Hiara-hihoby ny Olona Rehetra HANDEFA Hiara-hihoby ny Olona Rehetra Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka: Tononkira Misy Naoty 1. Tomany ombieny ombieny, Atopan’ny onjany eny. Ny ady atao ihany, tsy hay ny hiafarany. Mba te hiadana f’indrisy... Tsy hita izay hombana, Ny olana tsy azo ialana. Vahaolana iray no homen’ny Ray: Tontolo iray tena hisy! (FIVERENANA) ’Zay eto an-tany Ho iray ihany! Dia amin’ny fo, Hiray feo avokoa Hihoby an’i Jehovah. 2. Tsy nofinofy izany, Efa izay no fikasany. Fa izy dieny izao dia hanampy anao, Ny fiadanany hikoriana. Ianao na mitaraina, Ho tony, hilamin-tsaina; Satria izy hamaha ’zay ahiahy, Mandalo izay iadiana. (FIVERENANA) ’Zay eto an-tany Ho iray ihany! Dia amin’ny fo, Hiray feo avokoa Hihoby an’i Jehovah. (TETEZANA) Hofoanan’i Kristy ’Zay nangeja hatrizay. Ireo nodimandry ho velona indray, Hiadana, hiara-paly, Hanompo an’i Jehovah! (FIVERENANA) ’Zay eto an-tany Ho iray ihany! Dia amin’ny fo, Hiray feo avokoa. ’Zay eto an-tany Ho iray ihany! Dia amin’ny fo, Hiray feo avokoa Hihoby an’i Jehovah. To ihany ny fikasany! Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Hiara-hihoby ny Olona Rehetra HIRA Hiara-hihoby ny Olona Rehetra Tenin’ny Tanana Malagasy Hiara-hihoby ny Olona Rehetra https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014385/univ/art/1014385_univ_sqr_xl.jpg