LAHATSORATRA FIANARANA 37

“Aza Atsahatra ny Tananao”

“Aza Atsahatra ny Tananao”

“Mamafaza voa amin’ny maraina, ary aza atsahatra ny tananao mandra-paharivan’ny andro.”​—MPITO. 11:6.

HIRA 68 Afafazo ny Voan’ilay Fanjakana

HO HITANAO ATO *

1-2. Inona no ifandraisan’ny Mpitoriteny 11:6 sy ny fitoriana ny vaovao tsara?

LIANA be ny olona any amin’ny tany sasany rehefa itoriana ny vaovao tsara. Hoatran’ny hoe efa izany mihitsy no nandrasany! Tsy dia miraharaha an’Andriamanitra na ny Baiboly anefa ny olona any amin’ny tany hafa. Ary ahoana ny any aminareo? Na mandray tsara ny olona na tsia, dia tian’i Jehovah hitory foana isika mandra-pilazany hoe vita ny asa.

2 Efa nofaritan’i Jehovah hoe rahoviana no ho vita ny fitoriana, dia “ho tonga ny farany” aorian’izay. (Mat. 24:14, 36) Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mila mampihatra ny voalazan’ny Baiboly isika hoe: “Aza atsahatra ny tananao.” * (Vakio ny Mpitoriteny 11:6.) Ahoana no hahavitantsika an’izany?

3. Inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

3 Noresahina tao amin’ny lahatsoratra teo aloha ny zavatra efatra tokony hataon’ny “mpanarato olona” raha te hahomby izy. (Mat. 4:19) Horesahina ato kosa hoe nahoana no tena ilaina ny mifantoka sy manam-paharetana ary manana finoana matanjaka foana. Ho tapa-kevitra isika amin’izay hoe tsy hitsahatra hitory, na inona na inona mitranga.

MIEZAHA HIFANTOKA FOANA

4. Nahoana isika no mila miezaka foana mba hifantoka amin’ilay asa asain’i Jehovah ataontsika?

4 Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe mety tsy hifantoka amin’ny asa fitoriana ry zareo, noho ny toetran’ny olona sy ny zavatra hitranga amin’ny andro farany. Nampirisika azy ireo àry izy hoe: “Miambena hatrany.” (Mat. 24:42) Mety hahavariana antsika amin’izao koa ny zavatra nahavariana ny olona tamin’ny andron’i Noa. Nahatonga an-dry zareo tsy hiraharaha ny fampitandreman’i Noa izany. (Mat. 24:37-39; 2 Pet. 2:5) Mila miezaka foana àry isika mba hifantoka amin’ilay asa asain’i Jehovah ataontsika.

5. Hiely hatraiza ny asa fitoriana, rehefa jerena ny Asan’ny Apostoly 1:6-8?

5 Mila mifantoka tsara amin’ny fitoriana momba an’ilay Fanjakana isika. Nilaza i Jesosy hoe hiely amin’ny toerana betsaka kokoa ny vaovao tsara, ary mbola hitohy ny fitoriana na dia ela be aorian’ny ahafatesany aza. (Jaona 14:12) Rehefa maty anefa izy dia nisy mpianany lasa niverina nanarato. Inona àry no nataony? Rehefa avy natsangana tamin’ny maty izy, dia nanao fahagagana ka nahazo trondro be dia be ny mpianany sasany. Nohararaotiny io fotoana io mba hanamafisana hoe tena mila manarato olona ry zareo, ary tsy misy asa lehibe noho izany. (Jaona 21:15-17) Nilaza tamin’ny mpianany koa izy taloha kelin’ny niakarany tany an-danitra hoe tsy any Israely fotsiny no hatao ny asa fitoriana fa any amin’ny toerana maro hafa koa. (Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:6-8.) Nomen’i Jesosy fahitana miavaka momba ny “andron’ny Tompo” * ny apostoly Jaona taona maro tatỳ aoriana. Hitany, ohatra, hoe nisy “vaovao tsara mandrakizay” notorina tamin’ny “firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra”, ary nisy anjely iray nitarika an’ilay asa fitoriana. (Apok. 1:10; 14:6) Midika izany hoe tian’i Jehovah handray anjara amin’ilay asa fitoriana eran-tany isika mandra-pahatapitr’izy io.

6. Inona no hanampy anao hifantoka amin’ny fitoriana?

6 Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny asa fitoriana? Mila misaintsaina isika hoe inona daholo no ataon’i Jehovah mba hanampiana antsika. Omeny sakafo ara-panahy be dia be, ohatra, isika na vita pirinty izany na amin’ny endrika elektronika. Manana video sy raki-peo be dia be koa isika ary afaka manaraka fandaharana ao amin’ny Tele JW. Eritrereto ange e! Efa misy amin’ny fiteny 1000 mahery izao ny fanazavana mivoaka ao amin’ny jw.org. (Mat. 24:45-47) Tsy izay ihany anefa no ataon’i Jehovah ho antsika. Misara-bazana ny olona amin’izao noho ny politika sy ny fivavahana ary ny tsy fitovian’ny fari-piainana. Ny Vavolombelon’i Jehovah valo tapitrisa mahery eran-tany anefa tena miray saina. Manaporofo an’izany ny zava-nitranga tamin’ny zoma 19 Aprily 2019. Niara-nandinika ny teny vakina daholo mantsy isika tamin’io. Olona 20 919 041 no nanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ny harivan’iny. Tsy hitanao ve hoe fahagagana ireo rehetra ireo? Tombontsoa be ny mahita an’izany sy mandray anjara amin’ilay izy. Vao mainka te hifantoka amin’ny asa fitoriana isika rehefa mitadidy an’izany.

Tsy variana tamin’ny zavatra hafa mihitsy i Jesosy, fa nataony loha laharana foana ny asa fitoriana (Fehintsoratra 7)

7. Nahoana no mila manahaka an’i Jesosy isika raha te hifantoka amin’ny fitoriana?

7 Hahavita hifantoka amin’ny asa fitoriana koa isika raha manahaka an’i Jesosy. Tsy variana tamin’ny zavatra hafa mihitsy izy fa nataony loha laharana foana ny asa fitoriana. (Jaona 18:37) Ahoana, ohatra, no nataony rehefa nilaza taminy i Satana hoe hanome azy “ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao sy ny voninahitr’ireny fanjakana ireny”? Tsy liana tamin’izany i Jesosy! (Mat. 4:8, 9) Tsy nanaiky koa izy rehefa notadiavin’ny olona hatao mpanjaka. (Jaona 6:15) Tsy mba nahaliana azy izany hoe ho lasa mpanankarena izany, ary tsy nampihontsina azy ny fanenjehana mafy. (Lioka 9:58; Jaona 8:59) Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly hoe tokony hanaraka ny modely navelan’i Jesosy izy ireo ‘mba tsy ho kivy na ho reraka.’ (Heb. 12:3) Tadidio izany toroheviny izany rehefa sedraina ny finoanao. Hahavita hifantoka amin’ny fanompoana foana ianao amin’izay.

MIEZAHA HANAM-PAHARETANA

8. Inona no atao hoe manam-paharetana, ary nahoana io toetra io no tena ilaina amin’izao?

8 Hoatran’ny ahoana ny olona manam-paharetana? Mahavita miandry izy hoe hiova ny zava-misy, ary tony foana eo am-piandrasana an’izany. Mila manam-paharetana isika rehefa miaritra olana ka tsy andrintsika izay hifaranan’ilay izy. Mila an’io toetra io koa isika rehefa misy zavatra irintsika mafy ary efa ela ilay izy no tiantsika ho tanteraka. Tena tian’i Habakoka mpaminany hifarana, ohatra, ny herisetra tao Joda. (Hab. 1:2) Ny mpianatr’i Jesosy indray nanantena hoe “hiseho avy hatrany” ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hanafaka an-dry zareo amin’ny fitondran’ny Romanina. (Lioka 19:11) Ary isika? Efa tsy andrintsika ny hanafoanan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny faharatsiana rehetra sy ny hahatongavan’ny tontolo vaovao. Ho feno olo-marina ny tany amin’izay! (2 Pet. 3:13) Mila manam-paharetana anefa isika ka miandry ny fotoana voatondron’i Jehovah. Ahoana no ampianarany antsika mba hanana an’io toetra io?

9. Inona no porofo fa manam-paharetana i Jehovah?

9 Tsy misy manam-paharetana hoatran’i Jehovah. Nomeny fotoana ampy tsara, ohatra, i Noa mba hanaovana sambofiara sy hitoriana. (2 Pet. 2:5; 1 Pet. 3:20) Naharitra nihaino an’i Abrahama koa izy indray mandeha. Nanontany azy imbetsaka mantsy i Abrahama, satria nieritreritra hoe sao dia tsy mety ny handringanana an’i Sodoma sy Gomora. (Gen. 18:20-33) Tena nanam-paharetana tamin’ny firenen’Israely koa i Jehovah nandritra ny fotoana lava be, na dia nivadika taminy aza ry zareo. (Neh. 9:30, 31) Ary amin’izao? Omen’i Jehovah fotoana ampy tsara mba hibebahana izay olona rehetra taominy mba ho namany. (2 Pet. 3:9; Jaona 6:44; 1 Tim. 2:3, 4) Raha i Jehovah aza manam-paharetana hoatr’izany, dia tsy tokony hanahaka azy ve isika rehefa mitory sy mampianatra? Mampiasa fanoharana koa i Jehovah mba hanampiana antsika hanana an’io toetra io.

Miasa mafy ny mpamboly sady manam-paharetana. Hoatr’izany koa no ataontsika eo am-piandrasana ny vokatry ny asantsika (Fehintsoratra 10-11)

10. Inona no ianarantsika avy amin’ilay mpamboly resahina ao amin’ny Jakoba 5:7, 8?

10 Vakio ny Jakoba 5:7, 8. Mampianatra antsika hanam-paharetana io fanoharana momba ny mpamboly io. Marina fa mitombo haingana ny zavamaniry sasany. Ny ankamaroany anefa elaela vao mitombo, indrindra fa ny zavamaniry manome voany. Enim-bolana eo ho eo, ohatra, no fotoana nitomboan’ny voly tany Israely. Mamafy voa ny mpamboly aorian’ny “orana aloha”, izany hoe amin’ny tapatapaky ny Oktobra. Mijinja ny voa kosa izy rehefa mifarana ny “orana aoriana”, izany hoe amin’ny tapatapaky ny Aprily. (Mar. 4:28) Tena nila faharetana àry ilay mpamboly, ary hendry isika raha manahaka azy. Tsy mora anefa izany.

11. Nahoana ianao no mila manam-paharetana rehefa manompo?

11 Tsy lavorary ny olombelona ka matetika no te hahita vokatra eo no ho eo rehefa misy ezaka ataony. Hoatran’ny ataon’ny mpamboly anefa no tokony hatao. Ahoana, ohatra, raha tianao haniry tsara ny zavatra ambolenao? Tsy maintsy karakarainao foana ilay izy. Mila mihady tany ianao, mamboly, manala ahidratsy, ary manondraka. Mila ezaka mitohy hoatr’izany koa rehefa manampy olona ho lasa mpianatr’i Jesosy. Raha manam-paharetana, ohatra, ianao rehefa mitory, dia tsy ho kivy rehefa tsy mihaino ny olona. Vao mainka kosa ianao hanohy hitory. Mbola mila manam-paharetana koa ianao, na dia mandray tsara aza ny olona itorianao ka lasa mianatra Baiboly. Tsy afaka manery azy hanam-pinoana mantsy ianao. Na ny mpianatr’i Jesosy aza indraindray elaela vao nahazo ny zavatra nampianariny. (Jaona 14:9) Mety ho elaela koa ianao vao hahavita hanampy an’ilay mpianatra hanongotra ny toetra ratsy ao am-pony, ohatra hoe manavakavaka na zatra tsy miraharaha ny hafa. Tadidio foana anefa hoe manondraka sy mamboly no azontsika atao, fa Andriamanitra no mampitombo.​—1 Kor. 3:6.

12. Ahoana no hampisehoantsika hoe manam-paharetana isika rehefa mitory amin’ny fianakaviantsika?

12 Tsy mora koa ny manam-paharetana rehefa mitory amin’ny fianakaviana. Afaka manampy antsika anefa ny toro lalana ao amin’ny Mpitoriteny 3:7. Voalaza ao hoe: “Misy ... fotoana anginana ary misy fotoana itenenana.” Tsy voatery miteny àry isika indraindray fa afaka miezaka hanana fitondran-tena tsara fotsiny, dia efa fitoriana vita ho azy izany. Mila mandinika tsara foana koa anefa isika, dia manararaotra raha vao misy hirika hiresahana ny fahamarinana. (1 Pet. 3:1, 2) Tsy maintsy mazoto isika rehefa mitory sy mampianatra, nefa tokony hanam-paharetana amin’ny rehetra koa, anisan’izany ny fianakaviantsika.

13-14. Iza no nanam-paharetana ka azontsika tahafina?

13 Manampy antsika hanam-paharetana ny tantaran’ny olona tsy mivadika resahin’ny Baiboly. Tena tsy andrin’i Habakoka, ohatra, izay hifaranan’ny faharatsiana nefa nanam-paharetana izy. Nilaza izy hoe: “Hitsangana foana eo amin’ny toeram-piambenako aho.” (Hab. 2:1) Ohatra tsara koa ny apostoly Paoly. Tena te “hamita” ny fanompoany izy, nefa nanam-paharetana dia niezaka foana mba ‘hitory ny vaovao tsara tamin’ny fomba feno.’ (Asa. 20:24) Modely ho antsika koa anefa ny mpiara-manompo tsy mivadika amin’izao.

14 Eritrereto ny mpivady iray nahazo diplaoma tamin’ny Sekolin’i Gileada. Voatendry ho any amin’ny firenena tsy dia misy Vavolombelon’i Jehovah ry zareo. Tsy manaraka fivavahana kristianina ny ankamaroan’ny olona any, ary vitsy kely no te hianatra Baiboly. Ny mpiara-mianatra amin-dry zareo tamin’ny Sekolin’i Gileada anefa nitantara hoe mahafinaritra be ny fanompoana any amin-dry zareo. Be dia be, hono, ny olona ampianarin-dry zareo Baiboly sady mandroso tsara. Nitory foana anefa izy mivady, na dia hoatran’ny hoe zara raha nisy vokany aza ny fanompoany. Valo taona tatỳ aoriana vao nisy mpianatr’izy ireo anankiray natao batisa. Faly erỳ izy mivady! Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra rehetra ireo? Nazoto sy nanam-paharetana foana ireo mpanompon’i Jehovah ireo sady tsy nampitsahatra ny tanany, ka namaly soa azy ireo i Jehovah. Enga anie isika ka ‘hanahaka an’ireo mandova ny fampanantenana noho izy ireo nanana finoana sy faharetana.’​—Heb. 6:10-12.

MIEZAHA HANANA FINOANA MATANJAKA FOANA

15. Nahoana ny finoana no manampy antsika ho tapa-kevitra kokoa hitory?

15 Mino ny hafatra torintsika isika ka lasa mazoto miresaka an’ilay izy amin’ny olona betsaka araka izay azo atao. Mino ny fampanantenana ao amin’ny Baiboly mantsy isika. (Sal. 119:42; Isaia 40:8) Hitantsika koa hoe tanteraka amin’ny androntsika ny faminaniana sasany voaresaka ao. Ankoatra izany, dia hitantsika hoe mihatsara ny fiainan’ny olona rehefa manaraka ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. Lasa matoky kokoa àry isika hoe tena mila maheno ny vaovao tsara momba an’ilay Fanjakana ny olona rehetra.

16. Araka ny Salamo 46:1-3, nahoana isika no ho tapa-kevitra kokoa hitory rehefa mino an’i Jehovah? Nahoana no hanampy antsika koa ny finoana an’i Jesosy?

16 Mino an’i Jehovah sy Jesosy koa isika. (Jaona 14:1) Avy amin’i Jehovah ny hafatra torintsika, ary notendreny ho Mpanjakan’ilay Fanjakana i Jesosy. Ho “fialofana sy hery ho antsika” foana i Jehovah na inona na inona manjo antsika. (Vakio ny Salamo 46:1-3.) Matoky koa isika hoe mitarika ny asa fitoriana avy any an-danitra i Jesosy, ary mampiasa ny hery sy fahefana nomen’i Jehovah azy.​—Mat. 28:18-20.

17. Nahoana isika no tokony hitory foana? Manomeza ohatra.

17 Rehefa manam-pinoana isika, dia matoky hoe hitahy ny ezaka ataontsika i Jehovah. Indraindray aza tsy ampoizintsika mihitsy ny fitahiana omeny. (Mpito. 11:6) Manaporofo an’izany ny fampirantiana ataontsika. Olona an’arivony isan’andro no mandalo eo amin’izy ireny. Misy vokany ve anefa ilay izy? Izany mihitsy! Tantaraina ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2014 hoe nisy mpianatry ny oniversite te hanoratra lahatsoratra momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy nahita Efitrano Fanjakana anefa izy fa fampirantiana no hitany. Teny akaikin’ny oniversite ilay izy. Nahita fanazavana mety amin’ilay lahatsoratra tiany hosoratana izy tamin’izay. Natao batisa izy tatỳ aoriana dia lasa Vavolombelon’i Jehovah, ary mpisava lalana maharitra izy izao. Rehefa mieritreritra an’izany isika, dia vao mainka mazoto mitory. Hita amin’izany mantsy hoe mbola misy olona mila maheno ny hafatra momba an’ilay Fanjakana.

AZA ATSAHATRA MIHITSY NY TANANAO

18. Nahoana isika no matoky fa ho vita araka ny itiavan’i Jehovah azy ny asa fitoriana?

18 Afaka matoky isika hoe ho vita ara-potoana ny fitoriana. Manao zavatra ara-potoana foana mantsy i Jehovah. Diniho izay nitranga tamin’ny andron’i Noa. Efa 120 taona mialoha teo ho eo dia efa nofaritan’i Jehovah hoe rahoviana no ho tonga ny Safodrano. Nasainy nanamboatra sambofiara i Noa, taona maromaro taorian’izay. Niasa mafy nandritra ny 40 na 50 taona angamba i Noa talohan’ny Safodrano, mba hanamboarana an’ilay izy. Tsy nitsahatra nampitandrina ny olona koa izy na dia tsy niraharaha aza ry zareo. Nanao an’izany i Noa mandra-pahatongan’ny fotoana nilazan’i Jehovah hoe ampidirina ao amin’ny sambofiara amin’izay ny biby. Rehefa tonga ilay fotoana, dia “nohidian’i Jehovah ny varavarana.”​—Gen. 6:3; 7:1, 2, 16.

19. Inona no azontsika antenaina raha tsy mampitsahatra ny tanantsika mihitsy isika?

19 Tsy ho ela i Jehovah dia hampitsahatra ny asa fitoriana momba an’ilay Fanjakana. Hoatran’ny hoe hanidy ny varavaran’ny sambofiara izy amin’izay. Handringana ny tontolon’i Satana izy, ary hampisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Mandra-pahatongan’izany, dia tahafo ny mpanompon’i Jehovah tsy nampitsahatra ny tanany, ohatra hoe i Noa sy Habakoka. Miezaha hifantoka foana amin’ny asa fitoriana, manàna faharetana, ary matokia foana an’i Jehovah sy ny fampanantenany.

HIRA 75 “Intỳ Aho Iraho!”

^ feh. 5 Niresaka momba ny mpianatra Baiboly efa mandroso ny lahatsoratra teo aloha. Nampirisika an-dry zareo izy io mba hanaiky ny fanasan’i Jesosy ho lasa mpanarato olona. Tokony hitory foana isika rehetra, na ny vaovao na ny efa ela, mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa. Inona no tokony hataontsika mba ho tapa-kevitra kokoa hoe hanao an’izany foana? Hiresaka hevitra telo momba an’izany isika ato.

^ feh. 2 FANAZAVANA: Tokony ho tapa-kevitra hitory ny vaovao tsara foana isika mandra-pilazan’i Jehovah hoe vita ny asa. Izay no dikan’ilay hoe “aza atsahatra ny tananao”, ato amin’ity lahatsoratra ity.

^ feh. 5 Nanomboka ny “andron’ny Tompo” rehefa lasa Mpanjaka i Jesosy tamin’ny 1914. Mifarana izy io rehefa tapitra ny Fanjakana Arivo Taona.