Faminaniana 6. Fitoriana Maneran-tany

Faminaniana 6. Fitoriana Maneran-tany

Faminaniana 6. Fitoriana Maneran-tany

“Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity.”—MATIO 24:14.

● Any amin’ny nosy iray lavitra be any Pasifika, any amin’ny Vondronosy Tuamotu, no mipetraka i Vaiatea. Misy nosy kely efa ho 80 eran’io faritra io, izay mirefy 802 900 kilaometatra toradroa, nefa 16 000 eo ho eo monja ny mponina any. Tonga tany amin’i Vaiatea sy ny mpiray tanàna aminy anefa ny Vavolombelon’i Jehovah. Tian’izy ireo mantsy ny hizara ny vaovao tsaran’ilay Fanjakan’Andriamanitra amin’ny olona rehetra, na aiza na aiza misy azy ireo.

INONA NO ASEHON’NY ZAVA-MISY? Mandre ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona eran’ny vazan-tany rehetra. Tamin’ny 2010 fotsiny, ohatra, dia 1 600 tapitrisa mahery ny ora lanin’ny Vavolombelon’i Jehovah nitoriana ny vaovao tsara tany amin’ny tany 236. Midika izany fa mitory 30 minitra eo ho eo isan’andro ny Vavolombelona iray. Boky sy gazety ary zavatra hafa miisa 20 000 tapitrisa mahery no novokarin’izy ireo sy nozarainy, tao anatin’ireo folo taona lasa.

INONA NO HEVITRY NY OLONA? Efa an’arivony taona no notorina ny Baiboly.

MITOMBINA VE IZANY? Marina fa maro no nitory ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Fotoana fohy monja anefa ny ankamaroany no nanao izany, ary teo amin’ny faritra kely fotsiny. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa mitory eran-tany amin’ny olona an-jatony tapitrisa, ary voalamina tsara izany. Nitory foana izy ireo, na dia nanohitra mafy aza ny sasany amin’ireo fikambanana matanjaka sy ratsy fanahy indrindra hatramin’izay. a (Marka 13:13) Tsy karamaina koa izy ireo rehefa mitory, fa mahafoy ny fotoanany, ary mizara boky sy gazety maimaim-poana. Fanomezana izay foin’ny olona no mampandeha ny asan’izy ireo.

AHOANA NY HEVITRAO? Torina eran-tany ve ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana”? Ny fahatanterahan’io faminaniana io ve mety hidika fa hisy zavatra tsara hitranga tsy ho ela?

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny video hoe “Nahatoky tao Anatin’ny Fitsapana” sy “Telozoro Volomparasy” (malagasy), ary “Niorina Mafy ny Vavolombelon’i Jehovah Nanoloana ny Fanafihana Nazia” (frantsay), navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Hazoto hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana foana isika, raha mbola mamela antsika hanao izany i Jehovah. Hitady ny fomba rehetra hitoriana amin’ny olona isika.”—DIARIN’NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH 2010.