hankatò” ve Ianao?

‘Ny fahendrena avy any ambony dia vonona hankatò.’​—JAK. 3:17.

HIRA 101 Miara-miasa sy Miray Saina

HO HITANAO ATO: a

1. Nahoana no mety ho sarotra ny mankatò?

 SAROTRA aminao ve ny mankatò indraindray? Hoatr’izany i Davida Mpanjaka, ka nivavaka tamin’Andriamanitra izy hoe: “Ataovy izay hahatonga ahy haniry hankatò anao.” (Sal. 51:12) Tia an’i Jehovah i Davida. Na izany aza, dia sarotra taminy ny nankatò indraindray, hoatr’antsika ihany. Fa maninona? Voalohany, satria anisan’ny toetra nolovantsika ilay hoe tsy mora mankatò. Faharoa, miezaka foana i Satana mba hitarika antsika hikomy hoatr’azy. (2 Kor. 11:3) Ary fahatelo, olona manana toe-tsaina tia mikomy no manodidina antsika, izany hoe “toe-tsaina manjaka amin’izao ao amin’ny zanaky ny tsy fankatoavana.” (Efes. 2:2) Tsy maintsy miezaka mafy àry isika mba tsy ho resin’ny fakam-panahy hanota, sy mba tsy hotaomin’ny Devoly sy izao tontolo izao tsy hankatò koa. Tsy maintsy manao izay fara herintsika isika mba hankatoavana an’i Jehovah sy izay nomeny fahefana.

2. Inona no dikan’ny hoe “vonona hankatò”? (Jakoba 3:17)

2 Vakio ny Jakoba 3:17. Nahazo fanahy masina i Jakoba ka nanoratra hoe hendry izay “vonona hankatò.” Inona no dikan’izany? Tokony hazoto sy ho vonona hankatò an’izay nanankinan’i Jehovah fahefana isika. Mazava ho azy fa tsy tian’i Jehovah hankatò isika raha asaina mandika ny didiny.​—Asa. 4:18-20.

3. Nahoana no zava-dehibe amin’i Jehovah ny hankatoavantsika an’ireo manana fahefana amintsika?

3 Mety ho mora kokoa amintsika ny hankatò an’i Jehovah noho ny hoe mankatò olombelona. Ny an’i Jehovah mantsy tonga lafatra foana ny toromarika omeny. (Sal. 19:7) Tsy hoatr’izany anefa ny an’ny olombelona manana fahefana. Na izany aza, dia nomen’ilay Raintsika any an-danitra fahefana sasany ny ray aman-dreny sy ny mpitondra fanjakana ary ny anti-panahy. (Ohab. 6:20; 1 Tes. 5:12; 1 Pet. 2:13, 14) Rehefa mankatò an-dry zareo isika, dia hoatran’ny hoe mankatò an’i Jehovah ihany. Andao àry hodinihintsika hoe inona no azontsika atao mba hankatoavantsika ny olona nanankinan’i Jehovah fahefana, na dia sarotra amintsika aza indraindray ny manaiky sy manaraka ny toromarika omen-dry zareo.

ANKATOAVY NY RAY AMAN-DRENINAO

4. Nahoana no betsaka ireo tsy mankatò ray aman-dreny?

4 Feno tanora ‘tsy mankatò ray aman-dreny’ manodidina ny tanorantsika. (2 Tim. 3:1, 2) Fa maninona no be dia be hoatr’izany no tsy mankatò? Misy mieritreritra hoe mihatsaravelatsihy ny ray aman-dreniny. Asaina mankatò, hono, ny ankizy nefa na ny ray aman-dreny aza tsy manao an’ilay zavatra takiny akory. Ny hafa indray mieritreritra hoe efa lany andro ny torohevitry ny ray aman-dreniny, na tsy azo ampiharina, na hentitra loatra. Raha tanora ianao, dia mahatsapa hoatr’izany koa ve ianao indraindray? Mety ho sarotra àry ny hampihatra an’ilay didin’i Jehovah hoe: “Ankatoavy ny ray aman-dreninareo, araka izay sitrapon’ny Tompo, fa izany no mety.” (Efes. 6:1) Inona anefa no hanampy anao?

5. Nahoana no mampiaiky ilay hoe nankatò ny ray aman-dreniny i Jesosy, araka ny Lioka 2:46-52?

5 Afaka mianatra mankatò avy amin’ilay modely tsara indrindra ianao. Iza izany? I Jesosy. (1 Pet. 2:21-24) Olombelona lavorary izy, fa ny ray aman-dreniny kosa tsy lavorary. Nanaja an-dry zareo foana anefa i Jesosy, na dia rehefa nanao fahadisoana sy tsy nahazo tsara azy aza ry zareo. (Eks. 20:12) Eritrereto izay nitranga tamin’i Jesosy 12 taona. (Vakio ny Lioka 2:46-52.) Tsy tsikaritry ny ray aman-dreniny hoe mbola tany Jerosalema izy. Mazava ho azy aloha fa andraikitr’i Josefa sy Maria ny nanamarina hoe tafaraka tamin’ny olona handeha hody ve ny zanany rehetra, taorian’ilay fety. Rehefa hitan’izy mivady i Jesosy tamin’ny farany, dia nobedesin’i Maria izy satria nampitebiteby an-dry zareo! Afaka nilaza i Jesosy tamin’izay hoe tsy rariny izany, nefa valin-teny tsotra sy feno fanajana no nolazainy. “Tsy azon’izy” mivady “anefa ny tiany holazaina.” Na izany aza, dia mbola “nankatò azy ireo foana” i Jesosy.

6-7. Inona no hanampy ny tanora hankatò ray aman-dreny?

6 Sarotra aminao ve indraindray ny mankatò ny ray aman-dreninao rehefa manao fahadisoana ry zareo, na rehefa tsy azony izay lazainao na ataonao? Inona àry no afaka manampy anao? Voalohany, tadidio izay tsapan’i Jehovah. Milaza ny Baiboly fa “mampifaly ny Tompo” ianao rehefa mankatò an’i Dada sy Neny. (Kol. 3:20) Fantatr’i Jehovah rehefa tsy azon-dry zareo izay lazainao na izay ataonao, na rehefa hoatran’ny hoe tsy tena mety ny fitsipika apetrak’izy ireo. Raha mifidy ny hankatò ihany anefa ianao, dia ho faly i Jehovah.

7 Faharoa, eritrereto izay tsapan’ny ray aman-dreninao. Ho faly sy hatoky anao ry zareo rehefa mankatò ianao. (Ohab. 23:22-25) Azo inoana koa hoe vao mainka ianareo hifandray tsara. Hoy i Alexandre, rahalahy avy any Belzika: “Niova ny fifandraisako tamin’i Dada sy Neny rehefa nanomboka nankatò an-dry zareo matetika kokoa aho. Lasa nifandray tsara sy faly kokoa izahay.” b Fahatelo, eritrereto hoe nahoana ianao no handray soa any aoriana any, raha mankatò dieny izao. Izao no notenenin’i Paulo, rahalahy any Brezila: “Nianatra nankatò ny ray aman-dreniko aho, dia nanampy ahy hankatò an’i Jehovah sy ny olon-kafa manana fahefana izany.” Misy antony tsara koa resahin’ny Baiboly hoe tokony hankatoavanao ny ray aman-dreninao. Izao no resahiny: “Amin’izay hahita soa sady ho ela velona eto ambonin’ny tany ianao.”​—Efes. 6:2, 3.

8. Maninona ny tanora maro no mifidy hankatò ray aman-dreny?

8 Betsaka ny tanora miaiky hoe soa ihany izy fa nankatò. Hoatr’izany i Luiza, avy any Brezila. Nisy fotoana izy tsy nahazo nampiasa telefaonina. Tsy azony mihitsy ny antony tamin’ny voalohany. Ny ankamaroan’ny ankizy nitovy taona taminy tsinona nanana telefaonina daholo. Tonga saina anefa izy avy eo hoe niaro azy ny ray aman-dreniny, raha ny marina. Lasa hainy, hono, fa tsy hoe te hifehifehy be azy ry zareo fa mahafantatra tsara an’izay ilainy. Sarotra amin’i Elizabeth koa ny mankatò ny ray aman-dreniny indraindray. Izao no nohazavain’io anabavy tanora avy any Etazonia io: “Rehefa tsy azoko tsara hoe fa maninona i Dada sy Neny no mametraka fitsipika sasany, dia iezahako tadidina hoe efa niaro ahy ny fitsipika napetraky ry zareo.” Nilaza koa i Monica, anabavy any Armenia, hoe aleo foana mankatò ray aman-dreny satria tsara ny vokany, toy izay tsy mankatò.

ANKATOAVY “NY MANAM-PAHEFANA”

9. Ahoana no fahitan’ny olona maro an’ilay hoe mankatò lalàna?

9 Betsaka ny olona miaiky hoe ilaina ny fitondram-panjakana, ary fara faharatsiny isika tokony hankatò ny sasany amin’ny lalàna apetraky ny “manam-pahefana.” (Rom. 13:1) Ireny olona ireny ihany anefa avy eo no mitady tsy hankatò, rehefa misy lalàna heveriny hoe tsy ara-drariny na hoatran’ny hoe be loatra ny takina aminy. Eritrereto, ohatra, ny resaka hetra. Betsaka amin’ny olona any amin’ny firenena iray any Eoropa no mieritreritra hoe “tsy maninona raha tsy mandoa hetra ianao, raha hitanao hoe tsy ara-drariny ilay izy.” Tsy mahagaga àry raha ny antsasany mahery amin’ny hetra takin’ny fanjakana ihany no aloan’ny mponina any.

Inona no ianarantsika avy amin’ny fankatoavan’i Josefa sy Maria? (Fehintsoratra 10-12) c

10. Nahoana no ankatoavintsika na dia izay lalàna tsy tiantsika aza?

10 Milaza ny Baiboly hoe mampijaly ny fitondran’olombelona, ary eo ambany fahefan’i Satana, sady horavana tsy ho ela. (Sal. 110:5, 6; Mpito. 8:9; Lioka 4:5, 6) Lazain’izy io koa anefa hoe ‘izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny lamina napetrak’Andriamanitra.’ Avelan’i Jehovah hitondra aloha ny fitondram-panjakana amin’izao mba hisian’ny filaminana, dia manantena izy hoe hankatò an-dry zareo isika. Tsy maintsy ‘aloantsika amin’izy rehetra àry izay tokony haloa aminy’, anisan’izany ny hetra, ny fanajana, ary ny fankatoavana. (Rom. 13:1-7) Ahoana anefa raha tsy mety na tsy rariny ny fahitantsika ny lalàna iray, na hoe mandany vola be ny mankatò an’ilay izy? Mankatò azy ireny isika satria isika mankatò an’i Jehovah. Izy mantsy no mampirisika antsika hankatò ny manam-pahefana, raha tsy asain’izy ireny mandika ny didiny isika.​—Asa. 5:29.

11-12. Ahoana no nampisehoan’i Josefa sy Maria hoe nankatò lalàna ry zareo na dia sarotra aza izany, ary inona no vokany? (Lioka 2:1-6) (Jereo koa ny sary.)

11 Afaka mianatra avy amin’i Josefa sy Maria isika. Vonona hankatò ny manam-pahefana foana mantsy ry zareo, na dia rehefa sarotra aza izany. (Vakio ny Lioka 2:1-6.) Tsy mora tamin’izy mivady, ohatra, ny nankatò, tamin’i Maria bevohoka sivy volana teo ho eo. I Aogosto no nitondra ny Fanjakana Romanina tamin’izany, dia nasainy nisoratra anarana tany amin’ny tanàna niaviany avy ny vahoaka. Nila nanao dia lavitra 150 kilaometatra nankany Betlehema àry i Josefa sy Maria, sady niaka-nidina be ny lalana. Nanahirana be ny nanao an’io dia io, indrindra ho an’i Maria. Natahotra angamba izy roa sao maninomaninona eny i Maria, na ilay zaza mbola ao an-kibo. Ahoana izao raha mihetsi-jaza eny an-dalana eny izy? Ny Mesia ange no ao an-kibony ao e! Tsy maninona ve izany raha tsy mankatò ny fanjakana ry zareo tamin’iny?

12 Tsy navelan’i Josefa sy Maria hisakana azy tsy hankatò ireny fanahiana ireny. Notahin’i Jehovah àry ry zareo. Tonga soa aman-tsara tany Betlehema i Maria, dia niteraka zaza salama tsara, ary nanampy hanatanteraka faminanian’ny Baiboly mihitsy!​—Mika 5:2.

13. Rehefa mankatò isika, dia inona no mety ho vokatr’izany eo amin’ireo rahalahintsika?

13 Mandray soa isika sy ny olon-kafa, rehefa mankatò ny manam-pahefana isika. Fa maninona? Satria aloha isika tsy voasazy hoatran’ny olona mandika lalàna. (Rom. 13:4) Misy vokany amin’ny fahitan’ny manam-pahefana ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny ankapobeny koa ny fankatoavantsika tsirairay. Eritrereto izay nitranga tany Nizeria, am-polony taona lasa izay. Nisy miaramila niditra tao amin’ny Efitrano Fanjakana nandritra ny fivorian’ny fiangonana. Nitady mpirotaka tsy nanaiky handoa hetra ry zareo tamin’izay. Nasain’ny lehibeny nandeha anefa ry zareo sady niteny izy hoe: “Mandoa hetra foana ny Vavolombelon’i Jehovah ka!” Isaky ny mankatò lalàna àry ianao, dia manatsara ny lazan’ny vahoakan’i Jehovah. Mety hiaro ny mpiray finoana aminao izany laza tsara izany, indray andro any.​—Mat. 5:16.

14. Inona no nanampy ny anabavy iray ho “vonona hankatò” ny manam-pahefana?

14 Na izany aza, dia mbola mety ho sarotra amintsika ny mankatò ny manam-pahefana. Hoy i Joanna, anabavy any Etazonia: “Tena tsy mora tamiko aloha ilay mankatò e! Nanaovan’ny manam-pahefana tsindry hazo lena tsinona ny sasany tamin’ny fianakaviako.” Nanapa-kevitra hanova ny toe-tsainy anefa i Joanna. Dia inona no nataony? Voalohany, tsy novakiny intsony izay vaovao tany amin’ny tambazotran-tserasera mety hahatonga azy hankahala ny manam-pahefana. (Ohab. 20:3) Faharoa, nivavaka tamin’i Jehovah izy mba hampiany hatoky azy, fa tsy nangataka mba hiova ny fitondram-panjakana. (Sal. 9:9, 10) Fahatelo, novakiny izay lahatsoratra navoakan’ny fandaminana ka miresaka hoe tsy midikiditra amin’ny politika isika. (Jaona 17:16) Milaza i Joanna amin’izao hoe “tony be tsy misy hoatr’izany” izy, satria manaja sy mankatò ny manam-pahefana.

ANKATOAVY NY FANDAMINAN’I JEHOVAH

15. Nahoana no mety ho sarotra indraindray ny mankatò ny toromarika avy amin’ny fandaminan’i Jehovah?

15 Asain’i Jehovah ‘mankatò an’ireo mitarika’ eo anivon’ny fiangonana isika. (Heb. 13:17) Marina fa lavorary i Jesosy, ilay Mpitarika antsika, nefa tsy hoatr’izany ireo ampiasainy hitarika eto an-tany. Mety ho sarotra amintsika àry ny hankatò an-dry zareo, indrindra raha asainy manao zavatra tsy tiantsika hatao isika. Tsy tonga dia nankatò, ohatra, ny apostoly Petera, indray mandeha. Nasain’ny anjely iray nihinana sakafo nolazain’ny Lalàn’i Mosesy hoe maloto mantsy izy. Tsy nanaiky àry i Petera, ary tsy hoe indray mandeha ihany fa intelo be izao! (Asa. 10:9-16) Fa maninona? Satria hafahafa taminy ilay toromarika vaovao. Tsy hoatran’izay nahazatra azy hatramin’izay mantsy ilay izy. Raha sarotra tamin’i Petera àry ny nankatò toromarika avy amin’ny anjely lavorary, tsy vao mainka ve ho sarotra amintsika ny hankatò toromarika avy amin’ny olona tsy lavorary?

16. Inona no nataon’ny apostoly Paoly, na dia tsy tena nety aza ny fahitany ny toromarika azony? (Asan’ny Apostoly 21:23, 24, 26)

16 “Vonona hankatò” ny apostoly Paoly rehefa nahazo toromarika, na dia hoatran’ny hoe tsy tena nety aza ny fahitany an’ilay izy. Naheno tsaho momba azy ny Kristianina jiosy. Tsy nanaja “ny Lalàn’i Mosesy”, hono, izy sady nitory hoe tsy tokony “hankatò” an’izany ny olona. (Asa. 21:21) Nilaza tamin’i Paoly àry ny anti-panahy tao Jerosalema mba hitondra lehilahy efatra ho any amin’ny tempoly sy hidio araka ny takin’ny Lalàna, mba hampisehoana hoe mankatò an’izany izy. Fantatr’i Paoly anefa fa tsy teo ambanin’ny Lalàna intsony ny Kristianina, sady izy koa tsy hoe nanao zavatra tsy nety. Na izany aza, dia tonga dia nankatò i Paoly. ‘Nentiny ireo lehilahy ireo ny ampitso, ary nidio araka ny takin’ny Lalàna izy, niaraka tamin’izy ireo.’ (Vakio ny Asan’ny Apostoly 21:23, 24, 26.) Nanampy an’ireo rahalahy hiray saina àry i Paoly, noho izy nankatò.​—Rom. 14:19, 21.

17. Inona no ianaranao avy amin’i Stéphanie?

17 Sarotra tamin’ny Ranabavy Stéphanie ny nanaiky ny fanapahan-kevitra noraisin’ireo rahalahy manana andraikitra tao amin’ny taniny. Nanompo tao amin’ny antoko-mpitory miteny vahiny mantsy izy sy ny vadiny, ary tena tian-dry zareo ilay izy. Nofoanan’ny biraon’ny sampana anefa ilay antoko-mpitory, dia nasaina niverina tao amin’ny fiangonana iray mampiasa ny fiteniny izy roa. Hoy i Stéphanie: “Tsy faly tamin’ilay izy aloha aho e! Tsy nino aho hoe tena nila fanampiana ny fiangonana mampiasa ny fiteninay.” Na izany aza, dia tapa-kevitra izy hoe hanaraka an’ilay toromarika vaovao. Izao no noteneniny: “Rehefa nandeha ny fotoana, dia hitako ihany hoe tena nety iny fanapahan-kevitra iny. Tsy manana fianakaviana Vavolombelona ny olona maromaro ao amin’ny fiangonanay. Lasa hoatran’ny hoe zanakay ara-panahy àry ry zareo. Mampianatra rahavavy iray vao niverina nitory aho izao, ary manam-potoana kokoa hianarana samirery.” Hoy koa izy: “Tsy enjehin’ny eritreritro aho, satria fantatro hoe nanao izay fara heriko aho mba hankatoavana toromarika.”

18. Inona ny soa azontsika rehefa mankatò isika?

18 Afaka mianatra mankatò isika. “Nianatra nankatò avy tamin’ny zavatra niaretany” i Jesosy, izany hoe tsy tamin’ny mora fa tamin’ny sarotra. (Heb. 5:8) Matetika koa isika no mianatra mankatò rehefa miatrika ny mafy, hoatran’i Jesosy. Vao nanomboka kelikely, ohatra, ny COVID-19, dia nilazana isika hoe tsy tokony hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana intsony, ary hajanona ny fitoriana isan-trano. Sarotra taminao ve ny nanaraka an’izany? Voaro anefa ianao rehefa nankatò. Nanampy ny mpiara-manompo hiray saina koa izany, sady nampifaly an’i Jehovah. Vonona kokoa àry isika rehetra amin’izao hankatò an’izay toromarika ho voaraintsika mandritra ny fahoriana lehibe. Mety hiankinan’ny aintsika mantsy izany!​—Joba 36:11.

19. Nahoana ianao no te hankatò?

19 Nianarantsika tato fa mahazo fitahiana be dia be izay mankatò. Inona anefa no tena mahatonga antsika hifidy hankatò an’i Jehovah? Satria tiantsika izy ary te hampifaly azy isika. (1 Jaona 5:3) Tsy ho voavalintsika mihitsy izay rehetra nataony ho antsika. (Sal. 116:12) Afaka mankatò azy sy ireo nomeny fahefana hiandraikitra antsika anefa isika. Asehontsika hoe hendry isika raha manao an’izany. Ary rehefa hendry isika, dia mampifaly ny fon’i Jehovah.​—Ohab. 27:11.

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

a Tsy lavorary isika, dia mety ho sarotra amintsika rehetra ny mankatò indraindray, na dia manan-jo hanome antsika toromarika aza ny olona iray. Horesahintsika ato anefa hoe inona avy ny soa azon’izay mankatò ny ray aman-dreniny, “ny manam-pahefana”, ary ireo rahalahy mitarika ao amin’ny fiangonana.

b Ahoana no hiresahanao amin’ny ray aman-dreninao raha misy fitsipika napetrak’izy ireo, nefa sarotra aminao ny mankatò azy? Hanampy anao ilay hoe “Ahoana no Hilazako Amin’i Dada sy Neny hoe Tsy Rariny ny Fitsipika Apetrany?”, ao amin’ny jw.org/mg.

c SARY: Nankatò ny didin’i Kaisara i Josefa sy Maria, ka nisoratra anarana tany Betlehema. Ny Kristianina koa mankatò ny lalàna momba ny fifamoivoizana, ny hetra, ary ny toromarika momba ny fahasalamana avoakan’ny manam-pahefana.