Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona HANDEFA Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona Miala tsiny fa tsy mety misokatra ilay izy. Haka An'ity Video Ity Hamoaka ny Soratra Hanafina ny Soratra Soratra Sary Haka Tononkira Misy Naoty 1. Rivotra mitsoka mora avy any ho any; Iny ilay masoandro, hizara ny hafanany. Manopy manja izay loko iantefany. Na tsotra aza tsara! Kanto anie izany! Nahoana aho moa No omenao izao? Tsy mendrika aloha, Fa te hisaotra anao. (FIVERENANA) Jehovah ô, misaotra Fa izay nataonao Tsara loatra. Dia fitiavana izao. Tiako holazaina, Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao Sy ’reo zava-kanto avy aminao. Misaotra anao aho. Misaotra anao aho. 2. Io ranomasina io mbola fahagagana, Feno loko, feno aina, sy feno hatsarana. ’Lay somambisamby nataonao hoso-doko. Ny kintana aza mahababo ny foko. Inona moa No havaliko izao? Ity hiran’ny fo No atolotro ho anao. (FIVERENANA) Jehovah ô, misaotra Fa izay nataonao Tsara loatra. Dia fitiavana izao. Tiako holazaina, Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao Sy ’reo zava-kanto avy aminao. Misaotra anao aho. (TETEZANA) Ny fahendrenao sy herinao, Asehon’izao rehetra izao. Tia anay ianao! Misaotra anao aho. Misaotra anao aho. (FIVERENANA) Jehovah ô, misaotra Fa izay nataonao Tsara loatra. Dia fitiavana izao. Tiako holazaina, Tiako hiraina fa mamy ny miaina, noho ianao Sy ’reo zava-kanto avy aminao. Misaotra anao aho. Misaotra anao aho. Hisaotra anao foana aho. Hiverina Manaraka Hanao Pirinty Hizara Hizara Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona HIRA Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona Tenin’ny Tanana Malagasy Hira Iray Hisaorana An’ilay Mpamorona https://cms-imgp.jw-cdn.org/img/p/1014311/univ/art/1014311_univ_sqr_xl.jpg