Eo Ambany Elany Aho HANDEFA Eo Ambany Elany Aho Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka Tononkira Misy Naoty 1. Vao maraina be aho, dia niomana handeha; Namaky Baiboly, nivavaka hoe: “Ry Jehovah ô, zareo mandrara ahy tsy hitory, Fa ianao no ekeko, tsy olona akory!” (FIVERENANA) ’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy. Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy? Efa eo ambany elany aho, ka ’zaho tsy hanahy. 2. Namonjy fodiana aho, f’efa hariva ihany! Dia mbola tsaroako ilay olona androany, Fa nilofika toa voninkazo efa ho faty. ’Ndeha holazaiko azy ilay hoavy atsy ho atsy! (FIVERENANA) ’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy. Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy? Efa eo ambany elany aho, ka ’zaho tsy hanahy. (TETEZANA) Toa misy afo mirehitra ato am-poko ato. Tsy tanako fa tiako hanako. Raha tsisy baiko hoe vita am’izay, Dia ’zaho mbola hitory ny anarany indray! Toy ’reo rahalahy sy anabavy milofo, Tsy manaiky ho resy, fa manohy miady; Ny ahy ny finoako tsy havelako hiofo, Hoentiko hiatrika izay mbola ho avy! 3. Ity alina mangina efa hatory, Dia nisaotra azy aho nahavita nitory. Raha ny havoakan’ny ampitso, mbola tsy hay! Fa Jehovah aloha ho eo, mandrakizay! (FIVERENANA) ’Zay aho fa tony ihany, Toa voronkely tsy misy ahiahy. Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy? Efa eo ambany elany aho, nahoana aho no hanahy? Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Eo Ambany Elany Aho HIRA Eo Ambany Elany Aho Tenin’ny Tanana Malagasy Eo Ambany Elany Aho https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014365/univ/art/1014365_univ_sqr_xl.jpg