LAHATSORATRA FIANARANA 38

HIRA 25 Fanananao Manokana Izy Ireo

Manaraka Fampitandremana ve Ianao?

Manaraka Fampitandremana ve Ianao?

“Ny iray hoentina ary ny iray havela.”​—MAT. 24:40.

HEVITRA HODINIHINA

Handinika fanoharana telo nolazain’i Jesosy isika ato. Hojerentsika hoe inona no ifandraisan’ireo amin’ilay fotoam-pitsarana amin’ny faran’izao tontolo izao.

1. Inona no hataon’i Jesosy tsy ho ela?

 HISY fiovana lehibe hitranga atsy ho atsy. Tsy ho ela i Jesosy dia hitsara ny olona tsirairay. Noresahiny tamin’ny mpianany izay hitranga alohan’ny hahatongavany hitsara. Nolazainy hoe inona no “famantarana” fa efa manatrika izy, ary efa akaiky “ny faran’izao tontolo izao.” (Mat. 24:3) Hita ao amin’ny Matio toko faha-​24 sy faha-25 io faminaniana io, sy ao amin’ny Marka toko faha-​13, ary Lioka toko faha-​21.

2. Inona no hodinihintsika ato, ary hanampy antsika hanao inona izany?

2 Nanao fanoharana telo i Jesosy mba hampitandremana antsika ary manampy antsika hiomana izy ireny. Inona avy izany? Ny fanoharana momba ny ondry sy osy, ny virjiny malina sy ny virjiny adala, ary ny talenta. Hanampy antsika ny tsirairay amin’ireo fanoharana ireo, mba hahazo hoe arakaraka ny ataon’ny olona iray no hitsarana azy. Andao àry hodinihintsika izay azontsika ianarana sy ampiharina avy amin’izy ireo. Ny fanoharana momba ny ondry sy osy no hodinihintsika voalohany.

NY ONDRY SY OSY

3. Rahoviana i Jesosy no hitsara ny olona?

3 Nilaza i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa hitsara ny olona izy arakaraka ny hoe nandray tsara ny vaovao tsara ve ilay olona sa tsia, ary nanohana ny rahalahiny voahosotra ve sa tsia. (Mat. 25:31-46) Aloha kelin’ny Aramagedona izy no hamoaka ny didim-pitsarany, mandritra ny “fahoriana lehibe.” (Mat. 24:21) Havahany hoe iza no nanohana an’ireo mpianany voahosotra sy ireo tsy nanao an’izany, toy ny mpiandry ondry manavaka ny ondry amin’ny osy.

4. Nahoana no azontsika antoka hoe hitsara ara-drariny i Jesosy, rehefa jerena ny Isaia 11:3, 4? (Jereo koa ny sary.)

4 Resahin’ny faminanian’ny Baiboly fa hanao ny rariny i Jesosy, ilay Mpitsara notendren’i Jehovah. (Vakio ny Isaia 11:3, 4.) Dinihiny mantsy izay ataon’ny olona sy lazainy ary ny toe-tsain’izy ireo, anisan’izany ny hoe ahoana no itondran’izy ireo an’ireo rahalahiny voahosotra. (Mat. 12:36, 37; 25:40) Ho fantany hoe iza no nanohana an’ireo rahalahiny ireo sy ny asa nataon’izy ireny. a Fa ahoana marina moa no hanohanan’ny ondry an’ireo rahalahin’i Kristy? Anisan’ny fomba lehibe indrindra amin’izany ny hoe manampy an-dry zareo amin’ny asa fitoriana. Holazaina hoe “olo-marina” izay manohana azy ireo rehefa tsaraina, ary afaka ny ‘hiaina mandrakizay’ eto an-tany. (Mat. 25:46; Apok. 7:16, 17) Valisoa tsara be izany ho an’izay tsy mivadika! Ho voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fiainana” foana ny anaran-dry zareo, raha tsy mivadika izy mandritra ny fahoriana lehibe sy aorian’izay.​—Apok. 20:15.

Kely sisa i Jesosy dia hitsara ny olona tsirairay hoe iza no hita hoe ondry ary iza no hita hoe osy (Fehintsoratra 4)


5. Inona no ianarantsika avy amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy, ary iza avy no handray soa avy amin’ilay fanoharana?

5 Asehoy hoe tsy mivadika ianao. Ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany no tena nifantohan’i Jesosy, ao amin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy. Mampiseho hoe manam-pinoana ry zareo rehefa manampy ny rahalahin’i Kristy amin’ny asa fitoriana. Tsy izay ihany fa manaiky ny fitarihan’ireo rahalahy voahosotra vitsivitsy nofidin’i Jesosy koa ry zareo. (Mat. 24:45) Na ireo manantena ny hiaina any an-danitra koa aza mila manaraka an’ilay fampitandremana ao amin’ilay fanoharana. Fa maninona? Satria dinihin’i Jesosy izay ataony sy teneniny ary ny toe-tsainy. Tsy maintsy manaporofo koa ry zareo hoe manam-pinoana. Nanao fanoharana roa misy fampitandremana voafaritra tsara ho an’ny voahosotra mihitsy aza i Jesosy. Ao amin’ny Matio toko faha-​25 koa no ahitantsika an’izany. Andao àry hodinihintsika izao ilay fanoharana momba ny virjiny malina sy ny virjiny adala.

VIRJINY MALINA SY VIRJINY ADALA

6. Ahoana no nampisehoan’ireo virjiny dimy hoe malina ry zareo? (Matio 25:6-10)

6 Niresaka virjiny folo nivoaka hitsena ny mpampakatra i Jesosy ao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny. (Mat. 25:1-4) Samy nanantena izy folo hoe hiaraka amin’ilay mpampakatra ho any amin’ilay fanasambe amin’ny fampakaram-bady. Nilaza i Jesosy fa “malina” ny virjiny dimy, fa ny dimy hafa kosa “adala.” Efa niomana sy mailo ireo virjiny malina. Vonona ny hiandry an’ilay mpampakatra ry zareo na amin’ny firy na amin’ny firy izy no ho tonga, na dia alina be aza. Nitondra jiro àry ry zareo, ary nitondra menaka fanampiny mihitsy raha sanatria tara ilay mpampakatra. Tiany hirehitra foana mantsy ny jirony dia efa niomana ry zareo. (Vakio ny Matio 25:6-10.) Rehefa tonga ny mpampakatra dia niaraka taminy nankao amin’ilay fanasambe ireo virjiny malina. Mailo foana sy mendri-pitokisana hoatr’izany koa ny Kristianina voahosotra mandra-pahatongan’i Kristy. Nampiseho ry zareo hoe vonona ka hita hoe mendrika ny hiaraka amin’ilay Mpampakatra, na i Jesosy, ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra. b (Apok. 7:1-3) Ahoana kosa ny amin’ireo virjiny dimy adala?

7. Natao ahoana ireo virjiny dimy adala, ary nahoana?

7 Tsy mba vonona hoatran’ireo virjiny malina ny virjiny dimy adala rehefa tonga ny mpampakatra. Efa ho faty ny jirony nefa tsy nitondra menaka fanampiny ry zareo. Rehefa henony àry hoe ho avy ny mpampakatra dia tsy maintsy nandeha nividy menaka ry zareo. Mbola tsy tafaverina izy dimy vavy rehefa tonga ilay mpampakatra. Dia inona no nitranga tamin’izay? ‘Niara-niditra tamin’ilay mpampakatra tao amin’ny fanasambe amin’ny fampakaram-bady ireo virjiny efa vonona, ary nohidiana ny varavarana.’ (Mat. 25:10) Te hiditra tao amin’ilay fanasambe ireo virjiny adala rehefa tafaverina, nefa izao no nolazain’ilay mpampakatra: “Tsy fantatro ianareo.” (Mat. 25:11, 12) Tsy niomana hiandry ry zareo raha elaela ilay mpampakatra vao tonga. Inona no ianaran’ny voahosotra avy amin’izany?

8-9. Inona no lesona azon’ny voahosotra ianarana avy amin’ilay fanoharana momba ny virjiny? (Jereo koa ny sary.)

8 Asehoy hoe vonona sy mailo ianao. Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe mizara ho andiany roa ny voahosotra, ka ny iray vonona ny hiandry mandra-pifaran’izao tontolo izao ary ny iray tsy hoatr’izany. Nanazava kosa izy hoe inona no hitranga amin’ny voahosotra raha tsy miomana ny hiaritra sy tsy hivadika hatramin’ny farany ry zareo. Raha tsy vonona mantsy ry zareo, dia tsy ho azon’izy ireo ny valisoany. (Jaona 14:3, 4) Tena mampisaintsaina izany! Isika rehetra mihitsy anefa no tokony handray am-po an’ilay fampitandremana ao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny, na manantena ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Tsy maintsy miambina foana koa isika tsirairay sady miomana ka ho vonona hiaritra hatramin’ny farany.​—Mat. 24:13.

9 Nasongadin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny virjiny fa ilaina ny miomana sy mailo. Nilaza an’ilay fanoharana momba ny talenta izy taorian’izay. Asongadin’izy io fa ilaina ny mazoto miasa.

Tokony ho zava-dehibe amintsika tsirairay ilay fampitandremana ao amin’ny fanoharana momba ny virjiny hoe mila miomana sy mailo isika, ka ho vonona hiaritra hatramin’ny farany (Fehintsoratra 8-9)


TALENTA

10. Ahoana no nampisehoan’ireo mpanompo roa hoe mendri-pitokisana ry zareo? (Matio 25:19-23)

10 Niresaka mpanompo telo i Jesosy tao amin’ilay fanoharana momba ny talenta. Ny roa mendri-pitokisana fa ny iray kosa tsy hoatr’izany. (Mat. 25:14-18) Nasehon’ireo mpanompo roa hoe mendri-pitokisana izy ireo, satria niasa mafy mba hampitomboana ny fananan’ny tompony. Samy nanankinan’ilay tompony talenta, na vola be, ry zareo talohan’ny nandehanany ho any an-tany hafa. Nazoto niasa ireo mpanompo mendri-pitokisana roa sady nampiasa tsara an’ilay vola. Dia inona no vokany? Nampitomboin-dry zareo avo roa heny ny vola nomena azy rehefa niverina ilay tompony. Nidera azy roa lahy àry ilay tompony dia ‘niara-nifaly taminy.’ (Vakio ny Matio 25:19-23.) Ary ilay mpanompo fahatelo? Nataony ahoana ilay vola nomen’ny tompony azy?

11. Natao ahoana ilay mpanompo “kamo”, ary nahoana?

11 Nomena talenta iray ilay mpanompo fahatelo saingy “kamo.” Nanantena ilay tompony fa hampiasa tsara an’ilay talenta izy, kanjo naleviny tao anaty tany ilay izy. Rehefa niverina ilay tompony dia tsy mba nisy tombony azo nomena azy. Tsy tsara ny toe-tsain’ilay mpanompo. Tsy mba niala tsiny akory izy hoe tsy nahavita nampitombo ny fananan’ilay tompony, fa nomeny tsiny indray aza izy dia nolazainy hoe “olona sarotsarotiny.” Tsy nahazo sitraka tamin’ilay tompony àry izy. Nalaina taminy koa ilay talenta, ary noroahina tsy ho ao an-tranon’ilay tompony intsony izy.​—Mat. 25:24, 26-30.

12. Iza no mifanitsy amin’ireo mpanompo roa mendri-pitokisana amin’izao?

12 Iza no mifanitsy amin’ireo mpanompo roa mendri-pitokisana? Ny Kristianina voahosotra mendri-pitokisana. Manasa an-dry zareo ‘hiara-mifaly aminy’ ilay Tompony, na i Jesosy. Hahazo ny fitsanganana voalohany izy ireo dia hahazo ny valisoany any an-danitra. (Mat. 25:21, 23; Apok. 20:5b) Fampitandremana ho an’ireo voahosotra kosa ny nataon’ilay mpanompo kamo. Nahoana isika no milaza an’izany?

13-14. Inona no ianaran’ireo voahosotra avy amin’ilay fanoharana momba ny talenta? (Jereo koa ny sary.)

13 Asehoy hoe mazoto miasa sy tsy manao kitoatoa ianao. Hoatran’ny tao amin’ny fanoharana momba ny talenta sy ny virjiny, dia tsy te hilaza akory i Jesosy fa ho lasa kamo ny voahosotra. Nohazavainy kosa hoe inona no hitranga raha sanatria misy lasa tsy mafana fo. Tsy “azo antoka” intsony hoe ho “voantso sy voafidy” ry zareo, ary tsy havela hiditra ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra.​—2 Pet. 1:10.

14 Hita amin’ny fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny sy ny talenta fa tsy maintsy miomana, mailo, mazoto miasa, ary tsy manao kitoatoa ny Kristianina voahosotra rehetra. Izay ihany ve no nolazain’i Jesosy mba hampitandremana an-dry zareo? Mbola misy ka! Niresaka momba ny didim-pitsarana farany ho an’ny voahosotra koa izy, ao amin’ny Matio 24:40, 41.

Tian’i Jesosy hazoto hiasa sy tsy hanao kitoatoa ny voahosotra (Fehintsoratra 13-14) d


IZA NO “HOENTINA”?

15-16. Ahoana no anasongadinan’ny Matio 24:40, 41 fa mila miambina ny voahosotra?

15 Niresaka ny didim-pitsarana farany ho an’ny voahosotra i Jesosy talohan’ny nanaovany an’ireo fanoharana telo. Ho hita amin’izay hoe iza amin-dry zareo no ankasitrahany. Niresaka lehilahy roa niasa tany an-tsaha sy vehivavy roa nanodina vato fikosoham-bary izy. Hoatran’ny hoe mitovy ihany ny asa nataon-dry zareo, nefa nilaza i Jesosy fa “ny iray hoentina ary ny iray havela.” (Vakio ny Matio 24:40, 41.) Nampirisika ny mpanara-dia azy izy avy eo hoe: “Miambena foana àry ianareo, satria tsy fantatrareo ny andro hiavian’ny Tomponareo.” (Mat. 24:42) Nilaza zavatra nitovitovy tamin’izany izy rehefa avy nanao an’ilay fanoharana momba ny virjiny. (Mat. 25:13) Hoatran’ny hoe mifandray ireo teniny ireo. Izay tena voahosotra sy mendri-pitokisana ihany no “hoentina”, izany hoe horaisin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana any an-danitra.​—Jaona 14:3.

16 Asehoy hoe miambina ianao. Tsy hangonina miaraka amin’ny ‘olom-boafidy’ izay voahosotra tsy manohy miambina. (Mat. 24:31) Raha ny marina, dia mila manaraka an’ilay fampitandreman’i Jesosy hoe tsy maintsy miambina foana sy tsy mivadika mihitsy ny vahoakan’Andriamanitra rehetra, na inona na inona fanantenany.

17. Nahoana isika no tsy tokony hanahy raha mifidy i Jehovah hoe misy olona hosorany fanahy masina amin’izao androntsika izao?

17 Matoky ny didim-pitsaran’i Jehovah isika satria efa fantatsika tsara izy. Tsy manahy àry isika raha misy olona tsy mivadika nofidin’i Jehovah ho lasa voahosotra, tato ho ato. c Tsaroantsika mantsy izay nolazain’i Jesosy momba an’ireo mpiasa nasaina hiasa tamin’ny ora faha-11, tao amin’ilay fanoharana momba ny tanimboaloboka. (Mat. 20:1-16) Nitovy tamin’ny karama azon’ireo niasa taloha kokoa ny karama azon-dry zareo. Hahazo valisoa any an-danitra koa ny voahosotra, na oviana na oviana izy no nofidina, raha hita hoe tsy mivadika rehefa tsaraina.

ARAHO NY FAMPITANDREMANA

18-19. Inona avy ny lesona sy fampitandremana nodinihintsika tato?

18 Inona izany no nodinihintsika tato? Asongadin’ilay fanoharana momba ny ondry sy osy fa tokony tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy ireo manantena ny hiaina mandrakizay eto an-tany, na amin’izao na mandritra ny fahoriana lehibe ho avy. Ho hitan’i Jesosy hoe mendrika ny “hahazo fiainana mandrakizay” ireo tsy mivadika, rehefa hitsara azy ireo izy amin’izay fotoana izay.​—Mat. 25:46.

19 Nandinika fanoharana roa ahitana fampitandremana ho an’ny voahosotra koa isika tato. Hita tamin’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny virjiny malina sy ny virjiny adala fa hendry ny dimy tamin-dry zareo. Niomana sy mailo ry zareo ka vonona ny hiandry an’ilay mpampakatra, na amin’ny firy na amin’ny firy izy no ho tonga. Ny virjiny adala kosa tsy vonona. Tsy navelan’ilay mpampakatra niditra tao amin’ilay fanasambe amin’ny fampakaram-bady àry ry zareo. Tsy maintsy vonona ny hiandry koa isika, na rahoviana na rahoviana i Jesosy no ho avy hamarana an’izao tontolo izao. Nandinika an’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny talenta koa isika. Noresahintsika hoe nazoto niasa sy tsy nanao kitoatoa ireo mpanompo roa mendri-pitokisana. Niasa mafy ho an’ny tompony izy ireo dia nahazo sitraka taminy. Noroahina kosa ilay mpanompo kamo. Inona no ianarantsika avy amin’izany? Tsy maintsy be atao amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika mandra-pahatongan’ny farany. Noresahintsika farany teo koa hoe tsy maintsy miambina foana ny voahosotra, raha tiany ny ‘hoentin’i’ Jesosy mba hahazo ny valisoan-dry zareo any an-danitra. Efa tsy andrin’izy ireo ny “fanangonana” azy ireo ho any amin’i Jesosy any an-danitra. Hampakarin’i Jesosy ry zareo aorian’ny ady Aramagedona dia ho ao amin’ilay fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.​—2 Tes. 2:1; Apok. 19:9.

20. Hataon’i Jehovah ahoana ny olona manaraka ny fampitandremany?

20 Tsy misy antony tokony hatahorantsika, na dia mihamanatona haingana aza ilay fotoam-pitsarana. Raha tsy mivadika mihitsy mantsy isika dia homen’ilay Raintsika be fitiavana any an-danitra “hery mihoatra noho ny an’ny olombelona”, amin’izay isika “ho afaka hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” (2 Kor. 4:7; Lioka 21:36) Hampifaly an’ilay Raintsika isika raha manaraka ny fampitandremana nomen’i Jesosy ao amin’ny fanoharana nataony, na manantena ho any an-danitra isika na ho eto an-tany. Ho “hita voasoratra” ao amin’ny bokin’ny fiainana ny anarantsika, satria nanehoan’i Jehovah hatsaram-panahy miavaka isika.​—Dan. 12:1; Apok. 3:5.

HIRA 26 Izay Natao Azy Ireo dia Natao Ahy

a Jereo ilay hoe “Inona no Fantatsika Momba ny Didim-pitsaran’i Jehovah Amin’ny Hoavy?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana Mey 2024.

b Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay hoe “‘Hiambina Hatrany’ ve Ianao?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2015.

c Jereo Ny Tilikambo Fiambenana Janoary 2020, p. 29-30, feh. 11-14.

d SARY: Anabavy voahosotra mampianatra Baiboly tovovavy iray hitany teny amin’ny fanompoana.