LAHATSORATRA FIANARANA 39
HIRA 125 “Sambatra ny Mamindra Fo”
Ho Sambatra Kokoa Ianao Raha Tia Manome
“Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”—ASA. 20:35.
HEVITRA HODINIHINA
Izay azontsika atao mba ho faly foana isika rehefa manome, sy hoe ahoana no atao mba hampitomboana an’izany fifaliana izany.
1-2. Nahoana isika no nataon’i Jehovah hoe sambatra rehefa manome ho an’ny hafa?
SAMBATRA kokoa ny olombelona rehefa manome noho ny hoe mandray. (Asa. 20:35) Efa noforonin’i Jehovah hoatr’izany mihitsy isika. Tsy midika anefa izany hoe tsy mahasambatra antsika ny mahazo fanomezana. Isika aza faly rehefa misy manome zavatra. Na izany aza, dia sambatra kokoa isika rehefa isika mihitsy no manome. Soa ihany fa hoatr’izany no nanaovan’i Jehovah antsika. Nahoana?
2 Noho isika noforonin’i Jehovah hoatr’izany, dia isika ihany dia afaka mampitombo ny fifaliantsika. Faly kokoa isika arakaraka ny hitadiavantsika hevitra hanomezana ho an’ny hafa. Tsy mahavariana anao ve izany fomba namoronana antsika izany?—Sal. 139:14.
3. Nahoana no lazaina fa “Andriamanitra sambatra” i Jehovah?
3 Manome toky antsika ny Soratra Masina fa mahasambatra ny manome. Tsy mahagaga àry raha milaza ny Baiboly hoe “Andriamanitra sambatra” i Jehovah. (1 Tim. 1:11, f.a.p.) Izy no nanome voalohany sady tsy misy mahavita manome be noho izy. Nilaza ny apostoly Paoly fa “matoa isika velona sy mihetsika ary misy, dia noho izy.” (Asa. 17:28) Avy amin’i Jehovah tokoa “ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.”—Jak. 1:17.
4. Inona no hanampy antsika ho sambatra kokoa?
4 Isika rehetra mihitsy angamba no te ho sambatra kokoa rehefa manome. Ahoana àry no hatao? Miezaha halala-tanana hoatran’i Jehovah. (Efes. 5:1) Hianatra avy aminy isika ato. Hodinihintsika koa izay azontsika atao raha hoatran’ny hoe tsy mahay mankasitraka ny olona nampiantsika na nomentsika zavatra. Hanampy antsika izany mba ho faly foana sy hampitombo ny fifaliantsika rehefa manome.
MIEZAHA HALALA-TANANA HOATRAN’I JEHOVAH
5. Inona no omen’i Jehovah antsika?
5 Ahoana, ohatra, no ampisehoan’i Jehovah hoe malala-tanana izy? Manome antsika an’izay ilaintsika i Jehovah. Tsy voatery hoe hanankarena isika, nefa manana an’izay ilaina ny ankamaroantsika noho ny fanampiany. Ataony, ohatra, izay hahazoantsika sakafo sy fitafiana ary fialofana. (Sal. 4:8; Mat. 6:31-33; 1 Tim. 6:6-8) Adidy fotsiny ve no anomezan’i Jehovah antsika an’izany rehetra izany? Tsy izany mihitsy! Inona àry ny antony?
6. Inona no ianarantsika avy amin’ny Matio 6:25, 26?
6 Raha tsorina dia hoe manome an’izay ilaintsika i Jehovah satria tia antsika. Diniho ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:25, 26. (Vakio.) Naka ohatra ny amin’ny zavaboary izy ao. Izao no lazainy momba ny vorona: “Tsy mba mamafy na mijinja na manangona sakafo ao an-trano fitehirizam-bokatra ireny.” Hoy anefa izy taorian’izay: “Manome sakafo azy ilay Rainareo any an-danitra.” Nanontany izy avy eo hoe: “Tsy sarobidy noho ireny ve ianareo?” Inona ny lesona tian’i Jesosy hampitaina? Sarobidy lavitra noho ny biby no fahitan’i Jehovah ny mpanompony. Raha ny biby aza omeny an’izay ilainy, dia isika indray ve no tsy hokarakarainy? Hoatran’ny dada iray be fitiavana i Jehovah ka mikarakara an’izay ilain’ny fianakaviany satria tiany ry zareo.—Sal. 145:16; Mat. 6:32.
7. Ahoana, ohatra, no ampisehoantsika hoe malala-tanana hoatran’i Jehovah isika? (Jereo koa ny sary.)
7 Afaka manome ho an’ny hafa an’izay ilainy koa isika, hoatran’ny ataon’i Jehovah, satria tiantsika ry zareo. Mahafantatra mpiara-manompo mila sakafo na fitafiana ve, ohatra, ianao? Mety hampiasa anao i Jehovah mba hanome an’ilay olona an’izay ilainy. Mampiavaka ny vahoakan’i Jehovah ilay hoe malala-tanana rehefa misy loza. Nizara sakafo sy fitafiana ary zavatra hafa ho an’ny sahirana, ohatra, ireo rahalahy sy anabavy nandritra an’ilay valanaretina COVID-19. Betsaka koa no nanome vola be mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany. Ireny no nahafahana nanampy tra-boina tany amin’ny tany samihafa. Nampiharin’ireo rahalahy sy anabavy ireo ilay Hebreo 13:16 hoe: “Aza hadinoina ny manao soa sy ny mizara amin’ny hafa, fa tena mahafaly an’Andriamanitra ny sorona toy izany.”
8. Inona ny soa raisintsika noho i Jehovah manome hery antsika? (Filipianina 2:13)
8 Manome hery i Jehovah. Tsy misy fetrany ny herin’i Jehovah, dia faly izy mizara an’izany amin’ireo mpanompony tsy mivadika. (Vakio ny Filipianina 2:13.) Efa nisy fotoana ve ianao nivavaka mba hahazo hery handresena fakam-panahy, na hiaretana fitsapana mafy? Na mety hoe nivavaka fotsiny ianao mba hahazo hery hiatrehana ny androany. Rehefa nivaly ilay vavaka dia afaka nilaza hoatran’ny apostoly Paoly ianao hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”—Fil. 4:13.
9. Ahoana no ampisehoantsika hoe malala-tanana hoatran’i Jehovah isika rehefa mampiasa ny herintsika? (Jereo koa ny sary.)
9 Marina hoe tsy lavorary isika, nefa afaka malala-tanana hoatran’i Jehovah rehefa mampiasa ny herintsika. Isika aloha tsy hahavita hanome hery ho an’ny hafa hoatran’ny ataon’i Jehovah e! Afaka mampiasa ny herintsika anefa isika mba hanampiana ny hafa. Azontsika atao, ohatra, ny miantsena ho an’ny Kristianina zokiolona na marary, na ataon-dry zareo irakiraka. Azo atao koa ny manolo-tena hanadio sy hikojakoja Efitrano Fanjakana, raha afaka manao an’izany isika. Mahasoa ny mpanompon’i Jehovah hafa isika rehefa mampiasa ny herintsika hoatr’izany.
10. Ahoana no ampiasantsika ny tenintsika mba hanomezana hery ho an’ny hafa?
10 Tadidio koa hoe manan-kery ny teny. Misy olona eritreretinao ve hoe mila teny fiderana avy amin’ny fo? Sa ianao mahafantatra olona mila ampiononina? Maninona raha ianao mihitsy no miresaka aminy? Azonao atao ny mitsidika azy, na miantso azy an-telefaonina, na angamba mandefa karta, na email, na SMS. Tsy voatery hoe hilaza zavatra miavaka be ianao. Mety hoe teny tsotra avy amin’ny fo no tena ilain’ilay mpiara-manompo mba hanampy azy tsy hivadika amin’iny andro iny, na mba hihiratra kely ny androny.—Ohab. 12:25; Efes. 4:29.
11. Ahoana no ampiasan’i Jehovah ny fahendreny?
11 Manome fahendrena i Jehovah. Izao no nosoratan’i Jakoba mpianatr’i Jesosy: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, dia aoka izy hangataka an’izany foana amin’Andriamanitra, satria malala-tanana amin’ny olona rehetra Andriamanitra sady tsy manakiana.” (Jak. 1:5, f.a.p.) Hita amin’ireo teny ireo hoe tsy fihinin’i Jehovah ho azy ny fahendreny. Malala-tanana kosa izy mizara an’izany amin’ny hafa. Mariho koa fa rehefa manome fahendrena i Jehovah dia “tsy manome tsiny” izy na hoe “manakiana” na “mibedy.” Tsy ataony mihitsy izay hahasanganehana antsika rehefa mangataka aminy ny tari-dalany isika. Mampirisika antsika hanao an’izany aza izy raha ny marina.—Ohab. 2:1-6.
12. Rehefa inona avy isika no afaka mizara ny fahendrena ananantsika?
12 Ary isika? Isika koa ve afaka mizara ny fahendrena ananantsika hoatran’ny ataon’i Jehovah? (Sal. 32:8) Be dia be ny fomba azon’ny vahoakan’i Jehovah izarana an’izay nianarany. Matetika, ohatra, isika no mampiofana mpitory vaovao eny amin’ny fanompoana. Ny anti-panahy koa manam-paharetana manampy an’ireo mpikarakara fiangonana sy rahalahy vita batisa, mba hahay hiantsoroka andraikitra ao amin’ny fiangonana. Ary ahoana ny amin’ireo manana traikefa amin’ny fanorenana sy fikojakojana? Afaka manampy an’ireo tsy dia za-draharaha ry zareo mba hanao asa mifandray amin’ny tranon’ny fandaminana.
13. Ahoana no anahafantsika an’i Jehovah rehefa mizara fahendrena amin’ireo olona ampiofanintsika isika?
13 Tsara raha manahaka an’i Jehovah izay olona mampiofana, rehefa mizara ny fahendrena ananany. Tadidio fa tsy kahihitra i Jehovah mizara ny fahendreny. Tsy misalasala koa isika mizara an’izay efa haintsika sy ny traikefa ananantsika. Tsy tazonintsika ho antsika ny zavatra sasany haintsika satria fotsiny hoe sao dia haka ny toerantsika ilay olona ampiofanina. Tsy mieritreritra koa isika hoe: ‘Aleo izy hianatra irery eo e! Izaho angaha nisy nampiofana?’ Tsy manana toe-tsaina hoatr’izany ny vahoakan’i Jehovah. Faly kosa isika mizara an’izay efa haintsika amin’ireo olona ampiofanintsika. Vonona koa isika hanome ‘na dia ny aintsika aza.’ (1 Tes. 2:8) Manantena isika fa “hahay hampianatra ny hafa” izy ireo “avy eo.” (2 Tim. 2:1, 2) Ho tia mizara ny hafa amin’izay, rehefa tia mizara isika dia samy ho sambatra na isika na ny olon-kafa, ary hitohy foana izany.
RAHA HOATRAN’NY TSY MAHAY MANKASITRAKA NY OLONA
14. Ahoana no ataon’ny ankamaroan’ny olona rehefa malala-tanana amin-dry zareo isika?
14 Matetika no mankasitraka ny fahalalahan-tanantsika ny olona, indrindra fa ny mpiara-manompo. Mety hanoratra taratasy kely izy mba hisaorana antsika, na hampiseho ny fankasitrahany amin’ny fomba hafa. (Kol. 3:15) Vao mainka isika mahatsiaro ho sambatra rehefa mahay mankasitraka hoatr’izany ry zareo.
15. Inona no tokony hotadidintsika rehefa misy olona tsy milaza ny fankasitrahany?
15 Misy ihany aloha olona tsy mampiseho na tsy milaza ny fankasitrahany e! Nanome ny fotoanantsika na ny herintsika na ny volantsika angamba isika mba hanampiana olona iray, nefa hoatran’ny hoe tsy niraharaha an’izay nataontsika akory izy. Inona no hanampy antsika ho faly foana na tsy ho diso fanantenana amin’izay? Tadidio ny Asan’ny Apostoly 20:35, andinin-teny fototr’ity lahatsoratra ity. Tsy miankina amin’izay ataon’ilay olona ny fahasambarantsika. Afaka mifidy ny ho faly foana isika rehefa manome, na dia hoatran’ny hoe tsy mankasitraka aza ny hafa. Amin’ny fomba ahoana? Andao isika handinika fomba vitsivitsy.
16. Inona no tokony hifantohantsika rehefa manome ho an’ny hafa isika?
16 Tadidio hoe manahaka an’i Jehovah ianao. Manome zavatra tsara ho an’ny olona i Jehovah, na mankasitraka an’izany ry zareo na tsia. (Mat. 5:43-48) Mampanantena izy fa ‘ho lehibe ny valisoantsika’ raha manome isika nefa ‘tsy manantena valiny’ koa. (Lioka 6:35) Mety ho anisan’izany “valiny” izany ny teny fankasitrahana. Na mahazo fankasitrahana anefa isika na tsia dia hamaly ny soa ataontsika amin’ny hafa foana i Jehovah, satria isika “mpanome amim-pifaliana.”—Ohab. 19:17; 2 Kor. 9:7.
17. Ahoana koa no anahafantsika an’i Jehovah? (Lioka 14:12-14)
17 Manahaka an’i Jehovah koa isika, rehefa mampihatra an’ilay torolalana mahasoa ao amin’ny Lioka 14:12-14. (Vakio.) Tsy diso akory isika raha manasa an’izay olona afaka manasa antsika, na malala-tanana amin’ny fomba hafa amin’izay afaka manao hoatr’izany amintsika koa. Ahoana anefa raha voamaritsika hoe matetika isika no manome ho an’ny hafa satria manantena valiny? Tsara ny mampihatra an’ilay soso-kevitr’i Jesosy. Azo atao ny manasa olona fantatsika hoe tsy mba afaka ny hanasa antsika. Ho sambatra isika amin’izay satria manahaka an’i Jehovah. Izany koa no hanampy antsika ho faly foana rehefa tsy milaza ny fankasitrahany ny hafa.
18. Inona no hanampy antsika tsy hanana eritreri-dratsy momba ny hafa?
18 Aza miahiahy ny hafa. (1 Kor. 13:7) Raha misy olona tsy milaza ny fankasitrahany dia afaka mieritreritra isika hoe: ‘Tena tsy mahay mankasitraka ve izy? Sa hadinony fotsiny ny nisaotra?’ Mety ho nisy antony hafa koa matoa izy tsy nankasitraka antsika araka ny nantenaintsika. Mety hankasitraka lalina ihany ny sasany, saingy sarotra amin-dry zareo ny mampiseho an’izany. Sadaikatra angamba ry zareo hoe nampiana, indrindra raha ry zareo foana no nanampy hatramin’izay. Tiantsika foana anefa ny mpiara-manompo na ahoana na ahoana, ka tsy hanana eritreri-dratsy momba an-dry zareo isika sady ho faly foana manome.—Efes. 4:2.
19-20. Nahoana no mahasoa ilay hoe manam-paharetana rehefa manome ho an’ny hafa? (Jereo koa ny sary.)
19 Manàna faharetana. Izao no nosoratan’i Solomona Mpanjaka hendry momba ny fahalalahan-tanana: “Atsipazo eny ambony rano ny mofonao, fa ho hitanao indray ilay izy rehefa afaka andro maro.” (Mpito. 11:1) Mety ho “afaka andro maro” àry, izany hoe ela be atỳ aoriana, vao hankasitraka an’izay nataontsika taminy ny olona sasany. Andao isika hijery ohatra.
20 Nandefa taratasy mampahery ho an’ny anabavy iray vao vita batisa ny vadin’ny mpiandraikitra ny faritra iray, taona maro lasa izay. Nampirisika azy izy mba tsy hivadika mihitsy. Namaly an’ilay taratasy ilay anabavy, valo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Izao no nosoratany: ‘Tsy aritro ny tsy hanoratra ho anao sy hilaza aminao hoe tena nanampy ahy iny taratasinao iny nandritra ny taona maro, na dia tsy fantatrao aza izany.’ Hoy koa izy: ‘Hitako hoe tena niahy be ahy ianao tao amin’ilay taratasy, fa ilay andinin-teny no tena nanohina ny foko ary tsy ho hadinoko mihitsy ilay izy.’ a Nanazava ny olana sasany natrehiny ilay anabavy dia nilaza hoe: ‘Leo be aho indraindray, leon’ny fahamarinana, leon’ny andraikitra. Tiako hadaboka daholo ny zava-drehetra, tamin’izany.’ Nilaza koa anefa izy hoe tena nandrisika azy ilay andinin-teny dia nahavita nanohy foana izy. Ilay taratasy, hono, no tena nanampy be azy nandritra an’izay valo taona izay. Eritrereto ange e! Faly erỳ izao ilay vadina mpiandraikitra ny faritra nahazo an’io taratasy fankasitrahana io rehefa “afaka andro maro”! Mety hankasitraka an’izay ataontsika koa ny olona sasany, ela be atỳ aoriana.
21. Nahoana ianao no tapa-kevitra ny halala-tanana foana hoatran’i Jehovah?
21 Miavaka ny fomba namoronan’i Jehovah antsika, araka ny hitantsika teo. Marina hoe faly isika rehefa mahazo zavatra, nefa mahasambatra kokoa antsika ny manome ho an’ny hafa. Afa-po isika rehefa afaka manampy mpiara-manompo. Sambatra koa isika rehefa maneho ny fankasitrahany ry zareo. Na misaotra anefa ilay olona na tsia, dia faly isika satria nanao an’izay tokony hatao. Tsarovy foana hoe na inona na inona omenao dia “afaka manome anao mihoatra lavitra noho izany i Jehovah.” (2 Tan. 25:9) Tsy hahavita hanome mihoatra noho izay omen’i Jehovah mihitsy isika! Tsy misy mahafaly kokoa noho ny hoe i Jehovah mihitsy no mamaly soa antsika. Aoka àry isika ho tapa-kevitra ny halala-tanana foana, hoatran’ilay Raintsika any an-danitra.
HIRA 17 “Sitrako Tokoa”
b SARY: Sary tsy tena izy. Ilay vadina mpiandraikitra ny faritra manoratra taratasy mampahery ho an’ilay anabavy. Maharay taratasy fankasitrahana izy, taona maro atỳ aoriana.
NY TILIKAMBO FIAMBENANA (FIANARANA)