Andao Hinamana toy ny Taloha

Andao Hinamana toy ny Taloha

Haka

  1. 1. Namela fery ’lay nataonao,

    Mangirifiry hatram’izao.

    Raha ny hanadino na hoe hamela,

    Tsy tiako hatao nefa tsy mety,

    Tsy mba mety.

    (FIVERENANA)

    Aleo alamina am’izay

    ’Reo disadisa hatram’izay.

    ’Ndao avela eo ny lolompo;

    ’Zaho ho namanao toy ny taloha.

  2. 2. Ny hadisoanao tsy hotanisaiko.

    ’Zay tsara ihany no holalaiko.

    ’Zaho koa ’ndraindray mba disodiso ihany;

    Jehovah anefa dia mamindra fo

    hatrany.

    (FIVERENANA)

    Aleo alamina am’izay

    ’Reo disadisa hatram’izay.

    ’Ndao avela eo ny lolompo;

    ’Zaho ho namanao toy ny taloha.

    (TETEZANA)

    ’Zao ihany aho dia ho any.

    Tsisy an-kiandriandry, fa izao dia izao.

    ’Zaho tsy te harary intsony,

    Fa te ho tony, te ho namanao.

  3. 3. Manomboka eto, izaho sy ianao,

    Hifankatia, tsy hifandao.

    Jehovah hitsiky mahita antsika

    Manadino sy mamela ny lasa

    homba ny lasa.

    (FIVERENANA)

    Aleo alamina am’izay

    ’Reo disadisa hatram’izay.

    ’Ndao avela eo ny lolompo;

    ’Zaho ho namanao toy ny taloha.

    ’Zaho ho namanao akaikin’ny fo.

    ’Zao ihany aho dia ho any!