LAHATSORATRA FIANARANA 36

HIRA 89 Izay Mihaino sy Mankatò dia Hotahina Tokoa

“Tokony ho Mpankatò ny Teny Ianareo”

“Tokony ho Mpankatò ny Teny Ianareo”

“Tokony ho mpankatò ny teny ianareo, fa tsy ho mpihaino fotsiny.”​—JAK. 1:22.

HEVITRA HODINIHINA

Hanampy antsika ity lahatsoratra ity mba haniry kokoa hamaky ny Tenin’Andriamanitra isan’andro. Hanampy antsika koa izy ity mba hieritreritra sy hampihatra kokoa an’izay vakintsika.

1-2. Inona no mahasambatra ny mpanompon’Andriamanitra? (Jakoba 1:22-25)

 TIAN’I Jehovah sy ny Zanany ho sambatra isika. Izao no lazain’ilay mpanoratra ny Salamo 119:2: “Sambatra izay manaraka ny fampahatsiahivany, dia ireo mitady azy amin’ny fo manontolo.” Nanome toky koa i Jesosy hoe: “Izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mankatò an’izany no sambatra!”​—Lioka 11:28.

2 Vahoaka sambatra isika mpanompon’i Jehovah. Nahoana? Be dia be ny antony, fa anisan’ny tena mahasambatra antsika ilay hoe mamaky ny Tenin’Andriamanitra tsy tapaka isika, ary miezaka mafy mampihatra an’izay ianarantsika.​—Vakio ny Jakoba 1:22-25.

3. Inona ny soa azontsika rehefa mampihatra an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika?

3 Betsaka ny soa azontsika rehefa “mpankatò ny teny” isika. Fantatsika, ohatra, hoe tena ilaina izany mba hampifaliana an’i Jehovah, ary mahasambatra antsika ny mahatsapa an’izany. (Mpito. 12:13) Mifandray tsara amin’ny fianakaviantsika isika sady minamana be amin’ny mpiara-manompo amintsika, rehefa mampihatra an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Azo inoana hoe efa niaina an’izany ianao. Ankoatra izay, dia tsy mahazo antsika ny olana be dia be mpahazo ny olona tsy manaraka ny fitsipik’i Jehovah. Miombon-kevitra amin’i Davida Mpanjaka isika. Niresaka momba ny lalàna sy fitsipika ary didim-pitsaran’i Jehovah izy tao amin’ny hira iray nataony, dia izao no namaranany azy: “Lehibe ny valisoa azon’izay manaraka an’ireny.”​—Sal. 19:7-11.

4. Nahoana no sarotra ilay hoe mpankatò ny Tenin’Andriamanitra?

4 Tsy mora foana aloha ilay hoe mankatò ny Tenin’Andriamanitra e! Rotoroto be ny fiainantsika, nefa tsy maintsy manokana fotoana hamakiana sy hianarana ny Baiboly isika, amin’izay azontsika izay tian’i Jehovah hataontsika. Andao àry isika handinika soso-kevitra vitsivitsy manampy antsika hamaky Baiboly tsy tapaka. Hojerentsika koa hoe inona no hanampy antsika hieritreritra an’izay vakintsika sy hitady fomba hampiharana an’izay ianarantsika.

MANOKÀNA FOTOANA HAMAKIANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

5. Inona avy no maka ny fotoanantsika?

5 Be atao ny ankamaroan’ny vahoakan’i Jehovah. Mandany fotoana be isika mba hikarakarana an’izay lazain’ny Baiboly hoe zava-dehibe. Miasa, ohatra, ny ankamaroantsika mba hahazoana an’izay ilaintsika sy ny fianakaviantsika. (1 Tim. 5:8) Betsaka koa ny Kristianina mikarakara havana marary na be taona. Isika rehetra mihitsy koa no mila mikarakara ny fahasalamantsika, ary mitaky fotoana izany. Eo koa ny zavatra ampanaovina antsika ao amin’ny fiangonana. Anisan’ny andraikitsika lehibe indrindra ilay hoe mazoto mitory. Tena betsaka àry ny zavatra tsy maintsy ataontsika! Dia ahoana izany no hahitanao fotoana hamakiana tsy tapaka ny Baiboly, sy hisaintsainana an’izay vakinao, ary hampiharana an’izany?

6. Inona no azonao atao mba ho loha laharana ny famakianao Baiboly? (Jereo koa ny sary.)

6 Anisan’ny “zava-dehibe kokoa” amintsika Kristianina ilay hoe mamaky Baiboly, ka tsy maintsy ataontsika loha laharana. (Fil. 1:10) Izao no resahin’ny salamo voalohany momba ny olona lazaina hoe sambatra: “Ny lalàn’i Jehovah no mahafinaritra azy, ary ny lalàny no vakiny sy saintsaininy andro aman’alina.” (Sal. 1:1, 2) Hita amin’izany hoe mila manokana fotoana hamakiana Baiboly isika. Rahoviana anefa ny fotoana mety indrindra hanaovana an’izany? Mety ho samy hafa aloha ny valin-tenintsika tsirairay e! Raha tsorina anefa dia tokony hoe fotoana hahafahanao manao an’ilay izy tsy tapaka no hofidinao. Izao no nolazain’ny rahalahy atao hoe Victor: “Tiako ny mamaky Baiboly amin’ny maraina. Marina aloha hoe tsy karazan’olona mpifoha maraina aho, fa amin’iny anefa tsy dia misy zavatra manelingelina. Mbola misokatra tsara ny saiko sady mifantoka kokoa aho.” Hoatr’izany koa ve ianao? Eritrereto hoe: ‘Rahoviana ny fotoana mety indrindra amiko mba hamakiana Baiboly?’

Rahoviana ny fotoana tsara indrindra hamakiana Baiboly? Rahoviana ianao no afaka manao an’izany tsy tapaka? (Fehintsoratra 6)


SAINTSAINO IZAY VAKINAO

7-8. Inona no mety hahatonga antsika tsy tena handray soa avy amin’izay vakintsika? Hazavao amin’ny ohatra.

7 Indraindray isika mamaky zavatra be dia be, nefa tsy tena misy voaraintsika akory. Efa nisy fotoana ve ianao namaky zavatra, nefa vetivety eo dia zara raha tadidinao ilay izy? Efa tratran’izany daholo isika. Mampalahelo fa mety ho hoatr’izany koa isika rehefa mamaky Baiboly. Manana tanjona angamba ianao hoe hamaky toko vitsivitsy ao amin’ny Baiboly isan’andro. Tsara be izany! Tokony hanana tanjona mihitsy isika ary hiezaka hanatratra an’izany. (1 Kor. 9:26) Efa tsara ilay hoe mamaky Baiboly ianao, nefa tsy ampy izay satria vao fanombohana fotsiny izany. Misy zavatra hafa mila ataontsika raha tena tiantsika ny handray soa rehefa mamaky ny Tenin’Andriamanitra isika.

8 Eritrereto izao: Tena ilain’ny zavamaniry ny orana. Raha be loatra anefa ny orana milatsaka ao anatin’ny fotoana fohy, dia mety ho vonton-drano be loatra ny tany. Tsy mety amin’ilay tany amin’izay raha mbola avy indray ny orana. Mila fotoana hitrohana an’ilay rano mantsy ilay tany mba hampiasain’ny zavamaniry. Hoatr’izany koa, fa tsy tokony ho maimaika isika rehefa mamaky Baiboly. Raha izay mantsy, dia tsy misy ho voaraintsika sy hotadidintsika izay vakintsika sady tsy hisy hampiasaintsika.​—Jak. 1:24.

Mila fotoana ny tany mba hitrohana sy hampiasana ny ranonorana. Mila fotoana koa isika mba hisaintsainana sy hampiharana an’izay vakintsika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra (Fehintsoratra 8)


9. Inona no tokony hataontsika raha zatra mirotoroto isika rehefa mamaky Baiboly?

9 Mahatsapa ve ianao indraindray hoe mirotoroto be rehefa mamaky Baiboly? Inona no tokony hataonao? Aza maika fa vakio miadana ilay izy, dia miezaha hieritreritra an’izay vakinao na izay avy novakinao. Tsy voatery ho sarotra be araka ny ieritreretanao azy izany. Raha hoatran’ny sarotra aminao ilay hoe misaintsaina, dia ataovy hoatran’ny hoe mieritreritra an’izay vakinao fotsiny ianao. Mety hanapa-kevitra hampitombo ny fotoana ianaranao ianao, amin’izay afaka mieritreritra na misaintsaina. Na angamba ianao mety hifidy hamaky andininy vitsivitsy kokoa, dia ny ambin’ny fotoana ampiasainao mba hisaintsainana an’izay novakinao. Izao no nolazain’i Victor, ilay voaresaka terỳ aloha: “Ataoko fohy ny zavatra vakiko rehefa mamaky Baiboly aho, ohatra hoe toko iray. Izaho moa vao maraina no manao an’ilay izy, dia afaka misaintsaina tsara an’izay novakiko aho mandritra ny andro.” Ny zava-dehibe dia hoe mamaky Baiboly milamina tsara ianao, amin’izay mandray soa faran’izay betsaka amin’ilay izy, na ahoana na ahoana ataonao.​—Sal. 119:97; jereo ilay hoe “ Fanontaniana Mila Dinihina.”

10. Hazavao amin’ny ohatra hoe ahoana no azonao ampiharana an’izay ianaranao. (1 Tesalonianina 5:17, 18)

10 Na inona na inona fotoana fidinao hamakiana Baiboly, ary na lava na fohy ny zavatra vakinao, dia ataovy azo antoka hoe mitady fomba hampiharana an’ilay izy ianao. Rehefa mamaky ampahany amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia eritrereto hoe: ‘Ahoana no azoko ampiharana an’ity fanazavana ity amin’izao na ato ho ato?’ Andeha hatao hoe mamaky Baiboly ianao, dia eo amin’ny 1 Tesalonianina 5:17, 18 ianao izao. (Vakio.) Mety hijanona kely ianao rehefa avy mamaky an’ireo andininy roa ireo, dia hieritreritra hoe: ‘Impiry aho no mivavaka, dia manao vavaka lalina ve aho?’ Mety hieritreritra an’izay azonao isaorana an’i Jehovah koa ianao. Angamba ianao hanapa-kevitra hoe zavatra telo voafaritra tsara no isaoranao azy. Na dia minitra vitsivitsy hoatr’izay fotsiny aza ianao no misaintsaina, dia efa azo lazaina hoe mpihaino sy mpankatò ny Tenin’Andriamanitra. Eritrereto tokoa ange ny soa ho azonao raha manao hoatr’izany isan’andro ianao rehefa mamaky ampahany ao amin’ny Baiboly e! Vao mainka ianao ho lasa mpankatò ny Tenin’Andriamanitra. Ahoana anefa raha hoatran’ny hoe be dia be ny zavatra mila ezahinao?

MANÀNA TANJONA AZO TRATRARINA

11. Nahoana ianao no mety ho kivy indraindray? Manomeza ohatra.

11 Mety ho kivy ianao indraindray rehefa mamaky Baiboly, satria hitanao hoe be loatra ny zavatra mila ezahinao. Eritrereto izao: Mamaky Baiboly ianao androany, dia mahita torohevitra hoe tsy tokony hanavakavaka. (Jak. 2:1-8) Hitanao hoe mahakasika anao ilay izy, dia manapa-kevitra ianao fa hanatsara ny fifandraisanao amin’ny hafa. Tsara izany! Rahampitso indray ianao mamaky andininy manasongadina hoe zava-dehibe ny mitandrina tsara an’izay lazainao. (Jak. 3:1-12) Tonga saina ianao hoe indraindray miteny zavatra mahakivy na tsy tsara fanahy rehefa miresaka. Tapa-kevitra àry ianao fa hiezaka hanao teny mampahery kokoa. Ny andro manaraka indray ianao mamaky andininy mampitandrina hoe tsy tokony ho naman’izao tontolo izao. (Jak. 4:4-12) Tsikaritrao fa mila mahay mifidy kokoa an’izay fialam-boly ataonao ianao. Kivy ianao amin’ny andro fahefatra rehefa mieritreritra ny zavatra rehetra mila ezahinao.

12. Nahoana ianao no tsy tokony ho kivy raha hitanao hoe be dia be ny zavatra mila ahitsinao? (Jereo koa ny fanamarihana ambany pejy.)

12 Aza kivy raha betsaka ny zavatra mila hatsarainao na ahitsinao. Hita amin’izany mantsy hoe manana toe-po tsara ianao. Mitady an’izay azony hatsaraina ny olona iray manetry tena sy mandini-tena amin’ny saina tsy miangatra, rehefa mamaky ny Soratra Masina. a Tadidio koa fa ezaka mitohy ilay hoe mitafy “ny toetra vaovao.” (Kol. 3:10) Inona àry no hanampy anao ho mpankatò ny Tenin’Andriamanitra foana?

13. Inona no hanampy anao hanana tanjona azo tratrarina? (Jereo koa ny sary.)

13 Aleo manana tanjona vitsivitsy azo tratrarina, toy izay miezaka mampihatra eo no ho eo an’izay rehetra novakinao. (Ohab. 11:2) Azonao andramana izao: Ataovy lisitra izay zavatra mila ezahinao dia iray na roa aloha fidina. Ny ambiny amin’ny manaraka indray ezahina. Fa inona anefa no anombohana azy?

Maninona raha miezaka manana tanjona vitsivitsy azo tratrarina, fa tsy miezaka mampihatra eo no ho eo an’izay rehetra novakinao? Zavatra iray na roa ihany, ohatra, ifantohana (Fehintsoratra 13-14)


14. Tanjona hoatran’ny ahoana no azonao anombohana azy?

14 Mety hanapa-kevitra ianao hoe izay tanjona mora tratrarina aloha no anombohana azy. Na izay hitanao hoe tena mila ezahinao aloha no atao voalohany. Rehefa fantatrao hoe inona ilay tanjonao, dia manaova fikarohana ao amin’ny boky sy gazetintsika. Azonao ampiasaina, ohatra, ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah na ny Fitaovana Fikarohana ho An’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mivavaha momba an’ilay tanjonao, dia angataho i Jehovah hanampy anao “hanana faniriana sy hery hanaovana zavatra.” (Fil. 2:13) Ampiharo avy eo izay nianaranao. Rehefa mahavita miezaka ianao amin’ilay tanjonao voalohany, dia azo inoana hoe hazoto kokoa hanatratra tanjona hafa. Mety ho tsapanao hoe mora kokoa aminao ny hanao fanovana hafa, raha nahavita niova ianao na nihatsara ny toetranao.

AVELAO ‘HISY VOKANY AMINAO’ NY TENIN’ANDRIAMANITRA

15. Inona no tsy mampitovy ny vahoakan’i Jehovah sy ny olona be dia be mamaky Baiboly? (1 Tesalonianina 2:13)

15 Misy olona miteny hoe efa im-be dia be izy no namaky Baiboly. Fa tena mino an’izay voalaza ao ve ry zareo? Ampiharin-dry zareo na avelany hisy vokany eo amin’ny fiainany ve izay vakiny? Mampalahelo fa matetika no tsy izay no izy. Tsy hoatr’izany anefa ny vahoakan’i Jehovah! Miaiky hoatran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika hoe “tenin’Andriamanitra” ny Baiboly, “ary izay tokoa no izy.” Miezaka mafy koa isika mampiseho hoe misy vokany amin’ny fiainantsika izay vakintsika.​—Vakio ny 1 Tesalonianina 2:13.

16. Inona no hanampy antsika ho mpankatò ny Teny?

16 Tsy mora foana ilay hoe mamaky ny Tenin’Andriamanitra sy mampihatra an’izay voalaza ao. Angamba isika sahirana mitady fotoana hamakiana azy io. Na mety hoe mirotoroto be isika mamaky, dia tsy tena misy voaraintsika. Mety ho kivy koa isika mieritreritra ny zavatra rehetra mila ezahintsika. Na inona na inona anefa olana atrehinao dia tsy hoe tampi-dalan-kaleha ianao. Manampy anao handresy an’izany i Jehovah. Enga anie àry isika hanaiky hampiany, dia ho lasa mpankatò ny Teny fa tsy ho mpihaino manadino. Azo antoka hoe ho sambatra kokoa isika, arakaraka ny hamakiantsika ny Tenin’Andriamanitra sy hampiharantsika an’izany eo amin’ny fiainantsika.​—Jak. 1:25.

HIRA 94 Jehovah ô, Misaotra Noho ny Teninao!

a Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Ny Hevitry ny Tanora toa Anao: Famakiana Baiboly.