Aleo Tsotra Ihany HANDEFA Aleo Tsotra Ihany Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka: Tononkira Misy Naoty 1. Toa mamiratra izay jerena, Nefa efa fantatro io fa hafetsena. Raha hasambarana no antenaina, Ny fahafahanao gejainy. (FIVERENANA) Tsy aleo ve tsotra e? Dia afa-po amin’izay eo. Aleo tsotra e, dia tsy ho fay. Fa io raha tsotra e, Ho faly ianao fa jereo. ’Zay ilainao ’nie dia hain’ny Ray. 2. Raha misy trano azo atoriana, Ary sakafo sy fitafiana, ’Ndao re isika mba hianina amin’izany, Dia hilamin-tsaina sy ho tony hatrany. (FIVERENANA) Tsy aleo ve tsotra e? Dia afa-po amin’izay eo. Aleo tsotra e, dia tsy ho fay. Fa io raha tsotra e, Ho faly ianao fa jereo. ’Zay ilainao ’nie dia hain’ny Ray. (TETEZANA) ’Zay ho rahampitso ’nie tsy hay, Fa Jehovah tsy handao na oviana. Izy tia sy miahy toy ny ray, Vatolampy azo itokiana, Hanome fitahiana! 3. Ny fiainanao raha toa ka tsotra foana, Ianao ho maivana eny mandavan-taona, Hahavita hifantoka amin’ny fanompoana Satria tsy hoe roa no indray tompoina. (FIVERENANA) Tsy aleo ve tsotra e? Dia afa-po amin’izay eo. Aleo tsotra e, dia tsy ho fay. Fa io raha tsotra e, Ho faly ianao fa jereo. Tazòny ho tsotra e! (FIVERENANA) ’Ndao atao tsotra e! Dia ’zay misy eo no ifaliana, Mba tsy ho maro be no indray ahina. Dia tadidio hoe Jehovah eo lalandava, Ary izy hanome izay sahaza! Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Aleo Tsotra Ihany HIRA Aleo Tsotra Ihany Tenin’ny Tanana Malagasy Aleo Tsotra Ihany https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014397/univ/art/1014397_univ_sqr_xl.jpg