LAHATSORATRA FIANARANA 38

Hararaoty Dieny Mbola Milamina ny Fiainana!

Hararaoty Dieny Mbola Milamina ny Fiainana!

“Nandry feizay ilay tany. Tsy nisy niady taminy nandritra ireo taona ireo, fa nataon’i Jehovah nandry feizay izy.”​—2 TAN. 14:6.

HIRA 60 Iankinan’ny Aina io Asa Io

HO HITANAO ATO: *

1. Rahoviana no mety ho sarotra amintsika ny manompo an’i Jehovah?

RAHOVIANA no hitanao hoe tena sarotra ny manompo an’i Jehovah? Rehefa milamina ny fiainana sa rehefa misy olana? Mora miantehitra amin’i Jehovah isika rehefa ao anatin’ny sarotra. Hoatr’izany koa ve anefa rehefa milamina ny fiainantsika? Sao dia variana isika dia lasa tsy zava-dehibe amintsika ny manompo azy? Izany mihitsy no nampitandreman’i Jehovah ny Israelita.—Deot. 6:10-12.

Nanao ezaka be i Asa mba hamongorana ny fivavahan-diso (Fehintsoratra 2) *

2. Nahoana i Asa Mpanjaka no ohatra tsara ho antsika?

2 Tena ohatra tsara ho antsika i Asa Mpanjaka. Hendry mantsy izy satria niantehitra tanteraka tamin’i Jehovah. Tsy hoe rehefa tojo ny mafy ihany izy vao niantehitra taminy, fa na dia rehefa nilamina koa aza ny fiainany. Efa hatramin’ny ela no “nifikitra tanteraka tamin’i Jehovah ny fon’i Asa.” (1 Mpanj. 15:14) Ahoana no nampisehoany an’izany? Nesoriny tanteraka tao Joda, ohatra, ny fivavahan-diso. Milaza ny Baiboly hoe “nesoriny ireo alitaran’ny firenen-kafa sy ireo toerana avo, dia nopotehiny ireo tsangambato masina, ary nokapainy ireo tsato-kazo masina.” (2 Tan. 14:3, 5) Na i Maka renibeny aza nesoriny tsy ho andriambavy, satria nampirisika ny olona hanompo sampy.​—1 Mpanj. 15:11-13.

3. Inona avy no hodinihintsika ato?

3 Tsy nanala ny fivavahan-diso fotsiny i Asa. Nampirisika ny olona hanaraka ny fivavahana marina koa izy, satria nanampy ny mponin’i Joda mba hiverina amin’i Jehovah. Notahin’i Jehovah i Asa sy ny vahoaka ka nilamina ny fiainan-dry zareo. “Nandry feizay ilay tany”, izany hoe tsy nisy korontana, nandritra ny folo taona. (2 Tan. 14:1, 4, 6) Horesahintsika ato hoe inona no nataon’i Asa nandritra an’izany fotoana izany. Handinika an’izay nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika avy eo. Nanararaotra nanao zavatra koa ry zareo tamin’ny mbola nilamina ny fiainany. Horesahintsika farany hoe raha ohatra ka tsy voasakantsakana ny fanompoana an’i Jehovah any aminareo, dia inona no azonao atao mba hanararaotana an’izany.

AHOANA NO NATAON’I ASA TAMIN’NY MBOLA TSY NISY KORONTANA?

4. Araka ny 2 Tantara 14:2, 6, 7, inona no nataon’i Asa tamin’ny mbola nilamina ny fiainan-dry zareo?

4 Vakio ny 2 Tantara 14:2, 6, 7. Nilaza tamin’ny vahoaka i Asa hoe i Jehovah no nahatonga an-dry zareo ‘handry feizay teo anivon’ny fahavalony rehetra.’ Tsy nieritreritra i Asa hoe afaka mipetra-potsiny ry zareo satria nilamina ny fiainana. Nanomboka nanorina tanàna, manda, tilikambo, ary vavahady kosa izy. Nilaza tamin’ny vahoaka koa izy hoe: “Mbola malalaka ny tany ka azontsika ampiasaina tsara.” Inona no tiany holazaina? Hoe afaka nivezivezy tao amin’ilay tany nomen’i Jehovah ry zareo sady afaka nanorina trano sy zavatra hafa, satria tsy nisy fahavalo nanakantsakana. Nilamina ny fiainan-dry zareo dia nasainy nanararaotra an’izany ny vahoaka.

5. Nahoana i Asa no nanatanjaka ny tafiny?

5 Azo antoka hoe nanararaotra nanatanjaka ny tafiny koa i Asa tamin’io fotoana io, matoa vonona hiatrika ady ry zareo. (2 Tan. 14:8) Tsy natoky an’i Jehovah ve izy matoa nanao an’izany? Tsy izany. Fantany kosa fa adidin’ny mpanjaka ny mampiomana ny vahoaka mba ho vonona hiatrika an’izay olana mety hitranga. Hainy mantsy hoe tsy hilamina be foana ny fiainana ao Joda fa mety hisy hanafika ry zareo. Dia izany mihitsy no nitranga.

NAHAY NANARARAOTRA NY KRISTIANINA TAMIN’NY TAONJATO VOALOHANY

6. Inona no nataon’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany rehefa tsy nisy fanenjehana?

6 Nenjehina matetika ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. Nisy fotoana koa anefa ry zareo mba nilamina. Inona no nataon-dry zareo tamin’izay? Araka ny fitantarana ao amin’ny Asan’ny Apostoly, dia “nandeha tamin’ny fahatahorana an’i Jehovah” ireo lehilahy sy vehivavy tsy nivadika ireo ary nazoto nitory ny vaovao tsara foana. Tsy nitsahatra nitombo ny isan’izy ireo vokatr’izany. Hita hoe notahin’i Jehovah ry zareo satria nahay nanararaotra rehefa tsy nisy fanenjehana.​—Asa. 9:26-31.

7-8. Nanararaotra nanao inona i Paoly sy ny Kristianina hafa? Hazavao.

7 Isaky ny nahita hirika hitoriana ny vaovao tsara ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany dia nanararaotra an’izany. Izany no nataon’ny apostoly Paoly tamin’izy tany Efesosy. Nisy “varavarana lehibe nisokatra” mba hahafahany hitory bebe kokoa tamin’izay, dia nanararaotra an’izany izy.​—1 Kor. 16:8, 9.

8 Rehefa nilamina koa ilay raharaha momba ny famorana tamin’ny taona 49, dia afaka nanararaotra nitory bebe kokoa i Paoly sy ny Kristianina hafa. (Asa. 15:23-29) Niezaka be ry zareo mba hitory “ny vaovao tsara momba ny tenin’i Jehovah”, rehefa avy nampahafantarina ny fiangonana ny fanapahan-kevitra momba ny famorana. (Asa. 15:30-35) Inona no vokany? Milaza ny Baiboly hoe “nihanatanjaka ny finoan’ireo fiangonana ary nihamaro isan’andro ireo olona teo anivony.”​—Asa. 16:4, 5.

MILA MAHAY MANARARAOTRA KOA ISIKA

9. Manao ahoana ny zava-misy any amin’ny tany maro? Ary inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika?

9 Tsy voasakantsakana ny asa fitoriana any amin’ny tany maro. Hoatr’izany ve ny any aminareo? Raha izany, dia eritrereto hoe: ‘Manararaotra tsara an’izany ve aho?’ Faly be ny vahoakan’i Jehovah amin’izao andro farany izao, satria mbola tsy betsaka hoatran’ny amin’izao ny fitoriana sy fampianarana atao eran-tany. (Mar. 13:10) Be dia be ny fomba azo andraisana anjara amin’io asa io.

Betsaka ny mpitory mahazo fitahiana rehefa manompo any an-tany hafa na mitory amin’ny fiteny vahiny (Fehintsoratra 10-12) *

10. Mampirisika antsika hanao inona ny 2 Timoty 4:2?

10 Raha mbola milamina ny fiainana any aminareo, dia ahoana no azonao anararaotana an’izany? (Vakio ny 2 Timoty 4:2.) Maninona raha dinihina sao dia afaka manompo bebe kokoa ianao na ny iray amin’ny mpianakavinao, ohatra hoe manao mpisava lalana mihitsy? Tsy fotoana hanangonana vola aman-karena izao. Isika mantsy no ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe, fa tsy ireny.​—Ohab. 11:4; Mat. 6:31-33; 1 Jaona 2:15-17.

11. Inona no ataon’ny mpitory sasany mba hahafahana hitory amin’ny olona betsaka araka izay azo atao?

11 Betsaka ny mpitory mianatra fiteny vahiny, satria te hanampy olona hahafantatra an’i Jehovah. Mihabetsaka ny fiteny amoahan’ny fandaminana ny boky sy gazetintsika mba hanampiana azy ireny. Voadika tamin’ny fiteny 500 teo ho eo ny boky sy gazetintsika tamin’ny 2010, nefa amin’izao efa amin’ny fiteny 1000 mahery!

12. Inona no vokany rehefa maheno ny vaovao tsara amin’ny fiteniny ny olona? Manomeza ohatra.

12 Inona no vokany rehefa maheno ny fahamarinana ara-baiboly amin’ny fiteniny ny olona? Diniho ny tsapan’ny anabavy iray miteny Kinyarwanda. Tena nandray soa izy rehefa namonjy fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Memphis, any Etazonia. Nahoana? Satria tamin’ny fiteny kinyarwanda ilay izy. Io no tena fampiasa any Rwanda sy Congo (Kinshasa) ary Ogandà. Izao no nolazain’ilay anabavy rehefa tapitra ilay fivoriambe: “Nifindra teto Etazonia aho 17 taona lasa izay. Sambany vao azoko tsara ny fivoriambe iray manontolo hatramin’izay nahatongavako teto.” Tena nanohina ny fony ilay fandaharana satria tamin’ny fiteniny. Hita amin’izany fa misy vokany be amin’ny olona ny maheno ny vaovao tsara amin’ny fiteniny. Maninona àry raha mianatra fiteny vahiny mba hitoriana amin’ny olona sasany ao amin’ny faritaninareo? Mety hisy olona miteny vahiny mantsy ao, dia mety hahaliana azy kokoa ny hafatra torintsika raha amin’ny fiteniny. Matokia fa hovalian-tsoa ny ezaka mafy ataonao.

13. Inona no manaporofo fa nahay nanararaotra ny rahalahy sy anabavy tany Rosia?

13 Tsy mba afaka mitory an-kalalahana ny mpiara-manompo amintsika sasany. Sakantsakanan’ny fanjakana mantsy ny asa fitoriana indraindray, dia zara raha afaka manompo ry zareo. Izany no manjo ny rahalahy sy anabavintsika any Rosia. Nenjehina ry zareo nandritra ny taona maro. Nekena ho ara-dalàna anefa ny fivavahantsika tany Rosia tamin’ny Martsa 1991. Tsy nisy afa-tsy mpitory 16 000 teo ho eo tany tamin’izany. Lasa 160 000 mahery anefa ny mpitory tany, 20 taona tatỳ aoriana. Tena hendry ry zareo satria nahay nanararaotra nitory tamin’ny mbola nilamina ny fiainany. Tsy naharitra mantsy izany. Na nisy aza anefa ny fiovana, dia mbola mazoto amin’ny fivavahana marina ry zareo. Manompo an’i Jehovah foana ry zareo, ary mampiasa an’izay fomba rehetra hitany mba hanaovana an’izany.

TSY HILAMINA FOANA NY FIAINANA

Nitalaho mafy tamin’i Jehovah i Asa mpanjakan’ny Joda ka nataony nandresy tafika lehibe (Fehintsoratra 14-15)

14-15. Ahoana no nampiasan’i Jehovah ny heriny mba hanampiana an’i Asa?

14 Niova ny fiainana tao Joda rehefa nandeha ny fotoana. Tonga nanafika an-dry zareo mantsy i Zera etiopianina sy ny miaramilany iray tapitrisa. Natoky i Zera hoe ho resin-dry zareo i Joda. Tsy nampahatahotra an’i Asa Mpanjaka anefa ny habetsahan’ireo miaramila ireo, satria izy nitoky tamin’i Jehovah. Nivavaka izy hoe: “Ampio izahay, ry Jehovah Andriamanitray ô, fa ianao no ianteheranay, ary amin’ny anaranao no ahatongavanay eto hiady amin’io vahoaka io.”​—2 Tan. 14:11.

15 Marina fa efa ho avo roa heny noho ny miaramilan’i Asa ny miaramilan’i Zera. Natoky anefa i Asa hoe mahery i Jehovah ary afaka manampy ny vahoakany. Tsy diso fanantenana izy! Resy mantsy ny tafika etiopianina ary afa-baraka tanteraka.​—2 Tan. 14:8-13.

16. Nahoana isika no milaza fa na milamina aza ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah, dia tsy haharitra izany?

16 Marina fa tsy haintsika amin’ny an-tsipiriany izay hitranga amintsika tsirairay. Fantatsika anefa hoe na milamina aza ny fiainan’ny mpanompon’i Jehovah amin’izao, dia tsy haharitra izany. Efa nilaza mantsy i Jesosy hoe “ho halan’ny firenena rehetra” ny mpanara-dia azy mandritra ny andro farany. (Mat. 24:9) Nilaza koa ny apostoly Paoly hoe “izay rehetra te hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy dia henjehina ihany koa.” (2 Tim. 3:12) Tsy izay ihany fa “tezitra mafy” i Satana amin’izao, ka mamita-tena isika raha mieritreritra hoe tsy hanampatra ny hatezerany amintsika izy.​—Apok. 12:12.

17. Inona no mety hanjo antsika atsy ho atsy?

17 Hiatrika fitsapana daholo isika atsy ho atsy, ka ho hita raha tsy mivadika. Kely sisa dia “hisy fahoriana lehibe izay mbola tsy nisy toa azy hatramin’ny niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny.” (Mat. 24:21) Mety hivadika amintsika ny mpianakavintsika amin’izay, ary mety ho voarara ny asantsika. (Mat. 10:35, 36) Ahoana no hataonao? Hanahaka an’i Asa ve ianao ka hatoky hoe hanampy sy hiaro anao i Jehovah?

18. Araka ny Hebreo 10:38, 39, inona no ilaina mba ho vonona rehefa tsy milamina intsony ny fiainana?

18 Dieny izao i Jehovah dia efa mampiomana antsika mba hiatrika ny hoavy. Mitarika ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” izy mba hanome antsika sakafo ara-panahy “amin’ny fotoana mety.” (Mat. 24:45) Hanampy antsika mantsy izany mba tsy hivadika fa hanompo an’i Jehovah foana. Tsy maintsy manao ny anjarantsika anefa isika mba tsy ho voahozongozona ny finoantsika an’i Jehovah.​—Vakio ny Hebreo 10:38, 39.

19-20. Rehefa dinihina ny 1 Tantara 28:9, inona no fanontaniana tokony hoeritreretintsika? Nahoana?

19 Mila ‘mitady an’i Jehovah’ isika, hoatran’ny nataon’i Asa Mpanjaka. (2 Tan. 14:4; 15:1, 2) Manomboka mitady azy isika rehefa mianatra momba azy sy atao batisa. Manao izay rehetra azo atao koa isika aorian’ny batisa mba ho tia azy kokoa. Ahoana no ahitanao raha efa manao an’izany ianao? Mivory tsy tapaka ve, ohatra, ianao? Ny fandaminan’i Jehovah no mandamina an’ireny fivoriana ireny. Raha manatrika azy ireny isika, dia ho velombelona ka ho afaka hanohy hanompo an’i Jehovah. Hahazo fampaherezana koa isika rehefa miaraka amin’ireo rahalahy sy anabavy. (Mat. 11:28) Eritrereto koa izao: ‘Zatra mianatra Baiboly ve aho?’ Raha manana fianakaviana ianao, dia manokana fotoana ve ianareo isan-kerinandro mba hanaovana Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana? Ary raha mipetra-drery ianao, mbola manokana fotoana hanaovana an’izany ve ianao, hoatran’ny hoe miaraka amin’ny fianakaviana ihany? Manao izay rehetra azonao atao ve ianao mba hitoriana sy hampianarana?

20 Nahoana isika no mila mieritreritra an’ireo fanontaniana ireo? Milaza ny Baiboly hoe mandinika an’izay eritreretintsika sy izay ao am-pontsika i Jehovah. Raha izy aza mandinika an’izany, dia tsy mba tokony hanao an’izany koa ve isika? (Vakio ny 1 Tantara 28:9.) Raha hitantsika hoe tokony hovantsika ny tanjontsika na ny fomba fisainantsika, dia mila mangataka amin’i Jehovah isika mba hanampy antsika hanova an’izany. Izao isika no mila miomana hiatrika ny fitsapana ho avy. Hararaoty àry dieny mbola milamina ny fiainana, ary aza avela hisy hisakana anao tsy hampiasa tsara an’izany.

HIRA 62 Ilay Hira Vaovao

^ feh. 5 Tsy voasakantsakana ve ny fanompoana an’i Jehovah any aminareo? Raha izany, dia ahoana no ampiasanao an’izao fotoana milamina izao? Handinika an’izay nataon’i Asa mpanjakan’ny Joda sy ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika ato. Nisy fotoana mantsy nilamina ny fiainan-dry zareo, dia nohararaotiny izany. Ho hitantsika ato hoe ahoana no azo anahafana an-dry zareo.

^ feh. 56 SARY: Nesorin’i Asa Mpanjaka tsy ho andriambavy ny renibeny satria nampirisika ny olona hanompo sampy. Nanahaka an’i Asa ny mpanohana azy dia namotika ny sampy.

^ feh. 58 SARY: Mpivady mazoto mitory. Manatsotra ny fiainany ry zareo, mba ho afaka hanompo any amin’izay toerana mila mpitory maro kokoa.