LAHATSORATRA FIANARANA 39

Misy Olona Tianao Niala Tamin’i Jehovah Ve?

Misy Olona Tianao Niala Tamin’i Jehovah Ve?

“Impiry impiry moa izy ireo no ... nanao izay nampalahelo azy.”​—SAL. 78:40.

HIRA 102 ‘Ampio Ireo Mila Ampiana’

HO HITANAO ATO *

1. Ahoana no mety ho tsapan’ny rahalahy na anabavy iray raha misy havany akaiky voaroaka?

MISY havanao akaiky voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana ve? Tena mahavaky fo izany! Izao no nolazain’ny anabavy antsoina hoe Hilda: * “Maty ny vadiko, 41 taona taorian’ny nivadianay. Noheveriko hoe iny no mafy indrindra teo amin’ny fiainako. Nangidy lavitra noho izany anefa rehefa voaroaka ny zanako lahy sady nandao ny vady aman-janany.”

Azon’i Jehovah tsara ny fahoriana zakainao, raha tsy manompo azy intsony ny olona iray tianao (Fehintsoratra 2-3) *

2-3. Araka ny Salamo 78:40, 41, ahoana ny fihetseham-pon’i Jehovah rehefa misy mpanompony miala aminy?

2 Anisan’ny fianakavian’i Jehovah ny anjely. Mba eritrereto àry ny alahelony rehefa niala taminy ny sasany tamin’izy ireo. (Joda 6) Tiany koa ny Israelita ka tsy maintsy ho nampahory azy mafy ny nahita azy ireo nikomy taminy imbetsaka. (Vakio ny Salamo 78:40, 41.) Matokia àry fa malahelo koa ilay Raintsika be fitiavana rehefa misy mpianakavinao miala aminy. Azony tsara ny fahorianao. Hangoraka anao izy ka hanome anao ny fampaherezana sy ny fanampiana ilainao.

3 Inona anefa no azonao atao mba hahazoana ny fanampian’i Jehovah, raha nisy mpianakavinao niala taminy? Hamaly an’izany isika ato. Hodinihintsika koa hoe ahoana no azon’ny fiangonana anampiana ny mpiara-manompo miatrika olana hoatr’izany. Misy toe-tsaina mila tandremana anefa, ary izay aloha no horesahintsika.

AZA MANAMELO-TENA

4. Inona no tsapan’ny ray aman-dreny maro rehefa misy zanany miala amin’i Jehovah?

4 Inona no tsapan’ny ray aman-dreny rehefa miala amin’i Jehovah ny zanany lahy na zanany vavy? Matetika ry zareo no lasa saina hoe sao dia nisy zavatra hafa azony natao mba hanampiana ny zanany hijanona ao amin’ny fahamarinana. Hoatr’izany no tsapan’ny rahalahy atao hoe Luke. Izao no nolazainy rehefa voaroaka ny zanany lahy: “Nieritreritra aho hoe izaho no diso. Nanonofy ratsy momba an’ilay izy mihitsy aho! Indraindray koa aho nitomany, ary narary be ny foko.” Niady saina koa ny anabavy antsoina hoe Elizabeth rehefa voaroaka ny zanany lahy. Nieritreritra izy matetika hoe: “Sao dia mba tsy nahay nitaiza àry aho? Tsy nety mihitsy angamba ny fomba nampianarako azy ny fahamarinana.”

5. Iza no diso rehefa misy olona niala tamin’i Jehovah?

5 Mila mitadidy isika fa omen’i Jehovah safidy ny olona tsirairay. Afaka misafidy àry isika hoe hankatò azy na tsia. Misy tanora sasany, ohatra, nanapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah, ary mahavita tsy mivadika aminy na dia tsy ohatra tsara aza ny ray aman-dreniny. Misy indray anefa nivadika tamin’i Jehovah rehefa lehibe, na dia niezaka be aza ny ray aman-dreniny mba hampianatra azy ny toro lalana ao amin’ny Baiboly. Hitantsika amin’izany fa ny tsirairay no tsy maintsy manapa-kevitra hoe hanompo an’i Jehovah na tsia. (Jos. 24:15) Raha malahelo àry ianao hoe niala tamin’i Jehovah ny zanakao, dia miezaha mafy mba tsy hieritreritra hoe fahadisoanao izany.

6. Inona no mety ho tsapan’ny tanora iray raha niala tamin’i Jehovah ny dadany na ny mamany?

6 Misy koa ray na reny miala amin’i Jehovah, dia mandao ny vady aman-janany mihitsy. (Sal. 27:10) Tena mafy amin’ny ankizy izany, satria ry zareo no nataony modely. Voaroaka, ohatra, ny dadan’i Esther. Izao no nolazainy: “Matetika aho no nitomany satria tonga saina hoe i Dada mihitsy no nifidy ny tsy hanompo an’i Jehovah, fa tsy hoe voatarika hiala tsikelikely tamin’ny fahamarinana izy. Tena tiako ny dadako, dia nanahy momba azy foana aho rehefa voaroaka izy. Nitaintaina be tampoka mihitsy aza aho indraindray.”

7. Inona no tsapan’i Jehovah rehefa mahita tanora manana ray na reny voaroaka?

7 Voaroaka ve ny dadanao na ny mamanao? Raha izany, dia tena malahelo anao izahay! Matokia fa tsapan’i Jehovah tsara ny fahorianao. Tia anao izy ary faly hoe tsy mivadika ianao. Hoatr’izany koa no tsapanay rahalahy sy anabavinao. Tadidio fa tsy ianao no nahatonga ny dadanao na ny mamanao handray fanapahan-kevitra ratsy. Omen’i Jehovah safidy mantsy ny tsirairay, araka ny efa hitantsika teo. Samy tsy maintsy ‘mitondra ny entany avy’ izay nanokan-tena sy vita batisa.​—Gal. 6:5.

8. Inona no azon’ny mpianakavy tsy mivadika atao eo am-piandrasana ny hiverenan’ilay voaroaka amin’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Miverena Amin’i Jehovah.”)

8 Raha nisy mpianakavinao niala tamin’i Jehovah, dia ara-dalàna raha manantena foana ianao hoe mbola hiverina aminy izy indray andro any. Inona no azonao atao eo am-piandrasana an’izany? Miezaha mafy mba hanana finoana matanjaka foana. Ho modely ho an’ny mpianakavinao hafa ianao amin’izay, ary angamba ho ohatra tsara ho an’ilay voaroaka mihitsy. Hahazo hery hizakana ny alahelonao koa ianao. Andao àry isika handinika zavatra sasany azonao atao.

INONA NO AZONAO ATAO MBA HATANJAKA FOANA NY FINOANAO?

9. Inona avy no azonao atao mba hahazoanao hery avy amin’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Andinin-teny Mampahery Raha Misy Mpianakavinao Voaroaka.”)

9 Mila manana fandaharam-potoana hanaovana zavatra ara-panahy ianao, ary manaraka tsara an’izany. Tokony hanana finoana matanjaka foana mantsy ianao sy ny mpianakavinao hafa. Ahoana no hanaovana an’izany? Vakio sy saintsaino tsy tapaka ny Tenin’Andriamanitra, ary mandehana foana mivory. Hahazo hery avy amin’i Jehovah ianao raha zatra manao an’ireo. Nanampy an’i Joanna ireo rehefa niala tamin’ny fahamarinana ny dadany sy ny rahavaviny. Izao no nolazainy: “Lasa milamin-tsaina aho rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly, ohatra hoe ny tantaran’i Abigaila, Estera, Joba, Josefa, ary Jesosy. Lasa mifantoka amin’ny hevitra mampahery aho, dia mampitony ny foko sy ny saiko izany. Mampahery be ahy koa ny hira amin’ny Tele JW.”

10. Araka ny Salamo 32:6-8, inona no azontsika atao rehefa kivy?

10 Resaho amin’ilay Andriamanitsika be fitiavana daholo izay mampanahy anao. Aza mitsahatra mivavaka aminy rehefa kivy. Iangavio izy mba hanampy anao hanana ny fomba fiheviny sy ‘hanao izay hahatonga anao ho malina ary hanoro anao ny lalana tokony halehanao.’ (Vakio ny Salamo 32:6-8.) Marina aloha fa mety ho mafy be aminao ny hilaza an’izay tena ao am-ponao amin’i Jehovah. Azon’i Jehovah tsara anefa ny fahorianao. Tena tiany ianao ary mampirisika anao izy mba hamboraka an’izany aminy.​—Eks. 34:6; Sal. 62:7, 8.

11. Araka ny Hebreo 12:11, nahoana isika no tokony hatoky hoe mahasoa ny famaizan’i Jehovah? (Jereo koa ilay hoe “ Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah ny Fandroahana.”)

11 Ekeo ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy. Fomba iray nataon’i Jehovah mba hanitsiana amim-pitiavana ny mpanompony mantsy ny fandroahana. Mahasoa ny rehetra izy io, anisan’izany ilay olona nanao ratsy. (Vakio ny Hebreo 12:11.) Ahoana àry raha misy manakiana ny fomba nandaminan’ny anti-panahy an’ilay olana? Matetika no misy tsipiriany sasany tsy tantarain’ireny olona manakiana ireny, sao hanaratsy an’ilay voaroaka. Tsy mahafantatra ny zava-drehetra isika. Hendry àry isika raha matoky ny anti-panahy anisan’ilay komity mpitsara. Azo antoka fa niezaka be ry zareo mba hanaraka ny toro lalan’ny Soratra Masina, ary tena nitandrina rehefa nitsara “ho an’i Jehovah.”​—2 Tan. 19:6.

12. Inona no soa noraisin’ny olona sasany rehefa nankatò ny toro lalan’i Jehovah hoe tsy mifandray amin’ny voaroaka?

12 Mety hanampy an’ilay voaroaka hiverina amin’i Jehovah mihitsy aza ianao, rehefa manohana ny fanapahan-kevitry ny anti-panahy. Izao no nolazain’i Elizabeth, ilay voaresaka tetsy aloha: “Mafy be tamiko ilay hoe tsy nifanerasera tamin’ny zanako intsony. Lasa hitako anefa hoe mahasoa ny famaizan’i Jehovah. Rehefa niverina mantsy izy, dia niaiky fa rariny izy raha noroahina ary nampianatra azy zavatra be dia be iny.” Izao koa no nolazain’i Mark, vadin’i Elizabeth: “Nolazain’ny zanako tamiko tatỳ aoriana hoe anisan’ny nahatonga azy ho te hiverina ilay izahay tsy nifandray taminy. Soa ihany izahay fa nampian’i Jehovah hankatò!”

13. Inona no hanampy anao rehefa malahelo be ianao?

13 Miresaha amin’ny namana mahazo tsara ny fihetseham-ponao. Miaraha koa amin’ny Kristianina matotra sy afaka manampy anao tsy ho kivy. (Ohab. 12:25; 17:17) Izao no nolazain’i Joanna, ilay voaresaka terỳ aloha: “Nahatsiaro ho manirery be aho. Nanampy ahy hiatrika an’izany ny niresaka tamin’ny namana nitokisako.” Ahoana anefa raha vao mainka mandratra ny fonao ny tenin’ny olona sasany ao amin’ny fiangonana?

14. Fa maninona isika no tokony hiezaka foana mba ‘hifampizaka sy hifamela heloka tanteraka’?

14 Miezaha hanam-paharetana amin’ny rahalahy sy anabavinao. Tsy afaka manantena isika hoe hety be foana ny zavatra tenenin’ny olona rehetra. (Jak. 3:2) Tsy lavorary daholo mantsy isika. Aza gaga àry raha tsy hitan-dry zareo indraindray izay holazaina, na hoe tafateny zavatra mandratra ny fonao izy. Tadidio ilay fampirisihan’ny apostoly Paoly hoe: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kol. 3:13) Izao, ohatra, no nolazain’ny anabavy iray nanan-janaka voaroaka: “Niezaka nampahery ahy ny mpiara-manompo sasany, nefa vao mainka nandratra ny foko ny zavatra nolazainy. Nampian’i Jehovah hamela heloka anefa aho.” Inona no azon’ny fiangonana atao mba hanampiana ny mpianakavin’ilay olona voaroaka?

AFAKA MANAMPY AZY IREO NY FIANGONANA

15. Inona no afaka manampy ny rahalahy sy anabavy manana fianakaviana voaroaka vao haingana?

15 Miezaha ho tsara fanahy sy hinamana amin’ny fianakavian’ilay olona voaroaka. Nilaza ny anabavy antsoina hoe Miriam fa natahotra handeha hivory izy rehefa voaroaka ny anadahiny. Izao no nolazainy: “Natahotra an’izay mety holazain’ny olona aho. Nisy namana mahafinaritra anefa tao amin’ny fiangonana. Niara-nalahelo tamiko ry zareo sady tsy nilaza zavatra ratsy momba an’ilay anadahiko. Soa ihany fa teo ry zareo, dia tsy nizaka irery ny alaheloko aho.” Izao koa no nolazain’ny anabavy iray: “Rehefa voaroaka ny zanakay lahy, dia nisy namana maromaro tonga hampionona anay. Niaiky ny sasany tamin-dry zareo hoe tsy hitany izay holazaina. Nisy niara-nitomany tamiko anefa ry zareo, dia nisy indray nanoratra hafatra kely mampahery. Tena nanampy ahy izany!”

16. Mila manohy manampy sy mampahery an’izay manana fianakaviana voaroaka ny fiangonana. Ahoana no azo anaovana an’izany?

16 Ampio foana ny rahalahy sy anabavy tsy mivadika ao amin’ilay fianakaviana. Vao mainka ry zareo izao mila ny fitiavana sy ny fampaherezana avy aminao. (Heb. 10:24, 25) Indraindray anefa ny fianakavian’ilay olona voaroaka mahatsapa hoe ataon’ny mpiara-manompo hoatran’ny voaroaka koa ry zareo. Aza avela hitranga mihitsy izany! Ny tanora no tena mila deraina sy ampaherezina raha niala tamin’ny fahamarinana ny ray aman-dreniny. Voaroaka, ohatra, ny vadin’i Maria sady nandao azy sy ny zanany. Izao no nolazainy: “Tonga tao an-trano ny namako sasany, dia nahandro ny sakafonay. Nanampy ahy hianatra Baiboly niaraka tamin’ny zanako koa ry zareo. Azon-dry zareo tsara ny alaheloko, dia niara-nitomany tamiko ry zareo. Niaro ahy koa ny namako rehefa nisy nanely tsaho momba ahy. Tena nampahery ahy ny nataony!”​—Rom. 12:13, 15.

Mampiseho fitiavana ny rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonana, raha manampy ny fianakavian’ilay voaroaka (Fehintsoratra 17) *

17. Ahoana no azon’ny anti-panahy ampaherezana ny olona kivy?

17 Ry anti-panahy, ampaherezo ny fianakavian’ilay voaroaka isaky ny misy hirika hanaovana an’izany. (1 Tes. 5:14) Zava-dehibe io andraikitrareo io. Manatòna azy dia ampaherezo izy aloha sy aorian’ny fivoriana. Tsidiho koa izy ary mivavaha ho azy. Miaraha manompo aminy na asao hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka aminareo izy indraindray. Mila mikarakara ny ondrin’i Jehovah ny anti-panahy rehefa kivy izy ireny, ary mangoraka azy sy mampiseho fitiavana aminy.​—1 Tes. 2:7, 8.

AZA MANARY TOKY FA MATOKIA FOANA AN’I JEHOVAH

18. Araka ny 2 Petera 3:9, inona no tian’Andriamanitra hataon’ny olona niala taminy?

18 ‘Tsy tian’i Jehovah hisy ho ringana’ ny olona rehetra, “fa mba ho tonga amin’ny fibebahana.” (Vakio ny 2 Petera 3:9.) Na dia nanao fahotana lehibe aza ny olona iray, dia mbola sarobidy amin’i Jehovah ny ainy. Novidiny lafo mantsy izany. Ny ain’ilay Zanany malala mihitsy no nomeny mba hamonjena ny ain’ny mpanota. Mangoraka i Jehovah ka miezaka manampy an’izay tsy manompo azy intsony mba hiverina aminy indray. Hitantsika avy amin’ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay zanaka adala fa manantena i Jehovah hoe hiverina ry zareo. (Lioka 15:11-32) Maro tamin’ny olona niala tamin’ny fahamarinana no niverina tamin’ilay Raintsika be fitiavana tatỳ aoriana. Nandray tsara an-dry zareo koa ny fiangonana. Faly be, ohatra, i Elizabeth, ilay voaresaka terỳ aloha rehefa voaray indray ny zanany. Izao no nolazainy: “Tena mankasitraka an’ireo rahalahy sy anabavy nanampy anay tsy hanary toky aho.”

19. Fa maninona isika no afaka matoky an’i Jehovah foana?

19 Afaka matoky an’i Jehovah foana isika. Mahasoa antsika foana mantsy ny tari-dalana omeny. Ray mangoraka sy vonon-kanampy izy, ary tena tiany izay olona tia sy manompo azy. Matokia fa tsy hahafoy anao mihitsy i Jehovah rehefa tsapanao hoe mangidy ny mahazo anao. (Heb. 13:5, 6) Hoy i Mark, ilay voaresaka tetsy aloha: “Tsy nandao anay mihitsy i Jehovah. Hitanay tamin’ny zavatra niainanay hoe eo foana izy rehefa miatrika zava-tsarotra izahay.” Hanome anao “hery fanampiny” foana i Jehovah. (2 Kor. 4:7) Ho vitanao àry ny tsy hivadika sy tsy hanary toky mihitsy, na dia niala tamin’i Jehovah aza ny olona tianao.

HIRA 44 Vavaky ny Torotoro Fo

^ feh. 5 Mila tsy ho zaka ny alahelo rehefa miala amin’i Jehovah ny olona iray tianao. Horesahina ato hoe ahoana no tsapan’Andriamanitra rehefa mitranga izany. Ho hitantsika avy eo hoe inona no azon’ny fianakavian’ilay voaroaka atao, mba hahazoana fampiononana sy hananana finoana matanjaka foana. Hianarantsika ato koa hoe ahoana no azon’ny rehetra ampaherezana sy anampiana an’ilay fianakaviana.

^ feh. 1 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 79 SARY: Rehefa mandao ny fianakaviany sy miala amin’i Jehovah ny rahalahy iray, dia mijaly ny vady aman-janany.

^ feh. 81 SARY: Anti-panahy roa tonga any an-tranon’ny fianakaviana iray, mba hampahery an-dry zareo.